Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

«Hery Mifanandrina»

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 15 - Nanapa-Kevitra Ny Hamono An’i Paoly Ny Jiosy

    Feno fankahalana an’I Paoly ireo lohan’ny mpisorona sy ny loholona, raha nahita ny vokatrin’ny fitantarany ny fanandramana niainany. Hitan’izy ireo fa nitory an’I Jesosy tamin-kasahiana izy, ary noho ireo vahoaka maro izay mihaino azy ka lasa niala tamin’ireo fanaon-drazan’ izy ireo, sady nanao azy ireo ho mpamono an’ilay Zanak’Andriamanitra. Nirehitra ny fahatezeran’izy ireo ka dia nivory mba handinihina izay zavatra farany tsara tokony hatao mba hampijanonana izao zotom-po fatratra izao. Ka dia niray tetika izy, ireo fa ny hany lalan-tokana ho azy ireo dia ny famonoana ho faty an’I Paoly. Kanefa fantatr’Andriamanitra izany eritreritr’izy ireo izany, ka dia nirahiny ny anjeliny mba hiaro ny ainy, mba hahavelona azy hanatanterahany ny asany ary hiaritra nohon’ny anaran’I Jesosy.HM58 38.1

    Fantatr’I Paoly fa nitady ny ainy ireto Jiosy ireto. Satana dia nitondra ireo Jiosy tsy mino mba hiambina ny vavahadin’I Damaskosy andro aman’alina, fa rehefa handalo eo I Paoly dia ho afaka hamono azy faingana izy ireo. Nefa I Paoly efa nilazana ny amin’ ny tetik’ izy ireo. Fa ny mpianany naka azy nony alina ka nampidina azy tamin’ny sobiky avy teo amin’ny manda. Eto dia nalaina baraka ny Jiosy noho ny tsy fahombiazany, ary ny tetik’I Satana dia nandamoka. Taorian’ izay dia nandeha tany Jerosalema I Paoly mba hiray tamin’ny mpianatra ; fa izy rehetra natahotra azy. Tsy nino ny fahatsoram-pony sy ny maha-mpianatra azy izy ireo. Notadiavin’ireo Jiosy ny ainy tao Damaskosy, ary ankehitriny, na dia ireo rahalahiny koa aza dia tsy te handray azy. Fa Barnabasy naka azy ka nitondra azy ho any amin’ny Apostoly, dia nanambara taminy ny nahitany ny Tompo sy ny nitenenany taminy teny an-dalana ary ny fahasahiany nitory ny anaran’I Jesosy tany Damaskosy.HM58 38.2

    Fa Satana namporisika hatrany ny Jiosy mba hahafaty an’I Paoly, ka dia nodidian’I Jesosy izy mba hiala any Jerosalema. Ary raha nandeha nitety ireo tanàna maro hafa I Paoly niaraka tamin’ I Barnabasy nitory an’I Jesosy, sy nanao fahagagana maro, dia maro ny olona no niova fo, ary nahasitrana ilay lehilahy nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny, dia nikasa ny hanao fanatitra ho an’ny mpianatra ireo ny vahoaka izay mpanompo sampy. Nalahelo mafy I Paoly ka dia nandriatra ny fitafiany izy, ka dia nilaza tamin’izy ireo fa izy sy ireo mpiaraka aminy dia olona ihany ary tokony ho Andriamanitra irery no hivavahana dia Ilay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary izay rehetra ao anatiny. Nanandratra an’Andriamanitra teo anatrehan’ ny vahoaka i Paoly; nefa dia saiky tsy nahasakana ny olona. Ny fahalalana voalohany mikasika ny finoana ao amin’Andriamanitra marina, sy ny fitsaohana sy fanajana izay tokony ho Azy dia niforona tao anatin’ny eritreritr’izy ireo. Ka raha teo am-pihainona an’I Paoly izy ireo, dia nandrisika ireo Jiosy tsy nino avy tamin’ny tanàna hafa I Satana hanaraka an’I Paoly mba handrava ny asa tsara izay efa nataony. Ireo Jiosy ireo nanaitra ny sain’ ireto mpanompo sampy ireto tamin’ ny alalan’ ny fanaparitahana tatitra lainga maro momba an’ I Paoly. Ankehitriny dia nivadika ho fankahalana, ilay fahatalanjonana sy ilay fankasitrahan’ny vahoaka teo, ary ireo vahoaka izay vao tsy ela akory nitsaoka ny mpianatra dia nitora-bato an’I Paoly, dia nitarika azy ho eny ivelan’ny tanàna, satria nataony fa efa maty izy. Fa nony nanodidina an’I Paoly ny mpianatra sady nitomany azy, endrey ny hafalian’izy ireo, fa nitsangana izy, ka lasa niaraka tamin’izy ireo tao an-tanàna.HM58 38.3

    Avy tamin’ ny fitoerana hafa, raha nitory ny momba an’I Jesosy I Paoly, dia nisy vehivavy anakiray izay nanam-panahin’ny mahavaly nanaraka azy ireo ka niantso hoe: “Ireo lehilahy ireo dia mpanompon’Andriamanitra Avo Indrindra izay manoro anareo lalam-pamonjena. Noho izany dia nanaraka ny mpianatra nandritra ny andro maromaro izy. Nefa nahasosotra an’ I Paoly izany; fa satria izany antsoantso tao aorian’izy ireo izany dia nampivily ny sain’ireo vahoaka hiala amin’ny fahamarinana. Ny tanjon’I Satana tamin’ny nitondrany azy hanao izany dia mba hahatonga ny vahoaka ho leo, ary hanimba ny fisarihan’ny mpianatra. Fa sosotra tamin’ ilay fanahy i Paoly, dia nitodika tamin’ilay vehivavy izy, ka nanao tamin’ny fanahy hoe: “Mandidy anao amin’ny anaran’I Jesosy Kristy aho hivoaka aminy, ka dia voaroaka ilay fanahy ratsy, ka niala azy.HM58 38.4

    Nalahelo ny tompon’ilay vehivavy raha niantsoantso tao aorian’ny mpianatra izy; nefa rehefa niala azy ilay fanahy ratsy, dia hitan’izy ireo izy fa lasa mpianatra malemy fanahin’I Kristy ka dia romotra izy ireo. Nandray vola be mantsy ry zareo avy tamin’ny faminaniana nataon’ilay vehivavy, ary ankehitriny dia very ny fanantenany hahazoany harena. Nandamoka ny tetik’I Satana; nefa ny mpanompony nisambotra an’I Paoly sy Silasy ka nitondra azy ho any an-tsena any amin’ireo mpanapaka sy ireo mpitsara dia nilaza hoe: “Ireto lehilahy Jiosy ireto nampitabataba ny tanànantsika loatra. Ary ny vahoaka niara-nitsangana hamely azy; ary ireo governora nanaisotra ny lambany ka nasainy nokapohina tamin’ny hazo izy ; ary nony efa nokapohiny mafy dia mafy izy, dia nataony tao an-tranomaizina, ka nasainy niambina azy tsara ny mpiandry tranomaizina. Ary rehefa nahazo teny toy izany ralehilahy, dia nataony tao an-tranomaizina anatiny indrindra izy, ary ny tongony nobolokiny mafy tmin’ny nboloky hazo. Kanefa ny anjelin’Andriamanitra dia niaraka tamin’izy ireo tao anaty tranomaizina. Ny fanagadrana azy ireo dia nihodina ho voninahitr’Andriamanitra sady naneho tamin’ny vahoaka fa Andriamanitra no tao amin’ilay asa ary niaraka tamin’ireto mpanompony voafidy ireto, ka ny rindrin’ny tranomaizina dia azony nozongozonina, ary ny bara vy mafy dia azony vahana mora fotsiny.HM58 38.5

    Ary nony mamantonalina dia nivavaka sy nihira fiderana an’Andriamanitra Paoly sy Silasy, ary tampoka teo dia nisy horohoron-tany lehibe ka dia nihozongozona ny fanorenan’ny trano maizina; ary hitako fa teo no ho eo ihany dia novahan’ilay anjelin’Andriamanitra ny fototra tamin’ny tsirairay. Dia nahatsiaro ny mpiambina ny tranomaizina no sady natahotra satria nahita ny varavarany tranomaizina nivoha. Nataony fa efa nandositra ny mpifatotra, ka dia tsy maintsy homelohina ho faty izy. Raha nanatsoaka ny sabany izy ka saika hamono tena dia niantso tamin’ny feo mahery I Paoly ka nanao hoe: Aza mamono tena fa ato ihany izahay rehetra. Ny herin’Andriamanitra no nandresy lahatra ilay mpiambina. Ary izy niantso jiro, dia nikaretsaka niditra sady tora-kovitra ka niankohoka teo anatrehan’I Paoly sy Silasy. Ary rehefa nentiny nivoaka izy roa lahy dia hoy izy: “Tompoko, inona no mety hataoko mba hovonjena aho? Dia hoy izy roalahy : “Minoa an’I Jesosy Tompo dia hovonjena hianao sy ny ankohonanao. Navorin’ilay mpiambina ny ankohonany manontolo ka nitory an’I Jesosy tamin’izy ireo I Paoly. Ary noho izany, ny fon’ ilay mpiambina niray tamin’ ny an’ ireo rahalahiny; dia nanasa ny feriny na ny dian-kapoka tamin’ izy ireo izy. Ary niaraka tamin’ izay dia natao batisa izy sy ny azy rehetra tamin’ iny alina iny. Dia norosoany hanina teo anoloan’izy ireo ka dia mifaly indrindra izy mbamin’izay rehetra tao an-tranony, satria efa nino an’Andriamanitra.HM58 39.1

    Ilay vaovao mahagagan’ny herin’Andriamanitra be voninahitra dia niely lavitra, izay niharihary avy tamin’ny fivohan’ ny varavaran’ilay tranomaizina sy ny fiovam-po sy batisan’ireo mpiambina sy ny ankohonany, dia niparitaka haingana izany. Ren’ireo mpanapaka izany zavatra izany, ka dia natahotra izy ireo ka dia naniraka ny mpitan-defona niangavy azy mba hamela an’I Paoly sy Silasy handeha. Fa tsy tian’I Paoly ny hiala ny tranomaizina amin’ny fomba mangingina. Ka hoy izy tamin’izy ireo: efa nokapohiny tamin’ ny tsora-kazo tsy voatsara teo amin’ny miharihary izahay, kanefa romana izahay, ka nataony tao an-tranomaizina, ary ankehitriny moa mamoaka anay mangingina va izy? Tsia, fa aoka izy ihany no hankaty hamoaka anay. Tsy tian’I Paoly sy Silasy mantsy raha hafenimpenina ilay fampisehoana ilay herin’Andriamanitra. Ary ny mpitandefona nilaza izany teny izany tamin’ireo governora; dia natahotra izy, raha nahare fa romana izy roalahy. Dia natahotra ireo sao I Paoly sy Silasy hametraka fitarainana hanohitra azy ireo any amin’ ny mpanjaka noho ny fitondrana azy ireo tsy ara-dalàna ny amin’ iny raharaha iny. Dia tonga izy ka nanony azy sady nitondra azy nivoaka ary nangataka azy handeha hiala ao an-tanàna.HM58 39.2

    Jereo Asan’ny Apostoly toko 14-16.HM58 39.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents