Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hery Mifanandrina

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 15—Ny Baiboly sy ny tolompiavotana Frantsay

    Tamin’ ny taonjato fahenina ambinifolo, raha nanolotra Baiboly nisokatra ho an’ ny vahoaka ny Reformasiona dia nitady izay hahatafidirany tao amin’ ny tany Eoropeana rehetra. Nisy firenena nandray izany tamim-pifaliana, toy ny mpitondra hafatry ny lanitra. Tao amin’ ny tany hafa indray, dia nahomby fatratra ny fahefana papaly ka nahavoasakana ny fidirany; ary ny fahazavan’ ny fahalalana ny Baiboly sy ny hery manandratra miasa mangina avy aminy dia saiky foana tanteraka. Tao amin’ ny tany anankiray, na dia tafiditra aza ny fahazavana, dia tsy noraisin’ ny haizina. Nandritra ny taonjato maro, dia niady izay ho tompon-daka ny fahamarinana sy ny hevidiso. Nandresy ny ratsy nony farany ary voaroaka ny fahamarinan’ ny Lanitra. «Ary izao no fanamelohana, fa tonga amin’ izao tontolo izao ny mazava, nefa aleon’ ny olona ny maizina toy izay ny mazava» 1 Jao. 3 : 1 9 . Navela hijinja ny vokatry ny safidy nataony ny firenena. Nalana tamin’ ny vahoaka izay nanamavo ny fanomezan’ ny fahasoavana ny Fanahiny Izay fefy misakana ny ratsy. Navela ho tonga amin’ ny fahamasahany ny ratsy. Koa dia izao tontolo izao manontolo no mahita ny vokatry ny fitsipahana iniana ny fahazavana.HM 275.1

    Ny ady nanoherana ny Baiboly, izay natao nandritra ny taonjato maro tany Frantsa, dia tonga tamin’ ny fara-tampony teo amin’ ireo toe-javatra niseho nandritra ny Tolom-piavotana. Tsy inona io «rotaka» nahatsiravina io, fa vokatra ara-dalànan’ ny nanafoanan’ i Roma ny Soratra Masina. (Jereo Fanampiny). Izany no sary manaitra indrindra efa hitan’ izao tontolo izao ny amin’ ny vokatra azo avy amin’ ny foto-kevitra papaly — sary mampibaribary ny vokatra azo avy amin’ izay nokendren’ ny fampianaran’ ny Eglizin’ i Roma nandritra ny arivo taona mahery.HM 275.2

    Voalazan’ ny mpaminany mialoha ny fanafoanana ny Soratra Masina nandritra ny fotoana nananan’ ny papa fahefana fara-tampony; ary notondroin’ Ilay Mpanambara ny ho avy koa ny vokatra mahatsiravina izay hiseho indrindra tao Frantsa noho ny fanapahan’ ilay «lehilahin’ ota».HM 276.1

    Hoy ilay anjelin’ i Jehovah: «Flanitsaka ny tanàna roa amby efapolo volana izy. Ary homeko hery ny vavolombeloko roa, ka haminany enim-polo amby roan-jato amby arivo andro izy, sady hitafy lamba fisaonana. . . Ary rehefa tanteraka ny filazany dia hiady aminy kosa ilay bibi-dia miakatra avy amin’ ny lavaka tsy hita noanoa ka haharesy sy hahafaty azy. Ary ny fatiny hiampatra eny an-dalambe amin’ ny tanàna lehibe izay atao, araka ny hevi-panahy hoe Sodoma sy Egypta, sady tao koa no nanomboana ny Tompony tamin’ ny hazo fijaliana. . . Ary ny mponina ambonin’ ny tany mifaly azy ka hiravoravo ary hifanati-javatra izy, satria nampangirifiry ny mponina ambonin’ ny tany ireo mpaminany roa ireo. Ary rehefa afaka ny hateloan’ andro sy tapany, dia nisy fanahin’ aina avy tamin’ Andriamanitra niditra tao anatin’ ireo, ary nijoro tamin’ ny tongony izy,ka raiki-tahotra indrindra izay nahita azy». 2Apok. 11 : 2 - 11 HM 276.2

    Ny fotoana voambara eto — «roa amby efapolo volana» sy ny enimpolo amby roanjato amby arivo andro» — dia fotoana iray ihany mampiseho ny fotoan’ andro izay hiaretan’ ny flangonan’ i Kristy fahoriana noho ny amin’ i Roma. Nanomboka tamin’ ny taona 538 taorian’ i Jesosy Kristy ny 1260 taona nananan’ ny papa fahefana fara-tampony ary noho izany dia tokony ho niafara tamin’ ny 1798 (Jereo Fanampiny). Tamin’ io fotoana io dia nisy tafika frantsay niditra tao Roma, nisambotra ny papa izay maty tany an-tsesi-tany. Na dia nisy papa vaovao aza voafidy, fotoana fohy taorian’ izany, dia tsy afaka nampiasa intsony ny fahefana nananany teo aloha ny ambaratongam-pahefana papaly.HM 276.3

    Tsy nitohy lalandava nandritra ny 1260 taona tsy akory ny fanenjehana ny fiangonana. Noho Andriamanitra namindra fo tamin’ ny olony dia nohafoheziny ny fotoam-pitsapana mahamay niaretany. Raha nanambara mialoha ny «fahoriana lehibe» hianjady amin’ ny fiangonana ny Mpamonjy, dia nilaza hoe: «Ary raha tsy efa nohafohezina izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena, fa noho ny olom-boafidy dia hohafohezina izany andro izany». 3Mat. 24 : 22 Noho ny asa mangina nataon’ ny Reformasiona dia niafara talohan’ ny 1798 ny fanenjehana.HM 276.4

    Izao koa no nolazain’ ny mpaminany mikasika ireo vavolombelona roa: «Ireo ilay hazo oliva roa sy ilay fanaovan-jiro roa, izay mitsangana eo anatrehan’ ny Tompon’ ny tany». «Fanilon’ ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao», hoy ny mpanao Salamo.4Apok. 11 : 4 ; Sal. 119 : 105 Mampiseho ny Soratra Masina ao amin’ ny Testamenta Taloha sy Vaovao ireo vavolombelona roa. Samy vavolombelona lehibe momba ny fiaviana sy ny maha-mandrakizay ny lalàn’ Andriamanitra izy ireo. Ireo tandindona, ireo fanatitra sy ireo faminaniana ao amin’ ny Testamenta Taloha dia manondro mialoha Ilay Mpamonjy ho avy. Ireo Filazantsara sy ireo Epistily ao amin’ ny Testamenta Vaovao kosa dia milaza ny amin’ ny Mpamonjy izay tonga araka ny fomba indrindra nambaran’ ny tandindona sy ny faminaniana mialoha.HM 277.1

    «Haminany enimpolo amby roanjato sy arivo taona izy, sady hitafy lamba fisaonana». Nandritra ny ankabeazan’ io fotoana io dia nitoetra tao amin’ ny maizimaizina ka tsy nisy nahalalana firy ireo vavolombelon’ Andriamanitra. Niezaka nanafina ny tenin’ ny fahamarinana tsy hitan’ ny vahoaka ny fahefana papaly, ka vavolombelona sandoka no narosony teo anoloany hanohitra ny teny fanambarany (Jereo Fanampiny). Rehefa noraran’ ny fahefana ara-pivavahana sy ara-panjakana ny Baiboly; rehefa nolotoina ny fanambarany, ka natao ny ezaka rehetra izay azon’ ny olona sy ny demonia noforonina mba hampiodina ny vahoaka tsy ho amin’ izany; rehefa natao hazalambo ireo sahy nitory ny fahamarinany masina, navadika, nampijaliana, nalevim-belona tao amin’ ny efitra etin’ ny fonja, natao maritiora noho ny finoany, na voatery handositra tany amin’ ny lava-bato sy ny zohy — dia tamin’ izay fotoana izay no naminany sady nitafy lamba fisaonana ireo vavolombelona mahatoky. Nefa tsy nitsahatra ny fanambarany nandritra ny fe-potoana 1260 taona. Tamin’ ny fotoana maizina indrindra, dia nisy olona nahatoky izay tia an’ Andriamanitra sy saro-piaro tamin’ ny voninahiny. Ireo mpanompo mahatoky ireo dia nomena fahendrena, hery sy fahefana hanambara ny fahamarinana nandritra izany fotoana manontolo izany.HM 277.2

    «Ary raha misy ta-handratra ireo, dia misy afo mivoaka amin’ ny vavany ka mandany ny fahavalony, ary raha misy ta-handratra ireo dia tsy maintsy hovonoina toy izany koa izy».5Apok. 11 : 5 Tsy afaka hanitsakitsaka ny tenin’ Andriamanitra ny olona ka tsy hisy famaizana hihatra aminy. Voazava ao amin’ ny toko farany ao amin’ ny Apokalypsy ny hevitr’ io fiampangana mahatahotra io. «Izaho dia manambara amin’ izay rehetra mandre ny tenin’ ny faminaniana amin’ ity boky ity: Raha misy manampy ireo, Andriamanitra hanampy ireo loza voasoratra ato anatin’ ity boky ity ho azy; ary raha misy manaisotra amin’ ny teny amin’ ny bokin’ ity faminaniana ity, dia hesorin’ Andriamanitra ny anjarany amin’ ny hazon’ aina sy amin’ ny tanàna masina, dia izay zavatra voasoratra eto anatin’ ity boky ity»6Apok. 22 : 18 , 19 HM 278.1

    Izany no fampitandremana nomen’ Andriamanitra ny olona mba hiarovany azy tsy hanova na amin’ ny fomba inona na amin’ ny fomba inona izay nambarany na izay nandidiany. Ireo teny fiampan-gana mampieritreritra ireo dia mihatra amin’ izay rehetra mampiasa hery mangina avy aminy hitaomany olona hanamaivamaivana ny lalàn’ Andriamanitra. Ireny dia tokony hampahatahotra sy hampangovitra izay sahisahy foana milaza fa tsy dia misy antony firy na mankatò ny lalàn’ Andriamanitra na tsia. Izay rehetra manandratra ny hevitry ny tenany ho ambonin’ ny fanambarana nataon’ Andriamanitra, izay rehetra manova ny dika mazavan’ ny tenin’ Andriamanitra hifanaraka amin’ izay azoazon’ ny tenany, na mba hifanaraka amin’ izao tontolo izao, dia mandray andraikitra mampahatahotra ho an’ ny tenany. Ny teny voasoratra, ny lalàn’ Andriamanitra no hamantarana ny toetra amam-panahin’ ny olona tsirairay ka hanameloka izay rehetra hambaran’ ireo mpisedra tsy mety diso ireo fa latsa-danja.HM 278.2

    «Ary rehefa tanteraka ny filazany». Nifarana tamin’ ny 1798 ny fotoana izay haminanian’ ireo vavolombelona roa nitafy lamba fisaonana. Raha nihantomotra ny fiafaran’ ny asany tao amin’ ny mangingina, dia nitsangana hiady taminy ilay fahefana naseho ho toy «ny bibi-dia miakatra avy tamin’ ny lavaka tsy hita noanoa». Tao amin’ ny firenena maro tany Eoropa dia tamin’ ny alalan’ ny fahefana papaly no nifehezan’ i Satana ireo nanapaka ny fiangonana sy ny fanjakana. Nefa eto dia misy endrika vaovao isehoan’ ny herin’ i Satana.HM 278.3

    Efa tetik’ i Roma hatrizay, ny nanidy ny Baiboly tamin’ ny fiteny tsy fantatry ny vahoaka sy ny nanafina azy tsy ho hitany, mody hoe ho fanajana ny Baiboly. «Nitafy lamba fisaonana» ireo vavolombelona raha naminany fony tao ambany fanapahany. Fa misy hery hafa koa — «ilay bibi-dia miakatra avy amin’ ny lavaka tsy hita noanoa» hitsangana ka hiady mivantana amin’ ny tenin’ Andriamanitra.HM 278.4

    Ny «tanàna lehibe» izay namonoana ireo vavolombelona, ka ny fatiny dia niampatra teny amin’ ny lalambeny dia atao hoe Egypta, «araka ny hevi-panahy». Tamin’ ireo firenena rehetra nasehon’ ny tantara voarakitry ny Baiboly, dia i Egypta no sahy indrindra nandà ny fisian’ Andriamanitra velona sy nanohitra ny baikony. Tsy nisy mihitsy mpanjaka sahy nikomy nivantana sy nanangan-tsandry hanohitra ny fahefan’ ny lanitra tahaka ny nataon’ ny mpanjakan’ i Egypta. Rehefa nentin’ i Mosesy teo aminy tamin’ ny anaran’ i Jehovah ny hafatra, dia novalin’ i Farao tamin’ avona hoe: «Iza moa Jehovah, no hekeko teny handefasako ny Isiraely? Tsy fantatro izay Jehovah, ka tsy halefako ny Isiraely». 7Eks. 5 : 2 Tsy finoana ny fisian’ Andriamanitra izany, ary ny firenena izay asehon’ i Egypta dia hamoaka feo mitovy amin’ ny fandavana ny fitakian’ Ilay Andriamanitra velona ka hampiseho toe-tsaina tsy mino sady mihantsy toy izany,«Ilay tanàna lehibe» koa dia ampitahaina «amin’ ny heviny ara-panahy» amin’ i Sodoma. Ny faharatsian-toetran’ i Sodoma tamin’ ny fandikana ny lalàn’ Andriamanitra dia niseho indrindra tamin’ ny fahalotoampitondrantena. Ary io fahotana io koa no hisongadina eo amin’ ny toetry ny firenena izay hahatanteraka ny famirapiratan’ ireo tenin’ ny Soratra Masina ireo.HM 279.1

    Araka ny tenin’ ny mpaminany ary, fotoana fohy talohan’ ny 1798 dia hisy hery avy amin’ i Satana sy manahaka ny toetrany hitsangana ka hiady amin’ ny Baiboly. Ary ao amin’ ny tany izay hampanginana toy izany ny tenin’ ireo vavolombelona roa an’ Andriamanitra no hisehoan’ ny tsy finoana : Farao sy ny faharatsiam-pitondrantenan’ i Sodoma.HM 279.2

    Tanteraka tamin’ ny antsipiriany sy tamin’ ny fomba manaitra indrindra io faminaniana io teo amin’ ny tantaran’ i Frantsa. Nandritra ny «Révolution», tamin’ ny taona 1793, «no sambany nandrenesan’ izao tontolo izao ny fivorian’ olona, teraka sy nobeazina tao amin’ ny riba (sivilizasiona) sady nitana ny zo hifehy ny iray tamin’ ny kanto indrindra tamin’ ireo firenena Eoropeana, miara-manandra-peo handà ilay fahamarinana miezinezina indrindra izay eken’ ny fanahin’ olombelona, ka mivondrona handà ny finoana an’ Andriamanitra sy ny fivavahana aminy. —Sir Walter Scott,Life of Napoleon, boky 1, toko 17. Frantsa no hany firenena eto amin’ izao tontolo izao izay voarakitra an-tantara marina fa amin’ ny maha-firenena azy dia nanandra-tanana hikomy ankitsirano tamin’ Ilay Nahary izao rehetra izao. Sesehena ny mpiteny ratsy an’ Andriamanitra, sesehena ny tsy mino, nisy izany ary mbola misy ihany, any Angletera, any Alemaina, any Espaina, sy hatraiza hatraiza, fa niavaka indrindra i Frantsa teo amin’ ny tantaran’ izao tontolo izao, satria izy irery ihany no fanjakana nilaza tamin’ ny alalan’ ny Antenimierany mpanao lalàna fa tsy misy Andriamanitra, ary ho mariky ny fanekena an’ io fanambarana io dia nitoto rebika sy velon-kiram-pifaliana ny mponina rehetra tao an-drenivohitra sy ny ankabeazan’ ny mponina ivelan’ ny renivohitra na vavy nalahy». Blackwood’s Magazine, Novambra 1870.HM 279.3

    Hita tao Frantsa koa ireo toetra manokana izay nampiavaka indrindra an’ i Sodoma. Nandritra ny Tolom-piavotana dia nisy fitotonganan’ ny ara-pitondrantena, niseho mazava ny fahalovana, toetra tsy nisy valaka tamin’ izay nahatonga ny faharavan’ ny tanàna teny an-tany lemaka. Miaraka asehon’ ny manam-pahaizana amin’ ny tantaram-pirenena ny tsy finoana ny fìsian’ Andriamanitra sy ny faharatsiarm pitondrantena, araka ny voalaza ao amin’ ny faminaniana: «Nifandray akaiky tamin’ ireo lalàna nikasika ny fivavahana, ny lalàna nampihen-danja ny firaisana eo amin’ ny fanambadiana — izay fanekena masina indrindra azon’ ny olombelona ifanaovana ka ny tsy fiovany dia antoky ny fahamafisan’ ny fiaraha-monina — ka naetry ho fanekena ara-panjakana tsotra izany izay manam-petra ihany ka azon’ ny andaniny na ny ankilany idirana na ravana araka izay tiany. . . Raha nisy fahavalo niezaka sy niasa mafy nahita izay fomba mety indrindra hanapotehina izay mendri-piderana, feno fahasoavana sy maharitra ao amin’ ny fiainan-tokantrano, ary hahazo antoka hiaraka amin’ izany koa fa haharitra amin’ ny taranaka mifandimby ny fahavoazana nokendreny hoforonina, dia tsy ho afaka namolavola drafitra nahomby kokoa noho ny fanaovana tsinontsinona ny fanambadiana izy. . . I Sophie Arnoult, izay mpilalao an-dampihazo nalaza tamin’ ny hatsikana fanaony, dia nilaza ny fanambadiana repoblikana ho fanamasinana ny fijangajangana» — Scott, boky 1, toko 17.HM 280.1

    «Tao koa no nanomboana ny Tompontsika». Tanterak’ i Frantsa koa io filazana voasoritra mazava ataon’ ny faminaniana io. Tsy nisy tany nanehoana tamin’ ny fomba nanaitra kokoa ny teo-tsain’ ny fandrafiana an’ i Kristy. Tsy nisy tany nisetran’ ny fahamarinana fanoherana mangidy sy feno habibiana toy ny tao. Tamin’ ny fanenjehana nampiharin’ i Frantsa tamin’ ireo mpitory ny filazantsara, dia nanombo an’ i Kristy izy teo amin’ ny tenan’ ireo mpianany.HM 280.2

    Nandritra ireo taonjato maro nifandimby no nandatsahana ny ran’ ny olona masina. Raha nahafoy ny ainy ny Vaudois tany amin’ ny tendrombohitr’ i Piémont «noho ny tenin’ Andriamanitra sy ny filazana an’ i Jesosy Kristy» dia nisy fijoroana ho vavolombelon’ny fahamarinana toy izany koa nataon’ ireo rahalahiny Albigeois tany Frantsa. Tamin’ ny andron’ ny Reformasiona dia novonoina tamin’ ny alalan’ ny fampijaliana mahatsiravina ny mpanaraka izany. Ny mpanjaka sy ny andriandahy, ny andriambavy sy ny tovovavy meva, ireo tabiha sy reharehan’ ny firenena dia samy nanao ho toy ny hanim-py ny fijereny ny fialan’ ain’ ny maritioran’ i Jesosy. Ireo Fluguenots be herim-po, izay niady mafy ho an’ izay ataon’ ny fon’ olombelona ho masina indrindra, dia nandraraka ny rany teo amin’ ny saha fiadiana. Nesorina tsy ho ao ambany fiarovan’ ny lalàna nirehetan’ ny ady mangotraka maro, ny Protestanta notambazam-bola be izay nahafaty ny ainy, ary nohazaina tahaka ny bibi-dia izy ireo.HM 281.1

    Ilay «Fiangonana tany an-efitra», dia ireo olom-bitsy taranaka navelan’ ireo Kristiana tany aloha, izay mbola tafajanona tany Frantsa tamin’ ny taonjato fahavaloambinifolo, ary niery tany amin’ ireo tendrombohitra tany atsimo, dia mbola nankamamy fatratra ny finoan’ ireo razany. Raha nandeha tamim-pahasahisahiana hivory amin’ ny alina tany an-tehezan-tendrombohitra izy ireo na tany an-tanety mangina, dia nohazain’ ireo miaramila mpanenjika ka notaritarihiny ho amin’ ny fanandevozana nandritra ‘ ny fiainany hivoy sambo. Ny mendrika indrindra, sy ambony toetra ary ireo namirapiratra indrindra teo amin’ ny ara-tsaina tamin’ ny Frantsay, dia nogadrana tao anatin’ ny fampijaliana nampangirifiry loatra niaraka tamin’ ny mpangalatra sy ny mpamono olona. (Jereo Wylie, boky 22, toko 6.) «Ny sasany kosa, izay toa mba namindrana fo kokoa dia notifirina amin’ izao, tsy am-piadiana ary tsy nanampiaro, raha teo am-pandohalehana nivavaka. An-jatony ny zokiolona, ny vehivavy tsy afaka niaro tena sy ny zaza tsy manan-tsiny no nilaozana niampantrampatra teo amin’ ny toerana nivoriany ny fatiny. Raha nisy olona namakivaky ny tehezan-tendrombohitra na ny ala, izay toeram-pivoriana nahazatra azy, dia mazàna fahita isaky ny in-efatra mandingana, fatin’ olona nitsitra teny amin’ ny bozaka, sy nihantona teny amin’ ny hazo». Ny tanin’ izy ireo dia zary efitra midadasika sy mahonena noho ny nafitsoky ny sabatra, ny famaky sy ny antontan-kitay; «Tsy andro nanjakan’ ny faha- maizinana no nanaovana ireny habibiana ireny, fa tamin’ ny andro mamirapiratra nanjakan’ i Louis faha XIV. Nokolokoloina ny siansa tamin’ izany, nanorobona ny haisoratra; olona nahita fianarana sy nahay nandaha-teny no mpitondra fivavahana tao amin’ ny lapan’ ny mpanjaka sy tao an-drenivohitra, sady olona niseho nankamamy fatratra ny fahasoavan’ ny fahalemem-panahy sy ny fanaovan-tsoa».Ibid, boky 22; toko 7.HM 281.2

    Nefa ny maizina indrindra ao amin’ ny boky maizina firaketana ny heloka bevava, ny nampihoron-koditra indrindra amin’ ireo asan’ ny demonia rehetra tamin’ ireo taonjato nampivarahontsana ireo, dia ny fandripahana ain’ olona tamin’ ny Saint-Barthélemy. Mbola mampitsangam-bolo an’ izao tontolo izao mandrak’ androany ny fahatsiarovana ny toe-javatra mahatsiravina niseho tamin’ iny famonoan’ olona nitory hakanosana sy habibiana tsy roa aman-tany iny. Noho ny fampirisihin’ ireo pretran’ i Roma sy ireo mpitondra fivavahana ambony dia niseho ho nankasitraka an’ io asa mahavoafady io ny mpanjakan’ i Frantsa. Feon-dakolosy naneno tao anatin’ ny alina mangina no famantarana ny fiandohan’ ny famonoana. An’ arivony ny Protestanta, natory fehizay tany an-tokantranony, natoky ny teny nomen’ ny mpanjakany, no notaritarihina navoaka tsy nisy fampilazana mialoha ary naringana tsy nisy indra-fo.HM 282.1

    Tahaka an’ i Kristy izay mpitarika tsy hita maso ny vahoakany niala ny fanandevozana tany Egypta, dia toy izany koa i Satana no mpitarika tsy hita maso an’ ireo olom-peheziny teo amin’ ity asa mahatsiravina nampitombo isa ny maritiora ity. Nitohy nandritra ny hafitoana ny famonoana tao Parisy, ka ny hateloana voalohany tamin’ ny haromotana tsy takatry ny saina. Ary tsy tao amin’ io tanàndehibe io ihany, fa araka ny baiko manokana nomen’ ny mpanjaka, dia hanitatra hatrany amin’ ny faritany sy ny tanàna rehetra nahitana Protestanta koa izany. Tsy nananana antra na lahy na vavy. Na ny mena-vava tsy manan-tsiny na ny zokiolona fotsy volo dia naripaka avokoa. Ny andriana sy ny tantsaha, ny antitra sy ny tanora, ny reny sy ny zanany, dia samy nojinjaina avokoa. Nitohy nandritra ny volana roa ny fandripahana nanerana an’ i Frantsa. Fito alina no maty tamin’ ny tena olo-mangan’ ny firenena.HM 282.2

    «Rehefa tonga tany Roma ny vaovao momba ny fandripahana ain’ olona, dia tsy nisy fetrany intsony ny fifaliana teo amin’ ireo mpitondra fivavahana. Nomen’ ny Kardinaly de Lorraine valisoa lelavola arivo Couronnes *couronnes : vola fampiasa amin’ ny tany sasantsasany ilay mpitondra hafatra; nidoboka ny tafondron’ i Saint-Ange ho fiarahabana feno fifaliana; ary nampanenoina ny lakolosy tamin’ ny tilikambo rehetra; toa antoandro ny alina noho ny harendrina; ary Grégoire faha XIII, notronin’ ireo mpitondra fivavahana ambony hafa, dia nandeha nanao filaharana masina lavabe ho any amin’ ny fiangonan’ i Md Louis, ary teo ny Kardinalin’ i Lorraine no nihira ny Te Deum*Te Deum : hira fanomezam-boninahitra an’ Andriamanitra . . . Nisy medaly narendrika ho fahatsiarovana iny fandripahana ain’ olona iny, ary mbola hita ao Vatican ny sary mitohitohy nataon’ i Vasari, mampiseho ny fanafihana ny amiraly*amiraly : Amiraly Gaspard de Coligny, anankiray tamin’ ny filoha protestanta, ny mpanjaka nitetika nanomana ny vonoan’ olona niaraka tamin’ ny mpanolo-tsainy, ary ilay fandripahana ain’ olona. Nalefan’ i Grégoire ho an’ i Charles ilay raozy Volamena; ary efa-bolana taty aorian’ ilay fandripahana dia tamim-pankasitrahana no nihainoany ny toritenin’ ny pretra Frantsay iray. . . izay nilaza fa androm-pahasambarana sy firavoravoana feno io andro io, ka rehefa ren’ ny Ray Masina ny vaovao, dia nandeha nisaotra an’ Andriamanitra sy i masindahy Louis tamin’ ny fomba manetriketrika izy» Henry White,The Massacre of St. Bartholomew, toko 14, andininy 34.HM 282.3

    Ilay sain-dalina izay nampirisika ny fandripahana tamin’ ny Saint-Barthélemy ihany no nitarika koa ireo toe-javatra nandritra ny Tolom-piavotana. Nolazaina fa mpamitaka i Jesosy Kristy ary ny baiko nifanaovan’ ireo Frantsay tsy mpino dia ny hoe «Montsano Ilay Ratsy fanahy», mantsy an’ i Kristy. Nifanindran-dalana ny fitenenan-dratsy sahisahy atao amin’ ny lanitra sy ny faharatsiantoetra maharikoriko, ka ny olona ambany indrindra, ny olona maharikoriko sy biby toetra teo amin’ ny fahasiahany sy ny fahalotoany no nasandratra ho ambony indrindra. Tamin’ izany rehetra izany dia nomem-boninahitra i Satana fa i Kristy kosa nohomboana teo amin’ ny toetra mampiavaka Azy, dia ny fahamarinana, ny fahadiovan-toetra, sy ny fitiavana tsy mitady ny azy.HM 283.1

    «Hiady aminy ilay bibi-dia miakatra avy amin’ ny lavaka tsy hita noanoa ka haharesy sy hahafaty azy. Ady tamin’ Andriamanitra sy ny teniny masina izay tsy mbola natrehin’ izao tontolo izao na oviana na oviana no nataon’ i Frantsa nandritra ny Tolom-piavotana sy ireo andro nanjakan’ ny Horohoro. Ny Antenimieram-pirenena no nandrava ny fivavahana tamin’ Andriamanitra. Nangonina ny Baiboly dia nodorana ampahibemaso sady narahina fanevatevana araka izay azo natao. Nohosena teo ambanin’ ny tongotra ny lalàn’ Andriamanitra. Noravana ireo tsangambato naorin’ ny Baiboly. Nofoanana ny andro fialan-tsasatra isan-kerinandro, ary ho solon’ izany isaky ny hafoloana dia nisy andro natokana ho fanaranam-po sy fitenenan-dratsy ny anaran’ Andriamanitra. Norarana ny batisa sy ny kominio. Ary nasiana filazana niharihary teny amin’ ny toeram-pandevenana ho fanambarana fa torimaso mandrakizay ny fahafatesana.HM 283.2

    Nolazaina fa tena lavitra indrindra ny fiandoham-pahendrena ny fahatahorana an’ Andriamanitra fa io no fiandohan’ ny hadalana. Norarana ny fanompoam-pivavahana rehetra, afa-tsy izay natao hivavahana tamin’ ny fahafahana sy ny tanindrazana. Ny «evekan’ i Paris vita fianianana araka ny lalàm-panorenana vaovao no nasaina nandray anjara be indrindra tamin’ ny hatsikana feno hasahiana sy fanazimbazimbana izay tsy mbola natao mihitsy teo anatrehan’ ny solombavambahoaka. . . Nampanaovina filaharana «masina» araka ny fanao izy raha nankeo anatrehan’ ny Convention *Convention : fitondram-panjakana teteza-mita nandritra ny Tolom-piavotana frantsay mba hanambara fa ny fivavahana nampianariny nandritra ny taona maro, dia noforomporonin’ ny saim-petsin’ ny pretra fotsiny tamin’ ny lafiny rehetra, ary tsy misy fototra iorenany na eo amin’ ny tantara na eo amin’ ny fahamarinana masina. Nolaviny tamin’ ny teny miezinezina sy mazava, ny fisian’ Andriamanitra izay nanokanany ny fiainany hanompo Azy, ary nanolo-tena izy fa amin’ ny ho avy dia hanome voninahitra ny fahafahana, ny fitovian-jo, ny fahatsaran-toetra sy ny fitondrantena tsara. Dia napetrany teo ambony latabatra ny ravaka maha-eveka azy, ary dia nanoroka azy tamim-pirahalahiana ny filohan’ ny Convention. Maro ny pretra nihemotra nanaraka ny ohatr’ ity mpitondra fivavahana ambony ity». Scott, boky 1, toko 17.HM 284.1

    «Ary ny mponina ambonin’ ny tany mifaly azy ka ravoravo, ary hifanati-javatra izy, satria nampangirifiry ny mponina ambonin’ ny tany ireo mpaminany roa ireo». Nampangina ny feon’ ny vavolom-belona roa mpanameioka ny ratsy i Frantsa tsy nino an’ Andria-manitra. Nitsitra maty tany amin’ ny lalambeny ny tenin’ ny faha-marinana ka nitotorebika ireo izay nankahala ny fameperana sy ny fitakian’ ny lalàn’ Andriamanitra. Nihantsy ampahibemaso ny Mpanjakan’ ny lanitra ny olombelona. Tahaka ireo mpanota fahizay, dia niantso hoe izy: «Hataon’ Andriamanitra ahoanano fahalala? Ary manam-pahalalana va ny Avo Indrindra?»8sal.73:11 HM 284.2

    Tamin’ ny fitenenan-dratsy feno fahasahiana sarotra inoana no nitenenan’ ny pretra iray, araka ny fandaharana vaovao, nanao hoe: «Andriamanitra ò, raha misy Ianao, valio ny anaranao nalaim-baraka. Mihantsy Anao aho! Mangina Ianao; tsy sahinao ny mandatsaka ny varatrao. Iza indray ary izao no hino ny fisianao ?» Lacretelle,History pf Europe, boky 11, p. 309; hita ao amin’ ny bokin’ i Sir Archibald Alison, History of Europe, boky i, toko 10. Moa va tsy tena akon’ ilay fanontaniana napetrak’ i Farao izany, hoe :«Iza moa Jehovah, no hankatoavinay ny feony ?» «Tsy fantatro Jehovah».HM 285.1

    «Ny adala manao anakampo hoe: Tsy misy Andriamanitra»9Sal. 14 : 1 Ary izao no ambaran’ ny Tompo ny amin’ ireo mpanimbazimba ny fahamarinana: «Fa ny hadalany dia haseho amin’ ny olona rehetra». Rehefa nialan’ i Frantsa ny fanompoana an’ Andriamanitra velona, «dia Ilay avo sy manerinerina monina any amin’ ny mandrakizay», dia tao anatin’ ny fotoana kely foana dia nivarina ho amin’ ny fanompoan-tsampy nampietry izy tamin’ ny fivavahany tamin’ ny andriamanibavin’ ny Saina, izay nasehon’ ny vehivavy mpijangajanga iray. Ary izany dia natao teo amin’ ny fivorian’ ny solombavambahoaka, ka ny manam-pahefana ambony indrindra teo amin’ ny fitondrana sy ny mpanao lalàna no manao izany! Hoy ny mpitantara: «Ny iray tamin’ ireo lanonana natao tamin’ izany fotoana toa nahavery saina izany dia tapitr’ ohatra mihitsy tamin’ ny hadalana sy ny fanitsakitsahana ny fivavahana. Novohana midanadana ny varavaran’ ny «Convention» nidiran’ ny mpitendry zava-maneno, izay nialoha lalana ireo mambra ao amin’ ny antenimieran’ ny tanàna nilahatra tamin’ ny fomba manetriketrika nanao hira fiderana ny fahafahana ary nanotrona ilay nolazainy fa hivavahany amin’ ny ho avy, dia vehivavy nisarom-boaly nataony hoe «andriamanibavin’ ny Saina». Rehefa nentina teny anoloana izy, dia nalana tamin’ ny fomba manetriketrika ny voaliny, ka napetraka teo ankavanan’ ny filoha izy, ary tamin’ izay dia fantatry ny rehetra fa zazavavy mpandihy iray tao amin’ ny Opéra * Opéra:trano filanonana ao paris izy io. . . Io olona io, izay nolazaina fa mendrika indrindra hampiseho ilay saina ivavahany, dia nomen’ ny antenimieram-pirenena (Convention) frantsay voninahitra ampahibemaso».HM 285.2

    «Nanjary lasa lamaody io fihetsika fanazimbana fivavahana nahatsikaiky io, koa dia naverina sy nalain-tahaka nanerana ny firenena ny fametrahana ilay andriamanibavin’ ny Saina tany amin’ ny toerana rehetra izay nisy vahoaka te-hampiseho fa mendrika ny Tolom-piavotana izy». Scott, boky 1, toko 17.HM 285.3

    Hoy ilay mpandaha-teny raha nanolotra ny fivavahana amin’ ny Saina: «Ry mpanao lalàna! Niala mba hanome toerana ny fisainana mazava ny fitompoana tamin’ ny hevi-poana. Tsy nahazaka ny famirapiratry ny hazavana ny masony didy. Androany dia vahoaka marobe no tafavory eto amin’ ireto adohalambo marani-doha (gothiques) ireto, izay voalohany izao no nampanakoako ny fahamarinana. Teto ny vahoaka frantsay no nankalaza ny hany fivavahana marina — dia ny Fivavahana amin’ ny Fahafahana, ananan’ ny Saina mazava. Teto isika no nirary fahombiazana ho an’ ny fiadian’ ny Repoblikana. Teto no navelantsika ireo sampy tsy misy aina ka natakalontsika ny Saina, natakalontsika ity sary manan’ aina ity, dia ny sangan’ asan’ ny zava-boaary». M. A. Thiers.History of the French Revolution, boky 2, p. 370, 371.HM 286.1

    Rehefa nentina tao amin’ ny «Convention» ilay andriamanibavy, dia noraisin’ ny mpandaha-teny ny tanany ary nitodika tany amin’ ny mpivory izy nanao hoe: «Ry olombelona mety maty, aza mangovitra intsony eo anatrehan’ ny varatra tsy manan-kerin’ Ilay Andriamanitra Izay noforonin’ ny tahotrareo. Hatramin’ izao dia aza manaiky andriamanitra hafa intsony afa-tsy ny Saina. Atolotra anareo ny sariny mendrika sy madio indrindra; raha tsy maintsy manana sampy ianareo, dia amin’ ny toy io ihany anaovana sorona. . . O, ry Voalin’ ny Saina mahiratra, mihintsàna eo anatrehan’ ny Antenimiera henikajan’ ny Fahafahana!HM 286.2

    Ilay andriamanibavy, rehefa avy norohan’ ny filoha, dia nakarina tao amin’ny fiara kanto indrindra, ary notarihina, teo anivon’ ny vahoaka marobe, ho any amin’ ny katedraly Notre-Dame, mba handray ny toeran’ Andriamanitra. Nasandratra teo amin’ ny alitara ambony izy tao, ka nivavahan’ izay rehetra nanatrika tao». Alison, boky 1, toko 10.HM 286.3

    Tsy ela taoriana, dia nisy fandoroana ampahibemaso ny Baiboly nanaraka izany. Indray mandeha dia niditra tao amin’ ny antenimieran’ ny tanàna ny «Fikambanam-bahoaka momba ny Rakitry ny ela», nihoraka hoe: «Ho ela velona anie ny Saina!» sady nitondra hazo lava nisy ny sisa tsy may tamin’ ny boky maro teny an-tendrony, anisan’ izany ny boky fivavahana, ny boky fanaovan-damesa, ny Testamenta Taloha sy ny Vaovao, izay «nanonitra tao amin’ ny afo midedadeda», hoy ny filoha «ny fahadalana rehetra nampanaoviny ny taranak’ olombelona» Journal of Paris’, 1793, Laharana 318, voalazan’ i Buchez Roux, Collection of Parliamentary History, boky 30, 200, 201.HM 286.4

    Ny fahefana papaly no nanomboka ny asa izay notanterahin’ ny tsy finoana ny fisian’ Andriamanitra. Ny tetika nataon’ i Roma no nampisy ireo toe-javatra teo amin’ ny fiaraha-monina, ny politika sy ny fivavahana, izay nampirimorimo ny faharavan’ i Frantsa. Raha nitantara ireo zavatra naharikoriko niseho nandritra ny Tolompiavotana ny mpanoratra samihafa, dia nilaza fa ny mpanjaka teo amin’ ny seza fiandrianana sy ny eglizy no tompon’ ny antoka tamin’ ireo fihetsika nihoapampana ireo (Jereo Fanampiny). Raha ny tena marina, dia ny eglizy no tompon’ ny antoka. Ny fahefana papaly no nanampoizina ny sain’ ireo mpanjaka hanohitra ny Fanavaozana ara-pivavahana izay noraisina ho fahavalon’ ny satroboninahitry ny mpanjaka, ho mpampisara-bazana izay mety hampidi-doza ny fandriam-pahalemana sy ny firindran’ ny firenena. Ny fahaizan’ i Roma manokana no nibitsika tamin’ izany fomba izany ireo halozana mahatsiravina indrindra sy ny fampijaliana mangidy toy ny afero izay nampanaovin’ ny mpanjaka.HM 287.1

    Niara-dia tamin’ ny Baiboly ny toe-tsaina tia fahafahana. Na taiza na taiza nandraisana ny filazantsara, dia nifoha ny sain’ ny vahoaka. Nanomboka nanakifika ny gadra izay nitana azy ho andevon’ ny tsy fahalalana, ny fanaovan-dratsy, sy ny finoanoampoana izy. Nanomboka nisaina sy niasa tahaka ny olombelona izy. Hitan’ ireo mpanjaka izany ka nangovitra izy ho an’ ny fahefany tsy refesi-mandidy.HM 287.2

    Tsy nihambahamba i Roma nampirehitra izany tahotra nitory fahasarotam-piaro izany. Hoy ny papa tamin’ ny solom-panjaka tao Frantsa tamin’ ny 1525 : «lo hadalana io (ny fivavahana Protestanta izany) dia hampisavoritaka sy hanapotika tsy ny fivavahana fotsiny ihany, fa ny fahefana, ny fiandrianana, ny lalàna, ny filaminana ary ny saranga rehetra». — G. de Félice,History of the Protestantism in France, boky 1, toko 2, andininy 8. Taona vitsy taorian’ izany dia nisy ambasadaoron’ ny papa nampitandrina ny mpanjaka hoe: «Tompokolahy, aoka tsy ho voafitaka ianao. Hanakorontana ny filaminana rehetra, na ara-panjakana, na arapivavahana ny protestanta. . . Samy tandindomin-doza na ny seza fiandrianana na ny alitara. Tsy maintsy mitarika fanjakana vaovao ny fampidirana fivavahana vaovao». — D’Aubigné,History of the Reformation in Europe in the Time of Calvin, boky 2, toko 36. Koa nofohazin’ ireo mpampianatra fivavahana ireo ny hevitra nibahana rahateo tao an-tsain’ ny vahoaka tamin’ ny filazany fa ny fampianarana Protestanta dia «mahatonga ny olona ho tia vao sy ny hadalana; mandroba amin’ ny mpanjaka ny fitiavana mafana avy amin’ ny olom-peheziny, ka mampirodana ny eglizy sy ny fanjakana». Tamin’ izany fomba izany no nahombiazan’ i Roma tamin’ ny fampilaharana an’ i Frantsa hanohitra ny Fanavaozana ara-pivavahana. «Mba hanohanana ny seza fiandrianana, hiarovana ny andriana sy hitazonana ny lalàna no antony nanatsoahana voalohany ny sabatra nenti-nanenjika tany Frantsa». Wylie, boky 13, toko 4.HM 287.3

    Tsy tsinjon’ ireo mpanapaka mialoha velively izay ho vokatr’ izany fomba fitondrana nitera-bokatra goavana izany. Ho nampitoetra tao an-tsaina sy tao am-pon’ ny vahoaka ireo foto-kevitry ny fahalalana ny rariny, ny fahalalana ny onony, ny fahamarinana, ny hitsiny sy ny hatsaram-panahy, izay vato fehizoron’ ny fahombiazan’ ny firenena ny fampianaran’ ny Baiboly. «Ny fahamarinana manandratra ny firenena». «Fahamarinana no iorenan’ ny seza fiandrianana» 11Ohab. 14 : 34 : 16 : 12 «Ny asan’ ny fahamarinana ho fiadanana, ary ny vokatry ny fahamarinana dia ho fiadanana sy fahatokiana mandrakizay».12Isia 32:17 Izay mankatò ny lalàn’ Andriamanitra dia hanaja tanteraka koa ny lalàn’ ny taniny. Izay matahotra an’ Andriamanitra dia hanome voninahitra ny mpanjaka eo amin’ ny fampiasany ny fahefana marina sy ara-dalàna rehetra. Nefa i Frantsa mahantra dia nandrara ny Baiboly ary nandroaka ireo mpanaraka azy. Nandritra ny taonjato maro ireo olona nijoro tamin’ ny foto-keviny sy tamin’ ny fahitsiana, olona narani-tsaina sy matotra ara-pitondrantena, olona sahy nijoro tamin’ izay hevitra nitompoany sy nanana finoana hijaly ho an’ ny fahamarinana — nandritra ny taonjato maro ireny olona ireny dia niasa mafy toy ny andevo nivoy sambo, maty nodorana velona, nadrodroka tao amin’ ny efitra etin’ ny fonja. An’ arivoarivony no nandositra namonjy ny ainy ary nitohy izany nandritra ny dimampolo amby roan-jato taona, taty aorian’ ny niantombohan’ ny Reformasiona.HM 288.1

    «Saiky tsy nisy mihitsy taranaka frantsay nandritra io fotoana lavabe io izay tsy nahita maso ny mpanaraka ny filazantsara nando-sitra ny haromotana vokatry ny fahaverezan-tsain’ ny mpanenjika azy, ary nanaraka azy ireo tamin’ izany, ny fahaizany, ny hakingany, ny zotom-po hiasa, ny filaminana, izay nampiavaka azy ireo indrindra, araka ny fahita mazanaka nentiny nampanankarena ny tany nahitany fialofana. Ary arakaraka ny namenoany ny tany hafa tamin’ ireo fanomezana sarobidy ireo, no nanabangany ny taniny tsy hanana izany. Raha toa ka voatana tao Frantsa avokoa izay rehetra nentina niala tao; raha ohatra ka nentina nanolokoloana ny taniny ny fahaizana momba ny taozavatra hita teo amin’ izay natao sesi-tany nandritra ireo telon-jato taona ireo; raha toa ka nampiasaina hanatsarana ny trano fanaovan-taozavatra ny hakingana nananany nandritra ireo telon-jato taona ireo; raha nampiasaina hanatsarana haisoratra sy hanolokoloana ny siansa ary ny saina mahaforon-javatra sy mahakarakara; raha toa ka nitarika ny fiheveran-draharahampanjakana tany Frantsa ny fahendren’ izy ireo, ny herim-pony, ny ady nikatrohany, ny fandalany ny rariny namolavola ny lalàny, ary ny fivavahan’ ny Baiboly nanatanjaka ny saina sy nifehy ny feon’ ny fieritreretan’ ny vahoaka, dia voninahitra manao ahoana ankehitriny no ho nampamirapiratra an’ i Frantsa! Ho firenena lehibe, — mandroso sy sambatra — ary tonga ohatra — ho an’ ny firenena izy!HM 288.2

    «Nefa noho ny hafanam-po tafahoatra nenti-nanaraka Fivavahana diso lalana izay nahatonga hajambana tsy azo nivalozana, dia noroahina niala tamin’ ny taniny izay rehetra nampianatra ny toetra tsara, izay rehetra niaro ny filaminana, izay rehetra tena nanohana marina ny seza fiandrianana; hoy izy tamin’ ny olona izay nety nahatonga ny tanindrazany ho «rehareha sy tabiha» eto an-tany: Fidio izay tianao, na ho dorana velona ianao na hatao sesi-tany. Farany dia rava tanteraka ny fanjakana; tsy nisy intsony ny olona horarana tsy hanaraka ny feon’ ny fieritreretany; tsy nisy intsony mpivavaka hotaritarihina hodorana velona; tsy nisy intsony tia tanindrazana hohazaina sy horoahina» Wylie, boky 13, toko 20. Koa dia izany no vokatra mahatsiravin’ ny Tolom-piavotana sy ny horohoro naterany.HM 289.1

    «Rehefa lasa ny Huguenots dia nisy fitotonganana tamin’ ny ankapobeny nanjo an’ i Frantsa. Nikororosy fahana ireo tanàndehibe nisy taozavatra niroborobo; niverina tamin’ ny naha-tany lava volo azy ny faritra nahavokatra; fahadontoana ara-tsaina sy fihemorana ara-pitondrantena no nandimby ny fotoana nisian’ ny fandrosoana nahatalanjona. Nanjary toeram-piantrana midadasika i Parisy, ary araka ny vinavina, tamin’ ny fotoana nipoahan’ ny Tolom-piavotana, dia mahantra roa hetsy no nangata-piantrana tamin’ ny mpanjaka. Ny Zezoita ihany no niroborobo teo amin’ ny firenena niharava, ary nifehy tamin’ ny fanjakazakana nampihorohoro ny fiangonana, ny sekoly, ny fonja sy ny sambo fivoin’ ny andevo izy ireo».HM 289.2

    Ny filazantsara no ho afaka namaha ireo olana ara-politika sy ara-piaraha-monina tany Frantsa izay nahavàka ny hakingan’ ny mpitondra fivavahana teo aminy, ny mpanjakany sy ny mpanao lalàna, ka nony farany dia nampiroboka ny firenena tao amin’ ny korontana sy ny faharavana. Noho ny fanapahan’ i Roma anefa dia hadinon’ ny vahoaka ny lesona feno fítahian’ ny fahafoizan-tena sy ny fitiavana tsy nitady ny azy nomen’ ny Mpamonjy. Efa voatarika lavitry ny fampiharana ny fahafoizan-tena hanaovana soa ho an’ ny hafa izy. Ny manankarena dia tsy voateniteny tamin’ ny fampijaliany ny mahantra, ny mahantra tsy nisy nanampy teo amin’ ny fanandevozana azy sy teo amin’ ny fitotonganany. Nihanivandravandra hatrany sy nangeja bebe kokoa ny fitiavantenan’ ny mpanankarena sy ny nanampahefana. Nanjary famoretana nanosihosy ny tantsaha ny fitsiriritana sy ny fitondrantena maloton’ ny andriana nandritra ny taonjato maro. Ny manankarena nanao ny tsy mety tamin’ ny mahantra, ary ny mahantra nankahala ny manankarena.HM 289.3

    Tany amin’ ny faritany maro dia ny andriana no tompon’ ny tany ary ny mpiasa dia mpanofa fotsiny; nananan’ ny tompon-tany fahefana tanteraka izy ireo ary voatery nilefitra tamin’ ny fitakiana nihoapampana nataony. Ny enta-mavesatry ny fanohanana ny fìangonana sy ny fanjakana dia nianjady tamin’ ny sarangan’ olona antonontonona sy ambany izay nandoa ny hetra mavesatra ho an’ ny fanjakana sy ny mpitondra fivavahana. «Noraisina ho lalàna faratampony izay tian’ ny andriana; na maty noana aza ny mpamboly sy ny mpiompy, dia tsy noraharahain’ ny mpampijaly azy izany na dia kely akory aza. . . Voatery hihevitra ny tombon-tsoa samirerin’ ny tompon-tany ny vahoaka isaky ny mihetsika. Fiainana mifototra amin’ ny asa tsy an-kijanona sy fahoriana tsy misy fiatoana ny fiainan’ ny mpamboly ; nohamavoina sy tsy nohajaina ny fitarainany raha sahy nitaraina izy ireo. Nanome rariny mandrakariva ny andriana izay nanana ady tamin’ ny tantsaha ny fìtsarana; nalaza ratsy tamin’ ny fandraisana kolikoly ny mpitsara; ary ny haitraitran’ ireo taranak’ andriana, na dia izay bitika indrindra aza, dia nanan-kery toy ny lalàna, noho io fahalovana nahenika hatraiza hatraiza io. Ny amin’ ireo hetra izay nalaina an-keriny tamin’ ny sarambabembahoaka, na izay nalain’ ireo tremalahy teo amin’ izao tontolo izao, na izay nalain’ ireo mpitondra fivavahana, dia zara raha mby tao amin’ ny tahirin’ ny mpanjaka’ ny antsasany na tao amin’ ny tahirin’ ny fiangonana; ny sisa dia nolanilaniana foana tamin’ ny fanaranampon’ ny filàna. Ary ny olona izay nampahantra toy izany ny namany dia afaka tamin’ ny hetra, ary nanana zo handray ny karamampanjakana rehetra araka ny lalàna na araka ny fanao raikitra. Sahabo ho dimy alina sy iray hetsy ireo olona nahazo tombon-tsoa ary mba hanomezana fahafaham-po azy ireo, dia voaheloka ho amin’ ny fiainana tsy misy fanantenana sady mahamenatra ny olona antapitrisany». (Jereo Fanampiny).HM 290.1

    Nanaram-po tamin’ ny fiainana mirentirenty sy feno fahalotoana ny tao an-dapa. Kely ny fifampitokisana nisy tamin’ ny vahoaka sy ireo mpifehy azy. Narahim-piahiahiana ny fepetra rehetra noraisin’ ny fitondram-panjakana fa toa misy tetika ratsy sady mitory fitiavan-tena ihany. Nandritra ny dimam-polo taona mahery talohan’ ny Tolompiavotana dia Louis faha XV no teo amin’ ny seza fiandrianana, izay mpanjaka niavaka indrindra, na dia tamin’ ireo andro efa tsy tsara ireo aza, tamin’ ny toetrany nitsilamodamoka, tia lalao sy nirona tamin’ ny filan’ ny nofo. Ny antokon’ olona ambony ratsy fitondrantena sy lozabe, ny antokon’ olona ambany nihanahantra sady tsy nanam-pahalalana, ny fanjakana sahirana ara-bola ary ny vahoaka tofoka, koa dia tsy nilaina akory ny ho mpaminany mba hahita mialoha ny fikomiana mahatsiravina nananontanona. Nahazatra ny mpanjaka ny namaly ireo fampitandremana nataon’ ny mpanolotsaina azy toy izao: «Ataovy izay hampandeha ny zavatra rehetra raha mbola velona koa aho; rehefa maty aho dia izay alehany alehany». Tsy nisy vokany ny fanehoana fa tena nilaina ny fanavaozana. Hitany ny zavatra tsy nety, nefa samy tsy nananany na ny fahasahiana na ny herim-po hoenti-misetra izany. Ny loza mahatsiravina niandry an’ i Frantsa dia tena hita taratra tao amin’ ilay valinteniny feno tsy firaharahana sy tia tena hoe : «Rehefa maty aho tsy raharahako izay hitranga !»HM 291.1

    Nanararaotra ny fahasaro-piaron’ ireo mpanjaka sy ny an’ ireo sarangan’ olona mpifehy i Roma, mba hitaona azy tamin’ ny fomba mangina hangeja ny vahoaka ao amin’ ny fanandevozana, fantany tsara mantsy fa hahaosa ny fanjakana izany ka nokasainy tamin’ io fomba io ny hamatotra ny mpifehy sy ny vahoaka ao amin’ ny fanandevozany. Ny tetika lavitr’ ezaka nataony dia nahatsinjovany fa raha tiana ny hanandevo marina ny olona, dia tsy maintsy ny fanahiny no gadraina; tsapany fa ny fomba azo antoka indrindra hisakanana azy ireo tsy ho afaka amin’ ny fanandevozana dia ny fanamboarana azy tsy ho afaka mandray fahafahana. Fahoriana mahatsiravina arivo heny noho ny fahoriana ara-nofo no vokatry ny tetika nataony, dia ny fitotonganana ara-pitondrantena. Noho ny vahoaka tsy nanana ny Baiboly sady nafoy ho tratry ny fampianarana mitory fitiavambavaka diso lalana sy fitiavan-tena, dia voasaron’ ny tsy fahalalana sy ny finoanoampoana izy sady tafalentika tao amin’ ny fanaovandratsy, hany ka tsy vonona velively hifehy ny tenany mihitsy.HM 291.2

    Ny vokatr’ izany rehetra izany anefa dia tena samihafa lavitra tamin’ izay nokasain’ i Roma. Tsy nitana ny sarambabembahoaka hanaiky anjamba ny fampianarany izany. fa ny vokatry ny asany kosa dia nahatonga azy ireo tsy hino ny fisian’ Andriamanitra sy ho mpikomy. Nohamavoiny ny fivavahan’ i Roma fa hafetsen’ ny pretra, hoy izy. Noraisiny ho nandray anjara tamin’ ny fampahoriana azy ny mpitondra fivavahana. Ny hany andriamanitra fantatr’ ireo hoy izy dia ny andriamanitr’ i Roma; ny fampianaran’ i Roma no hany fivavahany. Noheveriny fa vokatra ara-dalàna avy amin’ ny Baiboly ny fitiavan-karena tafahoatra tao amin’ izy ireo sy ny halozany, koa dia tsy nila izany na kely akory aza izy.HM 292.1

    Diso ny fanehoan’ i Roma ny toetra amam-panahin’ Andria-manitra ary tamin’ ny endrika tsy mahatehotia no nampisehoany ny lalàny, ary izao kosa dia samy nolavin’ ny olona na ny Baiboly na Ilay nanoratra azy. Finoana jamba ny fampianarany no efa notakiny, izay nihamboany fa araka ny Soratra Masina. Ho valin’ izany kosa, dia notsipahin’ i Voltaire (mpanoratra frantsay tamin’ ny taonjato fahavalo ambinifolo) sy ireo namany ny tenin’ Andriamanitra manontolo ka naeliny hatraiza hatraiza ny poizin’ ny tsy finoana. Efa nohosihosen’ i Roma tamin’ ny tany teo ambanin’ ny ombalahitongony vy ny vahoaka; fa ankehitriny kosa nitsipaka ny fifehezana azy rehetra ireo vahoaka alikisa, izay efa nivarilavo sy nanjary lozabe, ho setrin’ ny fanjakazakana natao taminy. Romotra izy izao mahita ny fitaka manjelanjelatra nankalazainy elabe izay ka samy niaranolaviny avokoa na ny fahamarinana na ny hevi-diso ; noheveriny ho fahafahana ny filibana, ka nampibitaka ireo andevon’ ny filan-dratsy ny fahafahana novolavolain’ ny sainy.HM 292.2

    Tamin’ ny fiandohan’ ny Tolom-piavotana, dia nilefitra ny mpanjaka ka nekeny ny hananan’ ny vahoaka solontena maro an’ isa noho ny an’ ny andriana sy ny mpitondra fivavahana nitambatra. Nitongilana tany aminy izany ny lanjan’ ny fahefana; nefa tsy voaomana hampiasa izany tamim-pahamendrehana sy araka ny onony izy. Nahamay azy ny hanarina ny tsy nety izay nampahory azy ka nanapa-kevitra ny hanorina indray ny fiaraha-monina izy. Feno ny fahatsiarovana mangidy ny ratsy natao taminy, izay nokotrehiny hatry ny ela, ny sain’ io vahoaka notevatevaina io, ka vonona ny hanova tanteraka ny toe-pahoriana izay efa tsy zakany intsony izy ary hamaly faty amin’ ireo izay noheveriny ho tompon’ antoky ny fijaliany. Nampiarin’ ireo nampahoriana ny lesona efa nianarany tamin’ ny nanjakazakana taminy ka nivadika ny rasa ka izy indray no mpanjakazaka tamin’ ireo nanjakazaka taminy.HM 292.3

    Izay nafafìn’ i Frantsa dia nojinjainy tao amin’ ny ra. Nahatsiravina ny vokatry ny fileferany teo ambany fahefan’ i Roma izay nifehy azy. Teo amin’ ny toerana izay nananganan’ i Frantsa ny antontan-kitay voalohany noho ny asa mangina nataon’ i Roma taminy, tamin’ ny fiandohan’ ny Fanavaozana ara-pivavahana, teo amin’ io toerana io no nananganan’ ny Revolisiona ny fanapahany loha voalohany. Teo amin’ ny toerana indrindra izay nandorana velona ireo maritioran’ ny finoana Protestanta voalohany tamin’ ny taonjato fahenina ambinifolo, teo koa no nanapahan-doha ireo babon’ ny vahoaka tamin’ ny taonjato fahavalo ambinifolo. Nolavin’ i Frantsa ny Filazantsara izay ho nitondra fanasitranana ho azy, ka nadanadanany ny varavarana hidiran’ ny tsy finoana sy ny faharavana. Rehefa notsipahina ny fameperan’ ny lalàn’ Andriamanitra, dia hita fa tsy afaka hanakana ny fisamontan’ ny filana ambany ao amin’ ny olona ny lalàn’ olombelona; ka nofaohin’ ny fikomiana sy ny korontana ny firenena. Nanokatra vaninandro izay lazaina ho andron’ ny Horohoro ao amin’ ny tantaran’ izao tontolo izao ny ady natao tamin’ ny Baiboly. Voaroaka tsy ho ao an-tokantrano sy tsy ho ao am-pon’ ny olona ny fiadanana sy ny fahasambarana. Nandry tsy lavo loha ny isam-batan’ olona. Izay nandresy androany dia noahiahina, nomelohina ny ampitson’ iny. Nanjaka tsy nisy ady hevitra ny herisetra sy ny filana ambany.HM 293.1

    Voatery tsy fidiny niaritra ny habibian’ ny vahoaka romotra sy maimbo ra ny mpanjaka sy ny andriana ary ny mpitondra fivavahana. Vao mainka nandranitra ny hetahetany hamaly faty ny namonoana ny mpanjaka; ary vetivety dia notapahin-doha tahaka azy koa ireo nanameloka azy ho faty. Tapaka ny hevitra fa hatao vono-moka izay rehetra noahiahina fa tsy nankasitraka ny Tolompiavotana. Hipoka ny tranomaizina, ary indray mandeha aza dia nihoatra ny roa hetsy ny isan’ ny mpigadra. Feno toe-javatra nampihoron-koditra ireo tanàn-dehibe tao amin’ ny fanjakana. Nifandrafy ireo antoko samy mpanohana ny Tolom-piavotana, ka i Frantsa dia nanjary saha nidadasika izay nifandonan’ ny vahoaka marobe, nentanin’ ny fihetseham-po nirehitra. «Tao Parisy dia nanao sesilany ny rotaka, ka nizarazara ho antoko nifanjevo be ihany ny olona, izay toa tsy nanana tarigetra afa-tsy ny hifandripaka». Ary ho fanampin’ ny fahoriana nianjady hatraiza hatraiza dia rafitr’ ady izay naharitra ela sy nahalao ny tany tamin’ ireo fanjakana lehibe tao Eoropa, ny firenena. «Efa saiky bankirompitra ny tany sy ny fanjakana, nitaky ny karamany tsy voaloa ny tafika, tsy nanan-kohanina ny mponina tao Parisy, ringana noho ny asan’ ny jiolahy ny faritany ary efa saiky fongotry ny toetra tsy tan-dalàna ny filibana ny riba» (sivilizasiona).HM 293.2

    Diso hain’ ny vahoaka loatra ny leson’ ny halozana sy ny fampahoriana izay nampahazoto fatratra an’ i Roma ny nampianatra azy. Ela ny ela ka tonga ny andro famaliana. Tsy ny mpanara-dia an’ i Jesosy izao no nalefa tany am-ponja sy notaritarihina teny amin’ ny antontan-kitay fandorana velona. Efa ela no nahafatesan’ ireny na nanaovana sesi-tany azy. Ankehitriny dia tsapan’ i Roma tsy namindra fo ny hery mahafaty eo am-pelatanan’ izay nozariny hahita fahafinaretana amin’ ny fandatsahan-dra. «Ny ohatry ny fanenjehana izay nahariharin’ ny mpitondra fivavahana tao Frantsa nandritra ny taona maro tokoa izao dia mitsingerina aminy amin-kery mahagaga. Menan’ ny ran’ ny pretra ny lampihazo fanapahan-doha. Ny sambo fivoin’ ny andevo sy ny tranomaizina, izay nifatraran’ ny Huguenots teo aloha, izao dia feno an’ ireo mpanenjika azy. Nafatotra tamin’ ny dabilio sy niasa mafy nivoy izao ny mpitondra fivavahana Katolika Romana ka nanandrana ny fampahoriana rehetra izay nampitondrainy ny fiangonany ka tsy nitsitsiny an’ ireo «heretika» malemy fanahy». ( Jereo Fanampiny).HM 294.1

    «Dia tonga ireo andro izay nampiharan’ ny fitsarana masiaka indrindra amin’ ny fitsarana rehetra, ny lalàna masiaka indrindra amin’ ny lalàna rehetra; tamin’ izany dia tsy nisy olona afaka niarahaba ny mpifanolobodirindrina taminy na nivavaka. . . ka tsy notandindomin-doza ho voampanga nanao heloka bevava mahafaty; tamin’ izany dia namitsaka isaky ny zoron-dalana ny mpitsikilo; tamin’ izany dia niasa naharitra sy mafy isa-maraina ny fanapahandoha; tamin’ izany dia feno hika tahaka ny sambo mpitatitra andevo ny fonja; tamin’ izany ny tatatra fanarian-drano dia feno ra nandroadroatra nivalana ho any amin’ ny renirano «La Seine». . . Tamin’izany raha namakivaky ny araben’ i Parisy isan’ andro ireo sariety feno olona nentina handray ny anjara ratsiny, ireo solontenam-panjakana kosa, izay nalefan’ ny komity mpanapaka ho any amin’ ny faritany, dia nampiseho habibiana nihoapampana tsy mbola fahita mihitsy na dia tao amin’ ny renivohitra aza. Niadana loatra ny antsin’ ilay fitaovana famonoana raha niakatra sy nidina nanao ny asany fandringanana. Mpigadra nilahatra lavabe no indray naripaky ny tifitra variraraka. Niniana noloahana ny fanambanin’ ny sambo feno olona. Zary efitra ny tanànan’ i Lyon. Tany Arras dia nolavina tsy ho an’ ny mpigadra ny indrafo amin’ ny fahafatesana haingana. Nanaraka ny moron’ ny reniranon’ i Loire, hatreo Saumur ka hatrany amin’ ny ranomasina, dia nisy andiana goaika sy voromahery nanao fihinanambe tamin’ ireo faty nianjaka, nifaningotra tamin’ ny fifanorohana mahatsiravina. Tsy nisy namindrana fo na lahy na vavy, na antitra na tanora. Anjatony ny isan’ ny tovolahy sy ny tovovavy teo amin’ ny fito ambinifolo taona novonoin’ io fitondram-panjakana naharikoriko io. Nifanipazana tamin’ ny lefona teny amin’ ny laharan’ ny Jacobins (antoko farany ankavia nandritra ny Tolom-piavotana frantsay) ny menavava nosintonina avy teo an-tratran-dreniny». (Jereo Fanampiny) «Nandritra ny taona folo fotsiny, dia olona alikisa no maty».HM 294.2

    Izany rehetra izany dia araka ny nanirian’ i Satana azy. Izany no niezahany ho tanterahina nandritra ny taona maro nifandimby. Fitaka hatramin’ ny voalohany ka hatramin’ ny farany ny tetikadiny ary ny fikasany tsy miova dia ny hitondra fahoriana sy fampijaliana ho an’ ny olona, ny hanova endrika sy handoto ny sangan’ asan’ Andriamanitra hampiseho fiantrana sy fitiavana ka hahatonga alahelo any an-danitra amin’ izany fomba izany. Avy eo dia nanamaizina ny sain’ ny olona izy tamin’ ny alalan’ ny fahaizany mamitaka, ka nitarika azy ireo hanameloka an’ Andriamanitra noho ny asa ataony, tahaka ny vokatry ny drafitra nataon’ ny Mpamorona iny ery ny fahoriana rehetra mianjady. Toy izany koa rehefa mby tao amin’ ny tanjon’ ny fahafahany ireo izay natao tsinontsinona sy nampiharana herisetra tamin’ ny alalan’ ny fahefany lozabe, dia nampirisihiny hanao fihetsika mihoapampana sy feno habibiana. Amin’ izany dia tondroin’ ny mpanjakazaka sy ny mpanao tsindry hazo lena ho vokatry ny fahafahana io sarin’ ny filibana tsy voafehy io.HM 295.1

    Rehefa voaseho miharihary ny hevi-diso iray, dia saronan’ i Satana fotsiny amin’ ny fitafiana hafa izany ka: raisin’ ny olona mora foana tahaka ny tamin’ ny voalohany. Rehefa hitan’ ny vahoaka fa fitaka ny fivavahan’ i Roma, ka tsy azon’ i Satana intsony ny hitarika azy handika ny lalàn’ Andriamanitra amin’ ny alalan’ io fitaovana io, dia nampirisihiny izy ireo hihevitra ny fivavahana rehetra ho fanambakana, ary ny Baiboly ho anganongano; ary rehefa mitsipaka ny didin’ Andriamanitra izy, dia manolo-tena ho amin’ ny fanaovandratsy feno fanaranam-po.HM 295.2

    Ny fahadisoana bevava izay nahatonga fahoriana be toy izany tamin’ ny mponina tao Frantsa dia ny tsy nahalalany ity fahamarinana lehibe ity: ny tena fahafahana dia ao amin’ ny fanarahana ny didin’ Andriamanitra no misy azy. «Toy izay anie ianao mba nihaino ny didiko! Dia ho tonga tahaka ny ony ny fiadananao, ary ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao». «Tsy misy fiadanana ho an’ ny ratsy fanahy hoy Jehovah». «Fa izay mihaino Ahy kosa hitoetra tsy manana ahiahy, eny, handry fahizay izy ka tsy hatahotra ny ratsy».13Isaia 48:18.22; Ohab.1:33 HM 295.3

    Manohitra sy miampanga ny lalàn’ Andriamanitra ireo tsy mino ny fisiany, ireo tsy mahatoky Azy sy ireo mpivadika; ny vokatry ny asa mangina ataon’ izy ireo anefa dia manamarina fa mifamatotra amin’ ny fankatoavana ny didin’ Andriamanitra izay hahasoa ny olona. Izay tsy mamaky io lesona io ao amin’ ny bokin’ Andria-manitra dia baikona hamaky izany ao amin’ ny tantaran’ ny firenena.HM 296.1

    Raha mbola nampiasa ny Fiangonan’ i Roma i Satana hitarihany ny olona hiala tamin’ ny fankatoavana, dia nafeniny io fitaovany io, ary voasarona ny asany hany ka tsy hita ho vokatry ny fandikandalàna ny fitotonganana sy ny fahoriana niseho. Notoherin’ ny asan’ ny Fanahin’ Andriamanitra indrindra koa ny heriny ka voasakana tsy ho tonga amin’ ny tena fahamasahany ny fikasany. Tsy nanadihady izay anton-javatra niavian’ izay nanjo azy ny olona ka tsy hitany ny loharanon’ ny fahoriany. Nandritra ny Tolom-piavotana anefa dia nailiky ny Filan-kevim-pirenena mazava ny didin’ Andriamanitra. Ary nandritra ny fanjakan’ ny Horohoro izay nanaraka izany, dia hitan’ ny rehetra ny fisian’ ny lalàna milaza fa tsy maintsy misy vokany ny atao.HM 296.2

    Rehefa nandà an’ Andriamanitra ampahibemaso sy nitsipaka ny Baiboly i Frantsa, dia nibitaka ny fanahy ratsy sy ireo fanahin’ ny maizina noho ny nahatratrarany ny zavatra niriny efa ela — dia fanjakana afaka amin’ ny fameperan’ ny lalàn’ Andriamanitra — «Saingy tsy tanterahana vetivety ny famaliana ny ratsy atao, dia izany no ikirizan’ ny fon’ ny zanak’ olombelona amin’ ny fanaovandratsy».14Mpit.T.8:11 Ny fandikana ny lalàna araka ny hitsiny sy ny rariny dia mitondra fahoriana sy fahafatesana ho vokatra tsy azo ialana. Na dia tsy mihatra avy hatrany aza ny fitsarana, dia miasa amin’ ny fomba azo antoka hahatanteraka ny anjara ratsin’ ny olona ny haratsiampanahiny. Efa nanangona fahatezerana ho amin’ ny andro famaliana ireo taonjato nisian’ ny fihemorana sy ny heloka bevava; ary rehefa feno ny fatran’ ny helony, dia efa diso aoriana loatra ny nianaran’ ireo mpanamavo an’ Andriamanitra fa zava-mahatahotra ny mandritra ny faharipon’ Andriamanitra. Azo lazaina fa niala ny Fanahin’ Andriamanitra mamefy izay misakana ny hery lozaben’ i Satana, ka nomena alalana hanatanteraka ny sitrapony ilay tsy mifaly afa-tsy amin’ ny fahorian’ ny olombelona. Ireo izay nifidy ny hanompo ny fikomiana dia navela hijinja ny vokatr’ izany mandra-pahatongan’ ny tany ho heniky ny heloka bevava mahatsiravina loatra ka tsy azon’ ny penina soritana. Re avy tamin’ ireo faritany nanjary lao sy avy tamin’ ireo tanàn-dehibe rava ny feo mampivarahontsana dia feo mitory tebiteby mahatsiravina. Tahaka ny horohoron-tany ny hery nanozongozona an’ i Frantsa. Ny fivavahana, ny lalàna, ny rafitry ny fiarahamonina, ny fianakaviana, ny fanjakana sy ny fiangonana izany rehetra izany dia samy nopotehin’ ny tanana tsy masina izay nisandratra hanohitra ny lalàn’ Andriamanitra avokoa. Marina ny tenin’ ny olon-kendry hoe: «Ny ratsy fanahy lavon’ ny haratsiany». «Eny fa na dia manao ratsy injato aza ny mpanota ka ela velona ihany, dia fantatro kosa fa hisy soa ho an’ izay matahotra an’ Andriamanitra, dia izay matahotra eo anatrehany. Fa tsy hisy soa ho an’ ny ratsy fanahy» 15 Ohab . 11 : 5 . «Satria nankahala ny fahalalana izy ary tsy nifidy ny fahatahorana an’ i Jehovah», «dia hihinana ny vokatry ny alehany izy ka ho voky ny fihendreny» 16 Ohab. 1 : 29 : 31 .HM 296.3

    Ireo vavolombelona mahatokin’ Andriamanitra, izay matin’ ilay fahefana miteny ratsy an’ Andriamanitra izay niakatra avy tamin’ ny lavaka tsy hita noanoa, «dia tsy nangina ela tsy akory». «Ary rehefa afaka ny hateloan’ andro sy tapany, dia nisy fanahin’ aina avy tamin’ Andriamanitra niditra tao anatin’ ireo, ka raiki-tahotra indrindra izay nahita azy».17 Apok. 11 : 11 Tamin’ ny taona 1793 no nandalo tao amin’ ny Antenimieram-pirenena Frantsay ireo izay nandrava ny fivavahana Kristiana. Telo taona sy tapany tatý aoriana dia nisy fanapahankevitra nanafoana ireo lalàna ireo, sy nanome fahalalana mikasika ny Soratra Masina izay neken’ io Antenimiera io ihany. Nampitolagaga an’ izao tontolo izao ny halehiben’ ny heloka vokatry ny fandavana ny Teny Masin’ Andriamanitra ka neken’ ny olona ny ilàna ny finoana an’ Andriamanitra sy ny teniny ho fototry ny fitondrantena. Hoy ny Tompo: «Fa iza no nohaikenao sy nompanao? Ary hanohitra an’ iza no nanandratanao ny feonao sy nampiandrandranao ny masonao any ambony? Hanohitra ny Iray Masin’ ny Isiraely» 18 Isa. 37 : 23 «Koa, indro, hampahafantariko azy amin’ izao indray mandeha izao. Eny, hampahafantariko azy ny tànako sy ny heriko, ka dia ho fantany fa Jehovah no anarako». 19 Jer. 16 : 21 HM 297.1

    Izao indray no lazain’ ny mpaminany mikasika ireo vavolom-belona roa: «Ary nahare feo mahery avy tany an-danitra izy roa nanao taminy hoe: Miakara atý. Dia niakatra ho any an-danitra tao anatin’ ny rahona ireo; ary nahatsinjo azy ny fahavalony». 20Apok. 11:12 Hatramin’ ny niadian’ i Frantsa tamin’ ireo vavolombelon’ Andria-manitra roa ireo, dia tsy mbola nomem-boninahitra toy izany izy. Tamin’ ny taona 1804 dia naorina ny Fikambanana mampiely Baiboly Anglisy sy Vahiny*British and Foreign Bible Society. Nisy Fikambanana mitovy tamin’ izany koa nanaraka io izay nisy sampany maro tany Eoropa. Tamin’ ny taona 1816 dia naorina ny Fikambanana mampiely Baiboly Amerikana. Fony naorina ny Fikambanana Anglisy dia efa natonta sy naely tamin’ ny fiteny dimam-polo ny Baiboly. Hatramin’ izay dia nadika tamin’ ny fitenim-paritra an-jatony maro izany. (Jereo Fanampiny)HM 297.2

    Nandritra ny dimam-polo taona nialoha ny 1792, dia tsy nisy fiheverana firy ny asa tany ampitan-dranomasina. Tsy nisy fikambanana vaovao niforona, ary tsy nisy afa-tsy fiangonana vitsy no nanao ezaka hampielezana ny fivavahana Kristiana tany amin’ ny tanin’ ny jentilisa. Nefa teo amin’ ny faramparan’ ny taonjato fahavalo ambinifolo dia nisy fiovana lehibe niseho. Tsy afa-po tamin’ ny vokatry ny «rasionalisma» (foto-kevitra mitarika tsy hino afa-tsy izay tratry ny saina) ny olona ka nahatonga ny fanambarana avy amin’ Andriamanitra sy ny fivavahana iainana. Hatramin’ io fotoana io dia nandroso tsy toy ny teo aloha ny asa tany amin’ ny misiona ampitan-dranomasina.HM 298.1

    Nampitombo ny asa fampielezana Baiboly ny fandrosoan’ ny fanontam-printy. Nampidanadana ny lalana idiran’ ny tenin’ Andriamanitra ny fifandraisana nihamora hatrany nisy tamin’ ireo tany samihafa, ny firodanan’ ireo fefy teo aloha natsangan’ ny fiheverana diso nibahana tao an-tsaina sy ny fitokatokanan’ ny firenena, ary ny nahavery ny fahefana ara-politika teo am-pelatanan’ ny papa tao Roma. Nandritra ny taona vitsivitsy dia namidy tsy nisy fisakantsankanana teny amin’ ny araben’ i Roma ny Baiboly, ary ankehitriny dia efa niely amin’ ny faritra rehetra misy olona eto amin’ izao tontolo izao.HM 298.2

    Nirehareha fatratra i Voltaire, mpanoratra frantsay tamin’ ny taonjato fahavalo ambinifolo, lehilahy tsy nino an’ Andriamanitra, raha niteny indray andro nanao hoe: «Mahavalalanina ahy ny mandre fa olona roa ambinifolo no nanangana ny Fivavahana Kristiana. Hoporofoiko fa olona iray dia ampy handrodana an’ izany». Nisy taranaka nifandimby hatramin’ ny nahafatesany, an-tapitrisany ny olona nanampy hiady tamin’ ny Baiboly. Nefa sanatria azy ny ho levona, fa tamin’ ny toerana izay nisian’ ny Baiboly zato tamin’ ny andron’ i Voltaire, ankehitriny dia misy bokin’ Andriamanitra iray alina, eny iray hetsy aza. Araka ny tenin’ ny Mpanavao fivavahana anankiray anisan’ ny voalohany, mikasika ny fiangonana Kristiana, dia «riandriana izay nanamongomongo tantanana maro ny Baiboly». Hoy ny Tompo: «Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina ary ny lela rehetra izay miady aminao, dia horesena lahatra».21Isa. 54 : 17HM 298.3

    «Fa ny tenin’ Andriamanitra dia haharitra mandrakizay». «Mahatoky avokoa ny didiny rehetra. Mitoetra mafy mandrakizay doria ireny, fa natao tamin’ ny fahamarinana sy ny fahitsiana».22Isa. 40 : 8 ; Sal. 111 : 7, 8 Na inona na inona aorina amin’ ny fahefan’ olombelona dia ho rava; fa izay rehetra miorina amin’ ilay vatolampin’ ny tenin’ Andriamanitra tsy miova dia haharitra mandrakizay.HM 299.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents