Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hery Mifanandrina

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 25—Ny lalàn’ Andriamanitra tsy azo ovana

    «Ary novohana ny tempolin’ Andriamanitra any an-danitra, ka hita ny fiaran’ ny fanekeny teo anatin’ ny tempoliny»1 Apok. 11:19. Ny fiaran’ ny faneken’ Andriamanitra dia any amin’ ny masina indrindra, ilay efitra faharoa ao amin’ ny fitoerana masina. Teo amin’ ny fanom-poana tao amin’ ny tabernakely teto an-tany, izay «endrika sy aloky ny zavatra any an-danitra», dia tsy novohana io efitra io raha tsy tamin’ ny Andro Fanavotana lehibe ihany hanadiovana ny fitoerana masina. Noho izany ny filazana fa novohana ny tempoly any an-danitra ka nahitana ny fiaran’ ny fanekeny dia manondro ny fanokafana ny masina indrindra ao amin’ ny fitoerana masina any an-danitra tamin’ ny 1844 raha niditra tao i Kristy hamita ny asa famaranana ny fanavotana. Ireo izay nanaraka ny Mpisoronabeny lehibe tamin’ ny alalan’ ny finoana raha niditra tao amin’ ny asany tao amin’ ny fitoerana masina indrindra Izy, dia nibanjina ny fiaran’ ny fanekeny. Rehefa nandinika momba ny fitoerana masina izy dia nanjary azony ny fiovan’ ny asan’ ny Mpamonjy, ka hitany fa nanao fanompoam-pivavahana eo anoloan’ ny fiaran’ Andriamanitra Izy ankehitriny, manao fifonana amin’ ny rany ho an’ ny mpanota.HM 447.1

    Ny fiara tao amin’ ny tabernakely tetý an-tany dia nisy ny vato fisaka roa, izay nanoratana ireo fitsipiky ny lalàn’ Andriamanitra. Fitoeran’ ireo vato fisaky ny lalàna fotsiny ny fiara ary ny fisian’ ireo fitsipika avy amin’ Andriamanitra tao anatiny dia nahasarobidy sy nahamasina azy. Rehefa novohana ny tempoly tany an-danitra, dia hita ny fiaran’ ny fanekeny.HM 447.2

    Ao amin» ny efitra masina indrindra any amin’ ny fitoerana masina any an-danitra, no iraketana amim-pahamasinana ny lalàn’ Andriamanitra — dia ilay lalàna izay notononin’ Andriamanitra mihitsy tao anivon’ ny kotro-baratra tao Sinay ary nosoratany tamin’ ny rantsan-tanany teo amin’ ny vato fisaka.HM 448.1

    Ny lalàn’ Andriamanitra ao amin’ ny fitoerana masina any an-danitra no ilay tena izy marina, fa kopian’ izany tsy misy diso kosa ireo didy voasoratra teo amin’ ny vato fisaka sy noraketin’ i Mosesy tao amin’ ny boky nosoratany. Ny olona izay nahazo fahalalana ny amin’ io zava-dehibe io dia voatarika hahita ny toetry ny lalàn’ Andriamanitra izay masina sady tsy miova. Hitany, mihoatra noho ny nahitany azy tany aloha ny herin’ ny tenin’ ny Mpamonjy manao hoe : «Mandra-pahafoana ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy foana akory amin’ ny lalàna, na dia litera iray, na dia tendron-tsoratra iray aza, mandra-pahatanterak’ izy rehetra»2Mat. 5 : 18Tsy maintsy maharitra mandrakizay ny lalàn’ Andriamanitra, izay fanambarana ny sitrapony. izay fanehoana ny toetra amam-panahy, amin’ ny maha-«vavolombelona mahatoky azy» any an-danitra. Tsy nisy na dia didy iray aza nofoanana; tsy nisy na dia litera iray na tendron-tsoratra iray aza novàna. Hoy ny mpanao salamo : «Ho mandrakizay, Jehovah ò, no nanorenanao any an-danitra ny teninaow. «Mahatoky avokoa ny didiny rehetra ; mitoetra mafy mandrakizay doria ireny »3Sal. 119 : 89 ; 111 : 7, 8.HM 448.2

    Ho afovoan’ ny didy folo indrindra no misy ny didy fahefatra. araka izay nanambarana azy voalohany manao hoe : «Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy. Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra. Fa Sabatan’ i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito ; koa aza manao raharaha akory hianao amin’ izany, na ny zanakao lahy, na ny zanakao vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao, na ny biby fiompinao, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao. Fa henemana no nanaovan’ i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin’ izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin’ ny andro fahafito ; izany no nitahian’ i Jehovah ny andro Sabata sy nanamasinany azy»4Eks. 20 : 8-11.HM 448.3

    Latsaka lalina tao am-pon’ ireo mpianatra ny Teniny noho ny asan’ ny Fanahin’ Andriamanitra. Niaiky marina izy ireo fa efa nandika io fitsipika io noho ny tsy fahalalana tamin’ ny nanaovany an-tsirambina ny andro fitsaharan’ ny Mpamorona. Nanomboka namakafaka ny anton’ ny nitandremany ny andro voalohany amin’ ny herinandro izy ireo, fa tsy ilay andro izay efa nohamasinin’ Andriamanitra.HM 448.4

    Tsy nahita porofo tao amin’ ny Soratra Masina izy fa efa nofoanana ny didy fahefatra na efa novana ny Sabata ary tsy nesorina mihitsy tamin’ ny andro fahafito ny fitahiana izay nahamasina azy. Tamin-kitsim-po no naniriany hahafantatra sy hanatanteraka ny sitrapon’ Andriamanitra ; ary ankehitriny, rehefa hitany fa mpandika ny lalàny ny tenany, dia feno alahelo ny fony, ary nasehony ny toetra mahatoky tamin’ Andriamanitra tamin’ ny fitandremany ny Sabatany Masina.HM 449.1

    Betsaka sady mafy ny ezaka natao mba handrodanana ny finoan’ izy ireo. Tsy nisy izay tsy nahita fa raha endrika na tandindon’ ny any an-danitra ny fitoerana masina tety an-tany, dia kopia marin’ ny lalàna ao amin’ ny fiara any an-danitra ny lalàna napetraka tao amin’ ny fiara teto an-tany ; ary ny fanekena ny fahamarinana mikasika ny fitoerana masina any an-danitra dia mahafaoka ny fanekena ny fitakian’ ny lalàn’ Andriamanitra sy ny tsy maintsy hitandremana ny Sabatan’ ny didy fahefatra. Teto ny tsiambaratelon’ ny fanoherana mangidy sy hentitra natao tamin’ ny fanazavana mirindra ny Soratra Masina izay nanambara ny fanompoana ataon’ i Kristy ao amin’ ny fitoerana masina any an-danitra. Niezahan’ ny olona nakatona ny varavarana izay novohan’ Andriamanitra ary niezahany ny namoha ny varavarana izay efa nakatony. Nefa «Ilay mamoha ka tsy hisy hanidy, ary nanidy ka tsy hisy mamoha» no nanambara hoe : «Indro, efa nasiako varavarana mivoha eo anatrehanao, ka tsy misy maharindrina azy»5Apok. 3 : 7 , 8. Efa Novohan’ i Kristy ny varavarana, na ny asa fanompoana ao amin’ ny masina indrindra, nainirapiratra avy tao amin’ io varavarana mivohan’ ny fitoerana masina any an-danitra io ny fahazavana, ary hita fa ao anatin’ ny lalàna voarakitra ao ny didy fahefatra ; izay efa naorin’ Andriamanitra dia tsy azon’ ny olona ravana.HM 449.2

    Ireo izay efa nanaiky ny fahazavana mikasika ny fanelanelanana hataon’ i Kristy sy ny maha-mandrakizay ny lalàn’ Andriamanitra dia nahita fa ireny indrindra no fahamarinana aseho ao amin’ ny Apokalypsy 14. Fampitandremana telo sosona ireo hafatra ao amin’ io toko io (Jereo Fanampiny) izay natao hanomana ny mponina ety an-tany ho amin’ ny fiavian’ ny Tompo fanindroany. Ny filazana hoe : «tonga ny andro fitsarana», dia manondro ny fizarana famaranana ny asa famonjena ataon’ i Kristy ho an’ ny olona. Manambara fahamarinana izay tsy maintsy hotorina izany mandra-pijanon’ ny fanalalanana ataon’ ny Mpamonjy ka hiverenany eto an-tany handray ny vahoakany ho any Aminy. Ny asa fitsarana izay natomboka tamin’ ny 1844 dia tsy maintsy mitohy mandra-panaovana ny fana- pahan-kevitra farany momba ny rehetra, na ny velona na ny maty ; noho izany dia hitohy hatramin’ ny faran’ ny androm-pahasoavana izany. Mba hahatonga ny olona ho voaomana hijoro eo anatrehan’ ny fitsarana dia mandidy azy ny hafatra «hatahotra an’ Andriamanitra sy hanome voninahitra Azy», ary «hiankohoka eo anoloan’ Ilay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano». Ny vokatry ny fanekena ireo hafatra ireo dia lazaina ao amin’ ny teny hoe: «lndro ny faharetan’ ny olona masina izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra sy ny finoana an’ i Jesosy. Mba hahatonga ny olona ho vonona hiatrika ny fitsarana, dia ilaina ny hitandremany ny didin’ Andriamanitra. Io lalàna io no filamatra hampitahana ny toetra amam-panahy eo amin’ ny fitsarana. Hoy ny Apostoly Paoly : «Fa izay nanota manana ny lalàna dia hotsaraina araka ny lalàna, . . . amin’ ny andro izay hitsaran’ Andriamanitra ny zavatra takona ataon’ ny olona, amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy»6Rom. 2:12. Ilaina indrindra ny finoana mba hitandremana ny lalàn’ Andriamanitra : fa «raha tsy amin’ ny finoana dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy». Ary «ota izay rehetra tsy avy amin’ ny finoana»7Heb. 11: 6.HM 449.3

    Amin’ ny alalan’ ny anjely voalohany dia antsoina ny olona hatahotra an’ Andriamanitra sy hanome voninahitra Azy ary hiankohoka eo anatrehany amin’ ny maha-Mpamorona ny lanitra sy ny tany Azy. Mba hanaovana izany, dia tsy maintsy mankato ny lalàny ny olona. Hoy ny olon-kendry iray hoe : «Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon’ ny olona rehetra»8Mpit. T. 12 : 13. Raha tsy misy fankatoavana ny didiny dia tsy misy fanompoana ankasitrahan’ Andriamanitra. «Fa izao no Fitiavana an’ Andriamanitra dia ny hitandremantsika ny didiny». «Izay manentsi-tadiny tsy hihaino ny lalàna, na ny fivavahany aza dia fahavetavetana»91Jao.5:3;Oha.28:9.HM 450.1

    Ny fiankohofana eo anatrehan’ Andriamanitra dia mifototra eo amin’ ny maha-Mpahary Azy ary avy Aminy no isian’ ny zavatra hafa rehetra. Ary na aiza na aiza ao amin’ ny Baiboly no anehoana ny fitakiany fanajana sy fiankohofana eo anatrehany, ambonin’ ireo andriamanitry ny jentilisa, dia ny porofon’ ny heriny nentiny namorona no abaribarin’ izany». «Fa ny andriamanitry ny firenena dia tsinontsinona ; fa Jehovah no nanao ny lanitra»10Sal. 96 : 5. «Koa ampitovinareo amin’ iza moa Aho, hitahako aminy ? hoy ny Iray Masina. Asandrato ny masonareo, ka mijere ; iza no nahary ireny ?» «Fa izao no lazain’ i Jehovah Izay nahary ny lanitra, Izy no Andriamanitra sady namorona ny tany no nahavita azy ? . . . Izaho no Jehovah, ary tsy misy hafa»11Isa. 40 : 25, 26 ; 45 : 18. Hoy ny mpanao Salamo : «Aoka ho fantatrao fa Jehovah no Andriamanitra, Izy no nanao antsika, fa tsy isika»,(noty ery ambany). «Avia, ka aoka hiondrika sy hiankohoka isika ; aoka isika handohalika eo anatrehan’ i Jehovah, Mpanao antsika»12Sal. 100 : 3 ; 95 : 6. Ary ireo masina izay miankohoka eo anatrehan’ Andriamanitra any an-danitra dia milaza ny antony maha-mendri-piderana Azy hoe : «Hianao Tomponay sy Andriamanitray, no miendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery. Fa Hianao no nahary ny zavatra rehetra»13Apok.4:11.HM 450.2

    Ao amin’ ny Apokalypsy 14, dia antsoina ny olona hiankohoka eo anoloan’ ny Mpamorona ; ary asehon’ ny faminaniana ny antokon’ olona iray, izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra ho vokatry ny hafatra telo sosona. Ny iray amin’ ireo didy ireo dia manondro mivantana an’ Andriamanitra amin’ ny maha-Mpamorona Azy. Hoy ny ambaran’ ny didy fahefatra : «Fa Sabatan’ i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito. . . henemana no nanaovan’ i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina, mbamin’ izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin’ ny andro fahafito, izany no nitahian’ i Jehovah ny andro Sabata sy nanamasinany azy»14Eks. 20:10, 11Mikasika ny Sabata dia hoy Jehovah : «famantarana. . . ahafantaranareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo»,15Ezek. 20 : 20 izany. Ary omena ny anton’ izany : «Fa henemana no nanaovan’ i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin’ izay rehetra eo aminy, dia nitsahatra Izy tamin’ ny andro fahafito»16 Eks. 31: 17.HM 451.1

    Ny maha-zava-dehibe ny Sabata amin’ ny maha-tsangambaton’ ny famoronana azy dia izy mampahatsiaro mandrakariva ny tena antony tokony hiankohofana amin’ Andriamanitra — satria Mpamorona Izy, ary isika noforoniny. «Noho izany ny Sabata dia tena fototry ny fanompoana an’ Andriamanitra mihitsy. satria mampianatra io fahamarinana lehibe io amin’ ny fomba manaitra indrindra izy, ary tsy misy fanorenana hafa (nataon’ Andriamanitra) manao izany. Ny tena fototry ny fanompoana an’ Andriamanitra, tsy amin’ ny andro fahafito ihany, fa ny fanompoana azy rehetra, dia hita eo amin’ ny fahasamihafan’ ny Mpamorona sy ny noforonina. Tsy azo atao na oviana na oviana ny manafoana izany ary tsy azo hadinoina na oviana na oviana izany». — J. N. Andrews, History of the Sabbath, toko 27. Mba hitazonana io fahamarinana io ao an-tsain’ ny olona mandrakariva no nanorenan’ Andriamanitra ny Sabata tany Edena ; ary raha mbola ny maha-Mpamorona antsika Azy ihany no antony tokony hiankohofantsika eo anatrehany, dia mbola ho famantarana sy tsangambato ihany ny Sabata. Raha notandremana eran’ izao tontolo izao ny Sabata, dia ho voatarika ho eo amin ny Mpamorona ny saina sy ny fitiavan’ ny olona, amin ny maha-tokony hanajana Azy sy hiankohofana Aminy, ary tsy ho nisy na oviana na oviana mpanompo sampy, na mpandà ny fìsian’ Andriamanitra, na tsy mpino. Ny fitandremana ny Sabata no famantarana ny firaiketam-po amin’ Andriamanitra marina, «Ilay nanao ny lanitra sy ny tany ary ny loharano». Noho izany ny hafatra izay mibaiko ny olona hiankohoka eo anatrehan’ Andriamanitra sy hitandrina ny didiny dia miantso azy ireo amin’ ny fomba manokana hitandrina ny didy fahefatra.HM 451.2

    Mifanohitra amin’ ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra sy manana ny finoana an’ i Jesosy, dia misy antokon’ olona hafa izay tondroin’ ny anjely fahatelo, izay ampitandremana amin’ ny fomba mampahatahotra andrao manaiky ny fahadisoan-keviny mafonja. «Raha misy miankohoka eo anoloan’ ny bibidia sy ny sariny ka mandray ny marika eo amin’ ny handriny na amin’ ny tànany, dia izy koa no hisotro ny divain’ ny fahatezeran’ Andriamanitra»17Apok. 14 : 9 , 10. Ny fandraisana araka ny tokony ho izy ireo tandindona ampiasaina dia ilaina mba ahazoana ny hevitr’ io hafatra io. Inona no asehon’ ny bibidia, ny sariny, ny mariny ?HM 452.1

    Ny faminaniana izay ahitana ireo tandindona ireo dia manomboka ao amin’ ny Apokalypsy 12, ahitana ny dragona izay nitady hamono an’ i Kristy tamin’ ny nahaterahany. Ny dragona dia lazaina fa i Satana (Apokalypsy 12:9); izy no nanosika an’ i Heroda hampamono ny Mpamonjy. Nefa ny fiasana voalohany eo am-pelatanan’ i Satana amin’ ny fiadiana amin’ i Kristy sy ny vahoakany nandritra ireo taonjato voalohany tamin’ ny andro Kristiana dia ny fanjakana Romana, izay nanjakan’ ny fivavahana fanompoan-tsampy. Noho izany, raha mampiseho an’ i Satana ny dragona amin’ ny dikany voalohany, amin’ ny faharoa kosa dia tandindon’ i Roma Jentilisa izany.HM 452.2

    Ao amin’ ny toko faha-13 (andininy 1-10) dia misy bibidia hafa aseho «tahaka ny leoparda», izay nomen’ ny dragona «ny heriny sy ny seza fiandrianany ary fahefana lehibe». Io tandindona io, araka ny finoan’ ny ankamaroan’ ny Protestanta dia mampiseho ny fahefana papaly, izay nisolo toerana ny hery sy ny seza fiandrianana ary ny fahefana efa notanan’ ny fanjakana Romana fahiny. Izao no voalaza momba ilay bibi-dia tahaka ny leoparda : «Dia nomena vava miteny zavatra mihoapampana sy fitenenan-dratsy izy. . . ary nanokatra ny vavany hiteny ratsy an’ Andriamanitra izy, dia ny hiteny ratsy ny anarany sy ny tabernakeliny, dia ireo mitoetra any andanitra. Ary navela hiady tamin’ ny olona masina izy ka haharesy azy ; ary nomena fahefana tamin’ ny fokom-pirenena sy ny olona sy ny samihafa fiteny ary ny firenena rehetra izy». Io faminaniana io, izay misy itovizana betsaka amin’ ny filazana ilay tandroka kely ao amin’ ny Daniela 7, dia tsy misy adihevitra fa manondro ny fahefana papaly.HM 452.3

    «Nomena fahefana mba hiasa roa amby efa-polo volana izy». Ary hoy ny mpaminany : «Hitako ny lohany anankiray, izay voa ka efa ho faty ». Ary koa : « Raha misy mamabo, dia mba hobaboina kosa izy, ary raha misy mamono amin’ ny sabatra, dia tsy maintsy hovonoina amin’ ny sabatra kosa izy». Ny roa amby efa-polo volana dia ny «fetr’ andro iray sy fetr’ andro roa ary atsasaky ny fetr’ andro ihany, telo taona sy tapany, na 1260 andro ao amin’ ny Daniela 7 dia ny fe-potoana izay hampahorian’ ny fahefana papaly ny vahoakan’ Andriamanitra. Io fe-potoana io, araka ny voalaza ao amin’ ny toko mialoha, dia nanomboka tamin’ ny fotoana nahatafakatra ny fahefana papaly ho ambony noho ny fahefana hafa tamin’ ny AD. 538 ka niafara tamin’ ny 1780. Tamin’ io fotoana io dia nobaboin’ ny tafika frantsay ny papa, ary tamin’ izany no voan’ ny ratra saiky nahafaty azy ny fahefana papaly, ary tanteraka ny fanambarana natao mialoha hoe : «Raha misy mamabo, dia mba hobaboina kosa izy».HM 453.1

    Eto dia misy tandindona hafa ampidirina. Hoy ny mpaminany : «Ary hitako fa, indro, nisy bibi-dia iray koa niakatra avy tamin’ ny tany ; ary nanana tandroka roa tahaka ny an’ ny zanak’ ondry izy» Andininy 11. Na ny endrik’ io bibi-dia io, na ny fomba nisehoany dia milaza fa ny firenena izay asehony dia tsy mitovy amin’ izay asehon’ ireo tandindona teo aloha. Ireo fanjakana lehibe izay nanapaka an’ izao tontolo izao dia naseho tamin’ ny mpaminany Daniela tamin’ ny endriky ny bibi-dia mpitoha haza, avy amin’ ny «rivotra efatry ny lanitra nibosesika teny amin’ ny ranomasina lehibe»18Dan.7:2. Ao amin’ ny Apokalypsy faha-17 dia nohazavain’ ny anjely fa ny ranobe dia mampiseho «olona sy vahoaka betsaka sy firenena maro ary samihafa fiteny»19Apok. 17 : 15. Ny rivotra dia tandindon’ ny ady. Ny rivotra efatry ny lanitra izay mibosesika amin’ ny ranomasina lehibe dia mampiseho ireo zava-mahatsiravina mitranga rehefa misy ady fanafihana na fanonganam-panjakana an-keriny izay nahatongavan’ ireo fanjakana samihafa teo amin’ ny toeram-pitondrana.HM 453.2

    Fa ilay bibi-dia nanan-tandroka tahaka ny an’ ny zanak’ ondry kosa dia «niakatra avy tamin’ ny tany. Tsy mba nandresy fahefana hafa mba hiorenany io firenena aseho toy izany io, fa tsy maintsy mipoitra avy amin’ ny faritany tsy nisy mponina teo aloha ary nitombo niandalana sy tamim-piadanana. Noho izany dia tsy nety ho niseho avy tamin’ ireo firenena be olona sy nahery nifandramatra teo amin’ ny faritr’ izao tontolo izao tranainy izany (Eoropa) — izay ranomasina misamboaravoaran’ ny «olona sy vahoaka betsaka, sy firenena ary samihafa fiteny». Tsy maintsy any amin’ ny zara-tany andrefana no ahitana izany.HM 454.1

    Iza no firenena tany amin’ ny Kontinenta Vaovao (Amerika) izay nisandratra ho amin’ ny hery tamin’ ny taona 1798, ka nampanantena hery sy fahalehibeazana, ary nahasarika ny fijerin’ izao tontolo izao ? Tsy mety misy adi-hevitra ny fampiharana ny tandindona. Firenena iray dia iray ihany no mahafeno ny fepetra lazain’ io faminaniana io ; tsy misy isalasalana fa manondro ny Etazonia any Amerika izany. Imbetsaka ireo mpandaha-teny na mpanoratra tantara no nindrana tsy nahy ny fisaina sy saiky ny fomba fiteny mihitsy nampiasain’ ny mpanoratra masina, raha nilaza ny amin’ ny nipoiran’ ity firenena ity sy ny nisandratany izy ireny. Ilay bibidia dia hita fa niakatra avy tamin’ ny tany», ary araka ny hevitry rizareo mpandika teny, ny teny «miakatra» dia «mitsiry na mipoitra tahaka ny zava-maniry» no dikany ara-bakiteny. Ary araka ny hitantsika. dia tsy maintsy mitsangana avy amin’ ny faritany tsy mbola nisy mponina izany. Nisy mpanoratra malaza iray, izay raha nitantara ny amin’ ny nipoiran’ i Etazonia dia nilaza ny amin’ ny «zava-miafin’ ny nisehoany avy tamin’ ny toerana babangoana» ka hoy izy : «Tahaka ny fitsirin’ ny voan-javatra mangingina no nitomboantsika ho fanjakana — G. A. Townsed,The New World compared with the old,pejy 462. Tamin’ ny 1858 dia nisy gazety eoropeana nilaza ny amin’ i Etazonia ho fanjakana mahagaga izay «nitranga», ary tao anivon’ ny fahanginan’ ny tany no nampitomboany isan’ andro isan’ andro ny hery mbamin’ ny fireharehany. Ny «Dublin Nation». Edward Everett, raha nandaha-teny momba an’ ireo Mpivahiny nanorina io firenena io dia nanao hoe : «Moa ve nitady toerana nitokantokana izy dia tany tsy nampidi-doza satria tsy nisy nahafantatra, ary azo antoka ho fiarovana noho ny fahalavitany, ka ahazoan’ ilay fiangonan-kelin’ i Leyden hiriaria amin’ ny fahafahana manaraka ny feon’ ny fieritreretany ? Jereo ireo toerana midadasika izay nobaboiny moramora fa tsy tamin’ ny fomba nahery setra ka nanatsatohany ny fanevan’ ny hazo fijaliana. . . ! Lahateny natao tany Plymouth, Massachusetts, 22 Desambra, 1824. p. 11.HM 454.2

    Izany fihetsika izany dia hifanohitra mivantana amin’ ireo fototra iorenan’ io fitondram-panjakana io, amin’ ny tena toetran’ ireo andrim-panjakana natsangany tambonin’ ny fahafahana, amin’ ny fiaikena mazava sy miezinezina ao amin’ ny Fanambarana ny Fahaleovan-tena sy amin’ ny Lalàm-panorenana. Nampiseho fahendrena ireo nanorina ny firenena raha niezaka hisakana ny ahazoan’ ny fiangonana hampiasa ny herin’ ny fanjakana izay tsy maintsy miteraka ireto vokatra tsy azo idifiana ireto, dia ny tsy fandeferana sy ny fanenjehana. Nametraka fepetra ny Lalàmpanorenana hoe : «Ny Antenimiera dia tsy hanao lalàna mikasika ny faneken’ ny fanjakana fivavahana iray na fandrarana ny fanarahana malalaka an’ izany koa» ary ny fivavahana dia tsy azo ampidirina ho fepetra ambony takina eo amin’ ny olona amin’ ny fahazoany manao asa na inona na inona mikasika ny fiainam-bahoaka any Etazonia. Raha tsy misy fandikana an-karihary ireo fefy fiarovana ny fahafahana ao amin’ ny firenena ireo, dia tsy misy fombam-pivavahana azo amafisina amin’ ny fahefam-panjakana. Nefa ny toetra mifanohitra eo amin’ izao fihetsika izao dia tsy tafahoatra an’ izay asehon’ ny tandindona tsy akory. Ilay bibi-dia manana tandroka tahaka ny an’ ny zanak’ ondry izay milaza ny tenany ho madio, malemy fanahy ary tsy mahavita ratsy — no miteny tahaka ny dragona.HM 455.1

    «Milaza amin’ izay monina ambonin’ ny tany mba hanao sary ho an’ ny bibi-dia». Aseho mazava eto ny endriky ny fitondrampanjakana izay miankina amin’ ny vahoaka ny fahefana hanao lalàna, izay porofo mazava loatra fa i Etazonia no firenena voalazan’ ny faminaniana.HM 455.2

    Inona anefa no «sarin’ ny bibi-dia» ary fomba ahoana no anaovana izany ? Ny sary dia ataon’ ilay bibi-dia manan-tandroka roa, ary sary ho an’ ny bibi-dia izany. Voalaza koa fa sarin’ ny bibi-dia izany. Noho izany mba hahafantarana ny hoe toy inona ilay sary ary ahoana no anaovana izany dia tsy maintsy mandinika ireo toetoetry ny bibi-dia isika — dia ny fahefana papaly izany.HM 455.3

    Rehefa voaloto ny fiangonana voalohany noho ny nialany tamin’ ny fahadiovan’ ny filazantsara sy noho ny nanekeny ireo fomba amam-panao jentilisa, dia veriny ny Fanahy sy ny herin’ Andria-manitra ; ary mba ahazoany mifehy ny feon’ ny fieritreretan’ ny vahoaka dia nitady tohana avy tamin’ ny fahefana ara-politika izy. Ny vokatr’ izany dia ny fahefana papaly, ny fiangonana izay nifehy ny fahefam-panjakana ary nampiasa izany ho fanatanterahana ny zavakendreny, indrindra tamin’ ny famaizana ny «herezia». Mba hanaovan’ i Etazonia sary ho an’ ny bibi-dia, dia tsy maintsy mifehy ny fitondram-panjakany ny fahefana ara-pivavahana ary hampiasain’ ny fiangonana koa ny fahefam-panjakana mba hahatanteraka ny fikasany.HM 456.1

    «Ary nanana tandroka roa tahaka ny an’ ny Zanak’ ondry izy». Ny tandroka tahaka ny an’ ny zanak’ ondry dia milaza fahatanorana, tsy fananan-tsiny, sy halemem-panahy, izay tena mampiseho ny toetran’ i Etazonia fony izy nasehon’ ny mpaminany ho «niakatra» tamin’ ny taona 1798. Tamin’ ireo Kristiana nifindra fonenana izay nandositra voalohany ho any Amerika ka nitady fialokalofana tsy ho tratry ny fanjakazakan’ ny mpanjaka sy ny tsy fandeferan’ ny pretra dia maro no tapa-kevitra fa hanangana fanjakana eo amin’ ny fototra malalaky ny fahafahana maha-vahoaka afaka sy ara-pivavahana. Tafatsofoka tao amin’ ny Fanambarana ny Fahaleovan-tena ny hevitr’ izy ireo, izay manambara mibaribary ilay fahamarinana lehibe milaza fa «nohariana hitovy ny olona rehetra», ary nomena zo voa-Janahary tsy azo foanana «ho velona, ho afaka ary hikatsaka fahasambarana». Ary ny lalàm-panorenana dia miantoka ny fananan’ ny vahoaka zo hitondra ny tenany ka manome azy ny hifidy solon-tena amin’ ny alalan’ ny latsa-baton’ ny besinimaro izay hanao lalàna sy hampihatra izany. Nomena azy koa ny fahafahana ara-pivavahana, ka nahazo nanompo an’ Andriamanitra araka ny baikon’ ny feon’ ny fieritreretany ny olona tsirairay. Ny fitondrana Repoblikana sy ny fivavahana Protestanta no nanjary fototra niorenan’ ny firenena. Ireo foto-kevitra ireo no tsiambaratelon’ ny heriny sy ny firoboroboany. Ireo rehetra nampahoriana sy nohosihosena nanerana ny fanjakana Kristiana dia nitodika ho amin’ io tany io ka velom-bolo sy feno fanantenana. An-tapitrisany no nikatsaka ny morony ary i Etazonia dia nisandratra ho anisan’ ireo firenena mahery indrindra eto an-tany.HM 456.2

    Nefa «niteny tahaka ny dragona» ilay bibi-dia nanana «tandroka tahaka ny an’ ny zanak’ ondry». «Ary ny fahefana rehetra nananan’ ilay bibi-dia voalohany dia asehony eo anatrehany, ary ny tany mbamin’ izay monina eo aminy dia asainy miankohoka eo anoloan’ ilay bibi-dia voalohany, izay efa sitrana tamin’ ilay feriny saiky nahafaty azy, . . . sady milaza amin’ izay monina ambonin’ ny tany koa mba hanao sary ho an’ ny bibi-dia, izay voan’ ny sabatra nefa velona ihany »20Apok. 13 : 11-14.HM 456.3

    Ny tandroka tahaka ny an’ ny zanak’ ondry sy ny feon’ ny dragona ao amin’ ny tandindona dia monondro fifanoherana manaitra eo amin’ ny zavatra lazaina sy ny zavatra ataon’ ny firenena aseho amin’ izany. Ny «fitenenan’ ny firenena dia ny asa ataon’ ireo fahefana manao lalàna sy mitsara ao aminy. Amin’ izany asa izany no hampandainga ireo foto-kevitra mitory fahafahana sy fiadanana izay asehony ho fanorenan’ ny politikany izy. Ny fanambarana mialoha izay milaza fa «hiteny tahaka ny dragona» izy ka «hampiasa ny fahefana rehetra nananan’ ilay bibi-dia voalohany» dia milaza mazava fa hihamahazo vahana ny toe-tsaina tsy mandefitra sy mpanenjika izay nahariharin’ ireo firenena naseho tamin’ ny dragona sy ilay bibi-dia tahaka ny leoparda. Ary ny filazana fa ilay bibi-dia nanana tandroka roa dia hahatonga «ny tany mbamin’ izay monina eo hiankohoka eo anoloan’ ilay bibi-dia voalohany» dia manambara fa ny fahefana ao amin’ io firenena io dia hampiasainy hoenti-manamafy fombam-pivavahana izay midika ho fanekena ny fahefana papaly.HM 457.1

    Na oviana na oviana ny fiangonana no nahazo fahefana arapolitika, dia nampiasainy izany hoenti-manafay ireo izay nisaraka tamin’ ny fampianarany. Ireo fiangonana Protestanta izay nanaraka ny dian’ i Roma tamin’ ny firaisany tamin’ ny fahefana araka izao tontolo izao dia nampiseho faniriana toy ny azy hametra ny faha-fahana hanaraka ny feon’ ny fieritreretana. Misy ohatra momba izany hita teo amin’ ny fanenjehana naharitra ela nataon’ ny fiangonan’ i Angletera tamin’ izay nisaraka taminy. Nandritra ny taonjato fahenina ambin’ ny folo sy fahafito ambin’ ny folo, dia nisy mpitandrina an’ arivony tsy nanaraka ny fivavahana neken’ ny fanjakana no voatery nandositra niala tamin’ ny fiangonany, ary maro tamin’ izy ireny, na mpitandrina na olon-tsotra, no voasazy handoa vola, nampidirina am-ponja, nampijaliana sy novonoina maritiora.HM 457.2

    Ny fihemorana no nitarika ny fiangonana voalohany hitady ny fanampian’ ny fitondram-panjakana, ary izany no namboa-dalàna ho amin’ ny lahefana papaly — dia ny bibi-dia izany. Hoy i Paoly :«Ho tonga ny fihemorana. . . ka hiseho ilay lehilahin’ ota»212 Tes. 2 : 3. Ny fihe-morana ao amin’ ny fiangonana izany no hanomana ny lalana ho an’ ny sarin’ ny bibi —dia.HM 457.3

    Ambaran’ ny Baiboly fa alohan’ ny hiavian’ ny Tompo dia hisy fitotonganana ara-pivavahana tahaka ny tamin’ ireo taonjato voalohany. «Fa aoka ho fantatrao izao fa any am-parany any dia hisy andro mahory. Fa ny olona ho tia tena. ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina, tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara, mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’ Andriamanitra. manana ny endriky ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra, nefa mandà ny heriny»222 Tem. 3 : 1-5. «Fa ny Fanahy milaza marina fa amin’ ny andro aoriana dia hihemotra amin’ ny finoana ny sasany, manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran’ ny demonia»231Tim. 4 : 1. Satana dia hiasa amin’ ny hery sy famantarana sy ny fahagagana mandainga rehetra ary ny famitahana momba ny tsy fahamarinana. Ary izay rehetra «tsy nandray ny fitiavana ny faha-marinana izay hamonjena azy», dia «havela hiasan’ ny fahadisoankevitra hinoany lainga»242 Tes. 2: 9-11. Rehefa ho tratra io toe-panahy tsy araka an’ Andriamanitra io, dia hanaraka amin’ izay ireo vokatra mitovy amin’ izay hita tamin’ ireo taonjato voalohandohany.HM 458.1

    Ny fahasamihafam-pinoana hita ao amin’ ireo fiangonana Protestanta dia noraisin’ ny sasany ho porofo ampy hilazana fa tsy misy ezaka azo atao mihitsy mba hisian’ ny firaisan’ ny finoana. Nefa efa taona maro izao no nisian’ ny fihetseham-po mafy sy nitombo hatrany tao amin’ ny fiangonana mitana ny finoana Protestanta izay maniry firaisana miorina eo ambonin’ ireo fampianarana iraisana. Mba hampijoroana ny firaisana toy izany, dia tsy maintsy havela ny adi-hevitra momba ny lohateny tsy ifanarahan’ ny rehetra — na zava-dehibe toy inona ara-Baiboly aza izany.HM 458.2

    I Charles Beecher, dia nilaza tamin’ ny toriteny nataony tamin’ ny taona 1846 fa ny asan’ ireo mpitandrina ao amin’ ireo «sampampivavahana Protestanta ara-pilazantsara» dia «tsy nizotra tamin’ ny fanerena mahery vaika noho ny tahotra olombelona fotsiny, fa velona sy mihetsika ary miaina eo amin’ ny toe-javatra efa tena Io mihitsy, sady mitaky isan’ ora amin’ ny faritra ambany rehetra eo amin’ ny maha-izy azy mba hampangina ny fahamarinana sy hampilefitra ny lohaliny amin’ ny fahefan’ ny fihemorana. Tsy izany koa ve ny fandehan-javatra tamin’ i Roma ? Moa ve tsy mivelona indray araka ny fiainany isika ? Ary inona no hitantsika ao aloha akaiky ao ? Fivoriam-be fiheveran-draharaha hafa indray ! Fifanarahana ataon izao tontolo izao ! Firaisana ara-pilazantsara sy fanekem-pinoana hiombonan’ ny eran-tany ! (Toriteny momba ny Baiboly Fanakempinoana ampy, natao tao Fort Wayne Indiana, 22 Febroary 1846). Rehefa ho azo izany, dia dingana iray sisa dia mby amin’ ny fampiasan-kery amin’ ny fiezahana ho tonga amin’ ny fitoviana feno.HM 458.3

    Rehefa ireo fiangonana lohandohany any Etazonia, izay miray noho ny amin’ ny foto-pinoana iarahan’ izy rehetra manaiky, no hiasa mangina amin’ ny fanjakana mba hanamafy ny lalàna ataony sy hanohana ny asa natsangany, amin’ izay dia ho nanao sarin’ ny ambaratongam-pahefana Romana i Amerika Protestanta ka ny fampiharana sazy ataon’ ny fanjakana amin’ ireo izay misaraka aminy no vokatr’ izany tsy azo sakanana.HM 459.1

    Ilay bibi-dia nanan-tandroka roa dia mandidy «ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, na ny manan-karena na ny malahelo, na ny tsy andevo na ny andevo», handray «marika eo amin’ ny tanany ankavanana na eo amin’ ny handriny avokoa, mba tsy hisy hahazo hividy na hivarotra, afa-tsy izay manana ny marika, dia ny anaran’ ny bibi-dia, na ny isan’ ny anarany»25Apok. 13 : 16 . 17. Ny hafatra fampitandremana entin’ ny anjely fahatelo dia manao hoe : «Raha misy miankohoka eo anoloan’ ny bibi-dia sy ny sariny ka mandray ny marika eo amin’ ny handriny na amin’ ny tanany, dia izy koa no hisotro ny divain’ ny fahatezeran’ Andriamanitra». «Ny bibi-dia» voalaza ao amin’ ity, izay haneren’ ilay bibi-dia manan-tandroka roa ny fiankohofana eo anatrehany, dia ny voalohany, na ilay bibi-dia tahaka ny leoparda ao amin’ ny Apokalypsy 13 dia ny fahefana papaly». Ny «sarin’ ny bibi-dia» dia mampiseho io endriky ny fivavahana Protestanta mihemotra izay hiseho rehefa hitady ny fanampian’ ny fahefampanjakana ny fiangonana Protestanta mba handidy hankatoavana ny fampianarany. Mbola hofaritana ny atao hoe ny «mariky ny bibi-dia».HM 459.2

    Aorian’ ny fampitandremana momba ny fiankohofana eo anoloan’ ny bibi-dia sy ny sariny dia hoy ny mpaminany : «Indreto ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra sy ny finoana an’ i Jesosy» (dikan-teny Anglisy). Satria avahana toy izany amin’ ireo izay miankohoka eo anoloan’ ny bibi-dia sy ny sariny ka mandray ny mariky ny anarany, ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra, noho izany ny fitandremana ny didin’ Andriamanitra etsy an-daniny, sy ny fandikana azy, etsy an-kilany, no hampiavaka ireo izay miankohoka eo anatrehan’ Andriamanitra sy ireo izay miankohoka eo anoloan’ ny bibi-dia. HM 459.3

    Ny toetra manokana hita eo amin’ ny bibi-dia, ary hita koa eo amin’ny sariny noho izany, dia ny fandikana ny didin’Andriamanitra. Hoy i Daniela momba ilay tandroka kely, dia ny fahefana papaly izany : «ary hitady hanova fotoana sy lalàna izy»26Dan. 7 : 25. Paoly koa dia nanome anarana io fahefana io hoe ilay «lehilahin’ ota» izay nanan-dratra ny tenany ambonin’ Andriamanitra ; mifameno ireo fami-naniana anankiroa ireo. Ny fanovana ny lalàn’ Andriamanitra ihany no fomba ahazoan’ ny fahefana papaly manandratra ny tenany ho ambonin’ Andriamanitra. Na iza na iza mahalala nefa mitandrina ny lalàna novana toy izany, dia manome voninahitra fara-tampony an’ ilay fahefana nanao izany fanovana izany. Ny fihetsika mankato toy izany ny lalàna papaly dia mariky ny fanekena ny papa ho solon’ Andriamanitra.HM 460.1

    Nanandrana nanova ny lalàn’ Andriamanitra ny fahefana papaly. Ny didy faharoa, izay mandrara ny fivavahana amin’ ny sary dia nesorina tsy ho amin’ ny lalàna, ary ny didy fahefatra dia novana koa amin’ ny fomba izay manome alalana ny fitandremana ny andro voalohany fa tsy ny andro fahafito ho Sabata. Antitranterin’ ireo papista, fa ny antony nanalany ny didy faharoa, dia tsy ilaina izany satria efa voafaoka ao amin’ ny voalohany, ary lazainy fa tena araka izay notendren’ Andriamanitra ahazoana azy mihitsy no anomezan’ izy ireo ny lalàna. Tsy io no fanovana nambaran’ ny mpaminany mialoha. Misy fanovana, nokasaina, niniana haseho. «Hitady hanova fotoana sy lalàna izy». Tena manatanteraka ny faminaniana ny fanovana ao amin’ ny didy fahefatra. Ny hany fahefana anankinana azy io dia ny fahefan’ ny eglizy. Eto ny fahefana papaly dia manan-dra-tena mazava ho ambonin’ Andriamanitra.HM 460.2

    Raha hiavaka indrindra amin’ ny hanajany ny didy fahefatra ireo izay miankohoka amin’ Andriamanitra manokana, satria io no famantarana ny heriny mamorona sy vavolombelon’ ny fitakiany ny fiankohofana aminy sy ny fanajan’ ny olona Azy, ireo miankohoka eo anoloan’ ny bibi-dia kosa dia hiavaka amin’ ny fiezahany handrodana ny tsangambaton’ ny Mpamorona, ka hanandratra izay naorin’ i Roma. Ho fanohanana ny Alahady no nanehoan’ ny fahe-fana papaly voalohany indrindra ny fihamboany feno fireharehana fatratra (Jereo Fanampiny); ary ny nampiasany voalohany ny fahefam-panjakana dia ho amin’ ny fanerena ny olona hitandrina ny Alahady ho «Andron’ ny Tompo». Ny Baiboly anefa dia manondro ny andro fahafito fa tsy ny andro voalohany ho andron’ ny Tompo. Hoy Kristy : «Fa tompon’ ny Sabata ny zanak’ olona».Ny didy fahefatra dia manambara fa : Sabatan’ i Jehovah ny andro fahafito». Ary tamin’ alalan’ ny mpaminany Isaia no nanondroan’ i Jehovah azy ho «Androko masina»27Marka 2 : 28 ; Isa. 58 : 13.HM 460.3

    Ny filazana aroso matetika fa Kristy no nanova ny Sabata dia lavin’ ny teniny ihany. Hoy Izy tamin’ ny toriteny teo an-tendrombohitra :» Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany ; tsy tonga Aho handrava fa hanatanteraka. Fa lazaiko aminareo marina tokoa : Mandra-pahafoan’ ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin’ ny lalàna na dia litera iray na tendrontsoratra iray aza, mandra-pahatanterak’ izy rehetra. Ary amin’ izany na zovy na zovy no mamaha ny anankiray amin’ ireo didy madinika indrindra ireo ka mampianatra ny olona toy izany, dia atao hoe kely indrindra amin’ ny fanjakan’ ny lanitra»28Mat. 5 : 17-19.HM 461.1

    Eken’ ny ankabeazan’ ny Protestanta fa tsy ny fahefan’ ny Soratra Masina no azo anankinana ny fanovana ny Sabata. Voalaza mazava izany ao amin’ ireo boky navoakan’ ny Fikambanana Amerikana mampiely trakta ara-pivavahana sy ny Fikambanan’ ny Sekoly Alahady Amerikana. Ny iray amin’ ireny dia manaiky ny «fahanginana tanteraka ao amin’ ny Testamenta Vaovao momba ny baiko mazava mampitandrina ny Sabata (Alahady, andro voalohany amin’ ny herinandro) sy momba ny fitsipika mazava ny amin’ ny fomba fitandremana izany». George Elliott, The Abiding Sabbath, p. 184.HM 461.2

    Misy anankiray koa manao hoe : «Hatramin’ ny fotoana nahafatesan’ i Kristy, dia tsy nisy fiovana momba ny andro, ary«araka ny asehon’ ny teny firaketana, ny apostoly dia tsy nanome baiko mazava mitarika ny olona hiala amin’ ny Sabatan’ ny andro fahafito ka hitandrina izany amin’ ny andro voalohany amin’ ny herinandro». — A. E. Waffle, The Lords Day, p. 186-188.HM 461.3

    Eken’ ny Katolika Romana fa ny fiangonany no nanova ny Sabata, ary nambarany fa manaiky ny fahefany ny Protestanta amin’ ny fitandremany ny Alahady. Ao amin’ ny Katesizy Katolika momba ny Fivavahana Kristiana, (Catholic Catechism of Christian Religious), ho valin’ ny fanontaniana momba ny andro tokony hotandremana ho fankatoavana ny didy fahefatra, dia misy izao filazana izao : «Tamin’ ny andron’ ny lalàna taloha, dia ny Asabotsy no andro nohamasinina ; nefa ny Eglizy, izay nampianarin’ i Jeso Kristy, sy notarihin’ ny Fanahin’ Andriamanitra, dia nanolo ny Asabotsy tamin’ ny Alahady ; noho izany isika ankehitriny dia manamasina ny andro voalohany fa tsy ny andro fahafito. Ny Alahady dia midika hoe andron’ ny Tompo ary izany izy ankehitriny !HM 461.4

    Ho famantarana ny fahefana ananan’ ny Eglizy Katolika dia milaza ny amin’ ny nanovany ny Sabata ho Alahady, izay eken’ ny Protestanta, ireo mpanoratra papista. . . satria amin’ ny fitandremany ny Alahady, dia manaiky ny fahefan’ ny Eglizy izy hanendry andro fety, sy handidy fa fahotana ny tsy mitandrina ireny. Henry Tuberville, ao amin’ ny Famintinana ny Fampianarana Kristiana, (An Abrigdment of the Christian Doctrine), pejy 58. Koa inona ary ny fanovana ny Sabata raha tsy famantarana, mariky ny fahefan’ ny Eglizin’ i Roma — «mariky ny bibi-dia ? »HM 462.1

    Tsy mbola nafoin’ ny Eglizy Katolika Romana ny fihambony ho manana ny fahefana fara-tampony ; ary rehefa eken’ izao tontolo izao sy ireo fiangonana Protestanta ny Sabata noforoniny, nefa tsipahiny ny Sabatan’ ny Baiboly, dia naman’ ny manaiky an’ io fiheverana io izy. Azony aroso ny fahefan’ ny lovan-tsofina na ny an’ ireo Rain’ ny fiangonana hoenti-manamarina io fanovana io ; nefa raha izany no antony dia minia tsy hiraharaha ny fotokevitra mihitsy izay mampisaraka azy amin’ i Roma izy — dia ny hoe : «Ny Baiboly, ary ny Baiboly irery ihany no fivavahan’ ny Protestanta». Mety ho hitan’ ny papista fa mamita-tena izy ireny minia manakimpy ny masony tsy hijery io zava-misy io. Raha mandroso hatrany ny fankasitrahana ny fihetsiketsehana hoenti-manamafy ny fitandremana ny Alahady, dia mifaly izy, tsapany manko fa azo antoka fa indray andro any dia hahatonga ny Protestanta manontolo ho ao ambanin’ ny fanevan’ i Roma izany.HM 462.2

    Ambaran’ ireo mpiandany amin’ i Roma fa «ny fitandremana ny Alahady ataon’ ny Protestanta dia fanajany ny fahefan’ ny Eglizy Katolika na dia tsy eken’ ny tenany aza izany» — Mgr. Ségur,Plain Talk About the Protestantism of Today, p. 213. Ny fanamafisan’ ny Protestanta ny fitandremana ny Alahady dia fanamafisana ny fiankohofana eo anatrehan’ny fahefana papaly dia ny bibi-dia. Ireo izay mahalala ny takin’ ny didy fahefatra, nefa misafidy ny hitandrina ny Sabata sandoka ho solon’ ny Sabata marina, dia miankohoka eo anoloan’ ilay fahefana hany nibaiko hanao izany. Ny fanamafisan’ ny fiangonana ny adidy ara-pivavahana amin’ ny alalan’ ny fahefam-panjakana dia fanaovan’ ny fiangonana sary ho an’ ny bibi-dia ; noho izany ny fanamafisana ny fitandremana ny Alahady any Etazonia dia ho fanamafisana ny fiankohofana eo anoloan’ ny bibi-dia sy ny sariny.HM 462.3

    Nitandrina ny Alahady anefa ireo Kristiana tamin’ ny taranaka lasa, ary nihevitra izy tamin’ ny fanaovany an’ izany, fa nitandrina ny Sabatan’ ny Baiboly ; ary ankehitriny dia misy kristiana marina ao amin’ ny fiangonana tsirairay, ary tsy avahana amin’ izany ny Katolika Romana, amin’ ny ankapobeny izay mino marina amin’ ny fony tokoa fa ny Alahady no Sabata notendren’ Andriamanitra. Eken’ Andriamanitra ny fahatsoram-pony eo amin’ ny fikasany sy ny hitsipony eo anatrehany. Nefa kosa rehefa hamafisin’ ny lalàna ny fitandremana ny Alahady ka handray fahazavana izao tontolo izao mikasika ny tsy maintsy hitandremana ny Sabata marina, amin’ izay, na iza na iza handika ny baikon’ Andriamanitra, mba hankato fitsipika izay tsy avy amin’ ny fahefana ambony kokoa noho ny an’ i Roma, dia hanome voninahitra ny papa ambonin’ Andriamanitra. Miondrika eo anoloan’ i Roma sy ny fahefana izay manamafy ny zavatra naorin’ i Roma izy. Miankohoka eo anoloan’ ny bibi-dia sy ny sariny izy. Amin’ izay raha misy olona mitsipaka izay natsangan’ Andriamanitra ka nolazainy fa famantarana ny fahefany, ary manaja ho solon’ izany izay nofidin’ i Roma ho porofon’ ny fahefany faratampony dia hanaiky ny famantarana ny fiandaniany amin’ i Roma izy «ny mariky ny bibi-dia » izany. Ary raha tsy voaseho mazava toy izany eo amin’ ny vahoaka izay ho vokany, ka entina hisafidy izy na ny didin’ Andriamanitra na ny didin’ ny olombelona, dia handray «ny mariky ny bibi-dia» ireo izay mikiry handika ny didin’ Andriamanitra.HM 463.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents