Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    TOKO VIII—Fitomboana ao amin’ i Kristy

    Lazain’ ny Baiboly ho toy ny fiterahana ny fiovam-po, izay mahatonga antsika ho Kristiana. Ary koa ampitahainy amin’ ny voa tsara afafin’ ny mpamboly izy. Toy izany indrindra ny olona vao mino an’ i Kristy, “tahaka. ny zaza vao teraka 1 1 Pet.2:2 ; Efes.415”, ka tsy maintsy “hitombo 1 1 Pet.2:2 ; Efes.415” ho lehilahy sy vehivavy lehibe ao amin’ i Kristy. Na tahaka ny voa tsara nafafy tany an-tsaha, ka tsy maintsy mitombo sy mamoa. Lazain’ i Isaia, fa izy ireny dia hatao hoe: “Hazon’ ny fahamarinana, nambolen’ i Jehovah ho fampisehoam-boninahitra 2Isa.61:3 ;.” Koa dia avy amin’ ny zavaboahary no akana ohatra hahalalantsika tsaratsara kokoa ny fahamarinana miafina ananan’ ny aina ara-panahy.NK 61.1

    Tsy mahaforona aina,na dia amin’ ny zavatra kely indrindra amin’ ny zava-boahary aza, ny fahendrena amam-pahaizana rehetra ananan’ ny olombelona. Avy amin’ ny aina izay efa nomen’ Andriamanitra ihany no iveloman’ ny zava-maniry sy ny biby. Toy izany koa ny aim-panahy, avy amin’ Andriamanitra ihany no miteraka aim-panahy ao am-pon’ ny olona. Raha tsy “ateraka avy any ambony 3Jao. 3:3(an-tsisiny)” ny olona, dia tsy manana anjara amin’ ny aina izay nomen’ i Kristy izy.NK 61.2

    Ary tahaka ny amin’ ny aina ihany koa ny amin’ ny fitomboana. Andriamanitra ihany no mahatonga ny tsimoka hivelatra, ary ny voniny hanjary voa. Ny heriny ihany no mampaniry ny voa, “voalohany misy tahony, dia teraka, ary rehefa izany dia feno voa 4 Mar.4:28.” Ary lazain’ i Hosea mpaminany. fa ny Israely dia “hamóny tahaka ny lilia” — “Dia hampahavokatra vary indray, ary haniry tahaka ny voaloboka 5Hosea 14:6,8.” Hoy koa Jesosy amintsika : “Hevero ny fanirin’ ny voninkazo 6Lio. 12:27”. Tsy maniry, na mitombo araka ny safidim-pony, na araka ny herin’ ny tenany ny zava-maniry sy ny voninkazo, fa araka ny andraisany izay zavatra efa nomen’ Andriamanitra hahavelona azy. Tsy hain’ ny zaza ny hanampy ny halava sy haben’ ny tenany, na toy inona na toy inona fanahiana sy hery ananany. Toy izany koa, tsy hahazo fitomboana ara-panahy hianao, noho ny fanahiana, nanoho ny fiezahan’ ny tenanao. Ny zava-maniry sy ny zaza dia mitombo noho ny fandraisany zavatra mahatonga ny ainy avy amin’ ny manodidina azy, dia rivotra, hainandro, hanina. Ary tahaka ny asan’ ireny zavatra ireny amin’ ny biby sy ny zava-maniry no nsan’ i Kristy amin’ izay matoky Azy. Izy no “fanazavana azy mandrakizay, ary Masoandro sy Ampinga 1Isa.60:19; Sal. 84:11;”. “Ho tahaka ny ando amin’ ny Israely Izy”. “Hidina tahaka ny ranonorana amin’ ny saha voajinja Izy”. Izy no ranon’ aina “mofon’ Andriamanitra Izay nidina avy an-danitra, ka manome fiainana ho an’ izao tonlolo izao 2 Hosou 14:5;Sal.72:6 Jao.6:33NK 61.3

    Tamin ny nanomezan Andriamanitra ny Zanany, Ilay fanomezana tsy misy ton azy, dia efa nohodidininy aeram pahasoavana, toy ny anodidinan’ ny rivotra ny tany rehetra, izao tontolo izao izay rehetra mety miaina amin’ izany aera mahavelona izany, dia ho velona sy hitombo ho lehilahy lehibe sy vehivavy lehibe ao amin’ i Kristy .NK 62.1

    Toy ny voninkazo mitodika amin’ ny masoandro mba hahazoany ny tanamasoandro, hanatanteraka ny hatsaran tarehinv sy nv bikany, dia toy izany koa no tokony hitodihantsika, amin’ Hay Masoandron’ nv Fahamarinana, mba hahazoantsika ny fahazavan’ ny lanitra hamirapiratra amintsika, hampamdroso ny toe-panahintsika amin’ ny fanahafana an’ i Kristy.NK 62.2

    Zavatra toy izany koa no ampianarin’ i Jsosy amin’ ilay teniny hoe : “Tomoera amiko ary Izaho aminareo, Tahaka ny sampana tsy mahay mamoa ho azy, raha tsy miray amin’ ny voaloboka izy, dia toy izany koa hianaroo, raha tsy miray amiko........Fa raha misaraka amiko kosa hianareo, dia tsy mahay ma-nao na inona na inona : 3 jao.I5:4,5.” Tahaka nv ikambanan’ ny sampana amin’ ny vatana, mba hitomboany sy hamoazany no tsy maintsy ikamnanana amin’ i Kristy mba hananana toe-piainana masina. Raha misaraka aminy hianao, dia tsy manana aina, sady tsy manan kery hanoherana ny fakam-panahy, na hitomhonna amin’ ny fahasoavana sy ny fahamasinana. Italia mitoera ao aminy kosa din hahavokatra. Raha mahazo aina avy aminy hianao, dia tsy halazo, na tsy hahavanom-hoa, fa ho tahaka ny hazo ambolena eo amoron’ ny rano volona.NK 62.3

    Maro ny olona mihovitra fa ny tenany ihany no tsy maintsy manao amin’ ny raharaham-pamonjena azy, Matoky an’ i Kristy izy, raha ny amin’ ny famelan-keloka, nefa miantehitra amin’ ny herin’ ny tenany kosa mba ho tonga tsara tootra. Tsy ho foana anefa ny hery rehetra toy izany Hoy Jososy hoo : “Raha misaraka amiko hianareo dia tsy mahay manao na inona na inona”. Ny fitomboantsika amin ny fahasoavana, sy ny fifaliantsika, ary ny fahavitantsika soa, dia samy miankina amin’ nv fikambanantsika amin’ i Kristy avokoa. Ary noho ny firaisantsika aminy isan’ andro sy isan’ ora, — eny, noho ny fitoerantsika ao aminy, — no itomboantsika amin’ ny fahasoavana. Tsy Tompon’ ny finoantsika ihany Izy, fa Mpanefa azy koa. Kristy no voalohany sy farany ary mandrakariva. Homba antsika Izy, tsy amin’ ny voaloban’ ny dianlsika ihany, na ny farany, fa isaky ny mandingana eny an-dàlana. Hoy Davida hoe : “Ataoko eo anatrehako mandrakariva Jehovah. Fa eo an-kavanako Izy, ka dia tsy hangozohozo aho 1Sal.16:8;. ”NK 62.4

    Hanontany angaha hianao, ka hanao hoe : “Alaoko ahoana no fitoetra eo amin’ i Kristy ?” Ataovy toy izay nandraisanao Azy tamin’ ny voalohany ihany. “Koa tahaka ny nandraisanareo an’ i Kristy Jesosy Tompo, dia mandehana ao aminy araka izany koa”. “Ny marina dia ho velon’ ny.finoana 2 Kolos. 2:6; Heb.10:38.” Nomenao ho an’ Andriamanitra ny tenanao manonlolo, hanompo sy hankatò Azy, ary nekenao ho Mpamonjy anao Kristy. Tsy liainao ny hisolo heloka ny tenanao, na hanova ny fonao nefa rehefa natolotrao ho an’ Andriamanitra ny tenanao, dia inoanao fa nanao izany rehetra izany ho anao tamin’ ny alàlan’ i Kristy Izy.NK 63.1

    Noho ny finoana dia tonga an’ i Kristy hianao, ka hitombo ao aminy amin’ ny anomezanao ny tenanao ho Azy sy andraisanao ny tenany ho anao. Tsy maintsy omenao avokoa ny zavatra rehetra — dia ny fonao, ny safidinao, ny herim-ponao. Omeo Azy ny tenanao hankató izay rehetra asainy atao. Ary koa tsy maintsy raisinao ny zavatra rehetra, dia Kristy Hay fahafeuoan’ ny fitahiana rehetra, mba hitoetra ao am-ponao sy mba ho tanjakao, ho fahamarinanao, ho mpanampy anao mandrakizay, ary mba hanome anao hery ho enti-mankató.NK 63.2

    Manokàna ny tenanao ho an’ Andriamanitra amin’ ny maraina izany no ataovy voalohan-draharahanao indrindra. Aoka ny fivavahanao ho toy izao : “Raiso aho, Tompo ó, ho anao manontolo. Ny fikasàko rehetra apetrako eo an-tongotrao. Ampiasao amin’ ny fanompoana anao aho anio. Tomoera amiko. ary aoka ny asako rehetra hatao ao aminao.” Zavatra tokony hatao isan’ andro izany. Isa-maraina dia manokàna ny tenanao ho an’ Andriamanitra mandritra io andro io. Atolory Azy ny fikasànao rehetra, mba hotanterahina, na hajanona araka ny fandaharana ataony ho mety. Mametraka ny fiainanao isan’ andro isan’ andro ho eo am pelatànan’ Andriamanitra hianao, raha manao izany ary amin’ izay, dia ho voamboatra lalandava ho tonga tahaka ny fiainan’ i Kristy ny fiainanao.NK 63.3

    Fiainana feno fiadanana ny fiainana ao amin’ i Kristy. Mety tsy hisy fahatsiarovana fiamboniana amin’ izany, nefa kosa ao ny fahatokiana sy ny fiadanam-po maharitra. Ao amin’ i Kristy ny fanantenanao, fa tsy ao amin’ny tenanao. Ny fahalemenao dia akambana amin’ ny heriny ny fahadalanao amin’ ny fahendreny, ary ny fahosanao amin’ ny fahatanjahany. Noho izany, dia tsy tokony hijery ny tenanao hianao, na hamela ny saina hiantehitra amin’ ny tena, fa hijery an’ i Kristy. Aoka ny saina hiantehitra amin’ ny fitiavany, amin’ ny hatsarana sy ny fahatanterahan’ ny toetrany. Kristy tao amin’ ny fandavan-tenany, Kristy tao amin’ ny fanetren-tenany, Kristy tao amin’ ny fahadiovany sy ny fahamasinanv, Kristy tao amin’ ny fitiavanv tsy misy toa azy — izany no zavatra tokony hosaintsainin ny fanahy. Ny fltiavana Azy, ny fakan-tahaka Azy, ny fiankinana aminy tanteraka no mahatonga anao ho tahaka Azy.NK 63.4

    Hoy Jesosy hoe : “Tomoera amiko.” Mampiseho fitsaharana sy tsy fiovaovana ary fahatokiana izany teny izany. Mangataka antsika koa Izy, ka manao hoe : “Mankanesa aty amiko fa Izaho no hanome anareo fitsaharana 1 Mat. 11:28 ;.” Toy izany koa ny tenin’ ny mpanao Salamo, manao hoe : “Miantomhena tsara miandry an’ i Jehovah hianao, ka manantenà Azy 2Sal. 37:7 ;.” Ary hoy koa ny toky omen’ Isaia : “Amin’ ny fanginana sy ny fahatokiana no hisian’ ny herinao 3Isa. 30:15 ;.” Tsy hita ao amin’ ny lidonanaham-poana tsy akory izany litsaharana izany, satria amin’ ny fangatahan’ i Kristy antsika, dia akambany amin’ ny fiantsoana hiasa ny litsaharana izay kasainy homena, fa hoy izy hoe : “Ento ny ziogako.... dia hahita litsaharana ho an’ ny fanahinareo hianareo 4Mat. 11:29..” Ny fo izay tena mahita litsaharana tanteraka indrindra ao amin’ i Kristy no hafana sy harisika indrindra hiasa ho Azy.NK 64.1

    Miala amin’ i Kristy Ilay loharanon’ ny hery sy ny aina ny saina, raha miantehitra amin’ ny tena. Ka noho izany, dia mikely aina lalandava Satana, mba hampiala ny saina amin’ ny Mpamonjy, ka hisakana ny fikambanana sy ny firaisan’ ny fanahy amin’ i Kristy. Ny fahafinaretan’ izao tontolo izao, ny liahiana sy ny fahasahiranana, ary ny fahoriana amin’ ity fiainana ity, ny fahadisoan’ ny hafa, na ny fahadisoana sy ny kileman’ ny tena ireny na ny sasany amin ireny no tadiaviny hamiliana ny saina. Ka aoka mba tsy ho voafitaky ny hevi-petsiny. Maro ny olona izay la-hanao ny marina, sady maniry hanompo an’ Andriamaninitra, no tanhin’ ny Devoly matetika koa hitandro nv fahadisoany sy ny fahalemeny ary rehefa mahasaraka azy amin’ i Kristy izy, dia manantena handresy azy. Tsyy tokony hanao ny tena ho fotojavatra isika, ka hanahy sy hatahotra, na ho voavonjv, na tsia. Izany rehetra izany dia mampiala ny fanahintsika amin’ Hay Loharanon ny herintsika. Apetraho amin’ Andriamanitra ny fanahinao hotehiriziny, ary matokia Azy. Miresaha sy mieritrereta ny amin’ i Jesosy. Aoka ny tena ho levona ao amin’ i Kristy. Esory ny fisalasalana rehetra roahy ny tahotra. Miaraha miteny amin’ i Paoly Apostoly hoe : “Tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko fa izay ivelomako ankehitriny eo amin’ ny nofo, dia ivelomako amin’ ny finoana ny Zanak’ Andriamanitra, Izay efa tia ahy, ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy 1 Gal. 2:20 ; .” Miantehera amin’ Andriamanitra. Mahay mitahiry izay efa nankininao taminy Izy. Raha apetrakao eo am-pelatanany ny tenanao, dia hataony tonga mihoatra noho ny mpandresy hianao, amin’ ny alàlan’ Ilay tia anao.NK 64.2

    Kofehim-pitiavana tsy azon-kery tapahina, afa-tsy ny safidim-pon’ ny olona no nanakambanan’ i Kristy amin’ ny tenany ny toetr’ olombelona, fony Izy nitafy nofo. Manangoly antsika lalandava hanapaka izany kofehy izany Satana, mba hisarahantsika amin’ i Kristy. Amin’ izany no tokony hitandrina sy hiezaka ary hivavaka isika, mba tsy hisy na inona 11a inona hahatarika antsika hifidy tompo hafa, satria mahazo manao izany mandra-kariva isika, raha tiantsika. Nefa aoka hibanjina an’ i Kristy isika, dia hiaro antsika Izy. Tsy ho azon-doza isika, raha mijery an’ i Jesosy. Tsy misy maharombaka antsika eo am-pelatanany. Amin’ ny ijerentsika Azy lalandava dia “ovàna hahazo izany endrika izany indrindra avy amin’ ny voninahitra ka ho amin’ ny voninahitra, toy ny avy amin’ ny Tompo, dia ny Fanahy 22 Kor. 3:18 ;.”NK 65.1

    Toy izany no nahatonga ny mpianatra taloha ho tahaka ny Mpamonjy malala. Rehefa ren’ ireny mpianatra ireny ny tenin’ i Jesosy dia tsaroany ny fìlàny Azy. Nitady an’ i Jesosy izy dia nahita ka nanaraka Azy. Niaraka taminy hatrany Izy, na tao antrano, na teo am-pisakafoana, na tao amin’ ny efi-trano mangina, na tany an-tsaha. Niaraka taminy, toy ny mpianatra miaraka amin’ ny mpampianatra azy izy, ka mandrav leson’ ny fahamarinana avy amin’ ny teny aloakv ny vavany isan’ andro. Nijery Azy, toy ny mpanompo mijerv ny tompony izy, hahalalany izay tokony hataony. Ireny mpianatra ireny dia “olona tahaka antsika ihany 3Jak. 5:17..” Niady tamin’ ny fahotana tahaka antsika izy. Nila ny fahasoavana izay ilaintsika koa izy, mba hananany toe-piainana masina.NK 65.2

    Na dia Jaona, ilay mpianatra malala, sady be itoviana indrin-dra amin’ ny Mpamonjy aza, dia tsy nanana izany toetra mahatinaritra izany, raha araka ny maha-olona azy fotsiny. Io Jaona io dia olona nitompo teny fantatra, tia toerana ambony, mora misaloaka sady ta-hamaly izay nanafintohina azy. Nefa rehefa niseho taminy ny toetr’ Ilay Masina, dia hitany ny tsy fahombiazan’ ny tenany, ka nanetry tena izy noho ny fahalalana izany. Ny tanjaka sy ny fieretana, ny hery sy ny fangoraham-po, ny halebeazana sy ny halemem-panahy, izay hitany tamin’ ny toe-piainan’ ny Zanak’ Andriamanitra marain-tsy hariva, dia nameno fankalazana sy fitiavana tao am-pony. Voatarika ho amin’ ny Mpamonjy isan’ andro isan’ andro ny tony, ambarapahatongany hanadino ny tenany noho ny fitiavany ny Tompony. Natolony hamboarin’ ny herin’ i Kristy ilay toetrany ta-hamaly ratsy sady tia fiamboniana. Ny herin’ ny Fanahy Masina no nanavao ny fony. Ny herin’ ny fitiavan’ i Kristy no nahatonga fiovan-toetra taminy. Izany no tsy maintsy vokatry ny firaisana amin’ i Kristy. Raha mitoetra ao am-po Kristy, dia miova avokoa ny toetra rehetra. Ny fanahin’ i Kristy sy ny fitiavany dia manaíemy ny fo, mamolaka ny fanahy, ary manainga ny hevitra sy ny faniriana ho any amin’ Andriamanitra sy ny lanitraNK 65.3

    Rehefa niakatra tany an-danitra Kristy, dia mbola noheverin’ ny mpanaraka Azy ho manatrika azy ihany Izy. Fanatrehana hita maso sady feno litiavana sy fahazavana izany. Jesosy Mpamonjy Ilay efa niara-nandeha sy niara-niresaka ary niara-nivavaka taminy. Ilay efa nilaza fampanantenana sy fampiononana tao am-pony, dia nakarina tany an-danitra, raha mbola teo am-bavany izany tenim-piadanana izany. Ary rehefa noraisin’ ny anjely Izy, dia mbola reny nanakoako indray ilay teniny hoe. “Ary indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ ny fahataperan’ izao tontolo izao 1 Mat.28:33..” Niakatra any an-danitra nanana ny endrik’ olombelona Izy. Fantatr’ izy ireo fa teo anoloan’ ny seza íiandrianan’ Andriamanitra Izy, nefa mbola Sakaiza sy Mpamonjy azy ihany fantany fa tsy miova ny fitiavany fantany fa mbola mitovy amin’ ny zanak’ olombelona zoim-pahoriana Izy. Nanolotra ny vidin’ ny ra soany teo anatrehan’ Andriamanitra Izy, ka nampiseho ny tànany sy ny tongony misy holatra, mba ho fahatsiarovana ny vidin’ izay efa nataony ho an’ ny olona navotany. Fantany la ela niakatra any an-danitra Izy, hanamboatra litoerana ho azy ary ho avy indray, ka handray azy ho any aminy.NK 66.1

    Rehefa nivory izy taorian’ny niakarany, dia naniry fatratra hanolotra ny fangatahany amin’ Andriamanitra amin’ ny anaran’ i Jesosy. Niondrika amin’ ny tahotra masina izy, raha nivavaka ka nanonona ilay fanomezan-toky hoe : “Na inona na inona hangatahinareo amin ny Ray, dia homeny anareo amin’ nv anarako izany. Mandraka ankehitriny dia tsy mbola nangataka na inona na inona tamin’ ny anarako hianareo mangataha, dia ‘hahazo hianareo, mba ho tanteraka ny fìfalianareo 1Jao. 16:23,24 ;.” Natsotrany niakatra niakatra ihany ny tanam-pinoany, niaraka tamin’ ilay teny tsy azo lavina hoe : “Kristy Jesosy no efa maty, eny, sady nitsangana tamin’ ny maty koa, ka mitoetra eo amin’ ny tànana an-kavanan’ Andriamanitra, ary mifona ho antsika 2Rom. 8:31.” Tamin’ ny andro Pentekosta no nahazoany ny Mpananatra, dia Ilay nolazain’ i Kristy hoe : “ho ao anatinareo”. Dia mbola nampiany indray koa hoe : Mahatsara anareo ny fìalàko fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy aty aminareo ny Mpananatra fa raha handeha Aho, dia hirahiko ho aty aminareo Izy 3Jao. 14:17 ;.” Koa amin’izany dia mitoetra lalandava ao am-pon’ ny zanany Kristy. Ny firaisany aminy dia lalindalina kokoa noho ny fony Izy niaraka taminy, raha mbola nitafy nofo. Ny fahazavana sy ny fitiavana ary ny herin’ i Kristy monina ao am-pony, dia mamirapiratra avy ao aminy, ka izay mijery dia “gaga....ary fantany tsara fa efa niaraka tamin’ i Jesosy izy 4Asa. 3:13 ;.”NK 66.2

    Izay rehetra nataon’ i Kristy ho an’ ny mpianany fahiny, dia tiany hatao amin’ ny zanany koa ankehitriny, satria tamin’ ilay fivavahana farany niarahany nanao tamin’ ireo mpianany nanodidina Azy, dia hoy Izy hoe : “Tsy ho an’ ireto ihany no angatahiko, fa ho an’ izay mino Ahy koa noho ny teniny 5Jao. 17:20 ;.”NK 67.1

    Nivavaka ho antsika Jesosy, ary nangatahiny mba ho iray aminy isika toy ny maha-iray Azy amin’ ny Ray. Firaisana manao ahoana re izany ! Hoy ny Mpamonjy raha milaza ny tenany : “Ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy ny Ray mitoetra ato amiko no manao ny asa 6Jao.5:19.” Koa raha mitoetra ao am-pontsika Kristy, dia Izy no hiasa ao anatintsika, “na ny fikasana, na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony 7Fil. 2:13.” Hiasa tahaka ny niasany isika, ary hampiseho hafanam-po tahaka ny Azy. Koa amin’ izany, noho ny fitiavana Azy sy noho ny fitoerana ao aminy, dia “hitombo amin’ ny zavatra rehetra ho amin’ Izay Loha, dia Kristy.” NK 67.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents