Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hery Mifanandrina

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "undefined".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 3—Ny fihemorana

    Nambaran’ ny apostoly Paoly mialoha ao amin’ ny epistiliny faharoa ho an’ ny Tesaloniana, i!ay fihemorana lehibe, vokatry ny fijoroan’ ny fahefana papaly. Nambarany fa tsy ho avy ny andron’ i Kristy, «raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana, ka hiseho ilay lehilahin’ ota, dia ilay zanaky ny fahaverezana, ilay manohitra ka manandra-tena ho ambony noho izay rehetra atao hoe Andriamanitra, na izay ivavahana, ka dia mipetraka eo amin’ ny tempolin’ Andriamanitra izy ka manao ny tenany ho Andriamanitra)). Eo ambany dia mananatra ny rahalahiny ny apostoly milaza fa «miasa sahady ny zava-miafina, dia ny tsy fankatoavan-dalàna)) 12 Tes.2:3,4,7. Tamin’ izany fotoana izany dia efa hitany misoko ao amin’ ny fiangonana ireo hevi-diso izay hanamboatra ny lalana hampitombo ny fahefana papaly.HM 49.1

    Tsikelikely, miafina ary mangina aloha vao miveiatra kokoa arakaraka ny fananany hery sy mpanohana no anohizan’ ity «zavamiafin’ ny tsi-fankatoavan-dalàna» ity ny asa fampiviiiana ataony. Mila tsy ho tsapa akory no nisokoan’ ny fomba amam-panao jentilisa tao amin’ ny fiangonana kristiana. Ny fironana hihavana sy hifanatona amin’ izao tontolo izao dia nandamoka nandritra ny fotoana fohy, noho ny fivaivain’ ny fanenjehana niaretan’ ny fiangonana avy tamin’ ny fanompoam-tsampy. Nefa raha vao niato ny fanenjehana, ary nahazo lalana hiditra tany an-drova sy tany amin’ ny lapan’ ny mpanjaka ny fivavahana kristiana, dia notakalozan’ ny fiangonana ny rendrarendra sy ny avonavon’ ireo mpisorona sy mpanompo sampy ny fahatsorana sy ny fanetren-tenan’ i Kristy sy ireo apostoly ary koa ny fitakian’ ny Tenin’ Andriamanitra, tamin’ ireo fampianarana sy lovan-tsofin’ olombelona. Ny saritsarimpiovam-pon’ i Constantin, teo amin’ ny fiandohan’ ny taonjato fahefatra, dia niteraka fifaliam-be, ary niditra tao amin’ ny fiangonana izao tontolo izao nitafy ny endriky ny fahamarinana. Hatramin’ izay dia mandroso haingana ny asan’ ny fahalotoana. Nanjary mpandresy ny fanompoan-tsampy izay toy ny resy. Nifehy ny fiangonana ny toe-tsainy. Ny foto-keviny, ny fombam-pivavahany sy ny finoanoam-poany dia tafaray tamin’ ny finoana sy ny fanompoam-pivavahan’ ireo izay milaza ho mpanaraka an’ i Kristy.HM 49.2

    Io fifanarahana teo amin’ ny fanompoan-tsampy sy fivavahana kristiana io dia nampiroborobo ilay «lehilahin’ ota» voalazan’ ny faminaniana fa manohitra an’ Andriamanitra sy manandratra ny tenany ho amboniny. Izany rafitra goavana momba ny fivavahana diso izany dia sangan’ asan’ ny herin’ i Satana — tsangambaton’ ny ezaka nataony mba hametrahany ny tenany ho eo amin’ ny seza fiandrianana, ka ahazoany hifehy ny tany araka ny sitrapony.HM 50.1

    Indray mandeha Satana dia niezaka ny hanao fifanarahana tamin’ i Kristy. Tonga teo amin’ ny Zanak’ Andriamanitra izy mba haka fanahy Azy. ka rehefa nasehony Azy ireo fanjakana rehetra eto amin’ izao tontolo izao sy ny voninahitr’ izy ireo, dia nolazainy fa atolony ho eo am-pelatanany avokoa izany rehetra izany raha manaiky ny fahambonian’ ny maha andrianan’ ny maizina azy Izy. Notenenin’ i Kristy ilay mpaka fanahy be hambo ka notereny hiala teo. Nahomby kokoa anefa i Satana raha nitcndra io fakam-panahy io ihany teo amin’ ny olona. Mba ahazoany tombon-tsoa sy voninahitra eo amin’ izao tontolo izao, dia voatarika ny fiangonana hitady ny fanohanany sy ny fiarovan’ ireo olona ambony eto amin’ izao tontolo izao ; ary rehefa nandà an’ i Kristy tamin’ ny fomba toy izany izy, dia voataona hilefitra eo ambany fanapahan’ ny solontenan’ i Satana sy hankato azy dia ny evekan’ i Roma izany.HM 50.2

    Iray amin’ ny fampianarana fototra teo amin’ ny fivavahan’ i Roma, ny maha-loha, hita vatana ny fiangonan’ i Kristy manerana ny tany ny papa, izay nomena ny fahefana ambony indrindra amin’ ny eveka sy ny mpitandrina amin’ ny faritra rehetra eto amin’ izao tontolo izao. Mihoatra noho izany dia ny anaran’ Andriamanitra mihitsy no nomena ny papa. Namboamboarina hoe : «ny papa Tompo Andriamanitra)) (jereo Fanampiny), ary nambara fa tsy mety diso izy. Mitaky ny fiankohofan’ ny olona rehetra izy. Ny fihamboana nataon’ i Satana tany an-efitra nakany fanahy an’ i Jesosy, dia mbola ataony indray amin’ ny alalan’ ny Fiangonan’ i Roma, ary vahoaka marobe no vonona hilefitra aminy sy hankalaza azy.HM 50.3

    Ireo izay matahotra sy manoine voninahitra an’ Andriamanitra kosa dia nisetra io fahasiahany manakatra ny lanitra io, tahaka ny nisetran’ i Kristy ny fitaoman’ ny fahavalo fetsy tamin’ ny fitenenana hoe : «Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao» 2Lio. 4 : 8. Andriamanitra na oviana na oviana tsy nanao teny tsy loa-body ka nanendry olona ho lohan’ ny fiangonana. Mifanohitra mivantana amin’ ny fampianarah’ ny Soratra Masina ny foto-pinoana momba ny fahefana fara-tampon’ ny papa. Tsy mety hanana fahefana amin’ ny Fiangonan’ i Kristy ny papa raha tsy naka izany an-keriny.HM 51.1

    Nohitrikitrihan’ ny Romanista ny fiampangany ny Protestanta ho mitana finoana tsy araka ny hevitry ny maro (heresia) sy ny fiampangany azy ho minia misaraka amin’ ny fiangonana marina. Nefa, aminy ihany no miantefa ireo fìampangana ireo. Izy ireo no nametraka ny fanevan’ i Kristy ka niala tamin’ ny finoana «izay efa voatolotra indray mandeha monja» 3Joda 3.HM 51.2

    Fantatr’ i Satana tsara fa hahatonga ny olona hahafantatra ny fitaka ataony sy hanohitra ny fahefany ny Soratra Masina. Na dia ny Mpamonjin’ izao tontolo izao aza dia nahatohitra ny famelezany tamin’ ny alalan’ io teny io. lsaky ny fanafihany, dia nasehon’ i Kristy ny ampingan’ ny fahamarinana mandrakizay, ka hoy Izy hoe : «Voasoratra hoe:». Ny tolo-kevitra rehetra ataon’ ny fahavalo dia nosetrainy tamin’ ny fahendrena sy ny herin’ ny Tenin’ Andriamanitra. Mba hahazoan’ i Satana mitana ny fanapahany eo amin’ ny olona sy mba hampiorenany mafy ny fahefan’ ny papa ilay mpisandopahefana, dia tsy maintsy ataony izay tsy hahalalan» izao tontolo izao ny Soratra Masina. Tokony hanandratra an’ Andriamanitra ny Baiboly ary hametraka ny olombelona voafetra eo amin’ izay tena toerany marina ;noho izany dia tsy maintsy hafenina sy foanana ireo fahamarinany masina. Izany foto-pisainana izany no noraisin’ ny Fiangonana Romana. Nandritra ny taonjato maro dia norarana ny fielezan’ ny Baiboly. Nosakanana tsy hamaky izany sy tsy hanana izany ao an-tokantranony ny olona, ary ny pretra sy ny eveka tsy ampy fiheverana no nanolana ny fampianaran’ ny tenin’ Andriamanitra mba hoentiny hanohana ny ham bony. Noho izany dia nekena hatraiza hatraiza fa ny papa no solontenan’ Andriamanitra eto antany, notolorana fahefana amin’ ny fiangonana sy ny fanjakana.HM 51.3

    Rehefa noesorina ilay boky mpanondro ny fahadisoan-kevitra. dia niasa araka ny sitrapony i Satana. Efa nolazain’ ny faminaniana fa «hitady hanova fotoana sy !alàna»4Dan.7:25 ny fahefana papaly. Tsy nitaredretra izy hanao izany asa izany. Mba hanolorana soion’ ny fivavahana amin’ ny sampy ho an’ ireo izay vao avy niova fo ary mba hampitombo amin’ izany fomba izany ny fanekeny ambavany fotsiny ny fivavahana kristiana, dia nampidirina miandalana teo amin’ ny fanompoam-pivavahana kristiana ny fivavahana amin’ ny sary sy ny «relika» (sisa avy amin’ ny olona masina). Ny lalàna navoakan’ ny fivoriana fandinihan-draharaha lehibe no nanorina io fomba fanompoam-tsampy io tamin’ ny farany (jereo Fanampiny). Mba hahatomombana izany asa fametavetana ny zava-masina izany. dia sahy nanafoana ny didy faharoa tao amin’ ny lalàn’ Andriamanitra izay mandrara ny fivavahana amin’ ny sary i Roma, ary nozarainy roa ny fahafolo mba tsy hanovana ny isany.HM 52.1

    Ilay toe-tsaina mifanaraka amin’ ny fanompoam-tsampy dia nanokatra ny lalana ho amin’ ny tsy fan aj an a lehibe kokoa ny fahefan’ ny lanitra. Tamin’ ny alalan’ ireo mpitarika tsy masina tao amin’ ny fiangonana no niasan’ i Satana mba hamelezana koa ny didy lahefatra, ary niezahany tamin’ izany ny hanafoana tanteraka ilay Sabata taloha, dia ilay andro efa notahian’ Andriamanitra sy nohamasininy5Gen.2:2,3, ary nasandratra ho solon’ izany ny fety firavoravoan’ ny jentilisa, izay fanaony amin’ ny andro hajaina natokana ho an’ ny masoandro. Tsy natao ampahibemaso aloha io fanovana io. Notandreman’ ny kristiana rehetra ny tena Sabata marina tamin’ ireo taonjato voalohany. Saro-piaro tamin’ ny voninahitr’ Andriamanitra izy ireo, ary ninoany fa tsy azo ovana ny lalàny, ka dia notandremany taminkafanam-po ny fahamasinan’ ny foto-keviny. Tamin-kafetsena lehibe ary no niasan’ i Satana tamin’ ny alalan’ ireo mpiasany mba hahatanteraka ny fikasany. Mba hitarihana ny sain’ ny olona ho amin’ ny Alahady. dia natao andro firavoravoana ho voninahitry ny fitsanganan’ i Kristy tamin’ ny maty izany. Tamin’ io andro io dia nisy fanompoam-pivavahana nefa dia noheverina ho andro fialam-boly ihany izy io, ary mbola notandremana ho andro masina ny Sabata.HM 52.2

    Mba hanomanany ny lalana hanatanterahany ny asa nokasainy, dia efa notarihin’ i Satana ny jiosy, talohan’ ny fiavian’ i Kristy hanototra ny Sabata tamin’ ny fameperana mahasorena maro izay nahatonga ny fitandremana azy ho adidy manorisory sy mavcsatra. Ary ankehitriny, dia araraotiny indray ny fiampangana maro natao turnin’ io Sabata io hilazana azy ho fomba fanao jiosy. Raha mbola nitandrina ny Alahady ho andro firavoravoana sy fíkoranana ny ankubeuzun’ ny kristiana, dia notarihiny kosa izy hanao ny Sabata ho andro fifadian-kanina, feno alahelo sy sorisory mba hanehoany ny fankahulana ny fivavahana jiosy.HM 52.3

    Tamin’ ny tupany voulohan’ ny taonjato fahefatra dia namoaka didy ny Amperora Constantin nampanao ny Alahady ho andro firavoravoam-panjakana mancrunu ny fanjukana Romana (jereo Fanainpiny). Nohajain’ ny olony mpanompo-sampy ny andron’ ny masoandro, ary nomen’ ny kristiana voninahitra ; tetika nataon’ ny amperora izany mba hampiraisana ny mpanaraka ireo fotoam-pivavahanu roa ireo izay nifanipaka. Ny namporisika azy hanao izany dia ireo evekan’ ny fiangonana, izay feno hambom-po sy hetahetampahefana ka nahatsinjo fa raha andro iray ihany no tandreman’ ny kristiana sy ny jentilisa. dia hitombo ny faneken’ ny mpanompo sampy ny fivavahana kristiana ivelambelany fotsiny, ary amin’ izany dia handroso hery sy voninahitra ny fiangonana. Betsaka ny kristiana natahotra an’ Andriamanitra no voatarika hihevitra fa misy ampahany fahamasinana ihany eo amin’ ny Alahady, nefa dia mbola tsy latsaka noho izany koa ny fiheverany ny Sabata ho andro masin’ i Jehovah ka notandremany izany ho fankatoavana ny didy fahefatra.HM 53.1

    Tsy mbola nahatanteraka ny asany anefa ilay mpamitaka raindahany. Nanapa-kevitra izy fa hanangona izao tontolo izao kristiana ho ambanin’ ny fanevany sy hampiasa ny fahefany amin’ ny alalan’ ilay lehilahy mirehareha fatratra, lefiny, dia ny pupu izay nilaza ny tenany ho solontenan’ i Kristy. Tamin’ ny alalan’ ny mpanompo sampy tsy tena niova fo, tamin’ ny alalan’ ny eveka be hambom-po, ary tamin’ ny alalun’ ny olom-piangonuna tia an’ izao tontolo izao no nanatanterahany ny fikasany. Nisy fivoriambe fandinihan-draharaha natao tsindraindray, izay nanasana ireo olona ambony ao amin’ ny fiangonana avy amin’ ny. tany manontolo.HM 53.2

    Saiky isaky ny fivorianadia nahen-danja hatrany ny Sabata izay naorin’ Andriamanitra, fa nasandratra araka izany kosa ny Alahady. Tamin’izany zomba izany no nahatonga an’ ilay androm-piravoravoan’ ny mpanompo sampy ho nohajaina toy ny naorin’ Andriamanitra moty. faràny, ary ny Sabatan’ ny Baiboly kosa dia nolazaina fa sisa tayety tamin’ ny fomba Jiosy ka voaozona izay mitandrina izany.1’HM 53.3

    Nahomby ilay mpihemotra lehibe tamin’ ny nanandratany ny tenany «ho ambony noho izay rehetra atao hoc Andriamanitra, na izay ivavahana» 62 Tes : 2 : 7. Sahy nanova ny didy eo amin’ ny lalàn’ Andria-manitra izy izay tsy azo lavina fa misarika ny sain’ ny olombelona rehetra ho amin’ Ilay Andriamanitra velona sy marina. Ao amin’ ny didy fahefatra, dia aseho ho Mpahary ny lanitra sy ny tany Andria-manitra, ary izany no mampiavaka Azy amin’ ny andriamanitra sandoka rehetra. Ho fahatsiarovana ny asan’ ny famoronana no nanamasinana ny andro fahafito ho andro fitsaharana ho an’ ny olona. Notendrena izany mba hitazonana ao an-tsain’ ny olona mandrakariva Ilay Andriamanitra velona Izay niavian’ ny manan’ aina rehetra, Ilay mendrika hohajaina sy ivavahana. Miezaka i Satana hanodina ny olona tsy hanaiky an’ Andriamanitra, sy tsy hankatò ny lalàny ; noho izany dia ilay didy manondro an’ Andriamanitra ho Mpamorona no nifantohan’ ny fiezahany amin’ ny fomba manokana.HM 54.1

    Ankehitriny dia manantitrantitra ny Protestanta fa ny nitsanganan’ i Kristy tamin’ ny maty tamin’ ny Alahady no nahatonga izany ho Sabata kristiana. Tsy misy porofo avy amin’ ny Soratra Masina anefa. Tsy nanome voninahitra toy izany io andro io na Kristy na ny Apostoly. Ny nahatonga ny fitandremana ny Alahady ho fomba kristiana dia avy amin’ ny «zava-miafin’ ny tsi-fankatoavandalàna»6 izay efa nanomboka ny asany, na dia tamin’ ny andron’ i Paoly aza. Taiza ary oviana Jehovah no nanangana io zanaky ny fahefana papaly io? Antony misy lanjany inona no najoro anohanana ny fanovana izay tsy ankatoavin’ ny Soratra Masina?HM 54.2

    Tafatsangana ary mafy orina tsara ny fahefana papaly tamin’ ny taonjato fahenina. Tao amin’ ny tanànan’ ny amperora no notendrena hisy ny foiben’ ny fanjakany, ary ilay evekan’ i Roma no nekena ho lohan’ ny fiangonana manontolo. Nanome toerana ny fahefana papaly ny fanompoam-tsampy. Nomen’ ilay dragona an’ ilay bibidia «ny heriny sy ny seza fiandrianany ary ny fahefana lehibe»7Apok.13:2 (jereo Fanampiny). Manomboka izao ny fampahoriana 1260 taona voalazan’ ireo faminanian’ i Daniela sy ny Apokalypsy8Dan.7:25;Apok.13:5-7. Voatery nisafidy ny kristiana ny hampandefitra ny toetrany mahatoky ka hanaiky ireo fombam-pivavahana sy fanompoam-pivavahana nataon’ ny papa, na hitaritarika ny fiainany any am-ponja, na hiaritra fahafatesana hosamahana amin’ ny kodiarana na hodorana, na tapahin-doha. Tanteraka izany ny tenin’ i Jesosy manao hoe : «Ary hatolotry ny ray sy ny reny sy ny rahalahy ary ny havana aman-tsakaiza hianareo, ka ny sasany aminareo dia hovonoiny. Ary ho halan’ ny olona rehetra hianareo noho ny anarako»9Lio.21:16,17. Nibosesika niha-masiaka mihoatra noho tamin’ ny lasa rehetra tany, tamin’ ny olona mahatoky ny fanenjehana ka nanjary toeram-piadiana midadasika izao tontolo izao. Nandritra ny an-jato taona maro dia nitokantokana sy niafinafina ny fiangonana mba hahitany fialofana. Hoy ny mpaminany : «Ary ravehivavy kosa nandositra nankany an-efitra, izay nisy fitoerana namboarin’ Andriamanitra, mba hovelomina any enim-polo amby roan-jato amby arivo andro izy»10Apok.12:6.HM 54.3

    Ny fiakaran’ ny fiangonan’ i Roma eo amin’ ny fahefany no manamarika ny fiantombohan’ ny Andro Antenantenany rakotra haizina. Arakaraka ny nitomboan’ ny heriny no nampikitroka ny haizina. Nalàna tamin’ i Kristy, Ilay tena fanorenana ny finoana ka nafindra tamin’ ny papan’ i Roma. Tsy natoky ny Zanak’ Andriamanitra ny olona mba ahazoany famelan-keloka sy fiainana mandrakizay, fa ny papa, ary ny pretra sy ny eveka izay nomen’ ny papa fahefana no nojereny. Nampianarina ny olona fa ny papa no mpanelanelana ho azy eto an-tany ary tsy misy afaka manatona an’ Andriamanitra raha tsy amin’ ny alalany;ary mihoatra noho izany, dia nampianarina azy fa mitana ny toeran’ Andriamanitra izy, ka noho izany dia mazava fa tsy maintsy hankatoavina. Ny tsy fankatoavana kely foana ny sitrapony dia ampy hahatonga famaizana mafy indrindra hihatra amin’ ny vatana sy ny fanahin’ ny mpandika lalàna. Toy izany no nahavoatarika ny sain’ ny olona hiala amin’ Andriamanitra ka hitodika amin’ ny olombelona azo kianina, mety diso hevitra ary lozabe, eny, mihoatra noho izany, nitodika eny amin’ ilay andrianan’ ny haizina mihitsy izay nampiasa ny fahefany tamin’ ny alalan’ izy ireny. Nosaronana fitafian’ ny fahamasinana ny fahotana. Rehefa nofoanana ny Soratra Masina ka nanjary nihevitra ny tenany ho fara-tampony ny olona, dia tsy misy afa-tsy fanambakana na fitaka sy heloka mahamenatra no hita. Rehefa nasandratra ny lalàn’ olombelona sy ny lovan-tsofina, dia niseho ny fahalotoana izay tsy maintsy vokatry ny fampihatahana ny lalàn’ Andriamanitra.HM 55.1

    Andro feno ioza ho an’ ny fiangonan’ i Kristy ireo. Vitsy tokoa ireo mpitondra faneva mahatoky. Na dia tsy tapaka vavolombelona aza ny fahamarinana. dia nisy fotoana izay toa nampanjaka ny hevidiso sy ny finoanoam-poana, ary toa foana tsy teto an-tany ny fivavahana marina. Very tsy teo imaso intsony ny filazantsara, fa nampitomboina kosa ireo fombafomba-pivavahana, ka novesarana fitakiana henjana ny vahoaka.HM 55.2

    Tsy nampianarina hihevitra ny pupa ho mpanelanelana fotsiny izy. fa nampianarina koa izy hatoky ny asan’ ny tenany ho avotra ho amin’ ny fahotana. Ny fivahinianana masina any an-tany lavitra, ny fivavahana amin’ ny «relika», ny fananganana fiangonana, toerana masina sy alitara, ny fandoavana vola be ho an’ ny fiangonana — ireo asa ireo sy ny maro hafa toy izany, dia natambatra mba hampitonena ny fahatezeran’ Andriamanitra na mba hahazoana ny fankasitrahany ; fa Andriamanitra angaha tahaka ny olombelona, ka ho tezitra amin’ ny tsinontsinona, na hotonena amin’ ny fanomezana na ny asa fivaiozana!HM 56.1

    Nanjaka ny haratsiana; eny na dia teo amin’ ireo mpitarika tao amin’ ny Fiangonan’ i Roma aza, ary nihamafy sy nitombo hatrany koa ny heriny. Teo amin’ ny fiafaran’ ny taonjato fahavalo, dia nitompo teny ireo mpanaraka ny papa nilaza fa tamin’ ireo taona voalohany nisian’ ny fiangonana, dia efa nanana ny fahefana arapanahy izay tanany ankchitriny ireo evekan’ i Roma. Mba hampitoetra izany teny nitompoany izany, dia tsy maintsy nisy fomba nampiasaina mba hanome endri-pahefana an’ izany ; ary ilay rain’ ny lainga dia vonombonona cry hanome ny sosokeviny. Namorona antontan-taratasy izay hatao hoe rakitry ny ela ny relijiozy. Nisy didy navoakan’ ny fivoriana fandinihan-draharaha tsy mbola noresahina mihitsy hatrizay, nanambara ny maha-manerana an’ izao tontolo izao ny fahefan’ ny papa hatramin’ ny andro tany aloha ela indrindra tany. Ary ny fiangonana iray izay efa nandà ny fahamarinana dia mandray amim-paharisihana tokoa ireo fitaka ireo.(jereo Fanampiny)HM 56.2

    Ireo olom-bitsy mahatoky izay mpanorina tamin’ ny tena fanorenana marina111Kor.3:10.11, dia very hevitra sy voasembatsembana raha nanakantsakana ny asany ny fakofakon-kevitry ny fampianaran-diso. Tahaka ireo nanorina ny mandan’ i Jerosalema tamin’ ny andron’ i Nehemia. dia nisy vonona ny hilaza hoe: «Mihena ny herin’ ny mpitondra cntana. ary be ny korontam-bato sy ny tany ; ka dia tsy mahanfitra izahay»12Neh.4:4.HM 56.3

    Sasatry ny miady mandrakariva amin’ ny fanenjehana, ny hosoka. ny heloka sy ny zava-misakana hafa rehetra izay noforonin’ i Satana hanakana ny fandrosoany ny Sasany tamin’ ireo nijanona ho mpanorina mahatoky ka nanjary kivy ; ary noho ny fitiavany fandriampahalemana sy antoka ho an’ ny fananany sy ny ainy, dia niverin ilalana izy ka niala tamin’ ny fanorenana marina. Ny hafa kosa, tsy niraika tamin’ ny fanoheran’ ny fahavalony dia nilaza tsy tamintahotra hoe:«Aza matahotra azy hianareo, ny Tompo lehibe sy mahatahotra no tsarovy»13Neh.4:8, koa dia notohitany ny asa, samy nanao ny sabany teny ampisikinany avy14Efes.6:17.HM 56.4

    Io toe-tsaina feno fankahalana sy fanoherana ny fahamarinana io ihany no nanetsika ny fahavalon’ Andriamanitra tamin’ ny totoana rehetra, ary toe-tsaina mahatoky sy miambina no angatahin’ Andria-manitra koa mba hananan’ ny mpanompony. Azo ampiharina amin’ ireo mpanaraka an’ i Kristy atý amin’ ny andro farany ny teny nataony tamin’ ireo mpianany tamin’ ny voalohany manao hoc : «Ary izay lazaiko aminareo dia lazaiko amin’ ny’ olona rehetra koa: Miambena»15Mar.13:37. Toa nihamatevina ihany ny haizina. Nanjary hita ombieny ombieny ny fivavahana amin’ ny sary. Narehitra teo anoloan’ ny sary ny labozy ary nanaovana fivavahana. Nanjaka ny fombafomba mahatsikaiky indrindra sy feno finoanoam-poana. Voafehin’ ny finoanoam-poana tanteraka ny toe-tsain’ ny olona ka na dia ny saina mahay mandanjalanja aza toa tsy nety hanapaka intsony. Na ny pretra sy ny eveka aza dia tia fahafinaretana, nirona tamin’ ny filan’ ny nofo, sy ratsy toetra, koa tsy mahagaga raha nilentika tao amin’ ny tsy fahalalana sy ny faharatsiana ny olona izay naka tahaka ny mpitarika azy ireo.HM 57.1

    Nisy dingana iray vita teo amin’ ny fanondrotana ny papa rehefa nambaran’ ny Papa Grégoire fahafito ny fahatanterahan’ ny Fiangonana Romana tamin’ ny taonjato fahiraika ambin’ ny folo. Anisan’ ireo soso-kevitra natolony ilay anankiray milaza fa tsy mbola diso na oviana na oviana ny fiangonana, ary tsy ho diso na oviana na oviana araka ny Soratra Masina. Nefa tsy niaraka tamin’ io fanizingizinana io, ny porofo avy amin’ ny Soratra Masina. Notakian’ ilay papa miavonavona koa ny fahefana hanangona ny amperora, ary nambarany ta ny didy izay havoakany dia tsy azon’ iza na iza toherina, nefa zony kosa ny manohitra ny fanapahan-kevitry ny hafa rehetra. (jereo Fanampiny)HM 57.2

    Ohatra manaitra amin’ ny toetra amam-panahy lozabe nasehon’ ity mpiaro ny toetrany ho tsy mety diso ity ny nataony tamin’ ny amperoran’ i Alemaina Henri fahefatra. Satria nolazaina fa sahy manao tsinontsinona ny fahefan’ ny papa ity mpanjaka ity, dia noroahina tsy ho anisan’ ny egiizy, sady naongana tamin’ ny fanjakany. Natahotra mafy i Henri satria nihataka taminy sy nandrahona azy avokoa ireo andrian-dahy teo amin’ ny fanjakany, izay namporisihan’ ny iraky ny papa hikomy taminy. ka nahatsapa fa ilaina ny mihavana amin’ i Roma. Niaraka tamin’ ny vadiny sy ny mpanompony mahatoky iray izy namakivaky ny Alpa tamin’ ny ati-ririnina, mba hanetry ny tenany eo anatrehan’ ny papa. Rehefa tonga teo amin’ ilay lapan’ andriana izay niatahan’ 1 Grégoire izy, dia notarihina samirery tsy niaraka tamin’ ireo mpiambina azy tao amin’ ny tokotany iray, ary teo izy no niandry ny faneken’ ny papa hisehoany eo anatrehany, teo amin’ ny hatsiaka mangirifirin’ ny ririnina tsy misatroka sady tsy mikiraro ary ratsy fitafiana. Raha tsy notohizany telo andro ny fifadian-kanina nataony sy ny fiaiken-kelony dia tsy nanaiky hamela heloka azy ny papa. Ary izany aza dia mbola miankina amin’ ny faneken’ ny amperora ny sazy ataon’ ny papa aminy vao miverina indray ny haja amam-boninahiny, na vao mandray ny fahefany amin’ ny maha-mpanjaka azy izy. Nieboebo noho ny fandresena azony tamin’ izany i Grégoire ka nirehareha fa adidiny ny mampietry ny avonavon’ ny mpanjaka.HM 57.3

    Akory ny fahamafisan’ ny avonavona manjakazaka nasehon’ ity papa mpizahozaho ity eo anatrehan’ ny fanetren tena sy ny fahalemem-panahin’ i Kristy, izay mampiseho ny tenany ho mandondona eo am-baravaran’ ny fo, mitalaho ny hiditra ao mba hitondra famelankeloka sy fiadanana, ary nampianatra ny mpianany hoe: «ary izay te-ho ambony indrindra aminareo dia ho mpanomponareo»16Mat.20:27.HM 58.1

    Arakaraka ny fifandimbiasan’ ny taonjato no nampiharihary hatrany ny fitomboan’ ny hevi-diso amin’ ireo foto-pinoana navoakan’ i Roma. Na dia talohan’ ny. niorenan’ ny fahefana papaly aza, dia efa nanintona ny saina ary niditra tsikelikely tao amin’ ny fiangonana ireo fampianaran’ ny mpanao hevi-tsaina jentilisa. Betsaka ireo izay nilaza fa niova fo no mbola nifikitra tamin’ ireo foto-kevitry ny hevi-tsaina mpanompo sampy ihany, ary tsy nanohy ny fianarana an’ izany fotsiny, fa namporisika ny hafa koa hanao izany mba ho fiasana fanaparitahana ny heriny miasa amin’ ny jentilisa. Tafiditra tao amin’ ny finoana kristiana tamin’ izany fomba izany ny hevidiso lehibe. Ny misongadina indrindra amin’ ireny dia ny filazana fa manana toetra tsy mety maty ny fanahy, ary mahatsiaro saina izy ao amin’ ny fahafatesana. Io fampianarana io no nanorenan’ i Roma ny fivavahana amin’ ny olo-masina sy ny fiankohofana amin’ i Maria Virjina. Ary amin’ izany koa no nipoiran’ ny «herezia» momba ny fampijaliana mandrakizay ny mpanota izay tsy mety mibebaka, fampianarana izay tafiditra hatramin’ ny voalohany tao amin’ ny finoana papaly.HM 58.2

    Tamin’ izay dia voavoatra koa ny lalana hidiran’ ny zavatra iray noforonin’ ny mpanompo sampy, izay nataon’ i Roma hoe «afo fandiovana», ary nampiasainy hampivarahontsana ny vahoaka mora ambakaina sady mpinompino foana. Noantitranteriny tamin’ ny alalan’ io «herezia» io ny fisian’ ny toerana fampijaliana, izay iaretan’ ny fanahy izay tsy mendrika ny fanamelohana mandrakizay noho ny fahotany, ary rehefa afaka amin’ ny fahalotoany izy ireo, dia azo ampidirina any an-danitra (jereo Fanampiny).HM 59.1

    Tamin’ ny taonjato fahatelo ambin’ ny folo dia najoro ilay fitaovana mahatsiravina indrindra nataon’ ny fahefana papaly dia ny «Inquisition». Ny andrianan’ ny maizina mihitsy no niara-niasa tamin’ ireo mpitarika ny ambaratongam-pahefan’ ny papa. Nandritra ireo fivoriana fandinihan-draharaha mangina nataony, dia i Satana sy ny anjeliny no nifehy ny sain’ ireo olona ratsy fanahy, ary teo anivon’ izy ireo koa anefa ny anjelin’ Andriamanitra tsy hita maso, dia manara maso ny didy tsy an-drariny nataon’ izy ireo sy-nitana an-tsoratra ny fihetsika mampihoron-koditra loatra tsy azo aseho mason’ olombelona. «Leon’ ny ran’ ny olo-masina», «Babylona lehibe». Ireo maritiora an-tapitrisany voaviravira dia nitaraina tamin’ Andriamanitra mba hamaliany io herin’ ny fihemorana io.HM 59.2

    Nanjary mpanapaka tsy refesi-mandidy teo amin’ izao tontolo izao ny fahefana papaly. Niondrika teo anatrehan’ ny didy navoakan’ ny papa tao Roma ny mpanjaka sy ny amperora. Toa teo ambanin’ ny fifehezany ny ho avin’ ny olombelona na ny ankehitriny na ny ho mandrakizay. Nandritra ny taonjato maro dia noraisina malalaka hatraiza hatraiza ny fampianaran’ i Roma, notanterahina tamimpanajana ny fombam-pivavahany, ary notandremana mandrakariva ireo androm-piravoravoana noforoniny. Nomem-boninahitra sy notohanana tamim-pahalalahan-tanana ny mpitondra fiangonana tao aminy. Na oviana na oviana hatramin’ izay dia tsy mbola tafakatra tamin’ ny haja sy ny voninahitra, na ny fahefana ambony toy izao ny Fiangonana Romana.HM 59.3

    Fa «ny mitataovovonana teo amin’ ny fahefana papaly nomamatonalina teo amin’ izao tontolo izao» 17J.A.Wylie Ny tantaran ‘ny fivavahana Protestenta.boky 1 Toko 4.. Saiky tsy nisy nahalala ny Soratra Masina, tsy ny vahoaka ihany fa na dia ny pretra koa aza tsy nahalala izany. Tahaka ireo Fariseo fahiny dia nankahalain’ ireo mpitari-pivavahan’ ny papa ny fahazavana izay hampihanjahanja ny fahotany. Rehefa nofoanana ny lalàn’ Andriamanitra izay fanevan’ ny fahamarinana, ary azo antoka ny fahefany tsy manam-petra, dia nilomano fatratra tao amin’ ny fanaovan-dratsy izy, Nanjaka ny fisolokiana, ny fahihirana, sy ny faharatsiam-pitondrantena. Tsy nihemotra teo anatrehan’ ny heioka hevava ny olona mba hahazoana ny harena na toeram-boninahitra. Ny lapan’ ireo papa sy ireo filoha ambony dia nitoeran’ ny fahavetavelana mahavoafady indrindra. Nisy tamin’ ireo papa nanjaka no nanao heioka bevava nampisendaotra loatra ka sailin’ ny manam-pahefana ara-nofo ny nanongana ireo manam-boninahitra teo amin’ ny fiangonana fa toy ny biby tsy mifaditrovana ka tsy azo noleferina intsony. Tsy nisy tandrosoana tao Eoropa nandritra ny taonjato maro na teo amin’ ny fahalalana, na teo amin’ ny zava-kanto na teo amin’ ny sivilizasiona. Nianjadian’ ny paralysisa ara-pitondran-tena sy ara-tsaina ny fivavahana kristiana.HM 59.4

    Ny toetran’ izao tontolo izao teo ambanin’ ny fahefan’ i Roma dia naneho fahatanterahana mampahatahotra sy manaitra ny tenin’ i Hosea mpaminany hoe : «Ringana ny oloko noho ny tsy fisian’ ny fahaialana. Satria ianao efa nandà ny fahaialana, dia mba ho iaviko kosa . . . ary efa nanadino ny lalàn’ Andriamanitra ianao, ka dia mba hohadinoiko kosa ny zanakao». «Tsy misy fahamarinana. na fitiavana, na fahaialana an’ Andriamanitra eo amin’ ny tany. Fa fianianana sy lainga sy vonoana sy halatra sy fijangajangana kosa. eny manao an-keriny izy fa mifanontona ny fandatsahan-dra»18Hos.4:6.1.2. Toy izany ny vokatry ny fandroahana ny Tenin’ Andriamanitra.HM 60.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents