Go to full page →

Hery Hiatrika Ady HAT 294

Manimba ny toetry ny ankizy tokoa ny vanin’andro ankehitriny. Misy rivo-doza mitsoka manosika azy ireo ho any amin’ny fahaverezana: mila hery ambony noho izy ireo hanafaka azy amin’izany. Ny ankamaroan’ireo babon’i Satana dia tanora Kristianina tokony hanandratra ny fo amam-panahiny ho eo amin’Andriamanitra vao manaraka ireo adidy aman’andraikitra maro samy hafa ao an-tokantrano. Tokony hianatra hanaja ny oran’ny fanompoam-pivavahana ny ankizy. Tokony hivondrona ka hivavaka ny mpianakavy alohan’ny hiaingana ao an-tokantrano SY alohan’ny hamonjena ireo asa aman-draharaha any ivelany: adidin’ny ray izany, ary raha tsy eo izy dia andraikitry ny reny, ny mangataka ny fiarovan’ny Tsitoha ho an’ny tontolo andro (...) HAT 294.2