Go to full page →

Toko 114 — Tanora Zazalahy Miatrika Adidy HAT 296

Misy ny tovolahy no manao tsinontsinona ny adidy ao an-tokantrano. Tsy mba nianatra ny hanao izany adidy masin’ny fianakaviana izany izy. Manana reny mahatoky izy izay manana fandavan-tena manao ny asa ao an-tokantrano kanefa dia tsy tokony havelan-janany hanao izany izy. Vokatr’izany: tsy mba manaja ny reniny izy, tsy mba mandray anjara amin’ny adidy ataon’ny rainy ihany koa. Avelany ho an’ny ray aman-dreny irery ny adidy aman’andraikitra rehetra. Vokatr’izany: tsy misy ny fanajana azy ireo. HAT 296.1

Maneho toe-tsaina tia tena sy tsy mandray anjara amin’ny adidy sy andraikitra ary ny enta-mavesatra ao an-tokantrano izy ireny, kanefa ireny no adidy masina tsy maintsy atao mba hampahomby ny fiainan-tokantrano. Tsy azony mihitsy ny hoe tsy maintsy mandray andraikitra amin’ny zava-bitika indrindra izy ireo; tsy tsapany hoe tsy maintsy manao izany adidy izany izy ireo manoloana ny ray aman-dreniny, tsy maintsy mahatoky sy mahatsapa tena amin’ny fanatanterahana izany adidy izany izy ireo. Tsy mba mianatra ireo zavatra madinidinika kanefa tena ilain’ny fiainana ihany koa izy ireo. HAT 296.2