Go to full page →

Toko 131 — Fialam-Boly Kristianina HAT 336

Raha eo am-pitadiavana ny fanavaozana indray ny saina sy hampatanjaka ny vatana isika, Andriamanitra dia mitaky ny fampiasana tsara ny fahafahantsika. Ny fialan-tsasatra izay ataontsika dia tokony hanomana antsika ho afaka hanao tsara indray ny andraikitra sy hiteraka hery miasa mangina tsara ho an’ireo manodidina antsika. Rehefa hody any an-tranontsika isika, dia tokony ho feno hery vaovao ny vatana sy saina, vonona hamerina antsika amin’ny asa indray feno herim-po sy fanantenana (...) HAT 336.1

Nirahin’Andriamanitra hanao soa ho an’ny olona isika, kanefa raha fenoina zava-dratsy ny saina, tahaka ireo izay tsy mitady afa-tsy ny hafaliana sy ny hadalana, dia amin’ny fomba ahoana no hahatrarantsika ny tanjona? (...) HAT 336.2