Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

«Hery Mifanandrina»

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 22 - William Miller

    Hitako fa naniraka ny anjeliny Andriamanitra mba hanetsika ity fon’ity mpiompy iray ity izay tsy mino ny Bayboly, ka nitarika azy mba handinika ny momba ny faminaniana. Matetika no namangy an’ity olomboafidy ity ireo anjelin’Andriamanitra, sady nitarika ny sainy sy nanokatra ny fahalalany ho an’ireo faminaniana izay hatramin’ io fotoana io mbola maizina tamin’ireo vahoakan’Andriamanitra. Nomena azy ny fiandohan’ilay fitohizan’ny fahamarinana ary notarihina izy mba hikaroka tsirairay mandra-pahitany tamimpahagagana, sy fankasitrahana ilay Tenin’Andriamanitra. Hitany tamin’izany ny fitohizan’ny fahamarinana mahafinaritra ilay Teny izay nataony fa tsy avy amin’ tsindrimandry ankehitriny, dia nisokatra tamin’ilay fahitany tamim-pahatsarana sy voninahitra. Hitany fa ny andalana iray amin’izany Soratra Masina izany dia nanazava iray nefa koa, raha tsy takatry ny fahalalany ny andininy iray tamin’izany dia nahita andininy iray hafa tamin’ilay teny izay nanazava izany. Koa dia nandinika ilay Teny masin’Andriamanitra tamin-pifaliana, tamim-panajana fatratra indrindra sy tamin-tahotra izy.HM58 50.1

    Raha teo am-pandinihana ireo faminaniana izy dia nahita fa ny mponin’ny tany dia miaina eo am-pamaranana ny sehatry ny tantaran’ity izao tontolo izao ity, ary ireo dia tsy mahalala an’izany akory. Nijery fahalavon’ny fiangonana izy, ary nahita fa niala tamin’i Jesosy ny fijerin’izy ireo ary nabanjiny an’izao tontolo izao, ary dia eo am-pitadiavana ny voninahitr’izao tontolo izao izy ireo raha tokony hikatsaka ilay voninahitra izay avy any ambony ; maniry fatratra ny haren’izao tontolo izao izy ireo, raha tokony hanorina ireo harenany miafina any an-danitra. Manerana ny toerana rehetra dia nahitan’ i William Miller fihatsarambelatsihy, fahamaizinana ary fahafatesana avokoa. Nampihetsim-po azy fatratra izany. Nantsoin’ Andriamanitra mba handao ny toerampiompiany toy ny an’i Elisa izy, izay nantsoina mba handao ireo ombiny sy ny sahany ka hanaraka an’i Elia mpaminany. Tamin-kovitra tokoa no nanombohan’i William Miller nanala sarona ireo zava miafinan’ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’ny vahoaka. Nihanahazo hery hatrany izy tamin’ny ireo ezaka maro izay nataony. Ary dia nanazava tamin’ ny vahoaka ireo faminaniana mitondra ho amin’ ny fiavian’ i Kristy fanindroany izy. Tahaka an’i Jaona Mpanao batisa izay niantsoantso ny amin’ny fiavian’i Jesosy voalohany, sy nanamboatra ny lalana ho amin’ny fiaviany, dia toy izany ihany koa i William Miller sy ireo izay niaraka taminy, niantsoantso ny fiavian’Ilay Zanak’ Andriamanitra fanindroany.HM58 50.2

    Nentina nidina teny amin’ny andron’ireo mpianatra aho, ary nasehony ahy ilay Jaona malala izay nomen’Andriamanitra asa manokana mba hotanterahiny. Satana dia nikasa ny hanelingelina izany asa izany ka nitarika ireo mpanompony mba hamono an’i Joana. Nefa Andriamanitra nandefa ny anjeliny ka niaro tamin’ny fomba mahagaga an’i Jaona. Ireo rehetra izay nanatrika ilay hery lehiben’Andriamanitra izay niseho tamin’ny nanafahana an’i Jaona, dia talanjona, ary maro no resy lahatra fa niaraka taminy tokoa Andriamanitra, ary ilay fijoroana vavolombelona izay nentiny mikasika an’ Jesosy dia marina tokoa. Ireo izay nikasa ny hamono azy dia natahotra ny hanandrana haka ny ainy indray tamin’ ny androny, ka dia navela hanohy hijaly ho an’i Jesosy hatrany izy.Niampanga lainga azy ireo fahavalony ary taoriana kelin’ izay dia noroahina ho ao anatin’ ny Nosy manirery izy, tao no nanirahan’ ny Tompo ny anjeliny mba hanambara aminy ireo zaatra tsy maintsy hiseho ety ambonin’ ny tany, ary koa ny toetran’ ny Fiangonana hatramin’ ny farany, ny fialany tamin’Andriamanitra na ny fivadikany tamin’ ny fivavahana marina, ary ny toerana izay tokony hotanan’ny fiangonana raha te hahafinaritra an’Andriamanitra izy ; ka handresy any am-parany.HM58 50.3

    Nanatona an’i Jaona tamin’ny voninahiny lehibe ilay anjely avy any an-danitra. Nanjelanjelatra ny endriny tamin’ny fahatsaran’ilay voninahitry ny lanitra. Nambarany tamin’i Jaona ireo sehatra momba ireo zava-dehibe lalina sy mampihoron-koditra mikasika ilay fiangonan’Andriamanitra, ary nampandalovina teo anoloany ireo ady mahatahotra izay tsy maintsy hiaretan’izy ireo. Hitan’i Jaona iretsy farany, namakivaky ireo fisedrana mampidi-doza, ary nofotsiana sy nosedraina, ary farany dia ho mpandresy lehibe, sy voavonjy amimboninahitra ao amin’ilay Fanjakan’Andriamanitra. Nihamiramiran’ny hafaliana ny endrik’ilay anjely ary nihalehibe ny voninahiny raha naneho an’i Jaona ilay fandresena faran’ilay fiangonan’Andriamanitra izy. Rehefa nobanjinin’i Jaona ilay fanafahana farany ny fiangonana, dia nentina hiala ilay sehatra izy, ka tamimpanajana sy fahatahorana lehibe no niankohofany teo an-tongotr’ilay anjely mba hivavaka aminy. Nampitsangana azy haingana ilay iraky ny lanitra ary nananatra azy tamim-pahendrena nanao hoe :HM58 51.1

    « Tandremo, aza manao izao ; fa mpanompo namanao ihany aho, sady naman’ireo rahalahinao izay nitana ny filazana an’i Jesosy ; Andriamanitra ihany no ivavaho ; fa ny filazana an’i Jesosy no fanahin’ny faminaniana. » Taorian’izay dia nasehon’ilay anjely an’i Jaona indray ilay Tananan’ny lanitra tamin’ny fahatsarany rehetra sy tamin’ny voninahitra mamirapiratra. Nentina izy ary torovana tamin’ilay voninahitr’ilay tanàna ka dia indro fahadinony indray ilay fampitandremana izay nataon’ ilay anjely taminy vao haingana teo , ka dia niankohoka hivavaka indray teo an-tongotr’ilay anjely izy, izay nanome fampitandremana malefaka azy indray :HM58 51.2

    « Tandremo , aza manao izao ; fa mpanompo namanao ihany aho sady naman’ny mpaminany rahalahinao sy izay mitandrina ny teny amin’ity boky ity , Andriamanitra ihany no ivavaho . »HM58 51.3

    Nataon’ireo mpitoriteny sy ireo vahoaka ho zava-miafina sy tsy dia manan-danja loatra ny noho ireo boky hafa ao anatin’ny Soratra Masina ny bokin’ny Apokalypsy. Nefa hitako fa ity boky ity no tena fanambarana izay nomena mba ho tombontsoa manokana ho an’ireo izay liana sy velona amin’ny andro farany, mba hitarika azy ireo amin’ny fampahafantarana ny toerana marina izay misy azy ireo sy ireo adidy izay tokony hataony. Nitondra ny sain’i William Miller Andriamanitra ny fandinihana tamin’ireo faminaniana ary nanome azy fahazavana lehibe mikasika ny bokin’ny Apokalypsy.HM58 51.4

    Raha fantatra ny hevitr’ireo fahitan’i Daniela dia ho moramora kokoa ny fahazoan’ny vahoaka ny hevitr’ilay fahitan’i Jaona. Nefa tamin’ny fotoana izay nilana azy indrindra, dia manetsika ny fon’ilay mpanompo voafidiny Andriamanitra, izay nanokatra ireo faminaniana tamim-pahazavana sy ny herin’ny Fanahy Masina ka nanazava ny faminaniana ary naneho ny fifandraisana nirindra tamin’ireo fahitan’i Daniela sy an’i Jaona ary koa ireo boky hafa ao anatin’ny Baiboly, ary nampitoetra tao am-pon’olona ireo fampitandremana ny Teny izay Masina sy mahatahotra, mba hiomanana amin’ilay fiavian’ny Zanak’olona. Finoana lehibe sady lalina no niorina tao an-tsain’ireo rehetra nandre an’ William Miller, ka maro ireo mpitondra fivavahana, ny vahoaka, ireo mpanota sy ireo tsy mino no nitodika tamin’ny Tompo, mba hikatsaka ny fiomanana hahafahana hiatrika ny fitsarana.HM58 51.5

    Niaraka tamin’i William Miller tamin’ny asa izay nampanaovina azy ireo anjelin’ Andriamanitra. Nahery fo sy tsy azo nozongozonina izy, nanambara ilay hafatra izay nampitondraina azy tamim-pahatokiana sy tsy amintahotra izy. Mivalampatra eo amboniny faharantsian-toetra izao tontolo izao, ary ilay fiangonana mangatsiaka izay manao ny fomban’izao tontolo izao dia efa teo ka dia niroso tamin’ny fampiasan-kery ary nitondra azy tamin-jotom-po mba hiaritra ny fanesoana mafy, asa an-terivozona, ny tsy fisiana sy ireo fampijaliana. Na dia notoherin’ireo izay nanao azy ho kristianina sy izao tontolo izao sy natontatontan’i Satàna sy ny anjeliny aza, dia tsy nitsahatra nitory ilay filazantsara mandrakizay tamin’ny vahoaka izy na taiza na taiza niantsoana azy ; ary nanakoako Ilay antso hoe : « Matahora an’Andriamanitra ka omeo voninahitra Izy fa tonga ny andro fitsarany. ”HM58 51.6

    Jereo I Mpanjaka 13: 16-21; Daniela toko 7-12; Apokalypsy toko 1, 14; 19:8-10; 22:6-10HM58 51.7

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents