Go to full page →

Toko 6 — Havoana Hanihina HAT 23

Ry tanora malala, inona no faniriana sy tanjon’ny fiainanao? Fanabeazana hahazoana voninahitra sy toerana eto an-tany ve? Misy eritreritra ve ao aminao, izay tsy sahinao lazaina, hanatratra indray andro any ny fara tampon’ny fahalehibeazana ara-tsaina, ka hipetraka ao amin’ny fivoriana fiheveran-draharaha na fanapahana, hamoaka lalàna ho an’ny firenena? Tsy misy ratsy akory amin’izany faniriana izany. Tokony samy hamela soritra ianareo tsirairay avy. Tsy tokony hionona amin’ny tanjona ambany ianao. Maniria izay ambony, ary aza mikely soroka hahatrarana ny tanjona. HAT 23.1