Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 3 — Mitady ny Fifaliany

    Manana asa manokana hatao ho antsika tsirairay ny Tompo. Eo am-pahitana ny faharatsiana misy eto amin’izao tontolo izao hoentina hotsaraina sy havoaka an-gazety isan’andro, dia aoka isika hanatona akaiky an’Andriamanitra, ary amin’ny finoana velona, andeha hitoky amin’ny teny fikasany, mba ho hita ao amintsika ny fahasoavan’i Kristy. Afaka hanana hery miasa mangina, miasa amin-kery eto amin’izao tontolo izao isika. Afaka hitarika fanahy avy ao anaty fahotana ho amin’ny fiovam-po isika, raha ao anatintsika ny herin'Andriamanitra manintona.HAT 14.2

    Hahavita be amin’ity asa ity ny fahatsorantsika. Tsy natao hanandrana hananika toeram-boninahitra ambony isika, na hitady dera avy amin’ny olona. Tsy ny ho eo amin’ny toeram-boninahitra no tanjontsika. Ny voninahitr’Andriamanitra irery ihany no tokony hobanjinintsika. Natao hiasa amin’ny fahendrena rehetra nomen’Andriamanitra isika, mipetraka eo amin’ny lalan’ny fahazavana, hidinan’ny fahasoavan’Andriamanitra amintsika hamboatra sy hamolavola antsika hanahaka Azy. Miandry ny fotoana handrotsahana fitahiana feno amin’ireo izay hanokan tena hanao ny asan’Andriamanitra amin’izao andro faran’ny tantaran’izao tontolo izao izao ny lanitra. Hozahan-toetra sy hotsaraina isika; mety hantsoina hiambina mandritra ny alina isika, nefa aoka holanina amin’ny vavaka mafana amin’Andriamamtra ny fotoana toy izany, hanomezany fahendrena hamantaran’ny saintsika indray ireo tombontsoa ananantsika. — RH, 1 Ap. 1909.HAT 14.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents