Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hery Mifanandrina

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "undefined".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 4—Ireo Vaudois

    Tao anatin’ ny haizina nandrakotra ny tany nandritra ny fotoana lavabc nananan’ ny papa fahefana fara-tampony, dia tsy nety ho faty tanteraka ny fahazavan’ ny fahamarinana. Tamin’ ny fotoan’ andro rehetra dia nisy vavolombelona ho an’ Andriamanitra, dia olona izay nankamamy ny finoany an’ i Kristy Ilay hany mpanalalana amin’ Andriamanitra sy ny olombelona, ary nitana ny Baiboly ho hany fitsipiky ny fiainany sy manamasina ny Sabata marina. Manao ahoana ny trosan’ izao tontolo izao amin’ ireny olona ireny, tsy ho fantatry ny taranaka mifandimby na oviana na oviana izany. Nolazaina fa «heretika» izy ireo, manaraka fampianarana tsy eken’ ny besinimaro, nomelohina avokoa ny fototry ny zavatra ataony, nalaimbaraka ny toetra amam-panahiny, nofoanana ny zavatra nosoratany, nodisoina na nanesorana. Nefa dia nijoro tsy azo nohozongozonina izy, ary nandritra ny taona nifandimby dia nitàna ny finoany teo amin’ ny fahadiovany, toy ny lova masina ho an’ ny taranaka mifandimby.HM 61.1

    Ny tantaran’ ny vahoakan’ Andriamanitra mandritra ireo andro maizina izay nanaraka ny fotoana nananan’ i Roma fahefana faratampony. dia voasoratra any an-danitra, nefa dia tsy manana afatsy toerana kely eo amin’ ny tantara nosoratan’ ny olombelona izany. Tsy ahitana porofo firy ny nisian’ izy ireo, afa-tsy ao amin’ ny fiampangana nataon’ ireo mpanenjika azy. Tetika nataon’ i Roma ny nikosoka izay rehetra ahitana taratry ny fifanoianana eo amin’ ny foto-pinoany sy ny didy navoakany. Nezahany ho ravana izay rehetra tsy mifanaraka amin’ ny finoan’ ny besinimaro (heretika) na olona izany na zavatra voasoratra. Ny teny manambara fisalasalana, na fanontaniana mikasika ireo foto-pinoana momba ny fahefan’ ny papa, dia ampy hampidi-doza ny ain’ ny nanan-karena sy ny mahantra, ny ambony sy ny ambany. Niezahan’ i Roma koa ny hanafoanana ny fahatsiaroyana rehetra mirakitra ny fahasiahany tamin’ ireo olona nisara-kevitra taminy. Namoaka didy ireo fivoriana fandinihan-draharaha fa hodorana ny boky sy ny soratra mirakitra ny tantara toy izany. Talohan’ ny namoronana ny fanontam-printy dia mbola vitsy ny boky sady nanana bika nahasarotra ny fitehirizana azy ; noho izany dia tsy nisy firy ny zava-nisakana ireo irak’ i Roma hanatanterahany ny fikasany.HM 61.2

    Tsy nisy fiangonana tao amin’ ny faritry ny fanapahan’ i Roma mba afaka nifaly naharitra tamin’ ny fahafahany manaraka ny feon’ ny fieritreretany. Raha vantany vao tafakatra ny fahefana papaly, dia naninjitra ny tanany mba hanapotika izay rehetra mandà ny hanaiky ny fanjakany izy, koa nanao tohi-vakana ny fiangonana nilefitra teo ambanin’ ny fanapahany.HM 62.1

    Efa niorim-paka tany Angletera ny fivavahana kristiana nanana ny finoan’ ny kristiana voalohany. Ny filazantsara izay noraisin’ ny mponina tany tamin’ ireo taonjato voalohany, dia tsy voapentin’ ny fihemorana tao Roma tamin’ izay fotoana izay. Ny fanenjehan’ ireo amperora mpanompo sampy, izay nitatra hatramin’ ireo moron-tsiraka lavitra ireo, no hany fanomezana noraisin’ ireo fiangonana voalohany tany Angletera avy amin’ i Roma. Betsaka ireo kristiana nandositra ny fanenjehana tany Angletera no nahita fialofana tany Ecosse ; avy ao ny fahamarinana no niampita tany Irlandes, sy tany amin’ ireo tany rehetra manodidina ireo ka noraisina tamimpifaliana.HM 62.2

    Rehefa nanafika an’ i Angletera ny Saxons, dia nahazo laka ny fivavahana jentilisa. Nohamavoin’ ny mpandresy izany hoe ampianarin’ ny andevony, koa voatery nitady fialofana tany an-tendrombohitra sy teny amin’ ny tanety midadasika tsy misy mponina ny kristiana. Na dia takona vetivety aza ny fahazavana, dia nitohy nire-hitra ihany. Zato taona tatý aoriana, dia namirapiratra avy tao Ecosse ka tafapaka hatrany an-tany lavitra rehetra any ny fahazavana. Avy any Irlande i Colomba, olona tia vavaka sy ireo mpiara-miasa taminy, izay nanangona ny mpino niparitaka tao amin’ ilay nosy mitokantokana Iona, dia nanao foiben’ ny asa misionera izany toerana izany! Tamin’ ireny evanjelistra ireny dia nisy mpitandrina ny Sabatan’ ny Baiboly, ary toy izany no nahatafiditra io fahamarinana io teo amin’ ny vahoaka. Nisy sekoly natsangana tao Iona, izay namoaka misionera tsy ho any Ecosse sy Angletera fotsiny, fa tonga hatrany Alemaina, Soisa ary hatrany Italia aza.HM 62.3

    Nifantoka tamin’ i Angletera anefa ny mason’ i Roma ka nanapakevitra izy fa haka azy ho eo ambanin’ ny fahefany fara-tampony. Tamin’ ny taonjato fahenina, dia nanomboka niasa hampiova fo ireo Saxons jentilisa ny misionera nalefany. Noraisin’ ireo baribariana miavonavona tsara izy ireo, ka nahatarika an’ arivony maro handray ny finoan’ i Roma. Rehefa nandroso ny asa, dia nifanehatra tamin’ ireo kristiana nanana ny finoan’ ny fiangonana voalohany ireo filoha mpitarika avy amin’ ny papa sy ireo olona niova fo nanaraka azy. Nisy fahasamihafana nanaitra niseho. Ireto olon-tsotra manetri-tena, ary manaraka ny Soratra Masina eo amin’ ny toetra amam-panahiny, eo amin’ ny fampianarany sy ny fomba amam-panaony, iretsy kosa nampiseho ny finoanoam-poana, ny rentirenty sy ny avonavon’ ny papa. Nangatahin’ ireo irak’ i Roma ireo fiangonana kristiana ireo hanaiky ny fahefana fara-tampony ananan’ ny papa andriamanjaka. Novalian’ ny Anglisy moramora fa sitrany ny ho tia ny olona rehetra, saingy tsy nomena zo hanana fahefana fara-tampony amin’ ny fiangonana ny papa, koa noho izany ny fileferana amin’ ny mahasamy mpanaraka an’ i Kristy ihany no azony atolotra azy. Nisy fanandramana niverimberina natao ahazoana antoka ny fankatoavany an’ i Roma : nefa novalian’ ireo kristiana feno fanetren-tena taminkafanam-po izay gaga tamin’ ny avonavon’ ireo iraka ireo, fa tsy mahalala tompo hafa afa-tsy i Kristy izy. Niseho tamin’ izay ny tena toe-tsaina papaly. Hoy ilay filoha avy any Roma : «Raha tsy raisinareo ho rahalahy mitondra fiadanana izahay, dia ho fahavalo mitondra ady no horaisinareo. Raha tsy miray aminay ianareo haneho ny lalàn’ ny fiainana amin’ ny Saxon, dia famelezana hahafaty anareo no horaisinareo aminyw» 1 J.H.Merle d’Aubigne, Tantaran’ ny Kanavaozana ara-pivavahana tamin’ ny taonjato faheninambinifolo, boky 17, toko 2.. Tsy vazivazy izany fandrahonana izany. Nampiasaina ny ady, ny fiokoana sy ny fitaka hoenti-mamely ireo vavolombelona mitaky finoana araka ny Baiboly ireo mandra-paharavan’ ireo fiangonana tany Angletera, na nahavoatery azy hilefitra teo amin’ ny fahefan’ ny papa.HM 63.1

    Teo amin’ ny tany ivelan’ ny fanapahan’ 1 Roma, dia nisy antokon’ ny kristiana nandritra ny taonjato maro izay afaka tanteraka ka saiky tsy voakasiky ny faharatsiana papaly. Voahodidin’ ny jenti- lisa izy ireo ary nisy fotoana izay nifindran’ ireo hevi-disony taminy; nefa ny Baiboly no mbola noheveriny ho hany fitsipiky ny finoana, ary nekeny ny fahamarinana maro voalazany. Ninoan’ ireo kristiana ireo ny mampaharitra mandrakizay ny lalàn’ Andriamanitra ka nitandrina ny Sabatan’ ny-didy fahefatra izy. Nisy fiangonana nitandrina io finoana sy io fomba io tany Afrika Afovoany sy tany amin’ ireo Armeniana tany Asia.HM 63.2

    Nefa ny Vaudois no nijoro indrindra tamin’ ireo izay niaritra ny fanitsakitsahana nataon’ ny fahefana papaly. Teo amin’ ny tany izay nanorenan’ ny fahefana papaly ny seza fiandrianany indrindra, no nanoherana mafy indrindra ny fitaka sy ny toetra ratsiny. Nitana ny fahaleovantenany nandritra ny taonjato maro ireo fiangonana tany Piémont ; nefa tamin’ ny farany dia tonga ny fotoana izay nanizingizinan’ i Roma ny hileferany. Rehefa niady nanohitra ny toetrany loza be ny mpitarika ireo fiangonana ireo nefa tsy nahomby, dia nanaiky tsy fidiny ny fahefana fara-tampony izay toa niankohofan’ izao tontolo izao manontolo. Tao anefa ireo izay nandà tsy hilefitra amin’ ny fahefan’ ny papa na ny an’ ireo mpitondra ambony. Nanapa-kevitra ny hitana ny fankatoavany an’ Andriamanitra izy sy ny hitandrina ny fahadiovana sy ny fahatsoran’ ny finoany. Nisy ny fisarahana. Niala izao ireo izay nifikitra tamin’ ny finoana taloha ; nisy nandao ny Alpes tanindrazany, ka lasa nanainga ny fanevan’ ny fahamarinana tany an-tany hafa; ny sasany kosa nivady fialofana tany amin’ ny hadilalana sy tany amin’ ireo vatolampy fiarovana mafy tany an-tendrombohitra, ary tany no niarovany ny fahafahany hanompo an’ Andriamanitra.HM 64.1

    Ny finoana izay notazonin’ ireo kristiana Vaudois sy nampianariny nandritra ny taonjato maro dia nifanohitra mazava tamin’ ny fampianarana naroson’ i Roma. Nifototra tamin’ ny Tenin’ Andriamanitra voasoratra. dia ny tena rafitry ny fivavahana kristiana ny finoany teo amin’ ny fivavahana. Nefa ireo tantsaha tsotsotra, tao amin’ ny fialofany mangina, tafasaraka tamin’ izao tontolo izao, ary voafatotra tamin’ ny asa mafy andavan’ andro teo amin’ ny biby fiompiny sy ny tanimboalobony, dia tsy tonga samirery teo amin’ ny fahamarinana mifanohitra amin’ ny foto-pinoany sy ny hevi-diso nentin’ ny fiangonana mihemotra. Tsy finoana vao noraisiny ny finoany. Lova noraisiny avy tamin’ ny razany izany. Niady ho an’ ny fiangonana apostolika izy. dia ilay «finoana» izay efa voatolotra indray mandeha monja ho an’ ny olona masina.2Joda. 3 «Ilay fiango- nana tany an-efitra», fa tsy ireo ambaratongam-pahefana feno avonavona manjaka eo amin’ ny renivohitra iehiben’ izao tontolo izao, no tena fiangonan’ i Kristy ; ilay mpitahiry ny haren-tsarobidin’ ny fahamarinana izay nankinin’ Andriamanitra tamin’ ny vahoakany mba homena izao tontolo izao.HM 64.2

    Anisan’ ny antony lehibe indrindra izay nahatonga ny fisarahan’ ny fiangonana marina tamin’ i Roma ny fankahalany ny Sabatan’ ny Baiboly. Araka ny nambaran’ ny faminaniana, dia nazeran’ ny fahefana papaly teo amin’ ny tany ny fahamarinana. Voahitsakitsaka tao amin’ ny vovoka ny lalàn’ Andriamanitra, fa nasandratra kosa ny lovan-tsofina sy ny fomba amam-panaon’ ny olombelona. Vetivety dia voatery nanaja ny Alahady ho andro masina ireo fiangonana teo amin’ ny fifehezan’ ny fahefana papaly. Voahodidin’ ireo hevi-diso sy finoanoam-poana ny zanak’ Andriamanitra, ka maro tamin’ izy ireo no very hevitra indrindra, eny, na dia ny tena vahoakan’ Andriamanitra aza, ka sady nitandrina ny Sabatan’ ny olona, no nijanona tsy nanao raharaha koa tamin’ ny Alahady. Tsy nahafa-po ireo mpitarika teo amin’ ny fahefana papaly anefa izany. Tsy notakiany fotsiny ny hanamasinana ny Alahady, fa notakiany koa ny hanazimbazimbana ny Sabata; dia nomelohiny tamin’ ny teny mahery vaika indrindra izay sahy naneho fanajana izany. Ny fandosirana ny fahefan’ i Roma ihany no nahazoana nankatò ny didin’ Andriamanitra tamim-piadanana.HM 65.1

    Ny Vaudois no anisan’ ny Eoropeana voalohany indrindra nahazo ny Soratra Masina voadika tamin’ ny fiteniny (jereo Fanampiny). Taonjato maromaro talohan’ ny Fanavaozana ara-pivavahana, dia efa nanana ny Baiboly vita sora-tanana tamin’ ny tenin-drazany izy. Nanana ny fahamarinana tsy voaloto izy, ary izany no nahatonga azy hianjadian’ ny fankahalana sy ny fanenjehana. Nambarany fa ny Fiangonan’ i Roma no Babylona nihemotra voalazan’ ny Apokalypsy, ary nampidi-doza ny ainy ny fijoroany hanohitra ny fahalotoany. Rehefa nitohy naharitra ela ny fanerena noho ny fanenjehana, dia nisy nampandefitra ny finoany ary tsikelikely dia nampilefitra ireo foto-kevitra niavaka teo amin’ ny finoany, fa ny sasany kosa dia nitana mafy ny fahamarinana. Nandritra ireo andron’ ny fahamaizinana sy ny fihemorana, dia nisy Vaudois izay nandà ny fahefan’ i Roma fara-tampony sy nitsipaka ny fiankohofana tamin’ ny sary ho toy ny fanompoam-tsampy ary nitandrina ny Sabata marina. Nitana ny finoany izy na dia teo amin’ ny tafiotra mafy indrindran’ ny fanoherana aza. Na dia nandratra azy mafy aza ny lefon’ ireo andrian-dahy tany Savoie ary na dia namaivay taminy aza ny antontan-kitain’ i Roma, dia nijoro tsy azo nohozongozonina ho an’ ny Tenin’ Andriamanitra sy ny voninahiny izy.HM 65.2

    Tany ambadik’ ireo fiarovana avo any an-tendrombohitra izay fialofana hatrizay ho an’ ny nenjehina sy ny nampahoriana, no nahitan’ ireo Vaudois toerana iafenana. Tao no voatahiry hirehitra hatrany ny fahazavan’ ny fahamarinana teo anivon’ ny haizina tamin’ ny Andro Antenantenany. Tao no nitazonan’ ny vavolombelon’ ny fahamarinana ny finoana hatrizay, nandritra ny arivo taona.HM 66.1

    Efa nanomana fitoerana masina miezinezina ho an’ ny vahoakany Andriamanitra, izay nifanentana tamin’ ireo fahamarinana manankery nankinina taminy hotehiriziny. Tandindon’ ny fahamarinan’ i Jehovah tsy miova ho an’ ireo olona mahatoky natao sesi-tany ny tendrombohitra. Nasehony tamin’ ny zanany ireny tendron-kavoana manerinerina toa tilikambo nisandratra teo amboniny tamin’ ny fiandrianana tsy miova ireny, ary noresahiny taminy «Ilay tsy misy fiovaovana na aloka avy amin’ ny fihodinana», ary ny Teniny maharitra sahala amin’ ny havoana mandrakizay. Andriamanitra no efa nampiioetra mafy ny tendrombohitra sy nanohana azy tamin’ ny hery tsy misy sandry afa-tsy ny an’ Ilay hery tsy hita fetra no afaka hanongotra azy amin’ ny fitoerany. Toy izany koa no nampitoerany ny lalàny, izay fototry ny fanjakany any an-danitra sy etý an-tany. Mety hikasi-tanana ny mpiara-belona aminy ny olona ka hanala ny ainy ; nefa toy ny hasarotry ny hanongotan’ io tanana io ny tendrombohitra hatrany amin’ ny fotony, ka hanipy izany any an-dranomasina, no tsy ahazoany’ manova foto-kevitra iray amin’ ny lalàn’ i Jehovah, na hikosoka ny anankiray amin’ ireo teny fikasana natao ho an’ izay manao ny sitrapony. Tokony ho mafy tahaka ireo havoana tsy mihetsika ireo ny mpanompon’ Andriamanitra, eo amin’ ny toetrany mahatoky amin’ ny lalàny.HM 66.2

    Ireo tendrombohitra izay manodidina ny lohasahany eo ambany dia vavolombelona maharitra ny herin’ Andriamanitra mpamorona, sy antoka tsy miova na oviana na oviana ny fiarovany sy ny fiahiany. Nianatra ny ho tia ireo tandindona manginan’ ny fanatrehan’ i Jehovah ireny mpivahiny ireny. Tsy nitaraina kely akory noho ny hamafin’ ny anjarany izy ireo, ary tsy mba irery na oviana na oviana teo amin’ ireo tendrombohitra mangina. Nisaotra an’ Andriamanitra izy noho ny nanomanany ho azy fialofana amin’ ny fahatezerana sy ny fahasiahan’ ny olona. Niravoravo izy noho ny fahazoany mivavaka malalaka eo anatrehan’ Andriamanitra. Matetika rehefa enjehin’ ireo fahavalony izy, dia fiarovana azo antoka ho azy ny fahamafisan’ ny havoana. Avy any an-tampon-kavoana avo any no hanaovany hira fiderana an’ Andriamanitra, ary tsy afaka mampangina ny hira fisaorany ireo tafik’ i Roma.HM 66.3

    Nadio, tsotra sy nafana ny fitiavam-bavaka hita teo amin’ ireo mpanaraka an’ i Kristy ireo. Ambony vidy taminy mihoatra noho ny trano, ny tany. ny havana aman-tsakaiza, eny, na dia ny ainy aza ireo foto-kevitry ny fahamarinana. Nokatsahiny fatratra izay handatsahana ireo foto-kevitra ireo tao am-pon’ ny tanora. Hatramin’ ny fahazazany indrindra, dia notezaina araka ny Soratra Masina ny tanora ary nampianarina hihevitra ireo fitakian’ ny ialàn’ Andriamanitra ho masina. Vitsy ny Baiboly ; noho izany dia nianarana tsianjery ny teny sarobidy. Maro izy ireo no afaka namerina ankandrina ampahany betsaka tamin’ ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao. Nampiraisiny tamin’ ireo toe-javatra kanto eo amin’ ny zavaboary manodidina azy toy ny tamin’ ireo fitahiana tsotsotra eo amin’ ny fiainana andavandro ireo fisainana avy amin’ Andriamanitra. Ireo ankizy madinika dia nianatra ny hibanjina an’ Andriamanitra amim-pankasitrahana, Ilay nanome tombon-tsoa sy ny fampiononana rehetra.HM 67.1

    Na dia malemy fanahy sy be fitiavana aza ny ray aman-dreny, dia feno fahendrena indrindra tamin’ ny fitiavany ny zanany, ka tsy nanazatra azy tamin’ ny fampanaranam-po ny tena. Fiainana feno fitsapana sy zava-tsarotra, ary angamba fahafatesan’ ny maritiora no teo anoloan’ izy ireo. Nobeazina hatrany amin’ ny fahazazany izy hiaritra ny mafy, hilefitra amin’ ny fifehezan’ ny ray amandreny, nefa na izany aza dia ho tompon’ andraikitra amin’ ny fisainany sy ny asany. Mbola kely tokoa izy ireo dia efa nampianarina handray andraikitra, hiambina ny vavany, ary hahalala ny fahendrena eo amin’ ny fahanginana. Ny teny tsy voambina iray latsaka ao an-tsofin’ ny fahavalony dia mety hampidi-doza tsy ny ain’ ilay niteny ihany, fa ny ain’ ny an-jatony amin’ ny rahalahiny, fa tahaka ny ambodia mitady ny hazany ireo fahavalon’ ny fahamarinana, manenjika ireo izay sahy mitaky ny fahafahany eo amin’ ny fivavahana sy ny finoana.HM 67.2

    Efa nataon’ ireo Vaudois sorona ho an’ ny fahamarinana ny fanambinana azy araka izao tontolo izao, ary niasa mafy tamimpikirizana sy tamim-paharetana izy hahazoany hanin-kohanina. Ny toerana rehetra azo nambolena tany an-tendrombohitra dia nokolokoloina fatratra; ireo lohasaha sy ireo tehezan-kavoana tsy mahavokatra loatra dia namboarina hahavoka-javatra. Ny fahaizana mitsitsy sy ny fahafoizan-tena lehibe no anisan’ ny fanabeazana noraisin’ ny ankizy ho hany lova ho azy. Nampianarina azy fa nokasain’ Andriamanitra hó feno fifehezan-tena ny fiainana ary ny asa mafy ataon’ ny tenany ihany no ahazoany ny zavatra ilainy, ny fahaizana mitsinjo ny ho avy, ny fikarakarana ary ny finoana. Mafy sy mandreraka izany fitondrana izany nefa nahasoa, ary sahaza ny olona efa lavo ; io no sekoly nomanin’ Andriamanitra mba hitaizana ny olona sy hitomboany. Nozarina hiasa mafy sy hisetra zava-tsarotra ny tanora, nefa tsy natao an-tsirambina ny fanolokoloana ny sainy. Nampianarina azy fa an’ Andriamanitra ny hery rehetra, ary izy rehetra dia amboarina sy volavolaina hanompo Azy.HM 67.3

    Nitovy tamin’ ny fiangonana tamin’ ny andron’ ny apostoly ireo fiangonana Vaudois teo amin’ ny fahadiovana sy ny fahatsorany. Notsipahany ny fahefan’ ny papa sy ny an’ ireo filohan’ ny fiangonana ary ny Baiboly no noraisiny ho hany fahefana ambony indrindra tsy mety diso. Ireo mpitandrina teo aminy dia tsy nanao toy ireo mpisorona miavonavona tao Roma, fa nanahaka ny ohatra navelan’ ny Tompony, Ilay tonga «tsy hotompoina fa mba hanompo». Namahana ny andian’ ondrin’ Andriamanitra , nitarika azy ho eo amin’ ny ahi-maitso sy ny loharano velon’ ny teniny masina izy. Lavitry ny tsangambaton’ ny rentirentin’ ny olombelona sy ny avonavony no nivorian’ ny vahoaka, tsy tao amin’ ny fiangonana mirenty na tao amin’ ny katedraly miezinezina, fa tao ambanin’ ny aloky ny tendrombohitra, tany amin’ ny lohasahan’ ny Alpes, na rehefa misy loza, tany amin’ ny fiarovana mafin’ ny vatolampy ; tany no nihainoany ny tenin’ ny fahamarinana avy amin’ ireo mpanompon’ i Kristy. Tsy nitory ny filazantsara fotsiny ny mpitandrina, fa namangy ny marary koa izy, nampianatra finoana ny ankizy, nananatra ny mania, ary niasa mafy hampitony ny adi hevitra, hampitombo ny firindrana sy ny fitiavan’ ny mpirahalahy. Rehefa mandry ny tany dia ny fanomezana an-tsitrapo ataon’ ny vahoaka no nanohanana azy ireo ; nefa, tahaka an’ i Paoly mpanao lay, dia samy nianatra asan-tanana izay ahazoany mizaka tena avy izy raha ilaina izany.HM 68.1

    Ny mpitandrina no nitaiza ny tanora. Nomena anjara toerana ireo taranjam-pianarana ankapobeny, nefa ny Baiboly no matoampianarana. Nianarana tsianjery ny filazantsaran’ i Matio sy Jaona, sy ny Epistily maro. Nampiasaina koa izy ireo handika ny Soratra Masina. Nisy boky sora-tanana nahitana ny Baiboly manontolo, ny sasany kosa ampahany fohifohy nofantenana izay nampianarin’ ireo afaka nanadihady ny Soratra Masina fanazavana tsotra ny lahateny. Tamin’ izany fomba izany no nanehoana ireo haren’ ny fahamarinana izay nafenin’ ireo nitady hanandratra ny tenany ho ambonin’ Andriamanitra nandritra ny fotoana ela tokoa.HM 68.2

    Asa nitaky faharetana tsy nety sasatra, matetika tany amin’ ny zohin’ ny tany lalina sy maizina, tamin’ ny fahazavan’ ny fanilo, no nanoratana ny Soratra Masina isan’ andininy, isaky ny toko. Nandroso toy izany ny asa, namirapiratra tahaka ny volamena madio ny sitrapon’ Andriamanitra voambara; namirapiratra bebe kokoa manao ahoana, nazava bebe kokoa, sy nanan-kery bebe kokoa izany noho ireo fitsapana niaraka taminy. Ireo izay niditra antsehatra tamin’ ny asa ihany no afaka nahatsapa izany. Nanodidina ireo mpiasa mahatoky ireo ny anjely avy any an-danitra.HM 69.1

    Namporisihan’ i Satana ireo pretran’ ny papa sy ireo filohan’ ny fiangonana handevona ny tenin’ ny fahamarinana ao anatin’ ny loton’ ny hevi-diso sy ny finoanoam-poana; nefa voatahiry ho madio mandritra ny andro rehetra nanjakan’ ny haizina tamin’ ny fomba mahagaga indrindra izany. Tsy mitondra ny dian-tanan’ ny olombelona ny fahamarinana, fa misy kosa ny tombo-kasen’ Andriamanitra. Tsy nety sasatra ny olona niezaka hanamaizina ny dikan’ ny Soratra Masina tsotra sy mazava, sy hampifanohitra ny teny vavolombelona lazainy, nefa tahaka ny avana ambonin’ ny rano lalina manonja ny tenin’ Andriamanitra izay mivoaka ivelan’ ny tafio-drivotry ny nitady ny hanapotika azy. Toy ny lavaka fihadiana harena misy lalambolamena sy volafotsy sarobidy voafina ao ambanin’ ny tany ka tsy maintsy mandavaka izay ta-hahita ireo tahiry sarobidy ireo. Toy izany koa, ny Soratra Masina dia misy fahamarinana sarobidy izay tsy aseho afa-tsy amin’ ny mpikaroka izany amin-kafanam-po sy amim-panetren-tena ary amim-pivavahana ihany. Notendren’ Andriamanitra ho boky fianarana ho an’ ny zanak’ olombelona rehetra ny Baiboly, eo amin’ ny fahazazany, eo amin’ ny fahatanorany, ary eo amin’ ny maha-olon-dehibe azy, ary hianarana amin’ ny fotoana rehetra. Nomeny ny olona ny teniny ho fanambarana ny tenany. Ny fahamarinana vaovao rehetra hita dia fanehoana vaovao ny toetra amam-panahin’ Ilay nanoratra izany. Ny fianarana ny Soratra Masina no fomba notendren’ Andriamanitra hampifandray akaiky ny olona amin’ ny Mpamorona azy sy hanomezana azy fahaialana mazavazava kokoa ny sitrapony. Izy no lalana mampitohy amin’ Andriamanitra sy ny olona.HM 69.2

    Ruha noheverin’ ireo Vaudois ho ny fahatahorana an’ i Jehovah no fiandoham-pahendrena, dia tsy nanao ambanin-javatra ny mahazava-dehibe ny fifandraisana amin’ izao tontolo izao izy, mba hampitatra ny faranitan-tsainy, ny fahaialana momba ny olombelona. ary ny fiainana miasa. Nisy tanora, avy tamin’ ny sekolin’ izy ireo tany an-tendrombohitra no nalefa hanohy fianarana ambaratonga ambony tany amin’ ny tanàn-dehibe tany Frantsa sy tany Italia, izay nahitany saha midadasika tokoa hianarany, hieritreretany sy handinihany noho ny tany amin’ ny Alpes, toerana nahaterahany. Ny tanora nalefa toy izany dia teo anoldan’ ny fakam-panahy, nahita maso ny faharatsiana, ary nifanehitra teo amin’ ireo fiasan’ i Satana fetsy, izay namporisika azy ho amin’ ny hevi-diso saro-pantarina indrindra sy ny fitaka mampidi-doza indrindra. Nefa ny fanabeazana azy hatrany amin’ ny fahazazany dia nanomana azy handresy amin’ ny fizahan-toetra.HM 70.1

    Tany amin’ ny sekoly izay nalehany dia tsy tokony ho natoky na iza na iza izy. Efa namboarina ny fitafiany mba hanafenany ny hareny lehibe indrindra, dia ireo sora-tanana sarobidin’ ny Soratra Masina. Vokatry ny asa mafy am-bolana sy an-taona izany, ary nentiny niaraka taminy. Na taiza na taiza nahazoany nametraka izany ka tsy hahatonga fiahiahiana azy, dia nametrahany ampahany ke’iy tamim-pitandremana fatratra, teo amin’ ny lalan’ ireo izay nanana fo toa nisokatra handray ny fahamarinana. Hatreny ampofoan-dreniny ny tanora Vaudois no efa notezaina hitsinjo izany zava-kendrena izany ; fantany tsara ny asa ary notanterahiny tamimpahatokiana izany. Nisy olona niova fo hanaraka ny finoana marina tao amin’ ireo toeram-pianarana ireo, ary matetika no hita fa manerana ny sekoly manontolo ny foto-kevitr’ izany finoana izany. Nefa tsy voarak’ ireo iraka nalefan’ ny papa hatrany amin’ ny loharano niaviany tamin’ ny fikarohana akaiky indrindra nataony ireo izay nolazainy fa mpamafy hevi-diso (herezia)HM 70.2

    Ny toe-tsain’ i Kristy dia toe-tsaina misionera. Ny fihetsika voalohany indrindra ataon’ ny fo nohavaozina dia ny hitondra ny hafa koa ho eo amin’ ny Mpamonjy. Toy izany ny toe-tsain’ ireo kristiana Vaudois. Tsapany fa tsy nitaky taminy ny fitehirizana ny fahamarinana ho eo amin’ ny fahadiovany ao amin’ ny fiangonany fotsiny Andriamanitra; tsapany fa nisy andraikitra miezinezina nipetraka taminy hanazava ireo izay mitakizina ao amin’ ny haizina. Tamin’ ny alalan’ ny herin’ ny Tenin’ Andriamanitra no niezahany hanapatapaka ny ziogan’ ny fanandevozana izay nampiharin’ i Roma. Nantsoina ho misionera ireo mpitandrina Vaudois, ary izay rehetra nanam-paniriana ho mpitandrina, dia nasaina nanao fanandramana amin’ ny maha-evanjelistra azy aloha. Tsy maintsy samy miasa telu taona avy any amin’ ny sahan’ ny misiona aloha vao miandraikitra fiangonana iray any an-tanindrazana. Io asa fanompoana io, izay nitaky fandavan-tena sy fahafoizan-tena hatrany am-boalohany, dia fitarihana nety koa hidirana ho amin’ ny fiainan’ ny mpitandrina tamin’ ny andro izay nisedrana ny fanahin’ ny olona. Ny tanora izay nandray fanosorana ho amin’ ny asa fanompoana masina dia tsy nanoloana harena sy voninahitra eto an-tany, fa fiainana feno asa mafy sy loza mananontanona, ary angamba mety ho faty maritiora. Nandeha tsiroaroa ny misionera, tahaka ny nanirahan’ i Jesosy ny mpianany. Ny tanora dia matetika niaraka tamin’ ny efa zokiolona izay sady efa ela nihetezana, ilay tanora izany dia tarihin’ ilay namany izay tompon’ andraikitra amin’ ny fanazarana, ary nitandrina koa ny fampianarana azy. Tsy niaraka mandrakariva tsy akory ireo mpiara-miasa ireo, fa nihaona matetika mba hivavaka sy hifanoro hevitra, ary tamin’ izany fomba izany dia nifampahery tamin’ ny finoana.HM 70.3

    Raha nampahafantariny ny zava-kendreny teo amin’ ny asa nanirahana azy, dia azo antoka ny fahareseny; noho izany dia nafeniny tamim-pitandremana fatratra ny tena anton’ izany. Ny mpitandrina tsirairay dia samy nanana fahaialana momba ny asa na ny raharaha iray, ary nanao ny asany “ireo misionera tamin’ ny fanaronana izany amin’ ny asa andavanandro. Matetitka ny mpivarotra na ny mpanao varo-mandeha no asa nofidiny. «Nitondra lamba lasoa, vato soa sy zavatra hafa izy, izay tsy mora ny mahita azy tamin’ izany fotoana izany raha tsy eny amin’ ny tsena lavi-toerana ; noraisina tsara amin’ ny maha-mpivarotra azy izy teo amin’ ny toerana izay tokony nandosirana azy kosa raha misionera izy» 1Wylie.boky 1.toko.7. Nanandratra hatrany ny fo amam-panahiny tamin’ Andriamanitra izy mba hangataka fahendrena ahazoany mampiseho ilay harena sarobidy noho ny volamena na ny vatosoa, dia ny Tenin’ Andriamanitra manontolo na ampahany ihany no nadika ka nentiny ankinafinafina; ary na taiza na taiza nisy fotoana mety hanaovana izany, dia notarihiny ho amin’ ireo boky sora-tanana ireo ny sain’ ny mpividy. Matetika dia nanjary nisy fahalinana hamaky ny Soratra Masina tamin’ izany fomba izany, ary tamim-pifaliana no namelany ampahany ho an’ ireo izay naniry ny handray izany.HM 71.1

    Ny asan’ ireo misionera dia nanomboka teo amin’ ny lohasaha teo am-pototry ny tendrombohitra nisy azy, nefa dia nitatra tany amin’ ny faritra lavitra. Tsy nikiraro izy ary nanao fitafiana tsotra toy ny an’ ny Tompo, sady feno vovoka teny an-dalana nitety ny tanàn-dehibe ary tonga tany an-tany lavitra. Nafafiny hatraiza hatraiza ny voa sarobidy. Nitsangana ny fiangonana teo amin’ ny lalana nalehany, ary vavolombelon’ ny fahamarinana ny ran’ ny maritiora. Amin’ ny andro lehiben’ Andriamanitra, dia ho hita ny vokatra nampidirin’ ireo olona mahatoky ho ao an-tsopitry ny lanitra, dia fanahy sarobidy. Niafinafina sy nangingina ny lalana nizoran’ ny Tenin’ Andriamanitra nandritra ny andro kristiana, nefa noraisina tamim-pifaliana tao amin’ ny tokantrano sy tao ampon’ ny olona.HM 72.1

    Ho an’ ny Vaudois dia tsy fitantarana ny fifandraisan’ Andriamanitra tamin’ ny olona, sy fanehoana ny adidy aman’ andraikitra ankehitriny ihany no hitany ao amin’ ny Tenin’ Andriamanitra, fa fanehoana koa ny loza sy ny voninahitra ho amin’ ny ho avy. Nino izy fa tsy lavitra ny fiafaran’ ny zavatra rehetra, ary rehefa nianatra ny Baiboly tamim-pivavahana sy tamin-dranomaso izy dia latsaka lalindalina kokoa tao am-pony ny teny sarobidy sy ny adidiny hampahafantatra amin’ ny hafa ireo fahamarinana mitondra famonjena. Hitany mazava ny drafitry ny famonjena novelarina ao amin’ ireo takila masina, ary nahita fiononana, fanantenana sy fiadanana izy tamin’ ny finoany an’ i Jesosy. Raha nampahiratra ny sainy ny fahazavana ka naharavoravo ny fony, dia naniry mafy ny hampitosaka ny tara pahazavana teo amin’ ireo izay tao amin’ ny haizin’ ny hcvi-dison’ ny fahefana papaly izy.HM 72.2

    Hitany fa eo ambanin’ ny fitarihan’ ny papa sy ny pretra, dia ho very maina foana ny fiezahan’ ny maro hahazo famelan-keloka amin’ ny fampahoriana ny vatany noho ny fahotan’ ny fanahiny. Koa satria nampianarina hitady fiadanam-po sy famonjena teo amin’ ny fanaovana asa soa izy ireo, dia nanosika azy hampijaly ny tenany sy ny fanahiny ny fahatsapany ny fahotany, ary ny fahatahorana ny fahatezeran’ Andriamanitra, nefa tsy nahita fiononana na dia kely aza. Tamin’ izany fomba izany dia nisy olona tso-po voafatotr’ ireo fampianaran’ i Roma. An’ arivony no nandao ny havana aman-tsakaizany ary nandany ny fiainany tany amin’ ny efitrano etin’ ny tranon-drelijiozy. Tamin’ ny alalan’ ny fifadiankanina sy ny fikapohana ny tenany niverimberina, tamin’ ny alalan’ ny fiaretan-tory hatramin’ ny sasak’ alina, tamin’ ny alalan’ ny fiankohofana mandritra ny ora maro mahavizana, eo amin’ ny vato mangatsiaka sy mandon’ ny tranony maizimaizina, tamin’ ny alalan’ ny fivahiniana masina lavabe, amin’ ny alaian’ ny famaizan-tena mampietry sy ny fampijalian-tena mampihoron-koditra no nitadiavan’ ny olona an’ arivony ny fladanan’ ny fanahiny. Nanindry azy ny fahatsapany ny fahotana, ary nanenjika azy ny fahatahorana ny fahatezeran’ Andriamanitra mamaly faty, ka betsaka no nijaly mandra-pahalefin’ ny nofo efa reraka, ary nidina tany am-pasana tsy mba nanana na dia tara-pahazavana iray na fanantenana kely akory.HM 72.3

    Nirin’ ireo Vaudois mafy ny hamaky ny mofon’ aina ho an’ ireo fanahy maty noana, ny hanokatra eo anoloany ireo hafatry ny fiadanana ao amin’ ny teny fikasan’ Andriamanitra, Ilay hany fanantenana ny famonjena ho azy. Hitany mazava ny fahadisoan’ ny fampianarana milaza fa afaka hanonitra ny fandikana ny lalàn’ Andriamanitra ny asa tsara. Ny fitokisana ny fahamendrehan’ olombelona dia manakana ny fahitana ny fitiavan’ i Kristy tsy voafetra. Maty Jesosy ho avotra ho an’ ny olona satria tsy afaka manao na inona na inona ny taranaka lavo mba haneken’ Andriamanitra azy. Ny fahamendrehan’ Ilay Mpamonjy nohomboina tamin’ ny hazo fijaliana sy nitsangana tamin’ ny maty no fototry ny finoana kristiana. Ny fiankinan’ ny fanahy amin’ i Kristy dia tokony ho tena misy tokoa, ary ny firaisany Aminy dia tokony ho ety tahaka ny firaisan’ ny tongotra aman-tanana amin’ ny vatana, na tahaka ny firaisan’ ny sampana amin’ ny voaloboka.HM 73.1

    Nanova endrika an’ Andriamanitra sy Kristy ho toy ny olona masiaka, malahelo lava sy be fandrarana ny fampianaran’ ny papa sy ny mpisorona. Naseho ho toy ny tsy mankasitraka ny firaisampo amin’ ny olona eo amin’ ny toerana mahalavo azy loatra ny Mpamonjy ka tsy maintsy nilaina ny fanelanelanan’ ny mpisorona sy ny olo-masina. Ireo izay nanana saina nohazavain’ ny Tenin’ Andriamanitra, dia naniry indrindra ny hanondro an’ i Jesosy tamin’ ireo, fanahy ireo dia Ilay Mpamonjy mangora-po, be fitiavana, mitsangana manatsotra ny tanany, miantso ny rehetra hanatona Azy hitondra ny enta-mavesatry ny fahotana, ny ahiahy sy ny havizanana. Niriny mafy ny hanala ireo zava-misakana navangongon’ i Satana mba tsy hahitan’ ny olona ireny teny fikasana ireny, ka tsy hanatonany mivantana an’ Andriamanitra, hiaiky ny fanotany sy handray famelankeloka sy fiadanana.HM 73.2

    Nazoto tokoa ireo misionera Vaudois namelabelatra ireo faha-marinana sarobidy ao amin’ ny filazantsara tamin’ ny olona nanadihady ny amin’ izany. Tamim-pahamalinana fatratra no namoahany ireo ampahan’ ny Soratra Masina nosoratana tamim-pitandremana. Ny fifaliana lehibe indrindra ho azy dia ny manome fanantenana ho an’ ny fanahy mahitsy fo nefa voa mafy izay tsy afaka nahita afa-tsy Andriamanitra mpamaly faty, miandry ny hampihatra ny fahamarinany. Nangovitra ny molony ary nanganohano ny masony, matetika no mandohalika Izy, raha namelatra teo amin’ ny rahalahiny ireó teny fikasana sarobidy izay manambara ny hany fanantenana ho an’ ny mpanota. Tamin’ izany fomba izany no nidiran’ ny fahamarinana tao amin’ ireo saina maro efa nohamaizinina, ka nampihorona ny rahon’ ny alahelo hiala, mandra-pamirapiratry ny Masoandron’ ny fahamarinana manana fanasitranana eo amin’ ny tanany ao am-po. Matetika dia naverimberina novakiana ny ampahany sasany ao amin’ ny Soratra Masina, satria nirin’ ny mpihaino ny hamerenana izany, tahaka ny tiany ho azo antoka fa reny tsara. Ny famerenana ireto teny ireto no tena nirina mafy tamin’ ny fomba manokana. «Ny ran’ i Jesosy Kristy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ ny fahotana rehetra» 21 jao.1 : 7. «Tahaka ny nanandratan’ 1 Mosesy ny menarana tany an-efitra, no tsy maintsy hanandratana koa ny Zanak’ olona; mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay» 3Jao.3 : 14 . 15.HM 73.3

    Maro no tsy voafitaka intsony ny amin’ ny fitakiana nataon’ i Roma. Hitany fa tsy misy antony tokoa ny fanelanelanana ataon’ ny olona na ny anjely ho an’ ny mpanota. Raha niposaka tao an-tsainy ny tena fahazavana, dia nihoraka tamim-pifaliana izy hoe : «Kristy no pretra ho ahy ; sorona ho ahy ny rany ; ny fanaovako konfesy dia ny alitarany». Niantoraka tanteraka tamin’ ny fahamendrehan’ i Jesosy izy, naverimberina ny teny hoe : «Raha tsy amin’ ny finoana, dia tsy misy azo atao ahazoana sitraka Aminy» 4Heb. 11 : 6 «Tsy misy anarana hafa ambanin’ ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena» 5Asa. 4 : 12 HM 74.1

    Toa be loatra ka sarotra ekena ho zava-misy ho an’ ireto fanahy mahantra natopatopan’ ny tafio-drivotra ny toky momba ny fitiavan’ ny Mpamonjy. Lehibe indrindra ny fanamaivanana nentin’ izany, be indrindra ny fahazavana nanafotra azy ka toy ny any an-danitra no fiheverany ny tenany. Napetrany tamim-pahatokiana tao antanan’ i Kristy ny tanany ;nitoetra teo amin’ Ilay Vatolampy mandrakizay ny tongony. Foana ny tahotra ny fahafatesana rehetra. Raha ilaina izany dia afaka misetra amim-pifaliana ny trano maizina sy ny fandorohana velona izy, mba ahazoany manome voninahitra ny anaran’ ny Mpanavotra azy.HM 74.2

    Toy izany no nitondrana sy namakiana ny Tenin’ Andriamanitra tamin’ ny toerana mangina, indraindray tamin’ ny olona iray ihany, indraindray tamin’ ny olona vitsivitsy izay naniry mafy ny fahazavana sy ny fahamarinana. Matetika dia ny alina manontolo no lany tamin’ ny fandinihana azy. Lehibe loatra ny fahafinaretana sy ny fahatalanjonan’ ny mpihaino hany ka fahita matetika ny mpitondra hafatra tsy navela hanohy ny vakiteny, raha tsy efa voarain’ ny saina ny vaovaon’ ny famonjena. Matetika no nivoaka ny teny toy izao: «Tena handray ahy marina ho zanany ve Andriamanitra ?» «Moa hitsiky amiko ve Izy ? Hamela ny heloko ve Izy ?» Novakiana ny valin’ izany manao hoe : «Mankanesa atý amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho hanome anareo fitsaharana» 6Mat.11:28.HM 75.1

    Tamim-pinoana no namikiran’ ny mpihaino ny teny fikasana ary niantsoantso tamim-pifaliana izy hoc : «Tsy misy fivahinianana lavitra hatao intsony ; tsy misy dia mandreraka hankanesana any amin’ ny toerana lazaina ho masina intsony. Azoko atao ny manatona an’ i Jesosy amin’ izao toetrako izao, mpanota sady tsy masina, nefa tsy hanifakifaka ny fivavahan’ ny miaiky heioka Izy». Hoy Izy tamiko: «Voavela ny fahotanao. Mety ho voavela ny heioka, eny, ny heloko!»HM 75.2

    Misy onjam-pifaliana masina nameno ny fo, ary nasandratra tamin’ ny hira fiderana sy fisaorana ny anaran’ i Jesosy. Niverina tany an-tokantranony ireo fanahy sambatra ireo mba hanaparitaka ny fahazavana, hamerina amin’ ny hafa, araka izay azony atao, ny fanandramana vao nataony, hilaza fa efa nahita ny lalana marina sy velona izy. Nanana hery mahagaga sy miezinezina ny tenin’ ny Soratra Masina izay niteny nivantana tamin’ ny fon’ ireo izay naniry mafy ny fahamarinana. Feon’ Andriamanitra izany, ka nampiaiky ireo izay nandre.HM 75.3

    Nanohy ny lalany ny mpitondra ny fahamarinana; matetika anefa no nasian-teny ny fanetren-tenany, ny fahatsorany, ny hafanampony sy ny Fitiavany vavaka mafana. Matetika ny mpihaino dia manontany azy izay niaviany sy izay halehany. Gaga izy aloha tamin’ ny voalohany, ary avy eo indray feno fankasitrahana sy fifaliana, ka tsy tonga tao an-tsainy intsony ny hanontany azy. Rehefa nangatahina izy ireo ho any an-tokantranony, dia novaliany fa tsy maintsy mamangy ny very ao amin’ ny andian’ ondry izy. Anjely avy any an-danitra va re iny ? hoy ny fanontanian’ izy ireo.HM 75.4

    Matetika dia tsy hita intsony ilay mpitondra ny fahamarinana. Efa lasa any amin’ ny tany hafa izy, na nanapitra ny androny tany an-tranomaizina tsy fantatra, na angamba nihafotsy teo amin’ ny toerana nahavavolombelon’ ny fahamarinana azy ny taolambalony. Nefa tsy nety rava ny teny izay navelany tao aoriany. Nanao ny asany tao am-pon’ ny olona izany; ny vokatra kanton’ izany dia tsy ho fantatra tanteraka raha tsy any amin’ ny fitsarana.HM 76.1

    Nanafika ny fanjakan’ i Satana ireo misionera Vaudois, ka nitombo fahamalinana ny herin’ ny maizina. Nanao andri-maso ny fiezahana rehetra hampandroso ny fahamarinana ilay andrianan’ ny ratsy, ary nataony izay hampatahotra ireto mpitoriteny. Tsikaritr’ ireo filoha tao amin’ ny fahefana papaly fa fambara loza ho azy ny asan’ ireo mpandehandeha tso-piainana ireo. Raha avela hamirapiratra ny fahazavan’ ny fahamarinana ka tsy sakanana, dia hanala ireo rahon’ ny hevi-diso izay nanarona ny vahoaka izany, ary hitarika ny sain’ ny olona hivantana avy hatrany any amin’ Andriamanitra, ka mety hanapotika ny fahefan’ i Roma. Ny fisian’ io vahoaka io mihitsy, izay mitana ny finoan’ ny fiangonana taloha, dia vavolombelona mitohy momba ny fihemoran’ i Roma, ary noho izany dia nahatonga fankahalana sy fanenjehana mangidy indrindra. Ny fandavan’ izy ireo tsy hiala amin’ ny Soratra Masina koa dia fanafintohinana izay tsy lefitr’ i Roma. Nanapa-kevitra ary izy fa hikosoka azy ireo tsy ho eto an-tany. Nanomboka tamin’ izay ny tafika masina nahatsiravina indrindra namely ny vahoakan’ Andriamanitra tany an-tokantranony tany an-tendrombohitra. Nalefa hihaza azy ireo ny mpanadihady, ary dia niverimberina matetika ny toe-javatra nahitana an’ i Abela tsy nanan-tsiny lavo teo anoloan’ ny famelezan’ i Kaina mpamono olona.HM 76.2

    Impiry impiry no nanjary ngazana ny taniny lonaka. Ny trano fitoerany sy ny fiangonany nofongorana, ka teo amin’ ny toerana izay nisy saha mahavokatra sy nisy ny tokantranon’ ny vahoaka tsy manan-keloka sy mazoto miasa, dia tsy nisy intsony afa-tsy tany hay fotsiny. Toy ny bibi-dia mihamasiaka rehefa mahare fofondrà, dia toy izany koa ny haromotan’ ireo mpiandany tamin’ ny papa, nirehitra bebe kokoa tamin’ ny alalan’ ny fampijaliana ireo olona azony. Betsaka tamin’ ireo vavolombelon’ ny finoana madio no nenjehina eran’ ny tendrombohitra sy nohazaina tany amin’ ny lohasaha voahodidin’ ny ala matevina sy ny vatolampy teny antendron-kavoana izay niafenany.HM 76.3

    Tsy nisy fiampangana azo namelezana ny fitondrantena sy ny toetra amam-panahin’ io antokon’ olona nohelohina io. Na dia ireo fahavalony aza dia nilaza fa olona mora hihavanana, tia fandriampahalemana sy tia fivavahana izy ireo. Ny helony lehibe dia izy tsy nanompo an’ Andriamanitra araka ny sitrapon’ ny papa. Noho io heioka io dia navangongo teo aminy avokoa ny fanalam-baraka, ny fitenenan-dratsy sy ny fampijaliana rehetra.HM 77.1

    Rehefa nanapa-kevitra i Roma indray mandeha fa hamongotra io antokon’ olona ankahalaina io, dia nisy taratasy avy any amin’ ny papa nanameloka azy ho «heretika», (ho mitana finoana tsy eken’ ny besinimaro) ka natolotra hofongorana izy ireo.(jereo Fanampiny). Tsy nampangaina ho olona kamo, na ho olona tsy marina, na mpanakorontana izy, fa nolazaina fa nanana endriky ny fitiavambavaka sy ny fahamasinana izay «mamitaka» ny ondry ao amin’ ny «tena vala» izy ireo. Noho izany dia nibaiko ny papa mba hanamontsamontsanana tahaka ny menarana misy poizina io antokon’ olona fetsifetsy sy maharikoriko io, raha mandà ny hivadika» 7Wylie. bok v 16. toko.1. Moa ve nampoizina fa mbola hifanena amin’ ireo teny ireo indray izy? Moa ve fantany fa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny lanitra izy ireny ka hifanatrika aminy any amin’ ny fitsarana? «Araka izay efa nataonareo tamin’ ny anankiray amin’ ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko» 8Mat. 25: 40.HM 77.2

    Io taratasy io dia niantso ny mambra rehetra ao amin’ ny fiangonana mba handray anjara amin’ ny ady masina atao amin’ ny «heretika». Ho fanentanana azy ireo hiditra an-tsehatra ao amin’ io asa lozabe io, dia «novotsorana tamin’ ny sazy sy ny famaizana rehetra avy amin’ ny fiangonana izy, na ny ankapobeny na ny an’ ny tsirairay ; izay rehetra miditra an-tsehatra amin’ ny ady masina dia afaka amin’ ny fianianana rehetra mety nataony ; manamarina ny zony ho tompon’ ny fananana izay mety nalainy tsy ara-dalàna izany ; ary nampanantenana fameian-keloka amin’ ny fahotana tahaka izay mamono mahafaty «heretika». Manafoana ny fifanarahana rehetra natao ho tombon-tsoan’ ny Vaudois izany ka mibaiko ny mpiasany handao azy ireo, ary mandrara ny olona rehetra tsy hanampy azy na amin’ ny fomba inona na amin’ ny fomba inona, sady nanome fahefana ny olona rehetra handray ny fananany»7Wylie. bok v 16. toko.1. Asehon’ io lahatsoratra io mazava ny tena toe-tsaina tao ambadik’ izany. Ny fitreron’ ny dragona, fa tsy ny feon’ i Kristy no re tamin’ izany.HM 77.3

    Tsy nampifandrindra ny toetra amam-panahiny tamin’ ilay faneva lehiben’ ny lalàn’ Andriamanitra ireo filoha papaly, fa nanangana faneva nifanentana tamin’ ny tenany, ary nanapa-kevitra ny hanery ny olona rehetra hifanaraka amin’ izany, satria izany no sitrapon’ i Roma. Noho izany dia niseho ny zava-doza mahatsiravina indrindra. Nisy mpisorona sy papa ratsy toetra sy mpiteny ratsy nanao ny asa nasain’ i Satana notanterahiny. Tsy nisy toerana tao amin’ izy ireo ny famindrampon’ Ilay toe-tsaina izay nanomboana an’ i Kristy teo amin’ ny hazo fijaliana sy namonoana ny apostoly. Ilay toe-tsaina izay nanetsika an’ i Néron lian-drà hamely ireo olona mahatoky tamin’ ny androny, io ihany no niasa mba hamongotra ireo izay tia an’ Andriamanitra tsy ho eto an-tany.HM 78.1

    Ny fanenjehana izay nianjady tamin’ io vahoaka natahotra an’ Andriamanitra io nandritra ny taonjato maro dia nozakainy tamim-paharetana sy tsy miova ka nanome voninahitra ny mpanavotra azy. Na dia namely azy aza ireo ady masina sy ireo vonoan’ olona. toy ny vono moka izay niaretany, dia mbola notohizany ihany ny fandefasana misionera hanaparitaka ny fahamarinana sarobidy. Nohazaina hatramin’ ny fahafatesana izy ireo; nefa nanondraka ny voa nafafy ny rany, ka tsy tapaka ny nitondra vokatra betsaka. Toy izany no nahavavolombelon’ Andriamanitra ny Vaudois an-jato taona talohan’ ny nahaterahan’ i Lotera. Niparitaka tany amin’ ny tany maro izy ireo, ka namafy ny voan’ ny Fanavaozana ara-pivavahana izay nanomboka tamin’ ny andron’ i Wiclef, nitombo sy nihalalina tamin’ ny andron’ i Lotera, ka tokony handroso hatrany hatramin’ ny faran’ ny andro noho ireo vonona koa hiaritra ny zavatra rehetra «noho ny Tenin’ Andriamanitra sy ny filazana an’ i Jesosy» 9Apok.1:9.HM 78.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents