Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

«Hery Mifanandrina»

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 19 - Ny Fahafatesana Tsy Fijaliana Mandrakizay.

    Nanomboka ny famitahany tao Edena I Satana. Nilaza tamin’I Eva izy , “tsy ho faty akory ianareo”. Io no lesona voalohany nomen’I Satana mikasika ny tsy fahafatesan’ny fanahy ary natohizany hatrany izany famitahany izany nanomboka tamin’ny io fotoana io hatramin’izao ary hotohizany hatrany izany mandrapahatapitra ny famaboana ireo zanak’Adriamanitra. Naseho ahy I Adama sy Eva tao Edena. Nandray anjara tamin’ny fihinanana an’ ilay hazo voarara izy ireo, noho izany napetraka manodidina ilay hazon’aina ilay sabatra manjelanjelatra, handrara azy ireo amin’ ny fidirana ho amin’ ny hazon’ aina, ary nentina nivoaka ny saha izy ireo , fa raha tsy izany dia nandray anjara tamin’ny hazon’aina izy ireo, ka dia lasa ho mpanota tsy nety maty. Ny hazon’aina amin’ izay dia mampaharitra mandrakizay ny tsi-fahafatesana. Naheno anjely iray aho nanontany hoe: “Iza tamin’ireo fianakavian’I Adama no nihoatra ilay sabatra manjelanjelatra ka nandray anjara tamin’ny ilay hazon’aina? Dia nandre anjely hafa indray aho namaly hoe: “tsy nisy na dia iray aza tamin’ny fianakavian’I Adama no nihoatra ilay sabatra nanjelanjelatra ka nihinana tamin’ny voan’ io hazo io; Noho izany dia tsy misy ny mpanota tsy mety maty. Ny fanahy izay nanota dia ho faty amin’ny fahafatesana mandrakizay dia fahafatesana izay haharitra mandrakizay, izay tsy hisy fanantenana ho amin’ny fitsanganana amin’ny maty, ary nohon’izany no hampitony ny fahatezeran’ Andriamanitra.HM58 45.1

    Mahagaga ahy ny nahombiazan’I Satana tamin’ny fomba tsotra nampino ny olombelona tamin’ny ilay Tenin’Andriamanitra hoe: “Ny fanahy izay nanota dia ho faty dia midika hoe: Tsy ho faty ny fanahy izay nanota fa hiaina mandrakizay ao anaty fijaliana.” Hoy ilay anjely tamiko: “Ny fiainana dia fiainana, na mandalo fijaliana na fiadanana. Ny maty kosa dia tsy mahalala na fijaliana na fifaliana na fankahalana”.HM58 45.2

    Nandidy ireo anjeliny I Satana mba hanao ezaka manokana mba hanaparitaka ilay fahadisoan-kevitra sy lainga izay notononiny voalohany indrindra tamin’ny Eva hoe: “Tsy ho faty tsy akory ianareo”. Ary satria noraisin’olombelona mora foana izany fahadisoana izany ary nino izy ireo fa tsy mety maty ny olona, dia nentin’I Satana lavi-davitra kokoa hatrany izy ireo mba hino fa ny mpanota dia hivelona mandrakizay ao anaty fijaliana. Noho izany dia efa namboarin’ireo Satana koa ny lalana mba ahazoany miasa avy amin’ny alalan’ireo irakirany, ka mampiseho hatrany an’Andriamanitra ho Mpanjaka masiaka mpamalifaty eo anatrehan’ny vahoaka; ary ireo rehetra izay tsy mahafinaritra Azy dia atsipiny any amin’ny afobe. Ka ataony izay hahatsapan’izy ireo ny vesatry ny fahatezerany, ary mandritra ny fotoana izay hijalian’ireo ao anaty tebiteby tanteraka, dia hijery azy ireo amim-pifaliana izy , mahita azy ireo mitaraina ny amin’ny fanaintainana mahatsiravina sy ny amin’ny afobe mandrakizay. Fantatr’I Satana mantsy fa raha raisin’ny olona izany fahadisoan-kevitra izany, dia hatahoran’ny maro tokoa sy hankalainy Andriamanitra raha tokony ho maro ireo izay voatarika hino fa ireo fandrahonan’ny Tenin’Andriamanitra dia tsy ho tanteraka ara-bakiteny ; satria hifanohitra amin’ny toetrany feno hatsarana sy fitiavana izany , ny handefa ny tenan’olombelona izay noforoniny ao anaty fijaliana mandrakizay izany.HM58 45.3

    Nentin’I Satana an-tendrony hafa ny olombelona, mba hanao tsinotsinona tanteraka ny fahamarinan’Andriamanitra sy ireo fandrahonana eo anatin’ny Teniny, ka mampiseho Azy ho be famindram-po ka tsy hisy na dia olona iray aza ho very fa ny rehetra , na masina na mpanota dia ho voavonjy amin’ny farany ho ao amin’ ny fanjakany.HM58 45.4

    Ny vokatry ny fahadisoan-kevitry ny be sy ny maro mikasika ny tsi-fahafatesan’ny fanahy sy ny tsy fahataperan’ny fijaliana , dia ahazoan’I Satana tombotsoa amin’ny antokon’olona hafa satria mahatonga azy ireo hihevitra ny Baiboly ho boky tsy azo avy amin’ ny tsindrimandry izany. Mieritreritra izy ireo fa mampianatra zavatra tsara maro izany nefa kosa tsy azo atao ny mino sy mitia azy satria nampianarina azy ireo fotoam-pampianarana momba ny fijaliana mandrakizay izany.HM58 45.5

    Satana dia nahita tombontsoa ihany koa amin’ny antokon’olona hafa indray, ary mitondra azy ireo lavidavitra kokoa mba handà ny fisian’Andriamanitra. Tsy afaka hahafantatra an’ilay Andriamanitry ny Baiboly izy ireo , raha hoe hampijalijaly ny amin’ny maha-olombelona ho amin’ny fampijaliana mahatsiravina maharitra mandrakizay mandrakizay; ka mandà ny Baiboly sy ny fahefany izy ireo ary manao ny fahafatesana ho toy ny torimaso mandrakizay.HM58 45.6

    Misy antokon’ olona sasany ihany koa, saro-tahotra sady saro-kenatra ireo indray ampirisihin’ i Satana hanota, ary rehefa avy nanota izy ireo, dia asainy mino fa ny tambin’ ny ota dia tsy fahafatesana tsy akory fa fiainana ao anatin’ ny fampijaliana mahatahotra mandritra ny taona maro tsy misy faran’ ny mandrakizay. Manararaotra I Satana ary nampitombo eo anoloan’ireo malemy saina ny faharatsian’ny helo tsy mety maty, raisiny ho azy ireo ary dia ataony very hevitra. Ary amin’ izay dia mihobim-pandresena I Satana sy ireo anjeliny fa manao fanakianana ny fivavahana Kristianina ireo izay tsy mahatoky sy tsy mino an’Andriamanitra. Milaza izy ireo fa ireo loza aman’antambo dia vokatra ara-boa-janahary ateraky ny finoana ny Baiboly sy ny Mpamorona azy, nefa ny mifanohitra amin’ izany izy ireo dia avy amin’ ny herezian’ ( foto-mpampianarana manohitra ny finoana tanan’) ny be sy ny maro.HM58 45.7

    Hitako fa feno fahatezerana ireo anjelin’ny lanitra tamin’ity asa feno fahasahiana izay ataon’I Satana. Dia nanontany aho hoe: fa nahoana loatra no avela handaitra amin’ny sain’ny olombelona ireo famitahana rehetra izao, kanefa mahery ny anjelin’Andriamanitra sady raha omena alalana dia afaka hanohitra mora fotsiny ny herin’ilay fahavalo. Rehefa avy teo dia hitako fa fantatr’Andriamanitra fa hampiasain’I Satana avokoa ireo karazam-pahaizany rehetra mba hanimbany ny olona. Ka izay no nahatonga an’Andriamanitra nanoratra ny Teniny ary naneho ny fikasany mazava sy planany ho an’olombelona tamin’ny fomba tsotra mba hahatonga ny olona na dia farany izay malemy indrindra aza, tsy ho voafitaka. Noho izany, taorian’ny nanomezany ny Teniny ho an’olombelona dia notandrovin’ Andriamanitra tamim-pitandremana fatratra izany mba tsy hahafahan’I Satana sy ireo anjeliny manimba azy , avy amin’ny alalan’ireo mpiasany maro na ireo solontenany. Na dia maro aza ireo boky hafa izay nosimbaina , ity boky Masina ity kosa dia natao tsy hahita fahafatesana. Rehefa manakaiky ny andro farany, dia hitombo hatrany ireo fitaka izay ataon’I Satana dia hihamaro ihany koa ireo baiboly , voadika mitovy mba hahazoan’ireo rehetra izay maniry hanana izany bokin’ny sitrapon’Andriamanitra naseho ho an’olombelona izany , ary raha sitrak’izy ireo, dia afaka miaro-tena samirery amin’ireo fitaka sy ireo fahagagana mandainga ataon’I Satana izy ireo.HM58 46.1

    Hitako fa nambenan’Andriamanitra tamin’ny fomba manokana ny Baiboly, tamin’ ny fotoana izay mbola vitsy kely no efa niely dia novan’ireo manam-pahaizana ny tetsy sy teroa tamin’ ny sasantsasany amin’ ireo teny, nieritreritra ny hanazava azy bebe kokoa izy ireo, kinanjo vao maika nanamaizina ny efa mazava ary nandentika izany tamin’ny fomba fijeriny manokana izay niorina tamin’ny lovan-tsofina. Nefa hitako fa ny Tenin’Andriamanitra dia toy ny rojo vy iray manontolo izay manana ny fifampitohizany tanteraka, ary ny teny iray amin’ny Soratra Masina dia manazava ny iray hafa koa. Tsy tokony ho voafitaka ireo izay mikatsaka marina ny fahamarinana, satria tsy hoe manambara ny lalàna ho amin’ny fiainana ami’ny fomba mazava sady tsotra fotsiny ny Tenin’Andriamanitra fa nomena koa ny Fanahy Masina mba hitarika amin’ny fahalalana ny lalana mankany amin’ny fiainana izay naseho tamin’ny alalan’ny Teniny.HM58 46.2

    Hitako fa tsy ary nomena ny anjelin’ Andriamanitra ny mibaiko ny sitra-po. Apetrak’Andriamanitra eo anoloan’ny olona ny fiainana sy ny fahafatesana. Samy afaka misafidy izy. Maro ireo maniry ny fiainana, nefa mbola manohy ny nandeha amin’ny lalana malalaka hatrany. Nifidy ny hikomy amin’ ny fitondram-panjakan’ Andriamanitra izy ireo, na dia eo aza ny famindram-pon’ Andriamanitra tsy misy fetrany ary ny fiantrany lehibe tamin’ ny nanomezany ny Zanany Lahy mba ho faty ho an’ olombelona meloka.HM58 46.3

    Ireo rehetra izay tsy misafidy ny handray ny famonjena izay novidina lafo tokoa ho azy ireo, dia tsy maintsy ho voasazy. Ireo voahary izay noforonin’Andriamanitra dia nifidy ny hikomy amin’ny fanjakany; nefa hitako fa Andriamanitra tsy nanipy azy ireo ho amin’ny helo ( na afobe ) mba hiaritra fijaliana izay tsy manampahataperana. Tsy azon’Andriamanitra atao ihany koa ny nandray azy ireo tany an-danitra, satria ny fitondrana azy ireo ho eo amin’ny vondron’ireo madio sy masina dia nahatonga alahelo lehibe ho azy ireo. Tsy handray azy ireo any an-danitra mihitsy Andriamanitra ary tsy hanasazy azy ireo mandritra ny mandrakizay. Fa horavan’Andriamanitra tanteraka kosa izy ireo ary hataony toy ny tsy ary mihitsy, ka dia ho afa-po ny fahamarinana. Noforonin’Andriamanitra avy tamin’ny vovoky ny tany ny olombelona , ka ireo izay tsy mankato, ny tsy masina dia holevonin’ny afo, ka hiverina ho amin’ny vovoka indray. Hitako fa ny fahatsaran’Andriamanitra sy ny famindrampony amin’ny izany dia hitondra ny olombelona rehetra hidera ny toetrany sy hiankahoka Aminy, ary aorian’izay dia horavany hiala amin’ny tany ireo ratsy fanahy, ary ny vahoakan’ ny lanitra rehetra hiteny hoe: “AMEN!”HM58 46.4

    Amim-pahafaham-po tanteraka no nijeren’I Satana ireo izay manaiky an’ ireo hevi-diso navoakany na dia ireo izay manaiky am-pahibemaso ny Anaran’ i Kristy aza, kanefa tafiditra lalina amin’ireo fitaka izay nataony. Ny asany dia ny manohy mamorona hatrany ireo fitaka vaovao. Hitombo ny heriny ary hampitombony hatrany ny fahaiza-manaony. Tarihiny ireo solontenany ireo papa sy ireo pretra , mba hanandran-tena , ary hamporisika ny vahoaka mba hanenjika amim-pahangidiana ireo izay nitia an’Andriamanitra sy tsy nanaiky ny hilefitra amin’ireo famitahany izay nampidiriny tamin’ny alalan’izy ireo. Nandefa ny mpiasany I Satana mba hanapotika ireo izay nanokan-tena ho mpanara-dia an’I Kristy. O! endrey fijaliana sy fiadianaina izay hiaretan’ireo malalal’Andriamanitra!. Nosoratan’ireo anjely ny tantara mahatoky toy izany. Kanefa I Satana sy ireo anjeliny kosa dia nihobim-pandresena , ary nilaza tamin’ny ireo anjely izay niasa sy nampahery ireo olomasina nijaly fa , hovonoiny izy ireo amin’ny izay dia tsy hisy Kristianina marina tavela intsony eto ambonin’ny tany. Hitako tamin’izay fa nadio ny fiangonan’Andriamanitra. Tsy nisy atahorana tamin’izay ny nidiran’ireo olona izay nanome fo mpamitaka hiditra ny fiangonan’Andriamanitra, satria ireo Kristianina marina, izay nahasahy nanambara ny finoany dia niandry azy ny fampijaliana, ny fandoroana sy ireo habibiana maro izay noforonin’I Satana sy ireo anjeliny ka napetrany tao an-tsain’ny olombelona.HM58 46.5

    Jereo Genesisy toko 3; Mpitoriteny 9:5,12:7; Lioka 21:33; Jaona 3:16; 2Timoty 3:16; Apokalypsy 20:14-15, 21:1,22;12-19.HM58 46.6

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents