Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "undefined".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny tilikambon’ i Babela

    Ny safo-drano dia nanadio ny faharatsian-toetra teto an-tany. Fianakaviana iray monja, dia ny fianakavian’ i Noa, no hany note- hirizin’ Andriamanitra mba hameno ny tany indray. Fa hoy Izy tamin’ i Noa: ‘ Hianao no hitako fa marina eo anatrehako amin’ izao olona miara-belona aminao izao’1. Vetivety foana anefa. dia hita nitombo teo amin’ ireo zanakalahy telon’ i Noa ny toetra nahavoa ireo olona velona talohan’ ny safo-drano. Ny toetran’ i Sema sy Hama ary Jafeta izay fototra iorenan’ ny taranak’ olombelona vaovao. dia taratr’ izay ho toetran’ ny taranany tsirairay avy.PM 105.1

    Nahazo tsindrimandry tamin’ Andriamanitra i Noa, ka nilaza izay ho tantaran’ ny firenena telo hipoitra avy amin’ izy telo lahy izy, dia izy telo lahy izay ho razamben’ ny taranak’ olombelona rehetra. Raha nilaza ny amin’ ny taranak’ i Hama izy, izay tsy notononiny tamin’ ny anarany fa tamin’ ny anaran-janany, dia izao no teniny: ‘Ho voaozona anie Kanana ; ho tena andevon’ ny rahalahiny izy’2. Ny toetra tsy valahara nananan’ i Hama dia mampiseho fa efa very tao aminy hatry ny ela ny fahaiz.a-manaja tokony hananan’ ny zanaka; ary niova ho tsy tia vavaka sy ambany toetra izy. Nolovan’ i Kanana ny fironana ho amin’ ny ratsy tao aminy, ka tamin’ ny farany dia niharan’ ny fitsaran’ Andriamanitra ny taranany. Fa i Serna sy Jafeta kosa dia nampiseho fanajana lalina ny ray aman-dreniny sy fankatoavana ny fitsipik’ Andriamanitra, ka dia afaka nanolotra fiainana tsara ho an’ ny taranany izy ireo. Toy izao no filazalazana izany:PM 105.2

    ‘ Isaorana anie Jehovah, Andriamanitr’ i Sema ;
    Ary aoka Kanana ho andevony.
    Hataon’ Andriamanitra malalaka anie Jafeta ;
    Ary aoka honina ao an-dain’ i Sema izy;
    Ary aoka Kanana ho andevony ’2.
    PM 106.1

    Ny taranak’ i Sema no taranaka niavian’ ilay vahoaka mpandova ny teny fikasan’ Andriamanitra, sy niavian’ ny razan’ Ilay Mpamonjy nampanantenaina. Jehovah dia Andriamanitr’ i Sema ary avy tamin’ i Sema no nisehoan’ i Abrahama mbamin’ ny vahoaka Isiraelita sy Jesosy Kristy. ‘Sambatra ny firenena izay manana an’ i Jehovah ho Andriamaniny ’3. Ary ny amin’ i Jafeta kosa, ‘honina ao an-dain’ i Sema izy”. Ny taranany dia tokony hanana anjara be dia be amin’ ny soa ateraky ny Filazantsara.PM 106.2

    Ny taranak’ i Kanana. na dia nanolo-tena ho amin’ ny fanom- poan-tsampy farany izay ambany indridra aza, dia tsy tratran’ ny fanamelohan’ ny faminaniana, raha tsy efa an-jato taonany maromaro tatý aoriana. Namindra fo taminy Andriamanitra ambara-pahatongan’ ny faharatsiany hihoatra ny faharipon’ Andriamanitra. Ary rehefa izany, dia nesorina taminy ny taniny, ka dia tonga mpanompon’ ny taranak’ i Sema sy Jafeta izy. Tsy hoe faminaniana vokatry’ ny haitraitra na vokatry ny saina tsy refesi-mandidy fotsiny ny fami- nanian’ i Noa, tsy nametra izay ho anjara na izay ho toetran’ ny tsirairay avy izany tsy akory, fa mampiseho kosa izay ho vokatry ny fomba amam-piainana tsy maintsy hofidiny sy tsy maintsy hananany avy. Matetika dia mandova izay toetran’ ny ray aman- dreniny ny zaza, sady manaraka izay ohatra asehony. Ny fahotan’ ny ray aman-dreny dia mifindra koa avy amin’ ny taranany anankiray ho amin’ ny taranany anankiray. Ny famotsifotsiana sy ny toetra ratsin’ i Hama, izay nolovan’ ny zanany, dia niteraka ozona izay nahatratra taranaka maro. ‘Ary ny mpanota iray maha- simba ny soa be’4.PM 106.3

    Fa akory ny soa azon’ i Sema noho izy nahay nanaja ny rainy ! Olo-malaza firifiry akory no nipoitra avy teo amin’ ny taranany ! ‘Fantatr’ i Jehovah ny andron’ ny mahitsy. Ary ny taranany hotahina’5. ‘Koa aoka ho fantatrao fa Jehovah Andriamanitrao ihany no Andriamanitra, dia Andriamanitra mahatoky, Izay mitan drina fanekena sy famindramp amin’ izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, hatramin’ ny taranaka arivo mandimby’6.PM 106.4

    Nitoetra nandritra ny fotoana sasantsasany teo amin’ ilay tendrombohitra niantsonan’ ny sambo-fiara ny taranak’ i Noa. Fa rehefa nihamaro izy, dia nisaraka noho ny fihemorana. Izay rehetra sorisorena noho ny fananarana sy famporisihana nataon’ ireo mpivavaka tamin- Andriamanitra, dia naniry ny hiala tsy ho eo amba- nin’ ny didin’ ny Tsitoha intsony, ka dia nitady fonenana lavitra. Niroso ho any amin’ ny tany lemak’ i Sinara izay vakivakin’ ny onin’ i Eofrata izy ireo, sondriana erý noho ny hatsaran-tarehin’ izany toerana izany, ka dia nanapa-kevitra honina teo. Nikasa hano- rina tanàna lehibe izy sy tilikambo avobe izay hampitolagaga ny tany rehetra. Izao no nokendreny tamin’ izany fikasany roa loha izany: ny mba tsy hahatonga azy hisaratsara-ponenana ; izany anef’a dia mifanonitra amin’ ilay baikon’ Andriamanitra izay mandidy hiely eny ambonin’ ny tany sy hameno azy ary hampanompo azy. Ny mpanorina an’ i Babela dia nanam-pikasana hiray fonenana sy hanorina fanjakana izay hanapaka ny tany manontolo indray andro any. Ho renivohitr’ izao tontolo izao no nokendreny tamin’ ilay tanàna naoriny. Ny voninahiny dia nokasainy ho isan’ ny zava- mahatalanjona hita etý ambonin’ ny tany, ary ny anaran’ ireo mpanorina azy dia noheveriny tsy ho very tadidy eo amin’ ny taranaka mifandimby. Fa nokasainy hahatratra ny lanitra ny tendron’ ilay tilikambo, ka sady ho voninahitra sy vavolombelon’ ny fahaizan’ ny mpanao azy, no tsy hahalefy laza ny anaran’ izy ireo hatramin’ ny taranaka fara-mandimby.PM 107.1

    Ireo mponina tao amin’ ny tany lemak’ i Sinara dia tsy nino ny teny fikasan’ Andriamanitra izay nanambara fa tsy hisy intsony ny safo-drano. Maro taminy aza no nandà mihitsy ny fisian’ Andriamanitra, sy nihevitra fa ilay loza nitranga dia vokatry ny toe-javatra mpiseho eo amin’ ny zavaboary. Ny sasany kosa, na dia tsy nandà ny Fisian’ Ilay Ambony Indrindra aza, dia nanana ny toetsain’ i Kaina, ka nikomy tamin’ ny Mpamorona. Nihevitra izy rehetra, fa raha tafasondrotra avo kokoa noho ny fetra farany tratran’ ny safo-drano ny tilikambo izay haoriny, dia hahita fialofana amin’ ny loza izy. Tsy izany ihany, fa ny haavon’ ny tilikambo dia hamela azy hiakatra eny amin’ ny faritra misy ny rah’ona, izay heveriny fa mety hahitany ny anton’ ny loza izay niseho. Izany rehetra izany, raha atao bango tokana, dia tsy nanan-java-nokendrena afa-tsy izao: ny mba hahafa-po ny fiavonavonan’ izy rehetra sy mba hamongorana ny fahalalana an’ Andriamanitra hatramin’ ny taranany fara-mandimby.PM 107.2

    Efa nadiva ho vita ny asa ; ny mpanorina tsirairay avy dia samy efa namaritra efitra ho azy avy. Ny efitrano sasany dia nasiana fanaka sarobidy sy noravahana tsara, ka natokana ho an’ ny sampy. Faly izy rehetra fa nahomby ny asa nataony, ka nankalaza sy nanome voninahitra ny andriamani-bolafotsiny sy ny andriamani-bolamenany izy. Natao tsinontsinona Ilay Tompon’ ny lanitra sy ny tany. Tampo- tampoka foana anefa. dia niato ny asa rehetra. Fa inona no niseho ? Nisy anjely nirahina mba hampijanona ny fikarakarana rehetraPM 108.1

    Efa tafakatra avo dia avo ilay tilikambo. Ary satria tsy azon’ ireo mpiasa tany amin’ ny farany ambony natao intsony ny hibaiko ireo izay teo ambany, dia nasiana olona teny anelanelany rehetra teny, mba hampita ny hafatra sy ny baiko izay nomena. Raha mbola niampitapita toy izany ny hafatra, dia nokorokoroina ny fitenin’ ny olona. ka tsy hifanitsy intsony ny zavatra nangatahina sy ny zavatra nomena ; ny hafatra nalefa dia niova koa teny am-pandehanana. Nahazo ny besinimaro ny. fikorontanana sy ny hagagana, ary satria tsy nisy intsony ny firaisana sy ny fiaraha-miasa, dia nahato ny raharaha. Tsy takatry ny mpanao tilikambo velively izay antony tsy nifankahazoany hevitra, ka dia tezitra ny nifanome tsiny be ihany izy. Niafara tamin’ ny ady sy fahalatsahan-dra ny asa izay natao. Ary mba hanehoan’ ny Tompo ny tsy fankasitrahany, dia nilatsaham- baratra ny tapany ambony tamin’ ny tilikambo ka nianjera tamin’ ny tany. Dia takatry ny olona fa misy tokoa Andriamanitra any an-danitra, Izay manapaka ny etý an-tany.PM 108.2

    Talohan’ izany fotoana izany, dia iray ihany ny fitenin’ ny olona, fa hatramin’ izay kosa dia izay nifankahazo fiteny ihany no nikambana sy niara-nizotra: ny sasany ho amin’ ny toerana iray, ny sasany ho amin ny fitoerana hata indray. ‘Dia tao no nampie- lezan’ i Jehovah azy hiala ho eny ambonin’ ny tany rehetra’7. Ny fomba izay nokendren’ ny olona hisakanana ny fikasan’ Andriamanitra ihany no nampiasain’ ny Tompo hanatanterahana izany fikasany izany.PM 108.3

    Navotan’ io taranaka io lafo tokoa anefa izany ! Ny planan’ Andriamanitra dia ny hahatonga ny firenena hiely manerana ny tany, ka na aiza na aiza halehany dia hitondra hiaraka aminy koa ny fahalalana ny sitrapon’ ny Tompo izy ; izany dia mba hahatonga ny fahazavan’ ny fahamarinana, madio sy tsy misy pentimpentina, hifindra avy amin’ ny taranaka iray ho amin’ ny taranaka iray. Mbola velona dimampolo sy telonjato taona taorian’ ny safo-drano i Noa, ilay ‘mpitory ny fahamarinana’ ; ary i Sema mbola velona dimanjato taona. Nandritra ireo taona ireo dia samy nampianatra ny taranany ny amin’ izay sitrapon’ Andriamanitra sy ny fomba nitondrany ny razany avy izy. Fa ireo mpanao ny tilikambon’ 1 Babela kosa, izay tsy mba naniry handre ny fahamarinana izay nanorisoiy azy, sady tsy te-hitahiry ny fahalalana an’ Andriamanitra marina, dia vao mainka koa tafasaraka tamin’ ireo izay afaka hizara taminy ny mazava, noho ny nanorokoroana ny fiteniny.PM 109.1

    Nimonomonona tamin’ Andriamanitra ireo mpanorina an’ 1 Babela. Tsy mba nahatsiaro sy nankasitraka ny famindrampo nomena an’ i Adama sy ny fanekem-pahasoavana natolotra an’ i Noa izy. fa vao mainka koa velon-taraina, fa mafy loatra, hono, ny nanjo an’ i Adama sy Eva noroahina avy tao Edena sy ny nahazo ireo mponina naringan’ ny safo-drano. Tsy fantany mantsy fa raha miampanga an’ Andriamanitra ho masiaka sy henjana toy izany izy, dia manaiky kosa hilonjy ny ziogan’ i Satana izay lozabe manoatra noho izay rehetra atao hoe lozabe. Mba hanevatevany ny fanatitra alatsa-dra izay tandindon’ ny fahafatesan’ ny Mpanavotra, dia nanáraraotra ny haizin’ ny fanompoan-tsampy izay nampiraparapa ny olombelona ilay anjelin’ ny fikomiana, ka nanosika azy haka tahaka ireny fanatitra ireny, ary hanatitra ny zanany ho sorona eo amin’ ny alitaran-tsampiny ! Hadinon’ ny olona ny toetran’ Ilay Mpamorona, ka ny fitiavany, ny fahamarinany, ary ny heriny dia nosoloany fampahoriana, fanaovana an-keriny ary fahabibiana tsy roa aman-tany.PM 109.2

    Tamin’ ireo olona tao Babela, izay nanapa-kevitra hanorina fanjakana tsy miankina amin’ Andriamanitra, dia nisy olona sasan- tsasany natahotra an’ Andriamanitra. nefa voafitaky ny fikasan’ ny ratsy fanahy, ka dia nirotsaka nanana anjara tamin’ ny fananganana ilay tilikambo. Noho ny amin’ izy ireo, sy mba hahafantaran ireo filohan’ ny teti-dratsy hampiharihary ny tena toetrany, no nahatonga an’ i Jehovah hampitaredretra ny fanatanterahany ny fitsarany. Rehefa nahita ny fahadisoany ireo ‘zanak’ Andriamanitra’, dia nanao izay rehetra azony natao tokoa mba hamiiiana azy hiala amin’ ny fikasany ; nefa. notoherin’ iretsy mafy dia mafy izany. Raha tsy nahato ny asan’ ireo mpihemotra, raha tsy nofongorana ny fikambanany hanorina fanjakana izay tsy hisy anjara-toerana na anjaram-boninahitra ho an’ Andriamanitra, dia simba hatreo amin’ ny voalohandohan’ ny tantarany ny olombelona. Hery mahatsiravina izay ho namongotra ny fiadanana sy ny fahasambarana ary ny fandriam-pahalemana no ho nanjaka tety an-tany. Ny fitsipik’ Andriamanitra izay ‘masina sady marina no tsara”,8 dia ho nosoloan’ ny olona fitiavan-tena sy fahasiahana.PM 109.3

    Fa ireo izay natahotra an’ i Jehovah kosa dia nitaraina taminy mba hamonjy azy, ary ‘nidina Jehovah hizaha ny tanàna sy ny tilikambo izay nataon’ ny zanak’ olombelona’9. Noho ny indrafon’ Andriamanitra tamin’ ny olona, dia nokorokoroiny ny fiteniny ary natsahany ny raharahany tamin’ ny nandravany ny tsangambaton’ ny fiavonavonany. Mandefitra ela amin’ ny faharatsian’ ny olona Andriamanitra. Ary na dia manamarika ny fikasan’ izy ireo hano- bahany. Indraindray eo amin’ ny tantaran’ izao tontolo izao dia miseho ny tanan’ ny Tompo. dia ilay tanana miafina mihazona ny miseho ny tanan’ ny Tompo, dia ilay tanana miafina mihazona ny tehim-piandrianan’ izao rehetra ary izao, mba hampiato ny fitosaky ny faharatsiana sy hampibaribary, toy ny masoandro be lohataona, fa Jehovah no Mpamorona ary Izy irery ihany no tsy manam-petra, amin ny tahendrena sy ny fitiavana ary ny fahamarinana ; Izy no Mpanapaka ny lanitra sy ny tany ary tsy azo toherina ny fahefany.PM 110.1

    Niafara tamin ny henatra sy tfaharesena lehibe ny fikasan” ireo mpanorina an i Babela. Ny tsangambaton’ ny fiavonavonany dia niova ho tsangambaton ny tahadalany. Na dia izany aza anefa, dia mbola nizotra teo amin ny lalany ihany ny olona sy nanao araka izay sitraky ny fony, nandà ny lalàn’ Andriamanitra araka izay efa nataon’ i Satana tany an-danitra, sy nataon’ i Kaina tety an-tany. Ankehitriny dia mbola misy ihany koa olona mpanao tilikambo. Ny tsy mpino dia manorina ny heviny eo amin ny filazana feno honohono izay lazainy ta avy amin ny siansa, ka dia manosi-bohon-tanana ny Teny fanambarana izy. Mihambo ho mpitsara ny fanapahan’ Andriamanitra amin’ ny ara-panahy izy, ka manao tsinontsinona ny didiny ; ary ambarany fa ny hevitr’ olombelona ihany dia ampy hitarika azy eo amin’ ny fiainana. ‘Saingy tsy tanterahina vetivety ny famaliana ny ratsy atao, dia izany no ikirizan’ ny fon’ ny zanak’ olombelona amin’ ny fanaovan-dratsy ’10.PM 110.2

    Eo amin’ ireo izay milaza ny tenany ho kristiana, dia maro no miala amin’ ny fampianaran’ ny Baiboly izay tsotra sady mazava, fa manaraka kosa hevitra izay miorina eo amin’ ny hevitr’ olombelona. sy eo amin’ ny anganongano mahafinaritra. Izy ireo koa dia manorina tilikambo izay heveriny fa hahatongavanv any an-danitra. Vahoaka marobe no variana mihaino ireo mpandahateny mahay, izay milaza fa tsy ho faty tsy akory ny mpanota. ary ny famonjena dia ho azo na dia tsy mitandrina ny didin’ Andriamanitra aza. Raha ireo izay milaza ny tenany ho mpianatr’ i Kristy no samy manaraka ny lalàn’ Andriamanitra avokoa, dia ho iray ihany izy rehetra. Fa raha mbola ny fahendren’ olombelona ihany no asandratra ho ambony noho ny tonin’ Andriamanitra, dia hisy mandrakariva ny fisarahana sy ny fitokotokoana eo amin’ ny mpino. Ny fikorontanana ankehitriny vokatry ny fahasamihafam-pinoana izay mampisaraka ny kristiana. dia antsoina hoe ‘Babylona’11 (fikorontanana), dia teny ilazan’ ny faminaniana ny Fiangonana manao araka ny fanaon’ izao tontolo izao amin’ ny andro farany.PM 111.1

    Ireo izay mihevitra ny hareny sy ny fahefany ho lanitra, dia atao hoe koa mpanorina tilikambo. ‘Manazimbazimba izy ka miresaka.fampahoriana an-dolompo. Avo vava izy’12. Sady manitsa- kitsaka ny fahefana ananan’ ny namany izy, no tsy miraharaha ny fahefan’ Andriamanitra. Azon’ ny mpiavonavona atao ny hanana hery lehibe mandritra ny fotoana vitsivitsy, ka hahita fahombiazana eo amin’ ny taharaha izay ataony, kanefa, amin’ ny farany, dia tsy hijinja afa-tsy fahavoazana sy fahakiviana izy.PM 111.2

    Efa mby eo am-baravarana ny fotoana famaliana. Hidina ny Avo Indrindra, mba hijery izay naorin’ ny olona. Hasehony ny heriny tsitoha ka dia homontsamontsanina ny asan’ ny olona mpirehareha.PM 111.3

    ‘Eny an-danitra no itsinjovan’ i Jehovah ;
    Mijery ny zanak* olombelona rehetra Izy ;
    Eo amin’ ny fonenany no ijereny
    Ny mponina rehetra ambonin’ ny tany
    Jehovah mahafoana ny fisainan’ ny firenen-t.samy hafa ;
    Mahatsinontsinona ny hevitry ny olona Izy.
    Ny fisainan’ i Jehovah maharitra mandrakizay,
    Ny hevitry ny fony mahatratra ny taranaka fara mandimby ’12.
    PM 112.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents