Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

«Hery Mifanandrina»

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 27 - Ny Fitoerana Masina

    Naseho ahy, nony afak’izany ilay fahadisoam-panantenana nampalahelo izay nahazo ilay vahoakan’Andriamanitra, raha tsy nahita an’I Jesosy izy ireo tamin’ny fotoana izay niandrasany Azy. Tsy fantany hoe nahoana no tsy tonga ny Tompony, satria tsy nahita porofo mihitsy izy ireo na dia iray aza ny amin’ny antony tsy nahatapitra ilay fotoana ara-paminaniana. Hoy ilay anjely tamiko: Mety diso ve ny Tenin’Andriamanitra? Tsy nahomby tamin’ny fanantanterahana ireo teny fikasany ve Andriamanitra? Tsia! Nanatanteraka ny zavatra rehetra izay efa nampanantenainy Izy. Nitsangana I Jesosy, ary nanidy ny varavaran’ilay Efitra Masina tao amin’ilay Fitoerana Masina tany an-danitra, ary namoha ny varavaran’ilay Efitra Masina Indrindra ary niditra tao Izy mba hanadio ny Fitoerana Masina. Hoy ilay anjely: “Ireo rehetra izay miandry amim-paharetana no hahafantatra ilay zava-miafina. Nanao fahadisoana ny olombelona; fa tsy nisy fahadisoana na dia kely akory aza avy tamin’Andriamanitra. Tanteraka avokoa izay rehetra nampanantenain’Andriamanitra, fa ny olona no nanao fahadisoana, tamin’ny ninoany fa ny tany no noheveriny ho Fitoerana Masina izay hodiovina amin’ny fiafaran’ireo vanim-potoana ara-paminaniana ireo. Diso tamin’izay zavatra nantenainy ny olona, fa tsy ny fampanantenan’Andriamanitra velively no nisy fahadisoana. Naniraka ireo anjeliny I Jesosy mba handeha ho any amin’ireo diso fanantenana ary hitarika ny sain’izy ireo amin’ilay Efitra Masina indrindra izay nandehanany mba hanadio ny Fitoerana Masina, ary hanao fampiononam-pahatezarana manokana ho an’ireo Israely. Nilaza tamin’ireo anjely I Jesosy fa ireo rehetra nahita Azy dia hahalala ilay asa izay tokony ho tanterahiny. Hitako fa raha tao amin’ilay Efitra Masina indrindra I Jesosy dia efa tokony hampaka-bady an’ny Jerosalema vaovao Izy, aorian’ny asany izay tanterahina ao amin’ilay Masina Indrindra, dia hidina ety an-tany Izy amin’ny fahefan’ny Mpanjaka ka handray ireo olona sarobidy izay niandry tamim-paharetana ny fiverenany.HM58 59.6

    Rehefa afak’izany dia, naseho ahy ireo zavatra niseho tany an-danitra tamin’ ny 1844, izay fifaranan’ ny vanim-potoana ara-paminaniana. Hitako fa rehefa vitan’I Jesosy ny asany tao amin’ny Efitra Masina ary nohidiany ny varavaran’ilay Efitra, dia haizina lehibe no nandrakotra ireo izay nandre, nefa nandà ireo hafatra mikasika ny fiavian’I Kristy, ka tsy nahita Azy intsony izy ireo. Nony avy eo, dia niakanjo fitafiana sarobidy I Jesosy. Nanodidina ny morontongotr’ akanjony dia nisy lakolosy volamena iray sy voam’pangamben-danitra volamena iray, lakolosy iray sy voam’pangamben-danitra volamena iray. Teo an-tsorony no nihantonan’ ny saron-tratra izay asan’ olo-mahay. Ary raha vao mihetsika Izy, dia indro fa manjelanjelatra toy ny diamondra izany saron-tratra izany, ary namoaka soratra izay toa anarana voasoratra na voasikotra teo ambonin’ilay fiarovan-tratra. Rehefa voahaingo tanteraka Izy, niaraka tamin’ilay zavatra teo an-dohany izay toa satroboninahitra dia nanodidina Azy ireo anjely ary namaky ilay Efitra lamba faharoa tamin’ ny alalan’ ny kalesy afo Izy.HM58 60.1

    Nony afak’izay, dia nasaina aho mba hanao fanamarihana ny amin’ireo Efitra roa izay teo amin’ny Fitoerana Masina any an-danitra ireo. Nisokatra ilay lamba na ilay varavarana ary navela mba hiditra tao aho. Tao anatin’ilay efitra voalohany, dia hitako ny fanaovan-jiro volamena fito rantsana, izay toa hita ho manan-karena sy be voninahitra ary koa, ny latabatra izay nisy mofo aseho teo amboniny, ary ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra sy ilay lovia fandoroana ditin-kazo manitra. Tahaka ny volamena voadio ny fijery an’ireo fanaka rehetra tao anatin’ity Efitra ity, ary mitaratra Ilay hiditra tamin’izany toerana izany. Ilay fefy lamba izay nampisaraka ireo Efitra roa ireo dia toa be voninahitra ny fahitana azy. Natao tamin’ireo loko isan-karazany sy akora maro izany ary ny sisiny dia mahafinaritra sady nisy sary vita tamin’ ny volamena teo amboniny, izay naneho ireo anjely. Nakarina ilay fefy lamba, ka dia nizaha izay tao amin’ilay efitra faharoa aho. Dia nahita fiara iray tao aho, izay nanana endri-bolamena izay farany tsara indrindra. Manodidina ilay tampon’ny fiara dia nisy sisiny nahafinaritra izay tsara tefy indrindra izay naneho ny satro-boninahitra. Vita tamin’ny volamena farany tsara indrindra izany. Tao anatin’ilay fiara no nisy ireo vato fisaka izay nisokirana ny didy folo.HM58 60.2

    Teo aloha sy teo aorian’ilay fiara dia nisy Kerobima maha te ho tia tsirairay avy ary ny elany nandrakotra izany. Nivelariny tambonin’ny elatr’izy ireo, ary nifampikasoka teo ambonin’ny lohan’I Jesosy raha nitsangana teo anilan’ilay rakotra fanaovam-panavotana Izy. Nifanatritava izy ireo ary ny fijeriny dia nanandrify ny teo ambonin’ny fiara, izay naneho fa ny anjeliln’ny lanitra rehetra dia mijery am-pahalianana ny lalàn’Andriamanitra. Nisy lovia fandoroana ditin-kazo manitra volamena teo anelanelan’ireo Kerobima; Ary amin’ izany dia tonga tany an-danitra teo amin’I Jesosy ny vavak’ireo olo-masina izao nataony tamim-pinoana, dia natolony ho an’ny Rainy izany, ary fofo-manitra no nivoaka avy teo amin’ilay ditin-kazo manitra; toy ny setroka izay farany tsara loko indrindra izany. Ambonin’ilay toerana nitsanganan’I Jesosy teo anoloan’ny fiara, dia nahita voninahitra nahajambena mamirapiratra izay tsy azoko nojerena aho. Toa hita ho nitovy tamin’ilay seza fiandrianana izay nitoeran’Andriamanitra izany. Rehefa niakatra tamin’ny Ray ny fofon’ilay ditim-kazo manitra, dia voninahitra lehibe no nivoaka avy teo amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra ho any amin’I Jesosy, ary avy amin’I Jesosy dia narotsaka teo amin’ireo izay nampiakatra vavaka ho toy ny hanitra manimpofona izany. Nirotsaka betsaka teo amin’I Jesosy tamin-karen’ny fahafenoana ny hazavana sy ny voninahitra, ka nandrakotra an’ ilay rakotra fanaovam-panavotana ary ny ebaneban’ ny voninahitra nahafeno ny tempoly. Tsy afa-nijery ilay voninahitra tsy nisy tahaka azy io ela aho. Tsy misy fiteny n’aiza n’aiza eran’izao tontolo izao afaka amariparitana izany. Toy ny torovana aho ary dia nitodika niala ny sehatry ny fampisehoana ny fiandrianana sy ny voninahitra.HM58 60.3

    Naseho ahy koa ny fitoerana masina tety an-tany izay nisy efitra roa. Nifanahaka tamin’ilay iray hitako any an-danitra izany. Nolazaina ahy fa ny Fitoerana Masina tety an-tany dia sarin’ilay any an-danitra fotsiny ihany. Ireo fanaka tao amin’ilay efitra voalohan’ilay Fitoerana Masina tety an-tany dia nitovy amin’ilay tao anatin’ilay efitra voalohany any an-danitra. Nampiakarina ilay fefy lamba ka, nijery izay tao anatin’ny Efitra Masina Indrindra aho, ka nahita fa ny fanaka rehetra dia nitovy tamin’ilay Efitra Masina Indrindran’ilay Fitoerana Masina any an-danitra. Nanao ny raharahany tao anatin’ireo efitra roa ireo ny mpisoronabe tety antany. Isan’andro isan’andro, ao anatin’ny taona dia nanao ny raharahany ao anatin’ilay Efitra voalohany ny mpisorona, fa indray isan-taona fotsiny ihany no idirany ao amin’ny Efitra Masina Indrindra mba hanadio izany hiala amin’ny fahotana izay nentina tao.HM58 60.4

    Hitako fa nanao ny raharahany ihany koa tao amin’ireo efitra roa any an-danitra ireo I Jesosy. Teto an-tany ireo mpisorona dia niditra matetika tao amin’ ny fitoerana masina mba hanatitra ran’ ny biby noho ny ota. Niditra tao amin’ilay Fitoerana Masina any an-danitra Izy tamin’ny alalan’ny fanomezany ny ran’ny tenany manokana. Ireo mpisoronabe teto an-tany dia nindaosin’ny fahafatesana, noho izany dia nifarana niaraka taminy ny asany; nefa hitako fa I Jesosy dia mpisoronabe mandrakizay. Tamin’ny alalan’ireo fanatitra sy ireo sorona nentina tao amin’ny Fitoerana Masina teto an-tany dia tsy maintsy nihazona ny fahamendrehan’Ilay Mpamonjy mbola ho avy ireo zanak’Israely. Ary koa, tamin’ny fahendren’Andriamanitra, no nanomezany ho antsika ny antsipirian’izany asa izany mba hahazoantsika mijery azy ireo indray, ka hahafantatra ny asa izay ataon’I Jesosy ary amin’ilay Fitoerana Masina any an-danitra.HM58 61.1

    Teo amin’ny hazo fijaliana, tamin’ny fotoana izay hahafatesan’I Jesosy teo Kalvary, dia niantso Izy hoe: “Vita! ” ary indro ny efitra lamba tao amin’ny tempoly nitriatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany. Izany no natao mba hanehoana fa vita, tapitra ho mandrakizay ireo fanompoam-pivavahana fanao tao amin’ny Fitoerana Masina teto an-tany, ary koa, Andriamanitra tsy hihaona amin’izy ireo intsony ao amin’ilay tempoliny teto an-tany mba hanaiky ireo fanatitra izay atolotr’ ireo mpisorona. Efa nalatsaka ny ran’I Jesosy ary Izy tenany no hanatitra izany ao amin’ ny Fitoerana Masina any an-danitra.HM58 61.2

    Dia tahak’ izany, niditra ny Fitoerana Masina Indrindra indray mandeha isan-taona ny mpisoronabe mba hanadio ny Fitoerana Masina, teto an-tany. Jesosy koa dia niditra tao amin’ ny Fitoerana Masina Indrindra any an-danitra, tamin’ny fiafaran’ny 2300 andron’ny Daniela 8 tamin’ny 1844, mba hanao ilay fanavotana farany ho an’ireo izay mahay manararaotra ny fanelanelanany, ary hanadio koa ny Fitoerana Masina.HM58 61.3

    Jereo Eksodosy toko 25-28; Levitikosy toko 16; 2 Mpanjaka 2:11; Daniela 8:14; Matio 27:50-51; Hebreo toko 9; Apokalypsy toko 21.HM58 61.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents