Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hery Mifanandrina

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 9—Ilay mpanavao fivavahana Soisa

    Eo amin’ ny fifidianana ireo fitaovana nampiasain’ Andriamanitra hoenti-manavao ny fiangonana, dia ahitana soritra koa ilay drafitra natao fanorenana ny fiangonana. Nolalovan’ ilay Mpampianatra avy any an-danitra ny olona ambony teto an-tany, ny manam-boninahitra sy ny manan-karena, izay zatra ny noderaina sy nankalazaina amin’ ny naha-mpitarika ny vahoaka azy. Niavonavona sy natoky tena fatratra izy ireny satria nahatsapa ny fahamboniana nireharehany ka tsy azo novolavolaina hiray to amin’ ny mpiara-belona taminy ho tonga mpiara-miasa amin’ Ilay Lehilahy feno fanetren-tena avy any Nazareta. Tamin’ ireo mpanarato niasa mafy, tsy nahita fianarana avy any Galilia no niantefa ny antso hoe: «Manaraha Ahy, fa hataoko mpanarato olona hianareo» 1Mat.4:19. Nanetry tena sady azo nampianarina ireo mpianatra ireo. Arakaraka ny nahamaivana ny fiasan’ ny fampianaran-diso nisy tamin’ ny androny, no nahombiazan’ i Kristy kokoa tamin’ ny fampianarana sy ny fanazarana azy hiasa ho Azy. Toy izany koa tamin’ ny andron’ ny Fanavaozana lehibe ara-pivavahana. Olona tso-piaina ireo mpitarika tamin’ ny fanavaozana arapivavahana olona izay afaka tamin’ ny fireharehana — noho ny toerany sy tamin’ ny fitompoan-teny fantatra ara-pivavahana ary ny hevi-petsin’ ny pretra mihoatra noho ny hafa rehetra. Drafitra nataon’ Andriamanitra ny hampiasa fitaovana tsotra hoentimanatontosa asa nisy vokany lehibe. Amin’ izay dia tsy hatolotra ny olona ny voninahitra, fa ho an’ Ilay niasa tamin’ ny alalany hanatanteraka ny fikasany sy ny sitrapony.HM 173.1

    Herinandro vitsivitsy taorian’ ny nahaterahan’ i Lotera tao amin’ ny trano bongon’ ny mpitrandraka arin-tany tany Saxe, dia teraka i Urbric Zwingli tao amin’ ny tranon’ ny mpiandry ondry tsotsotra tany anivon’ ny tendrombohitra Alpa. Ny tontolo niainan’ i Zwingli tamin’ ny fahazazany, sy ny fitaizana azy fony kely, dia nanomana azy ho amin’ ny asa nanirahana azy taty aoriana. Nitombo teo anivon’ ny zava-boahary sy ny hasoany nampitolagaga izy, ka vao kely dia latsaka tao an-tsainy ny fahatsapana ny fahalehibeazana, ny hery sy ny voninahitr’ Andriamanitra. Ny tantaran’ ny ezaka nitory herim-po natao tao amin’ ireo tendrombohitra nahaterahany dia namohafoha ny fanirian’ ny fahatanorany. Ary teo anilan’ ny renibeny tia vavaka no nihainoany ireo tantara sarobidy vitsivitsy avy amin’ ny Baiboly izay notsimponin’ io renibeny io avy tamin’ ny angano sy ny lovantsofin’ ny fiangonana. Nahaliana azy fatratra ny nandre ny asa miezinezina nataon’ ireo patriarka sy mpaminany, ny tantaran» ny mpiandry ondry niambina ny ondriny teo amin» ireo vohitr’ i Palestina izay niresahan’ ny anjely taminy, ny tantaran» Ilay Zazakely tany Betlehema sy ny an’ Ilay lehilahy teo Kalvary.HM 174.1

    Tahaka an’ i John Lotera , dia naniry koa fianarana ho an-janany ny rain’ i Zwingli ka mbola kely ilay zazalahy dia nandao ny lohasaha nahaterahany. Nitombo faingana ny sainy, ary vetivety dia nanjary olana ny fitadiavana mpampianatra afaka hampianatra azy. Telo ambin’ ny folo taona izy no nalefa tany Berna izay nisy ny sekoly ambony indrindra tany Soisa. Tao anefa dia nisy loza nananontanona mety hanimba ny ho aviny. Niezaka mafy ireo frera hitaona azy, hitarika azy hiditra ho relijiozy mitoka-monina. Tamin’ izay fotoana izay dia nifaninana ho mamim-bahoaka ny Dominikana sy ny Fransiskana. Ary tamin’ ny alalan’ ny fandravahana feno renty ny trano fiangonany sy ny fotoam-pivavahany narevaka aok’ izany ary ny fitaomana avy amin’ ny relikany sy ny sary vongany malaza ho mahavita fahagagana no niezahany hanaovana izany.HM 174.2

    Hitan’ ireo Dominikana tao Berna fa raha voataonany ity tovolahy manan-talenta ity, dia ho azony antoka ny vola sy ny voninahitra. Izy tena mbola tanora, manam-pahaizana, zanak’ omby tsy ampianarin-domano raha ny fitenenana sy ny fanoratana, ary niorehana raha ny momba ny mozika sy ny tonon-kalo; koa izany dia hanan-kery lavitra hitaona ny olona hirohotra hamonjy ny fotoana ao amin-dry zareo sy hampitombo ny vola miditra amin’ ny antokony, noho ny ravaka sy ny rendrarendra ivelany.HM 174.3

    Samy nampiasainy avokoa na ny fitapitaka na ny dokadoka mba hampanaiky an’ i Zwingli hiditra ho relijiozy ao aminy.HM 175.1

    Fony Lotera nianatra tany an-tsekoly dia namanaman’ ny nilevim-belona tao amin’ ny efi-trano bitika tao amin’ ny monastera izy, ary saika very ho an’ izao tontolo izao izy raha tsy nafahan’ ny fitondran’ Andriamanitra avy tao. Tsy navela hiharan’ izany loza izany kosa i Zwingli. Soa ihany fa nandre ny momba ny fikasan’ ny frera ny rainy. Tsy tao amin’ ny fikasany mihitsy ny hamela ny zanany hanaraka ny fiainan ireo relijiozy mpitoka-monina nidonanam-poana sy tsy nisy antony . Hitany fa voakasika ny soa mety ho vitany amin’ ny ho avy, ka nobaikoiny hiverina hody avy hatrany izy.HM 175.2

    Nankatoaviny ny baiko;nefa tsy nahita fahafaham-po tao amin’ ny lohasaha nahaterahany ilay zatovo ka vetivety dia nanohy ny fianarany, niverina nankany Bale rehefa afaka fotoana fohy. Tao no nandrenesan’ i Zwingli voalohany ny filazantsaran’ ny fahasoavan’ Andriamanitra omena maimaimpoana. I Wittenbach Mpampianatra ireo fiteny fahagola ary efa voatarika ho eo amin’ ny Soratra Masina izy fony nianatra teny grika sy hebreo, ka noho izany dia nisy taratry ny fahazavana avy amin’ Andriamanitra nitosaka tamin’ ny sain’ ny mpianatra niadidiany. Nambarany fa nisy fahamarinana ela kokoa ary sarobidy lavitra noho ireo hevitra nampianarin’ ny mpampianatra mpanaraka an’ i Aristote sy ny mpanao hevi-tsaina. Io fahamarinana fahagola io dia ny fahafatesan’ i Kristy izay hany avotra ho an’ ny mpanota. Toy ny tara-pahazavana voalohany mialoha ny andro miposaka ireo teny ireo ho an’ i Zwingli.HM 175.3

    Voantso hiala tany Bàle i Zwingli mba hanomboka hiasa fotoana fohy taorian’ izany. Ny saha niasany voalohany dia fiangonana tany Alpa tsy lavitry ny lohasaha nahaterahany.HM 175.4

    Rehefa voahosotra ho pretra izy dia nanokana ny tenany sy ny fanahiny rehetra mba hikatsaka ny fahamarinan’ Andriamanitra ; «tsapany marina mantsy», hoy ny filazan’ ity namany mpanavao fivavahana fa tsy maintsy ho be fahalalana izay nanankinana ny fiandrasana ny ondrin’ i Kristy.» Wylie, boky 8, toko 5. Arakaraka ny nandinihany ny Soratra Masina, no nampahazava taminy ny fifanoherana nisy tamin’ ny fahamarinana sy ireo fampianaran-dison’ i Roma. Nampilefitra ny tenany tamin’ ny Baiboly amin’ ny mahatenin’ Andriamanitra an’ izany izy, dia ilay fitsipika ampy, tsy mety diso. Hitany fa ny Baiboly ihany no tsy maintsy hanazava ny tenany. Tsy sahy manandrana ny hanazava ny Soratra Masina izy hoentimanohana hevitra mibahana ao an-tsaina rahateo na ny foto-pinoana, fa noraisiny ho adidiny ny hianatra izay ampianarin’ ny Baiboly amin’ ny fomba mivantana sy miharihary. Nitady izay rehetra nety hanampy azy mba ahazoany ny fahalalana feno sy marina ny dikany izy. ary nangataka ny fanampian’ ny Fanahy Masina, Izay, araka ny nolazainy, dia hambara izany amin’ izay rehetra mitady amin’ ny fo marina sy amim-pivavahana.HM 175.5

    «Avy amin’ Andriamanitra fa tsy avy amin’ ny olona ny Soratra Masina, hoy Zwingli, ary Andriamanitra mihitsy izay nampahazava anao no hanome anao ny fahafantarana fa avy Aminy ny teny. Tsy mety diso. . . ny tenin’ Andriamanitra; mamirapiratra izany, izy tenany no mampianatra momba ny tenany, mamelabelatra ny amin’ ny tenany, mampahazava ny fanahy amin’ ny famonjena sy ny fahasoavana rehetra izy, mampionona azy ao amin’ Andriamanitra, mampietry azy ka manjary heverin’ ny fanahy ho toy ny foana sy very zo tanteraka izy ka lasa miantsampy amin’ Andriamanitra.» I Zwingli mihitsy no efa nanaporofo ny fahamarinan’ ireo teny ireo. Izao no nosoratany tatý aoriana raha nilazalaza ny momba ny fanandramana nataony tamin’ io fotoana io izy: «Fony. . . aho nanomboka nanokan-tena tanteraka hiandany amin’ ny Soratra Masina. dia namohafoha hatrany ady hevitra tao amiko ny hevi-tsaina sy ny fampianarana momba ny fivavahana nampiavaka ny Andro Antenantenany. Nony farany dia izao no fara-hevitro: «Tsy maintsy avelanao daholo io lainga io ka hianatra ny dikany nomen’ Andriamanitra ianao, dia izay dikany madio araka ny teniny. Dia nanomboka nangataka tamin’ Andriamanitra ny fahazavany aho ka zary nihamora tamiko hatrany ny Soratra Masina.» Ibid, boky 8, toko 6.HM 176.1

    Tsy noraisiny tamin’ i Lotera ny fampianarana notorin’ i Zwingli. Fampianaran’ i Kristy izany. «Raha mitory an’ i Kristy i Lotera, hoy ilay mpanavao fivavahana Soisa, dia izay ataoko no ataony. Betsaka kokoa noho izay notarihiko ho eo amin’ i Kristy izay nentiny ho eo Aminy. Tsy mampaninona anefa izany. Tsy hitondra anarankafa noho ny an’ i Kristy aho; miaramilany aho ary Izy irery no Lehibeko. Na oviana na oviana tsy mbola nisy teny 11a dia iray aza nosoratako ho an’ i Lotera na nosoratany ho ahy. Nahoana ary?. . . Mba hanehoana ny maha-iray ny Fanahin’ Andriamanitra, satria 11a dia tsy nikaon-doha aza izahay mirahalahy dia mitovy tsy misy ivoasana izay ampianarinay momba an’ i Kristy.» D’Aubigne, boky 8, toko 9.HM 176.2

    Tamin’ ny taona 1516 dia nantsoina ho mpitoriteny tao amin’ ny tranon’ ny relijiozy tao Einsiedeln i Zwingli. Nahita akaiky kokoa ny faharatsian’ i Roma izy tao ary niasa mangina tamin’ ny mahampanavao fivavahana azy ka tsapa hatrany amin’ ny toerana lavitry ny Alpa nahaterahany izany. Anisan’ ireo zavatra nanintona indrindra tao Einsiedeln dia ny sary vongan’ ny virijina izay nolazaina fa manan-kery hanao fahagagana. Teo ambonin’ ny vavahadin’ ny tranon’ ny relijiozy dia nisy izao soratra izao: «ato no mety ahazoana famelana feno ny fahotana.» Ibid, boky 8, toko 5. Tamin’ ny vanimpotoana rehetra dia tonga ireo mpanao fivahinianana masina nitady famonjena teo amin’ ny toerana nisy ny virijina; nefa tamin’ ny fety lehibe fanao isan-taona natokana ho azy dia vahoaka marobe no tonga avy amin’ ny faritr’ i Soisa manontolo, ary nisy avy any Frantsa sy Alemaina aza. Ory dia ory i Zwingli nahita izany ka nohararaotiny io hitoriana ny fahafahana azo amin’ ny alalan’ ny filazantsara tamin’ ireo andevon’ ny finoanoam-poana.HM 177.1

    «Aza mihevitra ianareo, hoy izy, fa ato amin’ ity tempoly ity mihoatra noho ny any amin’ ny faritra hafa noforoniny Andria-manitra. Na aiza na aiza toerana ipetrahanareo, dia manodidina anareo Andriamanitra ka mandre anareo. . .Moa ve ahazoanareo antoka ny fahasoavan’ Andriamanitra ny asa tsy misy voka-tsoa, ny fivahinianana masina lavitra be, ny fanatitra, ny sary vongana, ny fiantsoana ny virijina na olo-masina?. . . Misy dikany inona ny teny maro entintsika manao vavaka lavareny. Misy asany ve ny saron-doha mamirapiratra, ny loha nokakasana ka sola malama tsara, ny akanjo lava mirebareba, na ny kiraro iva misy peta-kofehy volamena?. Mijery ny fo Andriamanitra ary lavitra azy ny fontsika. Kristy, hoy izy, Ilay natolotra indray mandeha teo amin’ ny hazo fijaliana, no sorona izay novonoina, ka ampy ho fanati-panonerana ny fahotan’ ny mpino mandrakizay doria.» Ibid, boky 8, toko 5.HM 177.2

    Tsy nahafaly ny mpihaino maro ireo fampianarana ireo. Fahadisoam-panantenana mangidy ho azy ny filazana fa very maina ny dia nandreraka nataony. Tsy nazava taminy izany hoe famelankeloka atolotra azy maimaimpoana amin’ ny alalan’ i Kristy. Afa-po tamin’ ny lalana natokan’ i Roma ho azy teo aloha hankanesana any andanitra izy. Nampihemotra azy ny fitebitebena mety no vokatry ny fitadiavana zavatra tsaratsara kokoa indray. Mora kokoa ny manankina ny famonjena ny tenany amin’ ny pretra sy ny papa toy izay hikatsaka fahadiovam-po.HM 177.3

    Nisy anefa antokon’ olona hafa nandray tamim-pifaliàna ny vaovao momba ny fanavotana amin’ ny alalan’ i Kristy. Ireo zavatra nasain’ i Roma notandremana dia tsy afaka nitondra fiadanana ho an’ ny fanahy ka nekeny tamim-pinoana ho fanavotana ho azy ny ran’ ny Mpamonjy. Raha nody tany aminy ireo, dia nanambara tamin’ ny hafa ny fahazavana sarobidy efa noraisiny. Toy izany no nielezan’ ny fahamarinana avy amin’ ny vohitra iray ho amin’ ny vohitra iray, avy amin’ ny tanàna iray ho amin’ ny tanàna iray, ka nihena betsaka ny isan’ ireo mpanao fivahinianana masina teo amin’ ilay toerana nisy ny virijina. Nitotongana ny rakitra, ary nisy vokany teo amin’ ny karaman’ i Zwingli izay nalainy tamin’ izany. Nefa tsy niteraka afa-tsy fifaliana ho azy izany satria hitany fa tapaka ny herin’ ny fitompoan-teny fantatra sy ny finoanoam-poana.HM 178.1

    Tsy nikimpy tamin’ ny asa nataon’ i Zwingli ireo manampahefana tao amin’ ny fiangonana; nefa nandà ny hisalovana izy aloha. Mbola nanantena ny hahazo azy hiandany taminy izy ireo, ka niezaka ny hamabo azy tamin’ ny alalan’ ny fandokadokafana; ary nandritra izany fotoana izany dia niha-nahazo toerana tao ampon’ ny vahoaka ny fahamarinana.HM 178.2

    Nanomana an’ i Zwingli ho amin’ ny saha midadasika kokoa ny asa nataony tao Einsiedeln, ary tsy ho ela akory dia hiditra ao amin’ izany saha izany izy. Rehefa tapitra ny telo taona dia nantsoina handray ny asan’ ny mpitoriteny ao amin’ ny katedralin’ i Zurich izy. Io tanàna io tamin’ izay no lehibe indrindra tao amin’ ny fanjakana nitambatra tany Soisa ka ho hahataka-davitra ny vokatry ny asa hatao ao. Ireo mpitondra fivavahana izay nanasa an’ i Zwingli ho any Zurich anefa, dia naniry ny hanakana ny fanavaozana mety hiseho, ka noho izany dia nampahafantariny azy izay andraikiny.HM 178.3

    «Hataonao izay fiezahana rehetra, hoy izy ireo hanangonana tombom-barotra ho antsika ato amin’ ny katedraly, ka aza misy ataonao an-tsirambina hatramin’ ny zava-bitika indrindra. Ampirisiho ny mpiangona na amin’ ny alalan’ ny toriteny na ao amin’ ny toerana fanaovana kaonfesy, mba handoa ny ampahafolony sy ny adidy rehetra, haneho ny fitiavany ny fiangonana amin’ ny alalan’ ny fanatitra ataony. Aoka harisika ianao amin’ ny fampitomboana ny vola azo raisina avy amin’ ny marary, ny lamesa ary amin’ ny ankapobeny izay amin’ ny fombam-pivavahana rehetra.» Fa raha ny momba ny fanomezana sakramenta kosa , ny toriteny sy ny fikarakarana ny ondry», hoy ireo mpampianatra azy nanampy izany, dia adidin’ ny pretra mitondra fiangonana koa izany. Nefa azonao atao ny mampiasa mpisolo toerana, indrindra amin’ ny fitorian-teny. Ny olona ambony ihany no homenao sakramenta ary rehefa miantso anao ihany izy; tsy maintsy manao fanavakavahana ianao raha hanao izany.» Ibid, boky 8, toko 6.HM 178.4

    Nohenoin’ i Zwingli tamim-pahanginana izany, ary ho setrin’ izany, rehefa nilaza ny fankasitrahany izy noho ny voninahitra nomena azy tamin’ ny niantsoana azy ho amin’ io toerany ambony io, dia nohazavainy tamin’ izay ny fomba kasainy hiasana. Efa nafenina ela loatra tamin’ ny vahoaka hoy izy ny fiainan’ i Kristy. Hanao toriteny momba ny filazantsaran’ i Masindahy Matio manontolo aho, . . . ka ny Soratra Masina ihany no loharano hanovozako hevitra, hohalaliniko izany, hampitahaiko avy ireo andininy ireo, ka hikatsaka ny heviny amin’ ny alalan’ ny fivavahana mitohy sy mafana aho. Ny voninahitr’ Andriamanitra, ny fiderana ny Zanani-lahy tokana, ny tena famonjena ny fanahy sy ny fampaherezana avy ao amin’ ny finoana marina, izany no anokanako ny fanompoako. Ibid, boky 8, toko 6. Na dia tsy nankasitrahan’ ireo mpitondra fivavahana sasany aza ny drafitra nasehony ary niezaka izy ireo handresy lahatra azy, dia nijoro tsy azo nohozongozonina i Zwingli. Nambarany fa tsy hampiditra fomba fiasa vaovao izy tsy akory, fa ilay fomba fahiny nampiasain’ ny fiangonana tamin’ ny andro teo aloha fony mbola nadio kokoa ny rivo-niainana.HM 179.1

    Efa nampifoha ny olona sy nahaliana azy sahady ireo fahama-rinana nampianariny; koa nitangorona maro ny vahoaka hihaino ny toriteniny. Betsaka ireo olona efa nijanona tsy nanatrika ny fotoampivavahana intsony no niverina mba hihaino azy. Nanomboka ny asany tamin’ ny fanokafana ny Filazantsara izy ka namaky sy nanazava tamin’ ireo mpihaino azy ny tantara azo tamin-tsindrimandry ny fiainana, ny fampianarana sy ny fahafatesan’ i Kristy. Tao Zurich tahaka ny tany Einsiedeln, no nanehoany ny tenin’ Andriamanitra ho hany fahefana tsy mety diso ary ny fahafatesan’ i Kristy no hany sorona tanteraka.»HM 179.2

    Eo amin’ i Kristy, hoy izy, no tiako hitarihana anareo, eo amin’ i Kristy, Ilay tena loharanon’ ny famonjena.» Ibid, boky 8, toko 6. Nanodidina ilay mpitoriteny ny vahoaka nifanizina avy amin’ ny saranga samihafa, hatramin’ ny mpanao fanjakana sy ny avarapianarana ka hatramin’ ny mpanao asa-tanana sy ny tantsaha. Liana dia liana tokoa ireo nihaino ny teniny. Tsy nitory fotsiny ny famonjena izay atolotra maimaimpoana izy ka tsy natahotra mihitsy nanameloka ny faharatsiana sy ny fahalovana nisy tamin’ izany fotoana izany. Betsaka no nidera an’ Andriamanitra raha nody avy tao amin’ ny Katedraly. «lo lehilahy io, hoy izy, no mpitory ny fahamarinana. Izy no Mosesintsika, hitarika antsika hiala amin’ izao haizina eto Egypta izao». Ibid, boky 8, toko 6.HM 179.3

    Nefa na dia tamin-kafanam-po aza no nandraisana ny asany tamin’ ny voalohany, rehefa afaka kelikely dia nipoitra ny fanoherana. Nataon’ ireo pretra izay hanakanana ny asany sy hanamelohana ny fampianarany. Betsaka no namely azy tamin’ ny esoeso sy ny fanarabiana, ny sasany kosa nampiasa ny fanamavoana sy ny fandrahonana. Nozakain’ i Zwingli tamim-paharetana avokoa izany rehetra izany, ka hoy izy: «Raha tiantsika ny hitarika ny ratsy fanahy ho eo amin’ i Jesosy Kristy dia tsy maintsy manakimpy ny masontsika tsy hijery zavatra maro isika.» Ibid, boky 6, toko 6.HM 180.1

    Tokony ho tamin’ izay fotoana izay dia nisy olona vaovao tonga hampandroso ny asan’ ny fanavaozana ara-pivavahana. Nisy izay Lucien izay tany Zurich nitondra bokin’ i Lotera sasantsasany, nirahin’ ny sakaizan’ ny finoana nohavaozina tany Bále, izay nanipy hevitra fa mety ho fomba mahery vaika nanaparitahana ny fahama-rinana ny fivarotana an’ ireo boky ireo. «Hamarino, hoy izy nanoratra tamin’ i Zwingli, raha malina sy mailaka tsara io lehilahy io; raha izany dia aoka izy hitety ny tanàn-dehibe, ny tanàna sy ny vohitra ary na dia ny tokantrano tsirairay aza eran’ ny Soisa, hitondra ny bokin’ i Lotera, ary indrindra ny famelabelarana ny vavaka nampianarin’ ny Tompo nosoratany ho an’ ny besinimaro. Arakaraka ny ahafantaran’ ny olona izany no itomboan’ ny mpividy azy koa.» Ibid, boky 8, toko 6. Toy izany no nahatafidiran’ ny fahazavana.HM 180.2

    Amin’ ny fotoana izay niomanan’ Andriamanitra hanapaka ny gadran’ ny tsy fahalalana sy ny finoanom-poana, amin’ izay Satana no nampiasa ny hery lehibe indrindra mba hanarona ny olona anaty haizina ka hanamafisany bebe kokoa ny fatorany.HM 180.3

    Arakaraka ny nisian’ ny olona nitsangana avy tamin’ ny tany samihafa haneho amin’ ny vahoaka ny famelan-keloka sy ny fahama-rinana amin’ ny alalan’ ny ran’ i Kristy, no mainka niezahan’i Roma hanokatra varotra eran’ ny tany kristiana, dia famelan-keloka takalozam-bola.HM 180.4

    Samy manana ny vidiny ny fahotana ary nahazo nanaram-po hanao heloka bevava ny olona raha feno tsara hatrany nytahirim-bola ao amin’ ny fiangonana. Samy nandroso izany ireo fihetsiketsehana ireo: Ny iray manolotra famelana ny fahotana ho takalon’ ny vola, ny iray kosa famelan-keloka amin’ ny alalan’ i Kristy. Roma nanome alalana ho an’ ny fahotana ka nanao izany ho loharano fampidiram-bola ; ireo mpanavao fivavahana kosa, nanameloka ny fahotana sy nanondro an’ i Kristy ho avotra sy mpanafaka.HM 180.5

    Tany Alemaina dia nankinina tamin’ ireo pretra Dominikana ny fivarotana fahazoana alalana hanota (indolzansy) ary ilay Tetzel nalaza ratsy no nitarika izany. Tany Soisa dia teo am-pelatanan’ ny Fransiskana ny varotra, ary i Samsona, pretra italiana no nanara-maso izany. Efa nahavita soa ho an’ ny eglizy i Samsona, tamin’ izy nahavory vola tsy toko tsy forohana hamenoana ny tahirim-bolan’ ny papa avy tany Alemaina sy avy tany Soisa. Nitety an’ i Soisa izy izao nahasarika vahoaka be izao, nitsentsitra izay vola kely niditra tamin’ ireo tantsaha mahantra, ary nandraoka fanomezana sarobidy avy tamin’ ny mpanankarena. Efa tsapa sahady anefa ny asan’ ny fanavaozana ara-pivavahana tamin’ny nampihenany ny varotra, na dia tsy voasakany asa izany. Mbola tany Einsiedeln i Zwingli fony Samsona tonga nitondra ny entam-barony teo amin’ ny tanàna akaikikaiky, fotoana fohy taorian’ ny nidirany tao Soisa. Raha vao ren’ ilay mpanavao fivavahana ny asa nanirahana an’ izy io, dia nanomboka nanohitra azy avy hatrany izy.HM 181.1

    Tsy tafahaona izy roalahy fa fatratra loatra ny fahombiazan’ i Zwingli namelabelatra ny fihamboan’ ilay pretra hany ka voatery niala izy ho any amin’ ny toeran-kafa.HM 181.2

    Tany Zurich, dia nirehitra i Zwingli nitoriteny nanohitra ireo mpivarotra famelan-keloka; ary rehefa nanatona io toerana io Samsona, dia nisy iraka nalefan’ ny filan-kevitry ny tanàna nanome baiko azy handeha hiala. Farany dia tafiditra tamin’ ny alalan’ ny hafetsena izy, nefa voaroaka tsy nahalafo na dia famelan-keloka iray aza, ka vetivety taorian’ izany dia nandao an’ i Soisa.HM 181.3

    Nampandroso fatratra ny fanavaozana ara-pivavahana ny nitrangan’ ny pesta, ilay nantsoina hoe Fahafatesana Lehibe, izay nandripaka nanerana an’ i Soisa tamin’ ny taona 1519. Raha nifanatrika tamin’ ilay mpandringana toy izany ny olona, dia maro no voatarika hahatsapa fa zava-poana sy tsy misy vidiny ireo famelankeloka izay novidiany vao haingana teo; ka naniry mafy ny hanana fototra azo antoka kokoa ho an’ ny finoany izy. Tratran’ ilay aretina i Zwingli tany Zurich ;voa mafy tokoa izy ka tsy nantenaina ho sitrana intsony ; ary niely hatraiza hatraiza ny vaovao fa maty izy. Tsy nihozongozona ny fanantenany sy ny herim-pony tamin’ io ora fizahan-toetra io.HM 181.4

    Nibanjina ny hazo fijalian’ i Kalvary tamim-pinoana izy, natoky ilay avotra ampy sy feno ho an’ ny fahotana. Rehefa tafaverina avy amin’ ny vavahadin’ ny fahafatesana izy. dia nitory ny filazantsara tamin-kafanam-po mihoatra lavitra noho ny teo aloha; ary niasa nanan-kery tsy nampoizina ný teniny. Noraisin’ ny vahoaka tamimpifaliana ilay mpitandrina malalany, ilay tafaverina avy teo ambaravaram-pasana ho eo aminy indray. Izy ireo koa dia vao nikarakara ny marary sy ny miala aina, ka tsapany, mihoatra noho ny teo aloha ny tombam-bidin’ ny filazantsara.HM 182.1

    Azon’ i Zwingli tamin’ ny fomba mazavazava kokoa ny fahamarinan’ ny filazantsara. ary niainany tamin’ ny fomba feno kokoa ny heriny manavao. Ny nahalavoan’ ny olombelona sy ny drafitry ny fanavotana no lohahevitra noantitranteriny. « Maty ao amin’ i Adama avokoa isika rehetra, hoy izy, ary safotry ny fahalotoana sy ny fanamelohana.» Wylie, boky 8, toko 9. Nahazo fanavotana tsy hisy fahataperany ho antsika. . . Kristy. . . Sorona mandrakizay. . . ny fijaliany, ary manan-kery mandrakizay hahasitrana; mahafa-po ny fahamarinan» Andriamanitra mandrakizay izany ho an’ izay rehetra niankina aminy amin’ ny alalan’ ny finoana mafy orina tsy azo hozongozonina». Nampianariny mazava anefa fa tsy azon’ ny olona atao ny mitohy manota noho ny fahasoavan’ i Kristy. «Na aiza na aiza nisy finoana an’ Andriamanitra, dia ao Andriamanitra; ary na aiza na aiza itoeran’ Andriamanitra. dia misy hafanam-po hampirisika sy hanosika ny olona hanao asa tsara.» D’Aubigne, boky 8, toko 9.HM 182.2

    Nahaliana indrindra ny toritenin’ i Zwingli ka feno hipoky ny vahoaka be tonga hihaino azy ny katedraly. Nosokafany miandalana, tamin’ ny mpihaino azy ny fahamarinana, araka izay mety ho zakany. Nitandrina fatratra izy tamin’ ny voalohany hampiditra hevitra izay nety hanaitra azy ka hiteraka fiheveran-diso hamaka lalina ao an-tsainy. Ny asany dia ny hahazo fo hanaraka ny fampianaran’ i Kristy, hanalefaka azy ireo amin’ ny fitiavany, ny hametraka ny ohatra navelany eo imasony mandrakariva; koa rehefa nandray ireo foto-kevitry ny filazantsara izy, dia tsy maintsy ho fongotra ireo hevitra sy fomba niorina amin’ ny finoanoam-poana.HM 182.3

    Nandroso tsikelikely ny Fanavaozana ara-pivavahana tany Zurich. Taitra ireo fahavalony ka nitsangana nanohitra mivantana. Herintaona talohan’ izao dia nanao Tsia tamin’ ny papa sy ny amperora tany Worms ny pretran’ i Wittenberg ary ankehitriny toa hita taratra fa hisy fanoherana ny fihamboan’ ny papa mitovy amin’ izany koa any Zurich. Niverimberina ny famelezana an’ i Zwingli. Tao amin’ ireo faritany teo ambany fahefan’ ny papa, indraindray, dia nisy mpanaraka ny filazantsara nentina hodorana velona, tsy ampy anefa izany; tsy maintsy nampanginina ilay mpampianatra «herezia». Araka izany dia naniraka solontena tany amin’ ny Fivoriana fiheveran-draharaham-piangonana tany Zurich ny evekan’ i Constance, niampanga an’ i Zwingli ho mpampianatra ny vahoaka handika ny lalàn’ ny fiangonana, ka noho izany, dia nampidi-doza ny filaminana sy ny fizotra tsaran’ ny fiainam-bahoaka. Raha lavina ny fahefan’ ny fiangonana hoy izy, nanantitrantitra, dia korontana hatraiza hatraiza no ho vokatr’ izany. Novalian’ i Zwingli fa efa-taona izao no nampianarany ny filazantsara tao Zurich izay tanàna milamina sy mandry fahizay mihoatra noho ny tanàna hafa ao amin’ ny fanjakana mitambatra. «Koa moa ary ve, hoy izy, tsy ny fivavahana kristiana no fiarovana tsara indrindra ny filaminam-bahoaka?» Wylie, boky 8, toko 11.HM 182.4

    Efa notoroan’ ireo iraka hevitra ny mambra ao amin’ ny fivoriana fiheveran-draharaha hanohy ny firaisany amin’ ny eglizy, satria any ivelany, hoy izy ireo, dia tsy misy famonjena. Namaly i Zwingli hoe: «Aoka tsy hanaitra anareo io fiampangana io. Ny fototry ny fiangonana dia Ilay Vatolampy ihany, dia Kristy, Ilay nanome ny anaran’ i Petera satria nanaiky Azy tamin’ ny fomba mahatoky izy. Amin’ ny firenena rehetra na iza na iza mino an’ i Jesosy Tompo amin’ ny fony rehetra dia eken’ Andriamanitra. Io, raha ny tena izy, no fiangonana izay tsy ahazoan’ iza na iza famonjena ivelan’ izany.» D’Aubigne, navoaka tany Londres, boky 8, toko 11. Vokatry ny valan-dresaka natao dia nanaiky ny finoana nohavaozina ny anankiray tamin’ ireo solontena nirahin’ ny eveka.HM 183.1

    Nolavin’ ny fivoriana fiheveran-draharaha ny hihetsika hanohitra an’ i Zwingli, ka niomana ho amin’ ny famelezana vaovao i Roma. Rehefa ren’ ilay mpanavao fivavahana ny fiokoana ataon’ ny fahavalo, dia hoy izy hoe : «Aoka izy hanatona ; tahaka ny tsy fahatahoran’ ny harambato mandondona ny onjan-drano mirohondrohona eo ampotony no tsy fahatahorako azy». Wylie, boky 8, toko 11. Vao mainka nampandroso ny zavatra nokendreny harodana ny ezaka nataon’ ireo mpitondra fivavahana. Vao mainka niely ny fahamarinana. Ireo mpanaraka ny filazantsara tany Alemaina izay kivy tamin ny nanjavonan’ i Lotera, dia nahery fo indray, rehefa nahita ny fandrosoany tany Soisa.HM 183.2

    Rehefa tafaorina tao Zurich ny Fanavaozana ara-pivavahana, dia hita mazava kokoa ny vokany tamin’ ny fanafoanana ny toetra ratsy sy ny fitomboan’ ny filaminana sy ny firindrana. Monina ato amin’ ny tanànanay ny fiadanana, hoy i Zwingli nanoratra; «tsy misy adi-lahy, tsy misy fihatsarambelatsihy, tsy misy fitsiriritana, tsy misy fifandirana. Avy aiza ny firaisam-po toy izany raha tsy avy amin’ ny Tompo sy ny foto-pinoantsika, izay nameno antsika amin’ ny vokatry ny fiadanana sy ny fitiavam-bavaka? Ibid, boky 8, toko 15.HM 184.1

    Vao mainka nanetsika ny mpomba an’ i Roma hanao fiezahana henjana kokoa handresy azy ireo ny fandresena azon’ ny Fanavaozana ara-pivavahana. Hitany fa kely tsy toy inona no vita tamin’ ny fanenjehana sy ny fanafoanana ny asan’ i Lotera tany Alemaina, hany ka nanapa-kevitra izy ireo hampiasa ny fiadiana nampiasain’ ny fana-vaozana ara-pivavahana hoenti-mandresy azy. Hanokona adi-hevitra amin’ i Zwingli izy, ary teo am-pelatanany ny fandaminana ny zavatra rehetra, dia nataony azo antoka ny fandreseny satria izy ihany no nifidy, tsy ny toerana hanaovana ny adi-hevitra fotsiny, fa na dia ny olona hitsara ny adi-hevitra aza. Ary raha azony indray mandeha eo amin’ ny fahefany i Zwingli, dia hotandremany tsara ny handosirany. Rehefa mangina ny mpitarika, dia ho potika vetivety ny fihetsiketsehana. Na dia izany aza, dia nafenina tsara io fikasana io.HM 184.2

    Tapaka fa hatao any Baden ny adi-hevitra; tsy tonga anefa i Zwingli. Nanahy ny fikasan’ ireo papista ny Filan-kevitr’ i Zurich, sady nahazo fampitandremana tamin’ ireo antontan-kitay nandorana an’ izay vavolombelon’ ny filazantsara tany amin’ ireo faritany notapahin’ ny papa, ka dia norarany tsy hiatrika io loza io ny mpitandriny. Tany Zurich, dia vonona ny hihaona tamin’ ireo mpanaraka an’ i Roma rehetra tiany ho nalefa izy; fa ny fankanesana any Baden, izay vao nahalatsahan’ ny ran’ ny maritiora ho an’ ny fahamarinana, dia fanatonana ny fahafatesana azo antoka. CEcolampade sy Halter no voafidy hisolo tena ireo mpanavao fivava-hana, fa i Dr Eck kosa, izay notohanan’ ny manam-pahaizana sy pretra ambony, no mpiaro an’ i Roma.HM 184.3

    Na dia tsy nanatrika ny fihaonana aza i Zwingli, dia tsapa tao ny hery miasa mangina avy aminy. Ny papista no nifidy ny mpitantsoratra rehetra ary ny sisa dia noraràna tsy handray an-tsoratra, fa hohelohina ho faty raha nanao izany. Na dia izany aza, dia nandray ny fitantarana marina isan’ andro an’ izay rehetra voalaza tao Baden i Zwingli. Nisy mpianatra nanatrika ny adi-hevitra ka nitana an-tsoratra isan-kariva ireo fonjan-kevitra naseho nandritra ny andro. Ireo taratasy ireo indray kosa dia mpianatra roa hafa no nanao izay hahatongavany tany amin’ i Zwingli tany Zurich, niaraka tamin’ ny taratasin’ i CEcolampade isan’ andro. Namaly ilay mpanavao fivavahana, nanorotoro sy nanipy hevitra. Alina izy no nanoratra ny taratasiny ary nentin’ ny mpianatra niverina ny maraina. Mba tsy hanaitra ny mpiambina teo am-bavahadin’ ny tanàna, dia niloloha sobika nisy akoho amam-borona ireo mpitondra hafatra ireo ka, navela hiditra tsy nisy fanakantsakanana.HM 184.4

    Toy izany no nanohanan’ i Zwingli ny ady natao tamin’ ireo mpanohitra fetsilahy azy. Hoy Myconius: «Niasa bebe kokoa izy tamin’ ny fieritreretany lalina nandritra ireo alina tsy natoriany, sy tamin’ ny alalan’ ny torohevitra nalefany tany Baden, noho izay ho nety ho vitany raha niady hevitra mivantana teo anivon’ ireo faha-valony izy. D’Aubigné, boky 11, toko 13.HM 185.1

    Noho ry zareo mpomba an’ i Roma natoky ambony ihany fa tsy maintsy mandresy, dia fitafiana faran’ izay narevaka nirenty firavaka nanjelanjelatra no nentiny nankany Baden. Nanao hanim-pitoloha izy, nivelatra teo ambonin’ ny latabany ny sakafo matsiro sarobidy indrindra sy ny divay malaza indrindra. Nohamaivanin’ ny fikoranana sy ny vazivazy ny vesatry ny andraikitra maha-mpitondra fivavahana azy. Nifanohitra tanteraka tamin’ izy ireo kosa ireo mpanavao fivava-hana izay zara raha nanatombo kely noho ny antoko-na mpangataka no fijerin’ ny olona azy, ary satria tsotsotra ny sakafony, dia fotoana fohy ihany no laniny teo am-pihinanana tao amin’ ny efi-tranony. Nanara-maso an’ i CEcolampade ilay tompon’ ny trano nipetrahany, ka nahita azy nianatra foana, na nivavaka, ary talanjona ery izy ka nanao tatitra fa fara-faharatsiny, dia tena fatra-mpitia vavaka ilay heretika.HM 185.2

    Tao amin’ ny efi-trano nanaovana ny fihaonana, dia «niandranandrana aok’ izany i Eck niakatra teny amin’ ny polipitra voaravaka fatratra. Fa ilay CEcolampade kosa feno fanetren-tena, sady ratsiratsy fitafiana raha noterena haka toerana teo amin’ ny seza bory voasokitra tsotsotra nifanatrika tamin’ ilay hifamaly aminy. Ibid, boky 11, toko 13. Ny feo mitrenan’ i Eck sy ny fahatokisan-tenany nihoapampana dia tsy niala taminy mihitsy. Nentanin’ ny fanantenana hahazo volamena sy laza ny hafanam-pony, satria vola be tokoa no hanambazana ilay mpiaro ny finoana. Rehefa tsy nahomby ny fonjan-kevitra narosony, dia nampiasainy ny fanevatevana, eny, na dia ny ompa aza.HM 185.3

    I Œcolampade kosa. feno fietrena sady saro-kenatra dia toa nisalasala hiroso amin’ ny ady, ary rehefa tapa-kevitra izy dia nanao voady miezinezina hoe:HM 186.1

    «Tsy manaiky filamatra hafa hoenti-mitsara afa-tsy ny tenin’ Andriamanitra aho». Ibid. boky 11. toko 13. Na dia malefadefaka sy feno fanajana aza izy tamin’ ny fihetsiny, dia niseho ho nahomby tokoa sady tsy azo nohozongozonina izy. Ireo Romanista araka ny fomba nahazatra azy. dia niankina tamin’ ny fomba amam-panaon’ ny eglizy, ilay mpanavao ara-pivavahana kosa nifikitra mafy tamin’ ny Soratra Masina. «Tsy nanan-kery any aminay any Soisa, hoy izy, ny fomba amam-panao raha tsy mifanaraka amin’ ny lalàm-panorenana, ary, raha ny momba ny finoana dia ny Baiboly no lalàm-panorenana ho anay». Ibid, boky 11, toko 13.HM 186.2

    Tsy hoe tsy nisy asany tsy akory ny fahasamihafana nisy tamin’ ireo mpiady hevitra. Ny fanontanian’ ilay mpanavao fivavahana, ny famelabelarana ara-pisainana mazava sy feno fahatoniana ary naseho tamim-pahalemem-panahy sy fanetren-tena, dia nanintona ny saina, fa nahatofotofoka ny mpihaino kosa ny fanambarana feno fireharehana sady niriadriatra nataon’ i Dr Eck.HM 186.3

    Naharitra valo andro ny adi-hevitra. Tamin’ ny fiafaran’ izany dia natoky fatratra ireo papista nitaky ny fandresena. Ny ankabeazan’ireo solontena nanatrika teo dia niandany tany Roma, ka navoakan’ ny filan-kevitry ny fanjakana foibe fa resy ireo mpanavao fivavahana ary nambarany, fa haongana tsy ho anisan’ ny eglizy ireo niaraka tamin’ i Zwingli mpitarika azy. Ny vokatry ny fihaonana anefa dia nampiselio ny antoko tena nahazo ny fandresena. Ny vokatr’ io adi-hevitra io dia fandrosoana be teo amin’ ny Protestanta, ary tsy ela taorian’ izany dia nanambara tena ho niandany tamin’ ny fanavaozana ara-pivavahana ireo tanàn-dehibe toa an’ i Berne sy Bale.HM 186.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents