Ny nanambadian’ Isaka
Patriarka sy mpaminany
- Contents- Sasin-teny
- Ny niavian’ ny ratsy
- Ny famoronana
- Ny fakam-panahy sy ny nahalavoan’ ny olona
- Ny drafitry ny fanavotana
- Kaina sy Abela
- Seta sy Enoka
- Ny Safo-drano
- Taorian’ ny safo-drano
- Ilay herinandro voalohany indrindra
- Ny tilikambon’ i Babela
- Ny niantsoana an’ i Abrahama
- Abrahama tao amin’ ny tany Kanana
- Ny nanaterana an’ Isaka ho fanatitra
- Ny nandravana an’ i Sodoma
- Ny nanambadian’ Isaka
- Jakoba sy Esao
- Ny nivahiman’ i Jakoba
- Ilay tolona mamatonalina
- Ny niverenan’ i Jakoba tany Kanana
- Josefa tany Egypta
- Josefa sy ny rahalahiny
- Mosesy
- Ny loza tany Egypta
- Ny Paska
- Ny fahafahana
Search Results
- Results
- Related
- Featured
- Weighted Relevancy
- Content Sequence
- Relevancy
- Earliest First
- Latest First
- Exact Match First, Root Words Second
- Exact word match
- Root word match
- EGW Collections
- All collections
- Lifetime Works (1845-1917)
- Compilations (1918-present)
- Adventist Pioneer Library
- My Bible
- Dictionary
- Reference
- Short
- Long
- Paragraph
No results.
EGW Extras
Directory
Ny nanambadian’ Isaka
Rehefa tratr’ antitra Abrahama, ka nahatsiaro fa efa nanan- dindona azy ny fahafatesana, dia nieritreritra ny amin’ ny zava-dehibe anankiray izay tokony hatao izy, mba hahatanteraka ny teny fikasana eo amin’ ny taranany. Tsy mbola nanambady Isaka tamin’ izay, nefa izy no efa voafidy handimby an-drainy ho mpitahiry ny didin’ i Jehovah sy ho rain’ ny vahoakan’ Andriamanitra. Zava-dehibe teo imason’ i Abrahama ny fifidianana vady ho an’ ny zanany lahy, noho ny hery ananan’ ny vehivavy eo amin’ ny fanandratana na ny fandravana ny finoana. Efa nandova tamin’ ny rainy ny fitokisana sy ny fankatoavana an’ Andriamanitra Isaka. Tsy izany ihany fa be fitiavana sy malemy paika ary tia fihavanana izy. Ny mponina teo amin’ ny tany Kanana anefa dia olona mpanompo sampy ; noraràn’ Andriamanitra ny olona mba tsy hikambana amin’ izy ireo amin’ ny alalan’ ny fifanambadiana izay mety hitarika ho amin’ ny fihemorana. Koa dia natahotra Abrahama fandrao raha manam- bady zazavavy izay tsy manompo an’ i Jehovah ny zanany, dia ho voatery hampandefitra ny rariny sy ny hitsiny noho ny tsy fitiavany hiady.PM 165.1
Fahizay dia ny ray aman-dreny ihany no nandamina ny raharaha momba ny fanambadiana. Izany no fanao nahazatra ireo izay nanompo an’ Andriamanitra. Tsy nisy anefa na iza na iza noterena hanambady izay tsy tiany. Fa ny toro-hevitry ny ray aman-dreny natahotra an’ Andriamanitra kosa no nitarika ny zatovo teo amin’ ny fitiavany. Ny fanaovana tsinontsinona ireny toro-hevitra ireny dia noheverina ho fanaovana tsinontsinona ny ray aman-dreny ; nohe- verina ho toy ny heloka bevava mihitsy aza izany. Isaka, noho ny fitokisany ny fitiavana sy ny fahendren’ ny rainy, dia nametraka ny raharaha rehetra momba izany teo am-pelatananv ; natoky izy fa Andriamanitra mihitsy no hitarika ny fifidianana.PM 165.2
Nahatsiaro ireo havan-drainy nonina tany Mesopotamia Abrahama. Na dia tsy afaka tanteraka tamin’ ny fanompoan-tsampy aza ireo havany ireo, dia mbola nahatahiry ny fahalaiana an’ Andriamanitra sy nv fanompoana Azy ihany. Koa satria tsy afaka handao ny tany Kanana Isaka mba hankany amin’ izy ireo ka honina any, dia noheverina fa mety hisy zazavavy any. vonona handao ny fone- nanv mba ho tonga ho vadin’ Isaka ka hiara-miasa aminy hitahiry ny fahadiovan’ ny fivavahana amin’ i Jehovah. Napetrak” i Abrahama tamin’ ilay ‘Iehiben’ ny mpanompony tao an-tranony’ izany andraikitra lehibe izany. Izy io dia lehilahy tia vavaka sy mazava saina ary efa nanompo azy elabe tamin’ ny toetra mahatoky. Nampa- nao fianianana mafy azy izy. fa tsy haka vady ho an’ ny zanany lahy eo amin’ ny vehivavy Kananita, fa zazavavy izay isan’ ny fiana- kavian’ i Nahora mponina any Mesopotamia kosa no halainy.PM 166.1
Afaka amin’ ny fianianany ilay mpanompo raha tsy misy zazavavy avy amin’ io fianakaviana io manaiky handao ny tranon-drainy. Na manao ahoana na manao ahoana nefa dia tsy mahazo mitondra an’ Isaka any izy. Ho famporisihana ny mpanompony hanaiky hanefa izany adidy lehibe sy sarotra izany. dia nilaza taminy sy nanome toky azy Abrahama fa Andriamanitra hanome fahalavorariana azy: ‘Jehovah, Andriamanitry ny Ianitra. Izay naka ally niala tamin’ ny tranon’ ny raiko sy tamin’ ny tany nahaterahako”, hoy izy, ‘Izy no haniraka Ilay Anjeliny eo alohanao’1.PM 166.2
Dia lasa tsy nisalasala intsony ilay iraka. nitondra rameva folo nivesatra izay zavatra nilainy teny an-dalana sy ho fanomezana ho an’ ny zazavavy sy ny mpanaraka azy. Dia tonga hatrany Damaskosy izy, namakivaky ireo tany lemaka mahavokatr’ i Eofrata, dia ilay renirano lehibe any Atsinanana. Nony tonga tany amin’ ny ‘tanànan’i Nahora’ izy. dia nijanona ‘teo ivelan’ ny tanàna, tanilan’ ny lavaka fantsakan-drano rehefa harivariva ny andro, dia tamin’ ilay fandehanan’ ny vehivavy mpantsaka iny’. Manatrika ora lehibe ilay mpanompon’ i Abrahama, dia ora hiankinan’ ny soa na ny ratsy, tsy ho an’ ny tokantranon’ ny tompony ihany fa ho an’ ny taranaka mifandimby koa, dia arak’ izay fifidianana hataony. Hatao ahoana anefa no fanatanteraka amim-pahendrena izany adidy lehibe izany eo amin’ ny tany tsy fantatra ? Dia nivavaka izy raha nahatsiaro ny tenin’ i Abrahama izay nampanantena azy ny fanampian’ Andriamanitra. Zatra nahita hatsaram-panahy sy fahaiza-rnandray • olona tamin’ i Abrahama izy ka dia ny toetra soan’ izay zazavavy hifanena aminy no nangatahiny mba ho marikv ny fankasitrahan’ ny lanitra.PM 166.3
Tsy ela akory dia nivaly ny fivavahany. Teo amin’ ireo vehivavy samy naka rano teo am-pantsakana, dia nisy anankiray izay nanaitra azy indrindra noho ny toetrany soa. Nanatona an-drazazavavy izy no sady nangataka taminy mba hisotro eo amin’ ny sininy. Tsy hoe neken-drazazavavy fotsiny izany, fa nampiseho hevitra ny hantsaka ho an’ ny rameva koa izy, dia asa fanaon’ ny ankizivavy tatsinanana, mpanompon’ andriana. Niharihary tamin’ i Eliezera ny famantarana nangatahiny. Tsy vitan’ ny hoe ‘tsara tarehy indrindra” ihany razaza- vavy, fa ny toetrany soa. dia nampiseho koa hatsaram-panahy sy fahazotoana lehibe. Niaiky ilay mpanompon’ i Abrahama fa nitarika azy tokoa Andriamanitra.PM 167.1
Rehefa namaly soa an’ ilay zazavavy mpiandry ondry tamin” ny fanomezana sarobidy Eliezera, dia namotopotra azy ny amin’ ny ray aman-dreniny izy. Rehefa fantany fa zanakavavin’ i Betoela izy, izay isan’ ny fianakavian’ i Abrahama, ‘dia niondrika ralehilahy ka niankohoka teo anatrehan’ i Jehovah’. ary nisaotra an’ Andriamanitra sy nilaza ny maha-mpanompon’ i Abrahama azy.PM 167.2
Ary razazavavy nody haingana tany an-tranony ka nitantara tamin’ i Labana anadahiny ny toe-javatra rehetra efa niseho. Ary Labana kosa dia lasa nihazakazaka nitsena ilay vahiny ka nampian- trano azy, sady nanome hanina sy fialofana ho an’ ny ramevany.PM 167.3
Rehefa nasaina hisakafo Eliezera, dia tsy nety nihinana mihitsy raha tsy efa nanazava ny anton-diany. Rehefa nilaza ny vavaka nataony teny am-pantsakana izy sy ny toe-javatra hafa niseho nanara- karaka izany, dia hoy indray izy: ‘Koa ankehitriny, raha hanao izay soa sy marina amin’ ny tompoko hianareo, dia lazao amiko; la raha tsy izany kosa, dia lazao amiko mba hiviliako na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia”. Ary toy izao ny valinteny nomena azy: ‘Avy tamin’ i Jehovah no nisehoan’ izany zavatra izany, ka tsy mahazo milaza teny aminao izahay na ratsy na soa. indro. Rebeka eto anatrehanao, ento izy, ka mandehana ; ary aoka ho vadin’ ny zanaky ny tomponao izy, araka izay nolazain’ i Jehovah’.PM 167.4
Rehefa re izany faneken” ny fianakaviana izany, dia nanontaniana Rebeka na vonona ny handeha izy ka ho tonga vadin’ ny zanak’ i Abrahama na tsia. Niaiky izy fa Andriamanitra mihitsy no efa nifidy azy ho vadin’ Isaka, ka dia hoy izy: ‘Handeha aho ! ’PM 168.1
Rehefa izany, noho izy maika ta-hahita ny fifalian’ ny tompony, j dia niainga hiverina sahady ny ampitso marainan’ iny ilay mpanompo efa antitra. Ary Isaka, izay niandry ny ondry teny amin’ ny faritany manodidina an’ i Beri-Sheba izay nitoeran’ ny rainy, dia nody tany an-trano, niandry ny fìverenan’ ilay iraka. Ary raha nivoaka mba hieritreritra tany an-tsaha izy. rehefa nitehin-ko hariva iny ny andro, dia nanopy ny masony izy ka nahita fa indrerý nisy rameva avy manatona. Ary Rebeka koa nanopy ny masony ka nahatazana an’ Isaka ; dia nidina faingana niala tamin’ ny ramevany izy sady nanontany an’ ilay mpanompo hoe: ‘Iza moa irý lehilahy mitsanga- tsangana avy mitsena antsika irý ?” Ary hoy ilay mpanompo: ‘Iny no tompoko’. Dia nandray ny fisalobonana Rebeka ka nisalobonany. Ary nambaran’ ilay mpanompo tamin’ Isaka ny zavatra rehetra efa nataony. Ary Isaka dia nampandroso an-dRebeka ho ao an-dain’ i Saraha reniny ka nampakatra azy ho vadiny ; ary tia azy izy, dia nionona ny alahelony an-dreniny”.PM 168.2
Fantatr’ i Abrahama ny loza mety hateraky ny fifanambadian’ ny olona matahotra an’ Andriamanitra amin’ ny olona tsy matahotra Azy. Fantany izay rehetra niseho hatramin’ ny andron’ i Kaina ka hatramin’ ny andro nahavelomany ; tsaroany ny nanjo ny tenany noho ny nanambadiany an’ i Hagara, sy ny nanjo ny hafa koa, toa an’ Isimaela sy Lota. Ny tsy fahampian’ ny finoan’ ny tenany sy ny an’ i Saraha no nananany an’ Isimaela ho zanaka, izay na dia notezain’ ny rainy fatratra aza, dia simban’ ny toetran-dreniny mpanompo sampy. Noho ny fialonan’ i Hagara sy noho ny vady betsaka nomery an’ Isimaela zanany, no nahatonga ny fisarahan- tsaina teo amin’ ny fianakaviany. izay toy ny fefy tsy azon’ i Abrahama nihoarana. Dia tonga mpanompo sampy Isimaela zanany. Tafasaraka tamin-drainy izy. tofoky ny ady lava niseho tao an-tokan- tranony, izay tsy nisy na fitiavana na fahatahorana an’ Andriamanitra; farany, lasa izy nirenireny tany an-efitra toy ny boriki-dia. ‘Ny tanany hamely ny olona rehetra, ary ny tanan’ ny olona rehetra kosa hamely azv’2. Rehefa ho faty izy ka nanenina noho ny toetra ratsiny dia niverina tamin’ Ilay Andriamanitry ny rainy. Na izany aza, dia nolovan’ ny taranany izany toetrany izany ka tonga tia ady sy jentilisa ary nampahory fatratra ny taranak’ Isaka izy ireo. Ny vadin’ i Lota koa, izay vehivavy tia tena sy tsy tia vavaka, dia nahita zavatra bctsaka izay nampisaraka ny vadiny tamin’ i Abrahama. Nety tsy ho tamana sy tsy ho tafatoetra tao Sodoma akory Lota raha tsy noho ny vadiny. Ny fahatsiarovany ny anatra sy ny toro- hevitra izay nomen’ i Abrahama azy, raha mbola zaza izy, no naharo azy tsy ho latsaka tao amin’ ny tsy finoana,’ raha nifamahofaho tamin’ ny vadiny sy tamin’ ny mponina ratsy fanahy izy. Ny nanam- badian’ i Lota ny vadiny sy ny nifidianany an’ i Sodoma ho fonenany, dia samy nitera-doza maro izay nampahory ny fiainan’ ny taranaka maro nifandimby teto amin’ izao tontolo izao.PM 168.3
Tsy misy olona na dia iray akory aza, izay matahotra an’ Andriamanitra ka tsy hiharan-doza raha manakambana ny fiainany amin’ ny tsy mpino. Miankina amin’ ny firaisan-tsaina sy ny fiombonam- panahy ananan’ nympivady ny fahasambarana sy ny fahavononan’ ny tokantranony. Ny mpino sy ny tsy mpino dia samy manana ny fitiavany sy ny fironan’ ny sainy ary ny fikasany. Tompo roa izay tsy mahay miray lalana no tompoiny. Koa na dia madio sy masina aza ny fitsipi-piainana arahin’ ilay mpino, dia hahatarika azy lavitra an’ Andriamanitra ihany ilay vadiny tsy mino.PM 169.1
Izay rehetra efa nanolo-tena ho an’ Andriamanitra dia tokony hijoro ho mahatoky amin’ ny vadiny na dia tsy miray finoana aminy aza izy. Tokony hoheveriny mandrakariva fa izay adidy rehetra amin’ Andriamanitra dia lehibe lavitra noho izay fomba amam- panao etý an-tany, na dia mety hitera-pahoriana sy fanenjehana ho azy aza izany. Kanefa, raha misy fitiavana sy fahalemem-panahy eo amin’ ilay mpino, dia mety hahatarika ny vadiny izay tsy mpino izy. Ny Baiboly anefa, na dia izany aza, dia mandrara mihitsy ny hikambanan’ ny mpino sy ny tsy mpino. Mazava tsara ny tenin’ ny Tompo momba izany: ‘ Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikamb an anareo amin’ ny tsy mpino’3.PM 169.2
Na dia mpandova ny teny fikasana izay natolotra an’ izao tontolo izao aza Isaka, izay efa efa-polo taona tamin’ izay fotoana izay, dia nankatò ny rainy izy, izay naniraka mpanompo mahatoky sady tia vavaka mba hitady vady ho azy. Toy izao no filazalazana ny vokatr’ izany fanambadiana izany: ‘Ary Isaka dia narnpandroso an-dRebeka ho ao an-dain’ i Saraha reniny ka nampakatra azy lio vadiny ; ary tia azy izy dia nionona ny alahelony an-dreniny”.PM 169.3
Akory ny fahasamihafan’ ny toetran’ Isaka sy ny toetran’ ny tanora ankehitriny, na dia ireo tanora antsoina hoe kristiana aza ! Moa tsy fahita matetika va ny fanaon’ ny tanora ankehitriny izay mihambo ho manam-pahefana hifidy malalaka izay vady tian’ ny fony, ka tsy manan-kevitra ny hila saina akory amin’ Andriamanitra, na amin’ ny ray aman-dreniny. na dia mbola tsy mato-tsaina akory aza izy ? Taona vitsivitsy foana eo amin” ny fanambadiana anefa dia ampy hampiaiky azy ireny ny fahadisoan-keviny, kanjo, matetika, diso aoriana loatra izany ka tsy maharo ny voka-dratsy mety hiseho. Izany fahamaimaizana eo amin’ ny fifidianana izay ho vady izany, dia hiseho koa eo amin’ ny fiainana an-tokantrano, ka hiharatsy ny toe-javatra ary tsy ho zaka intsony; Firifiry akory ireo izay efa nanimba amin’ ny fomba toy izany ny fahasambarany eto amin’ izao fiainana izao sy ny fanantenany momba ny fiainana ho avy.PM 170.1
Ny fanajan’ Isaka ny hevitry ny ray aman-dreniny dia vokatty ny fomba nitaizana azy, satria efa, nampianarina ho tia fiainana feno fankatoavana izy. Abrahama dia nampianatra ny zanany hahay hanaja ray aman-dreny, ary nanao izany isan’ andro tamim-pitiavana sy tamim-pikendrena izay hahasoa sy hahasambatra ny taranany.PM 170.2
Ny ray aman-dreny dia. tsy tokony hanadino na oviana na oviana ny adidy tsy maintsy hefainy mba habasambatrà ,ny zanany tokony hitari-dalana ny fitiavan’ ny zanany izy mba hananan’ izy ireo tokantrano sambatra. Amin’ ny alalan’ ny teny sy ny oha-pitondran-tena asehony, dia manana adidy ny ray aman-dreny, eo ambanin’ ny fanampian’ ny fahasoavan’ Andriamanitra, mba hamolavola ny toe- tran-janany ka hahatonga azy ireo hanana toe tsaina madio sy mendrika, ho tia ny marina sy ny fsara hatramin’ ny andron’ ny fahazazany. Izav misy itovizany no rniara-dia. Ataovy ao an-tsain’ ny zaza dieny mbola kely ny fitiavana ny fahamarinana, ny fahadiovaná, ny hatsaram-panahy, fa rehefa lehibe izy dia tsy hitady hiray afa-tsy amin’ ny olona izay manana toetra toy izany.PM 170.3
Eo amin’ ny fiainanareo isan’ andro, ry ray aman-dreny, dia miezaha haka tahaka ny fitiavana sy ny hatsaram-panahin’ ny Ray Izay any an-danitra. Aoka ho feno fifaliana ny fiainana ao an-tokan- tranonarco. Aoka hanjaka ao ny fifankatiavana mamy ‘izay hamela soritra lalina ao am-pon’ ny zanakareo, dia soritra hampahatsiahy azy fiadanana sy fahasambarana tanteraka. Ho sarobidy aminy mihoatra noho izay vola na tany izany. Marina fa ny olona tsira ay avy ao an-tokantrano dia samy manana ny toetrany ; izany dia vao mainka koa hamporisika anareo hanana faharetana sy famindram- po. Ny halemem-panahy feno fitiavana sy ny fiadanana dia hahatonga ny ankohonanareo hanana firaisana lalina indrindra.PM 170.4
Ny tena fitiavana marina dia vokatry ny foto-kevitra ambony sy masina ; hafa lavitra noho izany nv firaisana mety ho vokatry ny hafanam-po vetivety izay mora mangatsiaka raha vao tojo zava- manahirana. Amin’ ny alalan’ ny fanatanterahana tsara ireo adidy tokony hatao ao an-tranon-dray aman-dreny, no iomanan’ ny tanora hahay manorin-tokantrano, satria ao no tsy maintsy hianaranv hanana fandavan-tena sy hatsaram-panahy ary fanajana kristiana. Fa izay zatovo manana fo feno fitiavana mafana no hahay hanome fahasambarana izay olona ho vadiny, rehefa tonga ny fotoana handaozany ny akany nahabe azy mba hanorenany. tokantrano vaovao. Ny fanambadiana amin’ izay dia ho fiantormboham-pitiavana fa tsy fiafarany.PM 171.1