Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

«Hery Mifanandrina»

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 11 - Ny Fiakaran’i Jesosy

    Ny lanitra manontolo dia teo am-piandrasana ilay oram-pandresena izay tokony hiakaran’I Jesosy ka any amin’ny Rainy. Tonga ny anjely mba handray ilay Mpanjakan’ny voninahitra, sy mba hanotrona Azy amimboninahitry ny Mpandresy ho any an-danitra. Rehefa avy nitso-drano ny mpianany i Jesosy, dia nisaraka tamin’izy ireo, ka nakarina ho any an-danitra. Androtr’iny ihany rehefa niakatra Izy, babo maro be izay natsangana tamin’ ny maty tamin’ ny fotoanan’ ny nitsanganany iny no nanaraka Azy. Miaramilan’ny lanitra maro be no nanatrika teo, raha mbola niandry ny fahatongavany any an-danitra ireo anjely alin-kisa. Tamin’ izay dia niakatra ho any amin’ny Tanana masina izy ireo, dia niantsoantsoa ireo anjely izay nanotrona Azy: “Asandrato ny lohanareo sy vavahady, ary misandrata hianareo ry varavarana fahagola, mba hidiran’ny Mpanjakan’ny voninahitra. Tamin-karavoana no niantsoantsoan’ireo anjely tao amin’ilay fitoerana izay niandry ny fiaviany hoe: “Iza izao Mpanjakan’ny voninahitra izao? Dia namaly tamim-pandresena ireo anjely mpanotrona: “Jehovah mahery tsitoha, Jehovah mpiandry mahery. Asandrato ny lohanareo ry varavarana fahagola. Mba hidiran’ny Mpanjakan’ny voninahitra.”Niantsoantso indray ireo miaramilan’ny lanitra “Iza ary izao Mpanjakan’ny voninahitra izao?”Dia namaly tamin’ny hatsaram-po malefaka ireo anjely mpanoratra hoe: “Jehovah Tompon’ny maro! Izy no Mpanjakan’ny voninahitra”. Ary niditra tao amin’ilay Tanàna ireo mpanaraka maro ny lanitra. Ary tamin’ izay, dia nanodidina Ilay Zanak’Andriamanitra, Mpibaiko mendrik’ azy ireo, ireo mponin’ny lanitra rehetra, ary tamim-piderana lalina indrindra no niankohofan’izy ireo, ary nanipy ny satro-boninahitra mamirapiratran’izy ireo teny amin’ny tongony. Ary manarak’ izany dia nanendry ny valiha volamenany ary hira mirindra sy malefaka ary ireo haren’izy ireo ara-java-maneno sy hira no nameno ny lanitra manontolo ho fanomezan-boninahitra an’Ilay Zanak’Ondry izay voanono kanefa velona indray amin-kaja sy voninahitra.HM58 33.1

    Manarak’ izany dia naseho ahy ireo mpianatra raha mbola nandinika ny lanitra tamin’alahelo izy ireo mba hijery farany ny fiakaran’ny Tompony. Indreo nisy anjely roa teo anilany niakanjo akanjo fotsy izay nanao tamin’ ireo hoe: “Ry lehilahy Galiliana nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra ianareo? Iny Jesosy izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra”. Ary ireo mpianatra sy ny renin’I Jesosy dia vavolombelon’ny fiakaran’ilay Zanak’Andriamanitra, ary nandritr’iny alina iny dia nandany ny fotoanany tamin’ny firesahana ilay asa mahagaga izay nataony sy ireo zavatra feno voninahitra hafahafa izay vao niseho tao anatin’ny fotoana fohy ry zareo.HM58 33.2

    Nampivory ny filan-keviny indray I Satana sy ireo anjeliny ary tamim-pankahalana fatratra ny fanjakan’Andriamanitra no nilazany tamin’izy ireo hatrizay ela izay fa raha mbola mihazona ny heriny sy ny fahefany eto ambonin’ny tany ihany izy dia tsy maintsy hamafisina avo folo heny ny ezaka izay efa nataon’ izy ireo ho fanoherana ny mpanara-dia an’I Jesosy. Tsy nahavita na tamin’inona na tamin’inona hanohitra an’I Jesosy izy ireo; nefa, raha azon’ izy ireo atao, dia hanana hevitra ny amin’ ireo mpianany izy ireo, ary hotohizany hatrany izany asany izany amin’ireo taranaka mifandimby mba hahazoany ao anatin’ ny haratony ireo izay mino an’I Jesosy, sy ny fitsanganany tamin’ ny maty ary ny fiakarany.HM58 33.3

    Notantarain’i Satana tamin’ireo anjeliny fa I Jesosy dia nanome fahefana ireo mpianany mba handroaka azy ireo sy hanasitrana ireo izay nampaharariany. Ary noho izany dia nandeha tahaka ny liona mierona ireo anjelin’ i Satana mitady izay harapany amin’ireo mpanara-dia an’I Jesosy.HM58 33.4

    Jereo Salamo 24:7-10; Asan’ny Apostoly 1:11HM58 33.5

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents