Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 36 — Fanandramana Velona

    Notafin’ny Tompon’ny aina sy ny voninahitra tamin’ny maha-olombelona ny maha-Andriamanitra Azy, mba hanehoana amin’ny olona fa hampifandray antsika Aminy amin’ny alalan’ny fanomezana an’i Kristy Andriamanitra. Raha tsy misy fifandraisana amin’Andriamanitra dia tsy misy na dia iray aza afaka ny ho sambatra. Natao hianatra ny olombelona lavo fa tsy afaka ny ho afa-po ny Raintsika any an-danitra raha tsy mandrakotra, ny mpanota mibebaka, novaina tamin’ny alalan’ny fahamendrehan’ny Zanak’ondry tsy misy kilema, ny Fidavany.HAT 112.3

    Ho amin’izany tanjona izany ny asan’ireo mpitsikilon’ny lanitra. Eo ambany fibaikoan’ny jeneralin’izy ireo dia natao hiasa hitady ireo very, dia ireo izay nahatafasaraka ny tenany tamin’ny Rainy any an-danitra noho ny fandikan-dalàna izy ireo. Drafitra iray no novolavolaina mba hitoetra ho hitan’izao tontolo izao ny fahasoavana mahagaga sy ny fitiavan’i Kristy. Tao amin’ny vidiny tsy manam-petra naloan’ny Zanak’Andriamanitra ho onitra hanavotana ny olona no nisehoan’ny fitiavan’Andriamanitra. Ampy hamonjena izao tontolo izao manontolo io drafi-panavotana be voninahitra io. Azo atao ho tanteraka ao amin’i Jesôsy Kristy ireo olona feno fahotana sy lavo, amin’ny alalan’ny famelana ny fahotany sy ny fanisana ny fahamarinan’i Kristy ho azy ireo.HAT 113.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents