Go to full page →

Toko 150 — Fikambanana amin’ny Tsy Mpino HAT 384

Ry rahavavy malala, nampahafantarina ahy ny fikasanao hanambady olona izay tsy iray finoana ara-pivavahana aminao, ary matahotra aho sao dia tsy voalanjalanjanao tsara izany zava-dehibe manan-danja izany. Mialoha ny hanaovanao dingana izay mety hisy fiantraikany amin’ny fiainanao ho avy rehetra, mampirisika anao aho mba handinika io lohahevitra io amin’ny fanapahan-kevitra feno fitandremana sy vavaka. Ho loharanon’ny tena fifaliana ve io fifandraisana io? Hanampy anao eo amin’ny fiainana kristianina ve izany? Hankasitrahan’Andriamanitra ve izany? Ho ohatra azo antoka harahin’ny hafa ve ianao? — MYP 439.1. HAT 384.2