Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    TOKO II—Ny ilàn’ ny mpanota an’ i Kristy

    Nanana herin-tsaina ambony sady nijoro ny olombelona tamin’ ny voalohany. Tanteraka tamin’ nv maha-olona azy izy sady nifanaraka tamin’ Andriamanitra. Nadio ny fisainany ary masina ny fikasany. Kanefa noho ny tsy fankatoavana dia nihasimba ny heriny ary fanaovana mamy fo velona no nisolo toerana ny fitiavana. Noho ny fandikan-dalàna dia niha-osa ny toetrany, ka raha ny herin’ ny tenany ihany, dia tsy azony natao ny hanohitra ny herin’ ny ratsy. Tonga babon’ i Satana izy, ary toy ny 4 nofon-kena mby an-tanan-tsaka ‘ teo aminy, raha tsy Andriamanitra no nisakana.NK 17.1

    Ny zavatra kendren’ ilay mpaka fanahy, (devoly), dia ny handrava ny fikasan’ Andriamanitra ny amin’ ny namoronany ny olombelona, ka hahatonga ny tany ho heni-doza sy faharavana. Tsy izany ihany, fa tiany koa ny hampiseho, fa ireny fahoriana ireny dia vokatry ny asan’ Andriamanitra tamin’ ny namoronany ny olombelona.NK 17.2

    Fony mbola tsv nanota ny olona dia nanana firaisana mahasambatra tamin’ Ilay “iafenan’ ny rakitry ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra1Kolos.2:3.”. Fa nony nanota izy, dia tsy nahita fifaliana tao amin’ ny fahamasinana intsony, ka dia nitady izay hierena lavitra ny tavan’ Andriamanitra. Ary mbola toy izany ihany no toetry ny fo tsy voaova. Tsy mifanaruka amin’ Andriamanitra izy ary tsy mahita fifaliana amin’ ny firaisana aminy. Tsy mahafinaritra ny mpanota ny ho eo anatrehan’ Andriamanitra. Tena tsy tiany mainty ny fikambanana amin’ ny olona masina. Raha avela hiditra any an-danitra aza izy, dia any amin’ izay misy fo mifanaraka amin’ ny an’ Ilay Fitiavana tsy manam-petra,dia tsy hahafaly azy akory izany.Ny heviny,ny zavatiany sy kendreny dia hifanohitra amin’ izav manetsika ireo olona tsy manan-tsiny mponina ao Ho tahaka ny feo manivaka no amin’ ny mozika tsaran’ ny lanitra izy. Toerana fampijaliana, ho azy ny lanitra, ka ny zavatra tena iriny dia ny hiery ny tavan’ Ilay manazava azy sady fototry ny fifaliany. Tsy didimpitsarana avoakan’ Andriamanitra mba hamoaka ny ratsy fanahy tsy ho any an-danitra izany, fa izy ireo ihany no bongo mason’ ny nahiny hoatry ny vivy nanitrika amin’ ny tsy fiendrehany hiara mifaly amin’ ny mponina ao. Aminv, dia tahaka ny afo mandevona ny voninahitr’ Andriamanitra. Satriny levonina mba tsy hahita ny tavan’ Ilay maty nanavotra azy.NK 17.3

    Tsy azontsika samy irery atao ny mitsoaka avy ao amin’ ny tevan’ ny fahotana izay niletehantsika. Ratsy ny fontsika, nefa tsy haintsika ovàna izy, araka ny teny hoe : “Aiza no misy madio ateraky ny tsy madio ? Tsy misy na dia iray akory aza1Joba 14:1.” Fandrafiana an’ Andriamanitra ny fihevitry ny nofo fa tsy manaiky ny lalàn’ Andriamanitra izy, sady tsy hainy akory izany 2Rom.8:7”. Ny fampianarana, ny fanamboarana ny toe-tsaina, ny fampiasana ny sitra po ary ny fikirizana dia samy manana ny anjara raharahany avy, nefa eto dia samy tsy mahakehaka ireo. Metv hahatonga fahatsarana ivelany amin’ ny fitondrantena ireny, fa tsy mahay manova ny fo. Tsy hainy ny manadio ny loharanon’ ny fiainana.NK 18.1

    Raha tian-kiala amin’ ny toetra feno fahotana ny olona mba ho tonga amin’ ny fahamasinana dia tsy maintsy misy hery miasa ao anaty dia fiainam-baovao izay avy any ambony. Ary Kristy izany hery izany. Ny fahasoavany ihany no mamelona ny fanahy maty, ka mitarika azy ho eo amin’ Andriamanitra sy bo amin’ ny fahan asinaca.NK 18.2

    Izany no nilazan’ ny Mpamonjy hoe : “Raha tsy ateraka indray ny oloi.a” izany hoe : Raha tsy mandray fo vaovao, faniriana vaovao, fikasana vaovao, hery mahatonga fihetsehana vaovao, izay mitarika azy ho amin’ ny fiainam-baovao, “dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’ Andriamanitra izy 3Jao. 3:3” Fahadisoan-kevitra ny hoe : Ny tenan’ ny olona ihany no afaka hiasa hampitombo ny toetra tsara ao aminy. “Fa ny olona izay araky ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an’ ny Fanahin’ Andriamanitra, fa fahadalana aminy izany, sady tsy azony, satria araky ny Fanahy no amantarana izany 4 1 Kor. 2:14 ”. “Aza gaga noho ny nilazako taminao hoe : Tsy maintsy hattraka indray hicnareo 5Jao 3:7”. Ary izao koa no voasoratra, raha nilaza an’ i Jesosy Kristy (Ilay Teny): “Izy no nisiam-piainana ary i”y fiainana no fanazavana ny olona 6Jao. 1:4”. “Ary tsy misy famonjena amin’ ny hafa fa tsy misy anarana hafa ambanin’ ny lanitra nomena ny oloi.a izay hahazoantsika famonjena 7Asa4:12”.NK 18.3

    Tsy ampy ny mahatsinjo fotsiny ny fahalalaham-po sy ny halemem-panahin’ Andriamanitra. Tsy ampy ny mahalala tsara ny fahendrena sy ny fahamarinan’ ny lalany ary ny mahita fa izany lalana izanv dia miorina eo amin’ ny fitiavana mandrakizav. Nahita izany Paoly Apoatoly, ka nanao hoe : “Manaiky aho, fa tsara ny lalana, masina ny lalana, aiy masina ny didy sady masina no tsara” Nefa tsy maintsy nanampiny izao teny mangidy izao : “Izaho kosa nofo namidy ho andevon’ ny ota 1Rom. 7:16, 12, 14”. Nisenlo manko izy noho ny fahatsiarovany, fa tsy hainy notratrarina ny fahamasinana ka hoy izy : “Indrisy ! olo-mahantrá aho ! Iza no hanafaka ahy amin’ ny tenan’ ity fahafatesan’ ity ? 2Rom. 7:4”. Toy izany no fitarai— nan’ ny fo torotoro eran’ ny tany rehetra hatrany halrany. Nefa tsy misy afa-tsy valiny iray monja no azo asetry ireo rehetra ireo, dia ity : “Indro ny Zanak’ Ondrin’ Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’ izao tontolo izao 3Jao. 1:21”.NK 18.4

    Betsaka ny tarehin-javatra izay nentin’ ny Fanahin’ Andriamanitra hanazava ny fuhamarinan’ izany ary hahatonga azy ho mora azon’ ny fanahy izay maniry ho afaka amin’ ny entam pahotana.NK 19.1

    Rehefa nandositra niala tao an-tranon-drainy Jakoba noho ny nanambakany an’ i Esao, dia izay vao tsaroany ny fahadisoany. Nidiran-doza indrindra sady nanjiona samy irery tafasaraka tamin’ izay rehetra naha-fiadanana ny fiainany. Ary ny hevitra izay nitambesatra tao an-tsainy, mihoatra noho ny hafa rehetra, dia ny fahatahorany fa ny fahotany no nahalapaka ny firaisany tamin’ Andriamanitra sy namoizany azy. Nidaboka nandry hiala sasatra tamim-pahoriana teo amin’ ny tany mangadihady izy, ary ny nanodidina azy dia tsy nisy afa-tsy liavoana mangingina ary teo amboniny ny habakabaka feno kinlana. Kanefa raha mbola naitory izy dia nisy fahazavana mahagaga hilany : Indro teo amin’ ilay tany nandriany nisy tohatra ngezahe manjavozavo miakatra ho eo amin’ ny vavahadin’ ny lanitra indrindra, ary teo amboniny nisy anjelin’ Andriamanitra niakatra sy nidina. Arý teo an-tumpony no nandrenesany ny feon’ Andriamanitra misy fampiononana sy fanuntenana. Koa dia nampahafantarina an’i Jakoba izay nifanojo indrindra amin’ izay ilainy sy ny faniriany, dia Mpamonjy. Ary endrey ny hafaliany sy ny fankasitrahany rehefa fantany, fa na mpanota aza izy dia mahazo miverina hikamhana amin’ Andriamanitia. Mampiseho an’ i Jesosy, Ilay Mpanelanelana tokana amin’ Andriamanitra sy ny olona, izany tohatia mahagaga hitany teo amin’ ny nofiny izany.NK 19.2

    Izany tarehin-javaira izanv ihany koa no nampiasain’ i Jesosy, raha niiesaka tamin’ i Natenaela Jzy, ka nanao hoe : “Ho hitnnareo ny lanitra misolatra sy ny anjelin’ Andriamanitia miakatra sy midina eo ambonin’ ny Zanak’ Olona 4Jao. I:51”. Noho nv fivadihana dia tonga fahavalon’ Andriamanitra ny olona, ary tafasaraka tamin’ nv lanitra ny tany. Tsy azo atao ny hivezivezy eo amin’ ny hantsana manelanelata azy ron. Nefa noho Kristy dia tafatambatra tamin’ ny lanitra indray ny tany. Noho ny hatsaran’ i Kristy dia nasiany tetezana teo amin’ ilay hantsana izay nohadin’ ny fahotana, ka dia afa-nifamoivoy tamin’ ny olona ny anjely. Alain’ i Kristy, amin’ izao fahalemeny sy filany fanampiana izao, ny olombelona izay efa lavo, ka akambany amin’ ilay Loharanon-kery tsy manam-petra.NK 19.3

    Kanefa ho foana ny fiheveran’ ny olona handroso, ho foana ny fikelezana aina ataonv amin’ ny fanondrotana ny toetr’ olombelona, raha tàhiny ataony tsirambina ka hadinoiny ilay Loharauom-panantenana sy fanampiana ho an’ ny zanak’ olombelona efa lavo. “Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra 1Jak.1: 17; ”, dia avy amin’ Andriamanitra. Tsy misy tena hatsaran-toetra tanteraka tsara, raha tsy eo amin’ i Kristy. Izy irery ihany no làlan-tokana ahatongavana eo amin’ Andriamanitra. Fa hoy Izy : “Izaho no lalana sy fahamariuana ary fiainana. TSY misy olona mankany amin’ ny Ray afa-isy amin’ ny alalako 2Jao.1: 46.”.NK 20.1

    Noho ny fitiavan’ Andriamanitra izay mahery noho ny fahafatesana, dia onena ny zanany ety ambonin’ ny tany Izy. Koa ny fanomezany ny Zanany dia fanolorany antsika ny lanitra nianontolo ho fanomezana. Ny fiainan’ ny Mpamonjy, ny fahafatesany, ny fanelanelanana ataony. ny fanoinpoan’ ny anjely, ny fisoloam-bava ataon’ ny Fanahy Masina, ny fiasan’ ny Ray amin’ ireo rehetra ireo sy amin’ ny álalan’ ireo rehetra ireo ary ny tombon-tsoa tsy an-kijanona avy amin’ ireo vahoakan’ ny lanitra dia samy ampiasain’ Andriamanitra daholo amin’ ny fanavotana ny olona.NK 20.2

    Ka dia banjino ilay fanatitra fanalamboady mahagaga izay natao ho antsika! Aoka isika hahalala ny hatsaran’ ny asa sy ny herim-po izay lanin’ ny Lanitra hanavotana ny very, ka hitondrana azy miverina ao an-tranon ny Hay : Tsy misy hevitra ambony na asa manan-kery kokoa azo nampiasaina, na oviana na oviana, ka tsy nampiasaina, toy ny valy soa tsy hita pesimpesenina notehirizina ho an’ izay manao ny tsara, ny fanauana amimpifaliana ny lanitra, ny firaisana amin’ ny anjely, ny fiomhonana sy ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny Zanany, ny fanatsarana sy ny fampitomboana ny hery rehetra ananantsika — moa ireny rehetra ireny va tsy ampy hampirisika sy hampiezaka antsika hanao fanompoam-pitiavana avy amin’ ny fo ho an’ ny Mpamorona sy Mpanavotra antsika?NK 20.3

    Ary ao an-danin’ izany koa, ny litsaran’ Andriamanitra izay voalaza fa hamelezaim ny fahotana, ny tody tsy azo ialana, ny fietren’ ny toe-tsaintsika ary ny fandrnvana farany izay samy asehon’ ny tenin’ Andriamanitra dia rnanambara amintsika mba hanohitra ny fanompoana an’ i Satana.NK 20.4

    Tsy hihevitra ny famindrampon’ Andriamanitra va isika ? Inona indray moa no azony atao mihontra noho izany? Andeha isika hikambana marina amin’ Ilay efa tia antsika tamin’ ny fitiavana mahatalanjona. Aoka isika hihatsara mba ho tonga araka iza nikasana antsika, dia ny hiovantsika ho tahaka Azy sy hanjary naman’ ny anjely indray ary hifanaraka sy hiray amin’ ny Ray sy ny Zanaka. NK 21.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents