Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

«Hery Mifanandrina»

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 39 - Misaona Ny Tany (Nidiran-Doza Ny Tany)

    Rehefa afak’izany dia nijery ny tany indray aho. Maty ireo ratsy fanahy ary nivalampatra teny ambonin’ny tany. Niaritra ny fahatezeran’Andriamanitra ny mponin’ny tany tao anatin’ny loza fito farany. Nitrakotrako ny lelany sy niteny ratsy an’Andriamanitra izy ireo nohon’ny fanaintainana. Ireo mpiandry ondry sandoka no tena nokendren’ny fahatezeran’i Jehovah voalohany indrindra. Hihalevona ao amin’ny fitoerany ny masony, ary ny lelany koa hihalevona ao am-bavany am-pitsanganany izy. Taorian’ny nanafahana ireo olo-masina tamin’ny alalan’ny feon’Andriamanitra dia nifampitodika tamin-karomotana ireo ireo ratsy fanahy. Toa safotry ny ra ny tany ary tototry ny faty ny tany. Ary toa fahafonganana mahatsiravina no fahitana ny tany. Ny tanan-dehibe sy ny vohitra dia harodan’ny horohoron-tany ka ho potipotika. Nifindra miala tamin’ny toerany ny tendrombohitra; ka namela lava-bato vaventy be teo amin’izay nisy azy. Vakim-batolampy izay natoraky ny ranon-dranomasina na nalainy avy tamin’ny kibon’ny tany ary niparitaka manerana ny velarany. Hazo vaventy maro no niongotra niala tamin’ny fakany ka niely teo ambon’ny tany.HM58 78.1

    Ao anatin’io fisaonana io no tsy maintsy honenan’ i Satana sy ny anjeliny mandritra ny 1000 taona. Eo no hanagadrana azy ireo, ary hitsangatsangana hiakatra sy hidina eo amin ‘ilay velaran’ ny tany potipotika izy ireo ka hahita ny voka-dratsin’ny fikoamiany ny lalan’Andriamanitra. Mandritra ny 1000 taona dia afaka hitsakotsako ny vokatrin’ny ozona izay nataony izy. Voafatotra eto ambonin’ny tany izy ka tsy hanana tombontsoa handehandeha any amin’ny planeta hafa intsony mba haka fanahy sy hanelingelina ireo izay tsy lavo. Amin’izay fotoana izay hiaritra ny fijaliana faratampony i Satana. Hatramin’ny nahalavoany dia tsy nitsahatra nanao ny asa ratsiny izy tsy. Fa ankehitriny kosa dia hisaintsaina ireo zavatra nataony hatramin’ny fahalavoany izy ka hijery mialohan’ny fotoana, amin-tahotra sy horohoro ny ho avy izay voatokanao azy; mampatahotra, raha tsy maintsy hiaritra ny ratsy rehetra izay nataony izy sy hohelohina noho ireo fahotana rehetra izay nasainy nampanaovina natao.HM58 78.2

    Rehefa afaka izany dia nandre feon-trompetran’ ny anjely sy ny masina voavotra aho izay naneno toy fanenon’ny zava-maneno iray alina aho, satria tsy ho voahelingelina na halain’ny Devoly fanahy intsony izy ireo ary satria koa, ny mponin’ireo izao tontolo izao hafa, dia tsy manana na inona na inona hatahorany ny maha-eo azy na koa ny fakam-panahiny.HM58 78.3

    Nony avy eo dia nahita seza fiandrianana maro aho ary i Jesosy sy ireo masina voavotra no nipetraka teo amboniny; satria hanjaka tahaka ny mpanjaka sy ho mpisorona izy ireo, ary ireo maty ratsy fanahy dia notsaraina ary hampitahaina amin’ny bokin’ ny lalàna: dia ny Tenin’Andriamanitra ny asany, sady notsaraina araka ny asa izay nataony tao amin’ny tenany izy ireo. Jesosy sy ireo masina no nizara ny anjara izay tsy maintsy hiaretan’ireo ratsy fanahy arakaraka ny asany; voasoratra tao anatin’ ny bokin’ ny fahafatesana izany, ary nosongadina teo anilan’ ny anarany.HM58 78.4

    Satana sy ny anjeliny koa dia notsarain’ i Jesosy sy ireo navotana. Ny sazin’ i Satana dia lehibe lavitra noho ny an’ ireo olombelona izay nofitahany. Mihoatra lavitra loatra nohon’ny sazin’izy ireo izany ka tsy misy fampitahana azo atao amin’ izy ireo. Rehefa izany ireo izay nanaiky ny fitaka nataony dia holevona avokoa, fa i Satana kosa tsy maintsy mbola velona ela ihany ka hijaly elabe kokoa.HM58 78.5

    Rehefa tapitra ny fitsarana ny ratsy fanahy izay efa maty, amin’ny fiafaran’ny 1000 taona dia hiala an’ilay tanàna i Jesosy, ka hanaraka azy ireo andian’ny antokon’ny anjely. Ireo masina koa nandeha niaraka taminy. Nidina teo ambonin’ny tendrombohitra lehibe sady mahery i Jesosy ary raha vao mikasika izany ny tongony dia nizara roa ka lasa lemaka lehibe. Rehefa afaka izany dia nanandratra ny masontsika isika dia mahita ilay tanana lehibe sady mahafinaritra izay nanana fanorenana roa ambin’ny folo, vavahady roa ambin’ ny folo, telo isanandaniny avy, ary anjely iray isaky ny vavahady.. Niantso hoe isika: Tanana! Tanana lehibe! Nidina avy tamin’ Andriamanitra avy tany an-danitra. Ary nidina tamin’ny famirapirany sy ny fanjelanjelatry ny voninahitra ary napetraka tao amin’ilay lemaka lehibe izay nomanin’ i Jesosy ho an’izany.HM58 78.6

    Jereo Zakaria 14 : 4-12 Apokalypsy 20:26; 20 : 12 ; 21 :10 -27HM58 78.7

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents