Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny famoronana

    ‘ Ny tenin’ i Jehovah no nanaovana ny lanitra ;
    Ary ny fofonain’ ny vavany no nanaovana
    ny hamaroany rehetra.
    Fa Izy no niteny, dia ary izany ;
    Izy no nandidy, dia nitoetra mafy izany.
    Nanorina ny tany tambonin’ ny fanorenany Izy,
    Mba tsy hihetsehany mandrakizay doria ’1.
    PM 23.1

    Feno hatsaran-tarehy ny tany rehetra raha vao nivoaka avy teo am-pelatanan’ ny Mpamorona azy. Havoana sy tendrombohitra, renirano sy farihy mahafinaritra no hita ombieny ombieny. Tsy toy ny tendrombohitra sy ny havoana mikitoantoana, milingilingy, feno hady sy hantsan-dalina toy ny fahita ankehitriny anefa ny tendrombohitra sy ny havoana fahizay, fa nivalombalona sy nirindra nahafinaritra. Tany lonaka rakotra ahi-maitso mavana no nanarona ny vohon’ ny tany rehetra. Tsy nisy heniheny na efitra karankaina. fa zava-maniry tsara tarehy sy voninkazo tsara soratra no tazan’ ny maso hatraiza hatraiza. Hazo mijoalajoala sy makadiry izay tsy hita intsony ankehitriny ny haavony, no nandrakotra ny havoana sy ny tendrombohitra; rivotra madio sy inamelombelon’ aina no nitsoka moramora nameno ny habakabaka. Ny endrik’ izany rehetra izany, raha natao indray mijery, dia manoatra lavitra noho izay sahan’ ny mpanjaka kanto sy mahafinaritra indrindra mety ho hita ankehitriny. Tsy afaka ny tsy hidera an’ Andriamanitra noho ny asany mahagaga sy mahatalanjona ny anjely raha mitazana izany rehetra izany.PM 23.2

    Rehefa rakotra zava-maniry sy feno biby samihafa ny tany, dia noforonin’ Andriamanitra ny olona izay sangan’ asany sy anton’ ny nanaovany izao rehetra izao. Natolony azy ny fanapahana izay rehetra tazan ny masony Fa hoy Andriamanitra: ‘Andeha isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika ; ary aoka izy hanjaka aminv ny ... tany rehetra ... Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny ... lahy sy vavy no namoronany azy’2.PM 24.1

    Toy izany no fanambaran’ ny Soratra Masina ny niandohan’ ny olombelona ‘Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny”. Tsotra sy mazava izany ka tsy misy hevi-diso mety ho tafiditra ; tsy misy zava-miafina. tsy misy alokaloky ny fanambarana fa nivoatra tsimoramora na niakatra tsikelikely avy teo amin’ ny toerana ambany maha-biby azy ny olona. Manafoana ny asa kanto nataon’ Andria- manitra ity fampianarana ity. Zavatra imasoana fatratra mantsy ankehitriny ny hanaisotra amin’ Andriamanitra ny fanapahany izao rehetra izao. ka dia esorina amin’ ny olona koa ny maha-avy amin’ Andriamanitra azy. Ilay nametraka ny kintana teny amin’ ny habakabaka. Ilay nandoko ny voninkazo eny an-tsaha, Ilay nandra- vaka ny lanitra sy ny tany tamin’ ny zava-mahatalanjon’ ny heriny, dia mbola ta-hanome voninahitra ny asan’ ny,tanany, ka manolotra azy mpanapaka izay mendrika ny tanana nanao azy.PM 24.2

    Ny Soratra Masina dia tsy mba milaza fa avy tamin’ ny biby niova tsikelikely ny olona. Andriamanitra, hoy izy, no nanao azy. Natsonia hoe ‘zanak’ Andriamanitra’3 i Adama na dia vovo-tany aza no nanaovana azy.PM 24.3

    Noho ny maha-solontenan Andriamanitra an’ i Adama, dia izy no natao ho mpanapaka ny biby. Tsy manana fahaizana hamantatra sy hahalala ny fahefana ambony indrindra ananan’ Andriamanitra ireny rahalalhintsika ambany ireny; afaka ho tia sy hanompo ny olona anefa izy l a hoy ny mpanao Salamo:PM 24.4

    ‘Efa nampaniakainao amin’ ny asan’ ny tànanao izy;
    Ny zavatra rehetra dia efa nataonao eo ambanin’ ny tongony,
    Dia ny ondry aman-osy sy ny omby rehetra,
    Ary nv bibl-dia koa ...
    Mbamin ’ izay. mandeha amin ’ n y làlan-dranomasina’4.
    PM 24.5

    Tokony hitondra ny endrik’ Andriamanitra ny olona na co amin’ ny tenany izany na eo amin’ ny toetrany. Kristy Ilay Zanak’ Andriamanitra irery ihany anefa no tena ‘endriky ny tenany indrindra’5, fa ny olona kosa dia natao ‘araka ny tarehiny. Ny toetrany dia araka ny sitrapon ny Mpamorona azy ary ny sainy dia afaka hahatakatra ny zavatra momba an Andriamanitra. Nadio ny fitiavany. Na ny faniriany, na ny fitiavany, dia samy tapahin’ ny eritreriny avokoa. Masina izy sady sambatra tamin’ ny fitondrana ny endrik’ Andriamanitra, ary nilefitra tanteraka teo ambanin’ ny sitrapony izy.PM 25.1

    Lava vaventy, bikàna sy tsara tarehy i Adama raha vao vitan’ Andriamanitra. Mitomarataratry ny fahasalamana ny tavany, ary feno fahamiramiranana noho ny fifaliana tao am-pony ny endriny. Avo lavitra noho ny tsanganan’ olona ankehitriny ny tsanganany. Eva, na dia ivaiva kokoa noho i Adama aza, dia tsara tarehy indrindra. Teo amin’ ny fahadiovan’ izy mivady, dia tsy mba nisy fitafiana nandrakotra azy, fa hazavana matevina no nanodidina ny tenany sy ny an’ ny anjely, toy ny voaly, ary tsy niala taminy izany raha mbola nahatoky sy nankatò izy.PM 25.2

    Nampandalovin’ Andriamanitra teo anoloan’ i Adama ny biby rehetra mba hanomezany azy anarana sahaza azy avy. Hitany tamin’ izany fa izy rehetra dia samy nanana ny vady sahaza azy avy, fa tamin’ ny zavaboary rehetra nataon’ Andriamanitra kosa dia tsy mba nisy nitovy taminy na dia iray aza6. ‘Ary Jehovah Andriamanitra nanao hoe: Tsy tsara raha irery ralehilahy ; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy’7.PM 25.3

    Natao mba hiara-belona amin’ ny namany ny olona fa tsy hitoka- monina samirery. Tsy ho nahasambatra tanteraka an-dralehilahy. na ny hatsaran-tarehin’ i Edena, na ny fahafinaretana nateraky ny raharaha nataony: eny, na dia ny fifaneraserany tamin’ ny anjely aza. Raha tsy nomena vady sahaza ho azy izy, izay hitovy aminy, hotiaviny sy ho tia azy, dia tsy ho nahita fahafaham-po ilay toe- tsainy te-hiara-monina sy hifankahazo am-po amin’ ny hafa. Tsy tonga lafatra ny fiainany raha tsy nisy izany. Koa dia nomen’ Andriamanitra vady izy. ‘Nanaovany vady mpanampy sy tandrify azy izy”, izany hoe, vady hiara-mitoetra aminy, hiombom-pifaliana aminy. ho iray fitiavana aminy. Mba ho porofo fa tsy ho mpanapaka azy ny vadiny na hataony ho ambany fanitsakitsaka, la hifampi- tantana aminy kosa. hitovy zo aminy, ho tantanany ho tiaviny, harovanv dia teo amin’ ny taolan-tehezany no nanalan Andria- manitra hanaovana an’ i Eva. Nofo avy amin’ ny nofony, taolana avy amin’ nv taolany ny vehivavy, ka dia isan’ ny tenany mihitsy. Famantarana azo tsapain-tanana sy manaitra ny saina tokoa izany. mampiseho ny firaisana ety dia ety sy ny fitiavan-dalina tokony ho hita eo amin ny fifandraisany. ‘Fa tsy mba nisy olona tsy tia ny nofony. fa mamelona sy mitaiza azy” izy. ‘Noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ ny vadiny ary ho nofo iray ihany ireo’8.PM 25.4

    Andriamanitra no nanamasina ny fanambadiana voalohany tety an-tany Ilay Mpanao izao rehetra ary izao no loharano nipoiran’ izany zava-masina izany. Koa ‘aoka hanan-kaja amin’ ny olona rehetra ny fanambadiana’9. Fa izany no anankiray amin’ ny fano- mezana voalohany indrindra nomen’ Andriamanitra ny olona ary mbola izany ihany koa no isan’ ny anankiray tamin’ ny zava-masina azon- i Adama nentina ho azy tatý aorian’ ny fahalavoana, raha nandao an’ i Edena izy. Mitondra soa ho an’ ny olona ny fanamba- diana raha mitandrina ny fitsipika napetrak’ Andriamanitra momba izany izy, Ny fanambadiana mantsy no fiarovana ny fahasambarany sy ny tahadiovany ; izy no manondrotra ny heriny na ara-batana izany na ara-tsaina, na ara-panahyPM 26.1

    Ary Jehovah Andriamanitra nanao saha tao Edena tany atsinanana ka napetrany tao ralehilahy izay noforoniny’10. Feno hatsaran-tarehy sy fahatanterahana avokoa ny zavatra rehetra izay noforonin’ Andriamanitra, ka dia toa tsy nisy nampahory azy mivady. Nefa. mbola sitrak’ Ilay Mpamorona ny hanome porofon’ ny hatsa- ram-panahiny bebe kokoa, ka dia nanao saha mahafinaritra ho fonenany Izy Hita tao amin’ io saha io avokoa ny hazo samy hafa rehetra izay samy namoa be dia be sy nandraraka hanitra mamero- vero daholo Maniry avobe ny voaloboka ary ny sampany milonjehitra mahafinaritra cry itambesaran ireo voany mamy dia mamy tsara tarehy Ny asan i Adama sy Eva dia izao: nandrary ireo rantsany ho andohalamho, mba hanaovana trano velona mitemitra ravinkazo sy voankazo. Voninkazo arivo soratra no indray mampanentoento ny fofony manerana ny saha. Teo afovoan’ ny saha no nisy ny hazon’ aina izay be voninahitra indrindra noho ny hazo rehetra. Ny voany izay toy ny paoma volamena sy volafotsy, dia nanan-kery hanalava ny androm-piainana.PM 26.2

    Tonga lafatra ny famoronana. ‘Dia vita ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy”. ‘Ary hitan’ Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany’11. Niorina teo amin’ ny tany voahaingo mahafinaritra ny saha Edena. Afaka nihinana malalaka tsara ny voan’ ny hazon’ aina i Adama sy Eva. Tsy nisy ota na aloky ny fahafatesana nanamatroka izany zavaboary kanto izany.PM 27.1

    Dia ‘ niara-nihira ny kintan’ ny maraina
    Ary nihoby avokoa ireo zanak’ Andriamanitra’ (ny anjely) 12.
    PM 27.2

    Efa nametraka ny fanorenan’ ny tany Jehovah. Efa nandravaka azy hatsaran-tarehy sy fahamendrehana Izy. Teny rehetra teny, na teny amin’ ny tany maina izany. na teny amin’ ny ranomasina, dia efa namafazany fahagagana sy zava-mahasoa. Vita tao anatin’ ny henemana ny asa miezinezin’ ny famoronana ; ‘ary dia nitsahatra tamin’ ny andro fahafito Izy tamin’. ny asany rehetra izay efa nataony. Ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy. satria tamin’ izany no nitsaharan’ Andriamanitra tamin’ ny asany rehetra izay noforoniny tamin’ ny nanaovany azy’13PM 27.3

    Rehefa nandinika tamim-pahalalaham-po ny asan-tanany izay tanteraka avokoa sady mendrika Ilay Mpanao azy Andriamanitra, dia nitsahatra Izy, tsy toy ny fitsaharan’ olona aorian’ ny manontolo andro iasany anefa, fa mba hanehoany ny hafaliany raha mahita ny asan’ ny fahendreny sy ny hatsarany ary ny voninahiny Izy.PM 27.4

    Rehefa nitsahatra tamin’ ny andro fahafito Andriamanitra, dia nanamasina izany andro izany Izy, izany hoe, nanokana azy ho toy ny andro fitsaharana ho an’ ny olona. Antsoina hanaraka ny ohatra nasehon’ ny Mpamorona azy ny olombelona ; antsoina izy hanokana izany andro masina izany ho fialan-tsasatra, ka eo am-pandinihana ny lanitra sy ny tany, dia ho afaka hanandratra ny sainy ho amin’ ny asan’ Andriamanitra izy amin’ ny fo feno fanajana sy fitiavana Ilay nanao ny ainy.PM 27.5

    Tao amin’ ny saha Edena no nananganan’ Andriamanitra faha- tsiarovana ny asa nataony. Napetrany tamin’ i Adama izay ray sy solontenan’ ny taranak’ olombelona rehetra ilay andro fitsaharana. Ny fitandremana azy no toy ny mari-pisaorana avy amin’ ny taranaka mifandimby rehetra ho an’ Ilay Mpanjakany sy Mpamorona azy. Nanjary lovan’ ny firenena io zava-notendrena io, izay natao ho fahatsiarovana tokoa. Ary satria tsy tandindon-javatra izany. dia tsy voafaritra ho an’ ny firenena anankiray manokana.PM 28.1

    Na dia tao Edena aza, dia nilain’ ny olona mihitsy ny nanokana ny andro fahafito hitsaharana tamin’ ny asany rehetra momba ny ety an-tany. ka handinika bebe kokoa ny zavaboary, hihaino ny feon’ ny natiora sy hanao antso avo fa misy Andriamanitra velona, Tompo sy Mpahary izay rehetra misy.PM 28.2

    Ny lanitra mitory ny voninahitr’ Andriamanitra:
    Ary ny habakabaka manambara ny asan’ ny tànany
    Ny andro samy miteny amin’ ny andro mandimby azy
    Ary ny alina samy manolo-pahalalana amin’ ny alina mandimby azy ’14.
    PM 28.3

    Nv hatsaran-tarehin’ ny zavaboary dia famantarana ny fitiavan’ Andnamanitra. Miseho eo amin’ ny saha voaravaky ny hazo makadiry sy eo amin’ ny voninkazo vao mivelatra izany. Ny zavatra rehetra dia mampahatsiaro izany avokoa; eny, ny zavatra rehetra dia samy manainga ny vetsovetsontsika ho any amin’ Ilay Mpamorona izao tontolo izao.PM 28.4

    Samy manana ny lalàny avokoa ny fanjakana rehetra. Ny fankatoavana ny didin’ Andriamanitra no anankiray iankinan’ ny faharetan’ ny olona. Azon’ Andriamanitra natao tsara ny nanao.an’ i Adama tsy ho afaka hanota ; azony natao ny niaro ny tanany tsy handray ilay voankazo voarara. Raha tsy nahay nisafidy anefa ny olona dia tsy ho nanana fahafahana izy, fa ho toy ny milina fotsiny Ho an-terisetra fa tsy an-tsitrapo ny fankatoavany raha ;izany. Tsy ho ataka nivelatra anefa ny toetran’ i Adama. Izany koa dia hifanohitra amin’ ny lalàna itondran’ Andriamanitra ireo mponina any amin ny planeta hafa, ary io fomba fiaina io izay tsy mendrika ny manan -tsaina dia hanamafy orina ny fiampangana nataon’ i Satana ny amin ny fanjakan Andriamanitra ho fanjakana tsy refesi-mandidy.PM 28.5

    Azon’ ny olona natao ny nanota na dia masina sy tsy nanan- tsiny aza no namoronan’ Andriamanitra azy. Manana safidy izy ka afaka hankasitraka na tsy hankasitraka ny fahendrena sy ny hatsaram-panahin’ Andriamanitra; afaka hankatò na tsy hankaíò izay rehetra tadiavin’ ny fahamarinana izy. Nifanerasera tamin’ Andriamanitra sy ny anjely izy, nefa tsy mbola azo napetraka teo amin’ ny toerana tsy nisy fakam-panahy, raha tsy efa nozahan-toetra. Koa dia nisy fandrarana napetraka teo anoloany, dia fandrarana hamefy ny fitiavan-tenany, dia ilay fitiavan-tena, fahotana mampididoza sy nahavery an’ i Satana.PM 29.1

    Ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy izay napetraka teo afovoan’ ny saha dia natao ho fitsapana ny fankatoavana sy ny fankasitrahan’ i Adama sy Eva. Nahazo nihinana ny voan’ ny hazo hafa rehetra izy, fa ity hazo eo afovoan’ ny saha ity kosa dia tsy azony andramana mihitsy fa hahafaty azy. Raha naharesy ny fitsapana izy ireo, dia ho nesorina tsy ho eo amin’ ny tanin’ ny fakam-panahy intsony, ka ho napetraka mandrakariva sy ho mandrakizay teo anatrehan’ Andriamanitra.PM 29.2

    Andriamanitra dia nanao ny olona ho mahitsy, nanana herin- tsaina sy herim-panahy ambony, tsy nisy fironana ho amin’ ny ratsy ; ny zavatra rehetra dia nitaona azy ho mahatoky tamin’ Ilay Mpahary azy. Fiainana mandrakizay feno fahasambarana no ho natolotra azy raha nanana fankatoavana tanteraka mandrakizay izy ary ny hazon’ aina dia azony hihinanana.PM 29.3

    Ny fonenan’ ireo razambentsika dia natao ho ohatra sy modely ho an’ ireo taranany mifandimby rehetra rehefa hipariaka manerana ny tany izy. Tsy lapa ilay tokantrano nonenan’ izy mivady, izay Andriamanitra mihitsy no nandravaka azy. Ny olombelona kosa noho ny haitraitran’ ny fony, dia faly mitoetra amin’ ny trano saro- bidy ka manao ny asan’ ny tanany ho voninahiny. Fa tao amin’ ny saha Edena kosa no nametrahan’ Andriamanitra an’ i Adama. Ny lanitra manga tanora no tafon’ izany fonenana izany ary ny ahi- maitso feno voninkazo kanto no karipetrany; asan-tanan’ Ilay Artista mahay no nandravaka ny rindriny ary ny sampana be ravin’ ireo hazo vaventy sy tsara fijoro no alokalony. Lesona lehibe ho an’ ny taranaka samy hata velona atý aoriana ny ravaky ny fonenana nomen’ Andriamanitra ireo mpivady tsy nanan-tsiny. Tsy eo amin’ ny haitraitra na eo amin’ ny fananan-javatra sarobidy no misy ny tena fahasambarana, fa eo amin’ ny firaisana amin’ Andriamanitra eo afovoan’ ny zavaboary mahatalanjona. Raha mba tsy variana loatra amin’ ny zavatra amboamboarina mantsy ny olona ary tia kokoa ny fahatsorana, dia ho nahatakatra misimisy kokoa ny fikasan’ ny Tompo ny aminy izy ! Ny fireharehana sy ny fiavonavonana dia tsy mety mahafa-po na oviana na oviana ; ny tena hendry kosa dia hahita fifaliana marina eo amin’ ny zava-tsoa nataon’ Andriamanitra ho mety ho azon’ ny olona rehetra.PM 29.4

    Ny adidy nomena ireo mponina tao Edena dia ny ‘hiasa sy hitandrina’ ny saha. Izany asa mahafinaritra sy mahasalama izany dia tsy nandreraka azy. Mba hampiasa ny sainy, hanatanjaka ny tenany ary hampivelatra ireo hery samy hafa ananany, no antony nanomezan’ Andriamanitra ny olona ny tombontsoan’ ny asa.PM 30.1

    Ny asa ara-tsaina sy ara-batana nataon’ i Adama dia anisan’ ny loharanom-pifaliana lehibe indrindra ho azy tany aloha na tatý aorian’ ny namoizany ny Paradisa, na dia voatery nitady ny hanin- kohaniny isan’ andro tao amin’ ny tany karankaina aza izy. Na dia efa nisy fahasamihafana be dia be tamin’ ireo adidy nahafinaritra tao Edena aza ilay asa, dia mbola nitoetra ho fiarovana azy ihany tamin’ ny fakam-panahy sy fototry ny fifaliany teo amin’ ny fiainany izany.PM 30.2

    Diso hevitra izay olona mihevitra fa ny asa, na dia mandreraka sy manasatra aza ankehitriny, dia loza tokony handosirana. Ny mpanankarena izay mazàna no manao tsinontsinona ny mpiasa, dia tsy mahatakatra ny tena antony naharian’ Andriamanitra ny olombelona. Inona akory moa izay tany, na izay harem-bevava indrindra raha ampitahaina amin’ ny fonenan-tsoa nomena ny razambentsika ? Kanefa, na izany aza, tsy navela hitomoe-poana i Adama. Ny Mpahary izay mahalala ny misy ny loharanom-paha- sambarana, no nanolotra azy ny adidiny. Ny lehilahy sy ny vehivavy izay tena miasa ihany no mahalala ny fifaliana atolotry ny fiainana. Ny anjely aza. izay irahin Andriamanitra hanao asa lehibe eo amin’ ny zanak olombelona. dia samy miasa fatratra koa. Tsy mbola nanome toerana ho an ny fahakamoana sy ny fipetrapetraham-poana na oviana na oviana Andriamanitra.PM 30.3

    Raha nitoetra ho mahatoky tamin’ Andriamanitra i Adama sy Eva. dia ho nomena fahefana lehibe ho mpanapaka ny zava-manan’ aina rehetra. Ny liona sy ny zanak’ ondry dia niara-nilalao sy nifampi- ankinankina tamim-piadanana teo an-tongotr’ izy mivady: andiam- borona falifaly no nanidintsidina teny ambonin’ ny lohany. ary rehefa nahare ny hirany mahafinaritra’ho voninahitry ny Ray sy ny Zanaka ireo razambentsika, dia nanainga ny hirany koa hiray feo taminy.PM 30.4

    Tsy hoe zanak’ Andriamanitra fotsiny ihany i Adama sy Eva, fa mpianany koa. Nandray lesona avy tamin’ Ilay Fahendrena tsy hita lany izy. Sady novangian’ ny anjely izy no afaka niresaka nifanatrika tamin’ Ilay Mpamorona azy koa. Nahasalama azy tokoa ny hazon’ aina. Latsa-danja kely foana tamin’ ny fahendren’ ny anjely ny fahendreny. Ny zava-miafin’ izao rehetra ary izao hita maso, ‘ dia ny fahagagana ataon’ Ilay tanteraka amin’ ny fahalalana’15 no fototry ny fianarany sy ny fifaliany. Ny lalàna samy hafa mifehy izao tontolo izao, izay efa nandanian’ ny olombelona herim-po sy ron-doha be dia be hatramin’ ny enina arivo taona izay, dia nasehon’ Ilay Mpità-marika mahay sy Mpitahiry ny zavatra rehetra azy mivady. Nahay niresaka tamin’ ny voninkazo sy ny ravina maitso mbamin’ ny hazo izy, ka nahalala taminy ny tsiambaratelon’ ny fiainan’ ny tsirairay avy. Hatramin’ ireo leviatana mahery any an-dranomasina ka hatramin’ ireo bibikely tsy hita maso manidintsidina eny amin’ ny rivotra, dia samy nahazatra an’ i Adama avokoa. Nomeny anarana avokoa izy rehetra ary samy fantany daholo na ny toetrany na ny fanaony.PM 31.1

    Ny voninahitry ny habakabaka, ny kintana tsy hita isa ary ny masoandro amam-bolana samihafa sy ny fandehan’ izy rehetra tsirairay avy eny amin’ ny lanitra, ny ‘fihevahevan’ ny rahona mate- vina’15, ny zava-miafin’ ny hazavana sy ny feo, ny momba ny andro sy ny alina, ireny sy ny toy ireny no fototry ny lesona nianaran’ ireo razambentsika. Isaky ny ravinkazo any an’ ala, isaky ny vato eny an-tendrombohitra, isaky ny kintana kely manjopiaka ; eny, hatraiza hatraiza, na teny amin ny lanitra ambony izany. na teny amin’ ny rivotry ny habakabaka, na tetý amin’ ny tany ambany, dia samy nahitan’ i Adama sy Eva ny anaran’ Andriamanitra avokoa. Ny fila- minana sy ny firindran’ ny zavaboary dia samy nampiseho taminy ny herin’ ny fahendrena tsy hita fetra nananan’ Ilay Mpamorona. Ny dingana tsirairay avy nataony dia nahitany anton-javatra nameno fitiavana lalina ny fo amam-panahiny izay nahatonga azy mivady ho velom-pisaorana lalandava.PM 31.2

    Raha nijoro ho mahatoky lalandava teo anatrehan’ ny lalàn’ Andriamanitra mantsy izy mivady, dia tsy ho nanam-pitsaharana ny fitomboan’ ny fahaizany mianatra sy mifaly ary mitia. Izany no fikasan’ Andriamanitra ny aminy. Harem-pahalalana vaovao, loharanom-pahasambarana vaovao, fahatakaran-javatra vaovao momba ny fitiavan’ Andriamanitra tsy mety miova sy tsy mety lany, izany no anjara mamy ho natolotra azy avokoa.PM 31.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents