Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "undefined".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny loza tany Egypta

    Nirahin’ ny anjely Arona hitsena an’ i Mosesy rahalahiny, izay efa nisaraka taminy elabe. Tafahaona tao Horeba izy mirahalahy, tany an’ efitra mangina, ka nifampiresaka maharitra ela. ‘Dia nambaran’ i Mosesy tamin’ i Arona izay teny rehetra efa nanirahan’ i Jehovah azy sy izay famantarana rehetra efa nandidiany azy”. Lasa niaraka nankany Fgypta izy, ka, rehefa tonga tany amin’ ny i tany Gosena, dia novoriany ny loholon’ ny Isiraely. Ary nolazain’ i Arona ny teny rehetra izay nolazain’ Andriamanitra tamin’ i Mosesy, sady nataony teo imason’ ny olona ny famantarana. Dia nino ny olona, ary rehefa reny fa Jehovah efa namangy ny Zanak’ Isiraely ka efa nitsinjo ny fahoriany, dia niondrika izy ka niankohoka’1PM 255.1

    Nahazo hafatra holazaina ny mpanjaka kosa i Mosesy, dia lasa i niaraka nankany an-dapan’ i Farao izy mirahalahy noho ny maha- masoivohon’ ny Mpanjakan’ ny mpanjaka azy. Dia niteny tamin’ ny anarany izy hoe: ‘Alefaso ny oloko mba hanao andro firavoravoana ho Ahy any an’ efitra”.PM 255.2

    Fa hoy ny mpanjaka taminy: ‘Iza moa Jehovah no hekeko ; teny handcfasako ny Isiraely ? tsy fantatro izay Jehovah, ka tsy halefako ny Isiraely.PM 255.3

    ’Ary hoy izy roalahy Andriamanitry ny Hebreo efa nihaona taminay ; koa trarantitra hianao, aoka handeha lalan-kateloana any an’ efitra izahay hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah Andriamanitray, fandrao Izy hamely anay amin’ ny areti-mandrin- gana, na amin’ ny sabatra”.PM 255.4

    Efa tonga hatrany an-tsofin’ i Farao ny vaovao ny amin’ ny fahatongavan’ izy mirahalahy sy ny fankasitrahan” ny olona azy. Noho ny fiheverany fa efa nahafaty antoka ny fanjakany ny fisehoan’ ireo vahiny ireo, dia nirehitra ny fahatezerany: ‘Nahoana hianareo, ry Mosesy sy Arona no manaketraka ny olona amin’ ny asany ? Indro, efa maro ankehitriny ny olona eto amin’ ny tany, ka hianareo mampitsahatra azy amin’ ny fanompoana mafy?’.PM 256.1

    Efa saika tsy nahafantatra ny lalàn’ Andriamanitra intsony ary niala tamin’ ny fitsipika nomeny mihitsy ny taranak’ i Jakoba, nandritra ny fanandevozana azy. Nilaozana manontolo ny Sabata, toa nahatonga ny fitandremana tsy ho azo atao ny fangejana nataon’ ireo lehibe mpitarika ny fanompoana mafy. Noho izany no antony nilazan’ i Mosesy tamin’ ny mpiray firenena taminy fa fepetra voalohany miantoka ny fanafahana azy ny fankatoavana ny didin’ Andriamanitra; efa tafakatra hatrany amin’ ireo mpampiasa ny tolona nataony mba hampodiana amin’ ny laoniny ny fitandremana ny Sabata.2PM 256.2

    Rehefa nahazo porofo marina ny mpanjaka, dia nahiny ho nikomy sy nandao ny asa nampanaovina azy ny Zanak’ Isiraely. Tsy inona izany tetika izany, hoy ny fiheverany, fa vokatry ny fahalainany, noho izany dia nataony izay tsy ananany fotoana hanomanana izany teti-dratsy mampidi-doza izany. Avy hatrany dia namoaka didy izy mba hanamafisana ny gadrany sy hamongorana ao anatiny rehefa mety ho fanahim-pitadiavana fahaleovan-tena. Androtr’ iny ihany dia nisy baiko nomena hahatonga ny fanompoany vao mainka ho mafy sy manahirana. Fampiasa nahazatra tamin’ ny fanaovan-trano ny biriky nahahy tamin’ ny hainandro. Mpanompo hebreo marobe no niasa tamin’ ny fanaovana azy. Natao tamin’ ny biriky ireny, voalalotra vato voapaika ny eo ivelan’ ny rindrin’ ireo tranobe tsara tarehy. Ampifangaroina amin’ ny tanimanga anaovam- biriky ny mololo mba hiraikitra kokoa, ary be dia be ny moiolo nilaina tamin’ izany. Nandidy anefa ny mpanjaka mba tsy homena mololo intsony ny mpanao biriky, ka dia izy ihany no handeha hanangona, kanefa ny isan’ ny biriky fanaony teo aloha dia mbola hataony ihany.PM 256.3

    Nahareraka ny fon’ ny olon’ Isiraely izany didy navoaka izany. Noho ny didin’ ny mpanjaka anefa dia niely eran’ ny tany Egypta rehetra ny olona mba hifako vodivary ho solon’ ny mololo, nefa tsy nahavita ny isan’ ny biriky teo aloha izy; noho ny baikon’ ireo mpampiasa egyptiana dia nokapohina mafy ny mpifehin’ ny Zanak’ Isiraely ka lasa nitaraina tamin’ i Farao.PM 257.1

    Tamim-panarabiana no nandraisan’ ny mpanjaka azy hoe: ‘Malaina dia malaina hianareo! ka izany no anaovanareo hoe: Aoka handeha izahay hainono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah’. Nampandehanina nanao ny asany ny olona rehefa nilazan’ ny mpanjaka fa tsy hohamaivanina akory ny fanompoany mafy. Ary izy ireo dia nihaona tamin’ i Mosesy sy Arona, izay nijanona niandry azy, raha avy tany amin’ i Farao izy; dia nisafoaka izy ka hoy izy tamin’ izy roalahy: ‘Jehovah anie hijery sy hitsara anareo, satria efa nataonareo nangidy hoditra eo anatrehan’ i Farao sy eo anatrehan’ ny mpanompony izahay, ka nasianareo sabatra eo an-tànany hamonoany anay !’PM 257.2

    Ketraka ny fon’ i Mosesy teo am-pandrenesana izany faniniana izany. Vao mainka nitombo betsaka ny fahoriana nanjo ireo rahalahiny. Eran’ ny tany rehetra dia nitoloko noho ny fahoriany sy nanome tsiny an’ i Mosesy noho ny fitomboan’ ny loza nanjo azy na lehibe na kely. Dia lasa izy namboraka teo anatrehan’ Andriamanitra ny ngidin’ ny fanahiny rehetra: ‘Tompo ò, nahoana no nahatonga loza tamin’ ity firenena ity Hianao? Fa hatrizay nankanesako tao amin’ i Farao mba hiteny amin’ ny anaranao izay, dia nahatonga loza tamin’ ity firenena, ity izy; nefa tsy namonjy ny olonao akory Hianao!” Izao teny izao no navaliny azy: ‘Ankehitriny ho hitanao izay hataoko amin’ i Farao: fa ny tà.nako mahery no handefasany azy, ary ny tànako mahery no handroahany azy amin’ ny taniny’. Dia naverin’ Andriamanitra nolazaina taminy ny fanekena nataony tamin’ ireo razany, nanomezany toky fa ho tonga any amin’ ny tany nampanantenainy izy.PM 257.3

    Nisy ihany ny Zanak’ Isiraely vitsivitsy nijanona tsy niala tamin’ ny fanompoana an’ i Jehovah, nandritra ny fotoan’ ny fanande- vozana. Naratra ny fon’ ireny olona ireny nahita ireo zanany nanatri- maso ny fahavetavetana nataon’ ny jentilisa nefa niankohoka teo anatrehan’ andriamanitra tsy izy ny tenany; dia nitaraina tamin’ i Jehovah izy ireo mba hanafahany azy tamin’ ny fanandevozan’ ny Egyptiana. Tsy nanafina ny finoany izy, fa nambarany tamin’ ireo mpampiasa azy fa ny Mpahary ny Ianitra sy ny tany no anton’ ny fivavahany, dia Ilay hany Andriamanitra velona sady marina sy nitanisa tsirairay teo anatrehany ireo porofon’ ny heriny nanomboka tamin’ ny famoronana ka hatramin’ ny andron’ i Jakoba. Avy amin’ izany no nahazoan’ ny Egyptiana nahafantatra ny fivavahana Hebreo. Noho ny fiavonavonan’ ny fony be loatra dia tsy nety hampianarin’ ny mpanompo izy ireny ka nandramany hototofana fampanantenana sy valisoa ireo mpivavaka ireo, ary raha tsy nahomby izany dia fandrahonana sy herisetra no nampiasainy.PM 257.4

    Niezaka hampijoro ny finoan’ ireo rahalahiny efa nihozongozona ny loholon’ ny Isiraely tamin’ ny fampahatsiahivana azy ireo teny nolazain’ i Josefa teo am-pialan’ aina izay nanambara mialoha ny fanafahana azy. Ao ny sasany nandre dia nino; ao ny sasany tsy nino izany fa voaiamban’ ireo toe-javatra mampalahelo nitranga vao haingana.PM 258.1

    Eo ankilany, raha nandre izay nolazaina tamin’ ireo Hebreo ny Egyptiana, dia nanaraby ny fanantenany fahafahana sy naneso ny hery ananan’ ny Andriamaniny. Noho ny fiheverany azy ho mpanompo dia nitenenany izao’ fihantsiana izao: ‘Raha marina sy be famindrampo Andriamanitrareo, sy manana fahefana mihoatra noho ny an’ ny andriamanitra egyptiana, nahoana Izy no tsy nanafaka anareo?‘ Dia hoy koa izy: ‘andriamanitra tsy izy araka ny filazanareo no tompoinay, nefa jerenareo ange fa firenena manankarena sy mahery izahay. Ny andriamanitray no nahatonga anay ho ambinina sy nahatonga anareo koa ho mpanomponay; nanome hery anay hampahory anareo; ary raha azo atao aza dia handringana ny mivavaka amin’ i Jehovah izy’. Farao kosa etsy andaniny nanao antso avo fa tsy afaka hanavotra ny olony ny Andriamanitry ny Hebreo.PM 258.2

    Nihozongozona ny finoan’ ny ankamaroan’ ny Zanak’ Isiraely raha nahare izany teny izany, ka niraika tamin’ ny hevitra nolazain’ ireo mpampahory azy izy. Marina aloha fa mpanompo izy ary azon’ ireo tompo lozabe hatao ny manao izay tiany atao aminy. Nosambo- rina ny zanany ka novonoina, ary nanahirana azy na dia ny fiainana aza. Nefa hoy izy, na eo aza izany dia hanompo ny Andriamanitry ny Ianitra ihany izahay. Raha tahiny marina tokoa fa ambony mihoatra noho ny andriamanitra rehetra Jehovah, dia tsy hamela anay ho eo ambany ziogan’ ny mpanompo sampy tokoa Izy.PM 258.3

    Fantatry ny mpino koa anefa fa noho izy nihataka nanalavitra an’ Andriamanitra sy tsy natahotra ny hifanambady tamin’ ny jentilisa, ary ny nivarinany tamin’ ny fanompoan-tsampy no namelany azy ho andevo. Nataony antso avo niaraka- tamin’ ireo rahalahiny koa anefa fa vetivety dia ho avy Jehovah hanapatapaka ny ziogan’ ny mpainpahory. Dia nanantena ny hahazo hamerina ny fahaleovan- tenany nefa tsy ho voakasi-pisedrana ny finoana ananany na iharam- ; pahoriana sy fihafiana ny vahoaka Hebreo. Tsy mbola masaka ho amin’ ny fahafahana izy. Tsy mbola vonona hisetra fahoriana mandra-pisehon’ Andriamanitra hanampy ny finoana mangozohozo ananany. Naleon’ ny maro tamin’ izy ireo niaritra ny fanandevozana, toy izay hisetra ny sorisory tsy misaraka amin’ ny fifindra-monina. Ao koa ny hafa efa zatra loatra ny fomba fanaon’ ny Egyptiana: ka naleony nijanona teo amin’ ny tany nisy azy.PM 259.1

    Tsy azon’ Andriamanitra natao ny hanafaka azy noho izany , antony izany raha vao niandoha naneho ny heriny teo anatrehan’ i Farao Izy. Nomeny fotoana ny mpanjakan’ i Egypta mba hampi- i baribary tsara ny toetra lozabe ananany, fa Izy kosa haneho ny tenany i amin’ ny olona mba hahatonga ny olony haniry handao an’ i Egypta ka hanolo-tena hanompo Azy rehefa mahita ny heriny sy ny fahamarinany ary ny fitiavany.PM 259.2

    Teo am-piandrasana dia nanamaivamaivana ny asan’ i Mosesy kokoa ny fikirizan’ ny Zanak’ Isiraely maro tamin’ ny sori-dalana nomen’ Andriamanitra. Nasaina niverina tany amin’ ny olona izy mba hamerina indxay ny teny fampanantenana fahafahana niaraka tamin’ ny fanomezan-toky vaovao momba ny fahasoavan’ Andriamanitra. Dia nataony izany, nefa izy tsy nihaino an’ i Mosesy noho ny fahoriam-panahy sy ny fanompoana mafy. Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe: ‘Mankanesa ao amin’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, ka mitenena aminy mba handefasany ny Zanak’ Isiraely hiala amin’ ny taniny’. Kivy Mosesy ka hoy izy: ‘Indro, ny Zanak’ Isiraely aza tsy nihaino ahy, ka ahoana no hihainoan’ i Farao ahy?’ Nasain’ Andriamanitra niaraka tamin’ i Arona, niverina tany amin ny mpanjaka indray izy sy nangataka taminy mba hitondra ny Zanak’ Isiraely hivoaka avy amin ny tany Egypta.PM 259.3

    Natoron’ Andriamanitra azy niaraka tamin’ izany koa anefa, fa tsy hamela azy handeha mihitsy ny mpanjaka mandra-pandrotsany loza ho fanehoana ny heriny amin’ ny tany Egypta. Tsy maintsy nitantara mivantana tamin’ ny mpanjaka ny toetoetry ny loza sy izay mety ho vokatr’ izany Mosesy, mba hahazoany miala amin’ izany raha tiany, alohan’ ny hianjeran’ ny fitsaran’ Andriamanitra. Hodimbiasan’ ny loza hafa mafimafy kokoa ny loza tsirairay avy, mandra-pahatongan’ ny andro hanetreny ny fony, ka hahalalany fa Andriamanitra velona sy marina Ilay Mpahary ny lanitra sy ny tany. Omen’ i Jehovah fotoana hahitany ny maha-zava-poana ny fahendren’ ireo olo-malaza eo aminy sy ny maha-tsinontsinona ireo andriamanitra izay tompoiny ny Egyptiana mba hampitahainy amin’ ny tenin’ i Jehovah. Nofaizin’ i Jehovah tàmin’ ny fanompoan-tsampy nataony ny olona ary izany no nampangina ny fiderana nanompoany ireo andriamani-tsy iziny. Tamin’ izany no nisandratan’ ny anarany mba hangovitan’ ireo firenena izay nandre izany ka hahafaka ny olony amin’ ny fanompoan-tsampy sy hitarika azy hanao fanompoam- pivavahana mendrika Azy.PM 259.4

    Nitsofoka fanindroany tao amin’ ny lapa soan’ ny mpanjaka Mosesy sy Arona. Nijoro teo anoloan’ ny mpanjaka mahery indrindra teto an-tany voahodidin’ ny andry tsara tarehy sy ny ravaka manjelan- jelatra, ary ny tsangambaton’ ny andriamani-tsy izy mirentirenty mahaflnaritra izy ireo. Mitsangana eo anatrehany mamerina ny iraka nampanaovin’ Ilay Andriamanitra mitaky ny fandefasana ny Isiraely, izy roalahy solontenan’ ilay foko nandevozina. Nangataka fahagagana manaporofo ny fahamarinan’ ny iraka nampanaovina azy ireo ny mpanjaka. Raha vao vita izay rehetra nandidian’ i Jehovah dia natsipin’ i Arona teo anatrehan’ i Farao ny tehiny ka tonga menarana. ‘Dia nampanalain’ ny mpanjaka ny olon-kendry sy ny mpanana ody ary ireo ombiasy tao Egypta. ka samy nanipy ny tehiny avy izy ireo ka tonga menarana ireny; nefa ny tehin’ i Arona nitelina ny tehin’ ireo”. Tamim-pireharehana no nilazan’ ny mpanjaka fa tsy latsa-danja amin’ i Mosesy sy Arona ireo ombiasiny. Tsy nampa- ninona azy akory ny nandà ny hataka nataony sy nilaza ireo mpanompon’ i Jehovah ireo ho mpamitaka, kanefa tsy sahiny nasian-dratsy na dia kely aza.PM 260.1

    Io fahagagana io izay nokendrena mba hampiaiky azy fa ‘Ilay IZAHO IZAY IZY lehibe’ no naniraka ireo mpaminany ho any aminy, dia ny tanan’ Andriamanitra no nanao izany, fa tsy Mosesy sy Arona akory, saingy nalain’ ireo ombiasy tahaka tamin’ ny herin’ i Satana andriamaniny izany. Tsy tena nahay nanova ny tehina ho menarana anefa ny ombiasy. Tamin’ ny alalan’ ny fankatovana - izay fiasana iray eo am-pelatanan’ ilay mpamitaka lehibe no nahazoany nanao ny hala tahaka. Tsy manam-pahefana hamorona aina ny mpanjakan’ ny maizina, na dia nanana ny fahendrena sy ny hery rehetra ananan’ ny anjely rehetra lavo aza. Tombon-tsoa ananan’ Andriamanitra irery ny manome aina. Tsy vitan ny herin’ i Satana ny manova ny tehina ho menarana velona (misy aina): hala tahaka, izany fotsiny no mba vitany. Tsy nisy ivoasana tamin’ ny an’ i Mosesy ireo menarana sandoka ka tonga nino Farao sy ny tandapany fa niova ho menarana ny tehina. Raha nitelina ny an’ ireo ombiasy ny menaranan’ i Mosesy, dia tsy noheverin’ ny mpanjaka ho herin’ Andriamanitra akory izany fa noraisiny fotsiny ho toy ny fankatovana ambony noho ny an’ ireo mpisikidy teo aminy.PM 260.2

    Nomen’ i Satana saina hanao fialan-tsiny ny mpanjaka mba handà ny didin’ i Jehovah sy ny fahagagana nampanaovin’ Andriamanitra an’ i Mosesy. Nolazainy tamin’ ny Egyptiana fa karazan’ ombiasy ihany izy mirahalahy ireo ary ny hafatra entiny dia tsy manambara velively akory fa tokony hohajaina ny baikon’ Ilay Andriamanitra Ambony. Nahatratra ny fetra nokendreny ny hala tahaka nataon’ i Satana: dia ny famporisihana ny Egyptiana hikomy sy Farao hanamafy ny fony. Nantenainy tamin’ izany koa ny hanozongozonana ny finoan’ i Mosesy sy Arona ny maha-avy amin’ Andriamanitta ny asa nanirahana azy ka tsy hahatanteraka amin’ izany ny famotsorana ny Zanak’ Isiraely.PM 261.1

    Nanan-java-maizina hafa nokendrena koa ny andrianan’ ny maizina tamin’ ny nisandohany ny fahagagana nampanaoviny ny ombiasy. Fantany fa ny fanapahan’ i Mosesy ny ziogam-panande- vozana nitambesatra tamin’ ny Isiraely dia manambara azy ho tandindon’ Ilay Andriamanitra Mpanafaka izay hampitsahatra ny fianjadian’ ny fahotana eo amin’ ny taranak’ olombelona. Fantany koa fa rehefa tonga ny Mesia dia hisy fahagagana lehibe hanaporofo amin’ izao tontolo izao fa Izy no Ilay nirahin’ Andriamanitra ;ka dia r.ihorohoro ny amin’ ny fanapahana notanany izy. Nantenain’ i Satana tamin’ ny fandravana ny asan’ i Mosesy fa tsy ny fanafahana ny Isiraely ihany no ho rava fa hisy akony koa eo amin’ ny taonjato ho avy ny tsy finoana ny fahagagana hataon’ ny Mpamonjy ka mody nailika tamin’ ny hakingana sy ny herin’ olombelona izany. Dia toy izany hatry ny ela no niezahany hikosoka ao an-tsain’ ny maro ny finoana an’ i Jesosy ho Zanak’ Andriamanitra sy hanafoana ny. fanolorana feno fitiavana ny famonjena mandrakizay.PM 261.2

    Ny ampitso maraina. dia voatery nankany amoron’ i Neily Mosesy sy Arona izay toerana tian’ ny mpanjaka nandehanana ivavahana noho ny fiheverany an’ i Neily ho andriamanitra, tamin’ ny faha- vokarana sy ny harena be nentiny ho an’ ny tany Egypta rehefa tondraka ‘izy isan-taona. Namerina ny iraka nampanaovina azy indray izy mirahalahy; dia nahinjiny ny tehiny ka nokapohiny ny rano. Nanjary ra ireo onjany voahasina. Maty ny hazandrano, ka maimbo ny rivotra rehetra noho ny fofona. Nanjary ra koa ny rano notehirizina tany anaty lava-drano sy tany an-trano. ‘Ary ny ombiasy tao Egypta dia nanao toy izany koa tamin’ ny fanka- tovany. dia niverina Farao ka nankao an-tranony. Kanefa tsy mba nahoany akory na dia izany aza’. Naharitra hafitoana ny loza, nefa tsy nampihontsona azy akory.PM 262.1

    Nahinjiny teo ambonin’ ny ranon’ i Neily indray ny tehina dia niakatra ny sahona ka nandrakotra ny tany rehetra. Tonga nampahory hatrany an-trano sy ny trano fandriana ireny ary tany amin’ ny fanendasa-mofo sy ny vilia fanaova-mofo. Tsy sahy namono ity zava-doza malamalama nanorisory ity ny Egyptiana noho ny fiheverany ny sahona ho zava-masina. Feno sahona hatrany an-dapan’ i Farao ka dodona izy hialan’ izany. Ireo ombiasy izay niezaka hanao toy izany koa, dia tsy naharoaka ireny. Sahiran-tsaina ny ‘mpanjaka ka nampaka an’ i Mosesy sy Arona ary nanao hoe: ‘Mangataha amin’ i Jehovah hampialany ny sahona amiko sy amin’ ny vahoakako; dia halefako ny olona mba hanao fanatitra ho an’ i Jehovah’. Nampahatsiahiviny azy ny vava efa nataony ary izy ihany no nasaina hametra ny andro hanalana ny loza. Ny ampitso no notendren’ ny mpanjaka satria nantenainy teo anenanelam-potoana fa hiala ho azy ny sahona ka hanafaka azy tsy hanambany tena loatra amin’ ny fanekena an’ Andriamanitr’ Isiraely. Tamin’ ny fotoana voatendry dia maty ny sahona ary maimbo ny tany rehetra tamin’ ny fatin’ ireny sahona ireny.PM 262.2

    Raha nalevin’ Andriamanitra avy hatrany ireny sahona ireny dia ho noheverin’ ny olona ho vokatry ny fahagagana nataon’ ireo ombiasy teo aminy. Tsy izany anefa no nitranga fa maty ny sahona ka tsy maintsy nangonina ny fatiny mba hahalalan’ i Farao sy ny olon-kendriny ary ny tany Egypta rehetra fa tsy avy amin’ ny fisiki- dianana io fisehoan-javatra io, fa tena fitsaran’ ny lanitra mihitsy.PM 262.3

    ‘Fa nony hitan’ i Farao fa nisy hiainana, dia nanamafy ny fony izy”. Ary, araka ny nolazain’ Andriamanitra, dia nahinjitr’ i Arona ny tehiny ka tonga moka ny vovoka eran’ ny tany Egypta rehetra. Nampanalain’ ny mpanjaka ny ombiasy mba hanao toy izany nefa tsy nahay, dia fantatry ny olon-drehetra tamin’ izany fa ambony lavitra ny asan’ Andriamanitra noho ny an’ i Satana. Ireo ombiasy mihitsy no niteny tamin’ ny mpanjaka hoe: ‘Rantsan-tànan’ Andriamanitra ity!”PM 262.4

    Tsy nihontsona na tamin’ ny antso na tamin’ ny fampitan- dremana nataon’ ny lanitra anefa ny mpanjaka ka tsy maintsy nampiharina ny didim-pitsarana hafa manaraka. Mba tsy hiheverana izany ho tonga sendrasendra na tonga ho azy, dia nolazaina mialoha , ny fotoana hisehoany. Rakotra karazan-dalitra misy poizina ny trano sy ny tany itoerana, koa dia ‘simba ny tany Egypta rehetra ; noho ny lalitra”. Lalitra be nampanaintaina fatratra ny olona sy ny biby kaikeriny izy ireny. Araka ny voalaza rahateo, dia tsy nahavoa ny tany Gosena ny loza.PM 263.1

    Navelan’ i Farao hanao fanatitra ho an’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely, nefa tsy handeha lavitra an’ i Egypta. Tsy nanaiky izany anefa Mosesy ka nolazainy ny antony: ‘Tsy azo atao izany hoy izy, fa izay fadin’ ny Egyptiana no hovonoina hatao fanatitra ho an’ i Jehovah Andriamanitray; koa, indro, raha izay fadin’ ny Egyptiana no vonoinay eo imasony hatao fanatitra, moa tsy hotorahany vato va izahay?” Masina tamin’ ny Egyptiana ny biby fanaon’ ny Hebreo fanatitra; ny mamono iray amin’ izy ireny, na sendra tsy fidiny aza, dia noheverina ho heloka mahafaty. Naverin’ i Mosesy indray ny fikasana handeha hateloana andro, dia nanaiky Farao ka nangataka ireo mpanompon’ Andriamanitra hampitsahatra ny loza. Dia nataon’ izy ireo izany, nefa nanafatra azy izy mba tsy hamitaka intsony. Kanjo ny mpanjaka nanamafy ny fony ka tsy nandefa ny olona araka:: izay nampanantenainy, rehefa nitsahatra ny loza.PM 263.2

    Nisy kapoka nahatsiravina noho ny teo niandry ny mpanjaka: matin’ ny areti-mandringana ny biby fiompin’ ny Egyptiana rehetra tany an-tsaha. Ringana avokoa na ny biby nivavahana na ny biby mpitondra entana: toy ny omby, ondry, soavaly, rameva ary boriky. ‘Nisy nilaza taminy fa tsy voakasiky ny loza ny Hebreo, ka dia nandefa iraka tany amin’ ny Zanak’ Isiraely Farao mpanjaka mba hijery na ,marina izany na tsia: ‘Indro, tsy mba nisy maty ny bibin’ ny Zanak’ Isiraely na dia iray akory aza”.PM 263.3

    Nifikitra tamin’ ny ditrin’ ny fony ny mpanjaka, fa Mosesy kosa nahazo baiko haka ‘lavenona tamin’ ny tànany tao amin’ ny lafaoro” sy nampitopy izany nanandrify ny lanitra eo imason’ i’ Farao.PM 263.4

    Mirakitra hevi-dalina toy ireo loza hafa rehetra io fomba fihetsika io. Efa nasehon’ Andriamanitra tamin’ i Abrahama, efa-jato taona talohan’ izao ny fampahoriana hihatra amin’ ny olony amin’ ny fotoana aoriana amin’ ny endriky ny fatana fandoroana mivoa- tsetroka sy fanilo mirehitra, izay mampiseho aminy fa handrotsaka ny fitsarany amin’ ny mpampahory sy hamoaka avy any Egypta ny babo mitondra hárem-bevava Izy. Ny fihetsik’ i Mosesy dia nampahatsiahy tamin’ ny Isiraely, fa na dia nijaly ela tany Egypta tao anatin’ ny lafaorom-pahoriana aza izy, dia efa tonga ny androm- panafahana. Dia nitora-jofo eran’ ny tany Egypta rehetra ny lavenona ka izay toerana tratrany rehetra dia ‘tonga vay nipoipoitra tamin’ ny olona sy tamin’ ny biby fiompy”. Hatramin’ izay dia namporisika ny mpanjaka hihirimbelona tamin’ ny ditrin’ ny fony ireo mpisorona sy ombiasy, fa nandà tsy hiady tamin’ Andriamanitry ny Isiraely intsony kosa izy rehefa ny tenany mihitsy no niharan’ ny aretina maharikoriko sy manaintaina ary fahafaham-baraka faraidiny tsy nahazoany naneho ny heriny intsony. Tsapan’ ny firenena manontolo izao fa tsinontsinona ny mitoky amin’ ny ombiasy izay tsy mahay miaro ny tenany akory.PM 264.1

    Dia nihamafy hatrany ny fon’ i Farao, ka nandefa izao hafatra manaraka izao Jehovah: ‘Fa ankehitriny izao dia halefako ny areti- mandringana rehetra avy atý amiko hamely ny fonao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao, mba hahafantaranao fa tsy misy tahaka Ahy amin’ ny tany rehetra. Kanefa izao indrindra no nampaharetako anao dia ny hampahita anao ny heriko’. Tsy ny ho amin’ izany antony izany no namelan’ Andriamanitra azy ho velona, fa azony namboarina ny toe-javatra rehetra ahatongavany eo amin’ ny seza fiandrianan’ i Egypta amin’ ny fotoana voatendry hanafahana ny Isiraely. Nampaharetan’ Andriamanitra ny ain’ io mpanjaka lozabe matin-kambo io nefa tsy mendrika ny fahasoavany, ka ny hamafisan’ ny fony no fomba nanehoana ny fahagagana hataony amin’ ny tany Egypta. Azony natao koa ny nametraka teo amin’ ny seza fiandrianana, mpanjaka mora be izay tsy sahy nanohitra ny fampisehoana miezinezina ny fahefana ananany. Nefa raha izany, dia tsy ho tanteraka ny fikasany. Navelany hianjadian’ ny fahalozan’ ny Egyptiana ny vahoaka mba hahitany ny hery mpanimba eo amin’ ny fanompoan-tsampy. Nampiseho ny fankahalanyny fanompoan-tsampy sy ny fanandevozana ary ny fahasiahana Andriamanitra, tamin’ ny famaizany io mpanjaka io.PM 264.2

    Izao no nolazain’ Andriamanitra momba an’ i Farao: ‘Ary Izaho hanamafy ny fony, ka tsy handefa ny olona izy’3. Tsy avy tamin’ ny hery tsy fahita mandrakariva na an-tsitrapo no nahatonga io fahamafisam-po io. Nomen’ Andriamanitra porofo tsy azo lavina anehoana ny heriny izy, dia porofo izay nodiany tsy fantatra ny fahamarinany tamin’ ny fanakimpiana ny masony tamin’ ny fahazavana. Vao mainka nandrisika azy bebe kokoa hikomy ny fanoherana tsirairay avy, hatramin’ izao dia mandroso miatrika ny anjarany an-jambany fotsiny izy, nifamadibadika tamin’ ny fahamafisam-po hatrany mandra-pahatongan’ ny fotoana nanatrehany maso ny endriky ny lahimatoa teo amin’ ny fireneny tsy manan’ aina intsony.PM 265.1

    Miteny amin’ ny olona amin’ ny alalan’ ny mpanompony Andria-manitra. Omeny fotoana ny olona tsirairay avy mba hanarenany ny tenany raha mbola tsy latsa-paka ao am-pony ny fahotana. Hioty ny vokany izay tsy mety miova toetra, ary tsy afaka hanelanelana Andriamanitra. Ny heloka iray mitari-dalana hanao heloka hafa, ka mahatonga ny fo tsy hihontsona intsony amin’ ny asan’ ny Fanahy Masina ary tsy afaka handray azy intsony. ‘Izay afafin’ ny olona no hojinjany’4. Na iza na iza mitsipaka ny fahamarinana amin’ ny tsy finoana feno hafetsena ny marina na ny tsy firaihana adala dia hijinja izay nafafiny. Mazava amin’ izany no mahatonga ny olona marobe tsy hiraika intsony hihaino ny fahamarinana, izay mety hanohina ny ati-fanahiny indray andro any. iPM 265.2

    Amin’ ny alalan’ izany kinanga izany no anatonena ny fieritre- retana meloka, amin’ ny fiheverana fa azo hatao ny miova toetra raha tiana izany. Fahadisoana ny mihevitra fa azo atao ankehitriny ny manatsinontsinona ny antso ataon’ Ilay Andriamanitra fitiavana sy afaka hangataka andro raha tiana ny hanao izany ary tena diso hevitra mihitsy ny mino fa ho mora ny hanaraka mpitarika hafa amin’ ny farany rehefa avy nandany ny androm-piainana teo ambany fanapahan’ ilay mpikomy lehibe ny tena. Manadombo ny toetra ka mahatonga azy tsy hihontsona intsony amin’ ny fakana ny endrik’ i Jesosy ny fitaizana sy ny fanandramana ary ny fahazarana amin’ ny fifaliana ratsy. Fa mifanohitra amin’ izany kosa ho an’ ireo izay tsy nahita masoandro nihiratra teo amin’ ny fiainany sy ireo nanosi-bohon-tanana ary nanao tsinontsinona izany naharitra elabe, dia ho avy ny andro izay hahafaty momoka izany ka tsy hihiratra intsony mandrakizay.PM 265.3

    Mananontanona an’ i Farao izao ny loza momba ny havandra. Izao torohevitra izao no nomena azy: ‘Koa ankehitriny. maniraha mba hanangona famgana ny bibinao sy izay rehetra anananao any an-tsaha’. Fa ny olona rehetra sy ny biby fiompy izay ho hita any an-tsaha ka tsy ho enti-mody dia ho faty avokoa. Niely fatratra ny akon’ izany faminaniana izany ka nampody ny biby fiompiny ny olona rehetra izay nino ny tenin’ i Jehovah. Niharo famindrampo ny fahatezeran’ Andriamanitra ka nahatonga ny olona izay tratry ny loza teo aloha ho voaaro.PM 266.1

    Dia tonga tokoa ny tafio-drivotra. ‘Ary Jehovah nanisy kotro- korana sy havandra, ary nisy afo nifanarctsaka teny ambonin’ ny tany, ary Jehovah nandatsaka havandra tamin’ ny tany Egypta. Dia nisy havandra sy afo nifandrambondrambona tanelanelan’ ny havandra. dia mafy indrindra izany, ka tsy mbola nisy toy izany tany amin’ ny tany Egypta rehetra hatrizay naha-firenena azy. Ary ny havandra namely izay rehetra tany an-tsaha, na olona na biby fiompy, eran’ ny tany Egypta rehetra; ny anana rehetra tany an-tsaha dia nasian’ ny havandra koa, ary ny hazo rehetra tany an-tsaha notapa- tapahiny’. Nanara-dia ny anjely mpandringana ny faharavana sy ny loza. Fa ny tany Gosena ihany no tsy niharan-doza. Ary izany no ahafantaran’ ny Egyptiana fa eo am-pelatanan’ Andriamanitra velona ny tany ary manaiky azy ny zavatra rehetra ary ny fanka- toavana azy ihany no azo ianteherana.PM 266.2

    Nihorohoron’ ny tahotra ny tany Egypta manontolo tamin’ ny firotsahana mahatsiravin’ ny fahatezeran’ Andriamanitra. Nampiantso azy mirahalahy niaraka tamin’ izay Farao, ka nanao hoe ; ‘Efa nanota aho tamin’ izao, fa Jehovah no marina, fa izaho sy ny vahoakako no meloka. Mangataha amin’ i Jehovah, fa aoka izay ny kotrokorana sy ny havandra, dia halefako tsy hitoetra eto intsony hianareo’. Ary hoy i Mosesy taminy: ‘Raha vao mivoaka ny tanàna aho, dia hamelatra ny tànako amin’ i Jehovah; koa dia hitsahatra ny kotrokorana, ary ny havandra dia tsy hisy intsony, mba hahafantaranao fa an’ i Jehovah ny tany. Kanefa fantatro fa hianao sy ny mpanomponao dia tsy mbola hatahotra an’ i Jehovah Andriamanitra ihany”.PM 266.3

    Nahalala i Mosesy fa tsy mbola vita ny ady; tsy tena fiovam-po marina no nahatonga an’ i Farao hiaiky heloka sy hanome toky, fa noho ny tahotra nahazo azy. Na teo aza izany, dia nekeny ihany ny fangatahany, mba tsy hahatonga azy hiala-tsiny indray amin’ ny fianianan-tsy tò. Tsy noraharahainy ny hamafin’ ny tafio-drivotra fa lasa izy nivoaka ny lapa teo imason’ i Farao sy ny tandapany, izay vavolombelona tsy niloa-bava tamin’ ny fiarovan’ Andriamanitra nanarona azy. ‘Namelatra ny tànany tamin’ i Jehovah ny mpaminany, rehefa tonga tany ivelan’ ny tanàna izy: ka dia nitsahatra ny kotro- korana sy ny havandra, ary tsy nisy ranonorana nilatsaka tamin’ ny tany intsony’. Nefa raha vantany vao afaka ny horohoro nahazo ny mpanjaka, dia nameno ny fony ny faharatsiana.PM 266.4

    Ary ‘hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Mankanesa ao amin’ i Farao; j! fa Izaho efa nanamafy ny fony sy ny fon’ ny mpanompony, mba hanehoako izao famantarako izao eo aminy; ary mba holazainao ho ren’ ny zanakao sy ny zafinao izay zavatra nataoko teto Egypta sy izay famantarana nataoko teo aminy, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah’. Ta-hanamafy orina ny fivavahana tanan’ ny Isiraely sy hampiseho amin’ ny firenena rehetra Andriamanitra fa eo ambany J fiarovan’ ny Ianitra ny vahoaka hebreo izay nataony tsinontsinona sy nampahoriany, tamin’ ny fanomezany azy porofo tsy azo lavina ny amin’ ny fahasamihafana nataony teo amin’ ny olony sy teo amin’ ny Egyptiana.PM 267.1

    Nampitandrina ny mpanjaka Mosesy fa rehefa mihirihiry amin’ ny heviny izy, dia handefa valala handrakotra ny tany Andriamanitra, | ka ny zava-maitso izay sisan’ ny havandra dia hohanin’ ny valala, | ka hameno ny trano ireny, ary tsy ho afaka amin’ izany na ny lpan’ ny mpanjaka aza. ‘Ary tsy mbola hitan’ ny rainao na ny raibenao izay toy izany hatr’ izay andro niainany tetý ambonin’ ny tany ka mandraka androany”.PM 267.2

    Very hevitra ireo mpanolo-tsain’ i Farao. Niharan’ ny fatiantoka bevava ny firenena manontolo tamin’ ny fahafatesan’ ny biby fiompiny; marobe ny olona no matin’ ny havandra; fongotra ny hazo any an’ ala, potika ny vokatra. Toa mila ho rava vetivety izay | nangonin’ ireo vahoaka egyptiana tamin’ ny fanompoana mafy nataon’ ny Hebreo. Misy aloky ny mosary mandindona ny tany manontolo. Somadodoka nanodidina an’ i Farao na mpanjaka na tandapa ka nanontany azy mafy hoe: ‘Mandra-pahoviana no ho fandrika aniintsika iny lehilahy iny? alefaso ireo olona ireo hanompo an’ i Jehovah Andriamaniny; tsy mbola fantatrao va fa efa simba Egypta?’PM 267.3

    Nampiverina an’ i Mosesy sy Arona ny mpanjaka ka nanao taminy hoe: ‘Mandehana, manompoa an’ i Jehovah Andria- manitrareo; nefa iza avy no handeha? Ary hoy Mosesy: Ny tanora sy ny antitra aminay no entinay handeha, ary ny zanakai-lahy sy ny zanakai-vavy sy ny ondry aman’ osinay sy ny ombinay ho entinay handeha: fa hisy andro firavoravoanay ho an’ i Jehovah’. Sosotra i Farao ka niteny mafy hoe: Aoka homba anareo ihany anie Jehovah, raha handefa anareo mbamin’ ny zanakareo madinika aho! Mitandrema fa misy ratsy eo anoloanareo. Tsy izany, fa mandehana hianareo lehilahy lehibe ka manompoa an’ i Jehovah, fa izany no tadiavinareo. Ary izy roalahy dia noroahina hiala teo anatrehan’ i Farao.PM 268.1

    Ilay nitady hamongotra ny Zanak’ Isiraely tamin’ ny fanompoana mafy izao no nanjary nangoraka ka nirary soa ny hahasambatra azy sy nikarakara fatratra ny zanany madinika. Ny marina anefa dia te-hihazona ny zaza amam-behivavy izy mba hataony antoky ny hiverenan’ ny lehilahy lehibe.PM 268.2

    Dia nahinjitr’ i Mosesy tambonin’ ny tany Egypta ny tehiny, dia nisy rivotra avy any atsinanana nitsoka ka nitondra valala. ‘Marobe indrindra ireny, ka tsy nisy valala toy izany tany aloha, ary ato aoriany koa tsy hisy toy izany. Fa nandrakotra ny tany rehetra ireny, ka efa maizina ny tany, ary nohaniny ny anana rehetra teo amin’ ny tany sy ny voankazo rehetra sisan’ ny havandra’.PM 268.3

    Ary Farao dia nampaka ireo irak’ i Jehovah haingana ka nanao hoe: ‘Efa nanota tamin’ i Jehovah Andriamanitrareo sy taminareo aho. Ary ankehitriny, masina hianao, mamelà ny fahotako izao indray mandeha izao ihany, ka mangataha amin’ i Jehovah Andriamanitrareo hampialany amiko izao mahafaty iray loha izao monja’. Dia natao izany, ary nisy rivotra mahery indrindra avy andrefana kosa, izay nitondra ny valala ka namarina azy tao amin’ ny Rano- masina Mena. Nefa dia mbola nanamafy ny fony indray ny mpanjaka.PM 268.4

    Nivalaketraka ny tany Egypta. Tsy zakan’ olombelona intsony ny loza nianjady taminy; raiki-tahotra indrindra ny mponina rehetra raha nieritreritra ny ho avy. Nivavahana toy ny mankalaza andriamanitra Farao; manomboka mahatsapa anefa ny olona izao fa Ilay Andriamanitra mampiasa ny herin’ ny Zava-boahary ho mpanatan- teraka ny sitrapony no mitsangana eo anatrehany. Eo andanin’ izany kosa, ilay vahoaka nandevozina izay nahatsiaro fa voatahy manokana dia nanjary nino ny fanafahana azy. Tsy sahy nampahory ny Hebreo tahaka ny taloha intsony ireo lehiben’ ny mpampiasa. Nisy tahotra miafina tao anatin’ ny fo rehetra sao dia mitsangana ity foko nampi- jaliana ka hamaly faty ny mpampahory azy. Tamin-korohoto no nifanontaniana ombieny ombieny ny amin’ izay zavatra rehetra hiseho!”PM 268.5

    Tampoka foana teo, dia nisy haizim-pito eran’ ny tany Egypta, dia haizina azo tsapaina. Tsy vitan’ ny hoe haizim-pito tanteraka ihany, fa na ny rivotra aza dia nanempotra tsy azo niamana. ‘Koa tsy mba nifankahita ny olona, na niala tamin’ izay nitoerany hateloana; fa ny Zanak’ Isiraely rehetra kosa nisy mazava teo amin’ ny fonenany’. Niharan-doza niaraka tamin’ ireo mpivavaka aminy koa ny masoandro sy ny volana izay nivavahan’ ny Egyptiana, ny herin’ Ilay nanapatapaka ny fatoran’ ny olon’ Andriamanitra no nanao izany. PM 269.1

    Sady mitory ny famindrampon’ Andriamanitra no mitory ny tsy fitiavany handringana ny zava-boahary io loza mahagaga io. Nomeny fotoana hieritreretana sy hibebahana io firenena io, alohan’ ny handrotsahany ny loza farany hamelezany an’ i Egypta.PM 269.2

    Nitarika an’ i Farao hanao fitakiana vaovao indray ny tahotra. Nampaka an’ i Mosesy izy ary nanaiky handefa ny olona telo andro taorian’ ny haizim-pito, fa ny ondry aman’ osy sy ny omby ihany no tsy navelany. ‘Ary ny omby aman-ondrinay dia ho entinay hiaraka aminay koa; fa tsy hisy havela na dia ny kitrony iray aza’, hoy ny navalin’ ny mpitarika ny Hebreo tamim-pahasahiana ‘satria ireny no hangalanay hanompoana an’ i Jehovah Andriamanitray; ary tsy mbola fantatray izay ho entinay manompo an’ i Jehovah mandra-paha- tonganay any’. Nirehitra indrindra ny fahatezeran’ ny mpanjaka raha nandre izany teny izany: ‘Mialà amiko!’ hoy izy taminy: ‘Koa mitandrema, fa aoka tsy hahita ny tavako intsony hianao fa amin’ izay andro hahitanao ny tavako dia ho faty hianao! Ary hoy Mosesy: Marina izay nolazainao, fa tsy hahita ny tavanao intsony aho”.PM 269.3

    ‘Ary Mosesy dia lehilahy malaza indrindra teo amin’ ny tany Egypta, dia teo imason’ ny mpanompon’ i Farao sy teo imason’ ny vahoaka”. Nisakana an’ i Farao tsy hanisy ratsy azy - ny tahotra noho ny fanajany azy - satria izy no nahay nampitsahatra ny loza. Naniry ny handefasana ny Zanak’ Isiraely ny tsirairay avy teo amin’ ny vahoaka. Ny mpanjaka sy ny mpisorona ihany no sisa nisakana ny fiantsoana an’ i Mosesy. Naharitra hatramin’ ny fotoana farany ny fahamafisam-pony.PM 269.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents