Toko 27—Fifohazana moderna
Hery Mifanandrina
- Contents- Fizahan-takelaka
- Ala-sarona
- Fitarihan-teny
- Toko 1—Ny nandravana an’ i Jerosalema
- Toko 2—Ny fanenjehana tamin´ ireo taonjato voalohany
- Toko 3—Ny fihemorana
- Toko 4—Ireo Vaudois
- Toko 5—Jean Wiclef
- Toko 6—Hus sy Jérôme
- Toko 7—Nisaraka tamin’ i Roma i Lotera
- Toko 8—Lotera tso anatrehan’ ny Filankevitry ny fanjakana foibe
- Toko 9—Ilay mpanavao fivavahana Soisa
- Toko 10—Ny fandrosoan’ ny fanavaozana ara-pivavahana tany Alemaina
- Toko 11—Fanoherana nataon’ ny Andriandahy
- Toko 12—Ny fanavaozana ara-pivavahana tany Frantsa
- Toko 13—Ny tany avaratra sy Skandinavia
- Toko 14—Ireo mpanavao fivavahana Anglisy taty aoriana
- Toko 15—Ny Baiboly sy ny tolompiavotana Frantsay
- Toko 16—Ireo mpivahinin’ ny fahafahana
- Toko 17—Mpitondra hafatry ny maraina
- Toko 18—Mpanavao fivavahana Amerikana
- Toko 19—Fahazavana ao anaty haizina
- Toko 20—Fifohazana lehibe ara-pivavahana
- Toko 21—Hafatra fampitandremana notsipahina
- Toko 22—Ireo faminaniana tanteraka
- Toko 23—Inona ny fitoerana masina ?
- Toko 24—Ao amin’ ny masina indrindra
- Toko 25—Ny lalàn’ Andriamanitra tsy azo ovana
- Toko 26—Fanavaozana tsy maintsy ilaina
- Toko 27—Fifohazana moderna
- Toko 28—Eo am-piatrehana ny tantaram-piainantsika
- Toko 29—Ny niavian’ ny ratsy
- Toko 30—Fifandrafiana eo amin’ ny olombelona sy Satana
- Toko 31—Ny anjely tsara sy ny fanahy ratsy
- Toko 32—Ireo fandrik’ i Satana
- Toko 33—Ilay fitaka lehibe voalohany
- Toko 34—Afaka hifanerasera amintsika ve ny maty ?
- Toko 35—Tandindomin-doza ve ny faha-fahana hivavaka araka ny fieritreretana ?
- Toko 36—Mananontanona ny fifandonana farany
- Toko 37—Fiarovana azo antoka
- Toko 38—Ny fampitandremana farany
- Toko 39—Ny andro fahoriana
- Toko 40—Fanafahana ny vahoakan’ Andriamanitra
- Toko 41—Misaona ny tany
- Toko 42—Mifarana ny ady
Search Results
- Results
- Related
- Featured
- Weighted Relevancy
- Content Sequence
- Relevancy
- Earliest First
- Latest First
- Exact Match First, Root Words Second
- Exact word match
- Root word match
- EGW Collections
- All collections
- Lifetime Works (1845-1917)
- Compilations (1918-present)
- Adventist Pioneer Library
- My Bible
- Dictionary
- Reference
- Short
- Long
- Paragraph
No results.
EGW Extras
Directory
Toko 27—Fifohazana moderna
Na taiza na taiza nitoriana ny tenin’ Andriamanitra tamim-pahatokiana dia nahitam-bokatra izay nanamarina ny maha-avy tamin’ Andriamanitra ny hafatra. Nomba ny hafatra nentin’ ny mpanompony ny Fanahin’ Andriamanitra ka nanan-kery ny teny. Tsapan’ ny mpanota fa nihamatanjaka ny feon’ ny fieritreretany. Ny «mazava izay nahazava ny olona rehetra tonga amin’ izao tontolo izao» no namirapiratra tao amin’ ny efitra manginginan’ ny fanahiny ka niharihary ny zavatra nosaronan’ ny haizina. Niaiky marina tokoa ny saina amam-pony. Resy lahatra ny amin’ ny fahotana sy ny fahamarinana ary ny fitsarana ho avy izy. Nahatsapa ny fahamarinan’ i Jehovah izy ka tora-kovitra ny hiseho, amin’ ny fahadisoany sy ny tsy fahadiovany, eo anatrehan’ Ilay Mpandinika ny fo. Tamim-pitebitebena no niantsoany hoe : «Iza no hanafaka ahy amin’ ny tenan’ ity fahafatesana ity ?» Rehefa nasehony ny fijalian’ i Kalvary, sy ny sorona sarobidy naterina teo noho ny fahotan’ ny olombelona, dia hitan’ izy ireo fa tsy misy afa-tsy ny fahamendrehan’ i Kristy no ampy hanavotana ny fandikan-dalàna nataony ; io ihany no afaka hampihavana azy amin’ Andriamanitra. Tamim-pinoana sy fanetren-tena no nanekeny ny Zanak’ ondrin’ Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’ izao tontolo izao. Tamin’ ny alalan’ ny ran’ i Jesosy no «tsy namalian’ Andriamanitra ny fahotany lasa».HM 475.1
Ireny fanahy ireny dia nitondra vokatra mendrika ny fibebahana. Nino izy dia natao batisa, ary nitsangana mba handeha amin’ ny fiainam-baovao — dia olom-baovao ao amin’ i Kristy Jesosy ; tsy araka ny filan’ ny nofo teo aloha, fa hanaraka ny dian’ ny Zanak’ Andriamanitra, amin’ ny alalan’ ny finoana Azy, hitaratra ny toetra amam-panahiny ary hanadio ny tenany mba hadio tahaka Azy. Ny zavatra nankahalainy teo aloha no ankamamiany ankehitriny ary izay notiaviny kosa dia manjary ankahalainy izao, ny mpirehareha sy ny mpitompo-teny fantatra dia nanjary nalemy fanahy sy tsy niavona am-po. Ny mpieboebo foana sy ny mpanambony tena nanjary maotona sy mipetrapetraka. Ny mpaniratsira tonga feno fanajana, ny mpidoroka mahonon-tena ary ny mpijangajanga madio fiaina. Nafoy ireo fomba amam-panaon’ izao tontolo izao tsy misy antony. Tsy nitady ny firavaka eny ivelany ny Kristiana, «toy ny firandranambolo sy ny firava-bolamena na ny fiakanjoana fa . . . ny toetra miafina ao am-po, izay tsy mety lo, dia ny fanahy malemy sady miadana izay soa indrindra eo imason’ Andriamanitra»11 Pet. 3 : 3 , 4.HM 475.2
Nitarika fandinihana lalina ny fo sy fanetren-tena ny fifohazana. Nampiavaka izany ny antso fampieritreretana sy mafana natao tamin’ ny mpanota, ary koa ny alahelo sy ny fangorahana an’ ireo izay novidin’ ny ran’ i Kristy. Na lehilahy na vehivavy dia samy nivavaka sy nitolona tamin’ Andriamanitra ho an’ ny famonjena fanahy. Ny vokatry ny fifohazana toy izany dia hita teo amin’ ny fanahy izay tsy nihemotra teo anatrehan’ ny fandavan-tena sy fahafoizan-tena, fa nifaly kosa satria natao mendrika ny hiaritra fanomezan-tsiny sy fitsapana noho ny amin’ i Kristy. Hitan’ ny olona fa nisy fiovana teo amin’ ny fiainan’ ireo izay efa nanaiky ny anaran’ i Jesosy. Nandray tombon-tsoa noho ny asa mangina avy taminy ny mpiara-monina. Niara-nanangona tamin’ i Kristy izy, namafy ho an’ ny Fanahy, ary nijinja fiainana mandrakizay.HM 476.1
