Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

«Hery Mifanandrina»

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 32 - Ny Fikororona

    Nahita ireo mpino sasany izay nanana finoana lehibe aho izay niantso tamim-pitarainana, mifandahatra tamin’Andriamanitra. Hatsatra ny endriny, maneho fanahiana lalina ary ny tolon’ireo ao anatiny ao. Naneho zotom-po sy tsy fivadibadihana lehibe izy ireo; dinitra lehibe no nipotrapotraka tamin’ny handrin’izy ireo . Indraindray nazavan’ny mariky ny fankasitrahan’Andriamanitra ny tarehiny, nefa vetivety dia tafalatsaka toy ny teo amin’ ny toetra feno zotom-po, sy fanahiana lehibe ary ny havesarana.HM58 68.4

    Nihazakazaka ireo anjely ratsy nanodidina sy nandroboka azy ireo tao anatin’ny haizina, amin’izay ny mason’izy ireo voasariky ny haizina ka tsy hahita an’i Jesosy ary amin’izay dia ho afaka hitondra azy ireo ho amin’ny fahaverezam-pitokisana ary ny fimonomononana ny Aminy. Ny hany fiarovana tokana ho azy ireo dia ny mampanandrify ny masony hijery any ambony. Tompon’andraikitra amin’ny fiarovana ny vahoakany ireo anjelin’Andriamanitra, ary rehefa voampoizin’ireo anjely ratsy ny rivotra manodidina azy ireo dia ireo izay ao anatin’ny fahoriana mafy, ary akopakopany hatrany hatrany ireo elany mba hisavan’ireo haizina matevina manodidina azy ireo.HM58 68.5

    Nanohy ny fifonany tamin’ny Tompo ireo mpino, indraindray misy hazavana avy amin’I Jesosy, tonga hatreo amin’izy ireo mba hampahery azy ireo; ka dia nohazavaina ny tavan’izy ireo. Hitako fa tsy mba nandray anjara tamin’ ity asa fitarainana sy fanelanelanana ity ny sasany. Toa tsy miraika sy tsy manana fanahiana ny amin’ireo zavatra manodidina azy ireo akory ny fijery azy ireo. Tsy mba nanohitra ireo haizina nanodidina azy izy ireo, ka nampihitsoka azy ireo tahaka ny rahona matevina izany. Ary tamin’izany dia navelan’ireo anjelin’Andriamanitra ho amin’ny adiny samirery izy ireo, fa nandeha kosa nanampy ireo nivavaka tamin-kafanam-po izy ireo. Hitako ireo anjelin’Andriamanitra nandeha faingana mba hanampy ireo rehetra izay nitolona tamin’ny heriny rehetra mba hanoherana ireo anjely ratsy, ka nanandrana ny hanampy ny tenany manokana tamin’ny alalan’ny fitalahoana mafy amin’Andriamanitra tamim-paharetana. Fa ny anjelin’ny lanitra dia namela ireo izay tsy mba nanao fiezahana mihitsy mba hanampy ny tenany, ka dia tsy hitako intsony izy ireo.HM58 68.6

    Raha mbola manohy ny antsony tamin-kafam-po ireo mpivavaka ireo dia tamin’izay fotoana izay no nahatongavan’ilay tara-pahazavana avy tamin’I Jesosy, ka nampahery ny fony sy nanazava ny endriny.HM58 69.1

    Nanontany ny dikan’ilay fikororoana izay hitako aho. Dia novaliana aho fa vokatry ny toro-hevitr’Ilay Vavolombelona mahatoky sy marina ho an’ny fiangonan’ny Laodikia. Hisy vokany amin’ny fon’ireo mpandray ilay toro-hevitra izany, ary hitarika azy ireo hampirehitra ny fahamarinana. Ny sasany kosa tsy hanaiky ity fijoroana vavolombelona marina ity. Hitsangana hanohitra izany izy ireo ka hahatonga fikororoana eo amin’ny vahoakan’Andriamanitra izany.HM58 69.2

    Hitako fa tsy notandremana afa-tsy tapany fotsiny ilay fijoroana Vavolombelon’Ilay marina. Notandremana tamim-pahamaivanana ilay fijoroana vavolombelona lehibe izay iankinan’ny ho anjaran’ny fiangonana raha tsy izany dia nohamavoina mihitsy aza. Tsy maintsy mitondra ho amin’ny fibebahana lalina ity fijoroana vavolombelona ity ary ireo rehetra izay mandray izany marina tokoa dia hitandrina izany ka hodiovina.HM58 69.3

    Hoy ny anjely: “Henoy ! Tsy ela akory dia nahare feo tahaka ny zava-maneno maro aho, niara-niredona tamim-pirindrana, sy tamim-pahalefahana tanteraka sady nahafinaritra. Nihoatra noho ny feon-java-maneno rehetra izay mbola tsy ary reko izany. Toa feno famindram-po sy fangaroham-po ary fifaliana masina manandratra izany. Niontana ery ny tenako iray manontolo. Hoy ny anjely: “Jereo, nifantoka tamin’ny ilan’ny vondrona izay hitako talohan’ izao ny fifantohako, ireo izay nandalo fanasivanana mampatahotra. Naseho ahy ireo olona izay hitako taloha nitomany sy nivavaka tamin’ny fahoriam-panahiny. Hitako fa nitombo avo roa heny ny vondron’ny anjely mpiambina nanodidina azy ireo ary notafiana fiarovana hatrany an-doha ka hatrany am-paladia izy ireo. Tamim-pilaminana tanteraka no nihetsehan’izy ireo sady tahaka ny antoko miaramila. Nampiseho ny ady mafana izay niaretan’izy ireo sy ireo tolona mampatahotra izay nolalovany ny endriny.HM58 69.4

    Nefa, namirapiratry ny fahazavana sy ny voninahitry ny lanitra ankehitriny ilay endrika nisoritry ny ahiahy tao anaty mamaivay. Azon’izy ireo ny fandresena, ary fankasitrahana farany izay lalina indrindra sy fifaliana masina no nipololotra avy tamin’izy ireo.HM58 69.5

    Nihena ny isan’ny olona tao anatin’ity vondrona ity. Ny sasany nesorin’ny sivana ary navela teny antsisin-dalana. Ireo izay tsy miraika sy tsy nisy fanahiana izay tsy mba nanatona ireo izay nankamamy ny fandresena sy ny famonjena ka nitaraina, ary nangataka izany tamin-paharetana, dia tsy mba nahazo izany, ary navela tao aoriana ao anatin’ny haizina ary nofenoin’ireo hafa izay nandray tsara ny fahamarinana sy niditra andaharana ny toeran’izy ireo. Nandondona hatrany manodidina azy ireo ny anjely ratsy, nefa tsy nanana fahefana na dia kely taminy izy ireo.HM58 69.6

    Nahare ireo izay nitafy ny fiadiana fiarovan-tena aho nilaza ny fahamarinana tamin-kery lehibe. Nisy fiantraikany izany. Nahita ireo maro izay voatana aho, ny sasany tamin’ny ireo vehivavy voatifitry ny vadiny, ary ny ankizy sasantsasany voatifitry ny ray aman-dreniny. Ireo mahatoky izay voatazona na voasakana tsy hiaina ny fahamarinana, indro ankehitriny fa nandray tsara ilay fahamarinana nolazaina tamim-pahadodoana. Lasa ny fahatahorany rehetra an’ireo fianakaviany. Ny fahamarinana irery ihany no zava-dehibe taminy. Nisy vidiny sy sarobidy kokoa taminy noho ny ainy izany. Noana sy nangetaheta ny fahamarinana izy ireo. Nanontany ny antony nahatonga izao fiovana lehibe izao aho. Namaly ahy ny anjely iray hoe: “Ny ranon’orana farany, no nahatonga ny famelombelomana avy amin’ny fanatrehan’ny Tompo, ny antso avon’ny anjely fahatelo.HM58 69.7

    Hery lehibe no nomba an’ireo voafidy. Hoy ny anjely “Henoy! Mitodika amin’ireo ratsy fanahy sy tsy mpino indray izao ny fifantohako. Navitrika avokoa izy ireo, ilay zotom-po sy hery izay miaraka tamin’ny vahoakan’Andriamanitra no namoha azy ireo, ka nahatonga azy ireo ho tezitra mafy. Ny fikorontanana no nanjaka teny rehetra eny. Hitako fa nisy fepetra noraisina hanoherana an’ilay vondron’olona izay nifaly amin’ny fahazavana sy ny herin’Andriamanitra. Nihamatevina ny haizina manodidina azy ireo kanefa na dia izany aza nijoro izy ireo nankasitrahan’Andrimanitra no sady mametraka ny fitokisany taminy izy ireo. Hitako fa very hevitra izy ireo; nony avy eo, dia nandre azy ireo miantso an’Andriamanitra tamin’ny hafanam-po aho. Nandritry ny andro aman’ alina dia tsy nitsahatra ny fiantsoantsoana. Izao no teny reko: “Andriamanitra Ó, hatao anie ny sitraponao!” Raha izany no ahafahana manome voninahitra ny anaranao, mamoha lalana hamonjena ny vahoakanao. Afaho amin’ireo jentilisa mihaodihaody manodidina anay izahay. Nanapa-kevitra sy hamono anay izy ireo; kanefa afaka mitondra famonjena ho anay ny tananao.ireo ihany no hany teny mba voatanako. Toa manana kevi-dalina ny amin’ny tsy fahamendrehany sy mampiseho ihany koa ny fanekeny tanteraka ny sitrapon’Andriamanitra izany. Kanefa, tahaka an’i Jakoba, ny tsirairay tsy an-kanavaka dia nitalaho ny fanafahana ary nitolona mba hahazoany an’izany.HM58 69.8

    Fotoana fohy taoriana kelin’ny nanomboany ny fitalahoana mafana izay nataony tamin’i Jehovah dia maniry ny hanafaka azy ireo am-pitiavana ireo anjely. Nefa ilay anjely mahery izay nibaiko azy ireo dia tsy namela azy ireo hanao izany. Dia nilaza tamin’ireo isy hoe: “Tsy mbola tanteraka ny sitrapon’Andriamanitra. Ary tsy maintsy misotro amin’ ny kapoaka izy ireo. Ary atao batisa amin’izany batisa izany”HM58 70.1

    Tsy tapitapitr’izay dia nahare ny feon’Andriamanitra aho nanozongozona ny lanitra sy ny tany ka nisy horohoron-tany lehibe. Vohaozongozona ireo trano lehibe ka mirodana etsy sy eroa.HM58 70.2

    Nony avy eo dia nahare hiakam-pandresena mafy mirindra tsara sy mazava aho. Nijery an’ity vondrona ity izay tao anatin’ny fahoriana sy fitolokoana ary fanandevozana fotoana vitsy monja taloha izao aho.HM58 70.3

    Nitsahatra ny fahababoany . Namirapiratra teo amin’izy ireo ny fahazavana be voninahitra. Nahafinaritra mihitsy ny fahitana azy ireo! Lasa daholo ireo soritry ny harerahana sy ny fitebitebena. Ka fahasalamana sy fahatsarana no hita teo amin’ny endriky ny rehetra. Nianjera tahaka ny maty ireo fahavalony jentilisa nanodidina azy ireo. Tsy nahazaka ilay hazavana namirapiratra teo amin’ireo olo-masina nafahana izy ireo. Nitoetra teo anivon’ilay hazavana sy voninahitra izy ireo mandra-pahitany an’I Jesosy avy eo amin’ny rahon’ny lanitra ary hovana ao anaty fotoana fohy indray mipi-maso, avy amin’ny voninahitra ho amin’ ny voninahitra ilay vondrona mahatoky sy voazaha toetra. Hisokatra ny fasana ary hivoaka ireo olo-marina hitafy ny tsy fahafatesana ary kikiaka hoe: “Fandresena ny fahafatesana sy ny fasana”. Ary nalaina hitsena ny Tompony eny amin’ ny habakabaka miaraka tamin’ireo olo-masina; raha mby teo am-bavan ‘ireo lelan’ny tsy mety maty rehetra nampanakoako mahafinaritra sy be voninahitra dia izay avy amin’ireo molotra masina sy voamasina.HM58 70.4

    Jereo Salamo faha 86; Hosea 6: 3; Hagay 2:21-23 ; Matio 10 : 35-39 ;20 2-3; Efesiana 6 : 10-18 ; 1 Telosianina 4: 14-18; Apokalypsy 3 : 14-22HM58 70.5

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents