Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hery Mifanandrina

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "undefined".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 12—Ny fanavaozana ara-pivavahana tany Frantsa

    Ny fanoherana tany Spira sy ny Fanekem-pinoana tany Aogsborga, izay nanamarika ny fandresen’ ny Fanavaozana arapivavahana tany Alemaina, dia narahin’ ny taona feno ady sy haizina. Nahaosa ny fivavahana Protestanta ny fisaraham-bazana teo amin’ ny mpanohana azy sady notafihin’ ny fahavalo matanjaka izy ka toa efa ho rava tanteraka. An’ arivony ny nandatsaka ny rany ho vavolom belona. Nipoaka ny ady an-trano ; nisy anankiray tamin’ ireo filohan’ ny mpiandany tamin’ ny Protestanta namadika an-drizareo; lavo teo am-pelatanan’ ny amperora ny ambony indrindra tamin’ ireo andriandahy nanaiky ny Reformasiona ka notaritarihina ho babo nitety tanàna. Nefa tamin’ io fotoana toa nandresen’ ny amperora io indrindra, no nahapotika sy naharesy azy. Hitany fa votsotra teo am-pelatanany ny hazany, ka voatery izy tamin’ ny farany handefitra tamin’ ny foto-pinoana izay nataony hambom-pon’ ny fiainany ny handrava azy. Efa nataony antoka ny fanjakany, ny hareny. eny. ny ainy aza mba hanamontsamontsanany ny «herezia». Izao anefa. resy an’ ady ny tafiny, ritra ny hareny, tandindomin’ ny fikomiana ireo fanjakany maro, fa mitatra hatraiza hatraiza kosa ny finoana izay nanaovany ezaka very maina hofoanana. Niady tamin’ ny hery tsitoha i Charles fahadimy. Efa niteny Andriamanitra hoe «Misia mazava», anefa niezahan’ ny amperora izay tsy hahavaky ny haizina. Tsy nahomby ny fikasany, antitra talohan’ ny fotoana izy, sasatry ny tolona lava ka nanongan-tena niala tamin’ ny seza fiandrianany ary nilevim-belona tao amin’ ny tranon-drelijiozy iray.HM 217.1

    Nisy andro maizina ho an’ ny Reformasiona koa tany Soisa tahaka ny tany Alemaina. Betsaka ireo fanjakana (cantons) nanaiky ny finoana nohavaozina, nefa nisy koa ireo ninia jamba ka nifikitra tamin’ ny fanekem-pinoan’ i Roma. Niteraka ady an-trano nony farany ny fanenjehan’ izy. ireo izay naniry ny handray ny fahama-rinana. Lavo teo an-tany fiadiana vonton-dran’ i Cappel ry Zwingli sy ireo maro hafa niray hina taminy teo amin’ ny fanavaozana arapivavahana. Fotoana fohy taorian’ izany dia maty i CEcolampade, trotrak’ ireo zava-doza mahatsiravina. Nandresy i Roma, ary toa efa hiverina aminy daholo izay rehetra veriny tamin’ ny toerana maro. Nefa tsy nandao ny asany na nahafoy ny vahoakany ilay Mpanolotsaina hatry ny fahagola. Nanafaka azy ny sandriny. Tamin’ ny tany hafa dia nanangana mpiasa hampandroso ny Reformasiona Izy.HM 218.1

    Tany Frantsa, raha mbola tsy re akory ny anaran’ i Lotera amin’ ny maha-Mpanavao fivavahana azy, dia efa nanomboka niposaka ny andro. Anisan’ ny voalohany nandray ny fahamarinana i Lefèvre izay efa mby tamin’ ny fahalehibeazany; lehilahy nahita fianarana, mpampianatra tao amin’ ny Oniversiten’ i Paris ary mpiandany tamin’ ny papa tamin’ ny fony marina sy tamin-joto tokoa. Raha nanao fikarohana momba ny haisoratra tamin’ ny andro fahagola izy, dia voatarika ho eo amin’ ny Baiboly ny sainy, ka nampidiriny hianaran’ ny mpianany izany.HM 218.2

    Olona nafana fo i Lefèvre tamin’ ny fivavahana tamin’ ny olomasina, ka niroso tamin’ ny fanomanana ny tantaran’ ny olo-masina sy ny maritiora araka izay hita ao amin’ ny lovan-tsofin’ ny fiango-nana. Nitaky asa betsaka sady mafy izany ; efa lasa lavitra anefa izy tamin’ izany, raha nahatsapa fa mety nisy fanampiana hahasoa azy ao amin’ ny Baiboly ka nanomboka nandinika azy tamin’ izay lafiny izay izy. Nahita olo-masina tao izy, fa tsy tahaka ireo hita ao amin’ ny fanisan’ andron’ ny Romana. Nitosaka nameno ny sainy ny faha-zavana avy amin’ Andriamanitra. Sady talanjona izy no narikoriko ka dia navelany teo ilay asa nanendreny tena fa nanokan-tena kosa handinika ny tenin’ Andriamanitra izy.HM 218.3

    Ary vetivety dia nanomboka nampianatra ireo fahamarinana sarobidy hitany tao izy.HM 218.4

    Tamin’ ny taona 1512, talohan’ ny nanombohan’ i Lotera na Zwingli ny asa fanavaozana nataony, dia nanoratra izao i Lefèvre : «Andriamanitra no nanome antsika amin’ ny finoana ny fahamarinana izay hany afaka manamarina ho amin’ ny fiainana mandrakizay amin’ ny alalan’ ny fahasoavana»Wylie, boky 13, toko 1. Raha nandinika lalina ny momba ireo zava-miafin’ ny fanavotana izy dia niloa-bava hoe : «Endrey izany fifanakalozana ! Tsy hay lazaina ny fahalehibeazany», — voaheloka ilay tsy nanam-pahotana fa afaka ny meloka, Ilay Voatahy no mizaka ny ozona, ary ny voaozona kosa mandray ny fitahiana; maty ilay Fiainana, ary velona ny mety maty; safotry ny haizina ny voninahitra fa ilay tsy nahalala afa-tsy henatra teo aminy dia tafiana voninahitra.D’Aitbigné, navoaka tany Londra, boky 12, toko 2.HM 218.5

    Ary raha nampianatra izy fa an’ Andriamanitra irery ihany ny voninahitry ny famonjena; dia nanambara koa fa adidin’ ny olombelona ny mankatò. «Raha anisan’ ireo fiangonan’ i Kristy ianao, hoy izy, dia rantsan’ny vatany, raha anisan’ ny tenany ianao, dia feno ny fomban’ Andriamanitra. . .O, raha mba mety ho azon’ ny olona manko ny dikan’ io tombon-tsoa io dia hadio, ho maotona sy ho marina manao ahoana ny fiainany, ary ho vasoka manao ahoana ny fijeriny ny voninahitra rehetra eto amin’ izao tontolo izao, raha hampitahaina amin’ ilay voninahitra anaty, — dia ilay voninahitra tsy mety ho hitan’ ny mason’ ny nofo».Ibid, boky 12, toko 2.HM 219.1

    Nisy tamin’ ireo mpianatr’ i Lefèvre nanongilan-tsofina fatratra nihaino ny teniny sy nankasitraka izany, ary nanohy nanambara ny fahamarinana, fotoana ela taorian’ ny nampanginana ny feon’ ilay mpampianatra. Anisan’ ireny i William Farel, tia vavaka ny ray aman-dreniny, ary nobeazina handray ny fampianaran’ ny eglizy amin’ ny finoana tsy manadihady na inona na inona izy, ka afaka nilaza ny momba ny tenany tahaka ny Apostoly Paoly hoe : «fa efa Fariseo araka ny antoko fatra-pitana indrindra ny lalàna amin’ ny fivavaliantsika»1Asa 26 : 5. Tamin’ ny maha-mpiandany mafana tamin’ i Roma azy, dia nirehitra tamin’ ny zotom-po izy hanapotika izay rehetra sahy nanohitra ny eglizy. «Nampiseho vangy tahaka ny amboadia romotra aho», hoy izy tatý aoriana, raha nitantara ny amin’ io vanim-potoana tamin’ ny fiainany io, rehefa nandre olona niteny nanohitra ny papa.Wylie, boky 13, toko 2. Tsy nahalala sasatra nivavaka tamin’ ny olo-masina izy, niaraka tamin’ i Lefèvre nitety ireo fiangonana tao Paris, niankohoka teo anoloan’ ny otely, nandravaka ireo fitehirizana relika tamin’ ny fanomezana nateriny. Tsy nitondra fiadanana ho an’ ny fanahiny anefa izany fahazarana izany, tamin’ ny fahatsapany ny fahotany, izay tsy foanan’ ny asa fampahorian-tena rehetra nataony.HM 219.2

    Tahaka ny feo avy any an-danitra no nandrenesany ny tenin’ ny Mpanavao fivavahana nanao hoe: «Fahasoavana ny famonjena». «Voaheloka Ilay tsy manan-tsiny, ary afaka ny mpanao heloka bevava». Ny hazo fijalian’ i Kristy irery no mampivoha ny varavaran’ ny lanitra, ary nanidy ny varavaran’ ny helo».Ibid, boky 13, toko 2.HM 220.1

    Nandray ny fahamarinana tamim-pifaliana i Farel. Nandalo fiovam-po tahaka an’ i Paoly izy ka niala avy tamin’ ny fanandevozan’ ny lovan-tsofina ho amin’ ny fahafahan’ ny zanak’ Andriamanitra. Raha niverin-dalana izy hoy izy «dia tsy toy ny amboadia noana vonon-kamiravira ankamorana, fa toy ny zanak’ ondry malemy fanahy sy bonaika; ny fony niala tanteraka tamin’ ny papa ary natolony an’ i Jesosy Kristy».D’Aubigné, boky 18, toko 3.HM 220.2

    Raha mbola nanaparitaka ny fahazavana tamin’ ny mpianany i Lefèvre, i Farel kosa, izay nafana fo niasa ho an’ i Kristy tahaka ny nampahafana ny fony niasa ho an’ ny papa, dia lasa nanambara ny fahamarinana ampahibemaso. Ny evekan’ i Meaux, izay olona nanankaja tao amin’ ny fiangonana, dia nanaraka azy ireo fotoana fohy avy eo. Nisy mpampianatra hafa koa izay ambony toerana noho ny fahaizany sy ny fahalalany nilatsaka hitory ny filazantsara, ka nisy nanaraka izany avy tamin’ ny saranga rehetra, avy tamin’ ny tranon’ ny mpanao asa-tanana sy ny tantsaha no nihaviany ka hatramin’ ny lapan’ ny mpanjaka. Ny anabavin’ i Francois I, andriamanjaka tamin’ izay, dia nanaiky ny finoana nohavaozina. Ary na dia ny mpanjaka sy ny reniny aza dia toa nisy fotoana nankasitrahany izany ka feno fanantenana ireo Mpanavao fivavahana nibanjina ny andro izay hahazoana an’ i Frantsa ho-an’ ny Filazantsara.HM 220.3

    Nefa tsy tanteraka ny fanantenany. Fizahan-toetra sy fanenjehana no niandry ny mpianatr’ i Kristy. Na dia izany aza, dia nosaronana tsy ho hitan’ ny masony izany, noho ny famindrampo. Nisy fotoana nisian’ ny fandriam-pahalemana izay nahazoany hery hoentimanohitra ny tafiotra; nandroso haingana ny Reformasiona. Niasa mafy sy tamin-jotom-po ny evekan’ i Meaux tao amin’ ny paroasy nisy azy, nampianatra ny mpitondra fivavahana sy ny vahoaka. Nalana ny pretra tsy nanana fahalalana sy ratsy fitondrantena, ary araka izay azo natao dia nosoloina olo-nanana fahalalana sady nivavaka ireny. Nirin’ ny eveka mafy ny hahazoan’ ny vahoaka ny tenin’ Andriamanitra ho an’ ny tenany, ary vetivety dia tanteraka izany. Niroso tamin’ ny fandikana ny Testamenta Vaovao i Lefèvre ary tamin’ ny fotoana nivoahan’ ny Baiboly Alemana nadikan’ i Lotera avy tamin’ ny fanontam-pirintin’ i Wittenberg no nivoahan’ ny Testamenta Vaovao tamin’ ny teny Frantsay tany Meaux. Tsy nitandro hasasarana na vola aman-karena ny eveka izay nampiely izany tao amin’ ireo fiangonana niadidiany ka vetivety dia nanana ny Soratra Masina ireo tantsahan’ i Meaux.HM 220.4

    Tahaka ny mpivahiny main’ ny hetaheta ka faly mahita loharano velona no nandrenesan’ ireto fanahy ny hafatra avy any an-danitra. Na ireo mpiasa tany an-tsaha na ireo mpanao asa-tanana tany an-trano fiasany dia namalifaly ny asany andavanandro tamin’ ny firesahana ireo fahamarinana sarobidy tao amin’ ny Baiboly. Rehefa hariva ny andro, dia tsy nankany amin’ ny mpivaro-divay izy ireo, fa nifamory tany an-tokantranony avy hamaky ny tenin’ Andriamanitra. Vetivety dia hita fa nisy fiovana be teo amin’ ny fiainan’ ny mpiara-monina. Na dia anisan’ ny saranga ambany indrindra teo amin’ ny tantsaha tsy nahita fianarana sy niasa mafy aza izy ireo, dia hita teo amin’ ny fiainany ny fiasan’ ny hery manandratry ny fahasoavan’ Andriamanitra. Tamin’ ny toetra feno fanetren-tena, be fitiavana sy masina no nijoroany ho vavolombelon’ ny asan’ ny filazantsara ho an’ izay mandray izany amim-pahatsoram-po.HM 221.1

    Ny fahazavana nirehitra tany Meaux dia nanaparasaka lavitra ny tarany. Nitombo isan’ andro ny isan’ ny niova fo. Nandritra ny fotoana fohy dia voasakan’ ny mpanjaka, izay nanao tsinontsinona ny toe-tsaina ety nananan’ ireo pretra mpitondra ara-panahy isantsokajiny ny haromotan’ ireo; nefa nandresy nony farany ireo filoha niandany tamin’ ny papa. Natsangana izao ireo antontan-kitay fandoroana velona. Noterena hisafidy na ny hodorana velona na ny handà ny finoany ny evekan’ i Meaux, ka nanaiky ny hizotra tamin’ ny lalana mora indrindra; nefa na dia lavo aza ny mpitarika, dia nijoro kosa ny andian’ ondry. Maro no nanaiky ho vavolombelon’ ny fahamarinana tao anatin’ ny lelafo. Tamin-kerim-po sy toetra maha-toky, nasehony tamin’ izy nodorana velona, no nitenenan’ ireo kristiana tsotra ireo tamin’ ny olona an’ arivony izay tsy mbola nandre mihitsy ny fanambarany tamin’ ny andro nisian’ ny fandriampahalemana.HM 221.2

    Tsy ny olon-tsotra sy mahantra ihany no sahy nijoro ho vavolombelon’ i Kristy teo anivon’ ny fampijaliana sy ny esoeso fa hatrany amin’ ny efitrano mihajan’ ny lapan’ andriana koa dia nisy fanahy mendrika izay nanombana ny fahamarinana ho ambony noho ny harena sy ny laharana eny, na noho ny ainy koa aza. Ny akanjo fiadiana fitondram-panjaka dia nanarona toe-tsaina ambony sy matotra kokoa noho ny akanjo sy ny satroky ny eveka. Taranak’ andriana i Louis Berquin, manam-boninahitra be herim-po sady mendri-kaja izy, tia fianarana aok’ izany izy ary nadio nangarangarana ara-pitondrantena. Hoy ny mpanoratra iray: «Mpanaraka mafana ireo didy navoakan’ ny papa, ary mpihaino nazoto ny lamesa sy ny toriteny. . . ary ny nasatrony ireo toetrany tsara rehetra ireo dia ny fankahalany manokana ny fivavahan’ i Lotera». Nefa tahaka ny maro hafa koa, rehefa voataona ho eo amin’ ny Baiboly izy, noho ny fitondran’ Andriamanitra, dia gaga raha nahita tao «tsy ny fampianaran’ i Roma fa ny fampianaran’ i Lotera».Wylie, boky 13, toko 9. Hatramin’ izay dia nanolo-tena tamin’ ny fony tanteraka ho an’ ny asan’ ny Filazantsara izy.HM 221.3

    «Izy no nahita fianarana indrindra tamin’ ireo andriana tany Frantsa», lalin-tsaina sy nahay nandaha-teny, nanana herim-po tsy azo notohaina sy hafanam-po feno fahasahiana koa, nanan-jo, ary olontian’ ny mpanjaka tao an-dapa izy mantsy — koa noho izany dia noheverin’ ny maro fa izy no voatendry ho Mpanavao fivavahana ao amin’ ny tanindrazany. Hoy i Bèze: «Nety ho tonga Lotera faharoa i Berquin, raha nety ho toy ny filohan’ ny Saxe ho azy i Francois 1». «Ratsy noho i Lotera izy» hoy ny antsoantson’ ny papista —Ibid, boky 13, toko 9. Ary marina fa tena natahotra azy kokoa ireo mpiandany tamin’ i Roma tany Frantsa. Nampidiriny an-tranomaizina amin’ ny maha-heretika azy izy, nefa nafahan’ ny mpanjaka. Naharitra an-taonany maro ny tolona. Niroaroa saina tanelanelany tamin’ i Roma sy ny Reformasiona i Francois 1, ka mbetika nilefitra, mbetika nanakana ny hafanam-po nirehitr’ ireo pretra. Intelo no nataon’ ny fahefana papaly tany an-tranomaizina i Berquin, nefa navoakan’ ny mpanjaka, izay nandà ny hanao sorona azy ho an’ ny haratsiampanahin’ ireo mpitondra fiangonana isan-tsokajiny noho ny fitalanjonany teo anatrehan’ ny fahaizany sy ny fahambonian’ ny toetra amam-panahiny.HM 222.1

    Imbetsaka i Berquin no nampitandremana ny amin’ ny loza mananontanona azy tany Frantsa, ary nampirisihina hanaraka ny dian’ ireo nahita fiarovana azo antoka tamin’ ny fandehanana antsesi-tany an-tsitrapo. I Erasme, ilay lehilahy kanosa sy mpisolelaka izay namirapiratra indrindra, raha tamin’ ny fahaizany, nefa tsy nanana ny fahalehibeazana ara-panahy izay nametraka ny aina sy ny voninahitra eo ambany fifehezan’ ny fahamarinana, dia nanoratra toy izao tamin’ i Berquin : «Mangataha halefa ho ambasadaoro any amin’ ny firenena vahiny anankiray, mandehana mitety an’ i Alemaina. Fantatrao Beda sy ny toetrany bibi-dia maro loha izy ary mandefa ny zana-tsipikany misy poizina hatraiza hatraiza. Legiona no anaran’ ireo fahavalonao. Na tsara noho ny an’ i Jesosy Kristy aza ny hevitra tazoninao, dia tsy hamelany ianao raha tsy potika amin’ ny fomba mahonena. Aza matoky loatra ny fiarovan’ ny mpanjaka. Ary na toy inona na toy inona, dia aoka ianao tsy handoto ahy eo imason’ ny Sekoly fianarana teolojia.Ibid, boky 13, toko 9.HM 222.2

    Nefa arakaraka ny nampivangongo ny loza no vao mainka nampitombo ny hafanam-pon’ i Berquin. Ka lavitra azy ny hanaraka ny torohevitra mifono hafetsifetsena sy fitiavan-tenan’ i Erasme, fa nanapa-kevitra ny hampiasa fomba sahisahy kokoa izy. Tsy hijoro hiaro ny fahamarinana fotsiny izy, fa hamely ny hevi-diso koa. Hatsingerina amin’ ireo Romanista ny fiampangana azy ho «heretika» izay niezahan’ izy ireo hamelezana azy. Ny niasa mafy indrindra sy ny nasiaka indrindra tamin’ ireo mpanohitra azy dia ireo mpammpianatra ngezalahy tapi-pahaizana sy ireo pretra tao amin’ ny sokajim-pampianarana momba ny Teolojia tao amin’ ny Oniversite lehibe tao Paris, izay anankiray tamin’ ny fahefana ara-pivavahana ambony indrindra tao amin’ io tanàna io sy nanerana ny fanjakana. Nangalan i Berquin lohahevitra, roa ambinifolo ny asa soratr’ ireo mpampianatra ngezalahy ireo, izay nambarany ampahibemaso fa «mifanohitra amin’ ny Baiboly» sady «heretika»: ary dia nangataka ny mpanjaka izy hitsara ny ady.HM 223.1

    Tsy nampahalaina ny mpanjaka tokoa ny hampifanandrina ny hery sy ny fahaizan’ ireo kingalahy nifanohitra ireo sady faly tokoa izy nahita fotoana azony araraotina hampietrena ny avonavon’ ireto pretra mpirehareha ireto, ka nasainy niaro ny hevitra notanany tamin’ ny alalan’ ny Baiboly ry zareo. Fantatr’ ireo tsara anefa fa tsy hahomby firy izy raha mampiasa an’ io fiadiana io;ny fonja, ny fampijaliana sy ny fandorana velona no fiadiana hainy ampiasaina indrindra. Nivadika izao ny rasa, ary tsapany fa efa nadiva ho latsaka tao amin’ ny lavaka mangitsokitsoka nokasaina handentehana an’ i Berquin izy. Nitebiteby fatratra izy niherikerika nitady lalan-kandosirana.HM 223.2

    «Tamin’ io fotoana io indrindra dia nisy nanimba ny sarivongan’ ny Virijina tao an-joron-dalana iray». Nihotakotaka ny tanàna. Nitangorona ho eo amin’ io toerana io ny vahoaka marobe sady nalahelo no tezitra. Voatohina mafy koa ny mpanjaka. Inty nisy tombon-tsoa azon’ ireo pretra nohararaotina ka mailaka ery izy nandray izany. «Vokatry ny fampianaran’ i Berquin izao», hoy ny antsoantsony. «Efa madiva hitotongana avokoa ny zavatra rehetra — na fivavahana na lalàna, ary na dia ny seza fiandrianana aza noho ity tetika fikomiana ity». —Ibid, boky 13, toko 9.HM 223.3

    Nosamborina indray i Berquin. Niala tao Paris ny Mpanjaka, ka nalalaka izany ny pretra hanatanteraka ny sitrapony. Notsaraina sy nomelohina ho faty i Berquin ary noho ny fanahiana fandrao Francois I hanao fanelanelanana ho azy indray, dia nampiharina androtry ny namoahana azy iny ny didim-pitsarana. Nentina tao amin’ ny fitoerana famonoana i Berquin tamin’ ny mitataovovonana. Vahoaka be no nivory hanatri-maso io toe-javatra io, ary betsaka no gaga sy raiki-tahotra fa avy tamin’ ny fianakaviana tsara laza sy mendrika indrindra tao Frantsa ilay hovonoina. Hagagana, hatezerana, fanarabiana sy fankahalana mangidy no nanamaizina ny endriky ny vahoaka maro niahoaho, fa nisy endrika iray kosa izay tsy mba nanjombona. Lavitr’ izao tabataba izao ny endrik’ ilay maritiora ; ny fanatrehan’ ny Tompo ihany no tsapany. Samy tsy noraharahainy na ny sarety ratsy nitaingenany, na ny endrika féno hatezeran’ ireo mpanenjika azy, na ny fahafatesana mahatsiravina izay hatrehiny ; Ilay velona teto an-tany sy efa maty, ary velona mandrakizay ka manana ny fanalahidin’ ny fahafatesana sy ny helo no teo anilany. Namirapiratry ny fahazavana sy ny fiadanan’ ny lanitra ny endrik’ i Berquin. Akanjo fihaingoana no haingo nanaovany: kapaoty volory salotra amparasily no nataony anatiny, ary ban-tongotra mivolom-bolamena. History of the Reformation of the Sixteenth Century. D’Aubigné, boky 2, toko 16. Nadiva hanambara ny finoany eo anatrehan’ ny Mpanjakan’ ny mpanjaka sy izao rehetra izao ho vavolombelona izy, ka tsy tokony hahitana soritry ny alahelo izay hampandainga ny fifaliany teny aminy.HM 224.1

    Raha nandroso moramora teny amin’ ny arabe voatemitr’ olona ny filaharana, dia gaga ny vahoaka nahatsikaritra ny fiadanana tsy nisy aloka, ny fandresena feno fifaliana hita tao amin’ ny fijeriny sy ny fihetsiny. «Tahaka ny olona mipetraka ao amin’ ny fiangonana izy», hoy izy ireo, «ary misaintsaina lalina momba ny zava-masina».Ibid, boky 13, toko 9.HM 224.2

    Teo amin’ ny antontan-kitay handoroana azy i Berquin dia niezaka ny hanao teny fohy tamin’ ny vahoaka; natahotra izay ho vokatr’ izany anefa ny monka, ka nanomboka niantsoantso, ny niiaramila nampifandona ny fiadiany ka nanarona ny feon’ ilay maritiora ny tabatabany. Toy izany tamin’ ny taona 1529 no nanomezan’ ireo manam-pahaizana sy ireo manam-pahefana arapivavahana ambony indrindra tao Paris feno famirapiratana «ohatra ambany ho an’ ny vahoaka raha ho romotra izy tamin’ ny taona 1 793, ny amin’ ny fanaovana tsinontsinona ny teny farany tokony hohajaina ataon’ ny olona hovonoina».Ibid, boky 13, toko 9.HM 224.3

    Nokendaina i Berquin ary nodorana tamin’ ny afo ny tenany. Nahavonton’ alahelo ireo sakaizan’ ny Reformasiona nanerana an’ i Frantsa ny vaovao nilaza ny nahafatesany. Nefa tsy very maina tsy akory ny ohatra nomeny. «Vonona tokoa izahay, hoy ireo vavolombelon’ ny fahamarinana, hiatrika ny fahafatesana amim-pifaliana ka hampifantoka ny masonay amin’ ny fiainana ho avy»D’Aitbigné, History of the Reformation in Europe in the Time of Calvin, boky 2, toko 16.HM 225.1

    Nandritra ny fanenjehana tany Meaux dia nesorina tamin’ ireo mpampianatra ny finoana nohavaozina ny fanomezan-dalana azy hitoriteny, ka lasa nankany amin’ ny saha hafa izy. Rehefa afaka fotoana fohy dia nankany Alemaina i Lefèvre. I Farel niverina tany amin’ ny tany nahaterahany tany amin’ ny faritra atsinanan’ i Frantsa, hanaparitaka ny fahazavana tany amin’ ny toerana nahabe azy. Efa re tao sahady ny vaovao momba izay niseho tany Meaux, ka nisy mpihaino ny fahamarinana izay nampianariny tamin-jotom-po tsy nisy tahotra. Tsy ela dia taitra ny manam-pahefana ka nampangina azy ary nandroaka azy hiala tao an-tanàna. Na dia tsy afa-niasa ampahibemaso intsony aza izy, dia nitety ny lohasaha sy ny tanàna madinika izy, nampianatra tany an-tokantrano sy tany anaty bozaka mangingina, ary niery tany anaty ala sy tany anaty zohim-batolampy izay toerana falehany fahazaza. Nanomana fitsapana mafy kokoa ho azy Andriamanitra. «Tsy hoe tsy nisy ny hazo fyaliana, ny fanenjehana sy ny teti-dratsin’ i Satana izay nampitandremana ahy mialoha», hoy izy; «mafy lavitra noho izay mety ho zakan’ ny tenako izany; nefa Raiko Andriamanitra efa nomaniny ny hery izay ilaiko. Ary mbola homaniny ihany koa». D’Anbigné, History of the Reformation of the Sixteenth Century, boky 12, toko 9.HM 225.2

    Tahaka ny tamin’ ny andron’ ny apostoly dia «tonga fampandrosoana ny filazantsara» 2Fil.1:12: ny fanenjehana. Avy any Paris sy Meaux «izay niely dia nandeha nitory teny tontolo eny»- 3Asa 8:4 Ary tamin’ izany fomba izany no nahitan’ ny fahazavana lalana hitatra hatrany amin’ ny faritany lavi-toerana maro tany Frantsa.HM 225.3

    Mbola nanomana mpiasa hanitatra ny asany Andriamanitra. Tao amin’ ny Sekoly iray tao Paris dia nisy tanora mpandini-javatra, tony ary efa hita sahady fa nahiratra sady lalin-tsaina, indrindra tsy latsa danja tamin’ ny fahadiovam-piainany. Ny nampiavaka azy dia ny fahazotoany teo amin’ ny ara-tsaina sy ny hafanam-pony tamin’ ny fivavahana. Vetivety dia nanjary reharehan’ ny Sekoly izy noho ny halalinan-tsainy sy ny fiezahany, ary nampoizina marina fa hanjary mpiaro havanana sy mendrika indrindra ny eglizy i Jean Calvin. Nisy tara-pahazavana avy amin’ Andriamanitra anefa tafagorobaka ny rindrin’ ny fampianarana hevi-tsain’ ny Andro Antenantenany sy ny finoanoampoana nanodidina an’ i Calvin. Nipararetra izy raha nandre ny amin’ ny fampianarana vaovao, ary tsy nisalasala mihitsy izy nihevitra fa mendrika ny afo nandoroana azy ny «heretika». Tsy fanahy niniany mihitsy anefa dia nifanatrika tamin’ ny «herezia» izy, ka voatery nisedra ny herin’ ny teolojian’ i Roma mba hanoherany ny fampianarana Protestanta.HM 225.4

    Nisy zanaky ny iraitampo tamin’ i Calvin tao Paris, izay nanaraka ny Reformasiona. Matetika no nihaona izy mirahalahy ary niady hevitra momba ireo anton-javatra nampikorontana ny fivavahana kristiana. «Tsy misy afa-tsy fivavahana roa eto amin’ izao tontolo izao», hoy Olivetan ilay Protestanta. Ny antokom-pivavahana iray dia izay noforonin’ ny olombelona ary ao amin’ izy rehetra ireo dia mamonjy ny tenany amin’ ny alalan’ ny fanompoam-pivavahana sy ny asa tsara ny olona; ny iray kosa dia ilay fivavahana tokana ambaran’ ny Baiboly, ka mampianatra ny olona tsy hanantena famonjena afa-tsy amin’ ny alalan’ ny fahasoavan’ Andriamanitra maimaimpoana.HM 226.1

    «Tsy mila na dia iray aza amin’ ny fampianaranareo vaovao aho», hoy i Calvin, «heverinao ve fa velona tao amin’ ny hevi-diso aho nandritra ny androm-piainako?» —Wylie, boky 13, toko 7.HM 226.2

    Nefa nifoha tao an-tsainy ny eritreritra izay tsy azony noroahina araka ny sitrapony. Raha nanirery tao an’ efitranony izy dia nandanjalanja ny tenin’ ny rahalahiny. Nitambesatra taminy ny fahatsapana ny maha-mpanota azy. Nahita ny tenany teo anatrehan’ Ilay Mpitsara masina, sy marina izy, nefa tsy nanam-piaro. Na ny fanelanelanan’ ny olo-masina, na ny asa tsara. na ny fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fiangonana dia samy tsy nisy nahaisotra ny ota. Tsy misy afa-tsy ny haizin’ ny famoizam-po mandrakizay no hitany teo anatrehany. Sasa-poana ireo mpampianatra ngezalahy tao amin’ ny eglizy niezaka nanamaivana ny fahoriany. Samy tsy nisy antony na ny kaonfesy, na ny fampahorian-tena, fa tsy afaka nampihavana ny fanahiny tamin’ Andriamanitra ireny.HM 226.3

    Raha mbola tao anatin’ izany (olona tsy nisy vokany izany i Calvin, dia nahita maso ny fandoroana «heretika» iray indray andro raha sendra nitsidika toeram-pialam-boly iray. Gaga izy nahita ny fiadanana nisoritra teo amin’ ny endrik’ ilay maritiora. Tao anatin’ ny fampijaliana niteraka io fahafatesana mahatsiravina io sy teo ambanin’ ny fanamelohana mahatsiravina indrindra nataon’ ny eglizy i/y. nefa dia nampiseho finoana sy herim-po. Nampahory ilay tovolahy mpianatra ny nampitaha izany tamin’ ny hakiviana sy haizina nisy azy raha niaina tao amin’ ny fankatoavana hentitra indrindran’ ny eglizy izy. Fantany fa ny Baiboly no nanorenan’ ireo «heretika» ny finoany. Tapa-kevitra ny handinika izany izy, mba hahitany raha azony hatao ny mahafantatra ny tsiambaratelon’ ny fifalian’ izy ireo.HM 227.1

    Kristy no hitany tao amin’ ny Baiboly: «Ray ó», hoy izy nitomany. «nampitony ny hatezeranao ny sorona nataony; nanasa ny fahalotoako ny rany; nitondra ny ozona tokony ho ahy ny hazo fijaliany; avotra ho ahy ny fahafatesany. Nihevitra hadalana maro tsy mahasoa ho an’ ny tenanay izahay, nefa napetrakao teo anatrehako tahaka ny fanilo ny teninao ary notohininao ny foko mba hankahalako ny fahamendrehana hafa rehetra afa-tsy ny an’ i Jesosy». -Martyn, boky 3, toko 13.HM 227.2

    Nobeazina ho pretra i Calvin. Raha vao roa ambin’ ny folo taona izy dia notendrena hitandrina tao amin’ ny fiangonana kely iray, ka nosolain’ ny eveka ny lohany araka ny fitsipiky ny eglizy. Tsy nohosorana ho pretra izy na nanao ny raharahan’ ny pretra, nefa dia nanjary anisan’ ny mpitondra fivavahana. nitondra ny anaramboninahitra teo amin’ ny asany, ary nandray anjara-vola nifanaraka tamin’ izany.HM 227.3

    Ankehitriny rehefa fantany fa tsy ho tonga pretra na oviana na oviana izy, dia niverina nianatra lalàna aloha fotoana fohy, nefa nony farany dia navelany izany ka tapa-kevitra hanokana ny fiainany hitory ny filazantsara izy. Nisalasala ny ho tonga mpampianatra ampahibemaso anefa izy. Sarotsaro-kenatra rahateo izy, ary nitambesatra taminy ny fahatsapany ny adidy goavana momba an’ io toerana io. hany ka naniry ny mbola hanokan-tena hianatra izy. Ny fampirisihana mafana nataon’ ireo sakaizany anefa dia nahatonga azy hanaiky nony farany. «Mahagaga hoy izy. fa olona izay ambany fihaviana toy izao no hasandratra ho amin’ ny haja ambony tahaka itony».Wylie, boky 13,toko 9.HM 227.4

    Niroso tsimoramora ho eo amin’ ny asany i Calvin, ka tahaka ny ranon’ ando mamelombelona ny tany ny teniny. Nilaozany i Paris ary lasa nankany amin’ ny tanàna iray tany ivelan’ ny renivohitra izy izao, tao ambany fiarovan’ ny andriambavy Marguerite, izay tia ny filazantsara ka nirotsaka ho mpiaro ny mpanaraka izany. Mbola tanora i Calvin, nalemy paika sady nanetry tena. Nanomboka tamin’ ny olona tao an-tokantranony ny asany. Manodidina azy ny mpianakavy, dia namaky tamin’ izy ireo ny Baiboly izy, sy nanokatra ny fahamarinan’ ny famonjena taminy. Izay mandre ny hafatra dia nitondra ny vaovao mahafaly tamin’ ny hafa kosa ary vetivety ilay mpampianatra dia nihoatra ny tanàn-dehibe ho amin’ ny tanàna madinika manodidina sy ny vohitra kely. Ny lapan’ andriana sy ny trano bongo dia samy nandray azy, ka nandroso hatrany izy nandatsaka ny fanorenan’ ny fiangonana izay namokatra vavolombelona tsy nanan-tahotra ho an’ ny fahamarinana.HM 228.1

    Volana vitsivitsy taorian’ izany dia tafaverina tao Paris indray izy. Nisy fihetsiketsehana tsy fahita firy teo amin’ ireo avara-pianarana sy ireo mpandalim-pahaizana. Nitarika ny olona ho eo amin’ ny Baiboly ny fianarana ny teny fahagola ka maro tamin’ ireo izay tsy voatohin’ ny fahamarinana ny fony no nafana dia nafana namakafaka ny heviny ary niady mihitsy tamin’ ireo mpiaro ny fahamarinan’ i Roma aza. I Calvin kosa, na dia havanana tamin’ ny adi-hevitra kokoa momba ny teolojia aza, dia nanana asa ambony noho izay nataon’ ireo mpampianatra mpitabataba foana ireo. Voahetsiketsika ny sain’ ny olona ka tonga izao ny fotoana hanokafana ny fahamarinana aminy. Raha mbola feno horakoraky ny adi-hevitra ara-teolojia ny efitrano malalaky ny Oniversite, i Calvin kosa dia nitety trano, nanokatra ny Baiboly tamin’ ny vahoaka. nitory taminy an’ i Kristy dia Izy voahombo tamin’ ny hazo fijaliana.HM 228.2

    Noho ny fitondran’ Andriamanitra, dia nisy fiantsoana indray tonga tamin’ i Paris mba hanaiky ny filazantsara. Nolavina ny antson’ i Lefèvre sy Farel, nefa dia ho ren’ ny sarangan’ olona rehetra tao amin’ io renivohitra lehibe io indray ny hafatra. Ny mpanjaka, noho ny antony ara-politika, dia tsy niandany tanteraka tamin’ i Roma hanohitra ny fanavaozana ara-pivavahana. Mbola nofikirin’ i Marguerite ny fanantenany fa handresy ao Frantsa ny fivavahana Protestanta. Nanapa-kevitra izy fa hotorina ao Paris ny finoana nohavaozina. Tamin’ ny tsy nahatao Paris ny mpanjaka, dia nobaikony ny mpitandrina Protestanta iray hitory tao amin’ ireo fiangonana tao an-tanàna. Noraran’ ireo filoha papaly anefa ka dia novohan’ ny andriambavy midanadana ny lapa. Nisy efitra iray namboarina hanaovana fotoam-pivavahana, ary nambara fa isan’ andro, tamin’ ny ora voatokana, dia hisy toriteny hatao, ka nasaina ho amin’ izany ny sokajin’ olona samihafa saranga rehetra. Vahoaka marobe no nifanizina nanatrika ny fanompoam-pivavahana. Tsy ilay efitrano natao fiangonana ihany, fa ny efitrefitra madinika sy ny lalan-tsara rehetra no hipoka. An’ arivony isan’ andro no nivory, — ny andriana, ny mpanao fanjakana, ny mpahay lalàna, ny mpivarotra sy ny mpanao asa tanana — . Tsy nisakana ireo fivoriana ireo ny mpanjaka fa nanome baiko ny hanokafana ny fiangonana anankiroa tao Paris. Tsy mbola voahetsiketsiky ny tenin’ Andriamanitra toy izao mihitsy ny tanàna. Toa nitsoka tamin’ ny vahoaka ny fanahin’ aina avy any an-danitra. Ny fahalalana onony, ny fahadiovana, ny filaminana, ny fahazotoana no nisolo toerana ny fahamamoana, ny fanaranam-po amin’ ny nofo, ny adilahy sy ny fidonanaham-poana.HM 228.3

    Tsy namihin-tanana fotsiny anefa ireo mpitondra fivavahana isan-tsokajiny. Satria mbola nolavin’ ny mpanjaka ny hisalovana ka hampijanona ny fitorian-teny, dia nitodika nankany amin’ ny vahoaka izy. Tsy misy fomba tsy nampiasaina mba hanaitairana ny tahotry ny vahoaka tsy manam-pahalalana sady minomino foana, no nentaninkafanam-po tafahoatra tsy misy fiheverana. Nanaraka an-jamba ireo mpampianatra sandoka i Paris, ka tahaka an’ 1 Jerosalema fahiny, dia tsy nahalala ny fotoana namangiana azy na ny zavatra izay nitondra fiadanana ho azy izy. Notoriana nandritra ny roa taona tao andrenivohitra ny tenin’ Andriamanitra; betsaka ireo nanaiky ny filazantsara, nefa ny maro an’ isa nitsipaka izany. Niseho ho nandefitra i Francois I nefa noho ny tombon-tsoany fotsiny ihany, ka dia nihanahazo vahana indray ny papista. Nakatona ny fiangonana ary navory ny antontan-kitay.HM 229.1

    Mbola tao Paris i Calvin, nanoman-tena tamin’ ny alalan’ ny fianarana, ny fandinihana lalina sy ny fivavahana ho an’ ny asany ho avy izy sady nitozo nampiely ny fahazavana. Farany anefa, dia nifantoka taminy ny fiahiahiana. Nanapa-kevitra ny manam-pahefana fa handoro azy velona. Nihevitra izy fa azo antoka ny toerana niafenany, ka tsy nisaina izay loza akory, raha nirohotra nankao amin’ ny efitranony ireo sakaizany nilaza fa efa an-dalana hisambotra azy ny polisy. Tamin’ izay fotoana izay dia nisy nandondona mafy tao am-bavahady ivelany. Tsy nisy hatak’ andro intsony. Raha mbola nitana ireo manam-pahefana teo am-baravarana ireo sakaizany ny sasany kosa nanampy ilay Mpanavao fivavahana nidina avy teo am-baravarankely ary dia lasa nanohy haingana ny diany tany ivelan’ ny tanàna izy. Nahita fialofana tao amin’ ny trano bongon’ ny mpiasa iray izay sakaizan’ ny fanavaozana ara-pivavahana, dia nanao ny fitafian’ ilay olona nampiantrano azy, nilanja angady teny an-tsorony, dia lasa nandeha. Nianatsimo izy ka nahita fialofana tao amin’ ny tanin’ i Marguerite de Navarre. (JereoD’Aubigné, History of the Reform in Europe in the Time of Calvin, boky 2, toko 30HM 229.2

    Nijanona tao volana vitsivitsy izy, afa-doza noho ny fiarovan’ ny sakaiza manan-kery. ka nilofo tamin’ ny fianarana toy ny teo aloha. Niorina tamin’ ny fitoriana ny filazantsara tao Frantsa anefa ny fony ka tsy afaka nitomoe-poana ela izy. Raha vantany vao somary nihena ny tafio-drivotra, dia nitady saha vaovao tao Potiers izy, tanàna nisy Oniversite io. ary efa nankasitraka sahady ny hevibaovao momba ny fivavahana. Nihaino tamim-pifaliana ny filazantsara ny olona avy amin’ ny saranga samihafa. Tsy nisy toriteny ho an’ ny besinimaro, fa tany an-tokantranon’ ny ben’ ny tanàna na tao an-tranon’ i Calvin, ary indraindray tany an-jaridaina no namelaran’ i Calvin ny tenin’ ny fiainana mandrakizay ho an’ izay te-hihaino izany. Rehefa afaka kelikely. raha nitombo ny isan’ ny mpihaino, dia noheverina fa azo antoka kokoa ny mivory any ivelan’ ny tanàna. Zohy tao amin’ ny lohasaha tery sy lalina, nisy hazo betsaka sy vatolampy nandondona izay vao mainka nahatsara ny fiafenana no nivoriana. Nisy antokon’ olona vitsivitsy nankao, nivoaka ny tanàna tamin’ ny lalana samihafa. Tao amin’ io toerana mangingina io no namakiana sy nanazavana ny Baiboly. Tao no nankalazan ireo Protestanta ny Fanasan’ ny Tompo voalohany tao Frantsa. Avy tao amin’ io fiangonana kely io no nandefasana evanjelistra mahatoky maro.HM 230.1

    Niverina tany Paris indray i Calvin. Tsy hainy ny hamoy ny fanantenana fa hanaiky ny Fanavaozana ara-pivavahana i Frantsa amin’ ny maha-firenena azy. Nefa saiky ny varavarana rehetra tiany hiasana no hitany fa nihidy. Toy ny mizotra mivantana ho any amin’ ny antontan-kitay fandoroana velona ny mpampianatra ny filazantsara. ka farany dia tapa-kevitra hankany Alemaina izy. Raha vao niala tao Frantsa izy dia nifofofofo namely ny Protestanta ny tafio-drivotra, ka raha nijanona tao izy. dia azo antoka fa tsy maintsy voafaoka tao amin’ ny fandravana nahatra tamin’ ny namany rehetra koa.HM 230.2

    Nirin’ ireo Mpanavao Fivavahana Frantsay indrindra ny hahatafara-dalana ny tanindrazany tamin’ ny Alemaina sy Soisa, ka nanapa-kevitra ny hanao ezaka lehibe izy hoenti-manohitra ny finoanoampoan’ i Roma, ka hampifoha ny firenena manontolo. Araka izany dia nisy afisy namely ny lamesa napetaka eran’ i Frantsa indray alina Tsy nampandroso ny Reformasiona anefa io fihetsika io, fa nampidi-doza, tsy ho an’ izay nanao azy ihany, fa ho an’ ny sakaizan’ ny finoana nohavaozina manerana an’ i Frantsa koa. Azon’ ny mpomba an’ i Roma izay niriny hatry ny ela : dia toe-javatra ahazoany mangataka ny fanafonganana tanteraka ny «herctika» amin’ ny maha-mpanakorontana nampidi-doza azy hanozongozona ny seza fiandrianana sy ny.fandriam-pahaleman’ ny firenena.HM 230.3

    Nisy tanana tsy fantatra, sakaiza tsy maody sa fahavalo fetsy, tsy fantatra mihitsy izay nametaka afisy iray teo amin’ ny varavaran’ ny efitrano manokan’ ny mpanjaka. Nihovitrovitry ny hatezerana ny mpanjaka. Novelivelezin’ ny tanana tsy nisy indra-fo tao amin’ io taratasy io ireo finoanoampoana efa nohajain’ ny taonjato nifandimby. Ary ny fahasahiana nihoapampana nampiharihary ireo teny mazava sy manaitra ireo teo anatrehan’ ny mpanjaka, dia nampirongatra ny fahatezerany. Talanjona izy ka nipararetra sy tsy nahaloa-peo aloha. Izay vao tafavoaka tamin’ ny teny mahatsiravina ny hatezerany hoe: «Aoka hosamborina tsy misy avakavaka izay rehetra ahihina ho manaraka ny «herezian»‘ i Lotera.Ibid, boky 4, toko 10.HM 231.1

    Nisafidy ny mpanjaka. Nanapa-kevitra izy fa hiandany tanteraka amin’ i Roma.HM 231.2

    Noraisina avy hatrany ny fepetra hisamborana ny Loterana rehetra tao Paris. Nisy mpanao asa-tanana mahantra, mpanaraka ny Reformasiona, ary zatra niantso ny mpino hanatrika ny fivoriana miafina, nosamborina, ka norahonana hodorana velona niaraka iannn’ ny vava raha tsy nankatò ny baiko hitarika ny iraky ny papa ho any amin’ ny tokantranon’ ny Protestanta rehetra tao an-tanàna. Nampihoron-koditra azy izany fangatahana mahavoafady izany, nefa nony farany, nandresy ny tahony ny lelafo ka dia nanaiky hamadika ny rahalahiny izy. Vahoaka sesehena no nialoha lalana an’ i Morin, polisin’ ny mpanjaka, niaraka tamin’ ilay mpamadika, notronin’ ny pretra nanao andiany, ny mpitondra emboka masina, ny relijiozy sy ny miaramila, samy nandroso miadana tamim-pahanginana namakivaky ny araben’ ny tanàna. Naseho mazava fa natao ho voninahitry ny «sakramenta masina» io fisehoana io, mba hikosehana ny fanevatevana nataon’ ireo mpanohitra tamin’ ny lamesa. Nefa koa nisy fikasana handripaka aina nosaronana tao. Rehefa tonga teo anoloan’ ny tranon’ ny Loterana iray, dia misy famantarana ataon’ ilay mpamadika, fa tsy nisy teny natao. Nijanona ny mpilahatra. nidirana ny trano, notarihina an-keriny hivoaka ny fianakaviana manontolo ka hogadraina, dia nandroso indray ireto mpiara-dia nampihoron-koditra hitady haza vaovao.HM 231.3

    Tsy nisy trano nolalovàna fotsiny na kely na lehibe izany, na dia ireo toeram-pianarana tao amin’ ny Oniversiten’ i Paris aza. Nampivarahontsana ny tanàna manontolo i Morin. . . Nanjaka ny horohoro.Ibid, boky 4, toko 10.HM 232.1

    «Novonoina ho faty tamin’ ny fampijaliana mahatsiravina ny voasambotra, nisy baiko manokana nomena hampihenana ny afomba hampitarazoka ny fialan’ ainan’ izy ireo. Maty tahaka ny mpandresy anefa izy ireo. Nijoro tsy azo nohozongozonina izy, ary tsy voasemban-drahona ny fiadanany. Tsy nanan-kery hampihontsona ny herim-pony ireto mpanenjika ka nahatsiaro tena ho resy. Natsangana manerana an’ i Paris ny toeram-pandoroana ary nisesy isan’ andro ny fandoroana, ny antony dia ny hampiely ny tahotra ny «herezia» amin’ ny fampielezana ny famonoana ho faty. Na dia izany aza, tamin’ ny farany dia ny Filazantsara no nahazo tombontsoa. Niaranahita i Paris manontolo fa karazan’ olona manao ahoana no vokatry ny fampianarana vaovao. Tsy nisy polipitra tahaka ny antontan-kitain’ ny maritiora. Ny fifaliana tony nampahazava ny endrik’ ireo olona ireo raha niroso. . . ho any amin’ ny toerana famonoana izy, ny herim-pony teo anivon’ ny lelafo mivaivay, ny halemem-panahiny namela ny ratsy natao taminy, izany rehetra izany dia nampody tao amin’ ny olona tsy vitsy, ny hatezerana ho fangorahana, ny fankahalana ho fitiavana, ary zary fitoriana ny filazantsara tamin-kery tsy azo tohaina».Wylie, boky 13, toko 20.HM 232.2

    Ireo pretra, izay niezaka ny hampisendaotra hatrany ny hatezeran’ ny vahoaka, dia nampiely ny fiampangana mahatsiravina indrindra namelezana ny Protestanta. Nampangaina ho nioko handripaka ny katolika, handrodana ny fitondram-panjakana sy hamono ny mpanjaka izy ireo. Tsy nisy aloky ny porofo azony nentina nanohanany izany filazana izany. Tsy maintsy hotanteraka anefa ireo faminaniana nanambara zava-doza ireo; tamin’ ny toe-javatra hafa dia hafa sy noho ny antony mifanohitra amin’ izao. Ny fomba feno habibiana nentin’ ny katolika nampijaly ny Protestanta tsy nanantsiny dia nampiavosa valin-keloka mavesatra, ka taon-jato maro tatý aoriana dia tanteraka ny loza izay nolazainy mialoha fa nananontanona ny mpanjakany sy ny fitondram-panjakany ary ny olompeheziny; saingy ny tsy mpino sy ny papista ihany no nanatanteraka izany. Tsy ny fanorenana, fa ny fanafoanana ny fivavahana Protestanta no nahatonga ireo antambo mahatsiravina nianjady tamin’ i Frantsa, telonjato taona tatý aoriana.HM 232.3

    Nanenika ny sarangan’ olona rehetra teo amin’ ny mpiara-monina izao ny fiahiahiana. ny tsy fitokisana sy ny horohoro. Teo anivon’ ny tahotra nangia ny besinimaro dia tsapa fa latsa-paka lalina tokoa ny fampianarana loterana tao an-tsain’ ireo olona ambony fahalalana nanan-jo aman-kasina tamin’ ny hafa, sy tsara toetra amam-panahy indrindra. Hita tampoka fa banga ny toeram-pitokisana sy ny toeram-boninahitra. Nanjavona ny mpanao asa-tanana, ny mpanao printy, ny mpandalim-pahalalana, ny mpampianatra tany amin’ ny Oniversite, ny mpanoratra, ary na dia ny tandapa aza. Anjatony ireo nandositra niala an’ i Paris, nanao sesi-tany an-tsitrapo ny tenany, ary betsaka tamin’ ireo no nampiseho voalohany tamin’ izany ny firaiketany tamin’ ny finoana nohavaozina. Gaga ny papista raha nijery manodidina azy ka nieritreritra fa nisy «heretika» tsy narnpoizina izay noleferina teo aminy. Ireo olon-tsotra marobe azony antanana no nanamparany ny haromotany. Hipoka ny tranomaizina ary na ny rivotra niainana aza toa maizin’ ny setroka avy tamin’ ny antontan-kitay fandoroana olona, narehitra ho an’ ireo izay nanaiky ny Filazantsara.HM 233.1

    Nampahalaza an’ i Francois voalohany ny nisehoany ho mpitarika ilay fihetsiketsehana lehibe nampifoha indray ny fahalalana izay nanamarika ny fiandohan’ ny taonjato fahenina ambin’ ny folo. Nahafinaritra azy ny nanangona tao amin’ ny lapany ireo olona havanana tamin’ ny haisoratra avy amin’ ny tany rehetra. Ny fitiavany fianarana, ny fahaizany sy ny fanaovany tsinontsinona ny finoanoampoana hita teo amin’ ny relijiozy, no nahazoana, farafahakeliny ny ampahany tamin’ ny fandeferana nasehony tamin’ ny fanavaozam-pivavahana. Nefa, rehefa nasesiky ny hafanam-po hamongotra ny «herezia» io mpiaro ny fahaizana io dia namoaka didy nanafoana ny fanontam-printy manerana an’ i Frantsa! Anankiray amin’ ny ohatra maro i Francois I izay nampiseho fa tsy fiarovana tsy ho tratry ny tsy fandeferana eo amin’ ny ara-pivavahana sy ny fanenjehana tsy akory ny fandrosoana ara-tsaina.HM 233.2

    Nanolo-tena tanteraka handrava ny fivavahana protestanta i Frantsa tamin’ ny alalan’ ny fanompoam-pivavahana miezinezina natao ampahibemaso. Nangataka ireo pretra mba hosasana amin’ ny ra ny fanalam-baraka natao tamin’ ny lanitra ambony tamin’ ny faname- lohana ny lamesa, ary nangatahiny ny mpanjaka, ho solontenan’ ny vahoakany hankatò ampahibemaso io asa mampivarahontsana io.HM 233.3

    Ny 21 janoary 1535 no andro tapaka hanaovana io fanompoampivavahana mahatsiravina io. Noentanina ny tahotra vokatry ny finoanoampoana sy ny fankahalana avy amin’ ny hafanam-po arapivavahana tafahoatra tao amin’ ny firenena manontolo. Feno olona marobe avy amin’ ny toerana manodidina rehetra izay nibosesika teny amin’ ny arabe i Paris. Natomboka tamin’ ny filaharana masina goavana sy miezinezina ny andro. Nanantonana lamha fisaonana ireo trano nanamorona ny lalana haleha, ary natsangana ombieniombieny ny alitara. «Teo anoloan’ ny varavarana rehetra dia nisy fanilo nirehitra ho fanajana ny «sakramenta masina». Talohan’ ny niposahan’ ny masoandro dia nivory teo amin’ ny lapan’ ny mpanjaka ny mpilahatra». Ny faneva sy ny hazo fijalian’ ny paroasy maro no nialoha lalana; nanaraka ireo mponina tao an-tanàna nandeha tsiroaroa nitondra fanilo. «Nanaraka ireo dia ny antokon’ ny relijiozy efatra, samy nanao ny fanamiany manokana. Avy eo dia nisy «relika» malaza be dia be nangonina. Nitaingin-tsoavaly taorian’ ireo, mpitondra fivavahana ambony nitafy mena midorehitra sy niravaka vatosoa, haingo marevaka sy namirapiratra.HM 234.1

    Ny evekan’ i Paris no nitondra ny «ostia» (sakramenta masina) noeloin’ ny fialofana tsara tarehy. . . izay nentin’ ny andriandahy efatra iray ra amin’ ny andriamanjaka. . . Nanaraka ny «ostia» ny mpanjaka. . . Tsy nitondra satroboninahitra, na nanao ny akanjo maha-mpanjaka azy i Francois I tamin’ io andro io. «Tsy nisarona ny lohany, ny masony nifantoka tamin’ ny tany ary teny an-tanany nisy labozy lava mirehitra, «toy ny olona meloka», no nisehoan’ ny nipanjakan’ i Frantsa».Ibid, boky 13, toko 21. Isaka ny misy alitara dia niankohoka tamim-panetren-tena izy, tsy noho ny heloka izay nandoto ny fanahiny, na noho ny ran’ ny tsy manan-tsiny nanapentina ny tanany, fa noho ny fahotana mahafaty nataon’ ireo olompeheziny izay sahy nanameloka ny lamesa. Nanaraka azy ny mpanjakavavy sy ireo olo-manan-kaja tao amin’ ny fanjakana, samy mandeha tsiroaroa koa. ary samy mitondra fanilo mirehitra.HM 234.2

    Tao anatin’ ny fandaharana nandritra iny andro iny ny hanaovan’ ny tenan’ ny mpanjaka mihitsy kabary tamin’ ireo tompon’ andraikitra ambony tao amin’ ny fanjakana tafavory tao amin’ ny efitrano malalaky ny lapan’ ny eveka. Nalahelo endrika izy raha niseho teo anatrehan’ izy ireo ka nanao teny tsara lahatra nampihetsipo raha nitaraina moniba ny «heloka bevava», ny fitenenan-dratsy an’ Andriamanitra, ny andro mampahory sady mampahamenatra izay manjo niseho teo amin’ ny firenena. Koa dia niantso ny olompeheziny mahatoky rehetra izy hanampy azy amin’ ny famongorana io areti-mandozan’ ny «herezia» io izay mananontanona handevona an’ i Frantsa. «Raha mbola marina koa, tompokolahy, fa mpanjakanareo aho», hoy izy, «raha fantatro fa voapentina na simban’ io fahalovana maharikoriko io ny tanako na ny tongotro, dia hatolotro hotapahinao izany. . . Ary mihoatra noho izany, raha mahita ny iray amin’ ny zanako voaloton’ izany aho, dia tsy hiaro azy. . . ny tenako mihitsy no hanolotra azy, ka hataoko sorona ho an’ Andriamanitra». Kendan’ ny ranomaso izy ka tsy nahaloa-peo ary dia nirehoka nitomany koa ny mpivory rehetra sady indray niredona hoe: «Ho velona sy ho faty ho an’ ny fivavahana Katolika izahay!» D’Aubigné, History of the Reformation in Europe in the Time of Calvin, boky 4, toko 1 2.HM 234.3

    Nanjary nahatsiravina ny haizina teo amin’ ny firenena izay nitsipaka ny fahazavan’ ny fahamarinana. «Efa miseho ny fahasoavan’ Andriamanitra izay nitondra famonjena»; nefa i Frantsa kosa rehefa nibanjina ny heriny sy ny fahamasinany, rehefa nisy olona an’ arivony voasariky ny hatsaran-tarehiny araka an’ Andriamanitra, rehefa voazavan’ ny famirapiratany ny tanàn-dehibe sy ny vohitra madinika, dia nihodina ka nifidy ny haizina toy izay ny fahazavana. Napetrany tsy ho eo aminy ny fanomezan’ ny lanitra raha natolotra azy izany. Nolazainy fa ratsy ny tsara, ary tsara ny ratsy, mandra-pahalavoany, ka hanjary hazan’ ny famitahan-tena niniany izy. Na dia nety ho nino marina tokoa aza izy tamin’ izay fotoana izay fa nanompo an’ Andriamanitra tamin’ ny fanenjehana ny vahoakany, dia tsy naha-afa-tsiny azy tsy akory ny fanaovany izany tamin’ ny fony tokoa. Ny fahazavana izay nety namonjy azy tsy ho voafitaka. tsy handoto ny fanahiny amin’ ny heloky ny fandatsahan-dra, dia efa niniany notsipahina.HM 235.1

    Niozona tamin’ ny fomba manetriketrika tao amin’ ny Katedraly lehibe izy ireo fa hamongotra ny «herezia» ary tao amin’ io Katedraly io koa. tokony ho telonjato taona tatý aoriana, no nanandratan’ io firenena nanadino an’ Andriamanitra velona io ho eo amin’ ny seza fiandrianana ilay «Déesse de la Raison» na ny fisainan’ ny olom belona nasandratra ho andriamani-bavy. Lasa indray ny filaharana ka nanomboka nanao ny asa izay niozonany fa hataony ireo solontenan’ i Frantsa. «Nisy antontan-kitay natao nifanakaikikaiky izay handoroana velona kristiana Protestanta sasantsasany, ary nokendrena mba hirehitra ny afo amin’ ny fotoana hanatonan’ ny mpanjaka, ka hijanona hahita maso ny fa’monoana ny mpilahatra». Wylie, boky 13, toko 21. Mandrotika ny fo ny antsipirian’ ny fampijaliana niaretan’ ireo vavolombelona ho an’ i Kristy ka tsy laitra ho tantaraina; tsy nisy fivadihana anefa teo amin’ izay niharan’ izany. Raha nampirisihina handà ny finoany ny iray dia namaly hoe: «Tsy mino afa-tsy izay nampianarin’ ny mpaminany sy ny apostoly tamin’ ny taloha aho, sy izay inoan’ ny olona masina rehetra. Misy fahatokiana an’ Andriamanitra ao amin’ ny finoako izay hahatohitra ny herin’ ny helo rehetra». —D’Aubigné, History of the Reformation in Europe in the Time of Calvin.HM 235.2

    Mijanona etsy sy eroa ny mpilahatra amin’ ny toerana fampijaliana rehetra. Rehefa tonga teo amin’ ny toerana niaingana tao amin’ ny lapan’ ny mpanjaka, dia mparitaka ny vahoaka, nody ny mpanjaka sy ireo pretra ambony, afa-po tamin’ ny toe-javatra nitranga tamin’ iny andro iny sady niarahaba tena fa hitohy hatramin’ ny fahafonganan’ ny «herezia» tanteraka ny asa natomboka teo.HM 236.1

    Eny, ho voaongotra marina ilay Filazantsaran’ ny fiadanana notsipahin’ i Frantsa, ary zava-doza no ho vokatr’ izany. Tamin’ ny 21 janoary 1793, valo amby dimampolo sy roanjato taona taty aorian’ ny andro nirotsahan’ i Frantsa tanteraka tamin’ ny fanenjehana ireo Mpanavao fivavahana indrindra, dia nisy filaharana indray, hafa lavitra ny antony namakivaky ny araben’ i Paris». Ny mpanjaka ihany indray no loha-laharana tamin’ izany; nisy tabataba sy horakoraka indray; re indray ny antsoantso nitaky haza bebe kokoa; nitsangana indray ireo lampihazo fanapahan-doha mahatsiravina; ary nifarana indray tamin’ ny famonoana maharikoriko ny toe-javatra nandritra ny andro; ny mpanjaka Louis fahenina ambin’ ny folo no indro manakifika amin’ ny tanany ireo mpiambina azy tao an-tranomaizina sy ireo mpamono azy, ary taritarihina ho eo amin’ ny fanapahan-doha. Notazonina an-keriny teo izy mandra-pilatsaky ny lela-famaky, ka nikodiadia teo amin’ ny lampihazo ny lohany tapaka». -Wylie, boky 13, toko 21. Tsy ny mpanjaka irery no niharan’ izany; tsy lavitr’ io toerana io dia valonjato sy roa arivo ny olona maty notapahin-doha mandritra ireo andro maimbo ra nanjakan’ ny Horohoro.HM 236.2

    Baiboly nivelatra no efa natolotry ny Reformasiona ho an’ izao tontolo izao, ka nasehony miharihary ireo fitsipika ao amin’ ny lalàn’ Andriamanitra, ary notaominy ny feon’ ny fieritreretan’ ny vahoaka hankatò izay takian’ io lalàna io. Efa novelarin’ ilay Fitiavana tsy hita fetra teo anatrehan’ ny olona ny lalàna sy ny foto-kevitry ny lanitra. Hoy Andriamanitra: «Koa tandremo ary ataovy izany, fa izany no fahendrenareo sy ho fanananareo saina eny imason’ ny firenentsamy hafa; fa handre izany lalàna rehetra izany izy ka hanao hoe: olona hendry sy manan-tsaina tokoa io firenena lehibe io».4Deot.4:6 Koa rehefa nitsipaka ny fanomezan’ ny lanitra i Frantsa, dia efa namafy ny voan’ ny fikorontanana sy ny fandravana izy ; ary dia nijinja ny vokatry ny natao tsy azony hodivirana tamin’ ny Revolisiona (1789) sy ny Fanjakan’ ny Horohoro (Règne de la Terreur).HM 237.1

    Fotoana ela talohan’ ny fanenjehana nohetsehin’ ireo afisy napetaka, dia efa voatery handositra hiala ny tany nahafoizany i Fare!, lehilahy mahery fo sy mafana fo. Nankany Soisa izy, ary tamin’ ny alalan’ ny asany izay nanohy ny nataon’ i Zwingli, dia nampahavesadanja ny Fanavaozana ara-pivavahana izy. Tany no nandaniany ireo taona faramparany niainany, nefa dia mbola nanohy niasa mangina betsaka tamin’ ny fanavaozana tao Frantsa ihany izy. Nandritra ireo taona voalohany naha-sesitany azy, dia nifantoka tamin’ ny fomba manokana ho amin’ ny tany nahaterahany ny ezaka nataony. Nandany fotoana betsaka hitoriana tamin’ ireo mpiray tanindrazana taminy izy, ka tamim-pahamalinana fatratra no nanaovany andrimaso ny ady sady nanampy tamin’ ny alalan’ ny teny fampaherezana nataony sy ny torohevitra nomeny. Noho ny fampianaran’ ireo sesi-tany hafa, dia voadika tamin’ ny teny frantsay ny asa soratr’ireo Mpanavao fivavahana Alema ary niaraka tamin’ izany dia natonta betsaka koa ny Baiboly tamin’ ny teny frantsay. Tamin’ ny alalan’ ireo mpivarotra nitety trano dia namidy be dia be tany Frantsa ireo. Natao vidy mora tamin’ ny mpivaro-boky izany ka nahazoan’ izy ireo nanohy ny asa ny tombony azony.HM 237.2

    Raha nanomboka ny asany tany Soisa i Farel dia toy ny mpampianatra tsotra ihany no nisehoany. Nankany amin’ ny fiangonana nitokatokana izy ka nanokan-tena tamin’ ny fampianarana ny ankizy. Ankoatr’ ireo taranjam-pampianarana mahazatra, dia natsofony moramora ireo fahamarinan’ ny Baiboly. ary nanantena ny hahatratra ny ray aman-dreniny izy tamin’ ny alalan’ ny ankizy.HM 237.3

    Nisy sasantsasany nino. nefa tonga ny pretra nanakana ny asa, ary natsangany hanohitra ireo mponina minomino foana tany ambanivohitra. «Tsy mety ho filazantsaran’ i Kristy izany, hoy ny pretra, satria tsy fiadanana no vokany fa ady».Wylie, boky 14, toko 3. Tahaka ireo mpianatra voalohany, rehefa nenjehina tao amin’ ny tanàna iray izy dia nandositra ho amin’ ny hafa indray. Nitety ny vohitra madinika izy sy ireo tanàna. nandeha an-tongotra, niaritra ny hanoanana, ny hatsiaka sy ny havizanana, ary hatraiza hatraiza dia notandindomin-doza ny fiainany. Nitory teny an-tsena izy, tany am-piangonana, indraindray teny amin’ ny polipitran’ ny katedraly. Indraindray tsy nisy mpihaino tao amin’ ny fiangonana; indraindray tapaky ny horakoraka sy ny fanesoana ny toriteny; noroahina an-keriny avy eny amin’ ny polipitra koa izy. Matetitetika no nirodona taminy ireo vahoaka tia herisetra ka nikapoka saiky nahafaty azy. Nandroso ihany anefa izy. Na dia natosi-bohon-tanana matetika aza dia tsy nety kivy fa mbola niverina niady ihany ; ka hitany fa nanokatra ny vavahadiny hidiran’ ny Filazantsara tsirairay ireo tanàna izay manda mafin’ ny papa teo aloha. Vetivety dia nanaiky ny Reformasiona ilay fiangonana kely niasany voalohany. Nahafoy ny fombam-pivavahan i Roma koa ny tanànan’ i Morat sy Neuchâtel ka nesoriny tsy ho eo amin’ ny fiangonany ireo sarivongana zary sampy.HM 238.1

    Efa ela no nanirian’ i Farel hanangana ny faneva Protestanta tao Genève. Raha azo io tanàna io dia mety ho foiben’ ny Fanavaozana ara-pivavahana ao Frantsa, ao Soisa ary ao Italia. Noho io zavanokendreny io, dia notohizany ny asany mandra-pahazony ireo tanàna sy vohitra manodidina. Avy eo dia niaraka tamin’ ny namana iray ihany izy niditra tao Genève. Toriteny roa ihany anefa no navela nataony. Ireo pretra izay sasa-poana nitady izay hanamelohan’ ny fahefam-panjakana azy, dia nandidy azy hiseho hotsarain’ ny mpitondra fivavahana, ka raha nankany izy ireo dia nanafina fiadiana tao anatin’ ny akanjony, ary tapa-kevitra hanala ny ainy. Tao ivelan’ ny efitra lehibe nivoriana kosa dia nisy vahoaka romotra, nitangorona nitondra langilangy sy sabatra, ka ho azo antoka fa raha afaka mandositra mivoaka ny fivoriana izy dia tsy maintsy ho fatin’ ireo. Nahavoavonjy azy anefa ny fanatrehan’ ireo mpitsara sy ny miaramila nitam-piadiana. Vao maraina koa ny ampitson» iny dia nentina nita ny farihy. niaraka tamin’ ilay namany izy, ho amin’ ny toerana azo antoka. Toy izany no niafaran’ ny ezaka voalohany nataony hitoriana ny filazantsara tao Genève.HM 238.2

    Tamin’ ny fanandramana faharoa natao ho amin’ izany dia fiasana ambany kokoa no voafidy tovolahy iray — tsotra indrindra no fijery azy ka na dia ireo izay nilaza ho sakaizan’ ny Fanavaozana arapivavahana aza nanamavo azy. Fa inona no mety ho vitan’ ny olona toy izany eo amin’ ny toerana izay efa nandavana an’ i Farel? Ataon’ ny olona kely herim-po sady tsy ampy fanandramana ahoana no fanohitra ny tafio-drivotra izay nahavoatery ny matanjaka sy ny mahery fo indrindra handositra? «Tsy amin-kery na amimpahatanjahana, fa amin’ ny Fanahiko hoy Jehovah».5Zak.4:6 «Ny malemy amin’ izao tontolo izao no nofidin’ Andriamanitra hampahamenatra ny mahery. Fa ny fahadalan’ Andriamanitra dia hendry noho ny olona; ary ny fahalemen’ Andriamanitra mahery noho ny olona».61 Kor.127,25 HM 239.1

    Nanomboka ny asany amin’ ny maha-mpampianatra azy 1 Froment. Naverin’ ny ankizy tany an-tokantranony ny fahamarinana nampianarina azy ireo. Vetivety foana dia tonga ny ray aman-dreny hihaino ny fanazavana ny Baiboly, ka feno mpihaino liana dia liana ny efitrano fianarana. Nisy Testamenta Vaovao sy boky kely nozaraina maimainipoana, ka nahatratra olona maro tsy sahy nanatona mivantana hihaino ny fampianarana vaovao. Rehefa afaka fotoana fohy dia voatery nandositra koa io mpiasa io; nefa raikitra tao an-tsain’ ny olona ny fahamarinana nampianariny. Voavoly ny Fanavaozana ara-pivavahana ka nahazo hery sy nitatra hatrany. Niverina ireo mpitoriteny ary farany dia tafatsangana tao Genève ny fanompoam-pivavahana Protestanta noho ny asan’ izy ireo.HM 239.2

    Efa nanambara ny fiandaniany tamin’ ny Fanavaozana arapivavahana ilay tanàna raha niditra tao am-bavahadiny i Calvin, rehefa nirenireny hatraiza hatraiza sy niharan-javatra maro. Niverina avy namangy farany ny toerana nahaterahany izy teny an-dalana ho any Bale, raha hitany fa nambenan’ ny tafik’ i Charles fahadimy ny lalana manitsy, ka dia voatery nanalavi-dalana nihazo tany Genève izy.HM 239.3

    Tsapan’ i Farel fa ny tanan’ Andriamanitra no mtarika io fitsidihan’ i Calvin io. Na dia efa nanaiky ny finoana nohavaozina aza ny. tanànan’ i Genève, dia mbola nisy asa lehibe tsy maintsy mbola hatao tao. Tsy ny fitambaran’ olona fa ny tsirairay no voataona ho an’ Andriamanitra; ny herin’ ny Fanahy Masina no tsy maintsy miteraka fanavaozana ao am-po sy ny feon» ny fieritreretana fa tsy ny didy avoakan’ ny fivoriam-be tsy akory. Nitsipaka ny fahefan’ i Roma ny vahoaka tao Genève, nefa tsy tena vonona hahafoy ny toetra ratsy izay nandrobona fony i Roma nanjaka tao amin’ izy ireo. Tsy adidy maivamaivana tsy akory ny manangana ireo foto-kevitra madion’ ny filazantsara sy ny manomana vahoaka hitana amin’ ny fomba mendrika ny toerana izay hita fa niantsoan’ Andriamanitra azy ireo.HM 239.4

    Natoky i Farel fa hitany tao amin’ i Calvin ilay olona afaka hiara-misalahy aminy amin’ io asa io Tamin’ ny anaran’ Andria-manitra no nangatahany tamin’ ny fomba manetriketrika ilay evanjelistra tanora hijanona ka hiasa ao. Natahotra i Calvin ka nihe motra. Sady saro-kenatra izy no nankamamy fandriampahalemana ka nialany ny hifanandrina tamin’ ny mponina tao Geneve izay sahisahy, tsy tia fehimpehezina, ary nanana toe-tsaina tia herisetra aza. Nitarika azy hitokantokana ny fahasalamany farofy, sy ny fahazarany tehianatra. Nino izy fa nahasoa bebe kokoa ny Reformasiona ny peniny, ka nitady toerana mangingina izy hianarany, ary avy ao amin’ io toerana io, amin’ ny alalan’ ny fanontam-printy no hampianarany ny fiangonana sy hanabeazany azy. Nefa tonga taminy tahaka ny antson’ Andriamanitra ny fananarana manetriketrika nataon’ i Farel taminy, ka tsy sahy nandà izy. «Toa hitany, hoy izy ny tanan’ Andriamanitra mitsotra avy any an-danitra, nihazona azy teo amin’ ny toerana izay nahadodona azy hialana ary tsy azony nakifika izany».D’Aubigné, History of the Reformation in Europe in the Time of Calvin, boky 9, toko 17.HM 240.1

    Tamin’ izany fotoana izany dia nisy loza lehibe nananontanona ny Protestanta. Nilatsaka tahaka ny varatra tamin’ i Genève ny fanozonana nataon’ ny papa, ary nandrahona ny handrava azy ireo firenena matanjaka. Hataon’ ity tanàna kely ity ahoana no fanohitra ity fahefana ara-pinoana izay matetika loatra no nanery mpanjaka sy amperora hilefitra? Ataony ahoana no hijoro eo anatrehan’ ny tafik’ ireo mpandresy lehibe eto amin’ izao tontolo izao ?HM 240.2

    Notandindomin’ ny fahavalo matanjaka ny fivavahana Protestanta nanerana ny tany kristiana rehetra. Rehefa lasa ny fandresena voalohany azon’ ny Fanavaozana ara-pivavahana, dia namory foloalindahy vaovao indray i Roma, nanantena ny hahatanteraka ny fandravana azy. Tamin’ izany fotoana izany no namoronana ny antokon’ ny Zezoita, izay masiaka indrindra, maty eritretreritra sady mahery indrindra amin’ izay rehetra mpanohana ny papa. Tafasaraka tamin’ ny fatorana eto an-tany sy tamin’ ny tombon-tsoan’ ny mahaolombelona izy ireo, efa maty raha ny amin’ny fitiavana voa-janahary, efa mangina tanteraka ny sainy mandanjalanja sy ny feon’ ny fieritreretany, ka tsy nahalala fitsipika, na fatorana afa-tsy izay omen’ ny antokony izy, ary adidy hafa afa-tsy izay mampitatra ny heriny. (Jereo Fanampiny). Ny fílazantsaran’ i Kristy dia nahatonga ny mpanaraka azy ho afaka hisetra ny loza sy hizaka fahoriana, tsy resin’ ny hatsiaka, ny hanoanana, ny asa mafy sy ny fahantrana, hanandratra ny fanevan’ ny fahamarinana manoloana ny fonja sy ny fandoroana velona. Mba hoenti-mandresy ireo hery rehetra ireo, ny foto-kevitra Zezoita dia nampientana ireo mpanaraka azy hikiribiby amin’ ny heviny ka hahatonga azy ireo ho afaka hiaritra ireo loza ireo, sy hanohitra ny herin’ ny fahamarinana amin’ ny fiadiana famitahana rehetra. Tsy nisy heloka bevava lehibe loatra ka tsy nataony, fitaka ambany loatra ka tsy nampiasainy, na fakana endrik’ olon-kafa sarotra loatra ka tsy notanterahiny. Nanao voady ho an’ ny fahatsorana sy ny fanetren-tena mandrakizay izy, kanefa ny z.ava-kendreny sy katsahiny dia ny hanan-karena sy ny hanampahefana, hanokan-tena hanapotika ny fivavahana Protestanta, sy hampitoerana indray ny fahefana tsy refesi-mandidy ananan’ ny Papa.HM 240.3

    Misalotra endriky ny fahamasinana izy ireo, araka ny mambran’ ny antoko misy azy, ka mamangy any am-ponja sy any amin’ ny hopitaly, mikarakara ny marary sy ny mahantra, milaza fa mahafoy an’ izao tontolo izao ary mitondra ny anarana masin’ i Jesosy, izay nandehandeha nanao soa. Nefa matetika ao ivohony dia iafenan’ ny fikasana hanao heloka bevava sy hamono mahafaty io endrika ivelany tsy misy tsiny io. Foto-kevitra iorenan’ ity antoko ity ny hoe manamarina izay fomba ampiasaina ny zava-kendrena amin’ izany. Araka io fitsipika io. na lainga, na halatra. na famadihana ny teny natao, na famonoan’ olona, dia tsy vitan’ ny hoe heloka azo avela ihany fa tena nahazoana fiderana mihitsy, rehefa ampiasaina ho amin’ ny tombon-tsoan’ ny Eglizy. Nampiasa tetika isan-karazany ny Zezoita hitadiavany lalana hitsofohany any amin’ ny asam-panjakana, ka tafakatra ho tonga mpanolo-tsainan’ ny mpanjaka aza, ary hamolavola ny politikan’ ny firenena. Nanjary mpanompo izy mba ahazoany mitsikilo izay ataon’ ny tompony. Nanangana sekoly ho an’ ny zanak’ andriana sy ny zanaky ny ambony izy, ary koa sekoly ho an’ ny zanaky ny sarambabem-bahoaka, ary tamin’ izany no nahavoatarika ny zanaky ny ray aman-dreny Protestanta hanaraka ireo fombam-pivavahana papaly. Ny rentirenty sy ny fisehoana ivelany rehetra eo amin’ ny fanompoam-pivavahana araka ny fomban’ i Roma dia natao mba hampisavorovoro ny saina sy mba hampanjambena ary hambabo ny fisainana ka amin’ izay ny zanaka dia hamadika ny fahafahana izay niasan’ ny ray mafy mba haorina hatramin’ ny fandatsahan-dra. Vetivety dia niparitaka nanerana an’ i Eoropa ny Zezoita, ary na taiza na taiza nalehany, dia nisy fifohazan’ ny fivavahan’ ny papa.HM 241.1

    Mba hanomezana azy ireo hery bebe kokoa, dia nisy taratasy navoakan’ ny papa izay nanangana indray ny fitsarana «Inquisition» (Jereo Fanampiny). Na dia. tsiravina noho izany aza ny rehetra, hatrany amin’ ireo tany katolika aza, dia natsangan’ ireo mpanao lalàna papaly io fitsarana mahatsiravina io, ka niverina indray ny habibiana tsy fampiseho masoandro tao amin’ ireo fonja miafina. Tany amin’ ny firenena maro dia an’ arivorivony ireo sangan’ ny firenena, ny madio sy ambony indrindra, ny marani-tsaina indrindra sy ny nohabeazina tamin’ ny fomba mendrika indrindra, ireo mpitandrina tia vavaka sy feno fanoloran-tena, ireo olom-pirenena mazoto miasa sady tia tanindrazana, ireo mpandalim-pahaizana mamirapiratra, ireo mpiangaly zava-kanto manan-talenta, ireo mpanao asa-tanana havanana, no novonoina na voatery nandositra an-tany hafa.HM 242.1

    Izany no fomba nampiasain’ i Roma mba hamonoana ny fahazavan’ ny Reformasiona, ka hisarihana ny Baiboly hiala tamin’ ny olona, mba hamerenana indray ny tsy fahalalana sy ny finoanoampoana nanjaka tamin’ ny Andro Maizina. Nefa noho ny fitahian’ Andriamanitra sy ny asan’ ireo olo-mendrika izay natsangany handimby an’ i Lotera, dia tsy fongana tsy akory ny fivavahana Protestanta. Tsy tamin’ ny alalan’ ny fankasitrahana nasehon’ ireo andriamanjaka na tamin’ ny fitaovam-piadiany no niavian’ ny heriny. Ny tany madinika indrindra, ireo firenena kely sy osa indrindra, no nanjary manda mafy ho azy. I Genève, izay tanàna kely bitika teo anivon’ ireo fahavalony goavana izay nihendry ny handrava azy; I Hollande izay voafefin’ ny tora-pasika manamorona ny Ranomasina Avaratra izay nitolona tamin’ ny fanjakazakan’ i Espaina, izay fanja-kana lehibe sy nanan-karena indrindra tamin’ izany; I Soeda, izay tany mangatsiaka, tsy mahavokatra, ireny no nahazo fandresena ho an’ ny Reformasiona.HM 242.2

    Sahabo ho telopolo taona no niasan’ i Calvin tao Genève, voalohany aloha mba hanangana fiangonana tao izay nifikitra tamin’ ny fitsipipitondrantena ara-Baiboly, ary manaraka izany mba hampandroso ny Fanavaozana ara-pivavahana manerana an’ i Eoropa. Tsy hoe tsy nisy fahadisoana vitany tsy akory tamin’ ny naha-mpitondra olona azy, na hoe tsy nilaozan’ izay tsy nisy diso ny fampianarany. Nefa fiasana nampielezana ireo fahamarinana izay nanana ny lanjany manokana tamin’ ny androny izy, ho fiarovana ireo foto-kevitry ny fivavahana Protestanta notandindomin’ ny fivavahana papaly izay nanao dia miverina haingana toy ny samonta, ary ho fampandrosoana ny fahatsorana sy ny fahadiovam-piainan’ ireo fiangonana nohavaozina, ho solon’ ny avona sy ny fahalovana izay nanorobona noho ny fampianaran’ i Roma.HM 242.3

    Avy tao Genève, no nivoahan’ ireo boky sy ireo mpampianatra nampiely ny foto-pinoana nohavaozina. Avy tao ireo voahenjika tany amin’ ny tany rehetra no nandray fampianarana, torohevitra sy fampaherezana. Nanjary fialofana ho an’ ireo Mpanavao fivavahana natao haza lambo avy tany Eoropa andrefana rehetra ny tanànan’ i Calvin. Nandositra ny tafio-drivotra nahatsiravina izay nitohy nandritra ny taon-jato maro ireo mpandositra ka tonga teo amin’ ny vavahadin’ i Genève. Reraky ny hanoanana izy ireo, voaratra, very tokantrano sy havana, nefa nafana tokoa ny fandraisana azy ka nokarakaraina tamim-pitiavana izy; ary rehefa niorim-ponenana tao ry zareo dia nanjary fitahiana ho an’ ilay tanàna nanangana azy ho zanaka tamin’ ny alalan’ ny talentany, ny fahaizany sy ny toetrany tia vavaka. Maro tamin’ ireo izay nahita fialofana tao no niverina tany amin’ ny tanànany mba hanohitra ny fanjakazakan’ i Roma. I John Knox, ilay Mpanavao fivavahana be herim-po avy tany Ekaosy, tsy vitsy tamin’ ireo sarotiny fatratra tamin’ ny fitakiana fahadiovantoetra tamin’ ny Kristiana tany Angletera, ireo Protestanta tany Holandy sy tany Espaina, ary ireo «Huguenots», protestanta manaraka an’ i Calvin tao Frantsa, no samy nitondra ny fanilon’ ny fahamarinana avy tao Genève mba hampisava ny haizina tany amin’ ny tany niaviany avy.HM 243.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents