Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hery Mifanandrina

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 24—Ao amin’ ny masina indrindra

    Ny momba ny fitoerana masina no fanalahidy mamoha ny zavamiafin’ ny fahadisoam-panantenana tamin’ ny 1844. Mampahita rafi-pahamarinana feno izay mifandray sady mirindra tsara ireo fizarana samihafa eo aminy eo imasontsika, ary mampiseho koa fa ny tanan’ Andriamanitra no efa nitarika ny fihetsiketsehana lehibe mikasika ny fiavian’ i Kristy sy manoritra ny adidy tokony hatao ankehitriny amin’ izay manazava ny toerana misy ny vahoakany sy ny asany. Tahaka ireo mpianatra «izay faly rehefa nahita ny Tompo» taorian’ ilay alina mafy nitebitebeny sy nahadiso fanantenana azy, dia toy izany koa no iravoravoan’ ireo advantista, izay mibanjina ny fiaviany fanindroany ankehitriny. Efa nanantena Azy hiseho amimboninahitra izy hamaly soa ny mpanompony. Rehefa tsy tanteraka ny fanantenany, dia tsy hitan’ ny masony intsony i Jesosy, ary tahaka an’ i Maria teo amin’ ny fasana, dia nitomany koa izy hoe : « Nalain’ olona ny Tompoko, ka tsy fantatray izay nametrahany Azy». Izao kosa dia ao amin’ ny masina indrindra izy ireo no mibanjina Azy indray, dia Ilay Mpisoronabe mamindra fo, izay hiseho tsy ho ela amin’ ny maha-Mpanjaka sy Mpanafaka Azy. Ny fahazavana avy teo amin’ ny fitoerana masina dia nanazava ny lasa sy ny ankehitriny ary ny ho avy. Fantany fa Andriamanitra no efa nitarika azy tamin’ ay alalan’ ny fitondrany tsy mety diso. Na dia tsy nazava tamin’ izy ireo aza ny hafatra notoriny, tahaka ireo mpianatra voalohany, dia hita fa marina izany tamin’ ny lafiny rehetra. Nanatanteraka ny fikasan’ Andriamanitra izy tamin’ ny nitoriany izany, ary tsy very maina tsy akory ny asany tao amin’ ny Tompo. «Teraka indray ho amin’ ny fanantenana velona» izy ireo ka niravoravo tamin’ ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra.HM 437.1

    Ny faminaniana ao amin’ ny Daniela 8 : 14 «Telonjato sy roa arivo andro; rehefa afaka izany dia hodiovina ny fitoerana masina», sy ny hafatry ny anjely voalohany manao hoe, «Matahora an’ Andriamanitra ka omeo voninahitra Izy, fa tonga ny andro fitsarana», dia samy manondro ny asa -fisoronana ataon’ i Kristy ao amin’ ny fitoerana masina indrindra, manondro ny fitsarana famotopotorana, fa tsy ny fiavian’ i Kristy hanavotra ny vahoakany sy hamongotra ny ratsy fanahy tsy akory. Tsy teo amin’ ny fanisana ireo fotoana arapaminaniana akory ny fahadisoana, fa teo amin’ ny toe-javatra izay hitranga amin’ ny fiafaran’ ny 2300 andro. Io fahadisoan-kevitra io no nahatonga ny mpino hiaritra fahadisoam-panantenana. Tanteraka anefa izay rehetra nambaran’ ny faminaniana mialoha sy izay rehetra azony nampoizina noho ny fanambaran’ ny Soratra Masina fa tsy maintsy hiseho. Tamin’ ny fotoana indrindra izay nampiferinaina azy noho ny tsy nahatanterahan’ ny fanantenany, dia nitranga ilay toe-javatra izay voalazan’ ny hafatra mialoha, ary tsy maintsy ho tanteraka alohan’ ny ahazoan’ ny Tompo hiseho hitondra valisoa ho an’ ny mpanompony.HM 438.1

    Tonga i Kristy, tsy teto an-tany araka ny nanampoizana azy, fa araka ny nasehon’ ny tandindona dia tao amin’ ny masina indrindra tao amin’ ny tempolin’ ny lanitra. Asehon’ ny mpaminany Daniela fa tonga teo amin’ ny Fahagola Izy tamin’ io fotoana io. «Ary mbola nahita tamin’ ny fahitana tamin’ ny alina indray aho, ary indro, nisy toy ny zanak’ olona avy tamin’ ny rahon’ ny lanitra, ary nankeo amin’ ny Fahagola Izy fa tsy nidina tetý an-tany dia nampanakekeny teo anatrehany»1Dan. 7 : 13.HM 438.2

    Nolazain’ ny mpaminany Malakia koa io fiaviany io : «Ny Tompo izay tadiavinareo dia ho avy tampoka ho eo amin’ ny tempoliny; ary ny Anjelin’ ny fanekena Izay irinareo, dia, indro tamy Izy, hoy Jehovah Tompon’ ny maro»2Mal.3:1. Tampoka, tsy nampoizin’ ny vahoakany ny fiavian’ ny Tompo tao amin’ ny tempoliny. Tsy tao no niandrasany Azy. Nanampo azy ho avy etý an-tany izy, «amin’ ny afo midedadeda, hamaly izay tsy mahalala an’ Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny filazantsara»32 Tes. 1 : 8.HM 438.3

    Tsy mbola vonona hihaona tamin’ ny Tompony anefa ny vahoaka. Mbola nisy asa fiomanana tokony hatao ho azy ireo. Nisy fahazavana tokony homena, izay hitarika ny sainy ho eo amin’ ny tempolin’ Andriamanitra any an-danitra; ary raha nanaraka ny Mpisoronabeny amin’ ny fanompoana ataony ao amin’ ny alalan’ ny finoana izy, dia hisy adidy vaovao hambara azy. Nisy hafatra fampitandremana hafa sy toro-hevitra homena ny fiangonana.HM 439.1

    Hoy ny mpaminany : «Nefa iza no mahatanty ny andro hiaviany? Ary iza no mahajanona raha miseho Izy ? Fa Izy dia tahaka ny afon’ ny mpandrendrika sy ny savonin’ ny mpanasa lamba. Ary hipetraka handrendrika sy hanadio volafotsy Izy; eny, hanadio ny taranak’ i Levy Izy sy handrendrika azy toy ny fandrendrehana volamena sy volafotsy, ka dia ho an’ i Jehovah ireny ho mpanatitra fanatitra amimpahamarinana»4Mal. 3 : 2, 3 . Ireo izay velona eto an-tany amin’ ny fotoana hifaranan’ ny fanelanelanana ataon’ i Kristy ao amin’ ny fitoerana masina any an-danitra dia hijoro tsy misy mpanalalana eo anatrehan’ Andriamanitra masina. Tsy maintsy ho tsy misy pentina ny akanjony, tsy maintsy ho voadio ho afaka amin’ ny fahotana ny toetra amampanahiny noho ny famafazana ny ra. Noho ny fahasoavan’ Andriamanitra sy ny fiezahany feno hafanam-po dia tsy maintsy ho mpandresy ireo amin’ ny ady atao amin’ ny ratsy. Raha mbola mandroso ny fitsarana famotopotorana any an-danitra, ary esorina avy tao amin’ ny fitoerana masina ny fahotan’ ireo mpino mibebaka, dia tsy maintsy hisy asa fanadiovana manokana ho fanesorana ny fahotana eo anivon’ ny vahoakan’ Andriamanitra eto an-tany. Io asa io dia aseho mazava kokoa ao amin’ ireo hafatry ny Apokalypsy 14.HM 439.2

    Rehefa ho vita izany asa izany, dia ho vonona amin’ ny fisehoan’ i Kristy ireo mpanaraka Azy : «Dia ho mamin’ i Jehovah ny fanatitry ny Joda sy Jerosalema toy ny tamin’ ny andro fahiny sy toy ny tamin’ ny taona taloha»5Mal. 3 : 4. Amin’ izay ilay fiangonana izay noraisin’ ny Tompo ho azy amin’ ny fiaviany dia ho «malaza tsy misy pentipentina na fiketronana, na izay toy izany»6Efes. 5 : 27. Amin’ izany dia ho toy ny maraina izy, ho tsara tarehy tahaka ny volana, madio toy ny masoandro sady mahatahotra toy ny antokon’ ny miaramila mitondra faneva»7Tononkira 6 : 10.HM 439.3

    Afa-tsy ny fiavian’ ny Tompo ao amin’ ny tempoliny, dia ambaran’ i Malakia mialoha koa ny fiaviany fanindroany, ny fiaviany hanatanteraka ny fitsarana, amin’ izao teny izao : «Ary hanatona anareo ho fitsarana Aho ka ho vavolombelona faingana hanameloka ny mpanao ody sy ny mpijangajanga sy ny mpianian-tsy to sy ny mpampahory ny mpikarama amin’ ny karamany mbamin’ ny mpitondratena sy ny kamboty ary izay mampahory ny vahiny; fa tsy matahotra Ahy izy, hoy i Jehovah, Tompon’ ny maro»8Mal. 3 : 5. Milaza ny amin’ io toe-javatra io i Joda raha miteny hoe : «Indro, tonga Jehovah mbamin’ ny masiny tsy omby alinalina hitsara ny olona rehetra sy hampiaiky ny olona ratsy fanahy rehetra ny asan’ ny haratsiam-panahy rehetra. izay nataony tamin’ ny haratsiam-panahiny sy ny teny sarotra rehetra izay nitenenan’ ny mpanota ratsy fanahy hanohitra Azy»9Joda. 14 , 15. Io fiaviana io, sy ny fiavian’ ny Tompo ao amin’ ny tempoliny, dia toe-javatra samihafa sy misaraka.HM 440.1

    Ny fiavian’ i Kristy amin’ ny maha-Mpisoronabentsika Azy ao amin’ ny masina indrindra, mba hanadio ny fitoerana masina, dia aseho ao amin’ i Daniela 8 : 14; ny fiavian’ ny Zanak’ olona manatona ny Fahagola araka izay aseho ao amin’ ny Daniela 7 : 19, sy ny fiavian’ ny Tompo ho ao amin’ ny tempoliny voalazan’ i Malakia mialoha, dia filazana ny toe-javatra iray ihany; ary io koa dia mbola asehon’ ny fiavian’ ny mpampakatra ho ao amin’ ny fampakarambady. nolazain’ i Kristy ao amin’ ny fanoharana momba ny virijina folo, ao amin’ ny Matio 25.HM 440.2

    Tamin’ ny fahavaratra sy ny fararano tamin’ ny 1844 no natao ny fitoriana ny hoe : «Indry, ny Mpampakatra». Tamin’ izany dia niharihary ireo antokon’ olona roa nasehon’ ny virijina hendry sy adala — ny antoko iray niandry tamim-pifaliana ny fisehoan’ ny Tompo, ary efa niomana fatratra hihaona Aminy; ny antoko iray kosa niasan’ ny tahotra mangina sy nasesiky ny fihetseham-po tampoka, dia afa-po tamin’ ny fahalalana ara-tsaina ny fahamarinana, fa tsy nanana ny fahasoavan’ Andriamanitra. Ao amin’ ny fanoharana, rehefa tonga ny mpampakatra, «izay niomana dia niara-niditra taminy tao amin’ ny fampakaram-bady ». Ny fiavian’ ny mpampakatra aseho eto, dia mitranga alohan’ ny fampakaram-bady. Ny fampakaram-bady dia mampiseho ny fandraisan’ i Kristy ny fanjakany. Ny tanàna masina, Jerosalema vaovao izay renivohitra sy mampiseho ny fanjakany no antsoina hoe : «ampakarina, vadin’ ny Zanak’ ondry». Hoy ny anjely tamin’ i Jaona : «Avia ety, dia hasehoko anao ny ampakarina, vadin’ ny Zanak’ ondry». «Ary nitondra ahy tamin’ ny Fanahy izy», hoy ny mpaminany, «ka naneho ahy ny tanàna masina, dia Jerosalema, midina avy tamin’ Andriamanitra any andanitra»10Apok. 21 : 9, 10 . Mazava izany fa ny ampakarina dia mampiseho ny Tanàna Masina, ary ny virijina izay hivoaka hitsena ny mpampakatra dia tandindon» ny fiangonana. Ao amin’ ny Apokalypsy, ny vahoakan’ Andriamanitra dia lazaina fa «nasaina ho amin’ ny fanasana fampakaram-bady»11Apok. 19 : 9 . Rahanasaina izy dia tsy mety ho ny ampakarina koa. Araka ny voalazan’ ny mpaminany Daniela dia Kristy no handray «fanapahana sy voninahitra ary fanjakana» avy amin’ ny Fahagola any an-danitra; handray an’ i Jerosalema Vaovao, renivohitry ny fanjakany Izy «voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin’ ny vadiny»12Dan. 7 : 14 ; Apok. 21 : 12. Rehefa avy nandray ny fanjakany Izy, dia ho avy amin’ ny voninahitra, Mpanjakan’ ny mpanjaka sy Tompon’ ny Tompo hanavotra ny vahoakany, izay «hiara-mipetraka hihinana amin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba»13Mat. 8 : 11 ; Lio. 22 : 30, handray anjara amin’ ny fanasana fampakaram-badin’ ny Zanak’ ondry.HM 440.3

    Ny fitoriana ny hoe : «Indry ny mpampakatra», tamin’ ny fahavaratry ny taona 1844, dia nitarika olona an» arivony hanantena avy hatrany ny fiavian’ ny Tompo. Tamin’ ny fotoana voatondro dia tonga ny Mpampakatra, tsy teto an-tany, araka ny nanampoizan’ ny vahoaka azy, fa teo amin’ ny Fahagola any an-danitra ho eo amin’ ny fampakaram-bady, mba handray ny fanjakany. «Izay efa niomana dia niara-niditra taminy teo amin’ ny fampakaram-bady; ary dia narindrina ny varavarana». Tsy ny vatan-tenany no nanatrika ny fampakaram-bady, satria tany an-danitra izany, ary izy tety an-tany. Ireo mpanaraka an’ i Kristy dia mbola «miandry ny tompony, raha nody avy amin’ ny fampakaram-bady izy»14Lio. 1 2 : 3 6. Nefa tsy maintsy ho mazava aminy ny asa ataony, ary tsy maintsy manaraka Azy amin» ny finoana izy ireo raha mankeo anatrehan’ Andriamanitra Izy. Amin’ izany fomba izany no ilazana fa nandeha ho amin’ ny fampakarambady izy.HM 441.1

    Ao amin’ ny fanoharana dia ireo izay nanana solika tao amin’ ny fitondrany sy tao amin’ ny fanalany no nankao amin’ ny fampakarambady. Ireo izay manana ny fahalalana ny fahamarinana avy amin’ ny Soratra Masina, sady nanana koa ny Fanahy sy ny fahasoavan’ Andria-manitra, ary izay niandry tamim-paharetana, nandritra ny alina nisian’ ny fisedrana mangidy, ka nandinika ny Baiboly mba hahazoana fahazavana bebe kokoa — ireo no nahita ny fahamarinana mikasika ny fitoerana masina any an-danitra sy ny fìovan’ ny fanompoana nataon’ ny Mpamonjy, ka nanaraka Azy tamin’ ny finoana ho ao amin’ ny fitoerana masina any ambony. Ary izay rehetra nanaiky ireo fahama-rinana ireo, noho ny fanambaran’ ny Soratra Masina, ka nanaraka an’ i Kristy amin’ ny finoana raha miditra eo anatrehan’ Andriamanitra Izy hanatanteraka ny asa fanelanelanana farany sy ny fiafaran’ izany, mba handray ny fanjakany dia aseho ho toy ny mankany amin’ ny fampakaram-bady.HM 441.2

    Ao amin’ ny fanoharana ao amin’ ny Matio faha-22 dia hita indray io sary aman’ ohatra momba ny fampakaram-bady io, ary aseho mazava fa mialoha ny fampakaram-bady ny fitsarana famotopotorana. Alohan’ ny fampakaram-bady dia tonga ny mpanjaka hijery ny nasaina, hijery raha samy manao ny akanjo fitondra amin’ ny fampakaram-bady avy izy rehetra, dia ilay fitafiana tsy misy pentin’ ny toetra amam-panahy nosasana sy nofotsina tao amin’ ny ran’ ny Zanak’ ondry.15Mat. 22 : 11 ; Apok. 7 : 14 Izay hita fa tsy nanana izany dia noroahina, fa izay rehetra hita kosa, nandritra ny fanadihadiana, fa nanana ny fitafiana fitondra amin’ ny fampakaram-bady dia eken’ Andriamanitra ary isaina ho mendrika ny handray anjara amin’ ny fanjakany sy hanana toerana eo amin’ ny seza fiandrianany. Io asa fanadihadiana ny amin’ ny toetra amam-panahy io, io asa famaritana izay vonona ho amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra io no fitsarana famotopotorana, io no asa farany ao amin’ ny fitoerana masina ao ambony.HM 442.1

    Rehefa hifarana ny asa famotopotorana, rehefa voadinika sy tapaka ny momba an’ ireo nisora-tena ho mpanaraka an’ i Kristy mandritra ny taonjato nifandimby, amin’ izay, ary amin’ izay ihany, vao mifarana ny androm-pahasoavana ka hikatona ny varavarampamindrampo. Ilay fehezan-teny fohy hoe : «ary izay efa niomana dia niara-niditra taminy tao amin’ ny fampakaram-bady, ary dia narindrina ny varavarana» izany no mitondra antsika mamakivaky eo amin’ ny asa fanompoana farany ataon’ ny Mpamonjy, ka tafahatra hatramin’ ny fotoana izay hahatanteraka ny asa lehibe famonjena ny olona.HM 442.2

    Tamin’ ny fanompoam-pivavahana teo amin’ ny fitoerana masina teto an-tany, izay tandindon’ ny asa fanompoana any an-danitra araka ny efa hitantsika rehefa miditra ao amin’ ny fitoerana masina indrindra ny mpisoronabe amin’ ny Andro Fanavotana, dia mifarana ny fanompoana ao amin’ ny efitra voalohany. Hoy ny baikon’ manitra : «Aza avela hisy olona ao amin’ ny trano lay fihaonana, raha miditra hanao fanavotana ao amin’ ny fitoerana masina Arona mandra-pivoakany»16Lev. 16 : 17. Toy izany koa rehefa niditra tao amin’ ny fitoerana masina indrindra i Kristy mba hanatanteraka ny asa famaranana ny fanavotana, dia najanony ny fanompoana nataony tao amin’ ny efitra voalohany. Ary rehefa nifarana kosa ny fanompoana tao amin’ ny efitra voalohany, dia nanomboka ny fanompoana tao amin’ ny efitra faharoa. Tamin’ ny andron’ ny fanompoam-pivavahana ara-tandindona, rehefa niala teo amin’ ny fitoerana masina ny mpisoronabe tamin’ ny Andro Fanavotana, dia nankeo anatrehan’ Andriamanitra izy nitondra ny ran’ ny fanatitra noho ny ota ho an’ Isiraely rehetra izay nibebaka marina ny amin’ ny fahotany. Toy izany koa, fizarana iray amin’ ny asany amin’ ny maha-mpanalalana antsika ihany no vao vitan’ i Kristy fa niditra kosa ho amin’ ny fizarana hafa indray amin’ ny asa Izy, ary mbola manao fifonana amin’ ny rany eo anatrehan’ ny Rainy ho an’ ny mpanota.HM 442.3

    Tsy takatry ny Advantista io lohahevitra io tamin’ ny 1844. Rehefa lasa ny fotoana nanantenany ny Mpamonjy, dia mbola ninoany ihany fa akaiky ny fiaviany; nitompoany fa tonga teo amin’ ny fotoana fanasivanana lehibe izy ireo ary efa nitsahatra ny asan’ i Kristy amin’ ny maha-Mpanalalana Azy eo anatrehan’ Andriamanitra. Araka ny fandraisany ny fampianaran’ ny Baiboly, dia hifarana fotoana fohy alohan’ ny tena hiavian’ ny Tompo eo amin’ ny rahon’ ny lanitra ny andro ahazoan’ ny olona mibebaka. Toa nazava ho azy ao amin’ ny Soratra Masina izany, izay manondro fotoana hitadiavan’ ny olona, handondonany, sy hitomaniany eo amin’ ny varavarampahasoavana, kanefa tsy hovohana izy. Lasa ny eritreritr’ izy ireo fandrao tsy nanondro ny fiavian’ i Kristy ilay daty fa kosa ny fiandohan’ io fotoana io izay hialoha indrindra ny fiverenany. Rehefa nitory ny fampitandremana izy fa akaiky ny fitsarana, dia tsapany fa vita ny asany ho an’ izao tontolo izao, ary tsy nitambesatra taminy intsony ny entan’ ny fanahy dia ny adidy hamonjena ny mpanota; ary hitany fa porofo hafa koa ny amin’ ny efa nialan’ ny Fanahin’ Andriamanitra tamin’ ireo nandà ny famindrampony ny esoeso sahisahy sady narahim-pitenenan-dratsy nataon’ ireo ratsy fanahy. Izany rehetra izany dia nanamafy ny finoany fa efa tapitra ny androm-pahasoavana, na, araka ny fomba filazany azy, «efa nikatona ny varavaran’ ny famindrampo».HM 443.1

    Nisy fahazavana bebe kokoa anefa tonga, vokatry ny fanadihadiana mikasika ny fitoerana masina. Hitany ankehitriny fa marina ny finoany fa milaza zava-dehibe ny fiafaran’ ny 2300 andro tamin’ ny taona 1844. Raha marina fa nikatona ilay varavaran’ ny fanan-tenana sy ny famindrampo izay nahazoan’ ny olona nanatona an’ Andriamanitra nandritra ny taonjato valo ambinifolo, dia nisy kosa varavarana hafa nivoha ary atolotra ny olona ny famelan-keloka amin’ ny alalan’ ny fanelanelanana ataon’ i Kristy ao amin’ ny fitoerana masina indrindra. Vita ny dingana iray amin’ ny fanompoana nataony, fa miditra kosa ny manaraka. Mbola nisy varavarana mivoha ao amin’ ny fitoerana masina any an-danitra izay nanaovan’ i Kristy fifonana ho an’ ny mpanota.HM 443.2

    Hita izao ny fampiharana ireo tenin’ i Kristy ao amin’ ny Apokalypsy, izay nataony ho an’ ny fiangonana tamin’ io fotoana io mihitsy : «Izao no lazain’ Izay masina, Izay marina, Izay manana ny fanalahidin’ i Davida. Izay mamoha ka tsy hisy hanidy ary manidy ka tsy misy mamoha : Fantatro ny asanao indro , efa nasiako varavarana mivoha eo anatrehanao, ka tsy misy maharindrina azy»17Apok. 3 : 7 , 8.HM 444.1

    Ireo izay manaraka an’ i Jesosy amin’ ny alalan’ ny finoana ao amin’ ny asa lehiben’ ny fanavotana no mandray tombon-tsoa amin’ ny fanalalanana ataony ho azy, fa ireo izay mandà ny fahazavana izay nahitana io asa fanompoana io, dia tsy nandray tombon-tsoa avy tamin’ izany. Ireo Jiosy izay nitsipaka ny fahazavana nomena tamin’ ny fiavian’ i Kristy voalohany, ka nandà tsy hino Azy ho Mpamonjy izao tontolo izao, dia tsy afaka handray famelan-keloka tamin’ ny alalany. Rehefa niakatra tany an-danitra i Jesosy ka niditra tamin’ ny alalan’ ny rany ho ao amin’ ny fitoerana masina any an-danitra mba handrotsahany amin’ ny mpianany ny fitahiana avy amin’ ny fanelanelanana ataony, dia navela tao amin’ ny haizina mikitroka ny Jiosy mba hanohy ny sorona sy ny fanatitra tsy misy antony nataony. Efa nijanona ny fisoronana tamin’ ny alalan’ ny endrika sy ny tandindona. Tsy hisokatra intsony ny varavarana izay nahazoan’ ny olona nanatona an’ Andriamanitra. Ny Jiosy dia efa nandà tsy hitady Azy tamin’ ny fomba tokana hahitana Azy, dia tamin’ ny alalan’ ny fisoronana ao amin’ ny fitoerana masina any an-danitra. Noho izany dia tsy nahita firaisana tamin’ Andriamanitra izy ireo. Efa voakatona teo anatrehany ny varavarana. Tsy nahafantatra an’ i Kristy ho ilay tena sorona sy hany Mpanalalana eo anatrehan’ Andriamanitraizy; koa dia tsy afaka nandray tombon-tsoa tamin’ ny fifonana nataony.HM 444.2

    Ny toe-javatra nanjo ireo Jiosy tsy nino dia ohatra mampiseho mazava ny toe-javatra mihatra amin’ ireo milaza ny tenany ho kristiana nefa tsy mitandrina sady tsy mino, izay minia tsy hahalala ny asan’ Ilay Mpisoronabentsika mamindra fo. Tamin’ ny fanompoampivavahana tandindona, rehefa niditra ny fitoerana masina indrindra ny mpisoronabe, dia nasaina nanodidina ny fitoerana masina ny Isiraely rehetra ary nampietry ny fanahiny teo anatrehan’ Andriamanitra tamin’ ny fomba manetriketrika indrindra mba hahazoany famelana ny fahotany ka tsy ho voafongotra tsy ho amin’ ny fikambanana izy. Manao ahoana ny maha-zava-dehibe kokoa ny ahafantarantsika ny asan’ ny Mpisoronabentsika amin’ izao tena Andro Fanavotana marina izao ka hahalalantsika ny adidy takina amintsika.HM 445.1

    Tsy azon’ ny olona atao ny mandà ny fampitandremana alefan’ Andriamanitra ho azy noho ny famindrampony ka tsy hitera-doza ho azy izany. Nisy hafatra avy any an-danitra nalefa ho an’ izao tontolo izao tamin’ ny andron’ i Noa, ary niankina tamin’ ny fomba nandraisany io hafatra io ny famonjena azy. Satria nandà ny fampitandremana izy, dia nesorina tsy ho eo amin’ io taranaka io ny Fanahin’ Andriamanitra, ka maty tao amin’ ny ranon’ ny Safo-drano izy. Tamin’ ny andron’ i Abrahama, dia nijanona tsy nandahatra tamin’ ireo mponin’ i Sodoma meloka intsony ny famindrampo, ary izy rehetra, afa-tsy i Lota sy ny vadiny ary ny zanany roa vavy dia levon’ ny afo nalatsaka avy tany an-danitra. Toy izany koa tamin’ ny andron’ i Kristy. Hoy ny Zanak’ Andriamanitra tamin’ ireo Jiosy tsy nino tamin’ io taranaka io : «Indro, avela ho lao ho anareo ny tranonareo»18Mat. 23 : 38. Raha nibanjina nijery ny andro farany Ilay Hery tsy hita fetra, dia izao no anambarany ny mikasika ireo «izay tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy». «Koa izany no ampanateran’ Andriamanitra fiasan’ ny fahadisoan-kevitra aminy hinoany lainga mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina, fa nankasitraka ny tsy marina»192 Tes. 2 : 10 - 12. Rehefa mandà ny fampianaran’ ny Tenin’ Andriamanitra izy ireo. dia esorin’ Andriamanitra ny Fanahiny ka afoiny eo amin’ ny fitaka izay notiaviny izy.HM 445.2

    Nefa mbola manalalana ho an’ ny olona i Kristy, ary homena fahazavana ireo izay mitady izany. Na dia tsy azon’ ireo Advantista ireo aza izany tamin’ ny voalohany, taty aoriana dia nazava taminy rehefa natomboka novelarina teo anatrehany ny Soratra Masina izay mamaritra ny tena toerana misy azy.HM 445.3

    Rehefa lasa ny fe-potoana tamin’ ny 1844, dia nisy andrompitsapana mafy ho an’ ireo izay mbola namikitra mafy tamin’ ny finoana ny fiverenan’ ny Tompo. Ny hany nahitany fiononana, raha ny amin’ ny fahazoany antoka ny amin’ ny tena toerana nisy azy no heverina, dia ilay fahazavana izay nampitodika ny sainy ho amin’ ny fitoerana masina any ambony. Nisy niala tamin’ ny finoana ny fanisany teo aloha ny fe-potoanan’ ny faminaniana ka nilaza fa avy tamin’ olombelona na avy tamin’ ireo anjelin’ i Satana ny herin’ ny Fanahy Masina niasa mangina teo amin’ ny fihetsiketsehana momba ny fiavian’ i Kristy. Nisy antokon’ olona kosa indray izay nitana mafy fa ny Tompo no efa nitarika azy teo amin’ ireo fanandramana nataony teo aloha; ary rehefa niandry sy niambina ary nivavaka izy mba hahafantarany ny sitrapon’ Andriamanitra dia hitany fa efa niditra tao amin’ ny asa fanompoana hafa Ilay Mpisoronabeny, ka rehefa nanaraka Azy tamin’ ny finoana izy, dia voatarika koa hahita ny asa farany ataon’ ny fiangonana. Nazava taminy kokoa ny hafatry ny anjely voalohany sy faharoa, ka voaomana izy handray sy hanome ny fampitandremana miezinezina ho an’ izao tontolo izao entin’ ny anjely fahatelo ao amin’ ny Apokalypsy 14.HM 446.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents