Toko 32—Ireo fandrik’ i Satana
Hery Mifanandrina
- Contents- Fizahan-takelaka
- Ala-sarona
- Fitarihan-teny
- Toko 1—Ny nandravana an’ i Jerosalema
- Toko 2—Ny fanenjehana tamin´ ireo taonjato voalohany
- Toko 3—Ny fihemorana
- Toko 4—Ireo Vaudois
- Toko 5—Jean Wiclef
- Toko 6—Hus sy Jérôme
- Toko 7—Nisaraka tamin’ i Roma i Lotera
- Toko 8—Lotera tso anatrehan’ ny Filankevitry ny fanjakana foibe
- Toko 9—Ilay mpanavao fivavahana Soisa
- Toko 10—Ny fandrosoan’ ny fanavaozana ara-pivavahana tany Alemaina
- Toko 11—Fanoherana nataon’ ny Andriandahy
- Toko 12—Ny fanavaozana ara-pivavahana tany Frantsa
- Toko 13—Ny tany avaratra sy Skandinavia
- Toko 14—Ireo mpanavao fivavahana Anglisy taty aoriana
- Toko 15—Ny Baiboly sy ny tolompiavotana Frantsay
- Toko 16—Ireo mpivahinin’ ny fahafahana
- Toko 17—Mpitondra hafatry ny maraina
- Toko 18—Mpanavao fivavahana Amerikana
- Toko 19—Fahazavana ao anaty haizina
- Toko 20—Fifohazana lehibe ara-pivavahana
- Toko 21—Hafatra fampitandremana notsipahina
- Toko 22—Ireo faminaniana tanteraka
- Toko 23—Inona ny fitoerana masina ?
- Toko 24—Ao amin’ ny masina indrindra
- Toko 25—Ny lalàn’ Andriamanitra tsy azo ovana
- Toko 26—Fanavaozana tsy maintsy ilaina
- Toko 27—Fifohazana moderna
- Toko 28—Eo am-piatrehana ny tantaram-piainantsika
- Toko 29—Ny niavian’ ny ratsy
- Toko 30—Fifandrafiana eo amin’ ny olombelona sy Satana
- Toko 31—Ny anjely tsara sy ny fanahy ratsy
- Toko 32—Ireo fandrik’ i Satana
- Toko 33—Ilay fitaka lehibe voalohany
- Toko 34—Afaka hifanerasera amintsika ve ny maty ?
- Toko 35—Tandindomin-doza ve ny faha-fahana hivavaka araka ny fieritreretana ?
- Toko 36—Mananontanona ny fifandonana farany
- Toko 37—Fiarovana azo antoka
- Toko 38—Ny fampitandremana farany
- Toko 39—Ny andro fahoriana
- Toko 40—Fanafahana ny vahoakan’ Andriamanitra
- Toko 41—Misaona ny tany
- Toko 42—Mifarana ny ady
Search Results
- Results
- Related
- Featured
- Weighted Relevancy
- Content Sequence
- Relevancy
- Earliest First
- Latest First
- Exact Match First, Root Words Second
- Exact word match
- Root word match
- EGW Collections
- All collections
- Lifetime Works (1845-1917)
- Compilations (1918-present)
- Adventist Pioneer Library
- My Bible
- Dictionary
- Reference
- Short
- Long
- Paragraph
No results.
EGW Extras
Directory
Toko 32—Ireo fandrik’ i Satana
Madiva hifarana ny ady lehibe nifanaovan’ i Kristy sy i Satana, izay tsy nanam-piatoana efa ho enina arivo taona izao ; ary mampitombo fatratra ny ezaka ataony ilay ratsy mba handravana ny asa ataon i Kristy ho an’ ny olona sy hamatorana ny fanahy amin’ ny fandrika velariny. Ny zavatra kendreny dia ny hitana ny vahoaka ao amin’ ny haizina sy ny tsy fetezana hibebaka mandra-pahatapitry ny fanalalanana ataon’ ny Mpamonjy, ka tsy hisian’ ny fanatitra noho ny ota intsony.HM 539.1
Rehefa tsy misy ezaka manokana atao hoenti-manohitra ny heriny, rehefa manjaka eo amin’ ny fiangonana sy eo amin’ izao tontolo izao ny tsy firehana, dia afaka ahiahy i Satana ; satria amin’ izay mantsy dia tsy mananontanona azy ny loza hahavotsotra avy eo am-pelatanany ireo izay giazany ho babon’ ny sitrapony. Nefa kosa rehefa mifantoka amin’ ny zavatra maharitra mandrakizay ny saina ka manontany ny fanahy hoe : «Inona no hataoko mba ho vonjena aho ?» amin’ izay dia mailo izy, mitady izay handaminany ny heriny ho enti-manohitra ny herin’ i Kristy sy hanakantsakanany ny hery miasa mangina avy amin’ ny Fanahy Masina.HM 539.2
Ambaran’ ny Soratra Masina fa indray andro, raha tonga ireo ahjelin’ Andriamanitra hiseho teo anatrehan’ i Jehovah, dia mba tonga koa i Satana niaraka tamin’ izy ireo (Joba 1 : 6), tsy ny hiankohoka eo anatrehan’ ny Mpanjaka mandrakizay anefa, fa ny mba hampitatra ny hasomparany hoenti-mamely ny olo-marina. Izany koa no antony anatrehany ny fivoriana rehefa miangpna hidera an’ Andriamanitra ny olona. Na dia takona tsy hita maso aza izy, dia milofo fatratra mba hifehy ny sain’ ny mpivavaka. Tahaka ny mpitari-tafika mahay, dia soritany mialoha ny tetik’ ady hampiasainy. Rehefa hitany fa mandinika ny Soratra Masina ny mpitondra hafatr’ Andriamanitra, dia raisiny an-tsoratra ny loha-hevitra haseho ny vahoaka. Amin’ izany dia mampiasa ny hafetseny sy ny hakingany rehetra izy mba hitantanany ny toe-javatra ka tsy ho tafapaka amin’ ireo izay fitahiny momba io loha-hevitra io indrindra ny hafatra. Ilay olona tena mila tokoa ny fampitandremana no asesiny hanao fifampiraharahana mikasika ny asa aman-draharahany izay tsy maintsy hatrehiny, na hosakanany amin’ ny fomba hafa tsy handre ny teny izay mety ho hanitry ny fiainana hanome fiainana ho azy.HM 539.3
Izao koa, hitan’ i Satana fa itambesaran’ enta-mavesatra ny mpanompon’ i Jehovah noho ny haizina ara-panahy manarona ny vahoaka. Reny ny vavaka mafana hataony itadiavany ny fahasoavana sy ny herin’ Andriamanitra izay hampisinda ny fandraikiraikena avy amin’ ny tsy firehana, ny fanaovana an-tsirambina ary ny fitsilamodamohana. Amin’ izany dia entanin-kerimpo vaovao izy mampiasa ny fahaizany. Maka fanahy ny olona izy hampanarampo ny filankanina, na amin’ ny endrika hafa hanaovany ny danin’ ny kibony, amin’ izay dia manjary domelina ny sain’ ny olona hany ka tsy ho ren’ izy ireo ny zavatra izay tena ilainy indrindra hianarana.HM 540.1
Fantatr’ i Satana tsara fa izay rehetra azony tarihina hanao an-tsirambina ny fivavahana sy ny fandinihana ny Soratra Masina dia ho resin’ ny famelezany. Noho izany dia mamorona izao fitaka rehetra izao izy mba hanavesatra ny saina. Nisy hatrany ny antokon’ olona nilaza ny tenany ho mpivavaka mahafatra-po, nefa tsy mandroso ho amin’ ny fahalalana ny fahamarinana, fa manao ny fivavahany ho fitadiavana fahalemena eo amin’ ny toetra amampanahy na fahadisoan-kevitra ara-pinoana amin’ ireo izay tsy mitovy hevitra aminy. Ny toy ireny dia tena tanana an-kavanan’ i Satana. Tsy vitsy ireo mpiampanga ny rahalahiny, ary mihetsiketsika fatratra izy rehefa miasa Andrimanitra ka midera Azy marina ny mpanompony. Hovany endrika ny teny aman’ asan’ ireo izay tia ny fahamarinana sy mankatò izany. Hasehony ho toy ny voafitaka na mpamitaka ireo mpanompon’ i Kristy mafana fo, mazoto sy mahafoy tena indrindra. Asa fanaon’ izy ireny ny mandiso ny antony marina manesika hanao ny asa marina sy mendrika rehetra, ny mampiely safelin-kevitra, ny mamelona ahiahy ao amin’ ny sain’ ny tsy manana fanandramana ampy. Tadiaviny avokoa izao fomba rehetra izao mba hiheverana ny madio sy ny marina ho maloto sy mamitaka.HM 540.2
Nefa tsy misy tokony ho voafitaka ny amin’ izy ireny. Mora foana ny mamantatra na zanak’ iza na zanak’ iza izy ireo, ohatra nomen’ iza no arahiny, ary asan’ iza no ataony. «Ny voany no hahafantaranareo azy» 1Mat. 7: 16. Ny fihetsiny dia tahaka ny fihetsik’ i Satana, ilay mpanaratsy feno poizina «ilay mpiampanga ny rahalahintsika» 2Apok. 12: 10.HM 541.1
Manana mpanompo maro vonona ny hampiseho na hevi-diso inona na manao ahoana ho enti-mamadika ny fanahy ilay mpamitaka lehibe dia ireo fampianaran-diso voakendry hifandrindra amin’ izay ankafizin’ ny olona samihafa sy amin’ ny fahaizana aman-talentan’ izy ireo izay tadiaviny hoverezina. Ny tetik’ adiny dia ny hampiditra ao amin’ ny fiangonana olona tsy tso-po, tsy voaova izay hamporisika ny fisalasalana sy ny tsy finoana ka hanakana izay rehetra maniry hahita ny fandrosoan’ ny fanjakan’ Andriamamitra sy hiaramandroso amin’ izany. Maro ireo izay tsy manana finoana marina an’ Andriamanitra na ny tenany no manaiky foto-kevitra sasantsasasany momba ny fahamarinana ka misora-tena ho Kristiana, ary noho izany dia afaka manatsofoka hevi-diso avy aminy izy, izay lazainy fa fampianaran’ ny Soratra Masina.HM 541.2
Ny filazana fa tsy mampaninona izay inoan’ ny olona no iray amin’ ny fitaka mahomby indrindra ampiasain’ i Satana. Fantany fa ny fahamarinana raisina noho ny fitiavana izany, dia manamasina ny fanahin’ ilay nandray azy ; noho izany dia mitady mandrakariva izy hanolo ny fahamarinana amin’ ny laha-kevitra diso, amin’ ny anganongano sy amin’ ny filazantsara hafa. Hatrany am-boalohany no efa niady mafy nanohitra ny mpampianatra sandoka ny mpanompon’ Andriamanitra, tsy amin’ ny maha-olona mpanao ratsy azy ireny ihany, fa amin’ izy mampiditra fampianaran-diso izay mampididoza ny fanahy. Elisa, Jeremia, Paoly, dia samy nanohitra mafy sy tsy tamin-tahotra ireo izay nanodina ny sain’ ny olona hiala amin’ tenin’ Andriamanitra. Ny fahalalahan-tsaina izay mihevitra fa tsy dia zava-dehibe akory ny hananana finoana ara-pivavahana marina, dia tsy mahita hirika hidirana amin’ ireo mpiaro masina ny fahamarinana ireo.HM 541.3
Ny fivoasana manjavozavo sy araka ny fisainana be haitraitra ny Soratra Masina, sy ireo laha-kevitra maro mifanohitra mikasika ny finoana ara-pivavahana hita eo amin’ ny mpivavaka Kristiana, dia asan’ ilay fahavalontsika lehibe kendreny hanakorontanana ny saina mba tsy hahitany ny fahamarinana. Ny adi-lahy sy ny fisarahambazana misy eo amin’ ireo fiangonana Kristiana dia saiky avy amin’ ny fomba manjaka izay manolana ny Soratra Masina hoenti-mano hana ny laha-kevitra ankafizina iray. Tsy dinihina akaiky amin’ ny fo feno fanetren-tena ny tenin’ Andriamanitra mba ahazoana mahafantatra ny sitrapony, fa ny ataon’ ny maro dia ny mitady fotsiny hahita zavatra hafahafa na maningana.HM 541.4
Mba hanohanany fampianaran-diso na fomba amam-panao tsy kristiana dia misy maka ny tenin’ ny Soratra Masina ka mampisaraka izany amin’ ireo mialoha sy manaraka azy, ary angamba aza tapaky ny andininy iray ihany no raisiny hanamarinany ny heviny, rehefa hita fa mifanohitra indrindra amin’ izany ny tapaky ny andininy sisa. Mampiasa ny hafetsen’ ny menarana izy ka miery ao ivohon’ ny fanambarana izay tsy misy ifandraisana akory fa narafidrafitra mba hifanaraka amin’ ny ara-nofo. Toy izany no ataon’ ny maro izay ninia nanolana ny tenin’ Andriamanitra. Ny hafa kosa, manana saina mazoto mamoron-javatra, ka mandray ireo sary aman’ ohatra ao amin’ ny Soratra Masina ary manazava ireny hifanaraka amin’ ny eritreritra foroniny, sady tsy mihevitra firy fa ny tenin’ ny Soratra Masina ihany no manazava azy, ary amin’ izany dia asehony ho fampianaran’ ny Baiboly ny firenirenen’ ny sainy.HM 542.1
Na oviana na oviana andinihana ny Soratra Masina ka tsy amin’ ny toe-tsaina entanim-bavaka, feno fanetren-tena sy azo ampianarina no anaovana izany, dia ho voaolana tsy ho amin’ ny tena dikany ireo toko sy andininy mazava sy tsotra indrindra ary toy izany koa ireo sarotra indrindra. Ireo mpitarika eo amin’ ny fahefana papaly dia mifantina teny sasany ao amin’ ny Soratra Masina izay manohana ny fikasany ka voasany hifanaraka amin’ ny heviny, rehefa izany dia arosony eo amin’ ny vahoaka izay fefeny tsy hanana ny tombontsoa handinika ny Baiboly sy hahafantatra ireo fahamarinana masina raketiny ho an’ ny tenany. Tokony homena ny vahoaka araka izay fivakiny ny Baiboly manontolo. Ho tsaratsara kokoa ho azy ireo ny tsy hanana fampianarana ara-Baiboly mihitsy toy izay handray fampianarana ny Soratra Masina iniana ovana an-kitsirano izao.HM 542.2
Notendrena ho mpitari-dalana izay rehetra maniry hahafantatra ny sitrapon’ Ilay Mpanao azy ny Baiboly. Nomen’ Andriamanitra ny olona ny teny azo antoky ny faminaniana ; ny anjely, ary Kristy mihitsy aza, no tonga nampahafantatra an’ i Daniela sy Jaona ny zavatra tsy maintsy ho tonga faingana. Ireo zava-dehibe mikasika ny famonjena antsika ireo dia tsy navela ho fonosin’ ny zava-miafina. Tsy nambara tamin’ ny fomba hahavery hevitra sy handiso lalana izay tena mikasika tokoa ny fahamarinana izany. Hoy Jehovah amin’ ny alalan’ ny mpaminany Habakoka : «Soraty ny fahitana, ka ataovy velona tsara ny soratra eo amin’ ny fafana, mba ho azon’ ny mihazakazaka vakiana aza» 3Hab. 2 : 2. Mazava ho an’ izay rehetra mandinika izany amin’ ny fo mivavaka ny tenin’ Andriamanitra. Ny fanahy tena tsotra rehetra dia ho tonga eo amin’ ny fahazavan’ ny fahamarinana. «Ny fahazavana no voafafy ho an’ ny marina»4Sal. 97 : 11. Ary tsy misy fiangonana afa-mandroso amin’ ny fahamasinana raha tsy mikatsaka fatratra ny fahamarinana toy ny fitady harena nafenina ny mambra ao.HM 542.3
Ny antsoantso milaza «fahalalahan-tsaina» dia manajamba ny olona tsy hahita ny fìtaky ny fahavalo izay milofo andro aman’ alina mba hanatanterahany ny zava-kendreny. Rehefa mahomby izy eo amin’ ny fanoloana ny Baiboly amin’ ny hevi-dravin’ olombelona, dia voailikilika ny lalàn’ Andriamanitra, ka amin’ izay ny fiangonana dia eo ambanin’ ny fanandevozan’ ny fahotana, na dia milaza ny tenany fa afaka aza.HM 543.1
Ho an’ ny olona maro, dia manjary ozona ny fikarohana aratsiansa. Navelan’ Andriamanitra hitosaka amin’ izao tontolo izao ny fahazavana vokatr’ ireo zava-baovao hitan’ ny siansa sy ny zavakanto ; nefa na dia ny saina maranitra indrindra aza, raha tsy tarihin’ ny tenin’ Andriamanitra eo amin’ ny fikarohana ataony, dia manjary mitonantonana eo amin’ ny fiezahany hanadihady ny fifandraisan’ ny siansa sy ny fanambarana.HM 543.2
Sombitsombiny sady tsy tanteraka ny fahalalan’ ny olombelona ny zavatra ara-nofo sy ara-panahy ; noho izany dia maro no tsy afaka mampifandrindra ny fomba fijerin’ ny siansa amin’ ny filazan’ ny Soratra Masina. Betsaka ny olona no mandray ny laha-kevitra sy ny vinavinan-kevitra ho tena zava-misy ara-tsiansa, ary heveriny fa tokony hosedraina «amin’ izay atao hoe fahalalana kanjo tsy tena izy» 51 Tim. 6 : 20 ny tenin’ Andriamanitra. Tsy takatry ny sainy ny Mpamorona sy ny asany , ary satria tsy hainy hazavaina amin’ ny alalan’ ny lalàna voa-janahary miasa eo amin’ ny zava-boahary izany, dia raisiny ho tsy azo inoana ny tantara lazain’ ny Baiboly. Ireo izay misalasala ny amin’ ny fahamarinan’ ny tantara ao amin’ ny Testamenta Taloha sy Vaovao dia matetika no manao dingana lavidavitra kokoa ka misalasala ny amin’ ny fisian’ Andriamanitra ary manao ny zava-boahary ho manankery tsy misy fetra. Navotsony ny vatofantsika namaharany ka dia avela hiapokapoka eny amin’ ny harambaton’ ny tsy finoana izy ireo.HM 543.3
Toy izany no mahatonga ny olona maro hiala amin’ ny finoana ka ho voafitaky ny devoly. Niezaka ho hendry noho ny Mpamorona azy ny olona ; niezaka ny hanadihady sy hanazava ireo zava-miafina izay tsy ho voaseho mihitsy mandritra ny mandrakizay ny fahendren’ ny olombelona. Raha tahiny nikaroka izay nambaran’ Andriamanitra momba ny tenany sy hahafantatra ny fikasany ny olona. dia ho nahazo fahitana momba ny voninahitra. ny fahalehibeazana sy ny herin’ i Jehovah izy ka ho nahatsapa ny fahakelezany sy ho afa-po amin’ izay ambara aminy sy amin’ny zanany.HM 544.1
Sangan’ asa famitahan’ i Satana ny hitana ny sain’ ny olona handinika sy haminavina izay tsy nampahafantarin’ Andriamanitra sy izay tsy nokasainy ho takatry ny fisainantsika. Toy izany no nahavery ny toeran’ i Losifera tany an-danitra. Nanjary sorena izy noho ny tsy nanambarana taminy ireo zava-miafina rehetra momba ny fikasan’ Andriamanitra, ary dia tsy noraharahainy mihitsy izay nambara mikasika ny asan’ ny tenany teo amin’ ny toerana ambony nametrahana azy. Nanetsika fahasosorana toy izany koa ao amin’ ireo anjely teo ambany fanapahany izy, ka nahatonga azy ireo ho lavo. Ankehitriny dia mitady ny hamonto ny sain’ ny olona amin’ ny toe-tsaina toy izany izy ka hitaona azy tsy hiraharaha ny baiko mivantana nomen’ Andriamanitra.HM 544.2
Ireo izay tsy vonona hanaiky ireo fahamarinana tsotra nefa mikapa toa sabatra maranitra ao amin’ ny Baiboly dia mitady mandrakariva ny anganongano mahafinaritra izay hampitony ny feon’ ny fieritreretany. Arakaraka ny maha-maivana ny lafiny arapanahy amin’ ny fampianarana sy maha-kely ny famoizana amampanetren-tena takiny, dia arakaraka izany koa no maha-lehibe ny fankasitrahana handray azy. Ireny olona ireny dia mampihena ny heriny ara-tsaina mba hanompo ny faniriany ara-nofo. Mihevi-tena ho hendry loatra izy ka tsy mandinika ny Soratra Masina amin’ ny fanahy torotoro ombam-bavaka mafana hitadiavany ny fitarihan’ Andriamanitra, hany ka tsy manana ampinga miaro amin’ ny fitaka. Vonona i Satana hanatanteraka ny fanirian’ ny fo, ka vola sandoky ny fitaka no asolony ny fahamarinana. Toy izany ny hahazoan’ ny fahefana papaly hery hangeja ny sain’ ny olona ; ary amin’ ny fandavany ny fahamarinana satria misy hazo fijaliana momba izany, dia mizotra amin’ io lalana io koa ny Protestanta. Izay rehetra manao an-tsirambina ny tenin’ Andriamanitra ka mikatsaka izay mampilamindamina ny fiainany sy ny tetika izay tsy hiavahany amin’ izao tontolo izao, dia havela handray ny hevi-diso maha-meloka ho toy ny fahamarinana ara-pivavahana. Vonon-kanaiky izao karazam-paha- disoan-kevitra rehetra izao izay minia mitsipaka ny fahamarinana. Izay tsiravina eo am-pahitana fitaka anankiray dia mety ho vonona handray fitaka hafa. Ny apostoly Paoly raha milaza ny amin’ ny antokon’ olona izay «tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy», dia niteny hoe : «Koa izany no ampanantenain’ Andriamanitra fahadisoan-kevitra aminy hinoany lainga mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina fa nankasitraka ny tsy marina» 62 Tes. 2 : 10-12.HM 544.3
Koa satria manoloana izany fampitandremana izany isika, dia aoka ho mailo fatratra ny amin’ ny fampianarana raisintsika.HM 545.1
Anisan’ ny fitaovana mahomby indrindra ampiasain’ ilay mpamitaka lehibe ireo fampianarana sandoka sy fahagagana mandainga ataon’ ny filalaovana angatra. Maka ny endriky ny anjelin’ ny mazava i Satana, ary mamelatra ny haratony eo amin’ ny toerana tsy ampoizina indrindra. Ampy ho an’ ny olona ny mandinika fotsiny ny Bokin’ Andriamanitra amim-pivavahana mafana mba ahazoany ny hevitr’ izany, dia tsy havela hitakizina ao amin’ ny haizina izy ka handray fampianarana sandoka. Nefa kosa rehefa mitsipaka ny fahamarinana izy dia ho babon’ ny famitahana.HM 545.2
Ny hevi-diso mampidi-doza anankiray koa dia ny fampianarana izay mitsipaka ny maha-Andriamanitra an’ i Kristy, ka milaza fa tsy nisy Izy talohan’ ny fiaviany teto amin’ izao tontolo izao. Antokon’ olona maro izay milaza fa mino ny Baiboly no manaiky io laha-kevitra io ; nefa dia manohitra mivantana ny filazana mazava indrindra ataon’ ny Mpamonjy momba ny fifandraisany amin’ny Ray, ny toetra maha-Andriamanitra Azy, ary ny fisiany talohan’ ny nahatongavany ho nofo. Tsy azo ekena mihitsy ity hevitra ity raha tsy hoe iniana aolana ny Soratra Masina, izay tsy tokony hatao. Tsy manambany fotsiny ny fiheveran’ ny olona ny asam-panavotana izany, fa mandrodana hatrany amin’ ny fotony mihitsy koa ny finoana ny Baiboly ho fanambarana avy amin’ Andriamanitra. Mainka mahatonga io fampianarana io ho mampidi-doza izany, nefa koa mainka mahasarotra ny fanoherana azy. Raha misy olona mitsipaka ny fanambaran’ ny Soratra Masina izay avy amin’ ny tsindrimandry mikasika ny maha-Andriamanitra an’ i Kristy, dia herim-po very maina ny miady hevitra ny aminy ; satria tsy misy fonjan-kevitra, na izay mampiaiky toy inona aza, afaka handresy lahatra azy. «Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an’ ny Fanahin’ Andriamanitra ; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany» 71 kor. 2 : 14. Na iza na iza mifikitra amin’ io hevi-diso io dia tsy afaka hanana fahalalana marina ny amin’ ny toetran’ i Kristy na ny amin’ asa nanirahana Azy, na ny amin’ ny drafitra lehibe nataon’ Andriamanitra ho fanavotana ny olombelona.HM 545.3
Ny hevi-diso iray koa mifono hafetsen-dalina sy manimba dia ny finoana fatra-piely haingana dia haingana milaza fa i Satana dia tsy tena manana fisiana tsy akory, fa ny anarana anononana azy dia ampiasain’ ny Soratra Masina ho enti-mampiseho fotsiny ny eritreri-dratsin’ ny olona sy ny fanirian-dratsiny.HM 546.1
Ny fampianarana manakoako hatraiza hatraiza avy amin’ ny polipitra ankafizim-bahoaka fa ny fiavian’ i Kristy fanindroany dia ny fiaviany amin’ ny tsirairay amin’ ny andro ahafatesana, dia fitaka hoenti-mampivily ny sain’ ny olona tsy hijery ny fiaviany ara-batana eny amin’ ny rahon’ ny lanitra. Nandritra ny taona maro i Satana no efa niteny hoe : «Indro, ao an’ efitrano Izy» 8Mat. 24 : 23-26ka maro ireo fanahy very noho ny nanekeny io fitaka io.HM 546.2
Ampianarin’ ny fahendrena araka izao tontolo izao koa fa tsy tena ilaina tsy akory ny vavaka. Ny olona mandalina siansa dia milaza fa tsy mety hisy ny tena valim-bavaka marina ; lazainy fa fitsipahana ny lalana ny fahagagana ary tsy misy tsy akory ny fahagagana. Izao rehetra izao hoy izy, dia fehezin’ ny lalàna tsy miova ary na dia Andriamanitra aza tsy afaka manao na inona na inona hanoherany ireo lalana ireo. Asehony ho voafatotry ny lalana nataon’ ny tenany Andriamanitra — toy ny manafoana ny fahafahan’ Andriamanitra ny fiasan’ ny lalàna nataony. Mifanohitra amin’ ny fanambaran’ ny Soratra Masina ny fampianarana toy izany. Moa ve tsy nisy fahagagana nataon’ i Kristy sy ny Apostoly ? Mbola velona mandrak’ ankehitriny iny Mpamonjy mangora-po iny, ary vonon-kihaino ny fivavahana ataon’ ny finoana tahaka ny fony Izy nandehandeha hita maso teo anivon’ ny olona. Miara-miasa ny herin’ ny zava-boahary sy ny hery ambonin’ ny zava-boahary. Isan’ ny soritr’ asa nataon’ Andriamanitra ny hanome antsika, ho valin’ ny vavaky ny finoana, izay tsy natolony raha tsy nangatahintsika.HM 546.3
Tsy hita isa ireo fampianaran-diso sy hevi-dravina mahazo laka eo amin’ ny fiangonana kristiana. Tsy voavinavina ny ratsy vokatry ny fanesorana ny iray amin’ ireo tsatoka napetraky ny tenin’ Andria- manitra. Vitsy ny olona izay manandrakandrana ny manao izany no mijanona tsy hitsipaka afa-tsy fahamarinana iray ihany. Ny ankabeazan’ ny olona dia manesy mandao hatrany hatrany ireo foto-kevitry ny fahamarinana, mandra-pahatonga azy ho tena tsy mpino mihitsy.HM 546.4
Ireo hevi-dison’ ny teolojia ankafizin’ ny besinimaro dia nitarika fanahy sesehena ho amin’ ny toe-tsaina fatra-pisalasala ny amin’ ny zavatra rehetra, kanefa dia nety ho tonga mpino ny Soratra Masina izy ireny. Tsy azony atao ny hanaiky foto-pinoana izay manao tsinontsinona izay heveriny ho fahamarinana, famindrampo ary fahalemem-panahy ; ary koa satria aseho ho fampianaran’ ny Soratra Masina ireo dia laviny ny handray ny Baiboly ho tenin’Andriamanitra.HM 547.1
Ary io indrindra no zavatra tadiavin’ i Satana hotanterahina. Tsy misy iriny kokoa noho ny handrodana ny fahatokisana an’ Andriamanitra sy ny teniny. Mitarika ilay tafika makadirin’ ny mpisalasala i Satana, ary mampiasa ny faraheriny rehetra izy mba hisarika fanahy ka hirotsaka eo amin’ny laharany. Manjary «lamaody» ny misalasala. Misy antokon’ olona maro izay mihevitra ny tenin’ Andriamanitra ho tsy azo itokisana noho ny antony tsy itokisany koa Ilay niavian’ io Soratra Masina io dia noho izy manakiana sy manameloka ny fahotana. Miezaka ny handrava ny fahefany ireo izay tsy ta-hankatò ny fitakiany. Mamaky ny Baiboly izy, na mihaino ny fampianarana momba izany araka ny itoriana izany avy eny amin’ ny polipitra masina, mba hahitany fotsiny fahadisoana ao amin’ ny Soratra Masina na ao amin’ ny toriteny. Tsy vitsy no manjary tsy mpino mba hanamarinany na hanalany tsiny ny tenany noho ny fanaovany an-tsirambina ny adidiny. Ny sasany indray manaraka ireo foto-kevitra feno fisalasalana ny amin’ ny zavatra rehetra noho ny avonavona sy ny fahalainana. Tia loatra ny fahafinaretana izy ka tsy te-hiavaka amin’ny fanaovana na inona na inona izay mendri-kaja, izay mitaky fiezahana sy fahafoizan-tena, ka miezaka ny hampahalaza ny tenany ho manana fahendrena ambony kokoa amin’ ny fitsikerany ny Baiboly. Betsaka ny zavatra izay tsy mety ho takatry ny saina voafetra raha tsy hazavain’ ny fahendren’ Andriamanitra ; koa izany no antony ahitany zavatra hodisoina. Maro ny olona toa mahatsapa fa mariky ny fahambonian-toetra ny fiandaniana amin’ ny tsy finoana, ny fisalasalana sy ny tsy fahatokisana amin’ Andriamanitra. Nefa ao ambanin’ ny toa fahatsoram-po isalorany dia hita fa fahatokian-tena sy avonavona no manetsika ireo olona toy izany. Misy betsaka no finaritra mahita zavatra ho enti-mampikorontana ny sain’ ny hafa ao amin’ ny Soratra Masina. Misy avy hatrany dia mitsikera sy misaina amin’ ny fomba diso noho ny fitiavany adi-hevitra fotsiny. Tsy tsapany akory fa mampiditra ny tenany ao amin’ ny fandriky ny mpihaza izy amin’ izany fomba izany. Rehefa nambarany ampahibemaso anefa ny tsy finoany, dia heveriny fa tsy maintsy mitana ny heviny izy. Amin’ izay dia tafaray amin’ izay tsy tia vavaka izy ary manakatona ny varavaran’ ny Paradisa tsy hidirany.HM 547.2
Ampy ny porofo nomen’ Andriamanitra ao amin’ ny teniny ny amin’ ny maha-avy amin’ Andriamanitra azy. Aseho mazava ao ireo fahamarinana lehibe mikasika ny fanavotana antsika. Mety ho takatry ny olona tsirairay ho an’ ny tenany ireo fahamarinana lehibe ireo noho ny fanampian’ ny Fanahy Masina, Izay nampanantenaina ho an’ izay rehetra mikatsaka izany amin’ ny fo madio. Nanome fanorenana azo antoka ny olombelona hametrahany ny finoany Andriamanitra.HM 548.1
Na dia izany aza, ny saina voafetra ananan’ ny olombelona dia tsy ampy hahatakatra tanteraka ny drafitra sy ny fikasan’ Ilay tsy voafetra. Tsy ho azontsika atao na oviana na oviana ny hahalala an’ Andriamanitra amin’ ny alalan’ ny fikarohana. Aoka isika tsy hanandrana hanainga amin’ ny tanana sahisahy ny efitra lamba izay nanaronany ny voninahiny. Loa-bolana ny apostoly hoe: «Ny fitsarany tsy hita lany, ary ny lalany tsy azo fantarina ! »9Rom.11:33 HM 548.2
Na izany aza dia misy faritra mety ho takatry ny fisainantsika ihany amin’ ny fitondrany antsika sy ireo antony manetsika Azy hanao izany, ka dia azontsika atao ny hahita ny fitiavany sy ny famindrampony tsy hita lany miaraka amin’ ny heriny tsy manampetra. Mandamina ny zavatra rehetra amim-pahendrena sy amimpahamarinana ny Raintsika any an-danitra ka tsy tokony haneho tsy fahafaham-po na tsy fitokisana isika fa kosa hiankohoka eo anatrehany amim-panekena feno fanajana. Hasehony antsika ny fikasany rehetra tsara ho fantatsika, ary ankoatr’ izany, dia tsy maintsy matoky Ilay sandry manana ny hery rehetra isika, sy Ilay fo feno fitiavana.HM 548.3
Na dia nanome porofo betsaka ahazoana mino aza Andriamanitra, dia tsy hanaisotra na oviana na oviana ny fialan-tsiny rehetra tsy hincana Izy. Izay rehetra mitady faraingo hanantonany ny fisalasalany dia hahita izany. Ary izay rehetra mandà tsy hanaiky sy hankatò ny tenin’ Andriamanitra mandra-pahafaky ny fanoherana rehetra, ka tsy hisian’ ny ahazoany misalasala intsony na kely aza, dia tsy ho tonga na oviana na oviana eo amin’ ny fahazavana.HM 548.4
Ny tsy fahatokiana an’ Andriamanitra dia tonga ho azy ao amin’ ny fo tsy voaova. Ny finoana kosa dia avy amin’ ny Fanahy Masina, ary tsy tsara faniry izany, raha tsy kolokoloina. Tsy misy olona mety hatanjaka amin’ ny finoana raha tsy manao fiezahana hentitra. Miha-matanjaka ny tsy finoana rehefa ampaherezina; ary raha misy olona tsy miorina eo amin’ ireo porofo mazava izay nomen’ Andria-manitra mba hanohanana ny finoany, fa mamela ny tenany hisalasala lava eny sy hiady hevitra tsy misy farany, dia ho hitany fa hihalalimpaka hatrany ny tsy finoany.HM 549.1
Ireo izay misalasala ny amin’ ny teny fikasan’ Andriamanitra anefa ka tsy matoky ny teny nomeny momba ny fahasoavany dia manala baraka Azy ; ary tsy mitarika ny hafa ho eo amin’ i Kristy ny hery miasa mangina avy aminy fa mainka manosika azy ireny hiala Aminy. Hazo tsy mamoa ireo, izay mampisandrahaka lavitra ny sampany matevina ka misakana ny tanamasoandro tsy ho tafapaka amin’ ny zava-maniry hafa ary mahatonga azy ireo hilofika sy ho faty noho ny aloka manimba azy. Ny asan’ ireny olona ireny mandritra ny fiainany dia ho vavolombelona tsy hangina hiampanga azy. Mamafy voan’ ny tsy finoana sy ny fisalasalana ny amin’ ny zavatra rehetra izy, izay azo antoka tokoa fa tsy maintsy hitondra vokatra.HM 549.2
Tsy misy afa-tsy lalan-tokana no azon’ ireo izay maniry tokoa ho afaka amin’ ny fisalasalana hizorana. Aoka tsy hisalasala na hanao fanadihadiana tsy izy mikasika izay tsy takatry ny sainy izy, fa kosa hitandrina ny fahazavana izay efa mamirapiratra sahady eo aminy ; amin’ izay dia handray fahazavana lehibebe kokoa izy. Aoka izy hanatontosa ny adidy rehetra izay voasoritra mazava ao amin’ ny sainy, dia ho afaka hahafantatra tsara sy hanatanteraka ireo izay mampisalasala azy ankehitriny izy.HM 549.3
Azon’ i Satana atao ny manolotra hala-tahaka mifandraika akaiky dia akaiky amin’ ny fahamarinana hany ka ho voafitaka izay rehetra te-ho voafitaka, dia izay te-hisoroka ny fandavan-tena sy ny fahafoizan-tena takin’ ny fahamarinana ; fa tsy azony atao kosa anefa ny hitana eo ambanin’ ny fanapahany fanahy iray izay maniry marina tokoa amin’ ny fony hahalala ny fahamarinana, na ho mona na ho inona no ho vokatr’ izany. Kristy no Fahamarinana ary Izy no Fahazavana «Izay mahazava ny olona rehetra tonga amin’ izao tontolo izao» 10Jao. 1 : 9. Nirahina hitari-dalana ny olona ho amin’ ny marina rehetra ny Fanahin’ ny fahamarinana. Ary izao no voalaza araka ny fahefan’ ny Zanak’ Andriamanitra : «Mitadiava dia hahita ianareo». «Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ ny fampianarana izy» 11Mat. 7: 7; jao. 7 : 17.HM 549.4
Kely ihany no fantatr’ ireo mpanaraka an’ i Kristy ny amin’ ny vela-pandrika ataon’ i Satana sy ny anjeliny hoenti-mamely azy. Ilay mipetraka any an-danitra kosa dia hanapaka ireo tetika rehetra ireo mba hanatanterahany ny fikasany lalina. Avelan’ ny Tompo hiaritra ny fizahan-toetra mahamay ho vokatry ny fakam-panahy ny vahoakany, tsy noho Izy mahita fahafinaretana eo amin’ ny fijaliany sy ny fahoriany tsy akory, fa satria ilaina izany hahazoana ny fandresena farany . Tsy azony atao, ny hiaro azy ireo tsy ho tratran’ ny fakam-panahy, satria tsy mifanaraka amin’ ny voninahitry ny tenany izany ; ny anton’ ny fitsapana mantsy dia ny hanomanana azy ireo hahatohitra ny fitaomana rehetra hataon’ ny ratsy.HM 550.1
Tsy ny ratsy fanahy na ny devoly no hahasakana ny asan’ Andriamanitra, na ny fanatrehany tsy ho eo amin’ ny vahoakany, raha tahiny miaiky ny helony sy miala amin’ ny fahotany amin’ ny fo torotoro sy manetry tena izy, ka mitaky ny teny fikasana amim-pinoana. Ny fakam-panahy rehetra, ny fitaomana mangina manohitra an’ Andriamanitra rehetra, na miharihary na miafina, dia samy azo toherina amim-pahombiazana daholo, «tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin’ ny Fanahiko, hoy Jehovah Tompon’ ny maro» 12Zak. 4 : 6.HM 550.2
«Fa ny mason’ ny Tompo dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany. . . ary iza no hanisy ratsy anareo, raha mazoto amin’ izay tsara ianareo ?» 131 Pet. 3: 12, 13 Fony Balama, babon’ ny valisoa sarobidy nampanantenaina azy ka nanao sikidy hoenti-mamely an’ Isiraely, sady nitady ny hanozonana ny vahoakan’ Andriamanitra tamin’ ny alalan’ ny fanatitra nateriny ho Azy, dia nosakanan’ ny Fanahin’ Andriamanitra ny ratsy nirin’ i Balama holazaina ka voatery niteny i Balama hoe : « Hataoko ahoana no fanozona izay tsy nozonin’ Andriamanitra ? Ary hataoko ahoana no fisahato izay tsy nosahatoin’ i Jehovah ?» «Aoka ho tahaka ny fahafatesan’ ny olo-marina ny fahafatesako, ary koa ny fiafarako ho tahaka ny azy». Rehefa naterina fanindroany ny fanatitra, dia hoy ilay mpaminany tsy natahotra an’ Andriamanitra : «Indro ny hitahy no efa azoko, ary efa nitahy Izy, ka tsy mahova izany aho. Tsy mijery faharatsiana eo amin’ i Jakoba Izy. Ary tsy mahita fahoriana eo amin’ ny Isiraely ; Jehovah Andriamanitra no momba azy ary hoby fanao amin’ ny andriana no re ao aminy». «Fa tsy misy fisikidianana eo amin’ i Jakoba, ary tsy misy fankatovana eo amin’ ny Isiraely. Fa amin’ ny fotoana no hilazana amin’ i Jakoba sy Isiraely izay efa nataon’ i Jehovah !» Na dia izany aza dia natsangana fanintelony ny alitara, ary nanandrana ny hanozona indray i Balama. Ny molotr’ ilay mpaminany tsy ta-hanao izany anefa no nentin’ ny Fanahin’ Andriamanitra nanambara ny fanambinana ny olom-boafidy sy nanome tsiny ny hadalana sy ny haratsiam-panahin’ ny fahavalony: «Hohasoavina anie izay manisy soa anao, ary ho vaozona anie izay manozona anao ! » 14Nom. 23: 8, 10, 20, 21, 23 ; 24 : 9 HM 550.3
Nahatoky tamin’ Andriamanitra ny vahoaka Isiraely tamin’ izany fotoana izany ; ary raha mbola nitohy nankatò ny lalàny izy, dia tsy nisy hery na teto an-tany na tany amin’ ny helo afaka nandresy azy. Ilay ozona izay efa tsy navela notononin’ i Balama tamin’ ny vahoakan’ Andriamanitra anefa dia tanterany tamin’ ny farany tamin’ ny nitaomany am-pitaka azy ireo hanota. Rehefa nandika ny didin’ Andriamanitra izy ireo dia tafasaraka taminy, ka navela hahatsapa ny herin’ ilay mpandringana.HM 551.1
Fantatr’ i Satana tsara fa ny fanahy osa indrindra izay mitoetra ao amin’ i Kristy dia mahery noho ny andian-tafiky ny maizina, ary fantany fa raha miseho mivantana izy, dia ho voatohitra. Noho izany dia miezaka ny hitaona ny miaramilan’ ny hazo fijaliana hivoaka ny manda mafy miaro azy izy, nefa manao otrika hamelezana azy miaraka amin’ ny foloalindahiny, vonona ny handringana izay rehetra sahisahy manitsaka ny faritaniny: Amin’ ny fiankinana amimpanetren-tena amin’ Andriamanitra ihany, sy ny fankatoavana ny didiny, no misy fiarovana azo antoka ho antsika.HM 551.2
Tsy misy na iza na iza afa-doza indray andro na ora iray raha tsy mivavaka. Indrindra tokony hitalaho mafy amin’ ny Tompo isika hanomezany antsika fahendrena mba hahafantarantsika ny hevitry ny teniny. Abaribary ao ireo fandrika velarin’ ilay mpaka fanahy sy ny fomba ahazoana manohitra izany amim-pandresena. Havanana amin’ny fampiasana toko sy andininy ao amin’ ny Soratra Masina i Satana, ka ny teniny ihany no nanazava ny teny izay antenainy fa hahatonga antsika ho tafintohina. Tokony handinika ny Baiboly amin’ ny fo feno fanetren-tena isika, ka tsy ho hadinontsika mihitsy ny fiankinantsika amin’ Andriamanitra. Raha eo ampiambenana lalandava tsy azon’ ny fitak’ i Satana isika, dia aoka hivavaka mandrakariva amim-pinoana hoe : «Aza mitondra anay ho amin’ ny fakam-panahy».HM 552.1