Maro amin’ny tanora izay milaza fa manaraka an’Andriamanitra no manana fiainana mifanipaka amin’izany. Tsy ahitana fandrosoana akory amin’ny fahalalany sy ny toe-panahiny izy ireo. Tsy mitombo fa mihabotry ny heriny. Kanefa marina eo amin’ny fiainan’ny tena Kristianina ny tenin’ny mpanoratra Salamo. Tsy ny tenin’Andriamanitra amin’ny maha-teny azy no manome fahazavana sy fahalalana, fa ny teny ekena sy ampiharina amin’ny fo amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Tonga zanaka sy mpiombona amin’ny toetran’Andriamanitra ny olona niova fo marina. Tsy ny fo ihany no voaova fa nahazo hery sy aina ny saina. Maro ny ohatr’ireo olona izay teo ho eo ihany tamin’ny fahaizana talohan’ny fiovam-pony, nefa niova tanteraka kosa taorian’izany. Naneho fahatakarana mahagaga ny fahamarinana raketin’ny tenin’Andriamanitra izy ireo, ary nahay naneho izany koa tamin’ny hafa. Nihevitra ny olona manan-tsaina ambony maro fa tombontsoa ny fifandraisana tamin’ireo. Tara-pahazavana mamiratra no nalefan’ilay Masoandron’ny Fahamarinana tao an-tsainy, namoha ny hery rehetra nananany hanao asa maro mavitrika. HAT 48.2
Hanao asa lehibe ho an’ny tanora Andriamanitra raha manaiky ny fanampian’ny Fanahy Masina ireo handray ny tenin’Andriamanitra ao am-po sy hankatò izany eo amin’ny fiainany. Mikatsaka hatrany ny hisintonana azy ireo ho eo Aminy Izy, hanatona ilay loharanon’ny fahendrena rehetra, ny loharanon’ny fahatsarana sy ny fahadiovana ary ny fahamarinana. Misandratra ambony ny saina mifantoka amin’ny lohahevitra ambony HAT 49.1