Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

«Hery Mifanandrina»

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 13 - Ny Fahafatesan’i Stefana

    Nihamaro haingana ny isan’ny mpianatra tao Jerosalema. Nandroso ny tenin’Andriamanitra, ary maro tamin’ireo mpisorona no nankato tamin’ny finoana. Ary Stefana, feno fahasoavana sy hery, dia nanao fahagagana sy famantarana lehibe teo amin’ny vahoaka; Tezitra mafy ireo lohan’ ny mpisorona Jiosy raha nahita fa ireo mpisorona dia niala tamin’ireo fomba natolotry ny razan’ireo, sy ny fanatitra ary ny fisoronana ka nanaiky an’i Jesosy ho fanatitra lehibe. Nampirehetin’ ny hery avy any ambony, i Stefana dia naninitsiny an’ireo mpisorona sy loholona tsy mino, ary nanandratra an’I Jesosy teo anatrehan’izy ireo. Fa tsy nahatohitra ny fahendrena sy ny Fanahy izay nitenenany ireo, ary satria hitan’izy ireo fa tsy manan-kalahatra noho ny aminy, dia nanisi-bola olona mba hanao vavolombelona mandainga ireo izay nanao hoe: izy ireo nandre azy niteny ratsy nanohitra an’I Mosesy sy Andriamanitra. Nandrisika ny vahoaka izy ireo, ka nisambotra an’I Stefana, ary, avy tamin’ny alalan’ny fijoroana vavolombelona lainga, no nanamelohan’izy ireo Azy ho niteny ratsy ny tempoly sy ny lalàna. Noporofoin’izy ireo fa ren’izy ireo izy nilaza fa: ilay Jesosy avy any Nazareta dia handrava ny fomba izay natolotr’I Mosesy azy ireo ho lovany.HM58 36.1

    Ary izay rehetra nipetraka teo amin’ny Synedriona izay nanohitra an’I Stefana nahita ny hazavan’ny voninahitr’Andriamanitra tamin’ny endriny. Ny endriny dia nazava tahaka ny tarehin’anjely. Nitsangana tamim-pinoana feno sy Fanahy Masina izy ary, namaly ny amin’ ireo entana nanavesatra azy ka nanomboka tamin’ny andron’ireo mpaminany, dia nandalo tamin’ ny fanehoana ny tantaran’ ny zanak’ Isiraely sy izay rehetra nataon’ Andriamanitra ho azy ireo; ary naneho hoe, ahoana no anambaran’ ny faminaniana an’ I Kristy nitondra azy ireo tamin’ny fiavian’I Jesosy, ny namantsihana Azy teo amin’ny hazo fijaliana, ny fitsanganany tamin’ny maty ary ny fiakarany, ary naneho azy ireo ny tantaran’ ny tempoly, ary nanambara fa Andriamanitra dia tsy mitoetra ao amin’ ny tempoly nataon’ tanan’olona. Mivavaka amin’ ny tempoly mantsy ny Jiosy. Ary na inona na inona lazaina manohitra ny tempoly dia niteraka fahatezerana goavana teo amin’izy ireo noho ireo teny lazaina manohitra an’Andriamanitra. Nony milaza ny amin’i Kristy i Stefana ary milaza ihany koa ny amin’ ny tempoly, dia azony vinàny fa tsy mihaino ny vahoaka. Feno fahatezerana avy an-danitra ny fanahin’I Stefana dia niantsoantso nanakiana azy ireo nohon’ny haratsiam-panahy, ary noho ny tsy maha-voafora fo azy ireo, “hianareo, manohitra ny Fanahy Masina mandrakariva.” Nanaja ny fombafombam-pihavanana ivelany izy ireo, kanefa ny fon’izy ireo dia feno fahalovana sady feno hafetsena. Nilaza tamin’ireo Stefana ny amin’ny halozan’ireo razan’izy ireo tamin’ny nanenjehany ireo mpaminany,ary nambarany tamin’ ireo mpihaino azy fa ireo no manao fahotana bebe kokoa amin’ ny fandàvany sy fanomboany an’ i Kristy, ka nanao hoe: “Iza no mpaminany izay tsy nenjehin’ny razanareo ? Eny, novonoiny aza izay naminany, ny fiavian’ilay Marina; ary ankehitriny dia efa tonga mpamadika sy mpamono Azy hianareo.HM58 36.2

    Rehefa voalaza ireo fahamarinana tsotra sady maranitra ireo dia nisafoaka ireo lohan’ny mpisorona sy ireo mpanapaka; ka dia nihidy vazana tamin’I Stefana izy ireo.”Fa Stefana, feno ny Fanahy Masina dia nibanjina ny lanitra ka nahita ny voninahitr’Andriamanitra sy Jesosy nitsangana teo an-kavanan’Andriamanitra, dia nanao hoe: “Indro, hitako ny lanitra misokatra ary ny zanak’olona mitsangana eo an-kavanan’Andriamanitra.” Ary ny olona niantso tamin’ny feo mahery sady nanampin-tsofina ka indray nirodona taminy, dia nandroaka azy ho eny ivelan’ny tanàna ka nitora-bato azy; Dia nandohalika I Stefana, ka niantso tamin’ny feo mahery hoe: Tompo ó, aza atao ho helony anie izao ota izao.HM58 36.3

    Hitako fa Stefana dia olo-maherin’Andriamanitra, nitsangana manokana mba hitàna toerana goavana ao am-piangonana. Nihobim-pandresena I Satana raha voatora-bato ho faty I Stefana; satria fantany fa hahatsapa ny fahafenoany ny fatiantoka nahazo azy ny mpianatra. Kanefa fohy ny fotoana nadresen’I Satana; satria nisy iray tao anatin’ny fikambanana nijoro vavolombelon’ ny fahafatesan’I Stefana, izy no ilay nisehoan’I Jesosy, dia I Saoly avy any Tarsosy. Eny, fa na dia tsy nandray anjara tamin’ny fitoraham-bato an’I Stefana aza izy, dia nankasitraka ny namonoana Azy. Saoly dia nafana fo tamin’ny fanenjehana ny fiangonan’Andriamanitra, nihaza azy ireo, nidirany isan-trano sady nosarihany izy ireo ka dia nanolotra azy ireo ho amin’ireo izay maniry hamono azy ireo. Nampiasa an’I Saoly tamim-pahombiazana tokoa I Satana. Nefa Andriamanitra dia afaka mamotipotika ny fahefan’ny Devoly, ary manafaka ireo izay voafatony. Olona manan-talenta sy manampahaizana I Saoly, ary Satana nampiasa tamim-pahendrena ny talentany mba hanampiana ny fampandrosoana ny fikomiany mba hanoherana Ilay Zanak’Andriamanitra sy ireo izay nino Azy. Kanefa nifidy an’I Saoly Jesosy mba ho fantsona voafidy hitory ny Anarany, mba hampahery ny mpianatra amin’ny asany, ary maro noho ny teo ary hisolo ny toeran’I Stefana. Nataon’ireo Jiosy ho Zavatra lehibe I Saoly. Nahafinaritra azy ireo ny hafanam-pony sy ny fahaizany, kanefa nampihorohoro kosa ny maro tamin’ireo mpianatra.HM58 36.4

    Jereo Asan’ny Apostoly toko 6-7HM58 36.5

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents