Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Abrahama tao amin’ ny tany Kanana

    Niverina ho any amin’ ny tany Kanana Abrama ‘nanana harena be, dia omby aman’ ondry sy volafotsy ary volamena’1. Niaraka taminy hatrany hatrany koa i Lota. Tonga tao Betela izy ireo ka nitoby tao, dia teo amin’ iiay toerana efa nanorenany alitara teo aloha. Tsapan’ izy roa lahy anefa fa ny fananana harena be dia miteraka ahiahy be koa. Fony izy samy sahirana dia nilamina sy niray saina tsara, fa nony tonga nanan-karena kosa, dia toa tsy hifanaraka. Noho ny tsy fahampian’ ny ahitra ho an’ ny biby, dia nifamaly matetika ny mpiandry ondriny. Tsy maintsy nalamina izany rehetra izany, ka dia nisara-dia izy. Abrama no zokiny, na teo amin’ ny laharam-boninahitra izany, na teo amin’ ny laharam-pihavanana sy teo amin’ ny harena. Na dia efa natolotr’ i Jehovah azy aza ny tany rehetra, dia nanana fandavan-tena izy, ka nampifidy an’ i Lota: ‘ Aoka re”, hoy izy, ‘mba tsy hisy ady amintsika roa lahy, na amin’ ny mpiandry ombiko sy ny mpiandry ombinao, fa mpirahalahy isika. Moa tsy eo anoloanao va ny tany rehetra ? Masina hianao, aoka hisaraka amiko hianao; raha hianavaratra hianao, dia hianatsimo aho ; fa raha hianatsimo hianao dia hianavaratra aho”.PM 121.1

    Miseho eto indray ny toe-tsaina ambony tsy misy fitiavan-tena nananan’ ilay patriarka. Firifiry moa ny olona, izay rehefa tojo toe javatra toy izao mahazo an’ i Abrama izao, no tsy hampiasa ny fahefany mba hahazo izay zavatra tiany ! Fjrifiry ny fianakaviana efa nikorontana noho ny fiheverana ny tombontsoa ho an’ ny tenany samirery ihany ! Firifiry ny Fiangonana efa nizarazara ka tonga fihomehezana eo anatrehan’ ny tsy mpino noho izany antony izany ihany ! ‘Aoka re mba tsy hisy ady amintsika roa lahy’, hoy ny tenin’ ilay patriarka tamin’ ny fomba mendrika, ‘fa mpirahalahy isika” tsy eo amin’ ny ara-nofo izany, fa noho isika samy mpano- mpon’ Andriamanitra koa. Ny zanak’ Andriamanitra rehetra manerana ny tany dia samy isan’ ny fianakaviana iray ihany, ka samy tokony hanana toe-tsaina feno fitiavana sy tia fihavanana. ‘Mifankatiava araka ny fifankatiavan’ ny mpirahaiahy: mitariha làlana amin’ ny fifanomezam-boninahitra-’2. Izany no fananarana avy tamin’ ny Mpamonjy antsika. Ny fanarahana izany toro-hevitra izany, ny fanaovana amin’ ny hafa izay tiana hatao amin’ ny tena, dia ampy hahafoana ny antsasaky1 ny fahoriana amam-paharatsiana mamely ny vahoaka. Avy amin’ i Satana ny fitsiriritana. Fa Jesosy koa dia nampianatra fifankatiavana, dia fifankatiavana tsy mitady ho an’ ny tena. Ary na zovy na zovy no mahalala izany, dia mahatakatra izao teny izao: ‘Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an’ ny namany koa’3.PM 121.2

    Lota, na dia nanan-karena noho ny niarahany tamin’ i Abrama aza, dia tsy nampiseho toe-tsaina mahay mankasitraka teo anatrehan’ ilay mpanisy soa azy. Raha mba nahalala fomba izy dia ho namela an’ i Abrama hifidy. Tsy izany no nataony, fa tia tenajzy, ka nanara- raotra ny alalana nomena azy mba haká izay tsara indrindra. Fa ‘izy nanopy ny masony ka nitazana ny tany rehetra teny amoron’ i Jordana hatrany akaikin’ i Zoara, fa azon-drano avokoa izy rehetra, tahaka ny sahan’ i Jehovah sy tifhaka ny tany Egypta’4.PM 122.1

    Ny Johasahan’ i Jordana no faritany lonaka indrindra tany Palestina, nahatsiarovana.ilay Paradisa very’ izany ary lonaka. sady tsara tarehy toy ireo tany lemaka amoron’ i Neily izaý vao nilaozany. Nahitana tanàna kanto sy manan-karena koa izay nisy tsena mandroso fatratra teny. Tsy noheverin’ i Lota akory ny loza ara-batana sy ara-panahy nety nihatra taminy tamin’ izany toerana izany, satria revo loatra tamin’ ny fahasambarana ara-nofo izay nantenainy ho azo ny sainy. Asa na tsy fantany ‘fa ny mponina teo Sodoma dia tena ratsy fanahy sady mpanota indrindra tamin’ i Jehovah’, na dia tsy nahoany loatra izany ka dia nofidiny ‘ho azy ny tany rehetra amoron’ i Jordana ka nifindrafindra loby hatrany Sodoma izy’4. Akory nv tsy fahatsinjovany ny ioza aterak’ izany fifidianana feno fitiavan-tena izany !PM 122.2

    Rehefa nisara-dia izy roalahy, dia nahazo teny fikasana indray Abrama, izay nanamafy fa izy no handova ny tany manontolo. Tao aoriana kelin’ izany, dia nitoby tao Hebrona izy, teo amin’ ny hazo terebintan’ i Mamre, teo amin’ izay efa nanorenany alitara ho an’ i Jehovah. Raha nitoetra teo amin’ ireo tany lemak’ i Sodoma be rendrarendra mampidi-doza i Lota, izy kosa dia nifaly tamin’ ny fiainana tsotra nananany, nivelona teny ankalamanjana, voahodidin’ ny havoana rako-boaloboka sy oliva, teny amin’ ny saha mahavokatra sy teny amin’ ny saha fiandrasan’ ondry, nifoka ny rivotra madio teny an-tendrombohitra.PM 123.1

    Nifanerasera tamim-pomba mendrika tamin’ ireo mpiray fone- nana taminy ilay patriarka ; nohajaina fatratra izy, dia toy ny fanaja mpanapaka ambony sy hendry. Ny fiainany izay nifanohitra tamin’ ny fiainan’ ireo mpanompo sampy, dia nanana hery hitaona ho amin’ ny tena finoana marina. Ny toetrany mahatoky tsy miova teo anatrehan’ Andriamanitra, ny fiainany mahate-ho tia, ny fanaovan-tsoa nasehony, ny fahatsorany feno fahamendrehana, dia nahatonga ny olona hatoky sy ho tia ary hanaja sy hanome voninahitra azy.PM 123.2

    Taminy ny fivavahana dia tsy mba rakitsarobidy tokony hote- hirizina ho an’ ny tena samirery fotsiny. Mifanohitra sy tsy araka ny toetra amam-pitsipiky ny tena fivavahana ny fanao toy izany. Ny fo izay itoeran’ i Jesosy dia tsy afaka hanafina ny famirapiratr’ izany fanatrehany izany. Ny fahazavana aterak’ izany dia tsy mba mihena fa vao mainka koa mitombo famirapiratana isan’ andro isan’ andro, dia arakaraka ny fahaievonan’ ny zavon’ ny fitiavan-tena sy ny zavon’ ny fahotana, noho ny herin’ Ilay Masoandron’ ny fahamarinana.PM 123.3

    Solontenan’ Andriamanitra etý an-tany ny mpino, ka tokony hamirapiratra toy ny jiro eo anatrehan’ ny haizimpito ara-panahin’ izao tontolo izao. Eny amin’ ny vohitra sy ny tanàna itoerany, dia izy no vavoiombelona sy masoivoho tian’ i Jesosy hitondra ny faha- lalana ny sitrapony sy ny zava-mahagagan’ ny fahasoavany eo amin’ ny tsy mpino. Ny fanirian’ ny Tompo dia ny hahatonga izay rehetra efa notolorany ny famonjeny lehibe ho iraky ny Avo Indrindra. Fa ny toe-panahy asehon’ ny kristiana no itsaran’ ny olon’ izao tontolo izao ny herin’ ny Filazantsara. Ny fitsapana mihatra nefa zakaina amim-paharetana, ny soa samihafa raisina amim-panka- sitrahana. ny helemam-panahy, ny hatsaram-panahy, ny fahaizana mamindrafo, izany hoe, raha atao bango tokana, ny fitiava-namana: ireny toetra tsara rehetra ireny, izay samy toy ny jiro manazava. dia mifanohitra indrindra amin’ ny haizina vokatry ny fitiavan-tena.PM 123.4

    Nanan-karena tamin’ ny finoana no sady mendrika teo amin’ ny asa soa nataony Abrama ; nahatoky tamin’ ny fitsipi-piainana izay narahiny izy, no sady hendry sy nahay koa teo amin’ ny fiheverana izay hahasoa, ary kinga sy nahery fo teo amin’ ny ady. Na dia fantatra aza fa mpampiely fivavahana vaovao Abrama, dia tonga teo aminy ny mpanjaka telon’ ny Amoreana, mpirahalahy iray ray, izay nanapaka teo amin’ ny tany lemaka nonenany, mba hila fiha- vanana sy hanao fanekena taminy ; izany dia mba hitomboan’ ny fiadanan’ ny besinimaro izay notandindomin’ ny famelezan’ ny mpanao an-keriny mandrakariva. Tsy ela dia nisy toe-javatra nitranga izay nahazoan’ i Abrama soa tamin’ izany fanekem-pihavanana izany.PM 124.1

    Efatra ambin’ ny folo taona talohan’ izao, Kedorlaomera, mpanjakan’ i Elama, dia tonga nanafika ny tany Kanana, ka nandresy azy ary nampandoa hetra azy. Noho ny fikomian’ ireo andriana maromaro, dia tonga indray ilay mpanjakan’ i Elama, nampian’ ireo mpanjaka efatra sakaizany mba hampandry ny tany. Mpanjaka dimy teo amin’ ny tany Kanana no nikambana mba hanohitra azy. Tao amin’ ny lohasahan’ i Sidima no nihaona ny tafika roa. Resy ny tafiky ny mpanjakan’ i Kanana: ny sisa tsy levona dia roso nando- sitra tany an-tendrombohitra. Ny mpandresy kosa dia namabo ny tanàna sy ny vohitra teny amin’ ny tany lemaka manodidina, ary nody nitondra babo betsaka, ka isan’ ireo i Lota sy ny fiariakaviany.PM 124.2

    Ren’ i Abrama izay nonina finaritra teo an-kazo terebintan’ i Mamre, avy tamin’ ny vavan’ ny olona iray izay afa-nandositra, ny vaovao momba ny ady sy ny loza nanjo an’ i Lota. Tsy mba nanao otri-po tamin ilay havany izy, ka avy hatrany dia nanapa-kevitra ny hamonjy azy. Rehefa avy nila saina tamin’ ny alaian’ ny fivavahana izy, dia niomana ho amin’ ny ady. Vatan-dehilahy valo ambin’ ny folo sy telonjato avy teo amin’ ny tobiny no nangoniny, dia olona notezaina tao amin’ ny fanompoana an’ Andriamanitra, vatan- dehilahy izay efa nanompo azy sady zatra nitam-piadiana. Ireo olona vita fanekena taminy: Mamre, Eskola, sy Anera, dia nanakambana ny tafiny tamin’ ny an’ i Abrama, ka niara-nanenjika ireo mpandroba izy rehetra. Ny tafik’ i Elama sy ireo mpomba azy dia nitoby tao Dana, teo amin ny ilany atsinanan’ ny faritany. Sondriana loatra noho ny fandresena azony izy ireo ary tsy nanampo na inona na inona, ka dia nifaly sy nanaram-po. Nozarazarain’ ilay patriarka ny olona nomba azy mba hamely ny fahavalo eo amin’ ny lafiny maro ; ary nony eta alina ny andro. dia namely azy tampoka izy. Noho izany firoatana mafy sy tsy nampoizina izany, dia nalaky azo ny fandresena. Maty ny mpanjakan’ i Elama, ary ny miaramilany dia vaky nandositra. Afaka i Lota sy ny fianakaviany mbamin’ ny babo hafa koa, ary ireo harena nobaboin’ ny fahavalo dia tafaverina ; tsy vitan’ izany, fa nisy harena be dia be koa azon’ ny mpandrosy. Manarakaraka an’ Andriamanitra dia Abrama no antony nahazoana izao fandresena izao. Tsy hoe nanisy soa ny mponina fotsiny ihany ilay mpivavaka tamin’ i Jehovah, fa lehilahy nahery an’ ady koa. Hita niharihary tamin’ izany fa tsy hoe rehefa mpivavaka dia kanosa, ka ny fivavahana dia tsy mahasakana tsy hahery fo, rehefa tsy maintsy harovana ny zon’ ny ampahorina. Ny herim-po nasehon’ i Abrama dia nampiely ny lazany teo amin’ ny firenena manodidina. Tonga nitsena sy nanome voninahitra azy ny mpanjakan’ i Sodoma sy ireo tandapany ; tsy ny hamereriana ny fananany no notadiaviny, fa ny hahafahan’ ny olony babo ihany no nangatahiny. Araka ny lalàn’ ny ady mantsy, dia an’ ny mpandresy ny zavatra voababo rehetra. Raha nanao io ady io Abrama, dia tsy noho ny fitadiavany tombontsoa ho an’ ny tenany tsy akory, ka dia noiaviny ny hana- raraotra ny fahorian’ ny hafa ; ny hany nataony dia ny nampanome ireo mpiray fanekena taminy izay tena tokony ho anjarany avy.PM 124.3

    Vitsy ny olona, rehefa tojo toe-javatra toy izany, no tsy manararaotra hanangona harena. Ny ohatra nasehon’ ilay patriarka dia mampahamenatra ireo izay tia harena maloto. Tsy hadinon’ i Abrama tsy akory ny rariny sy ny hitsiny. Ny toetra nasehony dia tena manamarina ilay teny hoe: ‘Tiava ny namanao tahaka ny tenanao’6. Fa hoy izy: ‘Izaho dia efa nanangan-tànana tamin’ i Jehovah, Andriamanitra Avo Indrindra, Izay nahary ny lanitra sy ny tany, fa tsy handray na taretra na fehin-kapa aza amin’ izay rehetra mety ho anao, fandrao hataonao hoe: izaho no nampanan-karena an’ i Abrama’6. Tsy misy na iza na iza afaka hilaza, fa noho ny fitiavan-tena no antony nirotsahan’ ny patriarka ho amin’ iny ady iny, na, noho ny fanomezana avy amin’ ny hafa no nampanan-karena azy. Andriamanitra efa nampanantena hitahy azy, ary Izy irery no tokony homeny voninahitra noho izao fandresena lehibe izao.PM 125.1

    Mbola nisy olona ambony iray koa tonga nitsena ilay patriarka nandresy ka nanome mofo sy divay ny miaramilany, dia i Melki- zedeka, mpanjakan’ i Salema ‘mpisoron’ ny Avo Indrindra”. Sady nitso-drano an’ i Abrama izy no nidera an’ Andriamanitra Avo Indrindra ‘Izay efa nanolotra ny fahavalonao teo an-tànanao’, (hoy izy).PM 126.1

    Rehefa nanolotra azy ny ampahafolony Abrama, dia lasa niverina tamim-pifaliana ho any amin’ ny lainy sy ny ondriny. Hatramin’ izao anefa dia nisy eritreritra iray nanabataba ny fiadanany: izy. izay lehilahy tia fihavanana sy nankahala fifandra- fiana sy fifamaliana, dia efa nanana anjara tamin’ ny fifamonoana mahatsiravina kosa ankehitriny ! Ireo firenena efa resiny, moa tsy mbola hanarina indray va, ka hikendry azy indrindra amin’ ny valifaty hataony ? Ary satria efa heverina ho toy ny mpandray anjara amin’ ny tabataba ara-politika izy, moa tsy ho tapitra hatreo koa va ny fiainany feno fiadanana ? Izany dia mbola niampy ny fisain tsainany fa izy dia tsy mbola nahazo ny tany Kanana ho lovany. Koa tsy nantenainy intsony izay zanaka mpandova hahatanteraka ny teny fikasana.PM 126.2

    Raha mbola alina ny andro, dia nahita fahitana izy sady nandre ny feon’ Andriamanitra nanao hoe: ‘Aza matahotra ry Abrama; Izaho no ampinganao sy valim-pitia lehibe indrindra ho anao’.Noho ny eritreritna nanjombona tao anatiny, dia tsy toy ny fanaony tamin’ ny lasa ny nandraisany izany teny fikasana izany: nangataka fana- mafisana izy. Atao ahoana koa no hahatanteraka izany teny fikasana izany raha tsy manome zanaka ho azy Andriamanitra ? ‘Jehovah Tompo o’, hoy izy, ‘inona no nomenao ahy ? Fa izaho mandroso fahanterana, nefa tsy manan-janaka Izaho tsy nomenao fara handimby, ka, indro ny anankiray amin’ ny ato an-tranoko no handova ahy’7. Nampiseho hevitra izy, dia ny hananganany an’ i Eliezcra, ilay mpanompo mahatoky azy, ho mpandova azy. Nefa nomen’ Andriamanitra toky izy fa ny zanaka hateraky ny kibony ihany no ho mpandova azy ; rehefa izany, dia nasainy nivoaka ny lainy izy mba hijery ny kintana ali-kisa nanjopiapiaka teny amin’ ny lahitra, sady hoy Izy taminy: ‘ho tahaka izany ny taranakao’. ‘Ary Abrama nino an’ Andriamanitra. ka dia nisaina ho faha- marinariy izany’8.PM 126.3

    Na dia izany aza aneta, dia naniry hahita porofo hita maso ilay patriarka. ary izany dia mba hanamafy ny finoany sy ho lanehoana amin ny taranany mandimby, fa tanteraka ny fikasan’ Andriamanitra ny aminy. Neken’ i Jehovah izany, ka dia nanao fanekena tamin’ ilay mpanompony izy, ary nampiasa ny fomba fanao tamin’ izany andro izany ho fanamafisana ny fanekena. Nibaiko an’ i Abrama Andriamanitra mba hamono ombivavy kely sy osivavy ary ondrilahy efa telo taona avy hatao fanatitra ; hosa- sahina roa ireo ka hampifanandrifiana avy ny tapany ary hasiana elanelana mampisaraka ny ilany roa. Mbola haka domohina sy zana- boromailala indray Abrama, izay tsy mba hosasahiny roa. Rehefa izany, dia handalo eo anelanelan’ ny fizarana roa izy, ka hanonona voady masina fa hankatò mandrakariva sy mandrakizay an’ Andria- manitra ; niandry tamim-paharetana masina teo izy ; niaro ny toerana tsy ho voaloto sy tsy ho robain’ ny voro-manidina mandra-paha- rivan’ ny andro. ‘Ary rehefa nilentika ny masoandro, dia sondrian- tory Abrama ; ary, indro, aizina mahatsiravina indrindra no nahazo azy’9. Ary Jehovah niteny taminy ka nanazava fa tsy hahazo avy hatrany ny tany nampanantenaina izy ; nasehony azy koa fa ny taranany dia tsy maintsy hiaritra fijaliana lavabe vao handova ny tany nampanantenaina. Rehefa izany, dia hitan’ ilay patriarka niseho teo anoloany ny amin’ ny planan’ ny famonjena. Tsinjony ny faha- fatesan’ ny Mpamonjy, ny fangirifiriana lehibe hahazo azy, ary ny fiverenany amim-boninahitra. Tazany ny tany manontolo naverina indray teo amin’ ny hatsaran-tarehiny voalohany sy nomena azy ho lovany mandrakizay mba ho fanatanterahana tonga lafatra ny teny fikasan’ Andriamanitra.10.PM 126.4

    Mba ho fanamafisana ny fanekena nifanaovan’ Andriamanitra sy Abrama, dia nisy fatana fandoroana feno afo mirehitra, izay mariky ny fanatrehan’ Andriamanitra, nandehandeha namakivaky teo anelanelan’ ny zavatra voasasaka izay samy nolevonin’ ny afo avokoa. Ary Andriamanitra nampanantena azy fa ny tany rehetra ‘hatrany amin’ ny onin’ i Egypta ka hatrany amin’ ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata” dia homena ny taranany.PM 127.1

    Rehefa nivahiny dimy amby roapolo taona tany amin’ ny tany Kanana Abrama, dia ‘nisehoan’ i Jehovah izy ka nitenenany hoe: Izaho no Andriamanitra Tsitoha ; mandehana eo anatrehako, ka aoka ho tsy misy tsiny hianao’11. Feno fanajana masina niharo tahotra ny fon’ ilay patriarka ka dia niankohona tamin’ ny tany izy. Fa hoy indray ilay feo: ‘Raha ny amiko, dia, indro, aminao ny fanekeko, ka ho tonga rain’ ny firenena maro hianao’. Ary mba ho antoky ny fanatanterahana izany teny fikasana izany, dia novana tsy atao hoe Abrama intsony ny anarany fa Abrahama, izany hoe ‘rain’ ny firenena maro”. Ny anaran’ i Saray dia natao hoe Saraha ‘andriam-bavy”, satria izy, hoy indray ilay feo, no hiavian’ ny ‘ mpanjakan’ ny firenena maro”.PM 127.2

    Tamin’ izay fotoana izay no nanomezana an’ i Abrahama ny fanao momba ny famorana ‘izay famantarana noraisiny ho tombo-kasen’ ny fahamarinana amin’ ny finoana izay nanananv fony izy tsy mbola voafora’12. Izany fanao izany dia hotandreman’ ilay patriarka sy ny taranany mba ho famantarana ny fanekeny hanompo an’ Andriamanitra sy ho famantarana ny fisarahany amin’ ny mpanompo sampy ; ho fanambarana koa izany fa izy ireo dia sarobidy teo imason’ Andriamanitra. Ny anankiray amin’ ny fepetra neken’ i Abrahama, araka ny fanekena izay efa nataony, dia ny tsy hisian’ ny fifanambadiana amin’ ny jentilisa, fa sao dia hadinon’ ny fianakaviany sy ny taranany ny fanajana an’ i Jehovah sy ny didiny masina, ka ho voatarika hanao ny fanao ratsin’ ny firenena izy, ka hanompo sampy.PM 128.1

    Mbola nisy voninahitra lehibe koa nomena an’ i Abrahama. Ny anjelin’ ny lanitra dia tonga niresaka sy niara-nandeha taminy. dia toy ny fiarahan’ ny mpisakaiza roa lahy lalana. Rehefa ho tonga ny andro izay hamelezan’ ny fitsaran’ Andriamanitra an’ i Sodoma. dia nilazana izany mialoha izy. ary afaka nifona koa ho an’ ny mpanota. Izany fotoana izany, izay niresahany tamin’ ny anjely, dia azony nohararaotina mba hampiantranoany azy.PM 128.2

    Indray andro, raha mbola nafana nanevokevoka ny andro, ka nitoetra teo am-baravaran’ ny lainy nitazana ny hazoan’ ny zava- boary Abrahama. dia nahatsinjo mpivahiny telo lahy izy, izay tamy nanatona azy. Raha mbola lavidavitra ny lainy ireo mpivahiny ireo dia niato, toa nifampila hevitra hahitana izay lalana haleha. Tsy niandry mba hanontaniana Abrahama, fa nitsangana izy ka nandeha haingana nitsena azy ; ireo mpivahiny kosa tamin’ izay dia toa nivily lalana ka dia nandeha haingana Abrahama mba hanatratra azy. Ary rehefa tratrany izy, dia niangavy azy tamim-pahamendre- hana izy mba hiato kely hiantrano ao aminy ka hisotro fanalana hetaheta. Izy mihitsy no naka ny rano hanasan’ ireo mpivahiny ny tongony mba ho afaka ny vovoka teny an-dalana ; ary raha mbola niala sasatra teo amin’ ny alokaloka izy ireo, dia lasa Abrahama nifidy izay nahandro tokony hatao sy haroso eo anoloany. Rehefa. vonona avokoa ny zavatra rehetra. dia nijoro tamim-panajana nanotrona ilay fanasana tsotsotra izy. Noheverin’ ny Soratra Masina fa mendrika ho tsarovana izany fihetsika tsotra mahate-ho tia izany. ka roa arivo taona taty aoriana, dia nilazalaza ny momba izany araka izao teny izao ity apostoly anankiray: ‘ Aza manadino ny fampiantranoam-bahiny: fa tamin’ izany dia nampiantrano anjely ny sasany. nefa tsy fantany’13.PM 128.3

    Abrahama. izay nihevitra fa mpivahiny tsotra reraky ny dia izy telo lahy. dia tsy nanampo akory fa ny anankiray taminy dia ambòny azony nivavahana. Haneho aminy izay tena toetrany izao ireo iraky ny lanitra. Na dia adidy mahatsiravina aza ny natolotra azy ireo, dia ny momba ny fitahian’ Andriamanitra aloha no noresahiny tamin’ ilay lehilahy be finoana. Tsy mba sitrak’ i Jehovah ny hamali- faty. Na dia tsy misy ota tsy hitany aza, na dia manao fahamarinana aza Izy ho valin’ ny ratsy, ny fandringanana ny ratsy fanahy kosa dia asa tsy fanaony mandrakariva, dia Izy Izay tsy manam-petra amin’ ny fitiavana.PM 129.1

    ‘Ny fisainan’ i Jehovah asehony amin’ izay matahotra Azy’14. Andriamanitra manome voninahitra izay olona manome voninahitra Azv, ka maneho aminy ny fikasany. ‘Hafeniko amin’ i Abrahama va izay hataoko?’, hoy ny Tompo. Ary hoy indray Izy: ‘Ny fita- rainan’ i Sodoma sy Gomora dia lehibe tokoa, ary ny fahotany dia mavesatra indrindra; hidina Aho ka hizaha na efa nahatanteraka izany tokoa izy araka ny fitarainan’ ny tany, izay efa tonga atý amiko, na tsia: ary raha tsy izany, dia ho fantatro’15. Andriamanitra dia nahalaia tsara ny halehiben’ ny otan’ i Sodoma. Raha miteny toy ny fitenin’ ny olona Izy, dia ny mba hanehoany ny fahamarinan’ ny fitsarany. Alohan’ ny hamelezana ireo mpaniratsira, dia ny tenany mihitsy no tonga hamotopototra ny toe-javatrá, ary vonona hanome fotoana hibebahany raha mbola tsy feno mitafotafo ny kapoaka.PM 129.2

    Roso nanohy ny diany ny roa tamin’ ireo iraky ny lanitra; Abrahama irery sisa no niaraka tamin’ Ilay efa fantany fa Zanak’ Andriamanitra; nitona ho an’ i Sodoma teo anatrehany izy. Efa namonjy izany tanàna izany izy indray mandeha tamin’ ny alalan’ ny sabatra ; izao izy maniry hamonjy azy amin’ ny alalan’ ny vavaka. Lota sy ny fianakaviany mantsy mbola mitoetra ac an-tanàna ihany; ary ny fitiavana tsy miova fenitra efa nasehon’ i Abrahama taminy ka namonjeny azy tamin’ ny tanan’ ny Elemita, dia mbola te-hisarika azy indray tsy ho tratran’ ny fandringanana, raha sitrapon’ Andriamanitra.PM 129.3

    Feno fanetren-tcna sy fanajana anefa ny fìfonana nataon’ i Abrahama. ‘Indro, fa efa sahy niteny tamin’ ny Tompo aho”, hoy izy, ‘nefa vovoka sy lavenona”. Tsy nisy fieboeboana na fanamarinan-tena teo amin’ izany teniny izany. Tsy noho ny fankatoavany, na noho ny fahafoizan-tena samihafa izay efa niaretany noho ny fanompoany an’ Andriamanitra, no nasehony ho antony tokony hanekena ny fangatahany: mpanota izy, nefa mifona ho an’ ny mpanota koa. Izany no toe-tsaina tokony hananan’ ireo izay manatona an’ Andriamanitra. Tsaroana fa feno fahatokiana ny hatak’ i Abrahama, dia toy ny fahatokian’ ny zaza mangata-javatra amin-drainy be fitiavana. Raha nanatona Ilay Iraky ny Ianitra izy, dia fitalahoana mafy no nentiny teo aminy. Lota, na dia nonina tao Sodoma aza, dia tsy mba nandray tamin’ ny ota aman-keloky ny mponina tao an-tanàna tsy akory, ka dia nihevitra Abrahama fa tao amin’ io tanàna lehibe io, dia nisy koa olona hafa tena mpanompon’ Andriamanitra marina. Izany no nahasahiany niteny tamin’ i Jehovah hoe: ‘Sanatria Anao raha hanao toy izany ka hamono ny marina miaraka amin’ ny meloka, ka ny marina hatao tahaka ny meloka ; sanatria Anao izany ! tsy hitsara marina va ny Mpitsara ny tany rehetra ?” Arakaraka ny nanekena izay niriny no nahatonga ilay patriarka hihasahy tamin’ ny fifonany, mandra- pahazony antoka fa raha misy olo-marina folo ao an-tanàna, dia tsy haringana ny tanàna.PM 130.1

    Ny nahatonga an’ i Abrahama nitalaho fatratra toy izany, dia noho ny fitiavany ireo fanahy izay ho very. Ny faniriany hamonjy ny mpanota dia nahery lavitra noho ny fankahalany ny fahotana mahatsiravina vitan’ ilay tanàna ratsy fanahy. Ohatra tokony halaintsika tahaka eo anatrehan’ ny ratsy fanahy izany oha-pitiavana nasehon’ ilay patriarka izany. Voahodidin’ ny olona izay mizotra ho amin’ ny fandringanana, toy ny olona tany Sodoma fahizay isika. Isan’ andro isan’ andro, dia mikatona eo amin’ ny fiainan’ ny olona sasany ny varavaram-pahasoavana; isan’ ora isan’ ora, dia misy olona izay mameno mitafotafo ny kapoaky ny faharatsiany. Koa aiza izay mba feo hananatra azy ireny handositra ny loza manandindona azy ? Aiza izay tanana hitsotra hanavotra azy tsy ho tratran ny fahafatesana ? Aiza ireo mpifona amin’ Andriamanitra mba hitalaho amin’ ny fanetren-tena mafana sy finoana maharitra ho an’ ny olombery ?PM 130.2

    Ny toe-tsain’ ny Mpamonjy no toe-tsaina nanetsika an’ i Abrahama. Ny Zanak’ Andriamanitra no Mpanalalana lehibe ho an’ ny mpanota. Izy, Izay efa nandoa ny avotry ny fanahin’ olom- belona no mahalala ny hasarobidin’ ny fanahin’ olona. Noreseny ny faharikorikoana ny ratsy, dia faharikorikoana tsy misy manana izany afa-tsy ny fanahy madio tsy misy pentina ihany, ka fitiavan- dehibe tsy takatry ny saina no nasehon’ Ilay Mpamonjy izao tontolo izao. Raha teo am-pialan’ aina teo an-kazo fijaliana Izy, ka nitam- besaran’ ny fahotan’ ny olombelona. dia nivavaka ho an’ ireo mpamono sy mpaneso Azy ka nanao hoe: ‘Raiko ò, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony ’ 16.PM 131.1

    Voalaza fa Abrahama dia ‘natao hoe Sakaizan’ Andriamanitra” sady ‘rain’ ny olona rehetra izay mino’17. Toy izao no voalazan’ Andriamanitra ny aminy: ‘Ary amin’ ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ ny tany, satria efa nihaino ny feoko Abrahama ka nitandrina izay nasaiko notandremany, dia ny didiko sy ny teniko ary ny lalàko’. Ary izao indray: ‘Fa efa nifidy azy Aho mba handidy ny zanany sy ny taranany mandimby azy hitan- dreman’ ireo ny lalàn’ i Jehovah hanao izay marina sy mahitsy, mba hitondran’ i Jehovah amin’ i Abrahama -izay efa nolazainy taminy ’18.PM 131.2

    Anankiray amin’ ny voninahitra lehibe nomena an’ i Abrahama ny niantsoana azy ho rain’ ny firenena, izay ho mpitahiry ny faha- marinan’ Andriamanitra mandritra ny taonjato maro mifandimby, dia firenena hipoiran’ ny fitahiana ho an’ ny firenena ety ambonin’ ny tany amin’ ny alalan’ Ilay Mesia nampanantenaina. Ilay niantso ny patriarka dia nahalala izay nataony. Ilay mahafantatra ny eritre- ritsika eny lavitra eny, Ilay mahay mitsara ny olona araka izay tena toetrany marina, dia afaka nilaza toy izao ny aminy: Fantatro izy: tsy hampandefitra ny fahamarinana Abrahama mba hahazoany tombontsoa ho an’ ny tenany ; hitandrina ny Didiko izy, ka hanao araka ny rariny sy ny hitsiny. Tsy ho afa-po amin’ ny fahatahoran’ ny tenany an’ Andriamanitra izy fa hampitoetra mafy ny fanompoana Azy ao an-tokantranony. Hampianatra ny ankohonany ny lalan’ ny fahamarinana izy ary ny lalàn’ i Jehovah no ho fitsipiky ny ao an-tranony rehetra.PM 131.3

    Olona arivo mahery no isan” ny ankohonan’ i Abrahama. Izay rehetra voataona hanompo an’ Andriamanitra noho ny fampianarany dia nekeny hitoctra teo amin’ ny tobiny. Ary tao no niomanan’ izy ireny, toy ny any amin’ ny sekoly. ho tonga vavolombelon’ ny finoana marina sy madio. Lehibe ny adidin’ ilay patriarka, satria izy no namolavola ireo izay ho tonga loham-pianakaviana izay hitondra co amin’ ny ankohonany avy ny fomba amam-panao nianarany taminy.PM 131.4

    Fahiny dia ny ray no sady mpanapaka no mpisoron’ ny fiana- kaviana. Ny fahefany tamin-janany dia tsy niato tsy akory na dia efa nanorin-tokantrano hafa aza ireo; noheverin’ ny taranany ho filoha mandrakariva izy, na teo amin’ ny raharaham-pivavahana izany, na teo amin’ ny raharaham-pivavahana izany na teo amin’ ny ara-nofo. Izany fomba fitondrana fanaon’ ny patriarka izany, izay nokendren’ i Abrahama mba hateza, dia ny mba hitebirizana ny fahalalana an’ Andriamanitra. Nilaiua izany mba hampivondrona ny mambra ao amin’ ny fianakaviana sy ho fiarovana amin’ ny fanompoan-tsampy’ nahavoa ny maro.PM 132.1

    Takatr’ i Abrahama fa ny fizàrana mifamahofaho amin’ ny ratsy dia mahatonga fihemorana eo amin’ ny toetra sy fialana amin’ ny fomba tsara. Koa dia niezaka izy hiaro ny tobiny mba tsy hifangaro amin’ ny jentilisa na hanatrika izay fetim-pivavahany. Nikely aina mafy tokoa izy mba hanaisotra izay rehetra avy amin’ ny fivavahana sandoka: niczaka izy mba hampahafantatra ny fiandri- anana sy ny voninahitr’ Andriamanitra izay hany mendrika hianko- hofana.PM 132.2

    Izany fitandremana feno fahendrena izany, dia ny fisarahan’ ny vahoakan’ Andriamanitra sy ny jentilisa araka izay azo atao, dia avy amin’ Andriamanitra mihitsy ; Mikendry hahatonga ny olony ho ‘firenena mitoka-monina.. tsy hatao ho isan’ ny jentilisa’19 Izy. Matoa nosarahiny tamin’ ny havany mpanompo sampy Abrahama, dia mba hitaizany azy sy ny fianakaviany tsy ho azon’ ny hery mamitaka izay nanerana ny tany Mesopotamia. Toy izany no nitehi- rizana ny finoana marina ho madio lalandava teo amin’ ny taranany nifandimbyPM 132.3

    Tsy izany ihany la, noho ny fitiavany ny zanany sy ny ankoho- nany. noho ny fitsinjovany izay ho fahasambaran’ izy ireo mandra- kizay, Abrahama dia nampiharihary teo anatrehany ny fankalazany ny didin i Jeliovati, ka nanao izany ho harena sarobidy indrindra azony apetraka ho an’ ny taranany sy izao tontolo izao. Ny tsirairay avy teo amin’ ny tobiny dia tsy maintsy nahalala fa ny Tompo no mpiahy azy, koa ny fampahoriana avy tamin’ ny ray ‘aman-dreny, na ny tsy fankatoavana avy tamin’ ny zanaka, dia tsy mba nisy. Ny didin’ Andriamanitra no mampahalala ny tsirairay avy izay adidiny, koa ny fiieferana eo ambanin’ izany didiy izany ihany no hahitana fahombiazana sy fiadanana.PM 132.4

    Ny ohatra nasehon’ 1 Abrahama isan’ andro, ny hery miafina teo amin’ ny fiainany. dia nahazoana lesona tsy tapaka. Ny fahitsiam-pitondrantenany, ny toetra mahafinaritra tsy misy fitiavan- tena nananany, ny fahaizana nifanerasera tamin’ nv hafa izaý nampitolagaga ny andriam-baventy sy ny mpanjaka. dia hita namira- piratra teo amin’ ny tokantranony koa. Ny fahamboniana sy ny fahalemem-panahy hita teo aminy, dia nampiseho tamin’ ny olona rehetra fa niara-belona tamin’ ny lanitra izy. Tao an-tranony, dia tsy natao tsinontsinona na dia ny mpanompo faran izay ambany indrindra aza: tsy mba nisy lalàna roa tao, dia lalàna ho an’ ny tompo sy ho an’ ny mpanompo, na lalàna ho an’ ny mpanankarena sy ho an’ ny mahantra. Tamim-pahamarinana sy fitiavana no nitondrana ny tsirairay avy tao ; ny tsirairay avy dia noheveriny fa afaka handova ny soa ateraky ny fahasoavana sy ny liainana mandrakizay. toy ny tenany ihany.PM 133.1

    Nifidy an’ i Abrahama Andriamanitra ‘mba handidy ny zanany sy ny taranany mandimby azy’. Fantany fa tsy hisy fanaovana baranahiny eo aminy na fiangarana noho ny fahalemena; tsy hampandefitra ny adidiny eo anatrehan’ ny fanehoam-pitiavana tsy ara-drariny izy. Tsy nampahafantatra fotsinv ny lalana tsara tokony harahina Abrahama, fa nampanjaka koa tamin’ ny fomba matotra ny lalàna marina sy mahitsy.PM 133.2

    Akory ny fahavitsian’ ny olona manaraka izany ohatra izany ankehitriny ! Toe-tsaina jamba sy feno fitiavan-tena no hita eo amin’ ny ray aman-dreny maro ; antsoiny hoe fitiavana izany ka mahatonga azy hamela ny zanany hanao izay rehetra sitraky ny fony sy handeha araka ny fisainana mahazaza azy, ary hizotra araka izay tiany tsy ho voafehifehy. Tena fahalozana atao amin’ ny tanora izany, sady tsy fahamarinana miharihary atao amin’ ny mpiara-monina. Ny fahalemen’ ny ray aman-dreny dia miteraka fikorontanana eo amin’ ny fianakaviany sy eo amin’ izao tontolo izao. Tsy mba amporisihina hanoa ny didin’ Andriamanitra ny tanora, fa vao mainka koa aza avela hanaraka izay sitrapony. Dia toy izany no itomboany ; manka- hala fatratra ny sitrapon’ Andriamanitra sy mamafy amin-janany sy amin-jafiny ny toe-tsaina tsy tia vavaka sy tsy tia fankatoavana ananany izy. Ny ray aman-dreny dia tokony hanao toa an i Abrahama ‘handidy ny zanany sy ny taranany mandimby azy” ka hampi- anatra fa ny dingana voalohany amin’ ny fankatoavana an’ Andriamanitra dia fankatoavana ny ray aman-dreny.PM 133.3

    Ny tsy firaihana firy momba ny lalàn’ Andriamanitra, hita, na dia eo amin’ ny mpitondra fivavahana sasany aza, dia mitera- hoka-dratsy maro. Ny fampianarana miely fatratra ankehitriny, izay manambara fa tsy adidy tsy maintsy atao intsony ny mitandrina ny didin’ Andriamanitra, dia manimba ny toe-panahin’ ny olona toy ny fanompoan-tsampy ihany. Fa na iza na iza miezaka hana- lefaka ny herin’ ny lalàn’ Andriamanitra, dia mikapa ny andry iankinan’ ny fianakaviana sy ny firenena izy. Ny ray aman-dreny tsy mahatoky eo anatrehan’ izany lalàna izany, dia-tsy afaka ‘handidy ny zanany sy ny taranany mandimby azy” mba handeha eo amin’ ny lalana marina. Tsy raisina ho toy ny fitsipiky ny fiton- drantena eo amin’ izany fianakaviana izany ny didin’ i Jehovah, ka nony tonga ny fotoana hanorenan’ ny zanany tokantrano, dia tsy hampianatra ny taranany izay zavatra tsy hainy izy. Toy izany no mahatonga ny fianakaviana maro ho velona tsy manana an’ Andriamanitra sy mahatonga izao faharatsiana ankehitriny izao ho lehibe sy mahenika ny besinimaro.PM 134.1

    Rehefa manomboka mizotra amin’ ny fo tsotra eo amin’ ny lalana marina ny ray aman-dreny, vao afaka ‘handidy ny zanany sy ny taranany mandimby azy”. Mba hahatrarana izany, dia misy fanavaozana tanteraka tsy maintsy atao. Ilain’ ny ray aman-dreny izany fanavaozana izany ; ilain’ ny mpitory ny Filazantsara koa. Samy mila an’ Andriamanitra ao an-tokantranony izy. Raha iriny ny hisian’ ny fiovana eo amin’ izao tontolo izao, dia tsy maintsy mampiditra ny Tenin’ Andriamanitra ao an-tranony izy mba ho tonga mpanolotsaina azy izany. Tsy maintsy hampianariny ny zanany fa ny Tenin’ Andriamanitra no feon’ Andriamanitra ka tokony hankatoavina fatratra.PM 134.2

    Amim-paharetana sy amim-pitiavana ary tsy ankijanona no tokony hampianarany azy izay fomba fivelona ankasitrahan Andriamanitra. Ny zaza tezaina toy izany dia voaomana hanohitra ny hevi-petsin’ ny tsy finoana. Efa nanaiky ny Baiboly ho fano- renan’ ny finoany izy ; ho tsara fototra izany finoana izany ka tsy ho azon’ ny onjan’ ny tsy finoana hazera.PM 134.3

    Maro loatra ny fianakaviana manao an-tsirambina ny fivavahana. Misy ray aman-dreny izay mihevitra ho tsy manam-potoana hatokana ho an’ ny fotoam-pivavahana marain-tsy hariva, sy hisaorana an’ Andriamanitra noho ny soa rehetra tsy tambo isaina nomeny, dia ny rivotra sy ny hainandro, ny ando mamelombelona izay mampi- tsimoka ny zava-rnaniry, ny fiarovany amin’ ny alalan’ ny anjeiiny. Tsy manam-potoana izy mba hangataka ny fariampian’ Andriamanitra sy ny fitarihany ary ny fanatrehany mamy ao an-tokantrano. Tahaka ny omby sy ny soavaly izy, ka mandeha mamonjy ny asany, nefa tsy mampiakatra na eritreritra kely akory aza mankany an-danitra. Ny fijaliana niaretan’ ny Zanak’ Andriamanitra mba hanavotana ny fanahiny tsy ho very mandrakizay, dia tsy ahoany akory sy tsy isaorany an’ Andriamanitra.PM 135.1

    Na iza na iza milaza ny tenany ho tia an’ Andriamanitra dia tokony hanorina alitara ho an’ i Jehovah eny amin’ izay rehetra alehany sy ananganany ny lainy, dia toy izay efa nataon’ ny patriarka. Raha misy fotoana tokony hahatonga ny trano tsirairay avy ho trano fivavahana, dia izao fotoana izao indrindra no izy. Ry ray sy reny, asandrato matetika mankany amin’ Andriamanitra amin’ ny alalan’ ny fivavahana ny fonareo ; manaova fangatahana na ho anareo izany na ho an’ ny zanakareo. Ianareo ray, ianareo no mpisoron’. ny fianakaviana, ka manatera marain-tsy hariva fanati- pisaorana eo amin’ ny alitaran’ i Jehovah. Ianareo reny, miraisa amin’ ny vadinareo sy amin’ ny zanakareo mba hiantso sy hidera ny Mpamorona. Jesosy Izay faly hitoetra ao amin’ ny tokantrano toy izany, dia honina koa ao an-tokantranonareo.PM 135.2

    Raha izany, dia hisy hery masina avy ao an-tranonareo. Hanjaka sy hivelatra ao, amin’ ny alalan’ ny fifanajana sy ny hatsaram-panahy aiy ny fahaiza-miaina tsy misy fitiavan-tena, ny tena fitiavana. Ho maro anie ny tokantrano izay ho tia ny hanompo an’ Andriamanitra, ka hivelaran’ ny tena fitiavana marina, dia ireo tokantrano hampa- katra marain-tsy hariva vavaka, izay toy ny fofo-manitra eo anatrehan’ Andriamanitra ! izany fivavahana izany dia hidina eo aminy indray, ka hitondra andom-pahasoavana sy fitahiana ho azy.PM 135.3

    Ny tokantrano kristiana izay anolokoloana izany idealy izany, dia ho tonga vavolombelon’ ny herin’ ny fivavahana kristiana, izay tsy hain’ ny tsy mpino lavina. Hiharihary izany hery izany, dia hery miasa hatrao ampon’ ny ankizy, ary izany no alitara haorina ho an’ ny Andriamanitr’ i Abrahama. Raha ny tokantrano rehetra mihambo ho kristiana no tena kristiana marina tokoa, akory ny hery lehibe ho vokatr’ izany: ho tonga tena ‘fahazav,an’ izao tontolo izao’ izy tsirairay avy ! Ho an’ ny ray aman-dreny maniry hananatra amim-pahatsorana izany idealy izany, dia miteny aminy Andriamanitra toy izay efa nitenenany tamin’ i Abrahama hoe: Fa ela nifidy azy Aho mba-handidy ny zanany sy ny taranany mandimby azy hitandreman’ ireo ny lalàn’ i Jehovah hanao izay marina sy mahitsy, mba hitondran’ i Jehovah amin’ i Abrahama izay efa nolazainy taminy ’.PM 135.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents