Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hery Mifanandrina

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 8—Lotera tso anatrehan’ ny Filankevitry ny fanjakana foibe

    Raha niakatra teo amin’ ny seza fiandrianan’ i Alemaina ny amperora vaovao, Charles fahadimy, dia nidodododo niarahaba azy ireo irak’ i Roma sy nitaona azy hampiasa ny fahefany hanoherana ny Fanavaozana ara-pivavahana. Tetsy an-daniny kosa dia niangavy azy ny filohan’ i Saxe, izay nanohana azy mafy tokoa tamin’ ny fahazoany ny satroboninahiny, ka toy ny nanan-trosa be taminy mba tsy hanao na inona na inona hanohitra an’ i Lotera raha tsy efa nanaiky ny hinaino azy. Noho izany dia latsaka an-katerena ny amperora ka very hevitra sy niroanahana be ihany. Ny papista dia tsy ho afa-po mihitsy raha tsy misy didy avoakan’ ny amperora manameloka an’ i Lotera ho faty. Ny filohan’ i Saxe koa efa nanambara tamin’ ny fomba hentitra fa «na ny andriamanjaka na ny olon-kafa dia tsy mbola nampiseho fa voaporofo fa diso ny asa-soratr’ i Lotera»; noho izany dia nangataka izy «ny hanomezana tsisakanana an’ i Lotera mba hahazoany miseho eo anatrehan’ ny fitsarana olona manam-pahaizana mivavaka marina ary tsy miangatra». D’Aiibigné, boky 6, toko 11.HM 147.1

    Tamin’ izay dia nifantoka tamin’ ny fivorian’ ireo fanjakana alemana izay tapaka fa hatao any Worms, fotoana fohy taorian’ ny niakaran’ i Charles teo amin’ ny fanjakana ny sain’ ny an-daniny sy ny ankilany. Nisy raharaha lehibe ara-politika sy mikasika ny tombon-tsoam-panjakana izay haroso hodinihina tao amin’ io filankevitra io. Tao no nandinihan’ ny filan-kevi-panjakana ireo olona sy ireo tombon-tsoa lehibe ara-politika; izao koa no voalohany hihaonan’ ireo andriandahin’ i Alemaina amin’ ny mpanjakany vao herotrerony eo amin’ ny fivoriana fandinihan-draharaha. Tonga avy tamin’ ny lafy valon’ ny tanindrazana ireo olona ambony eo amin’ ny fiangonana sy ny fanjakana. Tao ireo andrian-dahy araka izao tontolo izao, avo firazanana, ambony fahefana ary saro-piaro tamin’ ny zo azony tamin’ ny alalan’ ny fandovana nifandovany; tao ireo printsin’ ny eglizy mirehi-mena mahatsiaro ny fahamboman’ ny toerana amampahefany; tao ireo manam-boninahitra ara-tafika sy ireo mpanaraka azy mirongo fiadiana; ary tao ireo masoivoho avy tamin’ ny tany vahiny sy lavi-toerana — samy nivory tao Worms avokoa. Ny lohahevitra nahaliana indrindra tamin’ io fivoriana goavana io anefa, dia ny momba ilay Mpanavao fivavahana avy any Saxe.HM 147.2

    Efa nobaikoin’ i Charles mialoha ny filohan’ i Saxe hitondra an’ i Lotera miaraka aminy ho ao amin’ ny filan-kevitry ny fanjakana foibe, ka nomeny toky izy fa harovana ary nampanantenainy koa fa halalaka ny adi-hevitra hifanaovany amin’ ireo olona havanana momba izany ny amin’ ny foto-kevitra ifanolanana. Nirin’ i Lotera fatratra ny hiseho teo anatrehan’ ny amperora. Tsy ara-dalàna loatra koa ny fahasalamany tamin’ izany fotoana izany; nefa dia nanoratra toy izao tamin’ ny filohan’ i Saxe izy: «Raha tsy afaka mankany Worms salama tsara aho, dia tsy maintsy hoentina any, amin’ izao tsy fahasalamako izao. Satria raha miantso ahy ny amperora dia tsy isalasalako fa antson’ Andriamanitra mihitsy izany. Raha hanao herisetra amiko ry zareo, ary mety hitranga tokoa izany (satria tsy fitadiavam-pahalalana no niantsoany ahy hiseho eo anatrehany), dia apetrako eo am-pelatanan’ ny Tompo ny momba izany. Mbola velona ary manjaka Ilay niaro ireo zatovo telo mirahalahy tao amin’ ny lafaoro misy afo mirehitra. Raha tsy hamonjy ahy Izy, dia tsy misy antony firy ny fiainako. Ny hany hataontsika dia ny hiaro ny Filazantsara tsy hianjadian’ ny fanarabian’ ny ratsy fanahy, ary aoka halatsatsika ho azy ny rantsika, andrao mandresy ireo. Tsy ahy ny misafidy na amin’ ny alalan’ ny fahavelomako, na amin’ ny alalan’ ny fahafatesako no hahavonjena ny rehetra. . . Mahazo manantena ny zavatra rehetra avy amiko ianao. . . afa-tsy ny handositra na hivadika sy ny mihemotra amin’ ny hevitro. Tsy azoko atao ny mandositra, ary mainka tsy azoko atao ny manaiky ho diso». Ibid, boky 7, toko 1.HM 148.1

    Rehefa niely tany Worms fa hiseho eo anatrehan’ ny filan-kevitry ny fanjakana foibe i Lotera, dia samy efa notsindrian-daona avokoa ny rehetra. Sady nivadi-po no nisafoaka i Aleander, ilay iraky ny papa izay nanankinana io raharaha io. Tsinjony fa zava-doza ho an’ ny papa ny ho vokatr’ izany. Ny hanao fanadihadiana vaovao ny amin’ izay efa nomelohin’ ny papa dia ho tena fanaovana tsinontsinona ny fahefan’ ilay pretra fara-tampony. Afa-tsy izany dia nanahy izy sao mampiodina ny andrian-dahy maro hiala amin’ ny papa ireo fonjan-kevitra tsara lahatra sy mahery vaika hoentin’ io lehilahy io. Noho izany dia dodona erý izy, nanohitra ny fisehoan’ i Lotera tany Worms teo amin’ i Charles. Tamin’ izay fotoana izay dia efa navoaka ny taratasy nanonganana an’ i Lotera tsy ho anisan’ ny Eglizy; ary io taratasy io, izay nampiarahina tamin’ ny filazananataon’ ny iraky ny papa no nahatonga ny amperora hilefitra. Nanoratra tany amin’ ny filohan’ ny Saxe izy nilaza fa raha tsy hanaiky ho diso i Lotera dia tsy maintsy mijanona any Wittenberg.HM 148.2

    Tsy afa-po tamin’ io fandresena azony io i Aleander, fa nampiasa ny hery sy ny hafetseny rehetra izy mba hahazoana antoka ny fanamelohana an’ i Lotera. Nampiseho fikirizana tokony ho nampiasaina tamin-java-mendrika kokoa, raha nitaona tamin-kafanam-po ny sain’ ireo andrian-dahy sy ny an’ ireo pretra ambony sy ny an’ ireo mambra hafa tao amin’ ny fivoriana, ka niampanga ilay Mpanavao fivavahana ho «miodina, mikomy, maniratsira fivavahana sy miteny ratsy an’ Andriamanitra». Nefa hita mazava loatra teo amin’ ny firehidrehetany sy ny hafanam-pony nasehon’ ny iraky ny papa ny toe-tsaina nanosika azy ho amin’ izany. «Fankahalana sy valifaty no namporisika azy, hoy ny filazan’ ny rehetra, fa tsy hafanam-po marina sy fitiavam-bavaka». Ibid, boky 7, toko 1. Vao mainka koa nirona hankasitraka an’ i Lotera ny ankamaroan’ ny olona tao amin’ ny filan-kevitry ny fanjakana foibe.HM 149.1

    Nitombo avy roa heny ny hafanam-pon’i Aleander namporisika ny amperora hanatanteraka ny adidiny amin’ ny fampiharana ny didy navoakan’ ny papa. Nefa araka ny lalàna nanan-kery tany Alemaina dia tsy azo atao izany raha tsy ifanarahana tamin’ ireo andrian-dahy; ary rehefa resin’ ny fangatahana misesisesy nataon’ ny iraky ny papa i Charles tamin’ ny farany, dia nibaiko azy io izy hitondra ny fitakiany eo anatrehan’ ny filan-kevitra foibe. «Andro nireharehan’ ny iraky ny papa io. Lehibe ny fivoriana; ary mainka lehibe kokoa aza ny raharaha hodinihina. Nandaha-teny hiaro an’ i Roma i Aleander. . . dia ilay reny sy tompovavin’ ny fiangonana rehetra. Hiaro ny fiandrianan’ ny filohan’ ny fivavahan’ i Petera eo anatrehan’ ny Kristiana tafavory tao izy. Nanan-talenta tamin’ ny fahaiza-mandahateny izy, niseho ho mendrika tokoa ilay fotoana manetriketrika izy. Ny fitondran’ Andriamanitra no nandamina ny fisehoan’ i Roma eo anatrehan’ ny fitsarana miezinezina indrindra, ary ny havanana indrindra tamin’ ireo mpandaha-teniny no nisolovava azy tamin’ izany, alohan’ ny hanamelohana azy».Wylie, boky 6, toko 4. Nanahy ihany ireo nankasiiraka ilay Mpanavao fivavahana raha nihevitra mialoha izay ho vokatry ny lahatenin’ i Aleander. Tsy tao ny filohan’ i Saxe, nefa nobaikoiny ireo mpanolo-kevitra azy izay nanatrika izany mba handray an-tsoratra ny famelabelaran’ ilay iraky ny papa.HM 149.2

    Nampiasain’ i Aleander avokoa ny heriny teo amin’ ny fahalalany sy ny fahaizany mandaha-teny, raha nanao izay hampianjera ny fahamarinana izy. Nifanesisesy ny fiampangana namelezany an’ i Lotera izay nolazainy fa fahavalon’ ny fiangonana sy ny fanjakana, fahavalon’ ny velona sy ny maty, fahavalon’ ny mpitondra fiangonana sy ny mpivavaka, fahavalon’ ny Konsily sy ny sarambaben’ ny kristiana. «Ampy ny hevi-dison’ i Lotera, hoy izy, hoenti-manamarina ny fandoroana velona «heretika» iray hetsy.»HM 150.1

    Ho famaranana dia niezaka izy hanao izay hanesoesoana ireo mpanaraka ny finoana nohavaozina: «Inona daholo ireo mpanaraka an’ i Lotera? Tarik’ olona misy mpampianatra be rehaka, pretra voasisi-bola, relijiozy ratsy toetra, mpisolovava kely fahalalana sy andriana tsy valahara miaraka amin’ ny olon-tsotra izay notarihiny tamin’ ny lalan-diso ka efa voaloto ny sainy. Manao ahoana ny mahaambony lavitra noho ireo ny antokon’ ny katolika raha ny amin’ ny isa kosa, sy ny fahaizany, ny heriny! Hampahazava ny tso-po, hampitandrina ny tsy maody, hahatapa-kevitra ny misalasala ary hanome hery ny malemy raha misy ny didy ifanarahan’ ny besinimaro avoakan’ ity fivoriana manan-kaja indrindra ity.»D’Aubigne, boky 7, toko 3.HM 150.2

    Fiadiana toy izany no namelezana ny mpiaro ny fahamarinana tamin’ ny andro rehetra. Mbola ireo fonjan-kevitra ireo ihany no aroso hoenti-manohitra izay rehetra sahy mampiseho ny fampianarana tsotra sy mivantana avy amin’ ny tenin’ Andriamanitra, ka mitsipaka ireo hevi-diso efa mafy orina. «Iza moa ireto mpitory foto-pinoana vaovao? hoy ireo mpila handitra amin’ ny maro an’ isa.» Olona tsy nahita fianarana, ankavitsiana, sady avy amin’ ny sarangan’ olona mahantra indrindra. Nefa dia mihambo ho manana ny fahamarinana izy sy ho vahoaka nofidin’ Andriamanitra. Olona bado sady voafitaka ireo. Ambony lavitra manao ahoana ny fiangonantsika amin’ ny isany sy ny heriny. Firifiry ankehitriny ny olona ambony sy manam-pahalalana eto amintsika! Be lavitra manao ahoana ny hery miandany amintsika! Ny fonjan-kevitra toy ireny dia mandaitra amin’ izao tontolo izao; nefa tsy maharesy lahatra izany toy ny tamin’ ny andron’ ilay Mpanavao fivavahana. Tsy nifarana tamin’ i Lotera araka ny fiheveran’ ny maro azy tsy akory ny Fanavaozana ara-pivavahana. Hitohy hatrany amin’ ny faran’ ny tantaran’ ity tany ity izany. Nanana anjara asa lehibe i Lotera tamin’ ny fampitana tamin’ ny hafa ny fahazavana izay navelan’ Andriamanitra hamirapiratra taminy; nefa tsy nandray ny fahazavana rehetra izay tokony homena an’ izao tontolo izao tsy akory izy. Hatramin’ ny androny ka hatramin’ izao, dia misy fahazavana vaovao namirapiratra hatrany teo amin’ ny Soratra Masina, ary novelarina hatrany ny fahamarinana vaovao.HM 150.3

    Nahavelona eritreritra fatratra ny olona nanatrika io fihaonambe io ny lahateny nataon’ ny iraky ny papa. Tsy nisy Lotera hitondra fahamarinana mazava maharesy lahatra avy amin’ ny tenin’ Andria-manitra tao mba hampahasina ny mpiaro ny papa. Tsy nisy nanandrana hiaro ilay Mpanavao fivavahana. Toe-tsaina vonona tsy ny hanameloka azy sy ny foto-pinoana nampianariny fotsiny no hita teo amin’ ny ankamaroan’ ny olona, fa raha azo atao koa dia ny hanongotra hatramin’ ny fakany mihitsy ny «herezia». Tena nety dia nety tamin’ i Roma mba hiarovany ny tenany iny fotoana iny. Voalaza izay rehetra azony nolazaina mba hanamarinany ny tenany. Nefa teo amin’ izay toa nahazoany fandresen’a indrindra no nisehoan’ ny mariky ny fahareseny. Amin’ izao sisa izao dia ho hita mazava kokoa ny fahasamihafan’ ny marina sy ny diso, rehefa samy mirotsaka antsehatra hifanandrina ampahibemaso izy 10a tonta. Hatramin’ io andro io dia tsy nandry ivohon’ ny vato intsony tahaka ny teo aloha i Roma. Na dia tsy nisalasala ny hanolotra an’ i Lotera ho amin’ ny valifatin’ i Roma aza ireo mambra tao amin’ ny filan-kevitry ny fanjakana foibe dia tsy vitsy tamin’ izy ireo kosa no nahita ny fitotonganana nisy tao amin’ ny fiangonana ka nalahelo noho izany sady naniry ny hanafoanana ny fanaovana tsindry hazo lena ny vahoaka alemana, noho ny fahalavoana sy ny fitiavan-karena tafahoatra. Nasehon’ ny iraky ny papa tamin’ ny endriny kanto indrindra ny fanapahan’ ny papa. Izao kosa dia nohetsehin’ i Jehovah ny mambra iray tao amin’ ny filankevitry ny fanjakana foibe mba hamaritra ny tena vokatry ny fahefan’ ny papa tsy refesi-mandidy. Matotra sy mendrika indrindra, ny andriam-baventy Georges avy any Saxe raha nijoro teo amin’ ity fivorian’ ny andriam-baventy ity ka nosoritsoritany sy navandravandrany ireo fitaka sy zava-maharikoriko teo amin’ ny fahefana papaly, sy ny vokatra mahatsiravina avy amin’ izany. Hoy izy namarana ny teniny: «Sasantsasany amin’ ireo fanaovan-dratsy tafahoatra izay miampanga an’ i Roma ireo. Tsy misy mahamenatra azy intsony la ny hany zava-katsahany dia. . .vola, vola. . . hany ka tsy milaza ala-tsy lainga ireo mpitory tokony hampianatra ny fahamarinana, ary tsy hoe leferina fotsiny izy ireny fa valiana soa mihitsy, satria araka- raka ny mampivaingana ny laingany no mahalehibe ny valisoany. Avy amin’ io loharano maharikoriko io no hikorianan’ ny rano maloto toy izao. Mitsotra hifandray amin’ ny fitiavam-bola ny fijangajangana. . . Indrisy, fa ny fahatafintohinana avy amin’ ny mpitondra fivavahana no mampivarina fanahy mahantra maro tokoa ho amin’ ny fanamelohana mandrakizay. Tsy maintsy misy fanavaozana ankapobeny hatao.»Ibid, boky 7, toko 4. .HM 151.1

    Na dia i Lotera aza tsy ho afaka nanao fiampangana tandrify sy mahery vaika kokoa noho izany momba ny zava-dratsy tafahoatra nataon’ ny fahefana papaly, ary ny maha-fahavalo raikitra ilay Mpanavao fivavahan^’ mpandaha-teny dia mainka nampisy lanjany bebe kokoa ny teniny.HM 152.1

    Raha nihiratra ny mason’ ny mpivory, dia ho nahita ny anjelin’ Andriamanitra teo afovoany izy, nampitosaka ny tara-pahazavana nampisava ny haizin’ ny fahadisoan-kevitra ka nampisokatra ny saina sy ny fo handray ny fahamarinana. Ny herin’ ny fahamarinana sy ny fahendren’ Andriamanitra no nifehy, eny, na dia ireo fahavalon’ ny fanavaozana ara-pivavahana aza, ka nanomana tamin’ izany fomba izany ny lalana ho an’ ny asa lehibe efa madiva hotanterahina. Tsy tao i Martin Lotera; nefa re tao amin’ ny fivoriana ny feon’ Ilay Lehibe noho i Lotera.HM 152.2

    Nanangana komity avy hatrany izay hanomana ny fitanisana ireo fampahoriana atambesatry ny fahefana papaly mafy dia mafy tamin’ ny vahoaka alemana. Io listra io, izay nisy famariparitana iraika ambin’ ny zato, dia naseho ny amperora, niaraka tamin’ ny fangatahana ny handraisany fepetra avy hatrany hanitsy ireo fanararaotana mihoapampana ireo. «Firifiry ny fanahy kristiana very, hoy ireo nanao fangatahana, manao ahoana ny fanimbana noho ireo zavamahatafintohina manodidina ny filoha ara-panahin’ ny kristiana. Adidintsika ny manakana ny faharavana sy ny fahafaham-barakan’ ny vahoakantsika. Noho io antony io dia miangavy anao amim-panetrentena lalina izahay, nefa mandodona koa mba handidianao hanaovana fanavaozana ankapobeny, sy hanatanterahana izany.» Ibid, boky 7, toko 4.HM 152.3

    Notakian’ ny fivoriam-be izao ny hisehoan’ ilay Mpanavao fivavahana eo anatrehany. Na dia teo aza ny fiangaviana, ny fanoherana sy ny fampitahorana nataon’ i Aleander dia nanaiky ny amperora tamin’ ny farany ka nodidina hiseho eo anatrehan’ ny Filan-kevitry ny fanjakana foibe i Lotera. Niaraka tamin’ ny fiantsoana dia nomena ny tsisakanana izy, izay niantoka ny fiverenany ho amin’ ny toerana azo antoka. Nentin’ ny mpitondra hafatra ho any Wittenberg izany, izay nasaina nitarika an’ i Lotera ho any Worms.HM 152.4

    Tora-kovitra sady very hevitra mafy ireo sakaizan’ i Lotera. Fantany tsara ny fiheverana tsy marim-pototra anefa efa raikitra ambony ihany tao an-tsain’ ny fahavalony sy ny lolom-pony taminy, ka natahotra izy sao tsy hohajainy na dia ny tsisakanana aza, noho izany dia niangavy azy ireo tsy hihantsy loza ho an’ ny tenany izy. Izao no valin-teniny: «Tsy ny ahatongavako any Worms ho tian’ ny papista, fa ny fanamelohana ahy sy ny fahafatesako no tadiaviny. Tsy maninona izany. Aza mivavaka ho ahy, fa mivavaha ho an’ ny tenin’ Andriamanitra. . . Homen’ i Kristy ny Fanahiny aho mba handreseko ireo hevi-diso ireo. Raha mbola velona koa aho dia hanamavo azy, ary handresy azy amin’ ny alalan’ ny fahafatesako. Mikofokofoka mafy izy ireo any Worms mba hanerena ahy hiaiky fa diso; izao no fiaikena hataoko: teo aloha dia nambarako fa ny papa no solontenan’ i Kristy; ankehitriny kosa dia antitranteriko fa izy no fahavalon’ ny Tompontsika, sy apostolin’ ny devoly.» Ibid, boky 7, toko 6.HM 153.1

    Tsy nandeha irery i Lotera tamin’ io diany notandindomin-doza io. Ankoatr’ ilay iraky ny amperora dia nisy telo tamin’ ny sakaizany mahatoky indrindra no nanapa-kevitra hanaraka azy. Naniry mafy ny hiaraka tamin’ izy ireo koa i Melanchton. Nifamatotra am-po izy sy Lotera ka nanaiky ny hanaraka azy izy, eny, hatrany am-ponja aza sy hatramin’ ny fahafatesana raha ilaina izany. Tsy nekena anefa ny fiangaviany. Raha maty mantsy i Lotera , dia tsy maintsy hifantoka amin’ ilay tovolahy mpiara-miasa aminy ny fanantenan’ ny Fana-vaozana ara-pivavahana. Floy ilay Mpanavao fivavahana raha nisaraka tamin’ i Melanchton: «Raha tsy tafaverina aho ary raha mamono ahy ho faty ny fahavaloko, tohizo ny fampianarana ary mijoroa amin’ ny fahamarinana. Miasà ho soloko. . . Raha velona ianao, dia tsy misy antony ny fahafatesako.Ibid, boky 7, toko 7. Voahetsiketsika lalina tao am-pony ireo mpianatra sy ireo mpiray tanàna izay tafavory hanatrika ny fìaingan’ i Lotera. Vahoaka marobe izay efa voatohin’ ny Filazantsara, no nanao veloma azy tamin-dranomaso. Toy izany no nandaozan’ ilay Mpanavao fivavahana sy ireo namany an’ i Wittenberg.HM 153.2

    Teny an-dalana dia tsapany fa notsindrin’ ny ahiahy mafy ny amin’ izay loza mety hahazo azy ny sain’ ny vahoaka. Nisy tanàna sasany izay tsy niseho ho rototra tamin’ izy ireo. Raha nijanona handry tao izy tamin’ ny alina. dia nisy pretra sakaizany izay nampiseho ny ahiahiny tamin’ ny alalan’ ny sarin’ ny Mpanavao fivavahana italiana iray izay niaritra ny maritiora. Ny ampitson’ iny dia ren’ izy ireo fa nomelohina tany Worms ny bokin’ i Lotera. Nanambara ny didin’ ny amperora ny iraka nalefany sady niantso ny vahoaka hitondra ireo asa soratra voarara ho any amin’ ny mpitsara. Natahotra momba ny fiarovana an’ i Lotera any amin’ ny fivoriam-be ilay mpitondra hafatra, sady noheveriny fa efa mety hihozongozona ny fanapahan-keviny, ka nanontaniany izy raha mbola te-hanohy ny diany ihany. Izao no navalin’ i Lotera: «Na dia raràna tsy handia ny tanàna rehetra aza aho, dia hiroso ihany aho.» Ibid, boky 7, toko 7.HM 153.3

    Noraisina tamim-boninahitra i Lotera tany Erfurt. Nanodidina azy ny vahoaka sady nihoby azy, raha namakivaky ireo arabe efa noteteziny matetika fony izy nitondra ny kitapon’ ny mahampangataka azy. Nitsidika ny efitra kely izay nitoerany tao amin’ ny tranon’ ny relijiozy izy, ary nahatsiaro ireo ady mafy nitolomany izay nampitosaka ny fahazavana teo amin’ ny fanahiny, dia ilay faha-zavana miparasaka eran’ ny Alemaina ankehitriny. Nangatahina hitory teny izy. Efa noraràna tsy hanao izany izy, nefa nomen’ ilay mpitondra alalana ihany; koa niakatra teny amin’ ny polipitra izao ilay pretra izay mpiasa an-trano fahiny teo amin’ ny relijiozy.HM 154.1

    Ilay tenin’ i Kristy hoe: «Fiadanana ho anareo» no nentiny ho an’ ny vahoaka vory marobe.«Niezaka, hoy izy, ireo mpanao hevitsaina, ireo mpampianatra ngezalahy sy ireo mpanoratra mba hampianatra ny olona ny lalana ahazoana fiainana mandrakizay, nefa tsy nahomby. Holazaiko anareo izany izao. . .Nanangana olona avy amin’ ny maty Andriamanitra, dia Jesosy-Kristy Tompo, mba hanapotika ny fahafatesana, hamongotra ny fahotana sy hanidy ny vavahadin’ ny helo. Izany no asan’ ny famonjena. . . Efa nandresy i Kristy! Izany no vaovao mahafaly; ary voavonjy amin’ ny alalan’ ny asa nataony isika, fa tsy amin’ ny alalan’ ny asantsika. . . Hoy Jesosy Kristy Tompontsika: Fiadanana ho anareo; jereo ny tanako; izao no heviny. Indro, ry olombelona Izaho, ary Izaho irery ihany no nanaisotra ny fahotanao ka nanavotra anao; ary ankehitriny dia manana fiadanana ianao hoy ny Tompo.»HM 154.2

    Notohizana izany ary nasehony fa ny tena finoana dia asehon’ ny fiainana masina. «Satria namonjy antsika Andriamanitra, dia aoka isika handamina ny asantsika mba ho ankasitrahana eo anatrehany izany. Manan-karena ve ianao? aoka hampiasainao ho amin’ izay ilain ny mahantia ny fanananao. Mahantra ve ianao? Aoka hahafaly ny manan-karena ny asa ataonao. Raha mahasoa ny tenanao samirery ny asanao, dia lainga ny fanompoana lazainao fa ataonao amin’ Andriamanitra. Ibid, boky 7, toko 7.HM 154.3

    Toy ny voababo ny vahoaka nihaino azy. Nozaraina tamin’ ireo fanahy noana sy mangetaheta ny mofon’ aina. Nasandratra teo anatrehany Kristy, ho ambonin’ ny papa, ny iraky ny papa, ny amperora sy ny mpanjaka. Tsy nitady izay hiheverana azy na izay hangorahana azy izy. Takona teo imasony ny tenany raha nibanjina an’ i Kristy izy. Niafina tao ambadik’ ilay lehilahy tao Kalvary izy, ka tsy nitady afa-tsy ny hampiseho an’ i Jesosy, Ilay Mpanavotra ny mpanota.HM 155.1

    Raha nandroso ny diany, dia nahaliana fatratra ny olona hatraiza hatraiza ny hahita azy. Nisy vahoaka nafana fo nitangorona taminy ary nisy feon’ ny sakaiza nampandre azy ny amin’ ny fikasan’ ny Romanista. «Hodorany ianao, hoy ny sasany, ary ataony tonga lavenona tahaka ny nataony tamin’ i John Huss ny tenanao.» Novalian’ i Lotera hoe: «Na dia handrehitra afo eran’ ny lalana avy any Worms ka hatrany Wittenberg aza izy, ka hijoalajoala hahatratra ny lanitra ny lelafo, dia hanavatsava izany aho amin’ ny anaran’ i Jehovah; hiseho eo anatrehany aho; hiditra ao am-bavan’ io lalomena io aho ka hopotehiko ny nifiny, hanaiky ny finoako an’ i Jesosy Kristy Tompo.» Ibid, boky 7, toko 7.HM 155.2

    Niteraka tabataba be tao Worms ny fandrenesana fa nanakaiky ny tanàna izy. Tora-kovitra ny sakaizany momba ny fiarovany azy; ny fahavalony kosa natahotra sao tsy hahomby ny zavatra niezahany; nisy ezaka goavana natao mba hanova ny heviny ka tsy hidirany an-tanàna. Araka ny torohevitr’ ireo papista dia nasaina nankany amin’ ny lapan’ andriana sakaiza iray izy, ka ao araka ny nambara, no hanaovana raharaham-pihavanana sy handravonana ny olona rehetra. Nataon’ ny sakaizany izay hampahatahotra azy tamin’ ny filazalazana ny amin’ ny loza mananontanona azy. Tsy nahomby ny fiezahany rehetra. Mbola tsy voahozongozona ihany i Lotera ary nilaza hoe: «Na dia misy devoly mifanisa amin’ ny kapila eny antafon-trano aza any Worms, dia mbola hiditra ihany aho.» Ibid, boky 7, toko 7.HM 155.3

    Rehefa tonga tany Worms izy, dia nisy vahoaka sesehena nitangorona teo am-bavahady niarahaba azy tonga soa aman-tsara. Tsy nisy olona vory marobe toy izao na dia izay nitsena ny tenan’ ny amperora mihitsy aza. Nafana ny fihetsiketsehana, ary avy tao anivon’ ny vahoaka tao injay nisy feo kely mitaraindraina nanao hiram-paty mba hampitandrina an’ i Lotera ny amin’ ny anjara ratsy miandry azy. «Andriamanitra no ho aroko», hoy izy, raha nidina avy tamin’ ny kalesy nitondra azy izy.HM 155.4

    Tsy mino ry zareo papista fa tena ho sahy marina hiseho any Worms i Lotera, ka nampivanaka azy ireo ny nahatongavany. Nantsoin’ ny amperora avy hatrany ireo mpanolo-tsainy mba hahita izay tokony hatao. Nisy eveka iray, papista hiringiriny, nilaza hoe: «Efa ela no nandinihantsika io raharaha io. Aoka hataon’ ny amperora andriamanjaka avy hatrany izay hahafoana io lehilahy io.» Moa ve tsy nampandoro an’ i John Huss i Sigismond? Tsy voafehy isika na ny hanome tsisakanana na ny hanaja izany raha momba ny «heretika». Tsia, hoy ny amperora,«tsy maintsy mitana ny teny nomentsika isika.» Ibid, boky 7, toko 8. Noho izany dia tapaka ny hevitra fa hohenoina ilay Mpanavao fivavahana.HM 156.1

    Ny tanàna iray manontolo no ta-hahita io olo-malaza. indrindra io, ka vetivety dia feno mpamangy be dia be ny toerana nivantanany. Zara anefa raha nahazo aina indray i Lotera, izy vao narary teo, torovan’ ny dia izy izay naharitra tapa-bolana naninjitra; tsy maintsy miomana koa izy ho amin’ ny fotoan-dehibe ny ampitson’ iny ka nila fahanginana sy fialan-tsasatra. Mafy loatra anefa ny faniriana hahita azy ka tsy nahazo afa-tsy ora vitsivitsy hialan-tsasatra fotsiny izy dia tonga ireo olo-manan-kaja andriandahy, pretra sy olon-tsotra nafana fo nitangorona teo aminy. Anisan’ ireny dia nisy andriana maro izay nangataka fanavaozana tamim-pahasahiana tamin’ ny amperora mikasika ireo fanararaotana mihoapampana nataon’ ny mpitondra fiangonana ary izay nataon’ i Lotera hoe: «efa nafahana tamin’ ny filazantsarako». Martyn, pejy 393. Na fahavalo, na sakaiza dia samy tonga nijery ilay pretra tsy nahalala tahotra; noraisiny tamin’ ny fahatoniana tsy niova anefa izy ireo, ary novaliny tamim-pahendrena izy rehetra. Matotra sady nitory herim-po ny fihetsiny. Ny endriny hatsatra sy mahia dia nahitana ny soritry ny asa mafy sy ny aretina, nefa dia feno halemem-panahy sy fahamiramiranana aza. Ny havesadanjan’ ny teny nataony izay nambarany tamin’ ny fony rehetra, dia nanome hery azy izay tsy laitr’ ireo fahavalony notoherina. Samy gaga avokoa ny sakaizany na ny fahavalony. Tao ireo niaiky marina fa nisy herin’ Andriamanitra niasa sy nanampy azy; tao koa ny hafa nilaza tahaka izay nataon’ ireo Fariseo tamin’ i Kristy hoe: «Manana demonia lzy.»HM 156.2

    Ny andro manaraka dia voaantso hanatrika ny fivorian’ ny filankevitry ny fanjakana foibe i Lotera. Manam-boninahitra mpanotrona ny amperora no voatendry hitondra azy tao amin’ ny trano fivoriana; nefa dia anointsarotra be vao tonga teo amin’ io toerana io. Rakotra olona mpijery naniry mafy ny hahita ilay relijiozy sahy nanohitra ny fahefan’ ny papa ny lalam-be rehetra.HM 157.1

    Raha handeha hiditra eo anatrehan’ ireo mpitsara azy izy, dia nisy jeneraly zokiolona, lehilahy mahery fo tamin’ ny ady maro, no nilaza taminy tamim-pahalemem-panahy hoe: «Indrisy ry pretra mahantra, indrisy, andeha hijoro amin’ ny ady ambony noho izay tsy mbola natrehiko, na izaho na kapiteny hafa teo amin» ny ady nahalatsahan’ ny rà be indrindra ianao izao. Nefa raha marina ny anao, ary raha azo antoka izany dia mandrosoa amin’ ny anaran’ Andriamanitra, ary aza matahotra na inona na inona. Tsy handao anao Andriamanitra.» — D’Aubigne, boky 7, toko 8.HM 157.2

    Nony farany dia niseho teo anatrehan’ ny fivoriam-be i Lotera. Teo amin’ ny seza fiandrianana ny amperora. Nanodidina azy ireo olona manan-kaja indrindra tao amin’ ny fanjakany. Tsy mbola nisy olona mihitsy niseho teo anatrehan’ ny fivoriana miezinezina toy izay nisehoan’ i Martin Lotera mba hanazavany ny finoany. Io fisehoana io fotsiny dia efa fandresena lehibe tamin’ ny fahefana papaly. Efa nanameloka io olona io mantsy ny papa, izao kosa izy dia mijoro eo anatrehan’ ny fitsarana izay amin’ izao isokafany izao indrindra dia misandratra ho ambony noho ny an’ ny papa. Efa namoaka didy nandrara azy tsy ho eo amin’ ny tany ama-monina ka hanapaka ny fifandraisany amin’ ny olona ny papa, nefa izao izy nahazo fiantsoana tamin’ ny teny feno fanajana izao, sy raisina eo anatrehan’ ny fivoriana be voninahitra indrindra eto amin’ izao tontolo izao. Nisy fanavaozana goavana sahady tamin’ izany toejavatra izany; satria raha nanameloka azy ho amin’ ny fahanginana mandrakizay ny papa, dia indro, izy ankehitriny madiva hiloa-bava eo anatrehan’ ny mpihaino manongilan-tsofina avy amin’ ny lafivalon’ ny tany anjakan’ ny fivavahana kristiana. Tamin’ izany fomba izany dia nisy fanavaozana goavana vita ary i Lotera no fiasana tamin’ izany. Efa nidina sahady avy amin’ ny seza fiandrianany i Roma, ary ny feon’ ny pretra iray no anton’ io fampietrena azy io. Ibid, boky 7, toko 8.HM 157.3

    Teo anatrehan’ ity fivorian’ olona ambony fahefana sy ambony voninahitra ity dia toa saikatra sy vahotra ilay Mpanavao fivavahana ambany fiaviana. Betsaka ireo andriandahy mahatsikaritra ny fihetseham-pony, no nanatona azy ary nibitsibitsika taminy ny anankiray hoe: «Aza matahotra izay mamono ny tena, fa tsy afaka mamono ny fanahy.» Ny anankiray indray nanao hoe: «Raha hoentina eo anatrehan’ ny governora sy ny mpanjaka noho ny anarako ianareo, dia homena anareo, amin’ ny alalan’ ny Fanahin’ny Rainareo, izay holazainareo.» Toy izany no nitondran’ ireo olona ambony teo amin’ izao tontolo izao ny tenin’ i Kristy mba hampaherezana ny mpanompony tamin’ ny ora fitsapana.HM 157.4

    Nentina teo amin’ ny toerana nifanatrika indrindra tamin’ ny seza fiandrianan’ ny amperora i Lotera. Nisy fahanginana lalina dia lalina teo amin’ ireo olona marobe tafavory tao. Nitsangana ny manamboninahitry ny amperora ka nanondro ireo bokin’ i Lotera isan-karazany, ary nangataka an’ ilay Mpanavao fivavahana hamaly ny fanontaniana roa — ekeny ve fa azy izy ireo ary nikasa ny handà ny hevitra narosony tao ve izy? Rehefa novakiana ny lohatenin’ ireo boky ireo dia novalian’ i Lotera ny fanontaniana voalohany ekeny fa azy ireo. «Raha ny fanontaniana faharoa: hoy izy, dia hitako fa mikasika ny finoana sy ny famonjena fanahy izany, ary voakasika amin’ izany ny tenin’ Andriamanitra, dia ilay harena lehibe indrindra sy sarobidy indrindra any an-danitra sy eto an-tany ka raha hovaliako tsy amim-pieritreretana izany dia ho toy ny manao kitoatoa aho. Mety ho latsaka noho izay takin’ ny toe-javatra no hambarako ka sao hanota amin’ ny tenin’ i Kristy aho manao hoe: «Na iza na iza mandà Ahy eo anatrehan’ ny olona, dia mba holaviko kosa eo anatrehan’ ny Raiko izay any an-danitra.»1Mat. 10 : 33 Noho io antony io dia miangavy anao aho ry Andriamanjaka hajaina, amim-panetren-tena feno mba hanome ahy fotoana ahazoako mamaly ka tsy ho fahatafintohinana amin’ ny tenin’ Andriamanitra.» D’Aubigné, boky 7, toko 8.HM 158.1

    Fahendrena no nanaovan’ i Lotera io fangatahana io. Niaiky marina ny mpivory tamin’ io fihetsiny io fa tsy firehetam-po na fahatairana foana no nanosika azy. Ny fahatoniana sy fahaiza-mifehy tena toy izany, izay tsy nampoiziny teo amin’ ny olona izay efa hita ho sahisahy sy tsy manaiky lembenana dia nanampy ny heriny ka nahatonga azy ho afaka namaly tamim-pahamalinana, tamin’ ny fomba hentitra feno fahendrena sy fahamendrehana, izay nahagaga sy nandiso fanantenana ny fahavalony sady nanamaloka ny avonavombavany sy ny fireharehany.HM 158.2

    Ny ampitson» iny izy no niseho hanome ny valin-teniny farany. Nisy fotoana izay nahareraka ny fony raha nahita ireo hery niray tetika hiady tamin’ ny fahamarinana izy. Nangozohozo ny finoany; natahotra sy nangovitra izy, ary nanafotra azy ny horohoro. Nihamaro teo anatrehany ny loza; toa efa nadiva hibitaka noho ny fandreseny ny fahavalony, ary hahomby ny herin’ ny maizina. Nitangorona nanodidina azy ny rahona ka toa hampisaraka azy tamin’ Andriamanitra. Niriny mafy ny hahazo antoka fa hiaraka aminy Jehovah Tompon’ ny maro. Nitebiteby fatratra ny fanahiny ka niankohoka tamin’ ny tany izy ary nampitosaka ireto antsoantso nitsitapitapy nahavaky fo, izay tsy nisy nahafantatra azy tanteraka afa-tsy Andriamanitra irery ihany.HM 159.1

    «Ry Andriamanitra Tsitoha sy mandrakizay Ò, hoy ny fifonany, mahatsiravina loatra ity izao tontolo izao ity! Indro, manokatra ny vavany mba hitelina ahy izy, nefa kely loatra ny fitokisako Anao. . . Raha eo amin’ ny herin’ izao tontolo izao ihany no hametrahako ny fitokisako, dia vitavita ny zavatra rehetra. Tonga amiko ny ora farany, efa nivoaka ny fanamelohana ahy. . . Andriamanitra ò, ampio aho handresy ny fahendrena rehetra eto amin’ izao tontolo izao. Ataovy izany. . . Ianao irery ... tsy asako anie izao, fa Anao. Tsy misy na inona na inona ataoko eto, tsy misy iadiako amin’ ireto olona ambony eto amin’ izao tontolo izao ireto. Nefa anao ny ady,. . . ary satria marina sy mandrakizay izany! Tompo ó, ampio aho! Ry Andriamanitra mahatoky sy tsy miova ô, tsy misy olona ametrahako ny fitokisako. . . Tsy azoko antoka izay rehetra avy amin’ ny olona; tsy mahomby izay rehetra avy amin’ ny olona. . . Efa nifidy ahy ho amin’ ity asa ity ianao. . . Mijoroa eo anilako, noho ny anaran’ i Jesosy Kristy malalanao indrindra, Izay aroko, ampingako sy fiarovana mafy ho ahy.» Ibid, boky 7, toko 8.HM 159.2

    Ny fitondran’ Andriamanitra feno fahendrena no mamela an’ i Lotera hahatsapa ny loza mety hanjo azy, mba tsy hitokisany ny herin’ ny tenany ka hieboebo foana hitsena ny loza. Tsy ny tahotry ny fijaliana ho an’ ny tenany anefa, na ny horohoro noho ny fampijaliana mahatsiravina sy ny fahafatesana izay toa nanandindona akaiky dia akaiky no nampangovitra sy nampitebiteby azy. Tonga teo amin’ ny ady mafy izy, ary tsapany ny tsy fahampian’ ny heriny hoenti-misetra izany. Mety ho lefy ny fahamarinana noho ny fahalemeny. Tsy ho an’ ny fiarovana ny tenany, fa ho an’ ny fandresen’ ny filazantsara no nitolomany tamin’ Andriamanitra. Tahaka ny an’ Isiraely, tamin’ ilay alina nitolomany teo akaikin’ ilay renirano mangina, ny tebiteby sy ny ady natrehin’ ny fanahiny. Tahaka an’ Isiraely, dia nitolona tamin’ Andriamanitra izy ka nahery. Raha tao amin’ ny fahalemeny tanteraka izy, dia nifantoka tamin’ i Kristy ny finoany, Ilay Mpanafaka mahery. Nahazo hery izy tamin’ ny fahazoany antoka fa tsy ho irery rehefa miseho eo anatrehan’ ny fivoriam-be. Niverina tao -amin’ ny fanahiny ny fiadanana, ary nifaly izy satria navela hahandratra ny tenin’ Andriamanitra teo anatrehan’ ireo mpifehy ny firenena.HM 159.3

    Niantombina tamin’ Andriamanitra ny sain’ i Lotera raha niomana ho amin’ ny tolona teo anatrehany izy. Noeritreretiny ny drafitry ny valinteniny, nodinihiny ny teny ao amin’ ny bokiny, ary nuka porofo nifanaraka amin’ izany ao amin’ ny Soratra Masina izy hanohanana ny heviny. Avy eo, dia napetrany teo amin’ ny Boky Masina izay nisokatra teo anoloany ny tanany havia, nasandrany hanondro ny lanitra ny tanany havanana ary nivoady izy fa hijoro ho mahatoky amin’ ny filazantsara, sy hanaiky malalaka ny finoany, eny, na dia hasiany tombo-kase amin’ ny rany aza ny teny vavolombelona hataony.» Ibid, boky 7, toko 8.HM 160.1

    Rehefa niseho indray teo anatrehan’ ny Filan-kevitry ny fanja-kana foibe izy, dia tsy nisy nisoritra teny amin’ ny endriny na ny tahotra na ny fitavozavozana. Sady tony izy no niadam-po nefa koa sahy sady mendrika indrindra, raha nijoro ho vavolombelon’ Andria-manitra teo anivon’ ny olona ambony teto an-tany. Nanontanian’ ilay manam-pahefana avy amin’ ny amperora izao ny fanapahan-keviny na naniry ny handà ny fampianarany izy na tsia. Tamin’ ny feo malefaka sy feno fanetren-tena no namalian’ i Lotera azy, tsy nisy herisetra na firehetam-po. Nandefindefitra sy feno fanajana ny fihetsiny, nefa nampiseho fahatokiana sy fifaliana izay nahatalanjona ny mpivory izy.HM 160.2

    «Ry andriamanjaka mendrika indrindra, ry andriandahy be voninahitra, tompokolahy hajaina», miseho eto anatrehanareo aho androany araka ny baiko nomena ahy omaly, ary noho ny famindrampon’ Andriamanitra dia mangataka indrindra anao aho tompokolahy, miangavy anareo aho ry manan-kaja amam-boninahitra lolohavina an-tampon’ ny loha isany, mba hihaino amim-pandeferana ny fiarovana ny foto-kevitra izay azoko antoka fa marina. Raha mandika ny lalàna sy ny fomba ato amin’ ny lapan’ andriana aho, noho ny tsy fahalalako, dia miangavy anareo aho hamela ahy; tsy nobeazina tao amin’ ny lapan’ ny mpanjaka aho mantsy, fa nitoka-monina tany amin’ ny tranon’ ny relijiozy.» Ibid, boky 7, toko 8.HM 160.3

    Rehefa avy eo dia niroso hamaly ny fanontaniana izy, ka nolazainy fa tsy mitovy karazana avokoa ny boky navoakany. Ny sasany namelabelarany ny momba ny finoana sy ny asa tsara, ary na dia ny fahavalony aza, dia manambara fa tsy hoc tsy manimba ihany izy ireo fa mahasoa mihitsy aza. Ny fandavana an’ ireny dia fanamelohana ny fahamarinana izay eken’ ny rehetra. Ny sokajy faharoa dia ireo boky mampischo ny fahalovana sy ny fanao tafahoatra hita eo amin’ ny fahafana papaly. Ny fandavana ireo asa ireo dia ho fanamafisana ny fanjakazakan’ i Roma izay hampidanadana varavarana hidiran’ ny fomba maro manohitra tanteraka ny fivavahana. Ny sokajy fahatelo amin’ ny bokiny dia namelzana tsangan’ olona izay niaro ny ratsy tena misy tokoa. Mikasika ireo dia nekeny mazava fa mivatravatra loatra miboatra ny mahamendrika izy. Tsy mihambo ho tsy manam-pahadisoana izy; nefa na dia ireo boky ireo aza tsy azony lavina satria hampirisika ny fahavalon’ ny fahamarinana ny fihetsika toy izany, ka nohararaotiny izany hanamontsamontsanana ny vahoakan’ Andriamanitra amin’ ny halozana bebc kokoa.HM 161.1

    «Nefa olombelona tsotra ihany aho, fa tsy Andriamanitra», hoy izy, nanohy ny teniny; «noho izany dia hiaro ny tenako tahaka ny nataon’ i Kristy aho: ‘Raha niteny ratsy aho, ambarao izay ratsy’. . . Noho ny famindrampon’ Andriamanitra, dia miangavy anao aho, ry andriamanjaka mendrika indrindra, sy ianareo andriandahy be voninahitra indrindra, ary ianareo rehetra amin’ny saranga samihafa, miangavy anareo aho mba hanaporofo avy amin’ ny soratry ny mpaminany sy ny apostoly fa diso alio. Raha vantany vao rcsy lahatra amin izany aho, dia hoekeko izay diso rehetra ary izaho no ho voalohany handray ny bokiko ka hanipy azy ao anaty afo.HM 161.2

    «Manantena aho fa izay vao nolazaiko teo dia mampiseho mazava la eta nolanjalanjaiko fatratra sy noheveriko tsara ny loza izay mety hatrehiko noho izany; nefa sanatria ahy ny ho ketraka amin’ izany, fa faly kosa aho mahita fa ankehitriny, tahaka ny tamin’ ny andro teo aloha, dia mahatonga korontana sy fisaraham-bazana ny filazantsara. Izany no toetran’ ny tenin’ Andriamanitra, izany no anjarany. Tsy tonga hitondra fiadanana eto an-tany aho hoy Jesosy, fa sabatra. Mahagaga sy mahatahotra ny hevitr» Andriamanitra: mitandrema fandrao mihevitra ny hanakana ny fisaiaham-bazana ianareo ka hanenjika ny teny masin’ Andriamanitra ary hihantsy loza aman’ antambo mahatsiaravina, tsy azo ialana. amin’ izao andro izao sy fahoriana mandrakizay, hianjera aminareo. Azoko atao ny maka ohatra maro avy amin’ ny fanambarana nataon» Andriamanitra. Azoko atao ny hilaza ny moniba an’ i Farao, ireo mpanjakan’ i Babylona, sy ny Isiraely, izay mainka koa nanampy hanapotika ny tenany rehefa niezaka hanamafy ny fanjakany izy turnin’ ny fitadiavana hevitra izay toa hendry indrindra teo imason’ ny rehetra. Mamindra tendrombohitra Andriamanitra nefa ireny tsy mahalala akory’.»Ibid. boky 7, toko 8.HM 161.3

    Teny alemà no nitenenan’ i Lotera fa izao dia nangatahana izy hamerina ny teniny amin’ ny teny latina. Na dia reraky ny fiezahana nataony teo aloha aza izy dia nanaiky ary naveriny indray ny lahateniny mazava sy mahery vaika tahaka ny tamin’ ny voalohany. Andriamanitra no nitarika ny hisian’ izany. Efa nohamaizinin’ ny hevi-diso sy ny finoanoam-poana ny sain’ ny maro tamin’ ireo andriandahy ka tsy voatsapany ny herin’ ny fanazavana nataon’ i Lotera tamin’ ny nandaharany azy tamin’ ny voalohany: fa rehefa niverina kosa izany dia hitany nibaribary tsara ireo hevitra naseho.HM 162.1

    Naharomotra izay nanamafy ny fony ka nanakimpy ny masony tsy hijery ny mazava ary nanapa-kevitra fa tsy hiaiky ny fahama-rinana ny herin’ ny tenin’ i Lotera. Rehefa nijanona izy dia tczitra ny mpitondra tenin’ ny filan-kevitra nanao hoe: «Tsy novalianao ny fanontaniana napetraka taminao?. . . Angatahina ianao hanome valin-teny tsotra sy mazava. . . Hanaiky ho diso ve ianao sa tsia?HM 162.2

    Hoy ilay Mpanavao fivavahana: «Koa satria mitaky valin-teny mazava sy tsotra ary hentitra amiko ianao, ry andriamanjaka mendrika indrindra, sy ianareo manam-pahefana ambony indrindra, dia homeko izany, dia ity: Tsy azoko atao ny mampilefitra ny finoako amin’ ny papa na amin’ ny olona ao amin’ ny fivoriam-ben’ ny eglizy, satria mazava sahala amin’ ny mitataovovonana fa imbetsaka izy ireny no diso sady nifanipa-kevitra. Noho izany raha tsy resy lahatry ny teny vavolombelona ao amin’ ny Soratra Masina aho na resy lahatry ny fahamarinana mazava indrindra, raha tsy voatarika amin’ ny alalan’ ireo toko sy andininy noraisiko aho, ka amin’ izay dia voafatotry ny tenin’ Andriamanitra ny feon’ ny fieritreretako, dia tsy afaka hiaiky fa diso aho ary tsy hiaiky fa diso, satria tsy mety amin’ ny kristiana ny miteny manohitra ny feon’ ny fieritreretany. Mijoro amin’ izany aho, ary tsy afaka hanao zavatra hafa; Andriamanitra anie hanampy ahy. Amena.» Ibid, boky 7, toko 8.HM 162.3

    Toy izany no nijoroan’ io lehilahy marina io tamin’ ny fototra azo antoky ny tenin’ Andriamanitra. Nampamirapiratra ny endriny ny fahazavan’ ny lanitra. Ny fahambonian’ ny toetra aman-panahiny. ny fahadiovany, ny fifaliany sy ny fiadanam-pony, dia hitan’ ny rehetra raha nitsangan-kanohitra ny herin’ ny hevi-diso izy sy niteny ho vavolombclon’ ny fahambonian’ ny finoana izay maharesy an’ izao tontolo izao.HM 162.4

    Tsy nisy nahateny aloha ny mpivory rehetra noho ny hagagana. Fony namaly voalohany i Lotera dia feo iva no nitenenany ary ny fihetsiny dia feno fanajana sy fandeferana mihitsy aza. Noraisin’ ireo Romanista ho fanehoana mazava izany fa nanomboka nilefitra ny herim-pony. Noraisiny ho fiandohan’ ny fihemorana tsotra izao ny nangatahan’ i Lotera andro. Ary na dia i Charles aza, raha nahita ny toe-tenany reradreraka, ny fitafiany tsy dia tsara, sy ny fahatsoran’ ny lahateny, dia somary naneso nilaza hoe: «Tsy mba io pretra io na oviana na oviana no hahatonga ahy ho «heretika». Fa ankehitriny kosa ny herim-po sy ny toetra matotra asehony, torak’ izany koa ny hery sy ny fahazavan’ ny fandaharany, dia nampitolagaga ny mpivory rehetra. Voahetsika te-hidera azy ny amperora ka nanao hoe: «Tsy matahotra sady manana herim-po tsy azo hozongozonina ity pretra ity raha miteny.» Betsaka ireo andriandahy alemà no nirehareha sy niravoravo noho ity solontenan’ ny fireneny ity.HM 163.1

    Nalahelo mafy ireo mpiandany tamin’ i Roma. Niseho tamin’ ny lafiny ratsy indrindra ny zavatra notohanany. Niezaka ny hitana ny fahefana izy, tsy amin’ ny fampiasana ny Soratra Masina, fa tamin’ ny alaìan’ ny fandrahonana, dia ny fonjan-kevitra tsy miova fampiasan’ i Roma. Hoy ilay mpitondra tenin’ ny filan-kevitry ny fanjakana foibe: «Raha tsy manaiky ho diso ianao, dia hodinihin’ ny amperora sy ireo mpitondra fanjakana rehetra izay tokony hatao amin’ ny «heretika» madi-po tahaka anao.»HM 163.2

    Nangovitra ireo sakaizan’ i Lotera izay vao avy nihaino ny fiarovan-tenany mendrika indrindra raha nandre izany teny izany; nefa ilay Lotera ngezalahy ihany no namaly tamim-pahatoniana hoc: «Andriamanitra anie hanampy ahy, satria tsy misy na inona na inona azoko ekena fa diso.» Ibid, boky 7, toko 8.HM 163.3

    Nasaina nivoaka ny efitrano fivoriana izy raha mbola nidinika ireo andriandahy. Tsapa fa nisy ady mafy hiseho. Mety hikasika ny tantaran’ ny fiangonana mandritra ny taona maro ho avy ny fikirizan’ i Lotera tsy hilefitra. Tapaka ny hevitra fa mbola homena fotoana indray izy ahazoany manaiky ho diso. Nentina farany teo anatrehan’ ny mpivory izy. Napetraka indray ny fanontaniana raha handà ny fampianarany izy Tsy manana valin-teny hafa atao aho hoy izy. afa-tsy izay efa nataoko» Nazava fa tsy azo nahodina izy. na tamin’ ny fandrahonana, na tamin’ ny tambitamby mba hilefitra amin’ ny baikon’ i Roma.HM 163.4

    Sorena ireo filoha avy amin’ ny papa noho ny fanaovan’ ity pretra ambany ity tsinontsinona ny fahefan’ izy ireo, izay nampangovitra ny mpanjakan’ ny tany sy ny andriambaventy maro; niriny mafy ny hanao izay hahatsapan’ izy io ny fahatezerany amin’ ny fampijaliana hanala ny ainy. Nefa na dia tsapan’ i Lotera aza ny loza mananontanona azy, dia niteny tamin’ ny rehetra araka ny fahamendrehana sy ny fahatonian’ ny kristiana izy. Tsy nahitana avonavona, firehetam-po sy fitaka ny teniny. Toy ny tsy tazan’ ny masony intsony ny tenany sy ireo olona ambony nanodidina azy. ny hany tsapany dia teo anatrehan’ Ilay ambony lavitra noho ny papa, ny filohan’ ny pretra, ny mpanjaka sy ny amperora izy. Kristy no niteny tamin’ ny alalan’ ny fanambarana tamin-kery sy fahamboniana izay nahavaka sy nahatalanjona na sakaiza 11a fahavalo tamin’ izay fotoana izay. Nanatrika io fivoriana io ny Fanahin’ Andriamanitra. nameno ny fon’ ireo mpitondra fanjakana. Maro tamin’ ireo andriandahy no nanaiky ny fahamarinana izay notohanan’ i Lotera. Maro no resy lahatry ny fahamarinana; nefa tamin’ ny sasany dia tsy naharitra ela izany fahatsapana izany. Nisy antokon’ olona hafa koa izay tsy nanambara ny fiaikeny tamin’ izay fotoana izay, nefa kosa, rehefa nandinika ny Soratra Masina ho an’ ny tenany, dia nanjary mpanohana tsy nanan-tahotra ny Fanavaozana ara-pivavahana tatý aoriana.HM 164.1

    Nitebiteby fatratra i Frederika filohan’ i Saxe ny amin’ izay ho fisehoan’ i Lotera teo anatrehan’ ny filan-kevitry ny fanjakana foibe, ary nangitakitaka tokoa izy nihaino ny lahateniny. Faly dia faly izy sady afaka nirehareha raha nanatri-maso ny herim-po. ny toetra matotra sy ny fahaizan’ ilay mpampianatra ngezalahy nifehy ny tenany, ka nanapa-kevitra fa hijoro amin’ ny fomba hentitra kokoa hiaro azy. Nampitahainy ireo antoko 10a nifanandrina ka hitany fa nomontsamontsanin’ ny fahefan’ ny fahamarinana ny fahendren’ i papa, ny an’ ny mpanjaka sy ny an’ ireo pretra ambony. Faharesena izay hotsapan’ ny firenena rehetra mandritra ny taonjato mifandimby no nozakain’ ny fahefana papaly.HM 164.2

    Rehefa tsinjon’ ilay iraky ny papa ny vokatry ny lahatenin’ i Lotera dia natahotra mafy tsy mbola nisy toy izany izy,ny amin’ ny fahefan’ i Roma ka nanapa-kevitra ny hampiasa ny fomba rehetra eo am-pelatanany niba hahatanteraka ny fandrodanana an’ ilay Mpanavao fivavahana. Nampiasainy ny fahaizany mandaha-teny sy ny fahaizany mandambolambo izay nampiavaka azy tamin’ ny fomba manokana tokoa, ka nasehony tamin’ ilay amperora mbola herotrerony ny hadalana sy ny vokatry ny fanaovana sorona ny fifankatiavana sy ny fanohanana ny fahcfana maherin’ i Roma, hanakalozana io pretra tsy misy fotony io.HM 164.3

    Ary nisy vokany tokoa ny teniny. Ny andro manaraka ny valin-tenin’ i Lotera, dia nandefa hafatra hovakiana eo amin’ ny fanapahan-kevitry ny fanjakana foibe i Charles, izay nanambara ny fanapahan-keviny hanohy ny politikan’ ireo mialoha lalana azy hitana sy hiaro ny fivavahana katolika. Koa satria nandà tsy hiala tamin’ ny hevi-disony i Lotera, dia tokony hampiasaina ny fomba henjana indrindra hanoherana ny «herezia» izay ampianariny. Izay pretra iray mpitoka-monina io, voafitaky ny hadalany, va no mitsangan-kanohitra ny finoana kristiana! Mba hampijanona izao fanaovana zinona ny finoana izao, dia ataoko sorona ny fanjakako, ny hareko, ny sakaizako, ny tenako, ny rako, ny fanahiko, sy ny aiko. Hoesoriko tsy hibahan-dalana intsony ilay Lotera avy amin’ ny antokon’ ny Aogositina, ka horarako tsy hampikorontana ny vahoaka na dia kely aza; manaraka izany dia hanohitra azy sy ireo mpanaraka azy ho amin’ ny maha-heretika mafy hatoka azy, ka haongako tsy ho anisan’ ny cglizy izy, horarako tsy hifandray amin’ ny tany aina-monina, ary ampiasaiko ny fomba rehetra nokasaina hanapotehina azy ireo. Miantso ireo olom-panjakana aho hitondra tena tahaka ny kristiana mahatoky.» Ibid, boky 7, toko 9. Na dia izany aza dia nambaran’ ny amperora fa tsy maintsy hajaina ny tsisakanana nomena an’ i Lotera ary alohan’ ny hanombohana izay hatao hanoherana azy dia tsy maintsy havela ho tonga soa aman-tsara any an-tokantranony izy.HM 165.1

    Hevitra roa mifanipaka izao no napoitran’ ireo mambra tao amin’ ny filan-kevitry ny fanjakana foibe. Ny mpitondra tenin’ ny papa sy ireo solontenany dia nangataka indray ny tsy hiraharahana ny tsisakanana nomena an’ ilay Mpanavao ara-pivavahana. «Tokony ho ny reniranon’ i Rhin», hoy izy ireo, no handray ny lavenona sisa avy amin’ ny tenany, tahaka ny an’ i John Huss zato taona lasa izay.» Ibid, boky 7. toko 9. Ireo andriandahin’ i Alemaina kosa anefa na dia mpomba ny papa sy nitsangan-ko fahavalon’ i Lotera niharihary aza dia nanohitra izany fandikana ny toky nomena ny olona ampahibemaso izany, satria ho pentina eo amin’ ny voninahitry ny firenena izany. Nasongadiny ny antambo vokatry ny fahafatesan’ i Huss. ary nambarany la tsy ho sahiny ny hihantsy indray ireo loza maha- tsiravina ireo amin’ ny Alemaina sy ho eo an-dohan’ ity amperorany vao tanora herotrerony.HM 165.2

    Ny tenan’ i Charles mihitsy aza no namaly toy izao ilay sosokevitra tsy mendrika: «Na dia horoahina tsy ho eto amin’ izao tontolo izao manontolo aza ny fanajana ny teny nomena, dia tokony hahita hiafenana ao am-pon’ ny andriandahy izy. Ibid, boky 7, toko 9. Nampirisihin’ ireo fahavalon’ i Lotera lozabe indrindra niandany tamin’ ny papa indray ny amperora mba ho tahaka ny fihetsik’ i Sigismond tamin’ i Huss no fihetsiny amin’ ilay Mpanavao arapivavahana, izany hoe hanolotra azy eo am-pelatanan’ ny eglizy;nefa rehefa nahatsiaro ny nanondroan’ i Huss ny gadrany tao amin’ ny fivoriana ampahibemaso izy sy ny nampahatsiahy ny mpanjaka ny toky nomeny hoy i Charles fahadimy hoe: «Tsy mba ho teramenan’ ny henatra tahaka an’ i Sigismond aho.» Lenfant, boky I,p. 422.HM 166.1

    Na dia izany aza dia ninian’ i Charles notsipahina mazava ireo fahamarinana nasehon’ i Lotera. «Hentitra ny finiavako haka tahaka ny ohatra nomen’ ny razambeko», hoy ny mpanjaka nanoratra. — D’Aubigne, boky 7, toko 9. Nanapa-kevitra izy fa tsy hiala amin’ ny lalana mahazatra, eny, na dia handeha amin’ ny lalan’ ny fahama-rinana sy hanao ny rariny aza ny fialana amin’ izany. Satria nanao izany ireo nialoha azy, dia hanohana ny fahefana papaly koa izy, na dia lozabe sy feno haratsiana aza izany. Toy izany no nijoroany tamin’ ny heviny ka nandavany tsy handray fahazavana hafa mihoatra noho izay noraisin’ ireo teo alohany sy tsy hanatanteraka adidy izay tsy notontosain’ ireny.HM 166.2

    Maro ankehitriny ny olona izay mifikitra toy izany amin’ ny fomba amam-panao mahazatra sy amin’ ny lovan-tsofina navelan’ ny razana. Rehefa mandefa fahazavana fanampiny ny Tompo, dia mandà ny handray izany izy satria tsy noraisin’ ireo nialoha azy izany, nefa izy ireo anie tsy notolorana izany akory e! Tsy eo amin’ ny toerana nisy ireo nialoha antsika isika: noho izany tsy mitovy amin’ ny azy ireo ny adidy aman-andraikitra eo amintsika. Tsy hankasitraka antsika Andriamanitra raha mijery ny ohatra navelan’ ny teo alohantsika isika mba hamaritana ny adidintsika tsy hikaroka ny tenin’ ny fahamarinana ho an’ ny tenantsika! Lehibe noho ny an’ ireo razantsika ny adidintsika. Hampamoahina ny amin’ ny fahazavana noraisin’ izy ireny isika, izay noraisintsika ho toy ny lova avy aminy, ary tompon’ andraikitra koa isika amin’ ny fahazavana fanampiny izay mamirapiratra amin’ izao fotoana izao avy amin’ ny tenin’ Andriamanitra.HM 166.3

    Hoy i Kristy tamin’ ireo Jiosy tsy nino: «Raha tsy tonga Aho ka niteny taminy, dia tsy nanan-keloka izy; fa ankehitriny dia tsy misy fialana azony atao amin’ ny helony.» 2Jao.15:22 lo fahefan’ Andriamanitra jo ihany no niteny tamin’ ny amperora sy ireo andriandahin’ ny Alemaina tamin’ ny alalan’ i Lotera. Ary raha namirapiratra avy tamin’ ny tenin’ Andriamanitra ny fahazavana, dia nitalaho farany tamin’ ny maro tao amin’ io fivoriana io ny Fanahin’ Andriamanitra. Tahaka an’ i Pilato, taon-jato maro talohan’ izao, izay namela ny avonavona sy ny filan-tsitraka tamin’ ny olona hanidy ny fony tsy handray ny Mpanavotra an’ izao tontolo izao; tahaka an’ i Feliksa tora-kovitra hibaiko ilay nitondra hafatry ny fahamarinana hoe; «mandehana angaloha fa raha malalaka, dia hampaka anao indray aho»; tahaka an’ i Agripa feno avona niaiky hoe: «Ataonao fa mora toy izany no hampanekenao ahy no kristiana», 3Asa 24 : 25; 26 : 28 nefa dia nihodina niala tamin’ ny mpitondra hafatry ny lanitra izy. Toy izany koa i Charles fahadimy nitolo-batana hanaraka ny baikon’ izao tontolo izao feno avonavona sy ny fomba fisainany izy ka nanapa-kevitra fa handà ny fahazavan’ ny fahamarinana.HM 167.1

    Niparitaka hatraiza hatraiza ny tsaho momba ny tetika hamelezana an’ i Lotera ka nampitabataba izaitsizy ny tanàna. Nahazo mpiandany betsaka ilay mpanavao fivavahana ; fantatr’ izy ireo ny toetra mpamadika sy lozabe asehon’ i Roma amin’ izay rehetra sahy mampiharihary ny faharatsiany, ka nanapa-kevitra izy fa tsy hatao sorona i Lotera. An-jatony ny andriana nanolo-tena hiaro azy. Tsy vitsy no nanameloka an-karihary ny teny midina avy amin’ ny mpanjaka nampiseho fileferana izay midika ho halemena amin’ ny fahefan’ i Roma mpanjakazaka. Nisy sora-baventy natao teny amin’ ny vavahadin’ ny trano sy teny amin’ ny toerana ankalamanjana, ny sasany nanameloka an’ i Lotera ary ny sasany nanohana azy. Ny anankiray amin’ ireny dia nahitana fotsiny ireo teny mavesa-danja nataon’ ilay lehilahy hendry hoe: «Lozanao, ry tany, raha zaza no mpanjakanao.» 4Mpit. T.10 : 16 Ny hafanam-po nasehon’ ny vahoaka ho an’ i Lotera nanerana an’ i Alemaina manontolo dia nampiaiky ny amperora sy ny Filan-kevitry ny fanjakana foibe fa raha misy tsy rariny atao aminy dia hampidi-doza ny fandriam-pahaleman’ ny fanjakana izany, ary hampihozongozona ny seza fiandrianany mihitsy aza.HM 167.2

    Tsy namposak’ i Frederika avy any Saxe ny heviny momba ilay mpanavao fivavahana, ary nafeniny tamim-pitandremana fatratra ny tena fihetseham-pony, nefa niaraka tamin’ izany dia niaro sy niambina azy tsy an-kijanona izy, nanara-niaso ny fihetsiny rehetra sy ny fihetsika rehetra nataon’ ny fahavalony. Maro koa ireo tsy niezaka hanafina akory ny firaisam-pony tamin’ i Lotera. Tonga namangy azy ireo andriandahy isany sy ireo olona ambony hafa, na olon-tsotra izany na olom-pivavahana.» Tsy omby ny mpamangy rehetra tonga ny efitrano kelin’ ilay mpampianatra ngezalahy. hoy Spalatin nanoratra.» Martyn. vol. 1, p. 404. Nibanjina azy ny olona toy ny mihoatra ny olombelona no fijeriny azy. Na dia ireo izay tsy nino ny fampianarany aza dia tsy afaka ny tsy hidera ny toetra mahatoky ambony nananany izay nitarika azy hisetra ny fahafatesana toy izay hanohitra ny feon’ ny fieritreretany.HM 167.3

    Nafana ny ezaka natao mba hahazoana an’ i Lotera hitady izay marimaritra iraisana amin’ i Roma. Nasehon’ ireo andriandahy azy fa raha mikiry ny hampitoetra ny heviny manohitra ny eglizy sy ny fivoriam-be fiheveran-draharaham-piangonana izy dia vetivety foana dia ho voaroaka tsy ho anisan’ ny tany ama-monina ary amin’ izay dia tsy hanana mpiaro intsony. Izao no navalin’ i Lotera an’ io fitaomana io : Tsy ilaozan’ ny fanafintohinana ny fitoriana ny Filazantsaran’ i Kristy . . . Nahoana ary no ho ny tahotra na ny fanahiana no hampi saraka ahy amin’ ny Tompo sy amin’ ny tenin’ Andriamanitra izay hany fahamarinana? Tsia. aleoko mamoy ny tenako, sy ny rako ary ny aiko». D’Aubigne, boky 7, toko 10.HM 168.1

    Nampirisihina indray izy hilefitra amin’ ny fitsaran» ny amperora amin’ izay dia tsy hisy hatahorany. «Ekeko, hoy izy ho valin’ izany, ary amin’ ny foko rehetra, raha mandinika sy mitsara ny asako ny amperora, ny andriandahy, ary na dia ny kristiana iva razana indrindra aza; nefa misy fetra iray, dia ny handraisany ny tenin’ Andriamanitra ho filamatra. Tsy misy azon’ ny olona atao afa-tsy ny mankatò izany. Aza manao herisetra amin’ ny feon’ ny fieritreretako, izay voafatotra sy voagadran’ ny Soratra Masina.» Ibid. boky 7, toko 10.HM 168.2

    Izao koa no navalin’ ny antso hafa; «Ekeko ny hametraka ny tsisakanana nomena ahy ho tsy manan-kery. Apetrako eo ampelatanan’ ny amperora ny tenako sy ny aiko; fa ny tenin’ Andria-manitra kosa, sanatria!» Ibid, boky 7, toko 10. Nambarany fa manaiky hilefitra amin’ ny fanapahan-kevitry ny fivoriambempiangonana izy, nefa tokana ny fepetra dia ny fangatahana io fivoriam-be io hanao fanapahan-kevitra araka ny Soratra Masina. «Raha mikasika ny tenin’ Andriamanitra sy ny finoana, hoy ihany izy, dia samy afaka hitsara ny kristiana tsiarairay na ny papa, na dia misy fivoriam-be fiheveran-draharaha an-tapitrisany aza miandany aminy.» Martyn, boky 1, pejy 410. Samy miaiky marina na ny sakaizany na ny fahavalony fa tsy misy antony intsony izay fiezahana hafa atao hisian’ ny fampihavanana.HM 168.3

    Raha nilefitra tamin’ ny zavatra iray fotsiny ilay mpanavao fivavahana, dia ho lasan’ i Satana sy ny tafiny ny fandresena. Ny fijoroany tsy azo nohozongozonina anefa no ncntina nanafaka ny fiangoanan sady fiantombohan’ ny andro vaovao sy tsara kokoa. Ny hery miasa mangina avy amin’ ity lehilahy ity izay sahy nivelona araka ny heviny ny amin’ ny mikasika ny fivavahana, dia nisy vokany teo amin’ ny fiangonana sy teo amin’ izao tontolo izao, tsy tamin’ ny androny fotsiny, fa tamin’ ny taranaka ho avy rehetra koa. Hampahery izay rehetra handalo amin’ ny fanandramana toy izay niainany hatramin’ ny andro farany ny fijoroany ho mahatoky. Ny hery sy ny fiandrianan’ Andriamanitra no nijoro ambonin’ ny fisainan’ ny olombelona, ho ambonin’ ny fahefana sy ny herin’ i Satana.HM 169.1

    Tsy ela avy eo dia nahazo baiko hody any aminy avy tamin’ ny amperora i Lotera, ary fantany fa hanaraka io filazana io vetivety foana ny fanamelohana azy. Rahona matevina no nananontanona teo amin’ ny lalany; nefa raha niainga tao Worms izy, dia diboky ny hafaliana sy ny fiderana ny fony: «Ny devoly mihitsy, no niambinany tanàna mimandan’ ny papa; nefa nasian’ i Kristy banga mitanatana izany ka voatery niaiky i Satana fa mahery noho izy Jehovah.» D’Aubigne. boky 7, toko 11.HM 169.2

    Taorian’ ny nandehanany. satria mbola tsy tiany ny handraisana ny fijoroany ho fikomiana, dia nanoratra tamin’ ny amperora i Lotera. «Andriamanitra, izay mpandimka ny fo, no vavolombeloko. hoy izy, vonona sy mazoto indrindra aho hankatò ny andriamanjaka, na ho voninahitra na ho fahafaham-baraka, na ho velona, na ho faty, tsy misy avakavaka afa-tsy ny tenin’ Andriamanitra, izay iveloman’ ny olona. Raha izay rehetra momba an’ ity fiainana ity, dia tsy ho azo hozongozonina ny toetrako mahatoky aminao, satria tsy misy fiantraikany amin’ ny famonjena ny fatiantoka sy ny tombon-tsoa eto. Fa rehefa mikasika ny mandrakizay kosa, dia tsy sitrapon’ Andriamanitra ny hileferan’ ny olona amin’ ny olona. Fa ny fileferana toy izany amin’ ny ara-panahy dia tena fiankohofana tokoa; ary tsy tokony hatao afa-tsy amin’ ny Mpamorona irery ihany. Ibid, boky 7. loko 11.HM 169.3

    Tamin’ ny diany avy tany Worms, dia nafana kokoa noho ny fony izy nankany ny fandraisan’ i Lotera. Noraisin’ ireo mpitondra fivava-hana ambony ilay pretra noroahina tamin’ ny eglizy, ary nomen’ ireo manam-pahefana voninahitra ilay lehilahy nomelohin’ ny amperora. Nangatahina hitory teny izy, ary na dia teo aza ny fandrarana avy tamin’ ny amperora dia niakatra polipitra indray izy, «Na oviana na oviana, hoy izy, tsy hanaiky ny hanagadra ny tenin’ Andriamanitra aho, ary tsy hataoko mihitsy izany. Martyn, boky 1. pejy 420.HM 170.1

    Vao tsy ela no nialany tao Worms, dia notaomin’ ireo mpiandany amin’ ny papa ny amperora hamoaka didy hanameloka azy. Voampanga ho Satana mihitsy naka endrik’ olona sy nanao fitafian’ ny pretra i Lotera tao amin’ io didy io.D’Aubigne boky 7, toko 2.HM 170.2

    Navoaka ny baiko fa raha vao tapitra ny fe-potoan’ ny tsisakanany, dia horaisina ny fepetra hampijanona ny asany. Norarana ny olona rehetra tsy hampiantrano azy, tsy hanome azy hohanina na hosotroina, tsy hiray tsikombakomba aminy, na amin’ ny teny, na amin’ ny fihetsika, na ampahibemaso, na mangingina. Hosamborina izy; na aiza na aiza misy azy ka hatolotra ny manam-pahefana. Hofonjana koa ny mpomba azy ary hobaboina ny fananan’ izy ireo. Hopotehina ny bokin’ i Lotera ary farany, izay rehetra sahy manohitra io didy io dia ho voafaoka ao amin’ ny fanamelohany. Efa niala tao Worms ny filohan’ i Saxe sy ireo andriandahy akaiky an’ i Lotera indrindra raha vao niainga tao izy, ka nankatoavin’ ny filan-kevitry ny fanjakana foibe ny didy naroson’ ny amperora. Nitotorebika izao ireo mpomba an’ i Roma. Noheveriny fa vita tombo-kase ny anjaran’ ilay mpanavao fivavahana.HM 170.3

    Lfa nanomana lalana hahafahan’ ny mpanompony tamin’ iò ora feno loza io Andriamanitra. Nisy niambina sy nanara-maso ny fihetsik’ i Lotera, ary nisy olo-marina sy tsara fo nahita ala-olana hamonjena azy. Nazava fa tsy hisy afa-tsy ny fahafatesany no hahafa-po an’ i Roma; ny fanafenana azy ihany izany no hiarovana azy amin’ ny vavan’ ny liona. Nomen’ Andriamanitra fahendrena i Frederika filohan’ i Saxe hanao tetika hiarovana an’ i Lotera. Nisy mpiray donakafo tamin’ i Frederika nanampy tamin’ ny fanatontosana izany ka voafina marina tokoa i Lotera na tamin’ ny sakaizany na tamin’ ny fahavalony. Raha teny an-dalana nody izy, dia nisy nisambotra azy, nampisaraka azy tamin’ ireo niara-dia taminy, ary nitondra azy haingana tany anaty ala ho any amin’ny lapan’ ny Wartburg, izay tanàna mimanda mitokana any an-tendrombohitra any. Nofonosin’ ny zava-miafina be indrindra na ny fisamborana azy na ny nanafenana azy ka na dia i Frederika aza tsy nahalala nandritra ny fotoana maharitra izay nitondra azy. Nisy antony io tsy nahalalany izany io; raha mbola tsy nisy na inona na inona fantatry ny filohan’ 1 Saxe nomba an’ i Lotera, dia tsy afaka nanambara na inona na inona izy. Faly izy fa voaaro ilay Mpanavao fivavahana, ary nahafa-po azy ny fahalalana izany.HM 170.4

    Lasa ny lohataona, ny fahavaratra, ny fararano, tonga ny ririnina, mbola voatana am-ponja ihany i Lotera. Nibitaka i Aleander sy ny namany satria toa nadiva ho faty ny fahazavan’ ny filazantsara. Tsy izany anefa, fa teo am-pamenoana ny fanaovan-jirony avy tamin’ ny rakitry ny fahamarinana ilay mpanavao fivavahana ; ary tsy ela dia namirapiratra bebe kokoa ny fahazavany.HM 171.1

    Nifaly aloha i Lotera tamin’ ny fiarovana azo antoka natolotry ny sakaiza azy tao Wartburg satria afaka tamin’ ny ady mafana sy ny hotakotaka izy. Nefa tsy nahita fahafaham-po ela tamin’ ny fiainana mangingina sy mipetrapetraka izy. Efa zatry ny fiainana mihetsiketsika sy ny fanoherana mahery vaika izy, ka tsy nahazaka firy ny hipetraka amin’ izao. Tamin’ ireo andro naha-irery azy, dia toa vita sary teo anatrehany ny toe-javatra nahazo ny fiangonana ka namoy fo izy nitomany hoe: «Indrisy! Tsy misy na dia iray aza, amin’ izao andro farany fahatezeran’ i Jehovah izao, mijoro toy ny manda eo anatrehany ka mamonjy ny Isiraely!» Ibid, boky 9, toko 2. Nitodika tany amin’ ny tenany indray ny eritreriny ka natahotra izy sao hampangaina, ho kanosa raha nisintaka niala tamin’ ny ady. Dia nanameloka ny tenany noho ny fidonanaham-poana sy ny fampanaranam-po ny tenany izy. Anefa tamin’ izay dia niasa isan’ andro mihoatra noho izay mety ho vitan’ ny olona iray izy. Tsy nitsahatra mihitsy ny peniny. Nidoka tena ireo fahavalony fa nampangina azy, nefa gaga sy very hevitra izy ireny tamin’ ny porofo azo tsapaintanana nanambara fa mbola niasa izy. Nisy trakta sesehena nosoratany, niely eran’ i Alemaina. Nahavita asa lehibe indrindra ho an’ ny mpiray tanindrazana taminy koa izy, tamin’ ny nandikany ny Testamenta Vaovao tamin’ ny teny Alemà. Efa herintaona manontolo no’ nitoriany ny filazantsara avy eny amin’ ny harambaton’ ny patmosiny sy naniniany ny fahotana mbamin’ ireo hevi-diso tamin’ ny androny.HM 171.2

    Nefa tsy mba ho fiarovana fotsiny an’ i Lotera tamin’ ny fahate-zeran’ ny fahavalony, na hanomezana azy fotoana hialany sasatra amin’ ireo asa lehibe ataony, no nisintonan’ Andriamanitra ny mpanompony tsy ho eo amin’ ny sehatry ny fiainam-bahoaka. Nisy vokany sarobidy noho ireo tiany narovana. Raha irery tsy nisy nahalala tao amin’ ny tendrombohitra niafenany i Lotera, dia afaka tamin’ ny tohana avy eto an-tany ary voasakana tsy ho voahasohason’ ny fiderana avy amin’ olombelona. Tamin’ izany dia voavonjy tamin’ ny fireharehana sy ny fahatokian-tena izy, izay matetika loatra vokatry ny fahombiazana. Ny fijaliana sy ny fampietrena no manomana azy indray hitety tsy aman-tahotra ireny tendro mahafanina izay nanondrotana azy tampoka.HM 171.3

    Rehefa mahita fifaliana amin’ ny fahafahana izay entin’ ny fahamarinana ho azy ny olona, dia manana fironana hanandratra ireo izay nampiasain’ Andriamanitra hanapatapaka ny gadran’ ny hevi-diso sy ny finoanoam-poana izy. Ataon’ i Satana izay hampiala ny fisainan’ ny olona sy ny fitiavany an’ Andriamanitra ho amin’ ny olombelona; tarihiny hanome voninahitra ny fiasana izy ireo ka tsy hahalala ilay tanana izay mitarika ny zavatra rehetra araka ny laminkevitr’ Andriamanitra. Matetika loatra ireo mpitondra fivavahana hankalazaina sy deraina toy izany no tsy mahatsapa intsony ny tsy maintsy hiankinany amin’ Andriamanitra ka voatarika hatoky ny tenany. Ho vokatr’ izany dia mitady hifehy ny saina sy ny feon’ ny fieritreretan’ ny vahoaka izy, izay vonona handray azy ho mpitarika fa tsy ny tenin’ Andriamanitra. Matetika no mihemotra ny asan’ ny fanavaozana noho io toe-tsaina ivelan’ ireo mpanohana azy hanarampo io.HM 172.1

    Nirin’ Andriamanitra harovana tamin’ io loza io ny Fanavaozana ara-pivavahana. Tiany handray ny tombo-kasen’ Andriamanitra io asa io fa tsy ny an’ ny olombelona. Nitodika tany amin’ i Lotera izay namelabelatra ny fahamarinana ny mason’ ny olona; nesorina izy mba ho voatarika ho amin’ Ilay niavian’ ny fahamarinana ny maso rehetra.HM 172.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents