Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Seta sy Enoka

    Ary Adama dia niteraka ny zanany lahy fahatelo izay mpandova ny teny fikasan’ Andriamanitra momba ny fizokiana ara-panahy. Ny anarany dia natao hoe Seta, izany hoe, raha adika ‘solo”, ‘mpa- ndimby satria ‘ Andriamanitra. hoy Eva, efa nanome ahy zanaka anankiray koa ho solon’ i Abela, satria novonoin’ i Kaina izy’1. Miendrik’ andriana kokoa noho i Kaina sy Abela i Seta ary nanam- pitoviana be dia be tamin’ i Adama rainy noho iretsy rahalahiny. Teo amin’ ny ara-panahy dia ny lalana efa nomban’ i Abela ihany no nizorany ; izany akory tsy milaza fa nandova toetra tsara kokoa noho i Kaina izy. ‘Tamin’ ny andro namoronan’ Andriamanitra ny olona”, hoy ny voalaza, ‘dia tahaka ny tarehin’ Andriamanitra no nanaovany azy”. Tatý aorian’ ny fahalavoana, dia izao indray no voasoratra momba an’ i Seta: ‘Ary Adàma dia niteraka tahaka ny tarehiny. araka ny endriny’2. Adama dia noforonina araka ny endrik’ Andriamanitra, tsy nanana ota, fa i Seta kosa dia nandova. toa an’ i Kama, ny toetra simba nananan’ ny ray aman-dreniny Fa rehefa nahalala ny momba ny Mpanavotra sy ny sitrapon’ Ilay Andriamanitra marina sy masina izy, dia naniry indrindra, eo ambanin’ ny fahasoavan’ ny Tompo, ny hanaja sy hanompo Azy, hampianatra ny mpanota ny lalana marina, dia toy izay nety ho nataon’ i Abela raha mbola velona teo ihany izy.PM 63.1

    ‘Ary Seta koa niteraka zazalahy ; ary ny anarany nataony hoe Enosy. Tamin’ izany no vao niantsoana ny anaran’ i Jehovah’. Talohan’ izany fotoana izany, dia efa nanompo an’ Andriamanitra ny mpino: nefa, arakaraka ny hamaroan’ ny zanak’ i Adama dia toa arakarak’ izany koa no nampiharihary ny fahasamihafana hita teo amin’ ireo mpandà an’ Andriamanitra sy ireo tia Azy. Raha nampiseho niharihary ny fitiavam-bavaka ananany iieo izay natahotra an” i Jehovah, ry zareo mpanohitra kosa dia nampihanjahanja ny tsy fankatoavany sy ny fanaovany tsinontsinona ny fivavahana.PM 63.2

    Ireo razambentsika, na talohan’ ny nahalavoany izany, na tatý aorian’ ny nandroahana azy tao am-Paradisa, dia nanaja sy nitandrina tsara ny andro fitsaharana izay naorina hatrany Edena. Tatý aoriana, rehefa nahatsiaro ny ngidin’ ny tsy fankatoavana izy ireo, dia naha- tsapa toy ireo izay nanitsakitsaka ny didin’ Andriamanitra, fa masina sy tsy miova ny didin’ i Jehovah, ary na ho ela na ho haingana, dia tsy maintsy hihatra ny famaliana. Ny taranak’ i Adama rehetra izay nijoro ho mahatoky, dia nanaja hatrany hatrany ny andro fitsaharana. l a i Kama sy ny taranany kosa, rehefa nanao tsinontsinona ny andro izay nitsaharan’ Andriamanitra, dia nifidy, araka ny sitrapony, ny andro hiasany sy hitsaharany.PM 64.1

    Ary i Kaina taty aorian’ ny fanozonana nahazo azy dia nandeha nankany amin’ ny toerana lavitra ny rainy ka namboly. Nanorina tanàna iray izy. izay nampitoridrainy ny anaran-janany lahimatoa. Rehefa nandà ny teny fikasana momba ny hanavaozana indray ny Paradisa izy, ka tsy nikatsaka afa-tsy ny harena mandalo sy ny faha- finaretana eo amin’ ny fahotana, dia tohga rain’ ireo marobe izay tsy manompo afa-tsy ny andriamanitr’ izao tontolo izao ihany. Ny taranany, na dia nalaza teo amin’ ny taozavatra sy ny asan-tanana aza, dia tsy nanam-pahamendrehana kosa teo amin’ ny ara-panahy, sady nanohitra mandrakariva ny planan’ Andriamanitra momba ny olombelona. Ny vonoan’ olona vitan’ i Kaina dia nampian’ i l.ameka taranany fahadimy fampirafesana. Lameka dia tsy nanan- kenatra sady nihevitra fa noho ny tsy namaliana an’ i,Kaina, dia tsy hisy na inona na inona koa hanjo azy. Fa Abela kosa dia nanokan-tena ho amin’ ny fiandrasan’ ondry, nonina tan-day sy teny amin ny alokaloky ny hazo maitso. Ny terak i Seta izay nifidy asa toy izany koa, dia nanaiky ‘fa mpiva- hiny’3 ihany etý ambonin’ ny tany. ka nanantena ilay tany tsara lavitra, dia ny fonenana any an-danitra. Nandritra ny fotoana ela, dia tsy niray nomna ireo antoko roa ireo. Ary rehefa izany, ny taranak i Kama dia nihoatra ny faritany, ka nipariaka nameno ny tany lemaka sy ny saha nonenan’ ny taranak’ i Seta. Ary ny taranak’ i Seta dia nihatakataka ka nonina tany ari-tendrombohitra mba hiala amin’ ny ohatra ratsy nasehon’ iretsy. Raha mbola naharitra izany fisarahana izany, dia nijoro ho mahatoky tamin’ Andriamanitra sy ny fanompoana Azy izy ireo. Kanefa, tsikelikely dia nifangaro tamin’ ny mponina teny an-tany lemaka izy ireo. Nitera-boka-dratsy izany firaisana izany.PM 64.2

    ‘Dia hitan’ ny zanak’ Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanaka- vavin’ ny olona’4. Voasinton’ ny hatsaran-tarehin’ ny vehivavy teo amin’ ny taranak’ i Kaina ny taranak’ i Seta, ka nanadino ny sitrapon’ Andriamanitra ary nanambady ireny vehivavy ireny. Maro tamin’ ireo mpanompon Andriamanitra no tsy nahatsiaro intsony ny maha vahoaka manokana azy. Tsy ny fomba amam-panaon’ ireo niraisany ihany no azony, fa ny fomba fisainany amam-pieritreretany koa. Tsy nahoany intsony ny didy fahafito fa ‘dia nifidy vady ho azy tamin’ izy rehetra araka izay tiany izy”. Dia nanaraka ny lalana nomban’ i Kaina izy, ka niala tamin’ ny didin’ Andriamanitra sy nanolo-tena nitady harena sy fahafinaretana. Tsy mba nisaintsaina hitahiry ny fahalalana an’ Andriamanitra izy, ‘ka tonga zava-poana izy tamin’ ny fisainany, ary tonga maizina ny fony donto’5. ‘Dia araka izany kosa no nanoloran’ Andriamanitra azy ho amin’ ny fisainana tsy mahamendrika’, ka dia nanerana ny tariy rehetra toy ny habokana mahafaty ny faharatsiana.PM 65.1

    Nandritra ny arivo taona eo ho eo, raha nahita ny voka-dratsy samihafa nateraky ny tahadisoany Adama, dia niezaka mafy indrindra izy mba hanohitra ny rian-dranon’ ny fahotana. Izy no voatendrin’ Andriamanitra hampianatra ny taranany ny lalan’ ny Tompo, ka tamim-pahatokiana tokoa no namerirnberenany tamin-janany sy tamin-jafiny ireo fanambarana avy any an-danitra. Hatramin’ ny taranany fahasivy dia samy nandre avy tamin’ ny vavany avokoa ny tanta- ran’ ny fahamasinan’ ny toetra nananan’ ny olona tao am-Paradisa, ny fahalavoany, ny voka-dratsy mahatsiravina nateraky ny tsy fankatoavana sy ny famonjena nataon’ Andriamanitra izay nitondra avotra ho an’ ny olona. Indrisy anefa fa vitsy ireo nandray am-po tokoa ny tenin’ i Adama, fa marobe kosa ireo izay naniny azy fatratra noho ny loza samihafa nateraky ny fahadisoany teo amin’ ny taranany.PM 65.2

    Ny fiainan’ i Adama dia fiainana feno fibebahana sy fanetren- tena ary fangirifiriana. Nampihoron-koditra azy ny fisainana ny amin’ ny fahafatesana rehefa nandao an’ i Edena izy. Kanjo indrisy, tsy maintsy nibanjina izany izy raha nahita an’ i Abela maty novo- noin’ i Kaina Nanenina fatratra izy raha nahita ny vokatry ny otany, ary lalina ny nahazo azy fa sady maty Abela no voaozona koa i Kaina. Mbola velona naharitra ela Adama ka nahita ny fahasimbana namely ny taranany izay nahatonga ny Safo-drano. Ny fahafatesana dia nampihorohoro azy mandrakariva. Nony afaka arivo taona latsaka kely eo ho eo anefa. rehefa feno aiahelo tokoa izy noho ny faha- ratsiana nateraky ny tsy fankatoavany, dia noraisiny ho toy ny vokatry ny hatsaram-panahy sy ny famindrampon’ Ilay Mpahary azy ny fahafatesanaPM 66.1

    Na dia teo aza ny faharatsiam-panahy nananan’ ireo mponina velona talohan’ ny Safo-drano, dia tsy hoe fotoana tsy nisiam- pahalalana na fotoana nahadonto ny olona tsy akory izany fotoana izany. araka izay fiheveran’ ny maro azy. Ny olona velona tamin’ izay fotoana izay dia tafasondrotra avo teo amin” ny fahaizana amam- pahalalana. Na ny herin’ ny tenany, na ny herin-tsainy ary ireo fomba nahazoany fahalalana ara-pivavahana sy ara-tsiansa, dia samy tsy nanan-tsahala. Fahadisoam-piheverana ny filazana fa noho izy ireo lava andro tokoa dia tsy mba mato-tsaina izy raha tsy efa atý aoriana ela. Nalaky nifoha ny saina aman’ eritreriny ka tsy vitsy akory ireo izay tia vavaka no tsy nitsahatra nampitombo ny fahalalana amam- pahendrena nananany nandritra ny fiainany rehetra. Ireo manam- pahaizana malaza velona amin’ izao androntsika izao, raha mifam- pitaha amin’ ireo olona velona talohan’ ny Safo-drano, dia tsinontsinona akory na eo amin’ ny ara-tsaina izany na eo amin’ ny ara- batana. Arakaraka ny nahafohy ny andro iainana sy nahakely ny herin’ ny tena, dia arakarak’ izany koa no nampihena ny herin- tsaina. Igagan’ ny mpiara-belona aminy ankehitriny ny olona mandany fotoana lavabe — roapolo ka hatramin’ ny dimampolo taona - eo amin’ ny fiainany mba hikarohan-javatra anankiray. kanefa. inona moa izay fahalalana hitan’ izy ireo raha mitaha amin’ ny an’ ireo mponina fahizay talohan’ ny Safo-drano, izay velona naharitra anjato taona maromaro?PM 66.2

    Ekentsika la ny fotoana ivelomantsika ankehitriny dia manana tombontsoa lehibe noho izy nandova ireo fahalalana samihafa nananan ireo taranaka mifandimby velona talohantsika. Ireo olona nalaza fahizay, izay samy efa nianatra, nandinika, nanoratra, dia nametraka ny asany ho lovantsika. Kanefa, mbola akory ny faha- mbonian’ ireo taranaka velona tamin’ ny taonjato voalohandohany. izay nanana nandritra ny taonjato maro, ilay iehilahy izay nataon’ Andriamanitra araka ny endriny sy nolazainy fa ‘tsara indrindra” sady nahafantatra ny zavatra rehetra momba izao fiainana izao ! Avy tamin’ ny vavan’ Andriamanitra mihitsy no nandrenesan’ i Adama ny tantaran’ ny famoronana. Hitany avokoa ny toe-javatra samihafa niseho tetý an-tany nandritra ny sivinjato taona mahery, ka dia afaka nahazo soa tamin’ ny fahalalany ny taranany. Marina fa ny olona velona talohan’ ny Safo-drano dia tsy mba nanana boky nianarana ; kanefa kosa, ny fahatsiarovany sy ny fitadidiany izay samy nahagaga tokoa toy ny fahatanjahany ara-batana ihany, dia nanampy azy ireo fatratra, tsy hahatsiaro fotsiny ny toe-javatra samihafa hitan’ ny rnasony, fa hitantara izany koa amin’ ny taranany mandimby azy amin’ ny fomba tsy misy diso. Tsy izany ihany fa izy rehetra, nandritra ny sivinjato taona, dia samy afaka nifampila hevitra sy nifanampy.PM 66.3

    Tsy nanam-paharoa ny fomba tsotra nananan’ ny olona mba hahalalany an’ Andriamanitra tamin’ ny alalan’ ny zavaboary. Tsy fahamaizinana ara-panahy velively no nandrakotra ny tany fa faha- zavana lehibe kosa. Izay rehetra nanam-paniriana dia samy afaka nila hevitra tamin’ i Adama avokoa. Jesosy sy ny anjely mihitsy no nampianatra ireo olona tia vavaka. Ny Paradisa, izay naharitra anjato taona maromaro tetý an-tany, no vavolombelona mangina nampiseho ny faharnarinana. Teo am-bavahadin’ io saha mahafinaritra io, vava- hady nambenan’ ny anjely kerobima roa nanjelanjelatry ny voninahitra, no nivorian’ ireo izay natahotra an’ Andriamanitra. Teo ihany koa no nanorenan’ izy ireo alitara sy nanaterany ny fanatiny. Ary mbola teo ihany koa no nitondran’’ i Kaina sy Abela ny sorony sy niresahan’ Andriamanitra taminy. Raha mbola tazan’ ny masony teo ihany izany saha mahafinaritra izany, izay nambenan’ ny anjely roa namirapiratra, dia tsy azon’ ireo tsy mpino natao ny handà ny nisian’ i Edena. Ny filaminana hita teo amin’ ny zavaboary, ny anton’ ny nisian’ ny Paradisa, ny tantaran’ ireo hazo roa, tantara izay mifamahofaho fatratra amin’ ny tantaran’ ny zanak’ olombelona, dia samy toe-javatra tsy azo lavina. Raha mbola velona teo ihany koa Adama dia tsy nisy nisalasalana na ny momba ny didin’ Andriamanitra izay tsy maintsy tandremana, na ny momba ny fisian’ Andriamanitra sy ny fahefany.PM 67.1

    Nisy taranaka voaova noho ny firaisany tamin ny lanitra, ka nanana fiainana masina sy madio; nifanohitra indrindra tamin ny fahasimbana hita teo amin’ ny besinimaro izany toetrany izany. Adidy lehibe sy ambony no nomena hefain’ ireo mpanompon’ Andriamanitra mahatoky ireo, izay nanana herin-tsaina lehibe sy tahaizana ambony. Izany adidy izany dia tsy inona fa ny hisehoan izy ireo ho vavolombelon’ ny fahamarinana sy ho ohatra eo amin ny fitondrantena sy ny fitiavam-bavaka. tsy teo anatrehan ny mpiara- belona taminy ihany, fa eo anatrehan’ ny taranaka mifandimby rehetra koa. Na dia ny sasantsasany ihany tamin’ ireo nalaza indrindra taminy aza no voalazan’ ny Soratra Masina, dia tsy tapaka mihitsy ny fìsian’ ireny solontenan’ Andriamanitra ireny teto an-tany.PM 68.1

    Enoka no anankiray tamin’ ireo mpanompon’ Andriamanitra izay nitahiry ny finoana marina sady isan” izay niavian’ ny taranaka nampanantenaina. Voalaza fa rehefa dimy amby enim-polo taona izy, dia niteraka zazalahy ary ‘niara-nandeha tamin’ Andriamanitra nandritra ny telonjato taona”. Hatramin’ ny voalohany dia tia an’ Andriamanitra izy ary nitandrina ny didiny. Reny avy tamin’ ny vavan’ i Adama ny tantara mampalahelo vokatry ny fahalavoana sy ny teny fikasana feno fahasoavana mamelombelona, ka dia nametraka ny fitokiany teo amin’ ilay Mpanavotra nampanantenaina izy Rehefa nanan-janaka izy dia vao mainka koa nazava taminy ny adidiny sy ny andraikiny. Ny fitiavana sy ny fitokiana nasehon’ ny zanany, ny fikarakarana sy ny fitsimbinana lalandava vokatry ny fitiavana nasehon’ izy ray tamin’ ilay sombinainy, dia nahatsapany tsaratsara kokoa hatrany ny fitiavana mahagaga, tsy hita lany, tsy takatry ny saina nasehon’ Andriamanitra tamin’ ny nanomezany ny Zanany, ary koa ny fahatokiana azon’ ny marina apetraka amin’ Ilay Ray be fitiavana. Nanjary antom-pieritreretana lehibe ho azy andro aman alina ka nahatonga azy ho apostoly mafana fo teo amin ny manodidina azy izany fahafantarany ny hatsaram-panahin’ Andriamanitra izany.PM 68.2

    Teo amin’ i Enoka, ny hoe ‘miara-rnandeha amin’ Andriamanitra”, dia tsy tibanjinana na fijerena amim-pahafinaretana fotsiny an Andi iamanitra, ta tanatanterahana amim-pahatokiana isan’ andro ny adidy sy ny andraikitra rehetra eo amin’ ny fiainana. Tsy mba nitoka-monina izy fa nahatsiaro kosa hanefa asa teo amin’ ny mpiara- belona taminy. Na taiza na taiza nisv azy, na teo amin’ ny fiana- kaviany, na teo amin ny toeran-kata, teo amin’ ny vadiny, teo amin ny zanany, teo amin ny sakaizany, teo amin’ ny mpifanolo- bodirindriria taminy, dia nivelona ho mpanompon’ Andriamanitra mandrakariva izy.PM 68.3

    Naharitra telonjato taona izany firaisana sy fiarahana masina tamin’ Andriamanitra izany. Ho vitsy ny kristiana izay tsy bo voahetsika hitondra tena tsara lavitra raha mahafantatra fa andro na herinandro vitsivitsy sisa no hivelomany. Teo amin’ i Enoka kosa anefa, dia nitombo hatrany hatrany ny finoany sy ny hafanam-pony arakaraka ny fahalasanan’ ny fotoana.PM 69.1

    Na dia teo aza ny fahalalana ambony sy mafy orina nananany, na dia teo aza ny fahaizana amam-pahendrena azony, dia nanana toetra feno fanetren-tena lehibe indrindra i Enoka ; noho ny firaisany tamin’ ny lanitra izay nahazoany fanambarana manokana no naha- tonga izany toetrany izany. Fa arakaraka ny nahatsapany ny faha- lehibeazana sy ny fahatanterahan’ Andriamanitra no nahafantarany koa ny fahalemen’ ny tenany sy ny kilema mpahazo azy.PM 69.2

    Noho ny fahatahorany fa sao dia mampihena ny hafanam-pony ny fahitana lava ny toetra ratsy nanjaka teo amin’ ny mpiara-belona taminy, dia nitokana matetika izy ka nandany fotoana lavabe hieri- treretana sy hivavahana, mba hahatonga azy hahalala bebe kokoa sy tsaratsara kokoa hatrany ny sitrapon” Andriamanitra. Ny fiva- vahana, araka ny heviny, dia fiainan’ ny fanahy izay mahatonga azy hanana ny toetran’ ny any an-danitra mihitsy.PM 69.3

    Nomen’ Andriamanitra saina mazava hahatakatra ny planan’ ny famonjena tamin’ ny alalan’ ny anjely izy ; nambarany azy ny fikasany hanimba ny tany tamin’ ny alalan’ ny Safo-drano, ary nasehony azy koa izay ho tantaran’ ny taranaka mandimby velona ao aorian’ izany loza izany sy ny zava-makadiry manambara ny fiverenan’ i Jesosy Kristy sy ny fahataperan’ izao tontolo izao.PM 69.4

    Nahasanganehana an’ i Enoka ny momba ny maty. Tsy nahatsinjo na inona na inona ho an’ ny marina any an-koatran’ ny fasana izy, ka dia nalahelo noho ny fiheverany fa samy hiverina ho vovo-tany avokoa na ny tsara fanahy na ny ratsy fanahy. Tamin’ ny fahitana no nahitany, tsy ny fahafatesan’ ny Mpamonjy ihany, fa ny five- renany amim-boninahitra koa, miaraka amin’ ny anjeliny rehetra mba hanafaka ny olona amin’ ny herin’ ny fahafatesana sy handrin- gana ny ratsy fanahy amin’ ny afo. Tsinjony koa fa eo amin’ ny fotoana hisian’ izany fiverenana izany, ny ho velona etýan-tany dia taranaka mpiavonavona, mpiteny ratsy, mpamadika, mpandà an’ Andriamanitra marina sady tokana, mpanao tsinontsinona ny didiny ary mpanosi-bohon-tanana ny Zanany sy ny avotra natolonyPM 69.5

    ‘Mpitoritenin’ ny fahamarinana’ i Enoka ka nilaza ny fanam- barany tamin’ ny manodidina azy. Izay rehetra tia an Andriamanitra dia nanatona izany lehilahy masina izany avokoa, mba hahazo soa amin’ ny torohevitra nomeny sy ny fivavahana nataony. Ny toriteniny anefa dia tsy nataony ho an’ ny taranak’ i Seta fotsiny fa ho an’ izay rehetra ta-handre izany koa. Hatramin’ ireo toerana izay nokasain’ i Kainj handosirana ny fanatrehan Andriamanitra aza, dia samy nitorian’ ilay mpaminanin’ i Jehovah ny zava-dehibe mahats.ravina tazany tamin’ ny fahitana: ‘Indro, tonga Jehovah mbamin’ ny masiny tsy omby alinalina hitsara ny olona rehetra sy hampiaiky ny olona ratsy fanahy rehetra ny asan’ ny haratsiam-panahy rehetra. izay nataony tamin’ ny haratsiam-panahiny’6.PM 70.1

    Nanameloka niharihary ny faharatsiana tsy tamin-tahotra i Enoka Sady nitory ny fitiavan’ Andriamanitra izy no nananatra indrindra ny mpiara-belona taminy mba hiala amin’ ny faharatsiany ; nambarany azy ny momba ny fitsarana izay efa hamely ny ratsy fanahy. Tsy tenim-pitiavana na fitalahoana fotsiny no nampiseho ny sain’ i Kristy izay tao aminy fa nihoatra noho izany. Ny tena olon Andriamanitra mantsy dia tsy afa-po fotsiny amin’ ny teny milantolanto sy mirindra tsara, fa ao am-pony sy eo am-bavany dia asian’ Andriamanitra fahamarinana mirehitra sy maranitra toy ny sabatra. Ny herin’ Andriamanitra izay niasa tamin’ ny alalan’ ny mpanompony dia nanetsiketsika izay nandre azy. Nisy ihany izay nanaraka ny fananarana ka nandao ny hadalany, fa ny besinimaro kosa dia nanosi-bohon-tanana ny teny ary vao mainka koa nivari- lavò tamin’ ny ratsy.PM 70.2

    Amin ny andro farany dia hatatra toy izany koa, hafatra izay horaisin ny maro amin ny fisalasalana sy fanesoana, no tokony hotorin ny mpanompon Andriamanitra ka hanakoako manerana ny tany I ahaka ny tsy nandraisan’ ireo mponina velona talohan’ ny Safo-drano ny tenin’ ilay lehilahy izay ‘niara-nandeha tamin’ Andria- manitra’. dia ho toy izany ihany koa ro handavan’ ny taranaka farany ny hafatra alefan’ ny lanitra.PM 70.3

    Tsy nanao tsirambina ny firaisana tamin Andriamanitra i Enoka na dia teo afovoan’ izany asany be dia be izany aza. Arakaraka ny havesatry ny adidy izay niantsorohany, dia arakaraka izany ihany koa no nivavahany matetika kokoa tamim-po mafana. Rehefa avy nanao asa famonjem-panahy izy, dia nitokana lavitra ny vahoaka, mba hikatsaka ny fahalalana an’ Andriamanitra izay nampangetaheta sy nahanoana azy fatratra. Taorian’ ireny fotoana niraisany tamin’ Andriamanitra ireny. dia nanjeianjelatry ny fahazavan’ i Jesosy ny tarehiny ; rehefa tafaverina indray teo afovoan’ ny olona izy. na dia ny ratsy fanahy aza, dia nijery azy tamim-panajana niharo tahotra.PM 70.4

    lsan-taona isan-taona dia nihanitombo hatrany hatrany ny faha- ratsian’ ny olona, ary ny raho-maintin’ ny fahatezeran’ Andriamanitra dia nihanitatao hatrany hatrany koa teo ambomny. Na dia izany aza dia mbola tsy nitsahatra nananatra, nitalaho, ary niangavy ilay vavo- lombelon’ ny finoana ; sady niezaka hanohitra ny onjan’ ny faha- ratsiana izy no nanao izay tsy hahatongavan’ ny famaizana koa. Feno mitafotafo anefa ny kapoaky ny faharatsiana. ka dia navoaka ny didim-pitsarana milaza fandringanana. Nataon’ ireo taranaka simba sady ratsy fanahy tsinontsinona i Enoka, ary rehefa tsy nitsahatra niady tamin’ ny faharatsiana mihoampampana izy, nony farany dia nakarina ho any an-danitra, any amin’ ilay toerana tsy misy ota sy feno fifaliana mandrakizay.PM 71.1

    Ireo mpiara-belona taminy dia naneso azy noho izy tsy niraika tamin’ ny haren’ ny tany ; ny harena mandrakizay mantsy no name- trahany ny fitiavany ; nitazana ny Mpanjaka tany Ziona sy teo afovoan’ ny voninahiny izy. Na ny eritreriny, na ny fony, na ny resany dia samy momba ny lanitra avokoa. ‘Sambatra ny madio am-po fa izy no hahita an’ Andriamanitra’7. Nandritra ny telonjato taona i Enoka, dia niara-nandeha tamin’ Andriamanitra sy nivelona teo am-baravaran’ ilay fonenana mandrakizay. Izany no nahatonga ny lanitra hisokatra tampoka ka namela azy hiditra, dia izy izay santatry ny mponin’ ny tany.PM 71.2

    Nanaitra fatratra ny olona ny tsy nahateo intsony an’ i Enoka. Nalahelo ny feony izay nananatra lalandava sy nanambara isan’ andro ny hafatry ny lanitra izy. Maro tamin’ ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy no nahalala ny fahalasanany. Ireo izay tia azy dia nihevitra fa lasa any amin’ ny anankiray amin’ ireo toerana fitokanany izy, ka nandeha nizaha azy tany, toy ny nizahan’ ny zanaky ny mpaminany an’ i Elia tatý aoriana. Niverina izy ireo ary nanambara fa ‘ Andriamanitra efa nandray azy ’.PM 71.3

    Mitahiry lesona lehibe ny namindrana toerana an i Enoka. Ny loza samihafa nateraky ny otan’ i Adama dia nety niteraka faha- kiviana. Maro ny olona no te-hilaza hoe. ‘Inona no soa azontsika eo amin’ ny fanarahana an Andriamanitra, raha mbola tsy maintsy hiharan-doza izao tontolo izao ary isika tsy maintsy ho faty ?” Ny hafatra nomena an’ i Adama anefa sy naverina tamin i Seta ary niveloman’ i Enoka. dia nampisava izany tsy finoana izany, ka namelombelona koa ny fanantenan’ ny mpino. Fa toy ny nidiran’ ny fahafatesana tamin’ ny alalan’ i Adama, no hanomezana kosa nv fiainana sv ny tsy fahafatesana amin’ ny alalan Ilay Mpanavotra nampanantenaina. Nafafin’ i Satana.tao am-pon ny olona mantsy ny fiheverana ,fa tsy hisy valisoa ho an’ ny tsara fanahy, sady tsy hisv koa famaizana ho an’ ny ratsy fanahy; tsy izany ihany fa niezaka izy hampino fa tsy ho vita na oviana na oviana ny hanaraka izay tadiavin’ Andriamanitra. Tamin’ ny alalan’ i Enoka no nilazan’ Andriamanitra fa ‘misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy ’8 Nasehony fa na dia eo anivon’ ny faharatsiana aza, dia azo atao ihany ny hankatò ny didiny sy tsy ho lavo eo amin’ ny fakam- panahy Ny ohatra nomen’ ilay patriarka dia nampiseho miharihary ny hasarobidin’ ny fiainana madio; ny namindrana azy ho any an-danitra dia manaporofo ny fahamarinan’ ny faminaniany izay manambara vaiisoa mandrakizay ho an’ ny marina, fa fanamelohana sy hcnalra ary fahafatesana mandrakizay kosa ho an’ ny tsy mpankatò.PM 72.1

    Finoana no namindrana an’ i Enoka tsy hiharan’ ny fahafa- tesana ta talohan’ ny namindrana azy dia nambara fa nanka- sitrahan’ Andriamanitra izy ’9. Tsy sitrak’ Andriamanitra raha tratran’ ny fahafatesana ny olona izay mivelona akaiky dia akaiky ny lanitra toy izany. Ny toe-panahy nananan’ ilay mpaminany dia mampiseho izay tsy maintsy ho fahamasinan’ ireo izay ho velona eo amin’ ny fotoana hisehoan i Jesosy Kristy fanindroany, ka havotana hiala amin’ ny tany.10 Fotoana feno faharatsiana izany fotoana izany, fa ho tov ny tamin’ ny andron’ ny Safo-drano, dia hiala amin’ ny fana- pahan ny lanitra koa ny olona ka hanaraka ny danin’ ny kibony sy ny fampianarana mamitaka atolotry ny filozofia. Tokony hitory ny fihavian’ ny Tompo sy ny famaizana hanjo ny mpiodina toy izay efa nataon’ i Enoka ny vahoakan Andriamanitra izay tsy maintsy hiavaka amin ny fananana fiainana tsy misy kilema. Ary toy ny namindrana an i Enoka talohan’ ny nandravana ny tany tamin’ ny Safo-drano, dia ho toy izany koa no hamindrana ny marina alohan’ ny handravana izao tontolo izao amin’ ny afo. ‘Tsy hodi-mandry avokoa isika rehetra, fa vetivety, toy ny indray mipi-maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra”. ‘Fa ny tenan’ ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin’ ny fiantsoana sy ny feon’ ny arikanjely ary ny trompetran’ Andriamanitra’, ‘fa hotsofina ny trompetra ary ny maty hatsangana tsy ho lo intsony ary isika hovana ’. ‘Izay maty ao amin’ i Kristy no hitsangana aloha, ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin’ ny rahona hitsena ny Tompo any amin’ ny habakabaka; dia ho any amin’ ny Tompo mandra- kariva isika ’11.PM 72.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents