Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ilay herinandro voalohany indrindra

    Ny herinandro, toy ny andro fitsaharana ihany, dia nisy hatramin’ ny nanorenana izao tontolo izao. Ny tantaran’ ny Soratra Masina manontolo no nanome azy tsy nisy fiovaovana ho antsika. Andriamanitra mihitsy no nametraka ny halavany ary nametraka izany ho modelin’ ny herinandro hifandimby rehetra, ambara-pahatongan’ ny farany. Andro fito, toy ny ankehitriny ihany, ilay herinandro voalohany indrindra. Rehefa nanokana andro enina tamin’ ny asa famoronana Andriamanitra, dia nitsahatra tamin’ ny andro fahafito Izy, ka nitahy izany andro izany sy nanokana azy ho andro fitsaharana ho an’ ny olona.PM 97.1

    Raha nanome ny lalàna tao Sinay Andriamanitra, dia nanamafy orina ny herinandro Izy, sady nanamafy ny antony isiany. Manom- boka amin’ ny baiko nomena ny olona ny didy fahefatra: ‘Maha- tsiarova ny andro Sabata hanamasina azy ’1. Rehefa izany, dia lazaina izay rehetra tokony hatao mandritra ny henemana sy ny tsy tokony hatao amin’ ny andro fahafito. Ary farany, rehefa nilaza ny ohatra nasehony Andriamanitra, dia nanambara ny anton’ ny hampiasana ny herinandro: ‘Fa henemana no nanaovan’ i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin’ izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin’ ny andro fahafito ; izany no nitahian’ i Jehovah ny andro Sabata sy nanamasinany azy’2. Sady lehibe no manaitra izany antony voalaza izany, raha ekena ho tena andro ara-bakiteny tokoa ireo andro ireo. Natokana ho an’ ny asan’ ny olona ny andro enina voalohany amin’ ny herinandro, ary izany dia noho. Andria- manitra efa nanokana azy ireo koa hanaovany ny asa famoronany. Toy izany koa. mba ho fahatsiarovana ny fitsaharan’ ny Mpamorona. dia tokony hitsahatra koa ny olona amin’ ny andro fahafito.PM 97.2

    Noho izany. mandrava ny tanorenan’ ny didy fahefatra eo amin ny Didy Folo ny fihamboana fa naharitra arivoarivo taona ny herinandro voalohany. Andro fito ara-bakiteny no heverin’ ny sasany fa asain’ Andriamanitra atao ho fahatsiarovana ireny fotoana lavabe ireny. Tsy izany no fomban’ Andriamanitra momba ny zavaboariny. Mampiditra fisalasalana sy haizina eo amin’ izay efa nohazavain Andriamanitra tsara izany hevitra izany. Fisehoan’ ny tsy finoana amin’ ny fomba misoko izany, dia tsy finoana mampidi-doza, fa na dia miafinafina sy tsy miseho araka izay tena endriny aza, dia mahazo laka kosa, ka ampianarin’ ny olona maro izay milaza ny tenany ho mino ny Baiboly.PM 98.1

    ‘Ny tenin’ i Jehovah no nanaovana ny lanitra ary ny fofonain’ ny vavany no nanaovana ny hamaroanv rehetra.. Fa Izy no niteny dia ary izany. Izy no nandidy dia nitoetra mafy izany’3. Ny Baiboly dia tsy mahalala ny taonjato lavabe izay nivoaran’ ny tany tsikelikely avy teo amin’ ny fikorontanana. Ny tantara masina dia manambara ny andro tsirairay avy teo amin’ ny famoronana ho toy ny andro sisa rehetra mifandimby koa: dia nisy hariva ary nisy maraina ; ny asa rehetra natao nandritra ny andro tsirairay avy dia samy voalaza. ‘Izao”, hoy ny fehinteny, ‘no tantaran’ ny lanitra sy ny tany tamin’ ny namoronana azy’. Ireo teny ireo dia tsy mba milaza akory fa hafa noho ny andro ankehitriny ny andro teo amin’ ny famoronana. Antsoina hoe ‘famoronana” ny andro tsirairay avy teo amin’ ilay herinandro voalohany, noho Andriamanitra namorona ny sasany tamin’ ny asany tamin’ izany andro izany,PM 98.2

    Ry zareo mpandinika ny tany dia mihambo ho mahita porofo hanamarinany fa taloha ela noho ny voalazan’ i Mosesy no nisian” ny tany. Ny taolan’ olona, ny taolam-biby, ny fiadiana, ny hazo lo, sns, izay hitany, ary lehibe lavitra noho ny fahita ankehitriny, na noho ireo lahita taona an arivo maro lasa izay, no entiny ilazana fa nisy mponina ela talohan ny fotoana voalazan’ ny famoronana ny tany, dia mponina izay vaventy sy lava lavitra noho ny olona jnkehitriny Maro ny olona mpanaraka ny Baiboly no voafitak’ izany fampianarana izany, ka mihevitra fa fotoana lavabe tsy hita polopolorina tokoa ny andro voalaza momba ny famoronana.PM 98.3

    Tsy afaka hanaporoto na inona na inona ny sampam-pahalalana momba ny toetran’ ny tany (géologie), raha manao tsinontsinona ny tantara voalazan’ ny Baiboly. Izay rehetra manohana ny fampi- anarana sy fanambarana avy amin’ izany sampam-pahalalana izany, dia tsy mba mahazo an-tsaina izay hangezan’ ny olona sy ny biby mbamin’ ny hazo talohan’ ny safo-drano, na mahaeritreritra ny loza amin’ antambo izay niseho. Ireo zavatra nilevina (fossiles) hita any anaty tany dia porofo manamarina fa nisy fiainana fahizay, dia fiainana hafa lavitra noho ny fiainan’ ny olona ankehitriny. Ny tantara masina irery ihany no hany afaka manambara ny fotoana nisian’ izany. Ny filazalazana momba ny safo-drano dia maneho toe-javatra izay tsy hain’ ny sampam-pahalalana momba ny toetran’ ny tany na oviana na oviana fantarina. Tamin’ ny andron’ i Noa dia nisy olona. biby, hazo vaventy lavitra noho izay fahita ankehitriny, izay samy ringana sy voatototra, ka voatahiry any anaty tany. Ny antony nitehirizana azy ireny toy izany. dia mba ho vavolom- belona amin’ ny taranaka mandimby rehetra, fa nisy tokoa ny safo-drano izay nandringana azy rehetra. Tian’ Andriamanitra ho entina hanatnarinana ny Soratra Masina ny fahitana ireny zavatra voalevina ao anaty tany ireny. Indrisy anefa, noho ny hevi-poana. dia latsaka ao amin’ ny fahadisoana izay efa nahavoa ny mponina talohan’ ny safo-drano ny olona. Ampiasainy ho amin’ ny antony tsy mahasoa ny fitahiana atolotr’ Andriamanitra azy. ka dia tonga fiasana mitera-doza ireny.PM 99.1

    Anankiray amin’ ny hafetsena ampiasain’ i Satana dia ny fana- fenana indrindra ny didin’ Andriamanitra izay tena mazava ; ary amin’ izany, dia manosika ny olona hiroso eo amin’ ny lalan’ ny tsy finoana izy, mba hahatonga azy ho sahisahy eo amin’ ny tsy fankatoavana an’ Andriamanitra. Ny didy fahefatra indrindra no nokendren’ ilay fahavalo hasiana mafy, dia ilay didy manambara marimarina fa Jehovah, Andriamanitra velona, no Mpanao ny lanitra sy ny tany.PM 99.2

    Hita tokoa fa na dia eo amin’ ny kristiana aza dia misy fironana hihevitra fa ny famoronana dia asan’ ny zavaboary ihany, ka ny filazana mazàva avy amin’ ny Soratra Masina dia soloana hévitr’ olombelona. Maro no manameloka ny fandinihana ny faminaniana ao amin’ ny Baiboly, indrindra ireo faminaniana hita ao amin’ ny bokin’ i Daniela sy ny Apokalypsy, ary ny anton’ izany. hono, dia noho ireo boky ireo saro-pantarina sy maizimaizina ; ireny olona ireny dia manaiky tsy amim-pisalasalana ny honohono atolotry ny sampam-pahalalana momba ny toetran ny tany, izay mifani- paka indrindra amin’ ireo tantara nosoratan’ i Mosesy. Koa ahoana ary no iheverantsika ireo olona milaza fa maizina tsy takatry ny saina ny zavatra nasehon’ Andriamanitra, nefa kosa manaiky mora- mora foana ny fampianarana hafa izay tsy voalazan ny tenin Andriamanitra akory na dia indray mandeha azy ?PM 99.3

    An’ i Jehovah Andriamanitsika ny zava-miafina ; fa antsika sy ny zanatsika mandrakizay kosa ny zavatra ambara’. Tsy mbola nasehon’ Andriamanitra na oviana na oviana izay fomba nampia- sainy tamin’ ny famoronana izao tontolo izao. Tsy hain’ ny siansa atao ny hahafantatra ny zava-miafin” ny Avo Indrindra; fa tsy ‘akatry ny saina ny hery entiny mamorona sy ny fisiany.PM 100.1

    Neken’ Andriamanitra hiposaka eo amin’ ny olona ny taratry ny fahazavana mba hanazavana ny fahalalany sy ny fahaizany. Kanefa, rehefa sahv hanongontsongona ny zava-miafina izay an’ Andriamanitra ireo olona be fahalalana, dia amin’ izay indrindra no haha- latsaka azy ao amin’ ny fahadisoan-kevitra. Mety tsy hahadiso ny mieritreritra sy misaintsaina ny amin’ ireo zavatra tsy nambara antsika ao amin’ ny tenin’ Andriamanitra, kanefa, aoka ny hevitra azontsika avy amin’ izany mba tsy hifanipaka amin’ izay voalazan’ ny Soratra Masina. Izay rehetra mandao ny Soratra Masina, ka manazava araka ny siansa fotsiny ny momba ny famoronana, dia mirenireny toy ny sambo tsy manana na famantarana avaratra, na sarintany hitari- dalana azy. eny ambony ranomasina mangeniheny mbola tsy nale- hany. Ny olona tsy manaiky hotarihin’ ny Baiboly eo amin’ ny fiezahany hampirindra izay voalazan’ ny Tenin’ Andriamanitra sy izay voalazan’ ny siansa. na dia hoe olo-mahay aza izy, dia ho voan’ ny haitraitrany Ambony loatra eo anatrehany ny Mpamorona sy ny famoronana, ka sady hanary izay voatantaran’ ny Soratra Masina izy no tsy hahatakatra koa ny lalàna eo amin’ ny zavaboary. Izay rehetra misalasala ny amin’ ny fahamarinan’ ny Testamenta Taloha sy Vaovao, ary milaza ny tenany la mahalala nyf lalàn’ ny zavaboary, Ka manambara la angano ihany ireo tantara voalazan’ ny Baiboly, dia hihadiso hevitra: hanjary hisalasala ny amin’ ny fisian’ Andriamanitra izy, ary noho ny tsy fananany ‘ atofantsika sy fitarihan- dalana, dia ho vaky eo amin’ ny haram-baton’ ny tsy finoana ny sambony.PM 100.2

    Tsy nananany ny fahatsoran’ ny finoana noho izy tsy natoky tanteraka ny herin ny tenin Andriamanitra, izay hery tsy azo tsara- tsaraina foana amin ny fahalalana lazaina hoe ara-tsiansa. Ny. Fahai- zan’ olombelona dia tsy azo ianteherana mandrakariva. Ny tsy fahaizana tsara ny siansa sy ny Soratra Masina sy ny fananana saina tsy vonona hanaiky, no matetika mahatonga ny olona sasany hihe- vitra azy roroa, (dia ny Siansa sy ny Baiboly izany), ho toy ny mifanipaka ; rehefa takatra tsara anefa izay samy lazainy, dia ho hita fa mifandrindra tokoa izy. Mosesy dia nanoratra araka ny fitarihan’ ny Fanahin’ Andriamanitra azy ; koa ny fahaizana tsara ny sampam- pahalalana momba ny toetran’ ny tany dia tsy hampahita na oviana na oviana hevitra izay afaka hifanohitra amin’ izany. Rehefa faha- marinana, na fahamarinana hita eo amin’ ny zavaboary izany, na fahamarinana voalaza ao amin’ ny teny voasoratra, dia mitovy amin’ ny fomba fisehony.PM 100.3

    Misy zava-tsarotra hita ao amin’ ny Tenin’ Andriamanitra, izay tsy hain’ ireo olona faran’ izay be fahaizana vahana. Natao ao ireny mba hampahalalana antsika, fa na dia ny zavatra tsotra indrindra eo amin’ ny fiainana aza, dia mety tsy ho takatry ny sain’ olombelona voafetra, izay mihambo ho be fahaizana amam-pahalalana. Nefa. firifiry akory moa ireo olo-mahay no sahy manambara fa voafatotry ny lalàna nataony ihany Andriamanitra ; dia mihambo izy ireo fa afaka hanazava na dia ny fiasan’ ny Fanahy ao anatin’ ny fon’ olombelona aza. Noho izany dia ataony tsinontsinona ny fanajana ny Tompo sy ny fahatahorany ny heriny. Lavin’ ny olona ny zava- mahagaga rehefa tsy takatry ny sainy ny fomba aman-dalàna nentin’ ny Mpahary nanao ireny. Antsoiny hoe lalàn’ ny natiora ny lalàna izay mba hitany mifehy ny zavaboary. Akory anefa ny tsy fahatakarantsika tsara ireny lalàna ireny ! Moa azon’ ny olombelona mety maty atao ve ny hahalala. na dia kely ihany aza, ny amin’ ny halehiben’ ny saha iasan’ Andriamanitra mba hahitany ny didy amam-pitsipiny ?PM 101.1

    Ampianarina matetika fa manana aina sy hery ary toetra mano- kana ho azy ny natiora. ka dia misosa fotsiny, mizotra manaraka ireny lalàna tsy miova sy tsy azon’ Andriamanitra ialana ireny izy. Izany fampianaran-diso izany dia tsy eken’ ny Tenin’ Andriamanitra mihitsy. Ny zavaboary dia mpanompon’ Ilay Mpahary azy. Andriamanitra dia tsy manafoana ny lalàny ; tsy mba manohitra ireny Izy fa manao azy kosa ho toy ny fiasana eo am pelatanany. Maneho fahendrena sy fanatrehana ary hery miasa araka ny lalàny ny zava boary izay manambara ny asa tsy miato ataon’ ny Ray sy ny Zanaka Hoy Jesosy: ‘Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary lzaho miasa ’4.PM 101.2

    Jao. 5: 17PM 101.3

    Hitantsika ao amin’ ny bokin’ i Nehemia ny hiran’ ny Levita manao hoe: ‘Hianao irery ihany no Jehovah ; Hianao no nanao ny lanitra. dia ny lanitry ny lanitra. mbamin’ izay rehetra any aminy, ny tany sy izav rehetra eo aminy. ary Hianao no mamelona azy rehetra ’ Raha ny amin’ izao tontolo izao, dia vita tanteraka ny famoronana satria ‘vita hatramin’ ny nanorenana izao tontolo izao. ny asa’ Tsy hoe noho ny hery tsy mety misaraka aminy no mahatonga ny tany hanome antsika ny soa samihafa, na mahatonga azy hihodina manodidina ny masoandro isan-taona, fa ny herin’ Andriamanitra izay miasa mandrakariva no mihazona izao rehetra- izao. Koa tsy izy ny fiheverana, fa rehefa mihodina indray mandeha ny milin’ izao tontolo izao. dia tsy mijanona intsony, ka ny fontsika hitepo mandrakariva. ary ny fofonaintsika hifandimby hatrany hatrany. Ny fitepon’ ny fontsika. ny fiainantsika dia vao mainka koa mampibaribary ny fikarakarana tsy miato ataon’ Ilay antony ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika’7.PM 102.1

    Ny tanan’ Andriamanitra no mitarika ny planeta sy mitana azy ireo tsy hivily amin’ ny lalana tsy miova izay falehany eo amin’ ny habakabaka. ‘Izy no mamoaka ny antokony araka ny isany sy miantso azy rehetra amin’ ny anarany avy noho ny haben’ ny fahatanjahany sy ny heriny tsy toha, ka tsy misy diso ireny na dia iray akory aza’8. Amin’ ny alalan’ ny heriny no anirian’ ny zava- maniry sy itsimohan’ ny raviny ary ivelaran’ ny voniny. Izy no ‘mampaniry ahitra ny tendrombohitra’9 sy mampahavokatra ny lohasaha. Izy no mampivezivezy ny biby rehetra any an’ ala. Ny zava-manan aina rehetra, hatramin ny biby kely madinika indrindra ka hatramin’ ny olombelona. dia samy manantena avokoa ny fikarakaran’ Andriamanitra isan’ andro. ‘Ireo rehetra ireo’, hoy ny mpanao Salamo, ‘miandry Anao, mba homenao ny hanjny amin’ ny fotoany. Manome Hianao, dia manangona izy; manokatra ny tànanao Hianao, dia voky ny soa izy’10.PM 102.2

    Manjaka eo ambonin ny zavatra rehetra ny teniny. Izy no nampihantona ny rahona eny amin’ ny lanitra sy mampilatsaka ny ranonorana handena ny tany. ‘Mandatsaka orampanala tahaka ny landihazo Izy; mampiely fanala tanaka ny lavenona Izy.’. ‘Mampirohondrohona ny tany any an-danitra izy mampiakatra fofona avy amin’ ny faran’ ny tany ; manao ny helatra ho amin’ ny ranonorana Izy, sady mamoaka ny rivotra avy amin’ ny fira- ketany’11. Fa Andriamanitra no fototry ny zavatra rehetra ; ny tena fahalalana marina dia manaiky ny asany ; ary ny tena fitaizana dia mitarika ho amin’ ny fankatoavana ny fanjakany. Ny siansa dia maneho zava-mahagaga vaovao amintsika; mianika eny amin’ ny lanitra izy ; mirotsaka any amin’ ny lalina tsy hita noanoa izy ; tsy misy manohitra ny fanambarana avy amin’ Andriamanitra anefa ny fikarohana ataony. Mifanazava mantsy ny Teny voasoratra sy ny bokin’ ny natiora, ary izy roroa dia samy mampirisika antsika hanompo ny Mpamorona sy hatoky ny Teniny.PM 102.3

    Misy fetra ny sain’ olombelona ka tsy hahafantatra mazava tsara ny fahendrena sy ny asa ary ny fisian’ Ilay tsy manam-petra izy Hoy i Joba:PM 103.1

    ‘ Takatry ny sainao va ny fomban’ Andriamanitra ?
    Ary tanteraka va ny fahitanao ny Tsitoha ?
    Avo tahaka ny lanitra izany ! ka inona no hainao atao ?
    Lalina noho ny fiainan-tsi-hita ! ka inona no fantatrao ?
    Lava noho ny tany ny ohany
    Ary lehibe noho ny ranomasina 12.
    PM 103.2

    Ny saina lalina indrindra ananan’ ny olona dia tsy afaka haha- takatra an’ Andriamanitra. Azon’ ny olona atao ny mikaroka tsy an-kijanona sy mianatra mandritra ny mandrakizay: nefa tsy ho lany eo anoloany ny tsy manam-petra.PM 103.3

    Zavatra iray loha ihany no mitoetra dia izao: ny zavaboary dia vavolombelon’ ny fahendrena sy ny fahalehibeazan’ Andriamanitra. Izay rehetra mandray ny teniny ho mpanoro lalana dia hahita mpanampy mahasoa eo amin’ ny siansa. ‘Ny lanitra mitory ny voninahitr’ Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan’ ny tànany’13. ‘Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah’ Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ ny nahaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin’ ny zavatra nataony’14.PM 103.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents