Go to full page →

Ny Fivavahana Fototry ny Fiainana HAT 23

Fototry ny fahalehibeazana marina ny fahatahorana an’i Jehôvah. Ny fahitsiana, dia ny fahitsiana tsy miova, no foto-kevitra ilainao amin’ny fifandraisana rehetra eo amin’ny fiainana. Ampidiro ao amin’ny fiainanao any an-tsekoly, any amin’ny kilasimandry, amin’ny ezaka rehetra ataonao ny fivavahanao. Ny fanontaniana lehibe ho anao ankehitriny dia ny hoe: atao ahoana ny hifidy sy hanohy fianarana nefa hihazona ny fahamatorana sy ny fahadiovan’ny toetra kristianina tsy azo hozongozonina, mampilefitra ny tombontsoa sy fiahian’izao fiainana izao eo ambany fifehezan’ny fitakian’ny filazantsaran’i Kristy ambony kokoa? HAT 23.2

Ilainao ny manorina ankehitriny izay hahafahanao mifandray amin’ny tontolo misy anao izao sy hanananao fiainana araka izay tanjon’Andriamanitra raha namorona anao Izy. Amin’ny maha-mpianatr’i Kristy anao, dia tsy sakanana amin’ny fanatrarana tanjona mikasika ny fiainana ankehitriny ianao; fa tokony hiaraka aminao mandrakariva ny fivavahanao. Na inona na inona asa anananao fahaiza-manao, dia aoka tsy hisaina velively fa tsy maintsy miala amin’ny foto-kevitra tanana ianao raha te hahita fahombiazana. HAT 23.3