Go to full page →

Toko 15 — Ny Tempolin’ny Fanahy HAT 48

Hisy vokany mampitolagaga hanandratra sy hampivelatra ary hampahatanjaka ny herin’ny olona ny fankatoavana feno finoana ireo fitakian’Andriamanitra. Ireo izay nanokan-tena hiasa ho an’ny tanora amin’ny fanompoana an’Andriamanitra dia ho hita ho olona manana fahaiza-mandanjalanja sy fahatakarana hendry. Ary nahoana moa no tsy tokony ho izany? Hanatanjaka ny fahendrena sy hampahazava ny saina ary hanadio ny fo — hanondrotra sy hanadio ary hanamasina ny maha-olona manontolo -ny firaisana amin’Ilay Mpampianatra lehibe indrindra nisy teto an-tany. «Mahazava ny famoahana ny hevitry ny teninao ka manome fahalalana ho an'ny kely saina». HAT 48.1