Azo lazaina ny aminy izao teny izao : «nampahalelovina mba hibebaka ianareo». «Fa ny alahelo araka an’ Andriamanitra miasa ho fibebahana ho famonjena tsy hanenenana ; fa miasa fahafatesana kosa ny alahelon’ izao tontolo izao. Fa, indro, izany nampahalelovana araka an’ Andriamanitra izany indrindra dia nahatonga fahazotoana manao ahoana teo aminareo ! eny, fialan-tsiny manao ahoana ! faniriana manao ahoana ! zotom-po manao ahoana ! famaliana ny ratsy manao ahoana ! Tamin’ izany rehetra izany dia nampiseho ny fahadiovanareo ny amin’ izany raharaha izany ianareo»222 Kor. 7 : 9-11.HM 476.2
Izany no vokatry ny asan’ ny Fanahin’ Andriamanitra. Tsy misy porofon’ ny fibebahana marina raha tsy misy asa fanavaozana. Raha mamerina ny tsatòka ny mpanota, mampody izay nangalarina, miaiky ny fahotany ary tia an’ Andriamanitra sy ny mpiara-belona aminy, dia azon’ ny mpanota antoka fa vita fihavanana amin’ Andriamanitra izy. Toy izany no vokatra hita nanaraka ny fotoam-pifohazana ara-pivavahana tamin’ ny andro tany aloha. Rehefa tsaraina amin’ ny voany izy ireny dia fantatra fa notahin’ Andriamanitra ho famonjena ny olona sy ny fanandratana ny olombelona.HM 476.3
Fa maro amin’ ny fifohazana amin’ ny andro moderna no ahitana toetra mifanohitra amin’ ny fisehoan’ ny fahasoavan’ Andriamanitra izay nanaraka ny asan’ ny mpanompon’ Andriamanitra tamin’ ireo andro voalohandohany. Marina fa misy fahalianana hita ombieniombieny, betsaka no milaza fa nibebaka, ary be dia be no miditra ho anisan’ ny fiangonana; na dia izany aza, ny vokatra hita dia tsy mampino anay fa misy fitomboan’ ny fiainana ara-panahy mifanaraka amin’ izany. Ny fahazavana izay nidedadeda fotoana fohy dia maty vetivety, ka mainka mikitroka noho ny teo aloha ny haizina.HM 477.1
Matetika loatra ny fifohazana eo amin’ ny vahoaka no vokatry ny fientanentanan’ ny eritreritra fotsiny, amin’ ny fanaitairana ny fihetseham-po, amin’ ny fitiavana ny zava-baovao sy manaitra tampoka. Ny olona azo amin’ izany fomba izany dia tsy manana faniriana firy hihaino ny fahamarinan’ ny Baiboly, ary tsy liana loatra handre ny teny vavolombelon’ ny mpaminany sy ny apostoly. Raha tsy misy zavatra manaitaitra ao amin’ ny fanompoam-pivavahana, dia tsy mahasarika azy ireny. Tsy mampiraika azy ny hafatra izay miteny amin’ ny saina tsy misy fihetseham-po. Tsy henoiny ny fampitandremana mazava avy amin’ ny Tenin’ Andriamanitra, izay mikasika mivantana ny tombon-tsoany mandrakizay.HM 477.2
Ny fifandraisana amin’ Andriamanitra sy amin’ izay maharitra mandrakizay no zava-dehibe indrindra eo amin’ ny fiainana ho an’ ny fanahy rehetra tena mibebaka marina. Aiza anefa ny tena fanolorantena marina ho an’ Andriamanitra ao amin’ ny fiangonan’ ny besinimaro ankehitriny ? Tsy nahafoy ny avonavony sy ny fitiavany an’ izao tontolo izao ireo mpanatona. Tsy vonona kokoa handà tena, hitondra ny hazo fijaliany sy hanaraka an’ Ilay Jesosy malemy fanahy sy tsy miavona am-po noho ny talohan’ ny fiovam-pony izy. Nanjary fihomehezana ho an’ ny tsy mino sy ny misalasala ny fivavahana satria betsaka loatra ireo izay nitondra ny anarany no tsy nahalala mihitsy ny foto-kevitra iorenany. Efa saiky niala tsy ho eo amin’ ny fiangonana maro ny herin’ ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra. Nandroaka ny fisainana momba an’ Andriamanitra ny fitsangatsan- ganana, ny fampisehoana an-dampihazo, ny tsenabem-piangonana, ny trano kanto dia kanto, ny fitiavan-kisehoseho. Mibahana ao an-tsaina ny fananan-tany sy harena ary ny asa aman-draharaha araka izao tontolo izao, ka zara raha miserana vetivety ao ny zavatra izay misy tombany mandrakizay.HM 477.3
Na dia eo áza ny fitambotsoran’ ny finoana sy ny fitiavam-bavaka hita hatraiza hatraiza,. dia misy mpanaraka an’ i Kristy marina ao amin’ ireny fiangonana ireny. Alohan’ ny hiharan’ ny fitsaran’ Andriamanitra farany amin’ ny tany dia hisy fifohazan’ ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra eo amin’ izay tsy mbola hita hatramin’ ny andron’ ny apostoly eo amin’ ny vahoakan’ ny Tompo. Harotsaka amin’ ny zanak’ Andriamanitra ny Fanahiny sy ny heriny. Amin’ izany fotoana izany dia betsaka no hisaraka amin’ ireo fiangonana izay efa nanakalo ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny teniny tamin’ ny fitiavana an’ izao tontolo izao. Betsaka ny olona, na mpitandrina na mpiangona, no hanaiky amim-pifaliana ireo fahamarinana lehibe izay asain’ Andriamanitra torina amin’ izao vaninandro izao mba hanomana vahoaka ho amin’ ny fiavian’ ny Tompo fanindroany. Tian’ ny fahavalon’ ny fanahy ny hisakantsakanana io asa io ; ary alohan’ ny fotoana izay hitrangan’ izany fihetsiketsehana izany, dia hiezaka ny hanakana izany izy amin’ ny fanaovana hala-tahaka. Hasehony amin’ ireo fiangonana izay azony tazonina eo ambanin’ ny heriny mamitaka fa mirotsaka ny fitahian’ Andriamanitra manokana hiseho amin’ izay heverina ho fifohazana ara-pivavahana lehibe. Vahoaka marobe no hiravoravo fa miasa amin’ ny fomba mahagaga ho azy Andriamanitra, nefa asan’ ny fanahy hafa izany. Amin’ ny endrika ara-pivavahana no hitadiavan’ i Satana hanitarana ny heriny miasa mangina eo amin’ ireo mpivavaka kristiana.HM 478.1
Betsaka tamin’ ny fifohazana niseho nandritra ny tapany farany tamin’ ny taonjato farany teo no efa niasan’ ireny hery ireny, na be na kely, ary mbola hiseho indray izy amin’ ireo fihetsiketsehana hitatra bebe kokoa amin’ ny ho avy. Misy fihetseham-po taitaitra, fampifangaroana ny marina sy ny diso, izay voakendry indrindra hoenti-mandiso lalana. Tsy misy na iza na iza tokony no voafitaka anefa. Eo amin’ ny fahazavan’ ny tenin’ Andriamanitra dia tsy sarotra ny mahafantatra ny tena toetran’ ireny fihetsiketsehana ireny. Na oviana na oviana ny olona no manao an-tsirambina ny teny vavolombelon’ ny Baiboly, ka miala amin’ ireny fahamarinana mazava ireny, izay fisedrana ny fanahy iray mitaky fandavan-tena sy fahafoizana an’ izao tontolo izao, dia azontsika antoka fa tsy mirotsaka amin’ izany ny fitahian’ Andriamanitra. Ary araka ny fitsipika izay nomen’ i Kristy hoe : «ny voany no ahafantaranareo azy» (Matio 7:16) dia ahitana marimarina fa tsy asan’ ny Fanahin’ Andriamanitra ireny fihetsehana ireny.HM 478.2
Nanambara ny tenany tamin’ ny olona amin’ ny alalan’ ireo fahamarinana voarakitra ao amin’ ny teniny Andriamanitra ; ary ampinga miaro amin’ ny fakam-panahin’ i Satana an’ izay rehetra manaiky ireny izany. Ny fanaovana an-tsirambina ireny fahamarinana ireny no mampidanadana ny varavarana idiran’ ny ratsy izay miely patrana hatraiza hatraiza eo amin’ izao tontolo izao ara-pivavahana. Ny toetran’ ny lalàn’ Andriamanitra sy ny maha-zava-dehibe azy dia azo lazaina fa very tsy eo imaso intsony. Ny fiheverana tsy marina momba ny toetran’ ny lalàn’ Andriamanitra, ny faharetany ho mandrakizay sy ny tsy maintsy hitandremana azy dia nitarika ho amin’ ny fahadisoan-kevitra momba ny fifandraisan’ ny lalàna amin’ ny fiovam-po sy ny fanamasinana izay nampitambotsotra ny filamatry ny fitiavambavaka ao amin’ ny fiangonana. Eo no ahitana ny tsiambaratelon’ ny tsy fisian’ ny Fanahy Masina sy ny herin’ Andriamanitra ao amin’ ny fifohazana amin’ ny androntsika.HM 479.1
Misy olona malaza noho ny fitiavam-bavaka ao aminy, any amin’ ireo fiangonana samihafa, izay mahita sy malahelo noho izany. Ny profesora A. Edwards A. Park, raha nampisongadina ireo loza mananontanona ny fiainana ara-pivavahana, dia milaza izany amin’ ny fomba mazava loatra hoe : «Ny iray amin’ ny antony iavian’ ny loza dia ny tsirambina ataon’ ny mpitoriteny ny amin’ ny fanizingizinana ny lalàn’ Andriamanitra. Tamin’ ny andro teo aloha dia toy ny akon’ ny feon’ ny fieritreretana ny polipitra. . . Ireo mpitoritenintsika kalazalahy dia nanome endri-piandrianana mahatalanjona ny lohateniny tamin’ ny fanarahany ny ohatry ny Tompo, ka nampibaribary ny voninahitry ny lalàna, dia ireo fitsipika sy fandrahonana raketiny. Naverimberiny ireto foto-kevitra anankiroa makadiry ireto, milaza fa ny lalàna dia fanehoana ny fahatanterahan’ Andriamanitra, ary ny olona izay tsy tia ny lalàna dia tsy tia koa ny filazantsara, satria ny lalàna, tahaka ny filazantsara, dia fitaratra maneho ny tena toetran’ Andriamanitra. Mitarika ho amin’ ny loza hafa izany, dia ny fanamaivanana ny faharatsian’ ny fahotana, ny fitatr’ izany sy ny fanamelohana azy. Mifandanja amin’ ny fahamarinan’ ny didy ny fahadisoana amin’ ny fandikana azy. . .HM 479.2
«Mifandraika amin’ ireo loza efa voalaza dia ny loza avy amin’ ny fampihenan-danja ny fahamarinan’ Andriamanitra. Ny toriteny moderna dia mirona ho amin’ ny fampisarahana ny fahamarinan’ Andriamanitra amin’ ny hatsaram-panahiny, ka ny fahatsaram-panahy dia heverina ho fihetseham-po fotsiny fa tsy asandratra ho fotokevitra. Mampisaraka izay natambatr’ Andriamanitra ny fomba fijery ara-teolojia vaovao. Moa tsara ve sa ratsy ny lalàn’ Andriamanitra ? Tsara izy. Noho izany dia tsara ny fahamarinana, satria toe-tsaina vonona hankatò ny lalàna izany. Ny fahazaran’ ny olona manamaivana ny lalàn’ Andriamanitra sy ny fahamarinany, manamaivana ny fitaran’ ny tsy fankatoavan’ ny olombelona sy ny fanamelohana izany, dia mitarika ny olona mora foana ho amin’ ny fahazarana mampihen-danja ny fahasoavana izay anolorana fanavotana noho ny fahotana». Noho izany dia mihem-bidy sy lanja ao an-tsain’ ny olona ny filazantsara ka vetivety dia ny Baiboly mihitsy no tena notsipahiny.HM 480.1
Maro ireo mpampianatra ara-pivavahana no manizingizina fa nanafoana ny lalàna tamin’ ny fahafatesany i Kristy, ka noho izany dia afaka amin’ ny fìtakian’ ny lalàna ny olona. Misy mampiseho izany ho toy ny zioga mavesatra, ary ho setrin’ ny fanandevozan’ ny lalàna dia asongadiny ny fahafahana iainana eo amin’ ny filazantsara.HM 480.2
Tsy toy izany anefa no fomba fijerin’ ireo mpaminany sy apostoly ny lalàna masin’ Andriamanitra. Hoy Davida : «Ary handeha amin’ ny malalaka aho fa ny didinao no tadiaviko»3Sal. 119 : 45. Ny apostoly Jakoba, izay nanoratra taty aorian’ ny nahafatesan’ i Kristy dia nilaza ny Didy Folo ho «lalàna tanteraka, dia ny lalàn’ ny fahafahana»4Jak. 2 : 8 ; 1 : 25. Ary ny mpanoratra ny Apokalypsy, dimampolo taona taty aorian’ ny nanomboana an’ i Kristy teo amin’ ny hazo fijaliana, dia manonona fitahiana ho an’ izay «mankatò ny didiny, (dikan-teny Anglisy K j v) mba hananany fahefana amin’ ny hazon’ aina sy hidirany amin’ ny vavahady ho ao an-tanana»5Apok.22 : 14.HM 480.3
Tsy mitoetra ny filazana fa nanafoana ny lalàn’ ny Rainy Kristy tamin’ ny nahafatesany. Raha azo natao ny nanova na nanafoana ny lalàna, dia tsy ho nilaina ny nahafatesan’ i Kristy hamonjy ny olona ho afaka amin’ ny sazin’ ny fahotana. Sanatria raha manafoana ny lalàna ny fahafatesan’ i Kristy, fa mainka manaporofo ny tsy ahazoana manova azy. Tonga ny Zanak’ Andriamanitra «hahalehibe ny lalàna sy ny hahabe voninahitra azy»6Isa. 42 : 21 . Hoy Izy : «Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna ; mandra-pahafoanan’ ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin’ ny lalàna, na dia litera iray na tendron-tsoratra iray aza»7Mat. 5 : 17, 18 . Ary izao no ambarany mikasika ny tenany : «Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako, ary ny lalànao no ato anatiko» 8Sal. 40 : 8.HM 480.4
Tena toetran’ ny lalàn’ Andriamanitra mihitsy ny tsy miova. Fanambarana ny sitrapo sy ny toetra amam-panahin’ Ilay nanao azy ny lalàna. Andriamanitra dia fitiavana, ary ny lalàny dia fitiavana. Ny foto-kevitra roa lehibe iorenany dia ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny fitiavana ny olona. «Ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna»9Rom. 1 3 : 1 0. Ny toetran’ Andriamanitra dia fahitsiana sy fahamarinana; toy izany koa ny toetran’ ny lalàna. Hoy ny nipanao Salamo : «Marina ny lalànao ; marina ny didinao rehetra»10Sal. 119 : 142, 172. Ary hoy ny ambaran’ ny apostoly Paoly : «ka dia masina koa ny lalàna, ary masina ny didy sady marina no tsara»11Rom. 7 : 12. Ny lalàna toy izany, izay fanehoana ny saina sy ny sitrapon’ Andriamanitra, dia tsy maintsy maharitra tahaka an’ Ilay nanao azy.HM 481.1
Asan’ ny fiovam-po sy ny fanamasinana ny mampihavana ny olona amin’ Andriamanitra amin’ ny hitondrany azy hifanaraka amin’ ireo foto-kevitry ny lalàny. Nohariana araka ny endrik’ Andriamanitra ny olona tamin’ ny voalohany. Tanteraka izy teo amin’ ny fifandrindrany tamin’ ny toetran’ Andriamanitra sy ny lalàny ; voasoratra tao am-pony ireo foto-kevitry ny fahamarinana. Nampisaraka azy tamin’ ny Mpanao azy anefa ny fahotana. Tsy nitaratra ny endrik’ Andriamanitra intsony izy. Niady tamin’ ny foto-kevitry ny lalàn’ Andriamanitra ny fony. «Fandrafiana an’ Andriamanitra ny fihevitry ny nofo, fa tsy manaiky ny lalàn’ Andriamanitra izy, sady tsy hainy akory izany»12Rom. 8 : 7. Nefa «toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny Zanani-lahy tokana», mba ho vita fihavanana amin’ Andriamanitra ny olona. Amin’ ny alalan’ i Kristy dia azo averina indray hifandrindra amin’ ny Mpanao azy izy. Tsy maintsy havaozin’ ny fahasoavan’ Andriamanitra ny fony ; tsy maintsy manana fiainana vaovao avy any ambony izy. Io fiovana io no fahaterahambaovao, izay nolazain’ i Jesosy fa izay tsy manana izany «dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’ Andriamanitra».HM 481.2
Ny dingana voalohany eo amin’ ny fampihavanana amin’ Andria-manitra dia ny fiaikena ny fahotana. «Ny lalàna no ahazoana ny fahalalana marina ny amin’ ny ota»13lJao. 3:20. Mba hahitany ny maha-meloka azy dia tsy maintsy misedra ny toetrany amin’ ny fitsipi-pahamarinana ambony nomen’ Andriamanitra izy. Fitaratra mampiseho ny fahatanterahan’ ny toetra marina izany ka mahatonga azy ho afaka hahita ny kileman’ ny tenany.HM 482.1
Mampiseho ny otany amin’ ny olona ny lalàna, fa tsy mitondra fanafody hanasitranana izany. Mampanantena fiainana ho an’ ny mankatò izy, nefa manambara fa fahafatesana no anjaran’ ny mpandika azy. Ny filazantsaran’ i Kristy irery no mahay manafaka ny mpanota amin’ ny fanamelohan’ ny fahotana na ny fahalotoana avy aminy. Tsy maintsy mibebaka amin’ Andriamanitra izy, satria nandika ny lalàny ; tsy maintsy mino an’ i Kristy izy, Ilay sorona nanavotra azy. Amin’ izany fomba izany no ahazoany «famelana ny heloka tamin’ ny lasa» ka mahatonga azy ho mpiray amin’ ny fomban’ Andriamanitra. Zanak’ Andriamanitra izy, manana ny fanahin’ ny fananganan’ anaka izay iantsoany hoe : « Aba, Ray ô !»HM 482.2
Manana fahafahana handika ny lalàn’ Andriamanitra ary ve izy izao ? Hoy i Paoly : «Koa mahafoana ny lalàna amin’ ny finoana va isika ? Sanatria izany ! fa mampiorina tsara ny lalàna isika». «Hataontsika izay efa maty ny amin’ ny ota ahoana no ho velona aminy ihany ?» Hoy Jaona : «Fa izao no fitiavan’ Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny»14Rom. 3 : 31 ; 6 : 2; 1 Jao. 5 : 3. Ao amin’ ny fahateraham-baovao dia ampifandrindrana amin’ ny an’ Andriamanitra ny fo, rehefa mifanaraka amin’ ny lalàny. Rehefa tanteraka ao amin’ ny mpanota io fanovana lehibe io, dia tafafindra niala tamin’ ny fahafatesana ho amin’ ny fiainana izy, avy tamin’ ny fahotana ho amin’ ny fahamasinana, avy tamin’ ny fandikan-dalàna sy ny fikomiana ho amin’ ny fankatoavana sy ny fahatokisana. Vita hatreo ny fiainana taloha nanalavitra an’ Andriamanitra ; manomboka kosa ny fiainam-baovao amin’ ny fihavanana, ny fitiavana sy ny finoana. Amin’ izay dia ho tanteraka «ny fahamarinana ilain’ ny lalàna amintsika, izay tsy mandeha araka ny nofo, fa araka ny Fanahy»15Rom. 8 : 4. Ary izao no ho fitenin’ ny fanahy : «Endrey ny fitiavako ny lalànao ! Fisaintsainako mandrakariva izany»16Sal.119:97.HM 482.3
«Tsy misy tsiny ny lalàn’ i Jehovah, mamelombelona ny fanahy»17Sal. 19:7. Raha tsy amin’ ny lalàna dia tsy manana fahalalana marina ny amin’ ny fahadiovana sy ny fahamasinan’ Andriamanitra ny olona, ny amin’ ny maha-meloka ny tenany sy ny fahalotoany. Tsy miaiky marina ny amin’ ny fahotana izy ary tsy mahatsapa ny ilàny fibebahana. Noho ny tsy fahatsapany ny maha-very azy, dia tsy hitany ny ilàny ny ran’ i Kristy manavotra azy. Ekeny ny fanantenana ny famonjena, nefa tsy voaova tanteraka ny fo ary tsy misy fanavaozana ny fiainana. Toy izany no maha-betsaka ny fiovam-po ivelambelany fotsiny, ary marobe no miditra ho anisan’ ny fiangonana nefa tsy mbola tafaray tamin’ i Kristy na oviana na oviana.HM 482.4
Maro koa ny hevi-diso momba ny fahamasinana nipoitra avy amin’ ny fanaovana an-tsirambina na fitsipahana ny lalàn’ Andria-manitra ka manan-toerana lehibe eo amin’ ireo fihetsiketsehana arapivavahana amin’ izao fotoana izao. Sady diso ireo laha-kevitra ireo amin’ ny maha-fampianarana azy no mampidi-doza amin’ ny vokany eo amin’ ny fiainana ; ary noho izy ireo ankasitrahan’ ny besinimaro dia mainka koa ilaina ny hananana fahalalana marina ny amin’ izay ampianarin’ ny Soratra Masina momba izany.HM 483.1
Fampianaran’ ny Baiboly ny tena fanamasinana. Izao no ambaran’ ny apostoly Paoly ao amin’ ny taratasy nampitondrainy ho an’ ny fiangonana tany Tesalonika : «Fa izao no sitrapon’ Andria-manitra, dia ny hanamasinana anareo». Ary dia mivavaka izy hoe : «Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hanamasina anareo»181Tes.4:3;5:23. Ampianarin’ ny Baiboly mazava tsara ny atao hoe fahamasinana sy ny fomba ahatrarana izany. Nivavaka ho an’ ny mpianany ny Mpamonjy ka nanao hoe : «Manamasina azy amin’ ny fahamarinana, ny teninao no fahamarinana»19Jao.17:17. Ary i Paoly dia mampianatra fa ny mpino dia «hohamasinin’ ny Fanahy Masina»20Rom.15:16. Inona no asan’ ny Fanahy Masina ? Nolazain’ i Jesosy tamin’ ny mpianany hoe : «Fa raha tonga ny Fanahin’ ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin’ ny marina rehetra»21Jao.16:13. Ary hoy ny mpanao Salamo hoe : «Marina ny lalànao». Ny Tenin’ Andriamanitra sy ny Fanahiny no mamelatra eo amin’ ny olona ireo foto-kevitra lehiben’ ny fahamarinana voarakitra ao amin’ ny lalàny. Ary satria «masina sady marina no tsara ny lalàna», ary endriky ny fahatanterahan’ Andriamanitra, dia mazava ho azy fa ny toetra amam-panahy izay volavolain’ ny fankatoavana an’ io lalàna io dia ho masina: Kristy no ohatra tanteraka manana izany toetra amam-panahy izany. Hoy Izy : «Nitandrina ny didin’ ny Raiko Aho»: «Izaho manao izay sitrany mandra- kariva»22Jao. 15 : 10 ; 8 : 29. Tokony ho tahaka an’ i Kristy ireo mpanaraka Azy noho ny fahasoavan’ Andriamanitra dia hamolavola toetra amam-panahy mifandrindra amin’ ny foto-kevitry ny lalàny masina izy. Izany no fanamasinana araka ny Baiboly.HM 483.2
Tsy mety ho tanteraka anefa izany raha tsy amin’ ny alalan’ ny finoana an’ i Kristy ihany sy amin’ ny alalan’ ny hery avy amin’ ny Fanahin’ Andriamanitra mitoetra ao anatiny. Mananatra ny mpino i Paoly manao hoe : «Miasà amin’ ny tahotra sy ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo. Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony» 23Fil. 2 : 12. 13.HM 484.1
Ho tsapan’ ny kristiana ny fitaoman’ ny fahotana, nefa dia hotohizany tsy an-kiato ny ady ataony. Eo no ilana ny fampianaran’ i Kristy. Tafaray amin’ ny herin’ Andriamanitra ny fahalemen’ olombelona ka dia miteny ilay mpino hoe : «Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandrescna amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy Tompontsika»241 Kor. 15 : 57.HM 484.2
Asehon’ ny Soratra Masina mazava fa miandalana ny asan’ ny fanamasinana. Rehefa vita fihavanana amin’ Andriamanitra ny mpanota amin’ ny alalan’ ny ran’ ny fanavotana, dia vao manomboka amin’ izay ny fiainana kristiana. Izao izy vao mandroso «ho amin’ ny fahatanterahana», hitombo ka «hahatratra ny ohatry ny halehiben’ ny fahafenoan’ i Kristy». Hoy ny apostoly Paoly : «Fa zavatra iray loha no ataoko : manadino izay zavatra ao aoriana ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha, eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan’ ny fiantsoan’ Andriamanitra any ambony ao amin’ i Kristy Jesosy»25Fil. 3 : 13 , 14. I Petera kosa mampiseho antsika ireo dingana izay hahatratrarana ny fahamasinana voalazan’ ny Baiboly. «Manaova izay zotom-po rehetra kosa ianareo, ary amin’ ny finoanareo dia manehoa fahatanjahan-tsaina, ary amin’ ny fahatanjahan-tsainareo dia fahalalana, ary amin’ ny fahalalanareo dia fahononam-po, ary amin’ ny fahononam-ponareo dia toe-panahy araka an’ Andriamanitra, ary amin’ ny toe-panahinareo araka an’ Andriamanitra dia fitiavana ny rahalahy, ary amin’ ny fitiavanareo ny rahalahy dia fitiavana ny olona rehetra. . . fa raha manao izany zavatra izany ianareo, dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay»262 Pet. 1 : 5-10.HM 484.3
Ireo izay miaina amin’ ny fanamasinana araka ny Baiboly dia mampiseho toe-tsaina feno fanetren-tena. Tahaka an’ i Mosesy dia efa nahita ny voninahitra mahatahotry ny fahamarinana izy, ka mahita ny tsy fahamendrehan’ ny tenany mifanohitra amin’ ny fahadiovana sy ny fahatanterahana feno eo amin’ Ilay tsy manam-petra.HM 485.1
Ny mpaminany Daniela dia ohatra iray amin’ ny tena fahamasinana. Feno asa fanompoana mendrika ny Tompony ireo andro lava niainany. Lehilahy «malala indrindra» ho an’ ny lanitra izy (Daniela 10 : 11). Nefa tsy nihambo ho madio sy masina io mpaminany henikaja io fa nampitovy ny tenany tamin’ Isiraely tena mpanota tokoa raha nitalaho teo anatrehan’ Andriamanitra ho an’ ny vahoakany izy. «Fa tsy amin’ ny fahamarinanay no andoharanay ny fifonanay eto anatrehanao, fa amin’ ny halehiben’ ny indrafonao». «Efa nanota izahay, efa nanao izay ratsy izahay». Hoy izy : «Ary raha mbola niteny sy nivavaka sy niaiky ny fahotako mbamin’ ny fahotan’ ny fireneko aho». Ary rehefa niseho ny Zanak’ Andriamanitra tatý aoriana, nanome fahazavana azy dia hoy i Daniela : «Nihasimba sy nivaloarika ny tarehiko, ary tsy nisy hery intsony tamiko»27Dan. 9 : 20 ; 10 : 8 .HM 485.2
Rehefa nandre ny feon’ i Jehovah tao amin’ ny tafio-drivotra i Joba dia niantso hoe : «Koa dia miaiky sy mibebaka eto amin’ ny vovoka sy ny lavenona aho»28Joba 42 : 6. Rehefa nahita ny voninahitr’ i Jehovah Isaia sy nandre ny feon’ ny Kerobima niantso hoe : «Masina, masina, Jehovah, Tompon’ ny maro», dia velon-taraina hoe : «Lozako ! maty aho !»29Isa. 6 : 3, 5; 2Kor. 12 : 2-4 ;efes. 3: 8. Ary i Paoly rehefa nentina tany amin’ ny lanitra fahatelo ka nandre zavatra izay tsy hain’ ny olombelona lazaina, dia nilaza ny tenany ho «kely noho ny kely indrindra amin’ ny olona masina rehetra»29Isa. 6 : 3, 5; 2Kor. 12 : 2-4 ;efes. 3: 8. Jaona , mpianatra malala, ilay niankina tamin’ ny tratran’ i Jesosy sy nahita ny voninahiny, dia lavo tahaka ny maty teo an-tongotry ny anjely.30Apok. 1 : 17HM 485.3
Tsy mety hisy fanandratan-tena, na fireharehana fa afaka amin’ ny fahotana amin’ izay mandeha eo amin’ ny aloky ny hazo fijalian’ i Kalvary. Tsapany fa ny fahotany no nahatonga ny ady nihatra aman’ aina izay nahavaky ny fon’ ny Zanak’ Andriamanitra, ka io fisainana io dia hitarika azy ho amin’ ny fanetren-tena lalina. Ireo izay velona akaiky indrindra an i Jesosy dia hahita mazava kokoa ny fahalemen’ ny olombelona sy ny toe-pahotana misy azy, ary ny hany fanantenana dia ny fahamendrehan’ ny Mpamonjy nohomboana tamin’ ny hazo fijaliana sy nitsangana tamin’ ny maty.HM 485.4
Ny fahamasinana izay mahazo laka eo amin’ izao tontolo izao ka atao antso avo eo amin’ ny mpivavaka ankehitriny, dia miaraka amin’ ny toe-tsaina manandra-tena sy manao tsinontsinona ny lalàn’ Andriamanitra ary izany no anamarihana fa lavitry ny fivavahan’ ny Baiboly izany. Ireo mpiaro izany dia mampianatra fa asa tontosa ao anatin’ ny indray mipi-maso ny fanamasinana, ka mitondra avy hatrany ho amin’ ny fahamasinana tonga lafatra amin’ ny alalan’ ny finoana izy. «Minoa fotsiny ihany, hoy izy, dia ho anareo ny fitahiana». Tsy nisy fiezahana hafa voalaza fa takina amin’ izay handray izany fitahiana izany. Miaraka amin’ izany koa dia laviny ny fahefan’ ny lalàn’ Andriamanitra, ary antitranteriny fa afaka amin’ ny andraikitra amin’ ny fitandremana ny lalàna izy. Anefa azon’ ny olona atao ve ny ho masina, ny hifanaraka amin’ ny sitrapo sy ny toetran’ Andriamanitra, nefa tsy hifandrindra amin’ ireo foto-kevitra izay fanehoana ny maha-Izy Azy sy ny sitrapony, ka mampiseho izay tena ankasitrahany ?HM 486.1
Ny faniriana hanana fivavahana moramora izay tsy mitaky fiezahana, tsy mitaky fahafoizan-tena, tsy mitaky fisarahana amin’ ny hadalan’ izao tontolo izao, no nahatonga ny fampianarana momba ny finoana, ary ny finoana ihany no fampianarana mamim-bahoaka. Fa ahoana kosa hoy ny tenin’ Andriamanitra ? Hoy ny apostoly Jakoba : «Inona moa no soa azo, ry rahalahiko, raha misy milaza fa manam-pinoana izy, nefa tsy manana asa ?, Ny finoana va mahavonjy azy ? . . . Moa tsy fantatrao va, ry olom-poana, fa tsy vanona ny finoana tsy misy asa ? Tsy nohamarinina tamin’ ny asa va Abrahama razantsika tamin’ ny nanaterany an’ i Isaka zanany teo ambonin’ ny alitara ? Hitanareo fa niara-niasa tamin’ ny finoana ny asany, ary ny finoana dia notanterahina tamin’ ny asa ... Koa dia hitanareo fa hamarinina amin’ ny asa ny olona, fa tsy amin’ ny finoana ihany»31Jak. 2 : 14-24.HM 486.2
Ny fanambaran’ ny tenin’ Andriamanitra dia manohitra io fampianarana mamela-pandrika momba ny finoana tsy misy asa io. Tsy azo lazaina fa finoana ny mitaky ny fankasitrahan’ ny lanitra nefa tsy mameno ny fepetra izay anomezana ny famindrampo, fa fiheverana sahisahy fotsiny izany ! Fa ny tena finoana marina dia miorina amin’ ireo teny fikasana sy ireo fepetry ny Soratra Masina.HM 486.3
Aoka tsy hisy hamita-tena amin’ ny finoana fa mety ho tonga masina izy kanefa minia mandika ny anankiray amin’ ny fitakian’ Andriamanitra. Ny fanahy iniana hanao fahotana iray fantatra dia mampangina ny fanambaran’ ny feon’ ny Fanahy Masina ka mampisaraka ny fanahy amin’ Andriamanitra. «Fa ny ota no fandikana ny lalàna». «Izay rehetra manota (mandika ny lalàna) dia tsy nahita na nahalala Azy»321 jao.3:6. Na dia nanantitrantitra feno ny amin’ ny fitiavana aza i Jaona ao amin’ ny epistiliny, dia tsy misalasala koa izy mampibaribary ny tena toetran’ ny antokon’ olona izay milaza ho nohamasinana, nefa mivelona amin’ ny fandikana ny lalàn’ Andria-manitra. «lzay manao hoe : Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina tsy ao anatiny. Fa na iza na iza mitandrina ny teniny, dia tanteraka ao aminy marina tokoa ny fitiavana an’ Andriamanitra»331 Jao. 2 : 4 , 5. Eto no fisedrana ny toetran’ ny tsirairay. Tsy misy olona na iza na iza azontsika lazaina ho masina raha tsy ampitahaintsika amin’ ny fllamatra tokan’ ny fahamasinana na any an-danitra na ety an-tany izy. Raha tsy tsapan’ ny olona ny lanjan’ ny lalàna ara-panahy, raha ataony zinona ary hamaivaniny ny fitsipika nomen’ Andriamanitra, raha mandika ny anankiray amin’ ny kely indrindra amin’ ireny didy ireny izy, ka mampianatra ny olona hanao toy izany koa, dia tsy hahazo sitraka eo imason’ ny lanitra mihitsy izy, ary azontsika fantarina fa tsy marim-pototra ny fihamboany.HM 487.1
Ny fihamboana ho tsy manam-pahotana koa dia porofo rahateo fa izay milaza izany dia lavitra ny fahamasinana. Satria tsy manampahalalana marina ny amin’ ny fahadiovana sy ny fahamarinan’ Andriamanitra tsy misy fetra izy, na ny amin’ izay tokony ho toetra mba hanahafana an’ Andriamanitra, noho izany olona izany tsy mahafantatra marina ny amin’ ny fahadiovan’ i Jesosy sy ny toetra ambony mahate ho tia ananany, sy ny amin’ ny maha-zava-doza sy maharatsy ny fahotana kosa, dia afaka mihevitra ny tenany ho masina izy. Arakaraka ny maha-be ny elanelana misy amin’ ny tenany sy i Kristy, dia arakaraka izany koa no mampivaona ny fiheverany ny amin’ ny toetran’ Andriamanitra sy izay takiny, sy ny isehoan’ ny tenany ho marina eo imasony.HM 487.2
Ny fahamasinana aseho ao amin’ ny Soratra Masina dia mahafaoka ny tena manontolo — ny saina, ny fanahy ary ny vatana. Nivavaka ho an’ i Tesaloniana i Paoly hoe : «aoka harovana avoko: ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin’ ny fiavian’ i Jesosy Kristy Tompontsika»341 Tes. 5 : 23. Manoratra indray ho an’ ny mpino izy, ary nanao hoe : «Mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon’ Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak’ Andriamanitra»35Rom. 12 : 1. Tamin’ ny andron’ ny Isiraely fahiny, ny fanatitra rehetra naterina ho an’ Andriamanitra dia nodinihina akaiky daholo. Raha nahitana kilema ny biby nentina, dia nolavina izany ; satria efa nibaiko Andriamanitra fa tsy hisy «kilema» ny fanatitra. Toy izany koa no andidiana ny kristiana hanoiotra ny tenany «ho fanatitra velona, masina, sitrak’ Andriamanitra». Mba hanaovana izany, dia tsy main tsy ho voatahiry araka izay tokony ho izy ny hery rehetra ananany. Ny fomba amam-panao rehetra izay mampihena ny hery ara-batana sy ara-tsaina dia mahatonga ny olona tsy ho afaka hanompo ny Mpamorona azy. Tsy sitrak’ Andriamanitra raha tsy ny tsara indrindra no atolotsika Azy. Hoy i Kristy : «Tiava an’ i Jehovah Andriamanitra amin’ ny fonao rehetra». Ireo izay tia an’ Andriamanitra amin’ ny fony rehetra dia hanam-paniriana hanoiotra ho Azy ny asa fanompoana tsara indrindra amin’ ny fiainana, ary hiezaka mandrakariva ny hitondra ny hery rehetra eo amin’ ny tenany hifandrindra amin’ ireo lalàna izay hampitombo ny fahazoany hanao ny sitrapony. Tsy hanao izay hampahaosa na handoto ny fanatitra entiny ho an’ ny Rainy izay any an-danitra amin’ ny tsy fahononana na ny fanaranam-po amin’ ny filana izy.HM 487.3
Hoy i Petera : «Fadio ny filan’ ny nofo ; fa miady amin’ ny fanahy ireny»361 Pet. 2 :11. Ny fanomezana fahafaham-po ny fironana hanota dia mahadombo ny fahaizana amam-pahalalana, ka mamono ny fandrenesana eo amin’ ny ara-tsaina sy ara-panahy, koa tsy mandaitra afa-tsy kely foana amin’ ny fo ny tenin’ Andriamanitra sy ny Fanahiny. Manoratra ho an’ i Korintiana i Paoly hoe : «Aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ ny fahalotoana rehetra, na amin’ ny nofo na amin’ ny fanahy, ka hanatanteraka ny fahamasinana amin’ ny fahatahorana an’ Andriamanitra»372 Kor. 7 : 1. Ary ao amin’ ny vokatry ny Fanahy : «fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemempanahy», dia nasiany koa ny «fahononam-po»38Gal. 5 : 22 , 23.HM 488.1
Na dia eo aza ireny fanambarana avy amin’ ny tsindrimandrin Andriamanitra ireny, dia firifiry amin’ ireo milaza azy ho Kristiana no mampahosa ny heriny amin’ ny fikatsahana tombon-tsoa na amin’ ny fanompoana ny «lamaody» ; firifiry no manambany ny toetra maha-olombelona araka i\y endrik’ Andriamanitra azy amin’ ny alalan’ ny hatendan-kanina, ny fisotroan-divay, ny fahafinaretana voarara. Ary ny fiangonana dia tsy manameloka, fa matetika loatra no mamporisika ny ratsy amin’ ny fandranitana ny filan-kanina, ny fanirian-kahazo tombon-tsoa na ny fitiavam-pahafinaretana, mba ho enti-mameno ny tahirim-bolany izay tsy vitan’ ny fitiavana an’ i Kristy ny hameno azy noho izy marefo loatra. Moa ve raha miditra ny fiangonana amin’ izao vaninandro izao i Jesosy ka mahita ny lanonambe sy ny varotra tsy masina atao ao amin’ ny ànaran’ ny fivavahana, tsy handroaka ireo mpanazimba ny zava-masina va Izy, tahaka ny nandroahany ireo mpanakalo vola hivoaka ny tempoly ?HM 489.1
Lazain’ ny apostoly Jakoba fa ny fahendrena avy any ambony dia «madio aloha». Raha mifanehatra tamin’ ireo izay nanonona ny anarana sarobidin’ i Jesosy tamin’ ny molotra voaloton’ ny paraky sy ny sigara izy, sy tamin’ ireo izay maimbon’ ny paraky sy ny sigara ny fofon’ ainy sy ny tenany, ary izay mandoto ny rivotry ny lanitra sady manery ny rehetra manodidina azy hifoka ireo poizina ireo — raha sendra ny fomba amam-panao mifanohitra toy izany amin’ ny fahadiovan’ ny filazantsara ny apostoly, moa ve tsy ho niampanga an’ izany ho «araka ny ety an-tany, araka ny nofo, araka ny demonia izy ?» Misy ireo andevozin’ ny paraky sy ny sigara, izay mitaky fitahiana avy amin’ ny fanamasinana tanteraka ka miresaka ny amin’ ny fanantenany hiditra any an-danitra; nefa ambaran’ ny tenin’ Andriamanitra mazava fa «tsy mba hiditra ao mihitsy na inona na inona mety mandoto»39Apok. 21 : 27. (Baiboly Anglisy).HM 489.2
«Ahoana ary ? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin’ ny Fanahy Masina, Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin’ Andriamanitra ? Ka tsy tompon’ ny tenanareo ianareo. Fa olomboavidy ianareo koa dia mankalazà an’ Andriamanitra amin’ ny tenanareo»401 kor. 6 : 19 , 20. Izay manana ny tenany ho tempolin’ ny Fanahy Masina dia tsy hanao izany ho andevon’ ny fahazarana manimba. Ny heriny dia an’ i Kristy, izay nividy azy tamin’ ny rany sarobidy. An’ i Jehovah ny fananany. Ahoana no tsy hanan-tsiny izy raha mandanilany foana io harena napetraka taminy io ? Isan-taona dia mandany vola tsy toko tsy forohana amin’ ny fanaranam-po tsy mahasoa sady manimba ireo izay misora-tena ho Kristiana, kanefa fanahy tsy tambo isaina no mitady fatratra ny tenin’ ny fiainana. Robaina amin’ ny fahafolon-karena sy ny fanatitra Andriamanitra, nefa bebe kokoa izay levonina eo ambony alitaran’ ny filana ambany manimba noho izay omeny hoenti-manampy ny mahantra na hoentimanohana ny filazantsara. Raha izay rehetra milaza ny tenany ho mpanaraka an’ i Kristy no tena nohamasinina marina, dia tsy ho lanilany foana ho amin’ ny fanaranam-po tsy misy antony na ho amin’ ny zava-manimba mihitsy aza ny fananany, fa harotsaka ao amin’ ny tahirin’ i Jehovah, ary ny kristiana no hanome ohatra eo amin’ ny fahalalana onony, eo amin’ ny fandavan-tena sy fahafoizan-tena. Amin’ izay dia ho fahazavana ho an’ izao tontolo izao izy.HM 489.3
Izao tontolo izao dia mitolo-batana ho amin’ ny fampanaranampo.«Ny filan’ ny nofo, sy ny filan’ ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao» no mifehy ny ankamaroan’ ny olona. Fa ireo mpanaraka an’ i Kristy kosa dia iantefan’ ny antso ho amin’ ny faha-masinana : «Mivoaha eo aminy ka misaraha aminy, hoy Jehovah, ary aza manendry izay zavatra tsy madio». Ny fahazavan’ ny tenin’ Andriamanitra dia manamarina ny filazanay fa tsy tena izy ny fanamasinana raha tsy mahavokatra izany fahafoizana tanteraka ny fikatsahana fahafaham-po feno fahotana izany sy ny fanaranam-po araka an’ izao tontolo izao.HM 490.1
Hoy ny teny fikasan’ Andriamanitra amin’ ireo izay mahafeno ny fepetra : «Mivoaha eo aminy ianareo ka misaraha aminy, ary aza manendry izay zavatra tsy madio». «Izaho handray anareo, ary ho Rainareo Aho, ary ianareo ho zanakolahy sy ho zanakovavy, hoy Jehovah Tsitoha»412 Kor. 6 : 17 , 18.Tombon-tsoa sy adidin’ ny Kristiana tsirairay ny manao fanandramana sarobidy sy safononoka momba ny fanompoana an’ Andriamanitra. «Izaho no fahazavan’ izao tontolo izao», hoy Jesosy «izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ ny maizina, fa hanana fahazavan’ aina»42Jao. 8 : 12. «Fa ny lalan’ ny marina dia toy ny fipoak’ andro maraina, izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ ny andro»43Ohab. 4 : 18. Isaky ny dingana ataon’ ny finoana, sy ny fankatoavana dia mampiray ny fanahy akaiky kokoa amin’ Ilay’Fahazavan’ izao tontolo izao, izay «tsy misy haizina akory ao Aminy». Mamirapiratra eo amin’ ny mpanompon’ Andriamanitra ireo tara-pahazavana manjelanjelatry ny Masoandron’ ny Fahamarinana, ary tokony hitaratra izany izy. Tahaka ireo kintana milaza amintsika fa misy fahazavana lehibe any an-danitra mampamirapiratra azy amin’ ny voninahiny, dia toy izany koa ny Kristiana : tokony hampiseho izy fa misy Andriamanitra eo amin’ ny seza fiandrianan’ izao tontolo izao izay manana toetra mendri-piderana sy halain-tahaka. Ireo fahatsaran’ ny Fanahiny, ny fahadiovana sy ny fahamasinan’ ny toetrany, dia hiseho eo amin’ ireo vavolombelony.HM 490.2
Ahariharin’ i Paoly ao amin’ ny taratasiny ho an’ ny Kolosiana ireo fitahiana sarobidy izay omena ny Zanak’ Andriamanitra. Hoy izy : «Izahay. . . dia tsy mitsahatra mivavaka sy mangataka ho anareo, mba hofenoina fahalalana ianareo amin’ ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin’ ny Fanahy, mba handehananareo mendrika ny Tompo hanaovana ny sitrapony amin’ ny zavatra rehetra, dia mahavokatra amin’ ny asa tsara rehetra sady mitombo amin’ ny fahalalana tsara an’ Andriamanitra, ary ampahatanjahana amin’ ny hery rehetra araka ny herin’ ny voninahiny ho amin’ ny faharetana rehetra amin’ ny hafaliana»44Kol.1 : 9-11.HM 491.1
Manoratra koa izy milaza ny amin’ ny faniriany hahatonga an’ ireo rahalahy tany Efesosy hahatratra ny fahalalana ny mahaambony ny tombon-tsoan’ ny Kristiana. Velariny eo anatrehany, amin’ ny fiteny mahafaoka be indrindra, ny amin’ ny hery sy ny fahalalana mahagaga izay mety ho azony amin’ ny maha-zanakalahy sy zanakavavin’ ny Avo Indrindra azy. Ho azy ireo ny «hohatanjahina fatratra amin’ ny Fanahiny ny toe-panahiny», «ka hamaka sy hiorina mafy amin’ ny fitiavana», ny hahay, mbamin’ ny olona masina rehetra, ny hahafantatra tsara izay sakany sy lavany, ary hahalala ny fitiavan’ i Kristy, izay mihoatra noho ny fahalalana. Tonga eo amin’ ny fara-tampon’ ny tombon-tsoa anefa ny fivavahan’ ny apostoly rehefa mangataka izy ny «hamenoana (azy) ho amin’ ny fahafenoan’ Andriamanitra rehetra»45Efes. 3 : 16 - 19.HM 491.2
Aseho eto ny haavon’ ny fetra mety ho tratrantsika amin’ ny alalan’ ny finoana ireo teny fikasana nataon’ ny Raintsika any andanitra, rehefa mahatanteraka izay angatahiny isika. Amin’ ny alalan’ ny fahamendrehan’ i Kristy dia afaka manatona ny seza fiandrianan’ ny Hery tsy hita fetra isika. «Izay tsy niaro ny Zananilahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy, moa tsy homeny antsika miaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra ?» Nomen’ ny Ray ny Zanany tsy misy fetra ny Fanahiny, ka azontsika atao koa ny mandray anjara amin’ ny fahafenoany. Hoy i Jesosy : «Koa ianareo na dia ratsy aza, mahalala manome zava-tsoa ho an’ ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray , Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an’ izay mangataka aminy ?46Lio. 11 : 13 «Raha mangataka zavatra amiko amin’ ny anarako ianareo, dia hataoko izany». «Mangataha dia hahazo ianareo, mba ho tanteraka ny fífalianareo»47Jao.14 : 14 ; 16: 24.HM 491.3
Na dia hampiavaka ny fiainan’ ny Kristiana aza ny fanetrentena dia aoka tsy hanamarika azy kosa ny alahelo sy ny fanambaniantena. Tombon-tsoa ho an’ ny tsirairay ny hanana fiainana ankasitrahan’ Andriamanitra sy hotahiny. Tsy sitrapon’ ny Raintsika izay any an-danitra ny itoerantsika mandrakariva eo amin’ ny fanamelohana sy ny haizina. Tsy fanehoana ny fanetren-tena marina ny mandeha mitanondrika, nefa ny fo feno fiheverana ny tena. Azontsika atao ny mankeo amin’ i Jesosy ka hodioviny, ary ny hijoro tsy ho menatra sy tsy hokikisan’ ny nenina eo anatrehan’ ny lalàna. «Ary amin’ izany dia tsy misy fanamelohana ho an’ izay ao amin’ i Kristy Jesosy, . . . izay tsy mandeha araka ny nofo fa araka ny fanahy»48Rom. 8 : 1-4.HM 492.1
Amin’ ny alalan’ i Jesosy dia tonga «zanak’ Andriamanitra» ireo zanak’ i Adama efa lavo. «Fa iray no niavian’ izy roroa, na Izay manamasina, na izay hamasinina ; koa izany no tsy mahamenatra Azy hanao ireo hoe «rahalahy»49Heb. 2 : 11. Tokony ho fiainampinoana, fiainam-pandresena, sy fiainam-pifaliana ny fiainan’ ny kristiana. «Fa izay rehetra naterak’ Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao ;ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika»50Fil. 4 : 4. Marina ny nolazain’ i Nehemia mpanompon’ Andriamanitra hoe: «fa ny fifaliana avy amin’ i Jehovah no fiarovana mafy ho anareo»51Neh. 8 : 10. Ary hoy Paoly : «Mifaiia mandrakariva. Mivavaha ka aza mitsahatra. Misaora amin’ ny zavatra rehetra ; fa izany no sitrapon’ Andriamanitra ao amin’ i Kristy Jesosy ho anareo»521 Jao.5 : 4 ; 1Tes.5 : 16-18.HM 492.2
Izany no vokatry ny fiovam-po sy ny fanamasinana araka ny Baiboly ; ary ny antony tsy ahitana afa-tsy mahalana dia mahalana ireo vokatra ireo dia satria tsy mampiraika indrindra ny mpivavaka kristiana ireo foto-kevitra lehiben’ ny fahamarinana asehon’ ny lalàn’ Andriamanitra. Izany no mahakely fiseho an’ io asa lalina sy mitoetra ataon’ ny Fanahin’ Andriamanitra io izay mampiavaka ny fifohazana tamin’ ny fotoana tany aloha.HM 492.3
Ny fibanjinana no mampiova antsika ary rehefa ireo foto-kevitra masina izay namelaran’ Andriamanitra teo imason’ ny olona ny fahatanterahana sy ny fahamarinan’ ny toetrany no atao an-tsirambina, ka voatarika ho amin’ ny fampianarana sy ny laha-kevitr’ olombelona ny fisainan’ ny olona, dia tsy mahagaga raha misy fihemoran’ ny fitiavam-bavaka velona ao amin’ ny fiangonana manaraka izany. Hoy ny Tompo :«Efa nahafoy Ahy, loharanon’ aina izy ka nihady lavaka famorian-drano ho an» ny tenany, nefa lavaka mitriatriatra tsy mahatan-drano» 53Jer. 2 : 13.HM 493.1
«Sambatra ny olona izay tsy mandeha eo amin’ ny fisainan’ ny ratsy fanahy. . . fa ny lalàn’ i Jehovah no sitrany, eny, ny lalàny no saintsaininy andro aman’ alina. Dia tahaka ny hazo ambolena eo amoron’ ny rano velona izy, izay mamoa amin’ ny fotoany, ny raviny koa tsy mba malazo;ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa»54Sal. 1 : 1-3. Raha tsy tafaverina eo amin’ ny tena toerany ny lalàn’ Andriamanitra dia tsy mety hisy fifohazan’ ny finoana sy ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra tany am-piandohana eo anivon’ ny vahoaka izay milaza fa Azy. «Izao no lazain’ i Jehovah : Mijanona eo an-dalana ianareo, ka izahao sy anontanio izay lalana masaka hatry ny ela, dia izay lalana mankany amin’ ny tsara, ka iny no izory, dia hahita fitsaharana ho an’ ny fanahinareo ianareo»55Jer. 6 : 16.HM 493.2