Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

«Hery Mifanandrina»

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 2 - Ny Fahalavoan’ Ny Olona

    Ary hitako fa, ireo anjely masina dia namangy matekita ny zaridain’I Edena, nanoro hevitra an’I Adama sy Eva mikasika ny asan’izy ireo, ary koa niresaka taminy ny momba ny fikomian’i Satana sy ny fahalavoany. Nampitandrina azy ireo an’i Satana ireo anjely ary nampianatra azy ireo mba tsy hisaratsaraka eo amin’ny asan’izy ireo, satria mety hitondra azy ireo amin’ny fikasohana amin’ity fahavalo lavo ity izany. Nandidy azy ireo ny anjely mba hanaraka an-tsipiriany ny toro-làlana izay nomen’Andriamanitra azy ireo, satria ny fankatoavana tanteraka ihany no hiaro azy ireo. Ary raha nankatò izy ireo, dia tsy hanana fahefana amin’izy ireto ity fahavalo lavo ity.HM58 12.1

    Nanomboka ny asa famitahany tamin’i Eva I Satana, nitarika azy mba tsy hankatò. Voalohany, nandeha nitsangatsangana izy tamin’ny alalan’ny fisintahana tamin’ny vadiny, avy eo tamin’ny fitarazohana manodidina ilay hazo voarara, manarak’izay , tamin’ny fihainoana ny feo’ilay mpaka-fanahy, ary koa tamin’ny fahasahiana nisalasala ny amin’izay nolazain’Andriamanitra “fa amin’ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa hianao”. Niteny izy fa tsy fanirian’ Andriamanitra angamba ny hilaza aminy mazava tsara izay mety ho azony, ary dia nanana fahasahiana, ka nandroso ny tanany izy, nandray ny voankazo ka nihinana azy. “ Tsy mahafinaritra ny maso ary tsara ho fihinana” va ity ? Niahiahy ny amin’ Andriamanitra izy , izay nandrara tsy hanome azy ireo izay tena tsara ho azy ireo. Nanolotra ilay voankazo ho an’ny vadiny izy, tamin’izany dia naka fanahy azy izy. Notantarainy tamin’ i Adama daholo izay rehetra nolazain’ ilay menarana, ary nampiseho ny fahatalanjony izy fa nanana talenta amin’ny fitenenana ilay izy (menarana).HM58 12.2

    Ary hitako fa nandrakotra ny endrik’i Adama ny alahelo. Toa ohatry ny natahotra sy talanjona izy. Toa ohatry ny nisy ady nitranga tao an-dohany tao. Nahatsapa fahatokiana izy fa ity ilay fahavalo izay nampitandremana azy ireo, ary noho izany dia tsy maintsy ho faty ny vadiny. Tsy maintsy sarahina izy ireo. Ny fitiavany an’i Eva anefa dia be dia be. Ary tamin’ny fahakiviana tanteraka no nanapahany hevitra fa hizara ny anjara ratsy izay miandry an’I Eva. Noraisiny ilay voankazo, ary haingana no nihinanany izany. Rehefa avy teo dia nientam-pifaliana i Satana. Nikomy izy tany an-danitra, ary nanana mpanara-dia maro izay tia azy, sy nanaraka azy ireo, tamin’ny fikomiana. Lavo izy, ary nitarika ny sasany mba ho lavo miaraka aminy ihany koa. Naka fanahy ny vehivavy izy amin’izao mba hiahiahy an’Andriamanitra, mba hikaroka ny fahendreny, ary hiteny izay hahalalana ny drafi-pahendreny rehetra. Nahafantatra i Satana fa tsy ho lavo irery ny vehivavy. Adama, noho ny fitiavany an’i Eva, dia tsy nankato ny didin ‘Andriamanitra ary dia lavo niaraka tamin’I Eva.HM58 12.3

    Niely manerana ny lanitra ny vaovao momba ny fahalavoan’ny olona. Nangina ny valiha (harpe) rehetra. Nesorin’ireo anjely tamin’ny alahelo ny satroboninahitra teo amin’ny lohany. Nihozongozona ny lanitra manontolo.HM58 12.4

    Nasiana ny filan-kevitra mba hanapaka izay tsy maintsy atao amin’ireo mpivady meloka ireto. Natahotra ny anjely fandrao dia hanatsotra ny tanany izy ireo, ka hihinana ny hazon’aina, ary dia ho lasa mpanota tsy mety maty. Nefa Andriamanitra nilaza fa horoahiny hivoaka ny saha ireto mpandika lalàna. Notendrena haingana ireo anjely mba hiambina ny làlana mandeha amin’ny hazon’ny fiainana. Izany no drafitra izay novolavolain’I Satana dia ny mba hahatonga an’I Adama sy Eva tsy hankatò an’Andriamanitra, sy handray ny fahatezarany, avy eo dia ny mba hitondrana azy ireo mba hihinana ilay hazon’ aina, mba hivelonan’izy ireo mandrakizay amin’ny fahotana sy ny tsy fankatoavana, ary noho izany dia tsy ho faty mandrakizay ny fahotana. Nefa nirahina ireo anjely masina mba hitondra azy ireo hivoaka ny saha, ary nosakanana ny fidirana mankany amin’ ny hazon’ aina. Ny tsirairay tamin’ireo anjely matanjaka dia niseho toy ny nanana zavatra eo amin’ny tanan’izy ireo ankavanana, izay mitovy amin’ny sabatra manjelanjelatra.HM58 12.5

    (Noho izany) nandresy i Satana. Ka dia maro ireo azony, izay be dia be koa no mijaly noho ny fahalavoany. Noroahina hiala ny lanitra izy, ary ireo kosa niroahina hivoaka ny Paradisa.HM58 12.6

    Jereo Genesisy toko 3.HM58 12.7

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents