Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

«Hery Mifanandrina»

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "undefined".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 12 - Ireo Mpianatr’i Kristy

    Tamin-kery lehibe no nitorian’ireo mpianatra ilay Mpamonjy voahombo sy nitsangana tamin’ny maty. Nanao famantarana sy fahagagana maro tamin’ ny Anaran’ I Jesosy izy ireo nanasitrana ny marary izy ireo, ny sasany izay nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny dia niverina tamin’ny laoniny indray, salama tsara, ka dia niaraniditra tamin’izy ireo tao an-tempoly, niantsambotra sy nijoro sady nidera an’Andriamanitra teo imason’ny vahoaka manontolo. Niely ny vaovao, ary dia nanomboka nitangorona manodidina ny mpianatra ireo vahoaka. Maro ireo niara-nirohotra, talanjona sy gaga tokoa noho ireo fahasitranana nitranga.HM58 34.1

    Rehefa maty I Jesosy dia nieritreritra ireo lohan’ny mpisorona fa tsy hisy fahagagana hitan’izy ireo intsony eo amin ireo mpianatra, ary ho foana ireo fitalanjonana ka dia hiverina indray amin’ireo fampianaran’olombelona ny vahoaka. Nefa, indro ! teo afovoan’izy ireo mihitsy, no nanaovan’ireo mpianatra fahagagana, ary fahagagana no nameno ny fon’ireto vahoaka, ka dia nibanjina azy ireo tamim-pitalanjonana. Nohomboana I Jesosy ary dia nanontany tena izy ireo hoe: fa avy taiza ary no nahazoan ireo mpianatra an’io fahefana io. Tamin’ny fahavelomany dia nieritreritra izy ireo fa Izy no nanome fahefana ireo mpianany. Nefa rehefa maty I Jesosy dia nanantena izy ireo fa hitsahatra ireo fahagagana. Fantatr’I Petera ny fahasahiranan’izy ireo ka hoy izy taminy: “Ry lehilahy Israely, nahoana no talanjona amin’izany hianareo ? Ary nahoana no mandinika anay hianareo toa herinay no fahamasinanay no nanaovanay azy ho afa-mandeha ? Andriamanitr’I Abrahama sy Isaka ary Jakoba, Andriamanitry ny razantsika no nanome voninahitra an’I Jesosy Zanany, Izay notolotrareo sy nolavinareo teo anatrehan’I Pilato, rehefa nokasainy halefa. Fa hianareo nandà Ilay Masina, sy marina ary mpamono olona no nangatahinareo halefa ho anareo, fa ny Tompon’ny aina kosa no novonoinareo; fa Izy natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty ary vavolombelon’izany izahay. Ary ny anarany no nampantanjaka io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io noho ny finoana ny anarany; eny ny finoana izay azo amin’ny alalany no nahazoany izao fahasitranana tsara eto imasonareo rehetra izao.HM58 34.2

    Tsy zakan’ireo lohan’ny mpisorona sy ny loholona ireo teny ireo. Araka ny baikony nosamborina ny mpianatra ka natao ny tao an-trano-maizina. Kanefa an’arivony no niova fo sy nino ny fitsanganan’I Kristy sy ny fiakarany avy tamin’ny alalan’ny toriteny iray fotsiny nataon ireo mpianatra. Nikorontana ny lohan’ny mpisorona sy ny loholona. Namono an’I Jesosy izy ireo ka dia mety hivadika amin’izy ireo ihany ny vahoaka; niharatsy noho ny teo aloha ny fandehan-javatra. Nomelohin’ny mpianatra am-pahibemaso ankehitriny fa izy ireo no namono an’ilay Zanak’Andriamanitra, ary tsy takatry ny sain’izy ireo intsony ny mety hielezan’izany na hoe inona no tokony hataon’izy ireo mba hanajan’ny vahoaka azy ireo. Mahafaly azy ireo mihitsy ny hamonoana an’ I Petera sy I Jaona, saingy tsy sahy izy ireo fa natahotra ny vahoaka. Ny andro manaraka, dia niantso ny mpianatra izy ireo ka dia nentina teo anoloan’ny filan-kevitra ireo. Ary tamin’izay fotoana izay teo ireo olona izay tena niantsoantso tamin-kafanam-po nangataka ny ran’Ilay Marina. Nandre ny fandavan’I Petera an’I Jesosy tamin-kanosana izy ireo, niaraka tamin’ny fianianana sy fiozongozonana nataony raha nohelohina ho iray tamin’ireo mpianatra izy. Nieritreritra ny hampahatahotra an’I Petera izy ireo, kanefa efa niova fo izy ankehitriny. Fotoana fanararaotra no nomena an’I Petera teto mba hanandratany an’I Jesosy. Nandà an’I Jesosy indray mandeha izy; fa ankehitriny dia afaka manaisotra loton’ ny tsy fieritreretany, ny fandavana tamin-hakanosàna izy, ary manome voninahitra Ilay Anarana izay nolaviny. Tsy misy tahotra omban-kanosana intsony nanjaka tao am-pon’I Petera. Fa tamim-pahasahiana masina, ary avy tamin’ny herin’ny Fanahy Masina no nilazany tamin’izay, tsy amim-pihambahambana fa: ” Ny Anaran’I Jesosy Kristy avy any Nazareta, izay nohomboanareo tamin’ny hazo fijaliana, fa natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty kosa, dia Izy no itsanganan’io lehilahy io finaritra eto imasonareo. Jesosy no Ilay vato izay nolavinareo mpanao trano, nefa tonga fehizoro. Ary tsy misy famonjena amin’ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena.”HM58 34.3

    Talanjona ny vahoaka tamin’ny fahasahian’I Petera sy I Jaona. Fantany tsara fa efa niaraka tamin’I Jesosy izy roa lahy; Satria ny fitondran-tenan’izy ireo dia mendrika sady tsy nisy tahotra dia tena mitovy tokoa tamin’ny endrik’I Jesosy raha nenjehin’ireo mpamono Azy Izy. Jesosy tamin’ny alalan’ny fijery iray izay feno indrafo sy alahelo no nanome hery an’I Petera indray taorian’ny nandavany Azy, ary ankehitriny satria nanaiky an’ny Tompony am-pahibemaso tamim-pahasahiana I Petera, dia nankasitrahana sy notahina. Ho famantarana ny fankasitrahan’I Jesosy, dia nofenoina Fanahy Masina izy.HM58 34.4

    Tsy sahin’ireo lohan’ny mpisorona ny nampiharihary ny fankahalana ny mpianatra tao am-pon’izy ireo. Ao amin’ ny filan-keviny no amoahany azy ary mifanpilaza izy ka nanao hoe: “Hataontsika ahoana ireo lehilahy ireo? Fa efa nanao famantarana malaza tokoa izy, ary fantatry ny mponina rehetra eto Jerosalema izany ka tsy azontsika lavina.” Natahotra ny hielezan’io asa tsara io ho amin’ ny vahoaka izy ireo. Fa raha miely izany, dia ho very ny fahefan’ ireo mpisorona, ary dia hihevitra azy ireo ho mpamono an’I Jesosy ny olona. Na dia izany aza ny hany zavatra sahin’izy ireo natao dia ny nandrahona ireo apostoly ary nandidy azy ireo mba tsy hiteny amin’ny anaran’I Jesosy intsony fa raha tsy izany dia ho faty izy ireo. Fa Petera nanambara taminkasahiana fa tsy afaka ny hangina ny amin’ireo zavatra izay efa hitany sy reny izy.HM58 34.5

    Noho ny herin’I Kristy, dia nanohy nanasitrana hatrany ireo narary izay nentina teo aminy, ny mpianatra. Nivadi-po ireo lohan’ny mpisorona sy loholona ary ireo izay niray petsapetsa tamin’izy ireo. Isan’andro dia anjatony maro no nirotsaka an-daharana eo ambanin’ny sain’ilay Mpamonjy nohomboana, nitsangana ary nakarina any an-danitra. Ny mpisorona sy ny loholona ary ireo voataonany manokana hiaraka amin’ izy ireo dia lasa mivadi-po. Nampidiriny am-ponja indray ireo Apostoly dia nanantena izy ireo fa hijanona ny fihetsiketsehana. Nandresy I Satana; ka dia nihiram-pandresena ireo anjeliny ratsy. Kinanjo, nirahina ny anjelin’Andriamanitra mba hanokatra ny varavaran’ny tranomaizina, ary nifanohitra tamin’ ny baikon’ ireo mpisorona-be sy ny loholona, nandidy azy ireo ny anjely mba handeha ho any an-tempoly ka hilaza ny teny rehetran’ity fiainana ity. Nivory indray ny filan-kevitra (Synedriona) ka nampiantso ireo voafonjany. Nosokafan’ny mpiandry raharaha ny varavaran’ny trano maizina saingy tsy teo ireo gadra izay notadiavin’izy ireo. Niverina indray tany amin’ny mpisorona sy loholona izy ireo ary nilaza taminy hoe: “Ny trano maizina dia hitanay mihidy tsara ary ny mpiambina mitsangana eo am-baravarana; kanefa nony novohanay, dia tsy nahita olona tao izahay.” Dia nisy tonga ka nilaza taminy hoe: ” Ireny lehilahy izay nataonareo tao an-tranomaizina ireny, dia indreo izy mitsangana eo an-kianjan’ny Tempoly ka nampianatra ny olona. Dia lasa ny lehiben’ny mpiambina sy ny mpiandry raharaha ka nitondra azy, nefa tsy nanao mahery, satria natahotra ny vahoaka izy, fandrao hotorahany vato. Ary rehefa nentiny, dia napetrany teo anatrehan’ny Synedriona ireo, ary ny mpisorona be nanontany azy ka nanao hoe: “efa noraranay mafy dia mafy hianareo tsy hampianatra amin’izany anarana izany; kanjo, indro efa nofenoinareo ny fampianaranareo Jerosalema, ka tianareo hankinina aminay ny ran’izany Lehilahy izany.”HM58 34.6

    Nihatsaravelatsihy izy ireo, ary tia ny deran’olombelona noho ny fitiavana an’Andriamanitra. Nohamafisina ny fon’izy ireo, ka ny asa mahagaga indrindra izay nataon’ireo Apostoly dia tsy nisy dikany afa-tsy ny nahatonga azy ireo ho romotra. Fantatr’izy ireo mantsy fa raha mitory an’I Jesosy, ny fanomboana Azy, ny fitsanganany ary ny fiakarany ny mpianatra, dia hiampanga azy ireo ho mpamono Azy izany. Tsy maniry hangetaheta intsony ny ran’I Jesosy ho amin’ izy ireo tahaka ny tamin’ilay niantsoantsoan’izy ireo tamin-kafanam-po hoe: “Aoka ny rany ho aminay mbamin’ny zanakay”HM58 35.1

    Nanambara tamin-kasahiana ny Apostoly fa tokony hankato an’Andriamanitra mihoatra noho olona izy ireo. Ary hoy I Petera: “Andriamanitry ny razantsika efa nanangana an’I Jesosy, Izay novonoin’ny tananareo nahantonareo teo ambonin’ny hazo. Izy nasandratry ny tanana ankavanan’ Andriamanitra ho Tompo sy Mpamonjy, hanome fibebahana sy famelan-keloka ho an’ny Israely. Ary izahay dia vavolombelon’izany zavatra izany, ary ny Fanahy Masina koa, izay efa nomen’Andriamanitra ny manaiky Azy. Ary raha nandre izany teny izany izy ireo dia lotika ny fon’ireo mpamono ireo. Niriany ny handoto ny tanany indray amin’ny rà amin’ny famonoana ny Apostoly. Raha teo am-pandihana ny fomba hanantanterahana ny fikasany izy ireo dia nirahina ny anjelin’Andriamanitra iray mba hanendry ny fon’I Gameliela mba honoro hevitra ireo lohan’ny mpisorona sy ireo mpanapaka. Dia hoy I Gamaliela: “Mandefera amin’ireo olona ireo, ka avelao ihany izy; fa raha avy amin’olona izao saina na asa izao dia ho foana; fa raha avy amin’Andriamanitra kosa izao dia tsy ho azonareo foanana, sao dia miseho ho mpiady amin’Andriamanitra ianareo. Nandrisika ireo mpisorona sy ny loholona ny anjely ratsy mba hamono ireo Apostoly, saingy naniraka ny anjeliny Andriamanitra mba hanakanana izany, tamin’ny alalan’ny fampisondratana ny feon’ilay naman’izy ireo ihany, ho an’ny mpianatra.HM58 35.2

    Mbola tsy vita ny asan’ireo Apostoly. Tokony niseho teo anatrehan’ny mpanjaka izy ireo mba hijoro vavolombelona amin’ny anaran’I Jesosy, mba hanaporofoana ireo zavatra hita sy ren’izy ireo. Mifanohitra amin’ ny sitra-pon ireo, dia nandefa azy ireo handeha ny lohan’ny mpisorona sy ny loholona, taorian’ ny nikapohany azy ireo tamin’ ny tsora-kazo sady nandrara azy ireo tsy hiteny amin’ny anaran’I Jesosy intsony. Ary ireo dia niala teo anatrehan’ny Symedriona sady faly, satria natao miendrika hitondra fahafaham-baraka ho voninahitr’izany anarana izany. Ary tsy nitsahatra nanohy ny asany izy ireo, nampianatra sy nitory tao antempoly sy tao amin’ ny isan-trano izay nanasa azy ireo. Nitombo sy niely ny tenin’Andriamanitra. Nanetsika ireo lohan’ny mpisorona sy ny loholona I Satana mba hanakarama ny mpiambina romana mba hilaza lainga hoe ny mpianatra no nangalatra ny fatin’I Jesosy raha sendra natory izahay. Tamin’ny alalan’izany lainga izany no nanantenan’izy ireo fa ho afaka hanafina izany fahamarinana izany; kinanjo indro ny fitsanganana mahery nanodidina azy ireo dia ny fiharihariana lehiben’ ny fitsanganan’ I Jesosy tamin’ ny maty. Tamin-kasahiana no nanambaran’ny mpianatra izany, ary ny nijoroany vavolombelon’ ireo zavatra hitany sy reny; ary avy tamin’ny anaran’I Jesosy no nahavitan’izy ireo fahagagana lehibe maro. Tamin-kasahiana koa no nametrahan’izy ireo ny ran’I Jesosy teo amin’ireo izay naniry fatratra ny nandray izany raha navela hanana fahefana tamin’ ny famonoana an’ Ilay Zanak’Andriamanitra izy ireo.HM58 35.3

    Hitako fa ny anjelin’Andriamanitra dia nirahina mba hiahy manokana sy hiambina ireo fahamarinana lehibe sady masina ireo izay nilaina nandritry ny taon-jato maro mba ho vato fantsika hihazona ny mpianatr’I Kristy tamin’ireo taranaka nifandimby.HM58 35.4

    Nitoetra indrindra tao amin’ireo Apostoly izay nijoro vavolombelon’ny famantsihana an’I Jesosy tamin’ny hazo fijaliana, ny fitsanganany tamin’ny maty ary ny fiakarany ny Fanahy Masina, izany hoe : fahamarinana lehibe nitranga izay fanantenan’ Israely. Ny rehetra tamin’izany dia tokony hijery ny Mpamonjin’izao tontolo izao ho toy ny hany fanantenana tokana ho azy ireo ary mandeha amin’ny lalàna izay nosoritan’I Jesosy tamin’ny alalan’ny fanaovana fanatitra ny tenany mihitsy ary ny hitandrina ny lalan’Andriamanitra mba ho velona. Hitako ny fahendren’I Jesosy sy ny fahatsarany tamin’ny nanomezany fahefana ireo mpianatra mba hanohy ilay asa izay nataon’ ny Tenany ihany, izay nahatonga ny Jiosy hankahala sy hamono Azy. Noho ny anarany ( Jesosy ) dia nanana fahefana tamin’ asan’ I Satana izy ireo. Nanao famantarana maro sy fahagagana maro tamin’ny anaran’I Jesosy izy ireo Jesosy izay natao tsinotsinona ary maty novonoin’ireo tanana tian-drà. Avan ‘ny hazavana sy voninahitra no namirapiratra tamin’ny fotoana izay nahafatesan’I Jesosy sy ny nitsanganany tamin’ny maty , izay mampaharitra mandrakizay ireo fahamarinana masina fa Izy no ilay Mpamonjy an’izao tontolo izao .HM58 35.5

    Jereo Asan’ny Apostoly toko 3-5HM58 35.6

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents