Go to full page →

Azy ny Herintsika Rehetra HAT 52

Eo amintsika ny marik’Andriamanitra. Novidiny isika, ary maniry Izy ny hahatsiarovantsika fa ny herintsika ara-batana, ara-tsaina sy ara-panahy dia Azy. An’Andriamanitra ny fotoana, ny hery miasa mangina, ny fisainana, ny fironan’ny fo, ny feon’ny fieritreretana, ary araka ny sitrapony ihany no tokony hampiasana azy. Tsy araka ny fironan’izao tontolo izao no hampiasana azy; satria eo ambany fitarihan’ny fahavalon’Andriamanitra izao tontolo izao. HAT 52.1

An’Andriamanitra ny vatana izay tempolin’ny Fanahy. Azy ny hery sy ny hozatra tsirairay Aoka tsy hiraharaha na hampiasa tsy amim-pahendrena ka hanimba na dia taova iray aza isika. Tokony hiara-miasa amin’Andriamanitra isika amin’ny fihazonana ny vatana ho salama, mba ho tempoly azon’ny Fanahy Masina hitoerana, ka hikolokolo ny hery ara-batana sy ara-panahy araka ny sitrapon’Andriamanitra. HAT 52.2

Tokony hofenoina foto-kevitra madio ny saina. Tokony hosoratana eo amin’ny vato fisaky ny fanahy ny fahamarinana. Ireo fahamarinana sarobidy ao amin’ny Soratra Masina no tokony hamenoana ny fitadidiana. Ary ho tahaka ny vatosoa mamirapiratra ao amin’ny fiainana ireny fahamarinana ireny. HAT 52.3