Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Safo-drano

    Ozona roa sosona vokatry ny fahotan’ i Adama sy ny vonoan’ olona nataon’ i Kaina no nitambesatra tamin’ ny tany tamin’ ny andron’ i Noa. Na izany aza anefa, dia tsy mbola niova ny endriky ny tany. Na dia tao aza ireo famantarana samihafa nampiseho faha- sim’oana, dia mbola nirakitra ny hareny sy ny hatsaran-tarehiny voalohany ihany ny zavaboary. Hazo makadiry, mirijarija mahafinaritra, iantsapazan’ ny sampam-boaloboka no nandrakotra ny havoana. Ahi-maitso ravahan’ ny voninkazo arivo soratra, feno hanitra, no nameno ny tany lemaka sy ny lohasaha. Hazo fihinam-boa samihafa no indray namoa saika tsy an-kijanoria. Ny hazo ala dia nihoatra lavitra, na tamin’ ny hatsaran-tarehy na tamin’ ny halehi- beazana, noho izay hazo kanto indrindra hita ankehitriny. Mafy toy ny vato ka mila tsy ho voakapa mihitsy ny atin’ izy ireny. Ny volamena, ny volafotsy, ny vatosoa, ny hazo sarobidy, dia samy be dia be tokoa.PM 75.1

    Mbola natanjaka sy feno hery ny olona tamin’ izay, na dia somary latsaka sy nihena noho ilay heriny tamin’ ny voalohany aza. Vao taranaka vitsy foana no nifandimbindimby tetý ambonin’ ny tany hatramin’ ny fotoana nihinanan’ i Adama ny voan’ ilay hazo mahela velona, ka dia mbola naharitra an-jato taonany maro ny fiainan’ ny olona. Raha ireo taranaka velona sy naharitra an-jato taona maro ireo mantsy no nanokana ny herin’ ny tenany sy ny herin’ ny sainy ho an’ ny raharahan’ Andriamanitra, dia ho feno ny voninahitr’ Ilay Mpamorona ny tany rehetra. Tsy izany velively anefa no niseho. Ireo olona marobe, vaventy sy ranjanana, namirapiratra tamin ny fahendrena sy tamin’ ny asa vaventy sy mahatalanjona nataony, dia nalaza koa tamin’ ny faharatsiam-pitondrantena. Ny talenta sarobidy natolotr’ Andriamanitra ireo olona velona talohan ny Safo-drano, dia nampiasainy ho voninahitry ny tenany ihany. Nanjary ozona ireny fitahiana ireny, rehefa nampiasaina ho amin ny fitiavan- tena. sady tsy nisy firaharahana Ilay Mpanome. Ny volamena sy ny volafotsy mbamin’ ny vatosoa sy ny hazo sarobidy nananany dia nentiny nanaovana lapa tsara tarehy izay nokendreny hanoatra noho ny an’ ny namany. Nampanjakainy ny fiavonavonana. Feno lalao sy fanaovan-dratsy ny fiainany, ary rehefa tsy niraharaha an Andriamanitra izy dia nanjary tsy nino ny fisiany. Ny zavaboary indrav no nivavahany fa tsy Iiay Mpamorona intsony. Nomeny voninahitra ny halalinan-tsain’ olombelona, ary nankalazainy ny asan- ny tanany ; nampianariny hiankohoka teo anatrehan’ ny sarin- javatra voasokitra ny ankizy.PM 75.2

    Teny amin’ ny ahi-maitso sy teny am-pototry ny hazo makadiry, na teny ambanin’ ny hazo maitso ravina lalandava, no nanorenany alitaran-tsampy ho an’ Andriamanitra sandoka. Zaridaina inaha- finaritra vakivakin’ ny arabe malalaka. misy hazo mamoa eny amin’ ny sisiny avy, no nanodidina ireny toerana ireny. Sary vongana mbamin’ izay mety mahafinaritra ny maso no hita oinbieny ombieny. Izany rehetra izany dia nahafa-po ny filàn’ ny nofo sy nitarika ho amin’ ny fanompoan-tsampy.PM 76.1

    Rehefa nanaisotra izay rehetra momba an’ Andriamanitra tao an-tsainy ny olona, dia tsy nisaina afa-tsy ny zavatry ny ta,ny. Nivavaka tamin-javatra vokatry ny eritreriny izy. ‘Ho tahaka azy (ny sampy) izay manao azy sy izay rehetra matoky azy”, hoy ny mpanao Salamo.1 Nihánitovy endrika tamin’ izay zavatra nojeren’ ny masony izy: tsy mety ho tafasondrotra, ambonimbony kokoa noho ny fiheverany ny atao hoe hatsaran-toeira ny olona. Nampidina ny idealiny ho ambany izy rehefa nihevitra ny andriamani-tsy izy ho anton’ ny ratsy sy ny filàn’ olombelona.PM 76.2

    ‘ Aiy hitan i Jehovah fa be ny faharatsian’ ny olona tambonin’ ny tany, ka izay fisainana rehetra avy amin’ ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro ... Ary simba ny tany teo anatrehan’ Andria- manitra sadv heni-doza’2, Nodikaina ny lalàna nomen’ Andria- manitra ho an ny olona ho fitsipi-pitondrantena; natao avokoa izay ratsy longa tao an-tsaina. Voahitsakitsaka ny fahamarinana fa medinedina avo tijery kosa ny ota. Tafapaka hatrany an-danitra ny feo fitarainan’ ny nampahoriana. Teo afovoan’ izany fahasimban’ ny besinimaro izany, indreo kosa 1 Metosela sy Noa, niezaka hitahiry ny fahalalana an’ Andriamanitra marina ary nanao izay tsy hitaran’ ny ratsy, nefa toa very maina ny herim-pony.PM 76.3

    Nanao izay nifanohitra tamin’ ny fitsipik’ Andriamanitra hatramin’ ny voalohany ny olona, ka tsy ela dia nitranga ny fampi- rafesana. Fantatra miharihary ny sitrapon’ Andriamanitra: vehivavy iray ihany no nomeny ho vadin’ i Adama. Taoriana kelin’ ny faha- lavoana anefa, dia nampanaram-po ny filàny ny olona ; fijaliana sy fahavetavetana no vokatr’ izany. Tsy nisy voahaja na ny hasin’ ny fanambadiana na ny zon’ ny tsirairay avy. Izay nitsiriritra ny vady na ny fananan’ ny namany, dia naka izany an-keriny, ka nirehareha ery tamin’ ny hadalana vitany. Natao ho fifaliana ny mamono biby sy mihinana ny nofony. Dia nihanasiaka sy lian-dra hatrany hatrany ny olona. ka nanjary zavatra tsy nampiraika azy mihitsy ny nanda- tsaka ny ain’ ny namany. Mbola teo amin’ ny fahazazany ihany anefa ny tany tamin’ izay, saingy noho ny ota sy ny ratsy nieli- patrana sy latsa-paka loatra, dia tsy nahazaka izany intsony ny lanitraPM 77.1

    ‘Dia hoy Jehovah: haringako tsy hisy ambonin’ ny tany ny olona izay noforoniko’3. Tsy hifandahatra mandrakariva amin’ ny taranaka efa simba ny Fanahiko. Raha tsy mijanona amin’ ny fandotoana ny tany.sy ny fanimbana ny harena napetraka eny tontolo eny izy, dia haringako avokoa na biby na olona ; hosimbako ny zava-maniry sy ny hanina rehetra efa nangonin’ ny olona. Hoso- loako faharavana sy tahasimbana ny hakanton’-ny zavaboary.PM 77.2

    Roapolo amby zato taona talohan’ ny Safo-drano, dia nampa- halalain’ Andriamanitra an’ i Noa tamin’ ny alalan’ ny anjely iray ny fikasany hanimba ny tany. Koa dia nasainy nanao sambo-fiara izy. Mandritra izany fotoana izany, hoy ilay anjely tamin’ i Noa, dia hilaza amin’ izao tontolo izao ianao fa handefa Safo-drano Andriamanitra handringanana ny ratsy fanahy. Holazainao azy fa izay rehetra manaiky ny hafatra entinao, ka miova amin’ ny fanaony, dia hahazo famelan-keloka, ka ho voaro amin’ ny loza. Izany hafatra nomena an’ i Noa izany dia efa natolotra koa an’ i Enoka sy ny fianakaviany. Metosela sy ny zanany, izay niara-belona tamin’ i Noa, dia samy nandre izany avokoa ka nanampy tamin’ ny fanaovana ny sambo-fiara.PM 77.3

    Andriamanitra mihitsy no nanome an i Noa ny tena refin ny sambo-fiara. Natorony azy koa ny momba ny fikarakarana hatramin ny zava-madinika indrindra. Tsy ampy hisaina hanao raharaha maka- diry sy mafy toy izany ny sain olombelona. Noa no nandrafitra ny sambo-fiara, fa Andriamanitra mihitsy no mpità-mariky ny fanaovana azy. Mba hahazoany misononoka eny ambonin ny rano, dia natao toy ny vatan-tsambo ny vatany; ny sisa rehetra dia mibikabikan-trano. Telo ny rihana ary varavarana tokana no teo amin’ ny rindriny. Teo amin’ ny rihana ambony no nidiran ny lahazavana avy tamin’ ny varavarana iray ; izany no nanazava ny tao anatin’ ny sambo rehetra. Hazo gotera na kypreso no nentina nanaovana azy; hazo mafy sy mateza fatratra ireo. Sarotra sy niadana ny raharaha. Na dia nanana herin-tsandry mahatalanjona tokoa aza ny olona velona tamin’ izany fotoana izany, ny havaventin’ ny hazo sy ny hamafiny dia nilàna asa be lavitra sady mafy lavitra noho izay ilaina ankehitriny. Na izany aza anefa, dia tsy hahatohitra ny tafiotra lehibe izay hianjady amin’ ny tany ny sambo-fiara, raha tsy Andriamanitra mihitsy no hiaro ny mpanompony.PM 78.1

    ‘Finoana no nanamboaran’ i Noa sambo-fiara hamonjena ny ankohonany, fa natahotra izy, rehefa notoroan’ Andriamanitra hevitra ny amin’ ny zavatra tsy mbola hita ; koa izany no naname- lohany izao tontolo izao sy nahatongavany ho mpandova ny faha- marinana araka ny finoana’4. Nanaporofo ny fahatsoran’ i Noa sy ny fahamarinan’ ny hafatra nentiny tamin’ ny mpiara-belona tammy ny asany. Vavolombelon’ ny finoany ny figaonan’ ny famaky nampiasainy. Nampiseho ohatra tamin’ izao tontolo izao izy, momba ny fanarahana ara-bakiteny izay ambaran’ Andriamanitra, ka dia narotsany nanaovaria ny sambo-fiara avokoa izay rehetra nananany. Vahoaka avy tamin’ ny vazan-tany efatra no tonga hizaha ilay sambo lehibe naorina teny an-tampon-tanety, sy hihaino koa ny hafatra manaitra notorin’ ilay mpitoriteny hafahafa.PM 78.2

    Maro tamin ireo mpihaino an’ i Noa ireo no voahetsiketsika sy nangorakoraka, ka nirotsaka nanampy azy. Tsy lalim-paka anefa ny fiovam-pony la tsy mbola nahatoy ny fahotany izy. Nozahana toetra ny finoany. ka naneho ny hakelin izary ny halavan’ ny fotoana talohan’ ny Safo-drano. Ary noho ny habetsahan’ ny mpaniratsira, dia voasarika izy ireny hiverina indray teo amin’ ny fomba nahazatra azy. Reheta nanosi-bohon-tanana ny tamindrampo sy ny hafatra nampi- eritreritra nentin i Noa izy ireny, dia tonga isan’ ny nafana fo indrindra teo amin’ ny laharan’ ny mpanesoeso. Tsy misy lasa lavitra eo amin’ ny fanaovan-dratsy toy ny olona efa nahita ny fahazavana. kanefa mandà ny antson’ ny Fanahy Masina.PM 78.3

    Tsy dia hoe mpanompo sampy hiringiriny tsy akory ny olona velona tamin’ izany fotoana izany. Maro tamin’ izy ireny no nihambo ho mpanompon’ Andriamanitra, ka nilaza fa ny sampy izay tehiriziny, dia tsy inona tsy akory fa fanehoana ihany Ilay Mpamorona ; izany hoy izy dia mba hahazoana mahatakatra bebe kokoa ny momba an’ Andriamanitra. Toy izany no toetoetran’ ireo voalohany nitsan- gan-ko fahavalon’ i Noa sy nanohitra mafy ny toriteniny. Voajamban’ ny sary izay nataony izy, ka tsy nahita intsony ny fahalehibeazan’ Andriamanitra sy ny heriny, mbamin’ ny fahamasinana sy ny tsy fiovan’ ny zavatra andidiany. Dia nihevitra ny ota ho tsy mampa- ninona intsony izy ary sahy nilaza aza fa efa lany andro ny didin’ i Jehovah. Mifanohitra amin’ ny toetran’ Andriamanitra, hoy koa izy, ny mamaly ny mpanao ratsy, ka dia lavintsika ny hino fa hisy loza hamely ny tany. Raha mba nankatò ny lalàn’ Andriamanitra mantsy ireo taranaka indray nihira tamin’ i Noa, dia ho fantany fa avy amin’ Andriamanitra ny hafatra nentin’ ilay mpanompony. Fa riy hamafin’ ny fony tsy handray ny fahazavana no nahatonga azy rehetra hihevitra an’ i Noa ho mpisandoka sy mpanonofinofy fotsiny.PM 79.1

    Koa dia tsy nisy vahoaka na olona marobe nomba ny faha- marinana. Niray hina hanohitra an’ Andriamanitra sy ny didiny izao tontolo izao. Tamin’ ny fotoana nakan’ i Satana fanahy an’ i Eva dia hoy izy taminy: ‘Tsy ho faty tsy akory hianareo’5. Hevitra toy izany ihany koa no naverimberin’ ireo olo-malaza sy noheverina ho hendry tamin’ ny andron’ i Noa: ‘Mba hampa- hatahotra antsika fotsiny no anton’ izao fandrahonana avy any an-danitra izao, fa tsy ho tanteraka akory izany. Koa aza taitaitra foana ianareo, fa tsy handringana ny tany izay efa namboariny na handevona ny olona izay efa noforoniny na oviana na oviana Andriamanitra. Aza misy matahotra; mandria fahizay ; Noa dia olona adala sy mafana fo foana tsy aman’ antony”. Dia nesoiny sy nataony fihomehezana ilay lahy antitra hafahafa. Tsy mba nanetry tena ny vahoaka, fa vao mainka koa nikiribiby tamin’ ny fahotana sy ny tsy fankatoavana, dia toy ny tsy nandre na inona na inona iny tamin’ ny alalan’ ny mpanompon’ Andriamanitra izy rehetra.PM 79.2

    Noa kosa anefa dia niseho ho mafy toy ny vatolampy , tsy nihetsika teo afovoan’ ny tafio-drivotra izy ; toetra matotra sy tsy azo nohozongozonina no nentiny nanohitra ny hehy sy ny eson ny vahoaka.PM 80.1

    Nandritra ny roapolo amby zato taona, noho ny hery tsy azo tohaina nananany, vokatry ny firaisany tamin’ Andriamanitra, dia tsy nitsahatra nilaza tamin’ ny mpiara-belona taminy izy, ny amin ny fahantomoran’ ireo toe-javatra hitranga izay toa tsy azo inoana mihitsy raha araka ny fihevitr’ olombelona. Ny feony.dia akon ny feon’Ilay Tsitoha.PM 80.2

    Ireo olona indray nihira taminy dia nanizingizina fa tsy mety hiova na oviana na oviana ny lalàn’ ny zavaboary ; ary porofon’ izany, hoy izy ireo, dia tonga ara-potoana ny fizaran-taona ; ao koa ny ony izay mivarina mandrakariva any an-dranomasina. Tsy nisy orana tamin’ izany fotoana izany, fa ando sy zavona no nampa- havokatra ny tany. Nisy zava-dray loha hadinon’ izy ireo anefa, fa ny firindrana mahafinaritra izay hita dia tsy avy amin’ iza fa avy amin’ Ilay niteny tamin’ ny ranomasina hoe: ‘Hatreto no azonao androsoana ka tsy hihoatra’6.PM 80.3

    Rehefa lasalasa ihany ny taona ka tsy nisy fiovana hita maso teo amin’ ny zavaboary, dia nanomboka ho tony ireo natahotra teo aloha. Nihevitra izy ireo, dia toy ny fihevitry ny maro koa ankehitriny, fa mahery kokoa noho Andriamanitra Izay nanao azy ny zavaboary: tsy hanova ny lalàna mafy izay napetrany Izy. Raha ohatra, hoy izy, ka marina ny faminanian’ i Noa, dia hikorontana ity tanintsika ity, koa ny fara-heviny dia ny hampino ny olona fa fandrebirebena fotsiny ny hafatra nentin’ i Noa. Raha mba misy marina mantsy izany, hoy koa izy, dia tsy maintsy ho fantatr’ ireo olo-manga sy olon-kendrintsika. Ary ho vavolombelon’ ny fanaovany tsinontsinona ny filazana avy any an-danitra, dia lasa nanohy ny fiainany feno fety sy fanaranam-po izy ireo: Dia nihinana izy, nisptro, namboly ary nanao trano. Nanombo-draharaha mety hahitam-bokatra be atý aoriana izy. Ary mba hanehoany fa tsy manan-tahotra velively ny Avo Indrindra izy, dia mainka koa izy nihosinkosina tao amin’ ny faharatsiana manoatra lavitra noho ny tamin’ ny andro taloha rehetra.PM 80.4

    Raha mba nanaiky ny hafatra nomena azy mantsy ireo olona velona talohan ny Sato-drano, ka nanova ny fiainany, dia ho nampiala ny fahatezerany taminy Andriamanitra, tahaka izay nataony tamin’ i Ninive tatý aoriana. Indrisy anefa fa tsy izany no niseho, fa noho ny fikirizany tsy hanaraka ny feon’ ny fieritreretany sy noho ny nandavany ny fitarainan’ ilay mpaminanin’ i Jehovah, dia feno nitafotafo ny kapoakan’ ny faharatsiany, ka tsy maintsy nihatra taminy ny fandringanana.PM 80.5

    Nifarana ny androm-pahasoavana. Efa nanaraka tsara ny toro- marika nomen’ ny Tompo i Noa’. Efa vita ny sambo-fiara; efa nanomanana hanina ny olona sy ny biby hiditra ao anatiny. Dia nanao ny fitaomana farany azony natao ilay mpanompon’ Andria-manitra. Tamin-kafanampo tsy hay lazaina no niantsoan’ i Noa ireo mpiara-belona taminy hanaiky ny fialofana izay atolotra azy maimaimpoana. Mbola hehy sy eso ihany no navaly ny teniny. Kanjo vetivety foana dia kepoka izy rehetra. Indreny andiam-biby dia sy biby fiompy samy hafa karazana, nivoaka avy tany an’ ala sy nitsontsorika avy teny amin’ ny havoana; nilahatra tsimoramora nanatona ny sambo-fiara. Injany koa toa rivotra mahery mifofofofo. Inona àry no hiseho ? Andiam-borona marobe nameno ny lanitra, avy tamin’ ny vazan-tany efatra, no nilahatra mahafinaritra sy tamy nanatona. Raha mbola nanohitra sy tsy niraharaha ny baikon’ Andriamanitra ny olona, ny biby kosa niditra tao amin’ ny sambo fiara, tsiroaroa araka ny karazany ary tsifitofito ny biby madio. Hagagana niharo tahotra no nahazo ny olona rehetra raha nahita izany. Nasaina nanazava ny anton’ izao zava-mahagaga izao ny olon-kendry. Tsy nisy nahay nivaofy izany anefa izy na dia iray aza. Efa mafy fo loatra koa ny olona ka fihetseham-po kely foana no vokatr’ izany toe-javatra manaitra izany. Ny masoandro dia mbola namirapiratra fatratra ihany tokoa ; ny tany koa mbola feno hatsaran-tarehy toy ny teo aloha ihany. Ka ho toy ny fihaikana sy fandodonana ny fahatezeran’ Andriamanitra izay efa manantomotra, dia lasa niverina namonjy ny lalaony sy ny fanaony ratsy indray ny olona.PM 81.1

    Izao baiko izao no ren’ i Noa tamin’ izay: ‘Midira ao anatin’ ny sambo-fiara hianao mbamin’ ny ankohonanao rehetra, satria hianao no hitako fa marina eo anatrehako amin’ izao olona miara-belona aminao izao’7. Na dia toa tsy misy antony teo amin’ ny olon’ izao tontolo izao az.a ny haiatra nentin’ ilay patriarka, dia nahasoa ny fianakaviany kosa izany. Ny famonjena ny ankohonany no vokatry ny fahatokrany sy ny fahamarinany. Fampaherezana manao ahoana izany ho an’ ny ray aman-dreny mahatoky !PM 81.2

    Dia nitsahatra ny famindrampo rehetra ho an’ ilay taranaka meloka. Ny biby teny an-tsaha sy ny voro-manidina efa nahazo fialofana. Noa mianakavy koa eta tatiditra tao amin ny sambo- fiara. ‘Dia narindrin’ i Jehovah ny varavarana’. Indio nisy helatra nitsoriaka teny amin ny habakabaka ; rahona totsy mamirapiratra tsy hay jerena no nidina avy tany an-danitra, ka nihevaheva mano- loana ny varavaran’ ny sambo-fiara. Tanana tsy hita maso no nandrindrina ilay varavarana mavesatra sy matevina izay tsy zakan olona avy tao anatiny nakatona. Nanam-pialofana àry i Noa, ta ireo mpamratsira ny lahasoavana kosa tsy mba nanam-piarovana. Tombon-kasen’ Andriamanitra no napetraka teo amin izany varavarana izany. izay Izy irery no afaka hamoha azy indray. Toy izany koa no handrindrinana ny varavaram-pahasoavana alohan’ ny hiavian’ i Kristy, ety ambonin’ ny tany, rehefa vita ny asa tifonana ataony any an-danitra. Noho ny tsy fìsian’ izany fahasoavana izany intsony,. dia hamely sy hampahory mafy ny ratsy fanahy ny herin’ i Satana. Izany no hahatonga azy ireo hitady handringana ny vahoakan’ Andriamanitra ; kanefa toy ny niarovana an’ i Noa tao anaty sambo- liara. dia ho toy izany koa no hiarovan’ ny Tsitoha ny mpanompony.PM 82.1

    Lasa ny hafitoana, nefa tsy mbola nisy ihany ny famantarana niseho nanambara ny hiavian’ ny oram-baratra. Ny vahoaka teo ivelan’ ny sambo-fiara dia faly sy nihinjakinjaka mafy. Nozahan- toetra kosa ny finoan’ i Noa mianakavy. Izany elanelam-potoana izany dia nanamafy ny fiheveran’ ny vahoaka fa tena diso hevitra tokoa i Noa, ary ny toriteny momba ny Safo-drano dia angano sy arira ihany. Nohadinoina ny zava-mahagaga momba ny nidiran’ ny biby amam-borona tao amin’ ny sambo-fiara sy ny nandrindrinan’ ny anjely ny varavarana, ka dia mainka koa nitombo ny hehy sy ny lanaranam-po ary ny dihy. Natao fihomehezana aza ny fisehoan’ ny herin Andriamanitra. Nanodidina ny sambo-fiara ny vahoaka ka nanao fanarabiana tsy roa aman-tany tamin’ ireo olona nialoka tao anatiny.PM 82.2

    Nony tamin ny andro fahavalo anefa, dia nisy rahona mainty nanarona ny lanitra. Nikotroka ny varatra. Nifanaretsaka eran’ ny habakabaka ny tselatra ary vetivety foana dia orana mivatravatra no nirotsaka tamin ny tany. Noho izany zava-baovao izany, dia feno tahotra ny olona ka velom-panontaniana tam-pony hoe: ‘Dia marina tokoa ve izay voalazan i Noa fa haringana ny taranak’ olombelona rehetra ?” Ny lanitra anefa dia nihamainty ihany, ny orana vao mainka koa nihavaventy sy nihabetsaka. Raiki-tahotra ny biby ka nihazakazaka nankatsý nankarý, ninaonaona nahatsi- ravina noho ny loza hanjo ny manan’ aina rehetra. Dia ‘nipoitra ny loharano rehetra amin’ ny lalina lehibe, ary nivoha ny varavaran’ ny lanitra” Sahala amin’ ny riandrano ny filatsaky ny orana avy teny amin’ ny rahona. Tondraka ny ony ka nanafotra ny lohasaha. Nampisavoana vatobe makadiry hatramin’ ny zato ka hatramin’ ny roanjato metatra ambonin’ ny tany ny loharano lehibe nipoitra avy tao anaty tany, izay nanana hery tsy hay laz.aina. Nony efa nianjera ireny vato ireny dia tafalentika lalina tany anaty tany.PM 82.3

    Natrehin’ ny mason’ ny olona aloha ny faharavan’ ny asan’ ny tanany. Nianjeran’ ny varatra sy naeliny lavitra ny tranobeny vaventy sy ny zaridainany nahafinaritra izay samy feno sampy sy sary avokoa. Voaongotra ny alitara izay nandoroana olona ho fanatitra. Feno hovitra ny mpanao fanompoam-pivavahana tamin’ izy ireny, raha nahita ny herin’ Andriamanitra nandrava ireo sampy nivavahany.PM 83.1

    Niha-nahery hatrany ny oram-baratra. Voatsipitsipy teny amin’ ny habakabaka sy nanerana ny tany ny hazo sy ny trano ary ny vatolampy. Mafy noho ny fifofofofon’ ny tafio-drivotra ny antso- antso nataon’ ireo izay sahy nitsipaka ny fahefan’ Andriamanitra. Satana koa aza, izay tsy afaka niala fa nianjadian’ izany loza izany, dia natahotra ny amin’ ny ainy. Foana ny fifaliany sy ny fanantenany hitarika ireo olona mahery ireo araka ny sitrapony, ka hahita azy hanohy ny fahavetavetany sy ny fikomiany tamin’ ny Mpanja- kan’ ny lanitra, noho izany dia ompa tsy misy farany no ataony noho ny toe-javatra miseho izay lazainy fa tsy rariny sy halozan’ Andriamanitra.PM 83.2

    Nanao toa azy ny olona maro; niteny ratsy an’ Andriamanitra izy rehetra. Raha azony natao aza ny nanongana ny Tompo tsy ho eo amin’ ny seza fiaodrianany, dia ho nataony izany. Ny sasany indray, feno tahotra sy hovitra, ka namikitra tamin’ ny sambo-fiara ary niangavy an’ i Noa mba handray azy. Efa diso aoriana loatra vao fantatry ny fieritreretany fa misy tokoa Andriamanitra Izay Mpitondra izao rehetra izao ; nidradradradra mafy nitaraina taminy izy, nefa efa tsy nohenoina intsony izany. Nekeny fa ny tsy fanka- toavany ny lalana masina sy marina ihany no nahavoa azy amin’ izao andro mahatsiravina izao. Tahotra ny famaizana ihany anefa no nahatonga izany fiaikena izany. fa tsy tena fibebahana marina tsy akory, na faharikorikoana marina ny ota. Raha ohatra ka natsahatra ny famaizana, dia ho nanomboka niteny ratsy ny lanitra indray izy. Dia toy izany koa, rehefa hihatra amin’ ny tany amin’ ny alalan’ ny ‘Safotr’ afo” ny famalian’ Andriamanitra, dia ho fantatry ny ratsy fanahy mazava tsara. fa famaliana ny fanitsakitsahany ny didin i Jehovah izany; tsy hanenina anefa izy, dia toy ny efa nataon ireo ratsy fanahy fahizay.PM 83.3

    Tao indray ny sasany izay niezaka tamim-pamoizam-po, hiditra tao amin’ ny sambo-fiara izay tsy azony namaharana, ka very maina ny fiezahany ; ny sasany indray nifikitra tamin’ ilay sambo, kanefa vetivety dia nindaosin’ ny riaka na voapòkan’ ny vatan-kazo sy ny vatolampy. Natopatopan’ ny rivo-mahery sy ny onjan-drano ilay sambo goavambe ka nihovitrovitra mafy, nefa na izany aza dia afaka nisosa ihany izy namakivaky ny fisafotofoton ny tafio-drivotra sy ny herin’ ny onja. Nisy anjely mahery notendrena hiaro azy.PM 84.1

    Ninaonaona noho ny tahotra mafy nahazo azy ny biby tao anatin’ ny sambo-fiara ; ireo izay tetý ivelany kosa, noho ny horo- horo vokatry ny loza niseho, dia vaky nirifatra nanatona olombelona, toa nil a vonjy sy fiarovana taminy. Nitaingina biby matanjaka sy mafy aina ny olona sasany mban-janany, ka niakatra teny amin’ ny toerana avo mba handositra ny fisondrotry ny rano. Ny sasany indray nananika ny havoana sy ny tendrombohitra, ka niakatra teny an-tendronkazo, kanjo niongotra ireny hazo ireny, ary toy ny natsipy tao anaty onja misamboaravoara niaraka tamin’ ireo olona nifikitra teny aminy. Ny rano anefa niakatra niakatra ihany. Nilaozana tsirairay ireo toerana noheverina ho fialofana azo antoka. Nifame- lezan’ ny olona nitady fierena teny amin’ ny toerana avo indrindra tamin’ ny biby. ny sombin-tany kely sisa tsy mbola tratran’ ny rano. Vetivety anefa dia samy voapaokan’ ny riaka mahatsiravina izy. Ranomasina mangeniheny tsy nisy farany sisa no tazana avy teny amin’ ny tampon-tendrombohitra avo indrindra.PM 84.2

    Tsy anganongano na antom-pihomehezana intsony izao ny hafatr Andriamanitra teo imason’ ireo olona nanao tsinontsinona izany. Akory ny ho fankasitrahany ny antsom-pitiavany, na dia iray monja aza, avy teo amin’ ny vavan’ i Noa sy ny fotoam-pahasoavan’ Andriamanitra, na dia ora iray monja aza no haharetan’ izany ! Nefa tsy ho re intsony mantsy ilay teo mamy avy tamin’ ny famindrampo. Tsy ny fahamarinan’ Andriamanitra ihany tsy akory no nahatonga izao fisakanana ny faharatsiana tsy hiely patrana izao, fa ny fitiavany indrindra koa no nanery Azy hanao izany.PM 84.3

    ‘Ary rano no nandravana izao rehetra izao taloha tamin’ ny nanasaforany azy ; fa izao lanitra sy tany ankehitriny izao dia hazonin izany teny izany ho amin’ ny ato ka tehirizina ho amin’ ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy’8. Indro koa misy loza anankiray manatona: mbola hamely ny tany indray ny faha-tezeran’ Andriamanitra ka handringana ny ota sy ny mpanota. Ny faharatsiana izay nitaky famaliana tamin’ ny andro fony tsy mbola tonga ny Safo-drano, dia manjaka eo amin’ izao tontolo izao ankehitriny. Efa nofoanan’ ny olona tao am-pony ny fahatahorana an’ Andriamanitra. Tsy raharahaina ny didiny, eny, tsiratsiraina aza. Tsy latsa-danja noho izay hita talohan’ ny Safo-drano ny fanaranam- po. Efa voalaza rahateo mantsy izany. ‘Fa tahaka ny tamin’ ny andro fony tsy mbola tonga ny Safo-drano, ka nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoaka ny ampakarina, mandra-pihavin’ ny andro izay nidiran’ i Noa tao amin’ ny sambo-fiara, ary tsy fantany mandra-pihavin’ ny Safo-drano izay nandringana ny olona rehetra, dia ho tahaka izany ny fihavian’ ny Zanak’ olona’9.PM 84.4

    Tsy noho ny fihinanana na ny fisotroana tsy akory no naname- lohan’ i Jesosy ny olona velona talohan’ ny Safo-drano ; Kristy no nanome azy ireo be dia be ny vokatry ny tany, mba hahatanjaka ny tenany sy hamelona ny ainy. Ny fahadisoany dia ny tsy fanka- sitrahany Ilay Mpanome sy ny fanaranam-pony tafahoatra tamin’ ny hanina. Rariny koa ny mampaka-bady sy ny mamoaka ny ampakarina. Andriamanitra mihitsy no nanao ny fanambadiana ; Izy no nanao izay hahavoatahiry ny hasoany sy ny hamasinany. Nodikaina anefa ny lalàna momba izany, nampanaram-po ny filàn’ ny nofo ny olona ka dia nihaSimba ny fanambadiana.PM 85.1

    Vavolombelon’ ny toe-javatra toy izany indrindra isika ankehitriny. Manjaka ny fitiavan-kihinana. Misy olona izay milaza ny tenany ho mpianatr’ i Jesosy Kristy, olona izay manana anjara toerana ambony ao amin’ ny fiangonana, nefa mihinana sy misotro tafahoatra miaraka amin’ ny olon’ izao tontolo izao. Tsy tsapan’ ny olona fá rehefa manjary dombo ny toe-tsaina amam-panahy, dia tonga lavo amin’ ny filàna ambany ny tena. Maro dia maro no tsy tan-dalàna intsony amin’ ny fahafinaretan’ ny nofo ka tonga andevon’ ny faniriany. Velona ho an’ ny fahafinaretan’ ny nofo fotsiny ny olona, ka tsy misaina afa-tsy ny momba izao fiainana izao. Manjaka eo amin’ ny sarangan’ olona rehetra ny fitiavan-kaingo, ny fitiavan- kiseho, - ny fandanilaniam-poana. Ampandeferina eo ambanin’ ny fitiavam-bola ny rariny sy ny hitsiny. Ampahorina ny mahantra. Mandroso ny varotra ‘tena sy ain’ olona’. Ny halatra, ny fitaka, ny fihinanana volam-bahoaka dia mihanjahanja tsy takona afenina: samy ahitana izany na eo amin’ ny fiainan’ ny olona ambony na eo amin’ ny fiainan’ ny olona ambany.PM 85.2

    Ny lahatsoratra an-gazety dia feno tantara mampihoron-koditra maneho vonoan’ olona tsy amin’ antony sady tsy misy fo antra. Miverimberina matetika loatra ireny halozana ireny, ka saika tsy mahavelon’ eritreritra na manaitra intsony. Ny toe-tsaina tsy tia fehimpehezina hita amin’ ny firenena rehetra, ny fikomiana miseho etsy sy eroa. manaitra sy mampangovitra an’ izao tontolo izao, ireny sy ny toy ireny dia samy mampiseho amintsika ny herin ny afo izay miotrika ao anaty ampombo, ka handoro sy handrava ny tany rehefa mirehitra. Ny endri-javatra mampiseho ny toetran’ izao tontolo izao talohan’ ny Safo-drano, izay voalazan’ ny Soratra Masina, dia tena fanehoana marina tokoa ny toetr’ andro moderna ankehitriny. Ratsy sy maharikoriko ireo heloka bevava sy vonoan’ olona hita any amin’ ny tany malaza ho kristiana: ary heloka toy izany ihany no efa namongorana ireo olona fahizay.PM 86.1

    Talohan’ ny hitrangan’ ilay loza mahatsiravina dia i Noa no notendren’ Andriamanitra hampandre ireo mpiara-belona taminy ny amin’ izany. mba hialan’ izy ireo amin’ ny ratsy ka tsy hihatra aminy ny fandringanana. Ankehitriny koa, amin’ izao efa maha akaiky ny fiavian’ ny Tompo izao, dia mandefa ny mpanompony Andriamanitra mba hampandre ny mponina ambonin’ ny tany, ka hahazoan’ izy ireo miomana ho amin’ izany. Ny vahoaka marobe izay efa velona teo amin’ ny fanitsakitsahana ny lalàn’ Andriamanitra dia antsoina amim-pamindrampo koa ankehitriny, hanaraka ny fitsipika masina. Atolotra ny olona rehetra izay te-hiala amin’ ny ota amin’ ny alalan’ ny fibebahana amin’ Andriamanitra sy amin’ ny alalan’ ny finoana an’ i Jesosy Kristy, ny famelan-keloka. Indrisy ! Lavin’ ny olona anefa izany, satria heveriny fa lehibe loatra sy mifanipaka amin’ ny sitrapon’ ny tenany. Eny, laviny ny fanairana avy amin’ Andriamanitra, ary tsy ekeny ny fahefan’ ny didin’ i Jehovah.PM 86.2

    Tamin’ ireo vahoaka marobe nonina tetý ambonin’ ny tany tamin’ ny andron’ i Noa dia olona valo monja no nanaiky ny antson’ Andriamanitra. Rehefa nanambara ny hanjo izao tontolo izao ilay mpitoritenin ny fahamarinana, dia nahita fa notsiraitsiraina sy nolavin ny olona ny hafatra nentiny. Tsy misy hafa amin’ izany no miseho ankehitriny. Alohan ny hamaizany ny mpanota, Ilay Mpamoaka lalàna dia miangavy ny hiverenana amin’ ny fankatoavana Tsy misy antony amin ny olona maro anefa izany fanasana izany.Efa nampilazaina an’ izany mialoha ny Apostoly Petera: ‘ ...Fa amin’ ny andro farany dia hisy mpaniratsira avy haniratsira, mandeha araka ny filàny ka manao hoe: Aiza ny teny fikasana ny amin’ ny fihaviany ? Fa hatrizay nodian’ ny razana mandry dia maharitra tsy miova ny zavatra rehetra ; eny, hatramin’ ny nanaovana izao tontolo izao aza’10. Tsy avy amin’ ny vavan’ ny mpanota matevin- koditra ihany no andrenesana matetika ireo teny ireo, fa hatreny ambony polipitra kristiana koa aza. ‘Tsy misy antony tokony hahataitra akory. hoy izy. Hiova-fo daholo ny olona rehetra alohan’ ny hiavian’ ny Tompo, ka dia hanjaka etý ambonin’ ny tany mandritra ny arivo taona ny fahamarinana. Fiadanana ! Fiadanana ! Maharitra tsy miova toy ny hatramin’ ny voalohany ny zavatra rehetra, koà aza misy mety harebirebin’ ireny mpilaza loza foana ireny ’.PM 86.3

    Mifanohitra amin’ ny fampianaran’ i Jesosy sy ny Apostoly izany foto-kevitra izany. Izao fanontaniana mampieritreritra izao no napetraky ny Tompo: ‘Raha avy ny Zanak’ olona, moa hahita finoana etý ambonin’ ny tany va Izy ?’11 Ary araka ny efa voalaza teo, dia manambara indray Izy fa hitovy amin’ ny andron’ i Noa ny andro ankehitriny. Ny apostoly Paoly koa dia milaza fa hitombo ny faharatsiana amin’ ny andro farany: ‘Fa ny Fanahy milaza marina fa amin’ ny andro aoriana dia hihemotra amin’ ny finoana ny sasany, manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran’ ny demonia’12. Dia mbola tohizany toy izao indray izany: ‘Any am-parany any dia hisy andro mahory’13. Dia tonontononiny ao ny fahotana maro samihafa hahalavo ireo ‘manana ny endiiky ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra’.PM 87.1

    Teo amin’ ny fotoana nifaranan’ ny fotoam-pahasoavana nomena azy, dia nanarampo tamin’ ny lalao sy ny fifaliana adala ireo olona velona talohan’ ny Safo-drano. Sao dia voasinton’ ny antso farany ny vahoaka, ka dia nindaosin’ ireo mpitarika azy ho amin’ ny fandi- hizana tsy misy farany izy. Moa tsy izany ihany koa ve no miseho ankehitriny ? Fo amin’ ny fotoana izay itorian’ ny mpanompon’ Andriamanitra ny hafatra farany, dia revo manenjika lalao sy fety izao tontolo izao. Ary izany dia mandroaka ny eritreritra momba an’ Andriamanitra sy tsy ahazoan’ ny olona misaintsaina ny faha- marinana izay hany afaka hiaro azy amin’ ny loza efa manatonaPM 87.2

    Tamin’ ny andron’ i Noa dia nohamafisin’ ireo manam-pahaizana tamin’ izany fotoana izany, fa tsy mety ho voasafotry ny rano na oviana na oviana ny tany. Ankehitriny koa dia misy olona manarn- pahaizana milaza azy hoe afaka hanaporofo fa tsy ho levon ny afo na oviana na oviana ny tanintsika, satria mifanohitra amin’ ny lalàn’ ny natiora. hono, izany. Hadinon’ izy ireny angaha, fa Ilay Andriamanitry ny natiora, izay nanao sy nitahiry ireny lalana ireny, dia afaka hampiasa ny tanany araka izay heveriny fa mahamety azy.PM 87.3

    Rehefa avy nanazava araka ny hevitry ny tenany ny tsy hisian’ ny Safo-drano na oviana na oviana ireo olo-malaza fahizay ; rehefa tony ny tahotra sy ny horohoro nahazo ny vahoaka, ka samy nihevitra ny faminanian’ i Noa ho fahadisoan-kevitra izy rehetra, — tamin izay, eny. tamin’ izay indrindra no nipaika ny oran’ Andriamanitra ka ‘nipoitra ny loharano rehetra amin’ ny lalina lehibe, ary nivoha ny varavaran’ ny lanitra’ izay nipaoka sy nanafotra azy rehetra.PM 88.1

    Efa diso aoriana loatra vao takatry ny olona fa fahadalana ihany ny fahendrena sy ny famoasan-kevitra lalina rehetra nataony. Eny, diso aoriana loatra vao fantany fa ny Mpanao ny lalàna no lehibe noho ny lalàn’ ny zavaboary, ary tsy vitsy lalana Ilay Tompon’ ny hery rehetra rehefa hanatanteraka ny sitrapony.PM 88.2

    ‘Ary tahaka ny tamin’ ny andron’ i Noa, dia hisy toy izany koa amin’ ny andron’ ny Zanak’ olona’15. ‘Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron’ ny Tompo, ary amin’ izany ny lanitra dia ho lasa amin’ ny firimorimoana mafy, ary ho levon’ ny afo ny tenan’ ny zavatra rehetra, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy’16.PM 88.3

    Rehefa manaisotra ny tahotra rehetra momba ny fitsaran’ Andriamanitra ny famoahan-kevitra tsara lahatra avy amin’ ny filozofia ; rehefa vitan’ ireo mpitari-pivavahana malalaka ny mampino fa taom- piadanana no manoloana antsika ; rehefa revo mafy amin’ ny fika- roham-bola sy fahafinaretana izao tontolo izao ka ho variana mamboly, manao fanasana, manaram-po, manosi-bohon-tanana ny hafatr Andriamanitra sy manivaiva ny mpanompon’ Andria-manitra, — amin izay. eny, amin izay indrindra no ‘hanjo azy tampoka ny fandringanana ... ka tsy ho afa-rnandositra mihitsy izy ’ (Gen. 7:11—15) Lio. 17:26, 30.PM 88.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents