Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hery Mifanandrina

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 35—Tandindomin-doza ve ny faha-fahana hivavaka araka ny fieritreretana ?

    Ankehitriny ny fijerin’ ny Protestanta ny fivavahan’ i Roma dia tsara lavitra noho ny tamin’ ireo taona teo aloha. Any amin’ ny tany izay tsy mampahatanjaka loatra ny fivavahana katolika ka itadiavan’ ny mpiandany amin’ ny papa ny marimaritra iraisana mba ahazoany miasa mangina, dia mitombo ny tsy firaharahana ireo foto-pinoana mampisaraka ny fiangonana nohavaozina sy ny fiangonana ao ambany fahefana papaly. Miha-mahazo vahana ny fiheverana fa, raha ny tena izy. dia tsy misy fahasamihafana firy araka ny niheverana azy isika eo amin’ ny tena votoatin-javatra, ary raha misy fandeferana kely fotsiny dia hitondra fifankahazoana bebe kokoa amin’ i Roma izany. Efa lasa ny fotoana izay nanombanan’ ny Protestanta ho tena sarobidy ny fahafahana manaraka ny feon’ ny fieritreretana izay efa novidian-dafo tokoa. Nampianatra ny zanany hankahala ny fanarahana ny papa izy sy hihevitra fa fivadihana amin’ Andriamanitra ny fitadiavana izay hifandrindrana amin’ i Roma. Nefa efa hafa dia hafa ankehitriny ny fihetseham-po miseho!HM 587.1

    Ny mpiaro ny fahefana papaly dia manambara fa nohosorampotaka ny eglizy, ary mirona ny hanaiky an’ io fanambarana io ny Protestanta amin’ ny ankapobeny. Maro no manantitrantitra fa tsy mety ny mitsara ny fiangonana ankehitriny amin’ ny zavatra mahamenatra sy mitory hadalana manamarika ny fanapahany nandritra ireo taonjato nanjakan’ ny tsy fahalalana sy ny haizina. Manalatsiny ny toetrany lozabe sy mahatsiravina izy izay lazainy fa vokatry ny fahasiahana nisy tamin’ izany andro izany, ary ho fiarovany ny eglizy, dia ambarany fa efa nanova ny toetrany ny hery miasa mangina avy amin’ ny riban’ izao andro izao.HM 587.2

    Moa va hadinon’ ireny olona ireny ny fihamboana ho tsy mety diso narangarangan’ io fahefana feno rehareha io nandritra ny valonjato taona? Hatramin’ izao dia tsy notsoahana velively izany fa mainka noantitranterina tamin’ ny fomba mazava lavitra noho ny teo aloha aza. Araka ny filazan’ i Roma dia «tsy mbola diso na oviana na oviana ny eglizy; ary araka ny Soratra Masina dia tsy ho diso na oviana na oviana izy», (John L. von Mosheim, Institutes of Ecclesiastical History, boky fahatelo, fizarana lehibe 11. tapany faharoa, toko 2, fizarana faha-9, noty faha — 17, koa ahoana no fomba ialany amin’ ireo foto-kevitra izay nifehy ny fihetsiny tamin’ ny andro lasa ?HM 588.1

    Tsy havelan’ ny fiangonana papaly na oviana na oviana ny fihamboany ho tsy mety diso. Tazoniny ho mety izay rehetra nataony tamin’ ny fanenjehany ireo izay nitsipaka ny fampianarany; koa moa ve tsy hamerina ireny asany ireny indray izy, raha misy fotoana mety hanaovany izany? Aoka hiala ange ny fameperana avy amin’ ny fitondram-panjakana ary avereno amin’ ny fahefana nananany teo aloha i Roma, raha tsy hifoha haingana dia haingana ny toetrany lozabe sy ny fanenjehana nataony.HM 588.2

    Toy izao manaraka izao no nolazain’ ny mpanoratra fanta-daza iray momba ny fihetsiky ny fitondrana papaly mikasika ny fahafahana hanaraka ny feon’ ny fieritreretana, ary ny amin’ ny loza izay mananontanona an’ i Etazonia raha tahiny ka mahomby ny tetik;, ataony : Maro no vonon-kihevitra fa ny fahatahorana ny fivavahana romana atý Etazonia dia avy amin’ ny fahateren-tsaina sy ny fananana hevi-jaza fotsiny. Izay olona manao izany dia tsy mahatsinjo na inona na inona ao amin’ ny toetra amam-pihetsiky ny eglizy romana izay manohitra ny fandaminam-pitondrana miorina amin’ ny fahafahana eto amintsika sy izay mety ho loza ateraky ny fitomboany ny eglizy. Koa aoka, alohan’ ny zavatra rehetra, hampitahaintsika ny sasantsasany amin’ ny foto-kevitra iorenan’ ny governemantantsika amin’ ny foto-kevitra iorenan’ ny eglizy katolika.HM 588.3

    «Miaro ny fahafahana hanaraka ny feon’ ny fieritreretana ny Lalàm-panorenan’ i Etazonia. Tsy misy zava-dehibe sy ankamamiana toy izany. Hoy ny papa Pie fahasivy, ao amin’ ny Taratasiny ho an’ ny Eveka rehetra tamin’ ny 15 Aogositra 1854 : «Ireo fampianarana tsy misy fotony sady diso na miteniteny foana miaro ny fahafahana hanaraka ny feon’ ny fieritreretana dia fahadisoan-kevitra mampididoza toy ny areti-mifindra toy ny pesta tokony hatahorana indrindra ao amin’ ny fanjakana iray, mihoatra noho ny hafa rehetra». lo papa io ihany koa, ao amin’ ny Taratasiny ho an’ ny Eveka rehetra tamin’ ny 8 Desambra 1864, dia nanonona ozona (anatema) tamin’ ireo izay manantitrantitra ny amin’ ny fahafahana hanaraka ny feon’ ny fieritreretana sy ny fanompoam-pivavahana araka izay tiana, ary koa amin’ «izay rehetra mitana fa tsy tokony hampiasa hery ny Eglizy ».HM 588.4

    «Tsy milaza fiovam-po tsy akory ny feo mitory fandriam-pahalemana ataon’ i Roma atsy Etazonia. Mandefitra izy amin’ ny toerana tsy ananany hery. Hoy ny Eveka O’ Connor : «Zakaina fotsiny ny fahafahana ara-pivavahana mandra-pahazoana mampihatra izay mifanohitra amin’ izany ka tsy hampidi-doza ny mpino Katolika». . . Hoy ny Arsevekan’ i Md Louis indray mandeha : «Heloka bevava ny «herezia» sy ny tsy finoana, ary any amin’ ny tany Katolika, tahaka an’ i Italia sy Espaina, ohatra, izay katolika avokoa ny olona rehetra, ary manana anjara fototra amin’ ny lalàna mifehy ny tany sy ny fanjakana ny fivavahana katolika, dia sazina tahaka ny heloka bevava hafa izany». . .HM 589.1

    «Ny kardinaly, ny arseveka, sy ny eveka rehetra ao amin’ ny Eglizy katolika dia mivelirano hanompo ny papa, ka ahitana izao teny manaraka izao ao amin’ io tokim-panompoana io : «Ny heretika, sy izay misaraka amin’ i Eglizy ary ny mpikomy amin’ ny andriantompoinay (ny papa), na ireo mpandimby azy voatonona etsy aloha, dia hampiasako ny fara-heriko ny fanenjehana sy ny fanoherana azy». Josiah Strong,Our Country, toko 5, fizarana 2-4.HM 589.2

    Marina fa misy olona tena Kristiana ao amin’ ny fiangonana Katolika Romana. Misy an’ arivony ao amin’ io fiangonana io no manompo an’ Andriamanitra araka ny fahazavana lehibe indrindra ananany. Tsy eo am-pelatanany ny Tenin’ Andriamanitra ka noho izany dia tsy mahita ny fahamarinana izy. Tsy mbola tsinjony na oviana na oviana ny fahasamihafana eo amin’ ny fanompoana velona atao amin’ ny fo sy ny fombam-pivavahana miverimberina fotsiny. Mangoraka sy antra ireny fanahy nobeazina tao amin’ ny finoana mamitaka sady tsy mahafa-po ireny Andriamanitra. Hahatonga ny tara-pahazavana hampisava ny haizina mikitroka manodidina azy ireo Izy. Hasehony azy ny fahamarinana araka izay ao amin’ i Jesosy ka maro no hiandany amin’ ny vahoakany.(Jereo Fanampiny)HM 589.3

    Nefa amin’ ny maha-rafi-pivavahana ny Romanisma dia tsy hoe mifandrindra amin’ ny filazantsaran’ i Kristy izy ankehitriny mihoatra noho tamin’ ny fotoana tany aloha teo amin’ ny tantarany. Voasaron’ ny haizimbe tokoa ny fiangonana Protestanta. raha tsy izany dia ho nahita ireo famantarana izao vaninandro izao izy. Mahataka-davitra ny drafitra volavolain’ ny fiangonana Romana sy ny fomba fiasany. Mampiasa ny tetika rehetra izy ho entiny manitatra ny heriny miasa mangina sy hampitombo ny tanjany ao amin’ ny fanomanany ady mahery vaika farany. hifehezany indray an’ izao tontolo izao, sy hamerenany indray ny fanenjehana. ary handravany izay rehetra naorin’ ny fivavahana Protestanta. Mihamahazo vahana amin’ ny lafiny rehetra ny fivavahana katolika. Diniho ny isan’ ny trano fiangonany mitombo hatrany amin’ ireo tany Protestanta. Jereo ny fankafizan’ ny besinimaro ny sekoliny sy ny seminerany any Amerika, izay ianaran’ ny Protestanta betsaka tokoa. Jereo ny fitombon’ ny fombafomba ara-pivavahana any Angletera sy ireo olona maro mitsoaka hanatevin-daharana ny Katolika. Ireny zavatra ireny dia tokony hampifoha ny sain’ izay rehetra mankafy ireo foto-kevitra madion’ ny Filazantsara.HM 589.4

    Nifandray sy nifampikasoka tamin’ ny fahefana papaly ny Protestanta; nitady marimaritra iraisana sy nandefindefitra izy. hany ka na dia ireo mpanohana ny papa aza dia gaga raha mahita izany, ary sanganehana ny amin’ izay tokony ho heviny. Manakimpy ny masony tsy hijery ny tena toetry ny fivavahan’ i Roma ny olona ka tsy velon’ ahiahy ny amin’ ny loza hateraky ny fahatafaverenany amin’ ny fahefana fara-tampony. Ilaina ny hamohazana ny vahoaka hanohitra ny fandrosoan’ io fahavalo mampidi-doza indrindra ny fahafahana amin’ ny maha-olom-pirenena sy ny ara-pivavahana ioHM 590.1

    Maro ny Protestanta no mihevitra fa tsy manintona ny fivavahana katolika ary ny fanompoam-pivavahany dia fombafomba ivelany mahavalalanina sady tsy misy dikany. Diso izy ireo amin’ izany. Na dia mifototra amin’ ny fitaka aza ny fivavahan’ i Roma, dia tsy fitaka bontolo sy mikaviavia tsy akory. Fanompoam-pivavahana faran’ izay mampihetsi-po ny an’ ny Fiangonana Katolika. Mambabo ny maro ny fisehoana mirentirenty sy ireo fombam-pivavahana marevaka ka mampangina ny feon’ ny fisainana mandanjalanja sy ny an’ ny fieritreretana. Finaritra ny maso. Ireo fiangonana kanto dia kanto. ireo filaharam-be manetriketrika. ireo alitara volamena. ireo vata fitehirizana relika miravaka vatosoa, ireo sary hoso-doko voafantina sy ireo sikotra voakaly fatratra, dia samy mamohafoha ay fankafiz.ana ny zava-kanto.HM 590.2

    Voarotsirotsy koa ny sofina. Faran’ izay kanto ny feon-java maneno. Ny orga mireondreona, mandravaka ny hira redonin’ ny feo marobe izay manakatra ny haavon’ ny andohalambo sy mameno ny elanelan’ ny andry rehetra amin’ ireo katedraly miezinezina. dia tsy afaka tsy hanaitra ny saina ka hitaona azy hitsaoka amimpanajana.HM 590.3

    Io famirapiratana iveiany, rendrarendra sy fanompoam-pivavahana marevaka io. izay tsy inona fa fanarabiana ny senton’ ny fanahy maratran’ ny fahotana. dia porofon’ ny fahalovana anaty. Tsy mila zava-mahasarika toy izany ny fivavahan’ i Kristy mba hitiavana azy. Eo amin’ ny fahazavana tomarataratra avy amin’ ny hazo fijaliana, ny tena fivavahana kristiana marina dia madio sy maha te ho tia indrindra ka tsy misy ravaka iveiany afaka hampitombo ny tena fahamendrehany. Ny hakanton’ ny fahamasinana. ny fanahy malemy sady miadana. no misy vidiny amin’ Andriamanitra.HM 591.1

    Tsy manambara avy hatrany fisainana madio sy ambony tsy akory ny fihetsika marevaka. Mazàna ny fiheverana lasa avo dia avo ny zava-kanto sy ny fahaiza-mankafy izay tsara sy mendrika dia monina ao amin’ ny saina ara-nofo sy mirona ho amin’ ny filandratsy. Matetika no ampiasain’ i Satana ireny hitarihana ny olona hanadino izay tena ilain’ ny fanahy. tsy hitazana ny ho avy, ny fiainana maharitra mandrakizay, ary hiodina hiala amin’ Ilay Mpanampy azy manana ny hery tsy voafetra sy tsy hivelona afa-tsy ho an’ ity izao tontolo izao ity ihany.HM 591.2

    Manintona ny fo tsy voaova ny fivavahana ivelambelany. Ny renty sy ny ravaky ny fanompoam-pivavahana Katolika dia manankery mahataona sy maharenoka ka voafitaka ny maro ; heveriny ho tena vavahadin’ ny lanitra mihitsy ny fiangonana Katolika. Tsy misy afa-tsy ireo izay nampitoetra mafy ny tongony teo amin’ ny fanorenan’ ny fahamarinana ihany, sy izay nohavaozin’ ny Fanahin’ Andriamanitra ny fony. no afaka hahatohitra ny fitaomany mangina. An’ arivony ny olona izay tsy manana fahalalana velona an’ i Kristy no ho voatarika hanaiky ny endriky ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra nefa mandà ny heriny. Ny fivavahana toy izany indrindra no irin’ ny maro harahina.HM 591.3

    Ny fihamboan’ ny Eglizy fa manana fahefana hamela heloka izy dia mitarika izay miandany amin’ i Roma hihevitra fa manana fahafahana hanota; ary ny fanaovana «kaofesy», izay tsy ahazoana famelan-keloka avy aminy raha tsy atao. dia manome alalana koa ny ratsy, Izay mandohalika eo anatrehan’ ny olona lavo ka «mikaofesy» mandoatra ny eritreriny mangina sy ny fisaintsainan’ ny fony. dia mampietry ny maha-olona azy sy ny faniriana voa-janahary ambony rehetra ao amin’ ny fanahiny. Ny famelarany ny fahotan’ ny fiainany amin’ ny pretra, izay olona mety diso sy mpanota mety maty, ary matetika loatra no simban’ ny divay sy ny faharatsiampitondran-tena, — dia mampidina ny fenitry ny toetrany, ary mandoto azy noho izany. Midina ny fiheverany an’ Andriamanitra noho ny fampitoviany Azy amin’ ny olombelona lavo satria mijoro ho solon’ Andriamanitra ny pretra. Io fanaovana «kaofesy» mampietry ataon’ ny olona amin’ ny olona io no loharano miafina niavian’ ny ankamaroan’ ny faharatsiana izay nitosaka ka nandoto ny tany ary mahavonona azy ho amin’ ny fandravana farany. Izay tia ny mampanaram-po ny tenany anefa dia mankasitraka kokoa ny miaiky ny helony amin’ ny olona mety maty tahaka azy toy izay hanokatra ny fony amin’ Andriamanitra. Mahafinaritra kokoa ny mahaolombelona ny manefa sazy toy izay hiala amin’ ny fahotana; moramora kokoa ny mampahory ny nofo amin’ ny akanjo malailay sy ny tsilo ary ny gadra mandratra toy izay hanombo ny filan’ ny nofo. Mavesatra ny zioga izay eken’ ny fo ara-nofo ho zakaina toy izay hiondrika eo ambanin’ ny ziogan’ i Kristy.HM 591.4

    Misy fitoviana manaitra amin’ ny fiangonan’ i Roma sy ny fiangonana jiosy tamin’ ny fiavian’ i Kristy voalohany. Nanitsakitsaka mangina ny foto-kevitra ao amin’ ny lalàn’ Andriamanitra ny Jiosy, nefa ety ivelany dia niseho ho sarotiny fatratra tamin’ ny fanarahana ny fitsipika momba izany izy, ka nampahavesatra izany tamin’ ny fitakiana sy ny lovantsofina izay nahatonga ny fankatoavana ho nampiferinaina sy ho toy ny entana nanindry mafy. Nilaza ny tenany ho mpanaja ny lalàna ny Jiosy ; toy izany koa, ireo mpiandany amin’ i Roma dia nihambo ho manaja ny hazo fijaliana. Manandratra ny tandindon’ ny fijalian’ i Kristy izy, nefa amin’ ny fiainany dia mandà Ilay asehon’ izany.HM 592.1

    Mametraka hazo fijaliana eo amin’ ny fiangonany. eo amin’ ny alitarany, sy eo amin’ ny fitafiany ny mpanaraka ny papa. Hita hatraiza hatraiza ny famantarana ny hazo fijaliana. Ho amin’ ny ivelany dia omem-boninahitra sy asandratra hatraiza hatraiza izany. Fa ny fampianaran’ i Kristy kosa dia totofana lovantsofina mivangongo tsy misy dikany, sy fivoasan-kevitra mivaona ary fepetra henjana. Ny teny nataon’ ny Mpamonjy ny amin’ ireo Jiosy niseho ho tia vavaka ka sarotsarotiny efa izay-tsi-izy, dia mihatra amin’ ny fomba mahery vaika kokoa amin’ ireo mpitarika ny Fiangonana Romana. «Eny, mamehy entana sady mavesatra no sarotra entina izy ka manaingina izany eo amin’ ny soroky ny olona, nefa ny tenany tsy mety manetsika izany na dia amin’ ny rantsan-tanany anankiray aza»1Mat. 23 : 4. Ny fanahy mahatsapa-tena dia giazana lalandava ao amin’ ny tahotra ny fahatezeran’ Andriamanitra feno fahavinirana. nefa maro amin’ ireo mpitondra ambony ao amin’ ny eglizy no mivelona amin’ ny fanaranam-po sy ny fahafinaretana ara-nofo.HM 592.2

    Ny fiankohofana amin’ ny sary sy ny relika, ny fiantsoana ny olo-masina sy ny fanandratana ny papa dia samy fitaka ataon’ i Satana hisarihana ny sain’ ny olona hihataka amin’ Andriamanitra sy amin’ ny Zanany. Mba hahatanteraka ny fandringanana azy ireo. dia miezaka i Satana hanodina ny sainy hiala amin’ Ilay hany ahitany famonjena. Hotaominy izy ho amin’ ny zavatra rehetra izay azony hasolo Ilay Anankiray nanao hoe : «Mankanesa aty amiko. ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana. fa Izaho no hanome anarco fitsaharana» 2Mat. 11 : 28, izy ireo.HM 593.1

    Miezaka mandrakariva i Satana haneho amin’ ny endrika tsy izy ny toetran’ Andriamanitra, ny maha-ratsy ny fahotana. sy ny tena voafaoka ao amin’ ilay ady goavana ifanaovan’ ny tsara sy ny ratsy. Mampihen-danja ny tsy maintsy hitandremana ny didin’ Andriamanitra ny fampianaran-disony ary manome alalana ny olona hanaram-po. Miaraka amin’ izany dia ataony izay hankamamiany ireo hevi-diso momba an’ Andriamanitra hany ka tahotra sy fankahalana no hiheverany Azy fa tsy fitiavana. Ny halozana izay tandra vadin-koditry ny toetran’ i Satana dia lazaina fa an’ Andriamanitra: azo tsapain-tanana izany eo amin’ ny rafi-pivavahana samihafa ary ambaran’ ny fombam-pivavahana. Toy izany no nahajamba ny sain’ olombelona, ary nandraisin’ i Satana ho fiasana azo antoka hoentimiady amin’ Andriamanitra. Fiheveran-diso momba ny toetran’ Andriamanitra no nitarika ny firenena jentilisa hino fa ilaina ny hanatitra olona ho sorona mba ahazoana antoka ny fankasitrahan’ Andriamanitra; koa dia nisy halozana mahatsiravina natao tamin’ ny endrika samy hafa teo amin’ ny fanompoan-tsampy.HM 593.2

    Ny Fiangonana Katolika Romana izay mampiray ny endriky ny fanompoan-tsampy sy ny fivavahana Kristiana sy maneho ny toetr’ Andriamanitra amin’ ny endrika tsy izy. tahaka ny fanompoantsampy ihany. dia nampiasa fomba feno fahasiahana sady maharikoriko tsy latsak’ izany. Tamin’ ny andro nananan’ i Roma fahefana fara-tampony. dia nampiasa ireo fitaovana fampijaliana izy hanerena ny olona hanaiky ny fampianarany. Tao ny antontan-kitay fandoroana velona ho an’ izay tsy nety nilefitra teo anoloany. Teo ireo vonoan’ olona sesehena ka tsy ho fantatra ny isany marina raha tsy amin’ ny andro fitsarana. Nodinihin’ ireo mpitondra ambony tamin’ ny fiangonana, teo ambany fitarihan’ i Satana tompony, izay hamoronana fomba fampahoriana faran’ izay mafy nefa tsy hanapitra ny ain’ olona ampijaliana. Imbetsakano naverimberina hatramin’ izay farany zakan’ olombelona ny fampijaliana mandra-pilofiky ny nofo tsy hahatanty intsony, ka iarahabany ny fahafatesana ho toy ny fahafahana mamy dia mamy.HM 593.3

    Toy izany no anjaran’ ny mpanohitra an’ i Roma. Ho an’ ireo mpanaraka azy kosa dia tao ny fifehezana tamin’ ny alalan’ ny kapoka karavasy, ny hanoanana mila hahafaty, ny fampijaliana ny tena tamin’ ny fomba rehetra tratry ny saina sy mankarary fo. Mba hahazoany antoka ny fankasitrahan’ ny Lanitra, dia nandika ny lalàn’ Andriamanitra mifehy ny zava-boahary ireo mpanao asa fivalozana (penitansy). Nampianarina izy hanapaka ireo fatorana nataon’ Andriamanitra hitondra fitahiana sy fifaliana ho an’ ny olona mandritra ny fivahiniany etý an-tany. Olona an-tapitrisany no mandry ao am-pasana rehefa avy nandany ny fiainany tamin’ ny fiezahana very maina foana hampilefitra ny fitiavany voajanahary, hanafoana ho toy ny mahatezitra an’ Andriamanitra ny eritreritra sy ny fihetsehampo rehetra mitory firaisam-po amin’ ny olona tahaka ny tena.HM 594.1

    Raha tiantsika ny hahalala ny halozana niniana nasehon’ i Satana mandritra ny taonjato maro, tsy teo anivon’ ireo izay tsy mbola nandre na oviana na oviana ny amin’ Andriamanitra tsy akory, fa tao amin’ ny foiben’ ny fiangonana Kristiana sy nanerana ny tany nielezany, dia ampy ho antsika ny hanara-maso ny tantaran’ ny Romanisma. Tamin’ ny alalan’ io rafitra goavana nenti-namitaka io no nahatontosan’ ilay andrianan’ ny ratsy ny fikasany hanala baraka an’ Andriamanitra sy hampitondra faisana ny olona. Ary rehefa hitantsika ny fahombiazany tamin’ ny fanovany endrika sy ny nanatanterahany ny asany tamin’ ny alalan’ ireo mpitondra ny fiangonana, dia mety ho azontsika mazava kokoa ny antony nahatonga azy hankahala fatratra ny Baiboly toy izany. Raha vakina io Boky io, dia hiharihary ny famindrampo sy ny fitiavan’ Andriamanitra; ho hita fa tsy nametraka ireny enta-mavesatra ireny tamin’ ny olona Izy. Ny hany angatahiny dia fo torotoro sy mangorakoraka, toe-tsaina feno fanetren-tena, vonona ny hankatò. Kristy dia tsy nanome ohatra tao amin’ ny fiainany fa tokony hihiboka ao anaty rindrina efatry ny monastera ny olona mba hahavonona azy ho any an-danitra. Na oviana na oviana Izy dia tsy nampianatra fa tokony hototofana tsy hahazo hipoitra ny fitiavana sy ny fangorahana ny hafa. Niboiboika avy tao am-pon’ ny Mpamonjy ny fitiavana. Arakaraka ny hanatonan’ ny olona ny fahatanterahany ara-panahy, no mampaharanitra ny fahatsiarovany ka mampahatsilo azy amin’ ny fahatsapany ny fahotana, ary mahalalina kokoa ny fangorahany an’ izay tra-pahoriana. Mihambo ho solon-tenan’ i Kristy ny papa; mba manao ahoana kosa anefa ny toetrany raha ampitahaina amin’ ny an’ ny Mpamonjintsika? Moa mba efa nampiditra olona tany an-tranomaizina na nampijalijaly olona ve i Kristy, noho izy ireny tsy nankalaza Azy ho Mpanjakan’ ny lanitra? Moa ve nisy nandrenesana ny feony nanamelokaho faty ireo izay tsy nanaiky Azy? Rehefa tsy niraharaha Azy ny mponina tao amin’ ny vohitra iray an’ ny Samaritana, dia feno fahatezerana ny apostoly Jaona ka nanontany hoe: «Tompoko, tianao ve raha hiteny izahay mba hisy afo milatsaka avy any an-danitra handevona azy, toy ny nataon’ i Elia ?» Onena i Jesosy raha nijery ity mpianany, ary nanome tsiny azy noho ny fanahy tsy nanana antra tao aminy ka nanao hoe : «Fa ny Zanak’ olona tsy tonga hahavery ny ain’ olona, fa hamonjy azy» 3Lio. 9: 54 - 65. Manao ahoana ny fahasamihafan’ ny toe-tsaina nasehon’ i Kristy sy ny an’ ilay misora-tena ho solontenany.HM 594.2

    Ankehitriny ny fiangonana Romana dia maneho endrika kanto amin’ izao tontolo izao, ka saronany fialan-tsiny ny tantaran’ ny halozany mahatsiravina. Nitafy fitafiana tahaka ny an’ i Kristy izy; nefa tsy niova tsy akory. Mbola mitoetra mandrak’ ankehitriny ny foto-kevitra tsirairay eo amin’ ny fahefana papaly izay nisy tamin’ ny andro fahiny. Mbola mijoro ireo fampianarana novolavolaina tamin’ ny andro nanjakan’ ny haizina mikitroka indrindra. Aoka tsy hisy hamita-tena. Ny fahefana papaly izay mahavonombonona ny Protestanta fatratra hohajaina ankehitriny dia mbola ilay nifely izao tontolo izao tamin’ ny andron’ ny Fanavaozana ara-pivavahana ihany, fony nitsangana ireo olon’ Andriamanitra sahy maty mba hampiharihary ny faharatsiany. Mbola ao aminy ny fireharehana sy ny fihamboana feno avona izay nentiny nanjakazaka tamin’ ny mpanjaka sy ny mpifehy ambony ary koa ny filazana ny tenany fa manana ny zo amam-pahefana tahaka ny an’ Andriamanitra. Tsy latsaka noho ny fony izy nanitsakitsaka ny fahafahana maha-olona sy namono ny olo-masin’ ny Avo Indrindra ny toe-tsaina lozabe sy tsy refesi-mandidy ananany ankehitriny.HM 595.1

    Tena izay nambaran» ny faminaniana mialoha ho toetrany ny toetry ny fahefana papaly, dia ny fihemorana amin’ ny andro farany 2 Tesaloniana 2 : 3, 4.Fomba fiasany efa raikitra ny mitafy ny toetra mifanentana indrindra amin’ izay kendreny; nefa ny endrika miovaovan’ ny tana isalorany no anafenany ny poizina tsy miovan’ ny menarana. Hoy izy: «Azo atao ny mivadika ny toky nomena ny heretika». na ny olona ahiahiana ho «heretika» (Lenfant. boky 1. p 516). lo fahefana io ve. izay nosoratana tamin’ ny ran’ ny olona masina ny tantarany nandritra ny arivo taona. no ekena ankehitriny fa anisan’ ny fiangonan’ i Kristy?HM 596.1

    Misy antony ny filazana re any amin’ ny tany Protestanta fa tsy dia manao ahoana ny fahasamihafana misy ankehitriny amin’ ny fivavahana Katolika sy ny fivavahana Protestanta, tsy tahaka ny tamin’ ny andro taloha. Nisy ny fiovana; saingy tsy teo amin’ ny fahefana papaly. Marina fa manam-pitoviana betsaka amin’ ny fivavahana Protestanta misy amin’ izao andro izao ny fivavahana Katolika. satria efa nikororosy fahana ny fivavahana Protestanta hatramin’ ny andron» ireo Mpanavao fivavahana.HM 596.2

    Rehefa nila sitraka tamin’ izao tontolo izao ireo fiangonana Protestanta. dia nanajamba ny masony ny fitiavana sandoka. Nahoana. hoy izy. no tsy mety hisy soa avy amin’ ny ratsy aza? Ny tsy maintsy ho vokatr’ izany amin’ ny farany dia hoheveriny ho ratsy izay rehetra soa. Tsy mijoro hiaro «ny finoana efa natolotra indray mandeha monja ho an’ ny olona masina» izy, fa ankehitriny. dia toa miala tsiny amin’ i Foma noho ny fiheverana tsy nisy fitiavana niheverany azy. ka mil’ona aminy noho ny fahateren-tsaina nentiny nitsara azy.HM 596.3

    Misy olona marobe, na dia amin’ ireo izay tsy mpakasitraka ny fivavahan’ i Roma aza, no tsy mahatsapa firy ny loza ateraky ny fahefany sy ny hery miasa mangina avy aminy. Betsaka no mitompo fa ny haizina ara-tsaina sy ara-panahy nanjaka nandritra ny Andro Antenantenany no nahatonga ny fielezan’ ny foto-pampianarany sy ny finoanoam-poany ary ny tsindrihazolena nataony fa ny fahazavantsaina bebe kokoa ananan’ ny olona amin’ izao andro «moderna» izao, ny fiparitahan’ ny fahalalana hatraiza hatraiza. sy ny fahalalahana ara-pivavahana mitombo hatrany, dia misakana ny fifohazan’ ny toe-tsaina tsy mahay mandefitra sy ny fitondrana tsy refcsimandidy. Ny fiheverana fa mety hisy ny toe-javatra toy izany amin’ izao andro mazava izao dia mahatsikaiky. Marina fa misy fahazavana lehibe ara-tsaina, ara-pitondrantena sy ara-pivavahana mamirapiratra amin’ ity taranaka ity. Noho ireo takilan’ ny Teny masin’ Andriamanitra voavelatra dia nisy fahazavana avy any an-danitra nitosaka teto amin’ izao tontolo izao. Tokony ho tsaroana anefa fa arakaraka ny habetsahan’ ny fahazavana nomena, no mainka maha-be ny fahamaizinan’ ireo izay mandoto sy mitsipaka izany.HM 596.4

    Ny fandinihana ny Baiboly amim-pivavahana dia haneho amin’ ny Protestanta ny tena toetry ny fahefana papaly ka hahatonga azy hankahala sy hanalavitra azy; nefa maro no mihevitra loatra ny tenany ho hendry hany ka tsy tsapany ny ilàny ny hitady an’ Andriamanitra amim-panetren-tena mba hitarihany azy ho amin’ ny fahamarinana. Na dia ireharehany aza ny fahazavan-tsaina ananany. dia samy tsy fantany na ny Soratra Masina na ny herin’ Andriamanitra. Tsy maintsy mahita fomba sasantsasany hampitonena ny feon’ ny fieritreretany izy, ary izay tsy ara-panahy firy sy tsy mampietry azy loatra no katsahany. izay iriny dia fomba hanadinoana an’ Andriamanitra kanefa azo heverina fa hahatsiarovana Azy koa. Mifanojo indrindra amin’ izay tadiavin’ ny olona rehetra tahaka ireny ny fahefana papaly. Manatanteraka ny fanirian’ ny antokon’ olona roa, izay saika mahafaoka an’ izao tontolo izao manontolo izy ireo izay te-ho voavonjy amin’ ny fahamendrehan’ ny tenany — ary ireo izay te-ho voavonjy na dia mitoetra ao amin’ ny fahotany aza. Ao no misy ny tsiambaratelon’ ny heriny.HM 597.1

    Voasehon’ ny tantara fa mahatonga ny fahombiazan’ ny fahefana papaly tokoa ny fotoana anjakan’ ny tsy fahalalana, ny haizina ara-tsaina. Haseho mazava amin’ ny ho avy kosa anefa fa ny fotoana hanjakan’ ny fahazavana ara-tsaina lehibe dia hahatonga fahombiazana toy izany ihany koa. Tamin’ ny andro fahiny, fony ny olona tsy nanana ny tenin’ Andriamanitra ary tsy nanana ny fahalalana ny fahamarinana, dia notampenany ny masony, ka an’ arivony no voafandrika, tsy nahita ny harato novelarina teo an-tongony. Amin’ ity taranaka ity, dia maro ireo jembin’ ny fanjelanjelatry ny hevitra volavolain’ ny olombelona ny masony, «izay atao hoe fahalalana kanjo tsy izy» hany ka tsy hitany ny harato ary latsaka ao mora foana toy ny jamba izy. Tian’ Andriamanitra raha raisin’ ny olombelona toy ny fanomezana avy amin’ Ilay Mpanao azy ny fahalalana ara-tsaina ka tokony hampiasaina hoenti-manompo ny marina sy ny fahamarinana; nefa kosa rehefa ny fireharehana sy ny hambom-po no ankamamiana, ka asandratry ny olona ho ambonin’ ny tenin’ Andriamanitra ny laha-kevitra aroson’ ny tenany, amin’ izay dia mety hahavita ratsy bebe kokoa noho ny tsy fahalalana ny fahakingan-tsaina. Toy izany ny «siansa» sandoka amin’ izao andro izao, izay mikiky ny finoana ny Baiboly, dia ho hita fa mahomby eo amin’ ny fanomanana ny lalàna ho amin’ ny fanekena ny fahefana papaly, amin’ izato endriny mahafinaritra, tahaka ny fanidiana ny fahalalana izay anomana ny lalàna hahabe voho izany fahefana izany tamin’ ny andro antenantenany nanjakan’ ny haizina.HM 597.2

    Ireo fihetsiketsehana mitombo any Etazonia ankehitriny mitady izay hanohanan’ ny fanjakana ireo asa najoron’ ny fiangonana sy ny fomba arahiny, dia mampiseho fa manara-dia an’ ireo mpiandany amin’ ny fahefana papaly ny Protestanta. Eny, mihoatra noho izany aza, mamoha ny varavarana hidiran’ ny fahefana papaly mba ahazoany indray any Amerika Protestanta ny fahefana fara-tampony izay veriny tany Eoropa izy. Ary izay mampisy dikany bebe kokoa io fihetsika io dia ny fanamafisana ny fitandremana ny Alahady no tena zava-dehibe banjinina — fanao izay tao Roma no niandohany ary arangarangany ho famantarana ny fahefany. Ny toe-tsain’ ny fahefana papaly — dia ny toe-tsaina mirona hanaraka ny fomba amam-panaon’ izao tontolo izao, ny fanajana ny lovan-tsofin’ olombelona ambonin’ ny didin’ Andriamanitra — izany no mahazo vahana ao amin’ ny fiangonana Protestanta ka mitarika azy ireo hanao ny asa fanandratana ny Alahady izay efa nataon’ ny fahefana papaly talohany.HM 598.1

    Raha tian’ ny mpamaky ho fantatra ny amin’ ireo fitaovana hampiasaina amin.’ ny fifandonana efa manakaiky, dia aoka homarihiny fotsiny izay nampiasain’ i Roma ho amin’ izany ihany tamin’ ny andro lasa. Raha tiany ho fantatra izay ho fihetsik’ ireo mpiandany amin’ ny papa sy ny Protestanta tafaray ka hataony amin’ izay mitsipaka ny foto-pampianarany, dia aoka izy hijery ny fomba fihetsik’ i Roma tamin’ ny mpitandrina ny Sabata sy ireo mpiaro azy.HM 598.2

    Ny didy navoakan’ ny mpanjaka, ny konsily lehibe fiheverandraharaha ary ny lalàna nataon’ ny fiangonana notohanan’ ny fahefam-panjakana, no dingana niakaran’ ny androm-piravoravoana jentilisa ho amin’ ny toeram-boninahitra eo amin’ ny fivavahana kristiana. Ny lalàna voalohany navoaka hanamafisana ny fitandremana ny Alahady dia ny lalàna nataon’ i Constantin (A. D. 321; jereo fanampiny). Io didy io dia nampitsahatra ny mponina an-tanàndehibe amin’ ny «andro be voninahitry ny masoandro», fa namela kosa ny tantsaha hanohy ny asa famboleny sy fiompiany. Na dia mazava aza ny maha-jentilisa an’ io fitsipika io, dia nohamafisin’ ny amperora izany rehefa nanaiky am-bavany fotsiny ny fivavahana kristiana izy.HM 598.3

    Satria hita fa tsy ampy ho solon’ ny fahefan’ Andriamanitra ny didy avoakan’ ny mpanjaka, dia naroson’ i Eusèbe, izay eveka nitady sitraka tamin’ ireo andriandahy ary sakaiza manokan’ i Constantin sady mpanasohaso azy, ny filazana fa i Kristy no efa namindra ny Sabata ho Alahady. Tsy nisy fanambarana avy tao amin’ ny Soratra Masina na dia iray aza naseho ho fanamarinana ilay fampianarana vaovao. Na i Eusèbe aza dia nanaiky tsy nahy ny fahadisoan’ izany ary nanondro ireo tena nanao ny fanovana. «Ny zavatra rehetra», hoy izy, «na inona na inona tokony hatao amin’ ny Sabata, dia efa nafindranay ho tamin’ ny Andron’ ny Tompo». -Robert Cox,Sabbat Laws and Sabbat Dutres, p. 538. Nefa ny fonjan-kevitra momba ny Alahady, na dia tsy marimpototra aza, dia nahatonga ny olona ho sahy hanitsakitsaka ny Sabatan’ i Jehovah. Izay rehetra naniry ny homem-boninahitra teo amin’ izao tontolo izao dia nanaiky ny androm-piravoravoana mamimbahoaka.HM 599.1

    Rehefa mafy ny fanorenana ny fahefana papaly, dia nitohy ny asa fanandratana ny Alahady. Nandritra ny fotoana izay tsy nankanesan’ ny mpamboly tany am-piangonana ny alahady, dia mbola noheverina ho Sabata ihany ny andro fahafito. Nefa dia nandroso hatrany ny fanovana. Norarana tsy hamoaka didimpitsarana mikasika ny fiainam-bahoaka tamin’ ny Alahady ireo mpitsara. Tsy ela akory taty aoriana ny olona rehetra, na toy inona na toy inona laharana nisy azy dia nodidina hampijanona ny asa fanaony andavanandro rehefa tonga ny Alahady, raha tsy izany dia nandoa sazy raha olona afaka, ary nokapohina kosa raha mpanompo. Tatý aoriana dia navoaka ny didy famerezana ny antsasaky ny fananany ho famaizana ny mpanankarena; ary raha mbola mikiribiby izy dia handevozina. Ny sarangan’ olona ambanimbany kokoa dia natao sesitany mandra-pahafatiny.HM 599.2

    Natsangana ho mpanohana koa ny fahagagana. Anisan’ ny zavamahatalanjona dia ny tantaran’ ity mpamboly sy mpiompy izay andeha hiasa ny taniny tamin’ ny alahady ka nanadio ny angadin’ ombiny tamin’ ny fiasana iray; niraikitra tamin’ ny tanany io fiasana io ary nandritra ny roa taona dia nolanjainy teny ihany, «sady nampijaly azy lozan-tany izany no henatra lehibe ho azy koa»‘ Francis West,Historical and Pratical Discourse on the Lords Day, p.174.HM 599.3

    Taty aoriana dia nanome baiko ny pretra isaky ny paroasy ny papa mba hananatra ny mpandika ny Alahady ary hampirisika azy ho any am-piangonana sy hanao ny fivavahany, andrao dia mahatonga loza amin’atambo amin’ ny tenany sy amin’ny mpifanolobodirindrina aminy. Nisy fivorian’ ny mpitondra fivavahana nandroso fonjankevitra. izay nampiasaina im-betsaka hatramin’ izay, na dia teo amin’ ny Protestanta aza, nilaza fa satria nisy olona nilatsahan’ ny varatra raha niasa tamin’ ny Alahady, dia tsy maintsy ho Sabata izany io audio io. «Mazava». hoy ireo mpitondra fivavahana ambony, «ny tsy fankasitrahan’ Andriamanitra ny fanaovany an-tsirambina io andro io». Nisy antso nalefa tamin’ izay tamin’ ny pretra sy ny mpitandrina, ny mpanjaka sy ny andriandahy, ary ny mpino rehetra mba «hanaovany ny ezaka sy ny fikarakarana rehetra hamerenana io audio io amin’ ny toeram-boninahiny sy hitandremana izany amin-kafanampo bebe kokoa amin’ ny andro ho avy, mba ho lazan’ ny fivavahana Kristiana». Thomas Morer.Discourse un Six Dialogue on the Name, Notion, and Observation of Lords Day, p. 271HM 600.1

    Rehefa hita fa tsy ampy ny didy navoakan’ ny Konsily dia ny fahefam-panjakana no niangaviana hamoaka didy izay hampivadi-po ny vahoaka ka hanery azy hijanona tsy hiasa amin’ ny Alahady. Tamin’ ny Synoda nivory tany Roma, dia nohamafisina indray hanankery bebe kokoa ireo fanapahan-kevitra teo aloha rehetra. Natsofoka ho anisan’ ny lalàm-piangonana izy ireny ary nankatoavin’ ny fahefam-panjakana saiky nanerana ny tany Kristiana rehetra. (Jereo Heyryn, History of the Sabbat, fizarana 2, toko 5, andininy faha-7)HM 600.2

    Ny tsy fisian’ ny fahefana avy amin’ny Soratra Masina nanohana ny fitandremana ny Alahady anefa dia mbola nanelingelina fatratra. Nanontanian’ ny olona ny zon’ ireo mpampianatra azy nitsipaka ny fanambarana mazava nataon’ i Jehovah hoe: «Sabatan’ i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito» mba hanajana ny andron’ ny masoandro. Nilaina ny zavatra hafa mba hamenoana ny fahabangan’ ny porofo avy amin’ ny Baiboly. Nisy mpiaro ny Alahady nafana fo, izay nitsidika ny fiangonana tany Angletera tokony ho tamin’ ny faramparan’ ny taonjato faharoa ambin’ ny folo, izay notoherin’ ireo vavolombelona nahatokin’ ny fahamarinana. Tena tsy nisy vokatra mihitsy ny fiezahany. ka niala vetivety tamin’ io tany io izy aloha ary nikaroka fomba hoenti-manamafy ny fampianarany. Rehefa niverina izy. dia feno ny banga, ary nahita fahombiazana be kokoa izy tamin’ ny asa nataony taty aoriana. Nitondra horonan-taratasy izy izay nolazainy fa avy tany amin’ Andriamanitra mihitsy, nisy ny didy nilaina momba ny fitandremana ny Alahady, niaraka tamin’ ny fampitahorana mahatsiravina hampivarahontsana ny tsy mankatò. Io taratasy sarobidy io — izay hosoka ambany dia ambany tahaka ny zavatra naorina notohanany — dia nolazaina fa latsaka avy tany an-danitra ka hita tany Jerosalema, teo amin’ ny alitaran’ i Md Simeona, tany Gologota. Nefa ny marina, dia tao amin’ ny lapan’ ny papa tany Roma no toerana niaviany. Ny hosoka sy ny lainga notefitefena ho entina hampandrosoana ny fahefan’ ny fiangonana sy ny fahombiazany dia noraisin’ ireo ambaratongampahefana papaly hatramin’ ny ela ho ara-dalàna.HM 600.3

    Ilay horonan-taratasy dia nandrara ny hiasana nanomboka tamin’ ny ora fahasivy (izany hoe hatramin’ ny telo), tamin’ ny Asabotsy folak’ andro, ka hatramin’ ny fiposahan’ ny masoandron’ ny Alatsinainy, ary voalaza fa nohamarinin’ ny fahagagana maro ny fahefan’ io horonan-taratasy io. Notantaraina fa nisy olona niasa ankoatry ny ora voatondro ka nanjary nalemy. Nisy mpitoto vary saika hitoto koba kanjo ra no hitany niboiboika ary nitokona tsy nihodina ilay milina fitotoam-bary, na dia nisasasasa mafy aza ny fiavin’ ny rano nampandeha azy. Nisy koa vehivavy nametraka koba atao mofo tao amin’ ny lafaoro ary tsy masaka izany rehefa navoakany, na dia nafana be aza ny lafaoro. Nisy anankiray izay efa nanomana koba hanaovana mofo tamin’ ny ora fahasivy, nefa tapa-kevitra ny hamela izany hatramin’ ny Alatsinainy, dia nahita ny ampitson’ iny, fa masaka nandrahoin’ ny herin’ Andriamanitra ny mofo. Nisy olona nahandro mofo taorian’ ny ora fahasivy tamin’ ny Asabotsy. rehefa namaky izany mofo izany izy ny ampitso maraina, dia nisy ra nivoaka avy tao. Zavatra noforomporonina tsy nisy dikany sy finoanoain-poana toy izany no nataon’ ireo mpiaro ny Alahady mba hiezahany hampitoerana ny fahamasinany. (Jereo Roger Hoveden, Annals, boky faha-2, p. 528-530)HM 601.1

    Tany Ekaosy, tahaka ny tany Angletera, dia nisy ampahan’ ny Sabata taloha nakambana tamin’ ny Alahady mba hisian’ ny fanajana bebe kokoa ny Alahady. Samihafa anefa ny fotoana nasaina nohamasinina. Nisy didy navoakan’ ny mpanjakan’ i Ekaosy nilaza fa: «Ny Asabotsy manomboka amin’ ny roambinifolo antoandro dia tokony hisaina ho masina», ary tsy misy olona hatramin’ io fotoana io ka hatramin’ ny Alatsinainy maraina, tokony hanao asa amandraharaha araka izao tontolo izao. Morer, p. 290, 291. ‘ Na teo aza ny ezaka rehetra natao mba hampitoerana ny fahamasinan’ ny Alahady, dia ireo papista mihitsy no niaiky am-pahibemaso ny maha-avy amin’ ny fahefan’ Andriamanitra ny Sabata sy ny maha-avy amin’ olombelona ity vao naorina izay nisongona ny toeran’ ny Sabata. Tamin’ ny taonjato faheninambinifolo dia nisy Konsily papaly nanao fanambarana mazava hoe: «Aoka ho tsarovan’ ny Kristiana rehetra fa Andriamanitra no nanamasina ny andro fahafito, izay tsy ny jiosy ihany no efa nanaiky sy nitandrina azy, fa ny hafa rehetra koa izay nihambo ho nivavaka amin’ Andriamanitra; isika Kristiana kosa dia nanova ny Sabatan-drizareo ho amin’ ny Andron’ ny Tompo». — Ibid, p. 281, 282. Fantatr’ ireo izay nanohintohina ny didin’ Andriamanitra tsara ny toetry ny asa nataony. Ninia nametraka ny tenany ho ambonin’ Andriamanitra izy.HM 601.2

    Ohatra anankiray manaitra ny amin’ ny fihetsik’ i Roma amin’ ireo izay tsy nifanaraka taminy dia ny fanenjehana naharitra sy feno fandatsahan-dra nataony tamin’ ny «Vaudois» ; ary nisy mpitandrina ny Sabata tamin’ izy ireny. Nisy hafa koa nijaly tamin’ ny fomba tahaka izany ihany, noho ny fahatokiany tamin’ ny didy fahefatra. Miavaka amin’ ny fomba manokana ny tantaran’ ny fiangonan’ i Etiopia (Abysinia taloha). Nandritra ireo fotoana nanjombona nanjakan’ ny haizina tamin’ ny Andro Antenantenany, dia tsy tazan’ ny mason’ izao tontolo izao sady hadinony ireo kristiana tany Afrika afovoany, ka afaka nivelona malalaka tamin’ ny finoany izy ireo nandritra ny taonjato maro. Nony farany anefa dia ren’ i Roma ny fisiany, koa vetjvety dia notaomina am-pitaka ny amperoran’ i Abysinia mba hanaiky ny papa ho solontenan’ i Kristy. Nanaraka ny fandeferana hafa. Nisy didy navoaka izay nandrara ny fitandremana ny Sabata izay nanasazina mafy indrindra. (Jereo Michael Geddes, Church History of Ethiopia, p. 311, 312) Vetivety anefa dia nanjary zioga nampangirifiry loatra ny fanjakazakan’ ny fahefana papaly hany ka nanapa-kevitra ireo Abysiniana fa hanakifaka an’ izany tsy ho eo ambozony intsony. Nisy ady mafy ka voaroaka hiala ny tanin’ izy ireo ny Romanista ary nampodina tamin’ ny laoniny ny finoana taloha. Nifaly tamin’ ny fahafahany ny fiangonana ary tsy hadinony na oviana na oviana ny lesona izay efa nianarany mikasika ny fitaka, ny fitompoan-teny fantatra, sy ny fahefana manjakazakan’ i Roma. Nianina tao amin’ ny fanjakana mitokatokana izy, tsy fantatry ny fanjakana kristiana rehetra.HM 602.1

    Ireo fiangonana tany Afrika dia nitandrina ny Sabata tahaka ny nitandreman’ ny fiangonana papaly azy talohan’ ny fihemorany tanteraka. Sady nitandrina ny andro fahafito izy ho fankatoavana ny didin’ Andriamanitra, no tsy niasa koa ny Alahady araka ny fomba amam-panaon’ ny fiangonana. Rehefa azon’ i Roma ny fahefana fara-tampony dia nohitsakitsahiny ny Sabatan’ Andriamanitra mba hanandratany ny azy; tsy nandray anjara tamin’ izany fihemorana izany anefa ny fiangonana tany Afrika, izay voafina saiky nandritra ny arivo taona. Rehefa mby teo ambany fahefan’ i Roma izy ireo dia noterena hiala tamin’ ny Sabata marina ka hanandratra ny sandoka ; nefa raha vantany vao tafaverina ny fahaleovantenany dia niverina nankatò ny didy fahefatra izy. (Jereo Fanampiny)HM 603.1

    Mampiharihary mazava ny fankahalan’ i Roma ny Sabata marina sy ireo mpiaro azy ny tantara momba ny lasa, sy ny fomba nampiasainy mba hanajana ny Sabata natsangany. Milaza ny tenin’ Andriamanitra fa hiverina indray izany toe-javatra izany rehefa hiray ny Katolika Romana sy ny Protestanta hanandratra ny Alahady.HM 603.2

    Ambaran’ ny faminaniana ao amin’ ny Apokalypsy faha 13 fa ny fahefana asehon’ ilay bibidia «nanan-tandroka roa toy ny an’ ny zanak’ ondry dia handidy» ny tany mbamin’ izay monina eo hiankohoka eo anoloan’ ny fahefana papaly, izay aseho an’ ohatra eto ny bibidia «tahaka ny leoparda». Ilay bibidia manan-tandroka roa koa dia milaza «amin’ izay monina ambonin’ ny tany mba hanao sary ho an’ ny bibidia» ; ankoatr’ izany dia handidy ny olona rehetra izy, na ny kely na ny lehibe, na manan-karena na malahelo, na ny tsy andevo na ny andevo, handray ny mariky ny bibidia» 4Apok. 13 : 11-16. Efa nolazaina fa Etazonia no ilay fahefana asehon’ ny bibidia manan-tandroka rOa tahaka ny an’ ny Zanak’ ondry, ary hotanteraka io faminaniana io rehefa hanamafy ny fitandremana ny Alahady i Etazonia, izay lazain i Roma fa fanekena manokana ny fahefana faratampony ananany. Anefa tsy ho irery tsy akory i Etazonia amin’ io fankalazana ny fahefana papaly io. Mbola tsy levona velively ny hery miasa mangina avy amin’ i Roma amin’ ireo tany izay efa nanaiky ny fahefany. Ary ny faminaniana dia manambara mialoha ny fampodiana indray ny fahefany. «Ary hitako ny lohany anankiray, izay toa voa ka efa ho faty ; nefa sitrana ihany ilay feriny saiky nahafaty azy , ary gaga ny tany rehetra nanaraka an’ ilay bibidia» 5Apok. 13 : 3. Ilay fery saiky nahafaty azy dia manondro ny firodanan’ ny fahefana papaly tamin’ ny taona 1798. Rehefa afaka izany, hoy ny mpaminany, dia «sitrana ihany ilay feriny saiky nahafaty azy ; ary gaga ny tany rehetra nanaraka ilay bibidia». Lazain’ i Paoly mazava fa «i1ay lehilahin’ ota» 62 Tes. 2 : 3 - 8 dia haharitra mandra-piverin’ i Kristy fanindroany. Hotohizany hatramin’ ny fiafaran’ ny andro ny asa famiiahana ataony. Izao koa no ambaran’ ny mpanoratra ny Apokalypsy raha milaza ny amin’ ny fahefana papaly izy : «Ary hiankohoka eo anoloany ny olona rehetra ambonin’ ny tany. dia izay tsy manana ny anarany voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny fiainana» 7Apok. 13 : 8. Na any Eoropa na any Etazonia dia ho fanomezam-boninahitra ny fahefana papaly ny fanajana ny Alahady, izay tsy manana fanorenana hafa afa-tsy ny fahefan’ ny Eglizin’ i Roma ihany.HM 603.3

    Hatramin’ ny’ antenantenan’ ny taonjato fahasiviambinifolo no efa nanambaran’ ireo mpandinika ny faminaniana tany Etazonia izany tamin’ izao tontolo izao. Ny toe-javatra miseho ankehitriny dia dingan-dava ho amin’ ny fanatanterahana io fanambarana mialoha io. Ireo mpampianatra Protestanta koa dia milaza fa miompana amin’ ny fahefan’ Andriamanitra ny fitandremana ny Alahady, ary tsy manana porofo avy amin’ ny Soratra Masina koa izy, toy ireo mpitarika papaly izay namoroporona fahagagana mba hamenoana ny toeran’ ny didin’ Andriamanitra. Haverina indray ny fanantitranterana fa hihatra amin’ ny olona ny fitsaran’ Andriamanitra noho ny fandikany ny Sabata Alahady ; efa manomboka sahady izao ny fanizingizinana momba izany. Ary miha-mahazo vahana haingana ny fihetsiketsehana mba hanamafisana ny fitandremana ny Alahady.HM 604.1

    Mahagaga ny hafetsena sy ny fitapitaka ataon’ i Eglizin’ i Roma. Afaka mamaky ny ho avy izy. Miandry ny fotoana mety izy ;hitany mantsy fa manome voninahitra azy ny fiangonana Protestanta amin’ ny fanekeny ny Sabata sandoka sady miomana ny hanamafy izany amin’ ny fomba izay efa nampiasainy tamin’ ny andro lasa izy. Ireo izay mitsipaka ny fahazavan’ ny fahamarinana dia hitady ny fanampian’ ilay fahefana misora-tena ho tsy mety diso mba hanandratany ny andro izay notendren’ ny tenany ihany. Tsy sarotra ny maminavina fa ho vonona tokoa izy hanampy ny Protestanta amin’ io asa io. Iza moa no mahafantatra mihoatra noho ny mpitarika ao amin’ ny fahefana papaly ny fomba hitondrana ireo izay tsy mankatò ny Eglizy ?HM 604.2

    Ny fiangonana Katolika Romana izay miely patrana eran-tany dia fikambanana midadasika anankiray eo ambany fifehezan’ ny foiben-toerana papaly ary natao mba hiaro ny tombon-tsoany. Ireo mambra mpandray an-tapitrisany ao aminy, izay avy amin’ ny tany rehetra manerana an’ izao tontolo izao dia ampianarina hihevitra ny tenany ho voafatotry ny fanekena ny papa. Na inona na inona firenena misy azy na toy inona na toy inona fitondram-panjakana misy any aminy, dia tokony hihevitra ny fahefan’ ny eglizy ho ambonin’ ny hafa rehetra izy. Na dia nety nanao fianianana aza izy fa ho mahatoky amin’ ny fanjakana, ao ivohon’ izany kosa dia misy ny voady hankatò an’ i Roma, izay manafaka azy amin’ ny fanekena rehetra mifanohitra amin’ ny tombon-tsoan’ i Roma.HM 605.1

    Hamarinin’ ny tantara ny fiezahana feno hakingana sy fikirizana nataony mba hitsofohany ao amin’ ny raharahan’ ny firenen-tsamihafa; ary rehefa nahazo toerana hamaharana izy. dia ataony izay hahatontosa ny zava-kendreny, na dia hanapotika ny mpitondra sy ny vahoaka aza izany. Tamin’ ny taona 1204, i Petera II, mpanjakan’ i Aragon, dia nahazoan’ ny Papa Innocent III izao fianianana mahagaga izao: «lzaho. Petera. mpanjakan’ ny Aragoniana, dia milaza sy mampanantena fa ho mahatoky mandrakariva sy hankatò ny tompoko, ny Papa Innocent, sy ireo katolika mpandimby azy. ary koa ny Eglizy Romana. ary ho mahatoky amin’ ny fihazonana ny fanjakako amin’ ny fankatoavana azy. ka hiaro ny finoana Katolika sy hanenjika ny «heretika» mampidi-doza». John Dwoling.The History of Romanism,boky faha 5. toko faha 6, fizarana faha-55. Mifandrindra amin’ ny filazana feno hambo momba ny fahefan’ ny papa izany fa «ara-dalàna aminy ny manaisotra ny amperora» sy «ny mamotsotra ny vahoaka amin’ ny tokim-panompoana nataony tamin» ireo mpanapaka tsy marina». Mosheim. Ecclesiastical History, boky faha 3. taonjato faha 11. fizarana faha 2. toko faha 9, andininy faha 9, fanamarihana faha-17 (Jereo koa Fanampiny).HM 605.2

    Ary aoka ho tsaroana fa reharehan’ i Roma ny tsy fiovany na oviana na oviana. Ireo foto-kevitra najoron’ i Grégoire fahafito sy Innocent fahatelo no mbola filamatra arahin’ ny Eglizy Romana ihany. Ary raha ananany ny fahefana dia hampihariny ankehitriny amin’ ny fomba maherihery kokoa izany noho ny tamin’ ny taonjat. lasa. Tsy fantatry ny Protestanta firy ny ataony rehefa manaiky ny fanampian’ i Roma izy eo amin’ ny asa fanandratana ny Alahady. Raha mbola milofo hanatanteraka ny fikasany izy ireo. i Roma kosa mikendry ny hampitoetra indray ny heriny, sy hampody indray ny fahefana fara-tampony nananany. Aoka fotsiny ange ho tafaorina any Etazonia ny foto-kevitra milaza fa azon’ ny fiangonana ampiasaina na fehezina ny fahefam-panjakana ; fa azon’ ny lalàm-panjakana atao ny manamafy ny fitsipika ara-pivavahana ; raha fintinina, fa afaka hanapaka amin’ ny feon’ ny fieritreretana ny fahefan’ ny fiangonana sy ny an’ ny fanjakana, dia ho azo antoka amin’ izay ny fandresen’ i Roma ao amin’ io tany io.HM 605.3

    Efa nampitandrina ny amin’ ny loza mitatao ny tenin’ Andriamanitra ; raha tsy arahina izany, dia ho fantatry ny Protestanta ny tena fikasan’ i Roma marina, nefa amin’ izay dia efa diso aoriana loatra ny handosirana ny fandrika. Mitombo miandalana ao amin’ ny fahanginana ny heriny. Mahazo vahana any amin’ ny toerana fanaovan-dalàna ny fampianarany, any amin’ ny fiangonana sy ao am-pon’ ny olona. Manangana trano mijoalajoala sy goavana izy any amin’ ny toerana miafinafina izay hamerenany indray ny fanenjehana nataony teo aloha. Miafinafina sady tsy ampoizina no ampitomboany ny heriny entiny hampandroso ny fikasany rehefa tonga ny fotoana hamelezany. Ny hany tadiaviny dia ny ahazoany mibahana, ary efa omena azy sahady izany. Vetivety dia ho hitantsika sy ho tsapantsika ny zava-kendren’ i Roma. Na iza na iza hino sy hankatò ny tenin’ Andriamanitra dia hizaka faniniana sy fanenjehana noho izany.HM 606.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents