Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hery Mifanandrina

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 40—Fanafahana ny vahoakan’ Andriamanitra

    Rehefa esorina tsy hiaro intsony ireo izay manaja ny lalàn’ Andriamanitra ny lalàn’ olombelona, dia hisy amin’ ny tany samihafa fihetsiketsehana miaraka mba handringanana azy ireo. Rehefa manakaiky ny fotoana voatendry ao amin’ ny didy. dia hioko ny vahoaka mba hamongotra io antoko ankahalaina io. Ho tapaka fa amin’ ny alina iray voatendry no hanapotehana azy, ka hangina tanteraka ny feon’ ny fisaratsarahana sy ny fanomezan-tsiny. Mitalaho ny fiarovan’ Andriamanitra ny vahoakany miely patrana. ny sasany any anaty ala, any an-tendrombohitra, ny sasany any an-tranomaizina, raha, indreo, manodidina azy ny fahavalony mirongo fiadiana, amporisihin’ ny anjely ratsy, ka vonona hamita ilay fandringanana farany. Amin’ io fotoana io, amin’ ny ora farany indrindra, no hisalovanan’ Andriamanitry ny Isiraely hanafaka ny olom-boafidiny. Hoy Jehovah : «Ary ny hira ataonao dia ho tahaka ny amin’ ny alina fanamasinana ny andro firavoravoana; ary ny hafalian’ ny fo dia ho tahaka ny olona mandeha ho any an-tendrombohitr’ i Jehovah, dia any amin’ ny Vatolampin’ ny Isiraely. Ary Jehovah hanandratra ny feon’ ny fiandrianany sy hampiseho ny fiantefan’ ny sandriny amin’ ny firehetan’ ny fahatezerana sy ny lelafo mandevona sy ny ranonoram-baratra sy ny orana mifafy ary ny havandra vaventy» 1Isa.10 : 29. 30.HM 661.1

    Mirohotra ho amin’ ny hazany ireo olona ratsy fanahy manao andiany; mihorakoraka sahady noho ny fandresena izy, manaraby sy miteny ratsy; amin’ izay indrindra no, indro. misy haizina matevina noho ny haizin’ ny alina mandrakotra ny tany. Dia misy avana. mamirapiratra amin’ ny voninahitra avy amin’ ny seza fiandrianan’ Andriamanitra, mamakivaky ny lanitra ary toa manodidina ny antokon’ olona mivavaka rehetra. Tafajanona tampoka ireo vahoaka nisafoaka. Nangina teo ny antsoantsony sy ny fanarabiany. Adinony ny antony naharomotra azy tamin’ ireo ho vonoina. Amin-korohoro eo am-piandrasana izay hidona no ibanjinany ny mariky ny fanekena nataon’ Andriamanitra ka maniry indrindra izy ho voaro amin’ ny famirapiratany mahery indrindra.HM 661.2

    Injay feo mazava sy kanto ren’ ny vahoakan’ Andriamanitra manao hoe : «Miandrandrà»; ary rehefa manandratra ny fijeriny amin’ ny lanitra izy, dia tsinjony ny avan’ ny teny fikasana. Misaraka ilay rahona mainty sy mampatahotra izay nanarona ny habakabaka, ary tahaka an’ i Stefana, dia mampifantoka ny masony amin’ ny lanitra izy ka mahita ny voninahitr’ Andriamanitra sy ny Zanak’ olona mipetraka eo amin’ ny seza fiandrianany. Hitan’ izy ireo amin’ ny endriky ny maha-Andriamanitra Azy ny mariky ny fanetrentenany; ary reny avy amin’ ny vavany ilay fangatahana eo anatrehan’ ny Ray sy ny anjely masina hoe : «Tiako mba ho any amiko amin’ izay itoerako ireo izay nomenao Ahy» 2Jaona 17 : 24. Dia re indray ny feo manga dia manga mitory fandresena manao hoe : «Indreo izy ! Indreo Izy! masina, tsy misy tsiny sady tsy misy loto. Nitandrina ny tenin’ ny faharetako izy ireo; handeha eo afovoan’ ny anjely izy» ; dia hihoraka manambara ny fandreseny ny molotra hatsatra sy mipararetran’ ireo izay nifikitra tamin’ ny finoany.HM 662.1

    Amin’ ny mamatonalina Andriamanitra no maneho ny heriny hanafaka ny olony. Miposaka ny masoandro mamirapiratra amin’ ny heriny. Mifandimby haingana dia haingana ny famantarana sy ny fahagagana. Raiki-tahotra sy zendana ny ratsy fanahy mijery, fa ny tsara fanahy kosa mibanjina ny antoka nomena hanafahana azy amin’ ny fifaliana feno fanajana. Toa miala amin’ ny fizotra mahazatra azy avokoa ny zava-boahary rehetra. Mijanona tsy mikoriana ny rano. Misy rahona maizina sy mavesatra mifandona. Eo anivon’ ny lanitra misafotofoto dia misy faritra mazava mamirapiratry ny voninahitra tsy hay lazaina, ary re avy ao ny feon’ Andriamanitra, tahaka ny feon’ ny ranobe, manao hoe : «Vita» 3Apok. 16 : 17.HM 662.2

    Mihovitrovitra ny lanitra sy ny tany eo am-pandrenesana io feo io. Misy horohorontany mafy sy lehibe «izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nisian’ ny olona tetý ambonin’ ny tany. eny, tsy mbola nisy horohorontany mafy sy lehibe toy izany» 4Apok.16 : 17-18. Toa misokatra sy mikantona ny lanitra. Toa manelatrelatra avy ao ny voninahitra avy amin’ ny seza fiandrianan’ Andriamanitra. Tahaka ny volotara hozongozonin’ ny rivotra ny tendrombohitra, ary mipariaka ombieniombieny ny silatsilaky ny vatolampy. Misy feo mirohondrohona toy izay mialoha ny tafio-drivotra. Misafoaka ny ranomasina. Re ny fimamamaman’ ny tafio-drivotra mova tsy feon’ ny demonia handeha hamafy fandravana. Mivoitra sy mietry, misamboaravoara tahaka ny onjan-dranomasina, ny tany manontolo. Triatriatra ny vohon’ ny tany. Toa mikoro hatramin’ ny fanorenany. Milentika ny tendrombohitra mitomandavana. Voatelina ny nosy misy mponina. Ny seranan-tsambo izay nanjary tahaka an’ i Sodoma noho ny haratsiantoetrany dia voasaron’ ny rano misafoaka. Tsaroana eo anatrehan’ Andriamanitra i Babylona lehibe «mba homena azy ny kapoaky ny divain’ ny firehetan’ ny fahatezerany». «Nisy havandra vaventy, tokony ho milanja talenta iray avy», manao ny asa fandravany (Andininy 19, 21). Voaravona amin’ ny tany ireo tanàna feno rehareha indrindra eto an-tany. Ireo lapa mamirapiratra izay tsy nandalan’ ny olo-malaza teto amin’ izao tontolo izao ny hareny ho voninahitry ny tenany, dia rava ka mirodana eo imasony. Mivava ny rindrin’ ny tranomaizina, ary ny vahoakan’ Andriamanitra izay nogadrana noho ny finoany dia afaka.HM 662.3

    Misokatra ny fasana, ary «maro amin’ ireo izay matory ao amin’ ny vovoky ny tany no hifoha, ny sasany ho amin’ ny fiainana mandrakizay ary ny sasany ho amin’ ny henatra sy ny latsa mandrakizay» 5Dan. 12:7. Ireo rehetra izay maty tao amin’ ny finoana ny hafatry ny anjely fahatelo dia mivoaka avy ao am-pasana, mitafy voninahitra. mba handre ny fanekem-pihavanana ataon’ Andriamanitra amin’ ireo izay nitandrina ny didiny. Ireo «izay nandefona Azy» kosa (Apokalypsy 1 :7), ireo izay nanaraby an’ i Kristy teo am-pialana aina sy nanao Azy ho fihomehezana, mbamin’ ireo mpanohitra nahery vaika indrindra ny fahamarinana sy ny vahoakan’ Andriamanitra, dia hatsangana hibanjina Azy eo amin’ ny voninahiny sy hahita ny voninahitra hatafy izay nahatoky sy nankatò.HM 663.1

    Mbola voasaron-drahona matevina ny lanitra; nefa indraindray dia managorobaka izany ny masoandro, toy ny maso famalian’ i Jehovah no fijery azy. Misy helatry ny fahatezerana mihelatra avy amin’ ny lanitra ka manarona ny tany amin’ ny lelafo. Mafy lavitra noho ny kotro-baratra mirefodrefotra no injay feo re, mifono zava- miafina sy mampihorohoro, milaza ny hanjo ny ratsy fanahy. Tsy azon’ ny rehetra ny teny voalaza; nefa mazava tsara amin’ ireo mpampianatra sandoka. Ireo izay vao haingana teo no nanao vava mihoapampana, feno fireharehana sy fihantsiana sahisahy, ary nibitaka ery tamin’ ny halozany tamin’ ny vahoakan’ Andriamanitra mitandrina ny didiny, ankehitriny kosa dia very hevitra ary mipararetry ny tahotra. Re mafy noho ny feon’ ny zava-boahary ny fidradradradrany. Manaiky ny maha-Andriamanitra an’ i Kristy ny demonia ka mangovitra eo anatrehan’ ny heriny, ary ny olona kosa mitalaho famindrampo ka mandadilady noho ny tahotra mahatsiravina.HM 663.2

    Hoy ny mpaminany fahiny raha nibanjina ny andron’ Andriamanitra tamin’ ny fahitana : «Midradradradrà ianareo, fa efa antomotra ny andron’ i Jehovah, ka tahaka ny loza tsy toha avy amin’ ny Tsitoha no fiaviny» 6Isa. 13 : 6. Midira ao amin’ ny vatolampy, ary miere ao amin’ ny vovoka noho ny tahotra avy amin’ i Jehovah sy ny voninahitry ny fahalehibiazany. Ny fìandranandran’ ny mason’ ny zanak’ olombelona dia haetry, ary ny fiavonavon’ ny olona hatao mitanondrika; fa Jehovah ihany no hisandratra amin’ izany andro izany. Fa misy andron’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, hitsarana izay avo sy ambony toetra rehetra, ary izay misandratra rehetra, ka dia haetry ireny». «Amin’ izany andro izany dia harian’ ny olona ho an’ ny voalavo sy ny manavy ny andriamani-bolafotsiny sy ny andriamani-bolamenany izay nataony hiankohofany eo anatrehany mba hidirany eo amin’ ny fitriatry ny vatolampy sy eo an-tsefatsefaky ny harambato noho ny tahotra avy amin’ i Jehovah sy ny voninahitry ny fahalehibiazany, rehefa hitsangana mampihorohoro ny tany Izy» 7Isa. 2 : 10 - 12 ; 20 - 21.HM 664.1

    Misy misinda kely eo amin’ ny rahona ka ahitana kintana iray mamiratra avy efatra heny raha mitaha amin’ ny haizina. Milaza fanantenana sy fifaliana ho an’ ny olona mahatoky izany. fa mitory fahatezerana sy fahavinirana kosa amin’ ny mpandika ny lalàn’ Andriamanitra. Ireo izay nahafoy ny zavatra rehetra noho i Kristy dia eo amin’ ny toerana azo antoka ankehitriny, voafina ao amin’ ny fieren’ i Jehovah izy. Efa nosedraina izy, ary teo anatrehan’ izao tontolo izao sy teo anatrehan’ ireo mpanamavo ny fahamarinana dia nampiharihary ny fijoroany ho an’ Ilay efa maty nisolo aza. Misy fiovana mahagaga tonga amin’ ireo izay nijoro ho mahatoky na dia teo anoloan’ ny fahafatesana aza. Afaka tampoka tamin’ ny fanjaka- zakana jamba sy mahatsiravina nafitsoky ny olon-doza toa demonia izy. Ny endriny izay hatsatra. nitory tebiteby sy harerahana vao vetivety teo. ankehitriny dia mamirapiratry ny fahagagana. ny finoana sy ny fitiavana. Manandratra ny feony hanao hiram-pandresena izy hoe : «Andriamanitra no aro sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ ny fahoriana Izy. Koa izany no tsy hatahorantsika, na dia ho levona aza ny tany. na mifindra ho ao anatin’ ny ranomasina aza ny tendrombohitra. na mirohondrohona sy misamboaravoara aza ny onjany. ka mihorohoro ny tendrombohitra noho ny fisafoakany» 8Sal. 6 :1 - 3.HM 664.2

    Raha miakatra ho any amin’ Andriamanitra ireo teny milaza fahatokiana masina ireo. dia misinda ny rahona ary miseho ny lanitra feno kintana, heni-boninahitra tsy hay lazaina raha ampitahaina amin’ ny habakabaka mainty sy mitory havinirana eo andaniny roa. Mitosaka avy eo amin’ ny vavahady midanadana ny voninahitr’ ilay tanànan’ ny lanitra. Amin’ izay dia misy tanana miseho eny amin’ ny lanitra mitana vato fisaka roa voakombona. Hoy ny mpaminany : «Hasehon’ ny lanitra ny fahamarinany, fa Andriamanitra no Mpitsara» 9Sal. 50 : 9. Io lalàna masina io, izay fahamarinan’ Andriamanitra, ilay nomena ho mpitarika ny fiainana tao Sinay tao anatin’ ny kotrokorana sy ny lelafo, no aseho amin’ ny olona ankehitriny ho fitsipiky ny fitsarana. Sokafan’ ilay tanana ny vato fisaka, ary hita eo ny lalàn’ ny Didy Folo, voasikotra toy ny tamin’ ny penina afo. Mazava indrindra ny teny ka azon’ ny rehetra vakina. Mifoha ny fitadidiana, voaroaka tsy ho ao an-tsain’ ny rehetra ny haizin’ ny finoanoam: poana sy ny hevi-diso, ary hitan’ ny mponina rehetra eto an-tany ny Didy Folo nomen’ Andriamanitra, hentitra, mahafaoka be, ary feno fahefana.HM 665.1

    Tsy hay lazaina ny horohoro sy ny famoizam-pon’ ireo izay nanitsakitsaka ny didy masina nataon’ Andriamanitra hotandremana. Nomen’ i Jehovah azy ny lalàny; ho azony natao ny nampitaha ny toetrany taminy ka ho nahafantatra ny kilemany raha mbola nisy fotoana mety azo nibebahana sy niovana; nefa mba ahazoany ny fankasitrahan’ izao tontolo izao, dia notsipahiny ny foto-kevitr’ ireo didy ireo ary nampianariny handika izany ny hafa. Niezaka ny hanery ny vahoakan’ Andriamanitra hanitsakitsaka ny Sabatan’ i Jehovah izy. Ankehitriny izy dia voahelok’ ilay lalàna nohamavoiny. Hitany amin’ ny fomba mahatahotra sy mazava loatra fa tsy misy fialan-tsiny ho azy. Efa nifidy izay hotompoiny sy hivavahany izy. «Ka dia ho hitanareo indray ny tsi-fitovian’ ny marina sy ny meloka, dia ny manompo an’ Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy» 10Malakia 3 : 18.HM 665.2

    Manana fahitana vaovao ny amin’ ny fahamarinana sy ny adidiny izao ireo fahavalon’ ny lalàn’ Andriamanitra, manomboka amin’ ny mpitondra fivavahana ka hatramin’ ny madinika indrindra eo aminy. Diso aoriana loatra ny ahitany fa ny Sabatan’ ny didy fahefatra no tombokasen’ Andriamanitra velona. Diso aoriana loatra ny ahitany ny tena toetry ny sabata sandoka narahiny sy ny nanorenany ny fiainany teo ambonin’ ny fasika. Hitany fa niady tamin’ Andriamanitra izy. Nitarika ny fanahy ho amin’ ny fahaverezana ireo mpampianatra ara-pivavahana, nefa nilaza ho nitarika azy ho any amin’ ny vavahadin’ ny Paradisa. Raha tsy any amin’ ny andro fampamoahana farany dia tsy ho fantatra ny halehiben’ ny andraikitry ny olona manao ny asa masin’ Andriamanitra sy ny zava-doza vokatry ny tsy fahatokiana. Any amin’ ny mandrakizay ihany vao ho fantatsika tsara ny fatiantoka ny amin’ ny fahaverezan’ ny fanahy iray. Mampatahotra ny loza hihatra amin’ izay hilazan’ Andriamanitra hoe : Mialà amiko, ianao, mpanompo ratsy fanahy.HM 666.1

    Re avy any an-danitra ny feon’ Andriamanitra manambara ny andro sy ny ora hiavian’ i Jesosy sy milaza ny fanekena mandrakizay amin’ ny vahoakany. Tahaka ny firiatry ny kotro-baratra faran’ izay’ mafy no firohondrohon’ ny feony mamakivaky ny tany. Mijoro mihaino ny Isiraelin’ Andriamanitra sady miandrandra ny lanitra. Hazavain’ ny voninahitr’ Andriamanitra ny endriny ary mamirapiratra tahaka ny tavan’ i Mosesy raha nidina avy tany Sinay izy. Tsy nahatanty ny hijery azy ireo ny ratsy fanahy. Ary rehefa tononina amin’ ireo izay nanome voninahitra an’ Andriamanitra tamin’ ny nitandremany ny Sabatany ho masina ny fitahiana, dia misy antsompandresena manakoako mafy.HM 666.2

    Vetivety dia, indro, miseho eny atsinanana rahona kely mainty, tokony ho antsasaky ny felatanana no habeny. Iny dia iny ilay rahona manodidina ny Mpamonjy, izay toa voahodidin’ ny haizina noho ny fahalavirany. Fantatry ny vahoakan’ Andriamanitra fa io no famantarana ny Zanak’ olona. Mangina sy feno fanajana izy raha mijery an’ izany miha-manatona ny tany, mitombo hazavana sy voninahitra, mandra-pahatongany ho rahona fotsy lehibe, ny fanambaniny misy voninahitra toy ny afo mandevona, ary eo amboniny ny avan’ ny fanekena. Mitaingina soavaly toy ny mpandresy i Jesosy. Tsy «Lehilahy ory», misotro ny kapoaka mangidin’ ny henatra sy ny latsa Izy ankehitriny, fa tonga amin’ ny maha-mpandresy any an-danitra sy ety an-tany Azy, hitsara ny velona sy ny maty. «Mahatoky sy marina» Izy, «ary amin’ ny fahamarinana no itsarany sy iadiany». Ary «ny antokon’ ny miaramila any an-danitra» (Apokalypsy 19 : 11, 14) dia manaraka Azy. Amin’ ny antema sy ny hiran’ ny lanitra no anotronan’ ireo anjely masina, andiany marobe tsy hita isa, Azy. Toa feno endrika mamirapiratra — «alinalina sy arivoarivo» — ny habakabaka. Tsy hain’ ny penina tantaraina izany fisehoan-javatra izany; tsy misy sain’ olombelona mahatakatra ny famirapiratany. «Manarona ny lanitra ny voninahiny, ary manenika ny tany ny fiderana Azy. Misy famirapiratana toy ny mazava» 11Hab. 3 : 3 , 4. Arakaraka ny anatonan’ ilay rahona velona no ibanjinan’ ny maso rehetra Ilay Andrianan’ ny fiainana. Tsy misy satro-tsilo intsony mandrotidrotika ny lohany masina izao; fa diademam-boninahitra no’ eo amin’ ny handriny masina. Mihoatra noho ny fanjelanjelatry ny masoandro mamiratra amin’ ny mitataovovonana ny endriny. «Ary manana anarana voasoratra amin’ ny lambany sy ny feny Izy manao hoe : «Mpanjakan’ ny mpanjaka sy Tompon’ ny tompo» 12Apok.19 : 16.HM 666.3

    «Ary ny tarehy rehetra dia tonga hatsatra avokoa» eo anatrehany, ary ianjadian’ ny tahotry ny famoizam-po mandrakizay ireo nitsipaka ny famindrampon’ Andriamanitra. «Kivy ny fo, miady ny lohalika. . . mivaloarika ny tarehy rehetra» 13Jeremia 30 : 6; Nah. 2 : 11. Mitaraina sady mangovitra ny tsara fanahy : «Iza no hahajanona?» Miato ny hiran’ ny anjely, ary misy fanginana mampihorohoro. Dia re ny feon’ i Jesosy manao hoe : «Ampy ho anao ny fahasoavako». Mihiratra ny endriky ny tsara fanahy, ary mameno ny fo rehetra ny fifaliana. Manakoako ny feon’ ny anjely ary mitohy ny hirany raha mbola manatona ny tany izy.HM 667.1

    Midina eny amin’ ny rahona ny Mpanjaka, voahodidin’ ny lelafo midedadeda. Lasa tahaka ny taratasy voahorona ny lanitra, mangovitra eo anatrehany ny tany, ary «mifindra miala amin’ ny toerany ny tendrombohitra sy ny nosy rehetra». «Avy Andriamanitsika ka tsy hangina; afo no mandevona eo alohany, ary tafio-drivotra mahery no manodidina Azy. Miantso ny lanitra any ambony Izy, sy ny tany koa, mba hitsarany ny olony» 14Sal. 50 : 3 , 4.HM 667.2

    «Ary ny mpanjakan’ ny tany sy ny lehibe sy ny mpifehy arivo sy ny mpanankarena sy ny lehilahy mahery mbamin’ ny andevo rehetra sy ny tsy andevo rehetra dia niery tao anatin’ ny lavaka sy tao amin’ ny vatolampy eny an-tendrombohitra; ary hoy izy tamin’ ny tendrombohitra sy ny vatolampy : Mianjerà aminay ka afeno izahay amin’ ny tavan’ Ilay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianana sy amin’ ny fahatezeran’ ny Zanak’ ondry, fa tonga ny andro lehiben’ ny fahatezeran’ ireo, ka iza no mahajanona ?» 15Apok. 6 : 15 -1 7.HM 668.1

    Nitsahatra ny esoeso sy ny fanarabiana. Sina tsy mahateny ireo molotra mandainga. Tsy re intsony «ny kiraron’ izay mitrevatreva fandeha eo amin’ ny fihorakorahan’ ny ady sy ny fitafiana mihosindra» (Isaia 9 : 4). Tsy misy re afa-tsy ny tonom-bavaka sy ny feo mitomany ary ny toreo. Mivoaka avy amin’ ny molotra vao avy naneso fatratra teo ny antsoantso manao hoe : «Tonga ny andro lehiben’ ny fahatezeran’ ireo. ka iza no mahajanona?» Mangataka ny hosaronana ao ambanin’ ny vatolampy amin’ ny tendrombohitra ny ratsy fanahy fa tsy te-hifanatri-tava amin’ Ilay nohamavoiny sy nolaviny.HM 668.2

    Fantany ilay feo izay tafapaka hatrany amin’ ny sofin’ ny maty, Impiry moa no efa niantso azy ho amin’ ny fibebahana sy nitalaho taminy io feo mamy io! Impiry moa no efa reny tamin’ ny alalan’ ny fiangaviana mampihetsi-po nataon’ ny sakaiza, ny rahalahy, ny Mpanavotra! Ho an’ ireo mpandà ny fahasoavany dia tsy misy feo feno fanamelohana kokoa, feo mavesatry ny fiampangana, noho io feo nitaraina ela taminy hoe: «Mialà. mialà amin’ ny lalan-dratsinareo, fa nahoana moa no te ho faty ianareo?» 16Ezakiela 33 : 11 Indrisy ! raha mba toa feon’ olon-tsy fantany aza izany ! Hoy Jesosy : «Satria efa niantso Aho, fa nandà ianareo; efa naninjitra ny tanako Aho. fa tsy nisy nitandrina; fa nolavinareo ny saina rehetra natolotra, sady tsy nety nanaiky ny anatro ianareo» 17Ohabolana 1 : 24 , 25. Mampifoha ny fitadidiana izay tiany hokosehina io feo io — dia ireo fampitandremana natao tsinontsinona, ireo fanasana nolavina, ireo tombon-tsoa natao an-tsirambina.HM 668.3

    Indreo izay nanevateva an’ i Kristy raha tao amin’ ny fietreny Izy. Amin-kery mampangitakitaka no hiverenan’ ny tenin’ Ilay nijaly fahizay ao an-tsainy, raha nampianianin’ ny mpisoronabe Izy ka namaly tamin’ ny fomba manetriketrika hoe : «Hatramin’ izao dia ho hitanareo ny Zanak’ olona mipetraka eo amin’ ny tànana ankavanan’ 1 5 Apok. 6 : ny Hery sy avy eo amin’ ny rahon’ ny lanitra» 18aMatio 26 - 64 Izao izy ireo dia mibanjina Azy amin’ ny voninahiny, ary mbola hahita Azy mipetraka eo amin’ ny tanana ankavanan’ ny Hery.HM 668.4

    Sina ankehitriny ireo izay naniratsira ny filazan’ i Jesosy ny tenany ho Zanak’ Andriamanitra. Indro eo 1 Heroda miavonavona izay naneso ny maha-Mpanjaka an’ i Jesosy ka nibaiko ireo miaramila mpanazimbazimba hanisy satroboninahitra maha-mpanjaka Azy teo an-dohany. Indreo ireo olona nampiakanjo Azy akanjo jaky ho fanevatevana Ilay Masina sy nametraka satroboninahitra tsilo teo amin’ ny handriny masina, ary teo amin’ ny tanany izay tsy nandà izany, ny sarintsarin-tehim-panjakana sady niankohoka teo anatrehany tamin’ ny fanesoesoana feno fitenenan-dratsy an’ Andriamanitra. Indreo ireo olona izay nikapoka sy nandrora ny Andrianan’ ny fiainana, izao dia mihodina tsy hahita ny fijeriny maranitra ka mitady izay handosirana ny voninahitra mahery indrindran’ ny fanatrehany. Indreo izay namantsika ny tanana aman-tongony, ilay miaramila izay nandefona ny lanivoany, feno tahotra sy nenina raha mahita ny holatry ny ratra nataony.HM 669.1

    Mitamberina ao an-tsain’ ny mpisorona sy ny loholona amin’ ny fomba mazava loatra sy mampahory ireo toe-javatra teo Kalvary. Amim-pangovitana no ahatsiarovany ny nitenenany, nanifikifi-doha teo ambanin’ ny fitarihan’ ny devoly, nanao hoe : «Ny sasany novonjeny. fa ny tenany tsy hainy vonjena ! Mpanjakan’ Isiraely Izy, aoka hidina hiala amin’ ny hazo fijaliana Izy ankehitriny, dia hino Azy izahay. Natoky an’ Andriamanitra Izy; aoka Izy hamonjy Azy ankehitriny, raha ankasitrahany Izy» 18bMatio 27:42,43.HM 669.2

    Tadidin’ izy ireo tsara ny fanoharana nataon’ ny Mpamonjy momba ny mpiasa tanimboaloboka izay nandà ny hamerina amin’ ny tompony ny vokatry ny tanimboalobony, ka nampahory ny mpanompony sy namono ny zanany. Tsaroany koa ny didim-pitsarana izay navoakan’ ny tenany ihany hoe : «Hataon’ ny tompon’ ny tanimboaloboka loza tokoa ny handringanany izany olon-doza izany». Tsinjon’ ny mpisorona sy ny loholona teo amin’ ny fahotana sy ny famaizana an’ ireo olona tsy nahatoky ireo ny fihetsiky ny tenany sy ny anjara sahaza azy. Ary injany antso mitory fangirifiriana mihatra aman’ aina. Mafy noho ny antsoantso hoe : «Homboy ! Homboy ! » izay nanakoako eran’ ny lalamben’ i Jerosalema, dia injao fikiakiakin’ ny fadiranovana efa ho faty, milaza tahotra sy famoizam-po manao hoe : «Ity tokoa ny Zanak’ Andriamanitra ! Ity no tena Mesia !» Mitady izay handosirany tsy ho eo anatrehan’ ny Mpanjakan’ ny mpanjaka izy ; any amin’ ny zohy lalina anatin’ ny tany triatriatra noho ny fikorontanan’ ny hery ao amin’ ny zavaboary, no tadiaviny hiafenana. Tsy misy vokany anefa izany.HM 669.3

    Eo amin’ ny fiainan’ izay rehetra mandà ny fahamarinana dia misy fotoana ifohazan’ny feon’ ny fieritreretana, rehefa mitamberina amin’ ny fitadidiana ny fahatsiarovana mampahorin’ ny fiainampihatsarambelatsihy ka torovan’ ny nenina tsy misy antony ny fanahy. Nefa inona moa izany raha ampitahaina amin’ ny nenina bevava amin’ io andro io rehefa «manjo anareo ny fahoriana sy ny fangirifiriana», rehefa «tonga ny fandringanana anareo toy ny tadio» ! 19Ohab. 1 : 27 Izay naniry hamono an’ i Kristy sy ny vahoakany mahatoky dia, indreo, manatri-maso ny voninahitra mitoetra eo amin’ izy ireo. Ao anatin’ ny horohoro manjo azy dia reny ny feon’ ny olomasina manao hobim-pifaliana hoe : «Indro, Andriamanitsika Izay nandrasantsika hamonjy antsika !» 20Isa. 25 : 9 HM 670.1

    Mivembena ny tany, mitsoriadriaka ny helatra, mirefodrefotra ny varatra, ary re ny feon’ ny Zanak’ Andriamanitra miantso hifoha ny olo-masina matory. Mijery ny fasan’ ny marina izy ka manandratra ny tanany ho amin’ ny lanitra, ary miantso hoe : «Mifohaza, mifohaza, mifohaza ianareo izay matory ao amin’ ny vovoka, ary mitsangàna!» Eran’ ny vazan-tany rehetra no handrenesan’ ny maty io feo io, ary izay mandre dia ho velona. Koa dia ho re eran’ ny tany ny fikatrokatroky ny tafika faran’ izay lehibe avy amin’ ny firenena rehetra, ny fokom-pirenena, ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra. Mivoaka avy amin’ ny tranomaizin’ ny fahafatesana izy ireny, mitafy voninahitra mandrakizay, ary miantso hoe : «Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ò, aiza ny ny fanindronanao?» 211 Kor. 15 : 55 Ampiraisin’ ny marina velona sy ny olo-masina nitsangana tamin’ ny maty ny feony manao hobim-pifaliana sy fandresena.HM 670.2

    Izay rehetra mivoaka ny fasana dia mitovy tsanganana tamin’ ny fony izy ireo niditra tao am-pasana. Adama izay mijoro miaraka amin’ ny vahoaka nitsangana tamin’ ny maty, dia ranjanana sy miendrik’ andriana, nefa ho fohy kely kokoa noho ny Zanak’ Andriamanitra. Manaitra ny fahasamihafany amin’ ny olona amin’ ny taranaka atý aoriana; ary izany dia ahitana ny fitotonganana lehibe teo amin’ ny taranaka. Nefa samy mitsangana amin’ ny hery sy ny tanjaky ny fahatanorana mandrakizay izy rehetra. Tamin’ ny voalohany ny olona dia noforonina hanam-pitoviana amin’ Andriamanitra, tsy teo amin’ ny toetra amam-panahy ihany fa teo amin’ ny bika aman’ endrika koa. Nanova ny endrik’ Andriamanitra teo amin’ ny olona ny fahotana ary saiky nikosoka ny endrik’ Andriamanitra; nefa tonga Kristy hamerina indray izay efa very. Hanova ny tenan’ ity fietrena ity hitovy amin’ ny tenan’ ny voninahiny Izy. Ny endrika mety maty, mety lo, tsy maha-te-ho-tia, efa voaloton’ ny fahotana teo aloha, dia manjary tonga lafatra, kanto ary tsy mety maty. Navela tao am-pasana ny kilema sy ny sampontsampona rehetra. Tafaverina eo amin’ ny hazon’ aina tao amin’ i Edena efa very ela ireo navotana ka «hitombo» (Malakia 3 : 20), hanana bika aman’ endrika feno teo amin’ ny voninahiny tany am-boalohany. Ho afaka ny taratra farany navelan’ ny ozon’ ny fahotana, ka hitaratra ny fahatsaran-tarehin’ ny Tompo Andriamanitsika ireo nahatoky tamin’ i Kristy, eo amin’ ny saina sy ny fanahy ary ny tenany izay mampiseho ny fahatanterahan’ ny endriky ny Tompo. Endrey! fanavotana mahagaga! efa natao ambetin-dresaka hatry ny ela, nantenaina, nobanjinina mialoha tamin-kafanampo dodona, nefa tsy mbola nazava tamin’ ny fomba feno mihitsy.HM 670.3

    Vetivety toy ny indray mipi-maso no hanovana ny marina mbola velona. Nomem-boninahitra izy tamin’ ny fandrenesana ny feon’ Andriamanitra; ary ankehitriny dia atao tsy mety maty intsony izy ary entina hitsena ny Tompo eny amin’ ny habakabaka miaraka amin’ ny olo-masina natsangana tamin’ ny maty. Angonin’ ny anjely avy amin’ ny vazan-tany efatra ireo olom-boafidin’ Andriamanitra. Entin’ ny anjely masina ho eny an-trotroan-dreniny ny zanany madinika. Tafaray ny mpisakaiza nosarahin’ ny fahafatesana ela, tsy hisaraka intsony, ary mandredona hiram-pifaliana izy ireo raha miara-miakatra ho any amin’ ny tanànan’ Andriamanitra.HM 671.1

    Eo amin’ ny andaniny roa amin’ ny kalesy rahona dia misy elatra, ary ambanin’ izany dia misy kodiarana velona; rehefa miakatra ny kalesy dia miteny ny kodiarana hoe : «Masina», ary miantso ny elatra, arakaraka ny androsoany hoe : «Masina, masina, masina Jehovah Tompo Mahery Tsitoha». Ary ny voavotra dia mihoby hoe : «Haleloia!» raha mandroso miakatra ho any Jerosalema Vaovao.HM 671.2

    Alohan’ ny hidirany ny Tanànan’ Andriamanitra. dia atolotry ny Mpamonjy amin’ ny mpanaraka Azy ny fanevan’ ny fandresena ary ravahany amin’ ny famantarana ny maha-mpanjaka azy ireo. Manao efamira manodidina ny Mpanjakany izay avo ranjanana noho ny olo-masina sy ny anjely rehetra sady manana endrika mandefa taratry ny fitiavana sy ny fahalemem-panahy aminy ireo laharana mamirapiratra. Ny fijerin’ ireo tafika tsy hita isan’ ny voavotra dia mifantoka Aminy, ny maso rehetra dia mibanjina ny voninahitr’ Ilay manana «tarehy simba ka hoatra ny tsy tarehin’ olombelona akory». Ny tanana ankavanan’ i Jesosy mihitsy no mametraka ny satroboninahitra eo amin’ ny lohan’ ny mpandresy. Misy satroboninahitra ho an’ ny tsirairay, voasoratra eo ny «anarany vaovao» (Apokalypsy 2 : 17) sy ny hoe : «Masina ho an’ i Jehovah». Tolorana ny sampandrofian’ ny mpandresy ny tanana tsirairay sy lokanga mamirapiratra. Amin’ izay, rehefa manentana ny mozika ireo anjely mpibaiko, dia samy mitendry ny lokangany amim-pahakingana ny tanana rehetra, ka mamoaka feon-kira manga, milanto sy mirindra. Misy haravoana tsy hay lazaina mampientanentana ny fo rehetra, ary ny feo rehetra tia antsika ka namaha antsika ho afaka amin’ ny fahotantsika tamin’ ny rany, sady efa nanao antsika ho fanjakana, dia mpisorona ho an’ Andriamanitra Rainy, ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay !» 22Apok. 1 : 5 . 6 HM 672.1

    Manoloana ny vahoaka marobe voavonjy ny Tanàna Masina. Vohain’ i Jesosy midanadana ny varavarana perila; ka miditra ny firenena izay nitandrina ny fahamarinana. Eo izy no mibanjina ny Paradisan’ Andriamanitra, ny fonenan’ i Adama teo amin’ ny tsy fananany tsiny. Re indray ilay feo kanto noho ny feon-kira tsy mbola ren’ ny sofin’ olombelona hatrizay hatrizay manao hoe : «Mifarana ny adinareo». «Avia ianareo izay notahin’ ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatramin’ ny nanorenana izao tontolo izao».HM 672.2

    Tanteraka izao ny vavaka nataon’ ny Mpamonjy ho an’ ny mpianany hoe : «Tiako ho any amiko any amin’ izay hitoeraka ireo izay nomenao Ahy». «Tsy hanan-tsiny eo anoloan’ ny voninahiny amin’ ny firavoravoana» (Joda 24). no anoloran’ i Kristy amin’ ny Rainy ireo izay novidiny tamin’ ny rany. ka hoy Izy hoe : «Indreto izaho sy ny zaza izay nomenao ahy». «Nitahiry izay nomenao Ahy Aho». Mahagaga loatra ilay fitiavana manavotra! Endrey izany haravoana! Ho hitan’ ny Ray eny amin’ ny voavotra indray ilay endriny, voafafa ny soritry ny fahotana sy ny fahalotoana! Efa mifandrindra indray amin’ Andriamanitra ny maha-olombelona!HM 672.3

    Fitiavana tsy hay ambara no andraisan’ i Jesosy ireo olona mahatoky Azy hiditra amin’ ny fifalian’ ny Tompony. Ny fifalian’ ny Mpamonjy dia ny mahita ireo fanahy voavonjy noho ny fahoriampanahiny sy ny fietreny tody soa amin’ ny fanjakan’ ny voninahitra. Ary hanana anjara amin’ ny fifaliany ny voavotra eo am-pibanjinana ireo olon-tsambatra voavonjy noho ny asany sy ny fivavahany ary ny fandavan-tenany nentanim-pitiavana. Rehefa tafavory manodidina ilay seza fiandrianana lehibe fotsy mangatsakatsaka izy ireo, dia misy fifaliana tsy azo tononina mameno ny fony, eo am-pijerena ireo voataonany ho an’ i Kristy ka mahita fa ny anankiray dia nahazo olona hafa, ary ireo kosa nahazo hafa indray, samy tonga amin’ ny seranan’ ny fiadanana, mametraka eo an-tongotr’ i Jesosy ny satroboninahiny izy ka midera Azy mandritra ny andro mifandimby mandrakizay mandrakizay.HM 673.1

    Rehefa raisina eo amin’ ny tanànan’ Andriamanitra ny voavotra, dia manakoako manerana ny lanitra ny antsom-piderana feno hafaliana. Efa madiva hihaona ireo Adama roa. Mijoro ny Zanak’ Andriamanitra, manatsotra ny tanany handray ny rain’ ny taranak’ olombelona ilay nohariany nefa nanota tamin’ ny Mpanao Azy, ary noho ny fahotana nataony no nitondran’ ny tenan’ ny Mpamonjy ny holatry ny nanomboana Azy tamin’ ny hazo fijaliana. Rehefa hitan’ i Adama ny marika navelan’ ireo fantsika lozabe, dia tsy hiantoraka eo an-tratran’ ny Tompony izy, fa hietry ka hiankohoka eo an-tongony, manao hoe : «Mendrika, mendrika ny Zanak’ ondry izay voavono!» Hatsangan’ ny Mpamonjy amim-pitiavana izy ary asainy mibanjina indray ilay fonenany tao Edena izay nilaozany nandritra ny fotoana elabe.HM 673.2

    Rehefa voaroaka niala tao Edena i Adama, dia feno fahoriana ny fiainany teto an-tany. Ny ravina nalazo rehetra, ny biby rehetra novonoina ho fanatitra, ny fahasimbana rehetra teo amin’ ny endrika kanton’ ny zava-boahary, ny pentina rehetra teo amin’ ny fahadiovan’ ny olona, dia samy nampahatsiaro azy hatrany ny fahotany. Mafy tokoa ny nenina nanetoketoka azy rehefa nijery ny fitomboan’ ny ratsy izy, ary nigoka ny ngidiny noho ny fahatsiarovany tena ho fototra niavian’ ny fahotana. Tamim-panetren-tena sy tamimpaharetana no nizakany, saiky nandritra ny arivo taona, ny sazin’ ny fandikan-dalàna. Nibebaka marina ny amin’ ny fahotany izy sady natoky ny fahamendrehan’ Ilay Mpamonjy nampanantenaina, ka maty teo amin’ ny fanantenana ny fitsanganana amin’ ny maty. Ny Zanak’ Andriamanitra no nanavotra ny fahadisoana sy ny fahalavoan’ ny olona; ary ankehitriny, tamin’ ny alalan’ ny asa fanavotana. dia tafaverina eo amin’ ny fanjakany voalohany Adama.HM 673.3

    Dibo-kafaliana izy raha mijery ireo hazo izay nahitany fahafinaretana fahiny — dia ireo hazo izay izy mihitsy no nioty ny voany tamin’ ny andro tsy nananany tsiny sy nahafeno haravoana azy. Hitany ny voaloboka izay nokarakarain’ ny tanany. ny voninkazo izay nokolokoloiny tamim-pitiavana. Takatry ny sainy ny zava-misy manoloana azy; mazava aminy izao fa i Edena tokoa no, indro, fa tafaverina indray ary maha-te-ho-tia lavitra amin’ izao fotoana izao noho ny tamin’ ny fony nandroahana azy. Mitarika azy ho eo amin’ ny hazon’ aina ny Mpamonjy, dia mioty ihy voankazo be voninahitra ary mandidy azy hihinana. Mijery manodidina azy i Adama ka mahita ireo marobe voavotra avy amin’ ny ankohonany, mitsangana ao amin’ ny Paradisan’ Andriamanitra. Rehefa izany dia atsipiny eo an-tongotr’ i Jesosy ny satroboninahiny mamirapiratra, dia miantoraka eo antratran’ ny Mpanavotra izy ka mamihina Azy. Tendreny ny lokanga volamena ary manakoako eran’ ny lanitra ny hiram-pandresena : «Mendrika, mendrika, mendrika ny Zanak’ ondry Izay novonoina, ary velona indray !» Manaraka ny hira ny fianakavian’ i Adama ary manipy ny satroboninahiny eo an-tongotry ny Mpamonjy sady miankohoka eo anatrehany ho fanajana Azy.HM 674.1

    Manatri-maso io fivoriana io ny anjely izay nitomany tamin’ ny nahalavoan’ i Adama ary niravoravo rehefa niakatra ho any an-danitra i Jesosy, taorian’ ny nitsanganany tamin’ ny maty, ka nanokatra ny fasana ho an’ izay rehetra mino ny anarany. Izao izy ireo dia mibanjina ny asa fanavotana efa vita, ka mampiray ny feony amin’ ny hiram-piderana.HM 674.2

    Eo amin’ ny ranomasina manganohano tahaka ny vato kristaly eo anoloan’ ny seza fiandrianana, dia ilay ranomasina fitaratra miharo afo — mamirapiratra indrindra noho ny voninahitr’ Andriamanitra no ivorian’ ireo olona marobe «nandresy ny bibi-dia sy ny sariny ary ny isan’ ny anarany». Miaraka amin’ ny Zanak’ ondry eo amin’ ny tendrombohitr’ i Ziona, «manana ny lokangan’ Andriamanitra», no mitsangana ireo efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy navotana avy tamin’ ny olona; ary injany re «ny feon’ ny mpitendry lokanga mitendry ny lokangany», «tahaka ny firohondrohon’ ny rano be sy tahaka ny fikotroky ny kotrokorana mafy». Ary «mihira toa tononkira vaovao eo anoloan’ ny seza fiandrianana . . . izy», dia hira izay tsy misy olona afaka mianatra izany afa-tsy ny efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy. Hiran’ i Mosesy sy ny Zanak’ ondry izany, — dia hiram-pahafahana. Tsy misy afa-tsy ny efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy no afaka mianatra io hira io; satria hira avy amin’ ny fanandramana nataony izany, fanandramana izay tsy mbola nananan’ ny antokon’ olona hafa na oviana na oviana. «Ireo no manaraka ny Zanak’ ondry na aiza na aiza no alehany». Ireo izay nafindra avy amin’ ny velona, dia isaina ho «voaloham-bokatra ho an’ Andriamanitra sy ho an’ ny Zanak’ ondry» 22Apok 12 : 2 , 3 ;14 : 1 - 5. «Ireo no avy tamin’ ny fahoriana lehibe» ; nandalo tamin’ ny «andro fahoriana izay tsy mbola nisy tahaka azy hatrizay nisian’ ny firenena»; niaritra ny tebiteby tamin’ ny andro fahorian’ i Jakoba; nijoro tsy nanana mpanelanelana izy nandritra ny fotoana nampiharan’ Andriamanitra ny fitsarany farany. Afaka anefa izy izao satria «ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin’ ny ran’ ny Zanak’ ondry». «Ary tsy nisy lainga hita teo am-bavany, sady tsy nanan-tsiny izy». «Ary noho izany dia mitoetra eo anoloan’ ny seza fiandrianan’ Andriamanitra izy ka manompo Azy andro aman’ alina eo amin’ ny tempoliny; ary Ilay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianana dia hamelatra ny tranolainy handrakotra azy». Efa nahita ny tany ravan’ ny mosary sy ny areti-mandringana izy ireo, nahita ny masoandro nanan-kery handoro ny olona tamin’ ny hafanana be, ary efa niaritra fahoriana, hanoanana sy hetaheta. Nefa «tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo, ary tsy haninona azy ny masoandro na izay hafanana akory. Fa ny Zanak’ ondry Izay eo afovoan’ ny seza fiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin’ ny loharanon’ ny ranon’ aina; ary hofafan’ Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ ny masony» 23Apok. 7 : 14 - 17.HM 674.3

    Tamin’ ny andro rehetra dia ny sekolin’ ny fitsapana no nanabeazana sy nitaizana ireo voafidin’ ny Mpamonjy. Nandeha teo amin’ ny lalana ety tety an-tany izy; nodiovina tao amin’ ny memin’ ny fahoriana izy. Noho ny amin’ i Jesosy dia niaritra fanoherana. fankahalana, fitenenan-dratsy izy. Nanaraka azy tamin’ ny adiny sy ny fahoriany izy; niaritra fahafoizan-tena sy nanandrana fahadisoampanantenana mangidy izy. Ny fanandramana maharary niainany no nahalalany ny faharatsian’ ny fahotana, ny heriny, ny heloka avy amin’ izany, ny fahoriana avy aminy; ary maharikoriko azy ny mijery izany. Ny fahatsapany ny sorona tsy misy fetra natao hanasitranana izany dia mampanetry tena azy eo imason’ ny tenany ihany ka mameno ny fony amin’ ny fisaorana sy ny fankalazana izay tsy mety ho fantatr’ izay tsy mbola lavo mihitsy. Be izao ny fitiavany satria navela ny helony be. Efa nandray anjara tamin’ ny fahorian’ i Kristy izy ka afaka handray anjara amin’ ny voninahiny koa.HM 675.1

    Nivoaka avy tamin’ ny toerana tsizarizary, maloto sy mamofona, ireo mpandova an’ Andriamanitra, avy tamin’ ny tranomaizina, avy tamin’ ny lampihazo fanapahan-doha, avy tany an-tendrombohitra sy efitra mangadihady, avy tao anaty zohy sy ny lavaka tsy hita noanoan’ ny ranomasina. Raha teto an-tany izy dia «lao, ory, fadiranovana». An-tapitrisany no nidina tany am-pasana novesarana fahafaham-baraka satria nijoro tsy azo nohozongozonina tamin’ ny fandavana ny teny fitaka nataon’ i Satana. Nomelohin’ ny fitsaran’ olombelona ho mpanao heloka bevava mahatsiravina indrindra izy. Ankehitriny kosa anefa dia «Andriamanitra no Mpitsara» 24Sal. 50 : 6 . Mitsimbadika ankehitriny ny fanapahan-kevitry ny tany : «Hanafa-tondromaso ny olony eny amin’ ny tany rehetra» Izy.25Isa. 25 : 8 «Ary ireny hotononina hoe Firenena Masina, dia olona navotan’ i Jehovah». «Hanome azy hamama ho solon’ ny lavenona (Izy), sy diloilo fifaliana ho solon’ ny fahalahelovina, ary fitafiana fiderana ho solon’ ny fanahy reradreraka» 26Isa. 62 : 12 ; 61 : 3 27. Tsy malemy sy voim-pahoriana sy voaely sy atao tsindrihazolena intsony izy. Hatramin’ izao dia hiara-dia mandrakariva amin’ ny Tompo izy. Mitsangana eo anoloan’ ny seza fiandrianana. mitafy fitafiana sarobidy noho izay efa nanaovan’ ny olona nohajaina indrindra teto an-tany izy. Misatroka satroboninahitra misy diadema be voninahitra noho izay efa napetraka teo amin’ ny handrin’ ny mpanjaka teto an-tany izy. Nifarana ho mandrakizay ny andro nijaliana sy nitomaniana. Nofafan’ ny Mpanjakan’ ny voninahitra ny ranomaso tamin’ ny tava rehetra; afaka izay rehetra nahatonga fahalahelovana. Eo anivon’ ny sampan-drofia mihevaheva izy ireo no manandratra hiram-piderana, mazava, milanto sy mirindra; miray avokoa ny feo rehetra, mameno ny lanitra manontolo amin’ ny hira hoe : «Ny famonjena anie ho an’ Andriamanitra, Izay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianana sy ho an’ ny Zanak’ ondry». Ho setrin’ izany dia mamaly ny mponina rehetra any an-danitra hoe : «Amena! Ny saotra sy ny voninahitra sy ny fahendrena sy ny fisaorana sy ny haja sy ny hery ary ny faherezana anie ho an’ Andriamanitsika mandrakizay» 27Apok. 7 : 10, 12.HM 676.1

    Eto amin’ ity fiainana ity dia vao manomboka mahafantatra ihany io laha-kevitra momba ny fanavotana io isika. Ny saintsika voafetra dia mety handalina amim-pahazotoana fatratra ny momba ny fahafaham-baraka sy ny voninahitra. ny fiainana sy ny fahafatesana, ny fahamarinana sy ny famindrampo izay nihaona teo amin’ ny hazo fijaliana; nefa ny ezaka mafy indrindra ataontsika amin’ ny herintsika ara-tsaina dia tsy ahatakarantsika ny tena velarany. Manjavozavo ihany ny fanombanantsika ny lavany sy ny sakany, ny halaliny sy ny haavon’ ny fitiavana nanavotana antsika. Tsy takatra hosaintsainina tanteraka ny drafitry ny fanavotana, eny, na dia rehefa hahita toy ny nahitana azy aza ny voavotra ary hahafantatra toy ny nahafantarana azy; nefa mandritra ny mandrakizay dia hisy fahamarinana vaovao mandrakariva haseho izay hampitolagaga sy haharavoravo ny saina. Na dia tapitra aza ny alahelo sy ny fahoriana ary ny fakam-panahy mpanjo ety an-tany ka afaka ny nahatonga izany, dia hahita amin’ ny fomba mazava sy hendry kosa ny tombambidin’ ny famonjena azy ny vahoakan’ Andriamanitra.HM 677.1

    Ny hazo fijalian’ i Kristy no ho fianarana sy ho anton-kiran’ ny voavotra mandritra ny mandrakizay manontolo. Ao amin’ i Kristy omem-boninahitra no hibanjinany an’ i Kristy voahombo. Tsy hohadinoina na oviana na oviana fa Ilay manan-kery namoronana sy ihazonana an’ ireo izao tontolo izao tsy hita isa manerana ny velarana tsy manam-petry ny habakabaka, Ilay Malalan’ Andriamanitra, Ilay Mpanjakan’ ny lanitra, Ilay tian’ ny kerobima sy ny serafima mamirapiratra iankohofana — dia nietry mba hanandratra ny olombelona lavo; nitondra ny heloka sy ny fahafaham-baraka noho ny fahotana; nizaka ny nanafenan’ ny Ray ny tavany, mandrapahavaky ny fony noho ny vesatry ny ozon’ izao tontolo izao ka nahatorotoro ny ainy teo amin’ ny hazo fijalian’ i Kalvary. Raha Ilay nahary izao tontolo rehetra izao, Ilay Mpandahatra ny anjaran’ ny rehetra, no nanaiky ny hametraka ny voninahiny ka nanetry tena noho ny fitiavana ny olombelona, izany dia hampitolagaga mandrakariva ny tany aman-danitra sy hahatonga azy hiankohoka Aminy. Rehefa mijery ny Mpanavotra azy ireo firenena voavonjy ka mibanjina ny voninahitra mandrakizay avy amin’ ny endriny; rehefa mibanjina ny seza fiandrianany izy ireo, izay haharitra mandrakizay mandrakizay, ary ho fantany fa tsy hanam-pahataperana ny fanjakany, dia hanandratra ny hiram-piravoravoany izy ka hanao hoe : «Mendrika, mendrika ny Zanak’ ondry Izay efa novonoina, ka efa nanavotra antsika ho an’ Andriamanitra tamin’ ny alalan’ ny rany sarobidy indrindra!»HM 677.2

    Manazava ny zava-miafina hafa rehetra ny zava-miafina momba ny hazo fijaliana. Noho ny fahazavana mitosaka avy eo Kalvary dia miova ho kanto sy mahasarika ireo toetran’ Andriamanitra izay nameno tahotra sy horohoro antsika teo aloha. Hita fa miray amin’ ny fahamasinana, ny fahamarinana sy ny hery, ny famindrampo, ny fahalemem-panahy sy ny fitiavan’ ny maha-ray. Raha mibanjina ny voninahitry ny seza fiandrianany avo sy manerinerina isika, dia ho hitantsika ny toetrany eo amin’ ny fisehoany feno fahasoavana, ary ho azontsika, mihoatra noho ny teo aloha, ny dikan’ ilay anarana mahate ho tia hoe : «Rainay».HM 678.1

    Ho hita fa Ilay manam-pahendrena tsy voafetra dia tsy afaka nanao drafitra hafa hamonjena antsika afa-tsy ny fanaovana sorona ny Zanany. Ny setrin’ io sorona nataony io dia ny fifaliany amin’ ny famenoana ny tany amin’ ny voavotra masina, sambatra ary ho velona mandrakizay. Ny vokatry ny ady nataon’ ny Mpamonjy tamin’ ny herin’ ny haizina dia fifaliana ho an’ ny voavotra, fanandratana ny voninahitr’ Andriamanitra mandritra ny mandrakizay. Toy izany no tombam-bidin’ ny fanahy iray, hany ka mahafa-po ny Ray ny sandany naloa ; afa-po koa i Kristy, rehefa mibanjina ny hasoan’ ny vokatry ny sorona lehibe nataony.HM 678.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents