Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

«Hery Mifanandrina»

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 14 - Ny Fiovam-Pon’ I Saoly

    Ary raha nandeha tao Damaskosy I Saoly, niaraka tamin’ireo taratasy izay manome alalana azy hisambotra ireo lehilahy na vehivavy izay mitory an’I Jesosy, mba hitondra azy ireo am-patorana ho any Jerosalema, dia nihobim-pandresena nanodidina azy ny anjely ratsy; tsitapitapitr’izay anefa raha mbola nandeha izy dia nisy hazavana avy any an-danitra nanelatrelatra manodidina azy, izay nampamdositra ny anjely ratsy sy nahatonga an’I Saoly lavo nalaky tamin’ny tany. Nandre feo izay nanao taminy hoe: Saoly, Saoly, nahoana hianao no manenjika Ahy ? Namaly I Saoly: Iza moa hianao Tompoko? Ary niteny ny Tompo hoe: Izaho no Jesosy izay enjehinao. Fa sarotra ho anao ny handà ny fanindronana. Dia nangovitra I Saoly sady talanjona, ka niteny hoe: “Tompoko, inona no tianao hataoko? Dia namaly ny Tompo nanao hoe: “mitsangana, ka mankanesa ho any an-tanàna dia holazaiko aminao izay tokony hataonao.”HM58 37.1

    Ary ny olona izay nomba azy tamin’ny nalehany dia nitsangana tsy nahateny, nitolagaga ary nandre tsara ny feo izy ireo, nefa tsy nahita olona. Ary rehefa tsy hita intsony ilay hazavana, Saoly nitsangana tamin’ny tany, ary rehefa nahirany ny masony, dia tsy nahita na iza na iza izy. Nohajambain’ ny fahazavana avy any an-danitra izy. Ary ireo nitantana azy ka nitondra azy ho any Damaskosy, ary tsy nahita izy hateloana sady tsy nihinana na nisotro. Dia naniraka ny anjeliny ny Tompo ho any amin’ilay lehilahy iray tamin’ireo izay nirian’I Saoly hosamborina, ka naseho azy tamin’ny fahitana fa izy dia tokony any amin’ny lalana atao hoe Imahitsy, ka izahao ao “an-tranon’I Jodasy izay lehilahy atao hoe Saoly avy any Tarsosy; fa indro, efa mivavaka izy, ary izy efa nahita tamin’ ny fahitana lehilahy atao hoe Ananiasy izay niditra, ka nametra tanana taminy mba hahiratra indray ny masony.”HM58 37.2

    Natahotra I Ananiasy fa sao dia manao hadisoana izy amin’ity raharaha ity, ka dia nanomboka nintantara tamin’ny Tompo izay reny momba an’I Saoly izy. Fa hoy ny Tompo tamin’I Ananiasy: “Mandehana, fa fanaka voafidy izy ho fitondrana ny anarako eo anatrehan’ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak’israely; fa hasehoko azy ny habetsahan’izay tsy maintsy hiaretany ho voninahitry ny anarako. Narahin’I Ananiasy ny toro hevitry ny Tompo, ka dia niditra ny trano, izy dia nametra-tanana tamin’ I Saoly ka nanao hoe: Ry Saoly, rahalaly, ny Tompo, dia Jesosy izay niseho taminao teo amin’ny lalàna nalehanao, no efa naniraka ahy, mba hahiratan’ny masonao, ary mba ho feno ny Fanahy Masina hianao. Ary niaraka tamin’izay dia nahiratra ny mason’I Saoly, ka nitsangana izy dia natao batisa. Ary miaraka tamin’ izay dia nitory an’I Jesosy teo amin’ny Synagoga rehetra izy, fa Jesosy no Zanak’Andriamanitra. Ary talanjona izay rehetra nandre azy ka nanao hoe: “Tsy ity va ilay nandringana izay niantso izany anarana izany tany Jerosalema? Ary tonga aty koa izy mba hitondra azy mifatotra ho any amin’ny mpisorona be.”Ary Saoly maika nihahery, dia nandresy lahatra ny Jiosy izay nonina tany Damaskosy ka naneho marimarina fa Jesosy no Kristy. Ary dia hita ho ao anatin’ ny zavatsarotra izy. Ny rehetra dia nahafantatra izay nataon’I Saoly ho fanoherana an’I Jesosy, ary tamin-kafanam-po no nisamborany sy nanolorany ho faty ireo rehetra nino ny Anarany. Ny fiovam-pony mahagaga dia nandresy lahatra ny maro tamin’ ny jiosy fa Jesosy no Ilay Zanak’Andriamanitra.Nanambara ny fanandramany tao alalan’ ny herin’ ny Fanahy Masina I Saoly. Dia nanenjika hatramin’ ny fahafatesana ireo kristiana izy, dia nisambotra azy ireo ary nampiditra azy ieo am-ponja, hatramin’ ny lehilahy sy vehivavy maro, ary raha nandeha tamin’ ny lalana ho any Damaskosy izy, dia nisy mazava lehibe avy any an-danitra namirapiratra tampoka nanodidina azy, ary Jesosy nanambara ny tenany taminy ka nampahafantatra azy fa Izy no Ilay Zanak’ Andriamanitra. Satria nitory an’I Jesosy tamin-kasahiana I Saoly, dia nahasarika olona. Nanana fahalalana mikasika ny Soratra Masina izy ary taorian’ny fiovam-pony dia hazavana avy any an-danitra no nanazava ireo faminaniana mikasika an’I Jesosy izay nahatonga azy afaka maneho mazava sy tamin-kasahiana ny fahamarinana, sy nanitsy ireo Soratra Masina izay efa nihasimba. Satria nitoetra taminy ny Fanahy Masina, dia afaka nitondra ireo mpihaino azy tamin’ny fomba mazava sady feno hery sy fanazavana mandresy lahatra tany amin’ny fotoana izay niavian’I Kristy voalohany izy tamin’ny alalan’ireo faminaniana ka nampiseho azy ireo fa tanteraka ny Soratra Masina mikasika ny fijalian’I Kristy, ny fahafatesany ary ny fitsanganany tamin’ny maty. Jereo Asan’ny Apostoly toko .9HM58 37.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents