Go to full page →

Andraikitry ny Tsirairay HAT 295

Rankizy, nomen’Andriamanitra andraikitra ny ray aman-dreny hanoro sy hampianatra anao ny fitsipi-piainana tsara indrindra, mba hamolavolana ny toetrao hifanaraka amin’ny sitrapon’ny lanitra. Anareo anefa ny teny farany: tombontsoa lehibe ho anareo ny fanananareo ray aman-dreny mivavaka mandohalika ho anareo isan’andro isan’alina. Ny fiahiahian’izy ireo sy ny fiangaviana ataony aminareo dia tsy antoka hahavoavonjy anareo. Andraikitrao manokana izany. Manana adidy amin’izany ny tsirairay amintsika. HAT 295.1

Ry ray aman-dreny mivavaka, manana andraikitra sy adidy goavana ianao hanoro lalana sy hitarika ny zanakao, eny, na dia hanampy azy amin’ny fanandraman’ny fivavahana aza. Rehefa nianatra ny tena ho tia an’Andriamanitra izy ireo dia ho faly hankasitraka sy hanaja anareo eo am-pieritreretana ny fahatokiana nasehonareo sy ny fitarihanareo ary ny fikarakaranareo azy tamin’ny zava-tsarotra nolalovany sy ny nitarihanareo ny sitrapony. — TFC, b.1, tt. 391-403. HAT 295.2