Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Sasin-teny

    Nadika avy tamin’ ny boky lehibe anankiray izay nosoratan’ ny vehivavy anankiray tena kristiana ity boky ity. E. G. White no anaran ‘ ilay mpanoratra. Maro dia maro ny boky nosoratany, ary ny zava- nokendreny tamin’ ireny rehetra ireny dia ny hitarika ny olona hizotra eo amin’ ny lalan’ ny faharnarinana, hanaraka oha-pitondran- tena mendrika ary hanana toe-panahy araka an’ Andriamanitra.PM 7.1

    Mino izahay fa tonga eo amin’ ny fotoana ilàna azy indrindra ity boky ity, satria mandroso dia mandroso ny faharatsiana amin’ izao fotoana izao, mifanontona ny loza amin’ atambo maro samihafa, ary tanteraka ara-bakiteny ka atrehin’ ny masontsika, ny teny faminaniana nataon’ i Kristy voalaza ao amin’ ny Lio. 21: 25, 26 manao hoe: “‘Hisy fahorian’ ny firenena amin’ ny fahaverezan- ‘kevitra noho ny firohondrohon’ ny ranomasina sy ny fanoniany, ka ho reraka ny fon ‘ ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin’ ny tany’.PM 7.2

    Eo anatrehan’ izany toe-javatra mampangitakitaka izany dia tarihin’ ny mpanoratra ny sain’ ny mpamaky hitodika any amin’ Ilay Andriamanitra Mpahary sady Mpanapaka izao rehetra izao, Izay Tompon’ ny hery sy ny fahefana rehetra, Vatolampy mandrakizay. Toky amin’ ny andro sarotra ary Ray feno fitiavana manara-dia ny zanany sy manolokolo azy fatratra. Tafahaona ao amin ‘ izany Andriamanitra izany ny famindrampo sy ny fahamarinana, ka na dia tia ny mpanota sy mampiasa izay fomba rehetra azony ampiasaina hamonjena azy aza Izy, dia halany indrindra kosa ny fahotana satria marina sy masina indrindra Izy, ka mamaly dia mamaly tokoa izay mpanota mikiribiby amin’ ny ditrany sy mameno ny kapoaky nyPM 7.3

    faharatsiany. Izany no antony nandringanany ireo olona velona talohan ny Safo-drano sy ny mponina tao Sodoma sy Gomora, ary mbo!a handringanany koa ny ratsy fanahy rehetra amin’ ny faran izao tontolo izao.PM 8.1

    Abaribarin’ ny mpanoratra koa ny fahamasinana sy ny fahatanterahan’ ILAY LALANA MANDRAKIZAY dia ny DIDY FOLO, izay nokendren’ Andriamanitra ho manda fiarovana sy loharanom-piadanana ho an’ izay rehetra mitandrina izany na iza na iza mandritra ny taonjato rehetra mifandimby. Asehony mazava fa tsy ho afa-maina mihitsy ireo mpaniratsira sy mpanitsakitsaka izany Lalàna be voninahitra sady tsy miova izany, izay vato fanorenan’ ny fanjakan’ Andriamanitra.PM 8.2

    Amin’ ny fomba manaitra fatratra ny saina no ivoasan’ ny mpanoratra ireo tantara azo antoka, tsotra anefa koa feno hevi-dalina, izay raketin’ ny Baiboly, manomboka eo amin’ ny Genesisy ka miampita any amin’ ireo bokin-tantara hafa ao amin’ ny TESTAMENTA TALOHA. Taorian’ ny nahalavoan’ ireo razambentsika voalohany dia hita hatrany hatrany ny dingana samihafa nataon’ ny taranak’ olombelona: nikororosy fahana ny sarambaben’ olona, na tamin’ ny ara-batana, na ara-pitondrantena, na ara-pivavahana, ary nanao lanja-miakatra kosa ny fiainana sy ny fitoloman’ ireo patriarka: Adama, Enoka, Noa, Abraham Jakoba, Josefa, Mosesy, Samoela ary Davida. Rahefa ringan’ ny Safo-drano ilay taranaka ratsy fanahy niara-belona tamin’ i Noa dia Noa sy ny fianakaviany indray no fototra niavian’ ny taranaka vaovao nameno ny tany manontolo. Arakaraka ny nitomboan’ ny olona anefa no niharatsiany koa, sy nanalavirany an’Andriamanitra ka dia nifidy an’ i Abrahama sy ny ankohonany indray Andriamanitra ho mpitahiry ny fahalalana Azy marina, hampianatra ny olona hankato ny Lalàny ary ho mpitondra ny teny fikasana amin’ ny firenen rehetra manerana izao tontolo izao. Nandevozina sy nampahoriana mafy tany Egypta ny taranak’ i Abrahama. ‘Tànana mahery sy sandry nahinjitra’ anefa no nitondran’ Andriamanitra azy nivoaka avy tany ary fahagagana maro nifanesy no nataonv teo imasony sy teo anatrehan’ ny fahavalony: ny loza folo, ny nitana ny Ranomasina Mena tamin ny fomba mahatalanjona, ny naha- ringana an’ i Farao sy ny miaramilany tao anatin’ izany Ranomasim izany, ny nitoerana efa-polo taona tany an-efitra sy ny mam nilatsaka avy tany an-danitra; ny nanomezana ny Didy Folo tao Sinay tamin’ ny fomba manetriketrika indrindra ary ny nanolorana ireo didy hafa koa, tsy manan-tsahala, momba ny, fombafombam- pivavahana sy ny fitandremam-pahasalamana ary ny fitondram- bahoaka.PM 8.3

    Ohatry ny fitsipi piainana tonga lafatra indrindra ny Didv Folo izay. lalana moraly; nanan-karena aoka izany ara-tandindona ireo lalàna seremoniely momba ny fombafombam-pivavahana; tsy mena-mitaha- amin’ ny didy avoaka ankehitriny ny lalàna samihafa momba ny fitandremam-pahasalamana sy ny fitsaboana ary ny fitondram-bahoaka.PM 9.1

    Raha mba nahatsapa ny halehiben’ ny tombon-tsoa rehetra natolotra azy mantsy Isiraely, ka nahatontosa ny adidy masina nomena azy efainy, dia ny hampamirapiratra ny fahamarinana sy ny fahazavam-pamonjena eran’ ny tany rehetra, dia izy no ho firenena sambatra sy miadana ary be voninahitra indrindra ety ambonin’ ny tany hatramin’ ny fiafaran’ izao tontolo izao. Indrisy anefa fa lavo tamin’ ny fahadisoana maro samihafa izany firenena izany, ary ny anankiray tamin ‘ ireny fahadisoana izay niteraka fahavoazana lalina ireny dia ny fitsipahany an’ Andriamanitra tsy ho Mpanjakany intsony, ka nangatahany ‘olombelona hanjaka aminy, hitsara azy, hivoaka eo alohany ary hitarika ny adiny, tahaka ny firenena rehetra. Raha vao nanjaka i Saoly, ilay mpanjaka voalohany, dia nibaribary teo imasony sahady ny fahavoazana vokatr’ ilay fangatahany. Soa ihany fa i Davida izay nandimby an’ i Saoly ary mpandresy an’ i Goliata, dia lehilahy ‘araka ny fon’ Andriamanitra’, mpivavaka tsara, tia fahamarinana, feno fahendrena, nanapaka araka ny rariny sy ny hitsiny, nanana toe-tsaina ambony, ka nitarika ny firenena Isiraely teo amin ‘ ny fara-tampon ‘ ny heriny.PM 9.2

    Na dia mampientanentana sy mampangorakoraka ny fo tokoa aza anefa ireo tantara notovozina avy tao amin’ ny Tenln’ Andriamanitra ka voaboasana amin’ ity boky ity, dia aza sondriana amin’ izany fotsiny ianao, ry mpamaky havana, fa raiso ho an’ ny tenanao mihitsy ireo leson-tsarobidy maro raketiny, mba hamolavola sy hamboatra ny toetranao ka hahatonga anao ho vonona hanatrika ny zava-dihibe indrindra izay hiseho, dia ny fiavian’ i Kristy tsy ho ela. ‘amin-kery sy voninahitra lehibe’, eny amin’ ny rahon’ ny lanitra, ho fanatanterahana ny fikasana mandrakizain’ Andriamanitra momba anao sy ny taranak’ olombelona manontolo.PM 9.3

    Ny mpàndraharaha

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents