Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hery Mifanandrina

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 29—Ny niavian’ ny ratsy

    Mahatonga fahaverezan-kevitra lehibe ho an’ ny saina maro ny niavian’ ny fahotana sy ny anton’ ny fisiany. Hitany ny asan’ ny ratsy, miaraka amin’ ny vokany mahatsiravina dia loza sy faharavana, ka velom-panontaniana izy ny amin’ ny fomba mety hisian’ izany eo ambany fanapahan’ Ilay Anankiray tsy voafetra amin’ ny fahendrena, ny hery sy ny fitiavana. Zava-miafina tsy ahitany fanazavana izany. Ary noho ny fisalasalany sy ny tsy finoany dia jamba izy ka tsy mahita ireo fahamarinana ambaran’ ny tenin’ Andriamanitra mazava sy tena ilaina momba ny famonjena. Misy ireo izay manao fikarohana lalina ny amin’ ny fisian’ ny fahotana, ka mitady hitsabaka ao amin’ izay tsy nambaran’ Andriamanitra na oviana na oviana; noho izany dia tsy mahita ala-olana izy ; ary ny toy ireny izay entanin’ ny toe-tsaina mirona ho amin’ ny fisalasalana sy ny hevitra, dia manararaotra izany hanala tsiny ny fitsipahany ny tenin’ ny Soratra Masina. Misy hafa koa anefa izay tsy mahita valiny mahafapo ny amin’ ity olana lehibe momba ny ratsy ity. satria ny lovantsofina sy ny dika-vilana natao dia nanamaizinana ny fampianaran’ ny Baiboly mikasika ny toetra amam-panahin’ Andriamanitra sy ny toetry ny fitondram-panjakany ary ireo foto-kevitra mametra ny fihetsiny amin’ ny fahotana.HM 509.1

    Tsy misy fanazavana ny amin’ ny niavian’ ny ota azo atolotra hanomezan-drariny ny fisiany. Nefa ampy ny zavatra fantatra mikasika ny niavian’ ny fahotana sy izay hatao aminy amin’ ny farany ho fampiharihariana ny fahamarinana sy ny hamorampanahin’ Andriamanitra amin’ ny fitondrana rehetra ataony momba ity ratsy ity. Tsy misy ampianarin’ ny Soratra Masina mazava kokoa noho ny tsy maha-tompon’ andraikitra an’ Andriamanitra tamin’ ny nidiran’ ny fahotana ;ampianariny fa tsy hoe nosintonin’ Andria- manitra an-keriny ny fahasoavany, na nisy lesoka teo amin’ ny fitondran’ Andriamanitra ny fanjakany, izay nety nohararaotin’ ny fikomiana. Tonga tsy nasaina ny fahotana, ary tsy misy azo anamarinana ny fisiany. Zava-miafina ny amin’ izany ka tsy hay hazavaina. Raha misy fialan-tsiny mety ho hita ny aminy, na antony mety manazava ny fisiany, dia tsy ho fahotana intsony ny fahotana. Ny hany famaritana azontsika atao ny amin’ ny fahotana dia ilay omen’ ny tenin’ Andriamanitra ;«fandikana ny lalàna» io;vokatra miseho avy amin’ ny foto-kevitra iray mifanohitra amin’ ilay lalàn’ ny fitiavana lehibe izay iorenan’ ny fitondram-panjakan’ Andria-manitra.HM 509.2

    Talohan’ ny nidiran’ ny ratsy dia nisy fiadanana sy fifaliana nanerana izao rehetra izao. Nifandrindra tanteraka tamin’ ny sitrapon’ ny Mpamorona ny zavatra rehetra. Ny fitiavana an’ Andriamanitra no natao ho ambony indrindra, tsy nisy fizahan-tavan’ olona teo amin’ ny fifankatiavana. Kristy Ilay Teny, Zanaka Lahitokan’ Andriamanitra, dia iray tamin’ ny Ray mandrakizay, — iray teo amin’ ny fombany, iray tamin’ ny toetra amam-panahy, iray teo amin’ ny fikasana, — Izy irery, manerana izao tontolo izao no hany afaka niditra teo amin’ ny filan-kevitr’ Andriamanitra sy teo amin’ ny fikasany. Tamin’ ny alalan’ i Kristy no nanatanterahan’ ny Ray ny famoronana ny mponina rehetra any an-danitra. «Fa tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra . . . na seza fiandrianana, na fanjakana, na fanapahana, na fahefana»1Kol. 1 : 16; koa ny lanitra manontolo no nanoa an’ i Kristy, tahaka ny nataony tamin’ ny Ray.HM 510.1

    Satria ny lalàn’ ny fitiavana no fototra iorenan’ ny fitondrampanjakan’ Andriamanitra, dia niankina tamin’ ny fanarahany tanteraka ireo foto-kevitra lehiben’ ny fahamarinana hita ao ny fahasambaran’ ny vahoakany rehetra. Ny irin’ Andriamanitra avy amin’ ny voariny rehetra dia fanompoan’ ny fitiavana fanajana mipololotra avy amin’ ny fahatsapan’ ny saina ny hatsaram-panahiny. Tsy mankasitraka ny fankatoavana terena Izy ary atolony ny rehetra ny fahafahana hampiasa ny sitrapo, mba hanaovany fanompoana araka ny nahim-po.HM 510.2

    Nisy iray anefa nifidy ny hanimba io fahafahana io. Izy no niavian’ ny fahotana, dia ilay nomen’ Andriamanitra voninahitra lehibe indrindra nanarakaraka an’ i Kristy sy nanana toerana ambony indrindra raha ny amin’ ny fahefana sy ny voninahitra teo amin’ ny mponin’ ny lanitra no lazaina. Talohan’ ny nahalavoany, i Losifer? no voalohany tamin’ ireo kerobima manaloka, masina sady tsy voaloto. «Izao no lazain’ i Jehovah Tompo :Ry ilay nanisy tombokase ny rafitra tsara tarehy tonga marik’a sady feno fahendrena no tena tsara tarehy, tany Edena, sahan’ Andriamanitra ianao ; ny vatosoa rehetra no eloelo teo amboninao» . . . «Ianao dia kerobima voahosotra izay manaloka, fa voatendriko ianao; tao an-tendrombohitra masin’ Andriamanitra ianao; tao amin’ ny vato mirehitra no nitsangatsangananao. Tsy nanan-tsiny ianao tamin’ ny nalehanao hatramin’ ny andro namoronana anao ka mandra-pahita heloka teo aminao»2Ezek. 28 : 12-15.HM 510.3

    Nety ho nitoetra teo amin’ ny fankasitrahan’ Andriamanitra i Losifera, ka notiavin’ ny tafiky ny anjely rehetra sy nohajainy, ary ho nampiasa ny hery ambony tao aminy ho fitahiana ny hafa sy ho fanomezam-boninahitra ny Mpanao azy. Nefa hoy ny mpaminany : «Niavonavona ny fonao noho ny hatsaran-tarehinao ; efa nahasimba ny fahendrenao mbamin’ ny famirapiratanao ianao»3Ezek. 28 : 17. Nanjary nandefitra tsikelikely tamin’ ny faniriany hanandra-tena i Satana. «Efa nataonao ho toy ny fon’ Andriamanitra ny fonao». «Ary ianao efa nanao anakampo hoe : Any an-danitra no hiakarako, ary ambonin’ ny kintan’ Andriamanitra no hanandratako ny seza fiandrianako; dia hipetraka eo an-tendrombohitra fivoriana aho. . .; hiakatra ho any ambonin’ ny havoan’ ny rahona aho ka ho tahaka ny Avo Indrindra»4and. 6 ; Isa. 14 : 13 , 14. Tsy ny nitady izay hahatonga an’ Andriamanitra ho fara-tampony teo amin’ ny fitiavana sy ny fanoavan’ ireo nohariny no nimasoan’ i Losifera, fa ny handrombaka ho an’ ny tenany ny fanompoana sy ny voninahitra. Koa satria nitsiriritra ny laza izay natosaky ny Ray tsy voafetra tamin’ ny Zanany ity andrianan’ ny anjely ity, dia nitsiriritra ny fahefana izay tombontsoan’ i Kristy samirery ny mampiasa izany izy.HM 511.1

    Efa niravoravo ny lanitra manontolo hampitatra ny voninahitry ny Mpahary sy haneho ny fiderana Azy. Ary rehefa mbola noderaina toy izany Andriamanitra, dia niadam-pinaritra sy niravoravo ny rehetra. Injao anefa fa nisy namalam-peo, ka nanimba ny firindran’ ny hiran’ ny lanitra. Ny fanompoana ny tena sy ny fanandratana azy, izay nifanohitra tamin’ ny drafitra nataon’ ny Mpamorona, dia namohafoha eritreri-dratsy tao an-tsain’ ireo izay nanao ny voninahitr’ Andriamanitra ho ambony indrindra. Nitalaho tamin’ i Losifera ny filan-kevitry ny lanitra. Nasehon’ ny Zanak’ Andria-manitra azy ny fahalehibeazan’ ny Mpamorona, ny fahatsarany, sy ny fahamarinany. ary koa ny fahamasinan’ ny lalàny sy ny tsy fiovany. Andriamanitra mihitsy no efa nampitoetra ny filaminan’ ny lanitra ;ary raha miala amin’ izany i Losifera dia hanala baraka ny Mpanao azy sy hahatonga fandringanana ho an’ ny tenany. Ny fampitandremana nomena» tamim-pitiavana sy ny famindrampo tsy hita lany anefa dia mainka nampirongatra toe-tsaina fanoherana. Navelan’ i Losifera hanjaka ny fialonany an’ i Kristy, ka mainka koa mafy orina ny fahatapahan-keviny.HM 511.2

    Ny fireharehany ny amin’ ny voninahitry ny tenany dia namelompaniriana tao aminy hanana ny fahefana fara-tampony. Tsy noraisiny ho fanomezan’ Andriamanitra ireo haja ambony natolotra an’ i Losifera ka tsy nitera-pankasitrahana ho an’ ny Mpahary. Nirehareha tamin’ ny famirapiratany sy ny fisandratany izy, ary naniry fatratra hitovy tamin’ Andriamanitra. Notiavina sy nohajain’ ireo tafiky ny lanitra izy. Nahafaly ny anjely ny nanatanteraka ny baikony ary voatafy fahendrena sy voninahitra ambonin’ izy rehetra izy. Ny Zanak’ Andriamanitra anefa no nekena ho Tompon’ ny lanitra, niray hery sy fahefana tamin’ ny Ray. Mpandray anjara tamin’ ny filankevitr’ Andriamanitra rehetra i Kristy, fa i Losifera kosa tsy navela hahalala ny fikasan’ Andriamanitra.. «Nahoana», hoy ny fanontanian’ ity anjely mahery, «no omena an’ i Kristy ny fahefana fara-tampony ? Nahoana Izy no omem-boninahitra ambonin’ i Losifera toy izao ?»HM 512.1

    Niala teo amin’ ny toerany teo anatrehan’ Andrimanitra i Losifera ka lasa nampiely ny toe-tsaina tsy faly tamin’ ny anjely. Niasa tamin’ ny fomba miafina sy mangina izy, ary nafeniny aloha ny tena fikasany tamin’ ny endriky ny fanajana an’ Andriamanitra ka niezahany ny hamohafoha tsy fahafaham-po momba ny lalàny izay mifehy ny mponin’ ny lanitra, ary narosony miandalana tamin’ izany ny hevitra fa mahatonga fanaovana didy jadona amin’ ny fameperana tsy misy ilana azy izany. Satria masina izy ireo, dia nohantitranteriny fa tokony hankatò ny baikon’ ny sitrapon’ ny tenany ny anjely. Niezaka izy hampitsiry fangorahana azy tamin’ ny fanehoany fa nanao ny tsy rariny taminy Andriamanitra raha nanolotra an’ i Kristy ny voninahitra fara-tampony. Noiazainy fa ny faniriany hanana fahefana sy voninahitra ambony kokoa dia tsy fikendreny hanambony tena tsy akory fa kosa fiezahany hiaro ny fahafahana ho an’ ireo mponin’ ny lanitra rehetra, mba hahazoan’ izy ireo mahatratra faritra ambonimbony kokoa eo amin’ ny fiainany amin’ izany fomba izany.HM 512.2

    Noho ny famindrampony lehibe. dia nizaka ela ny fanatrehan’ i Losifera Andriamanitra. Tsy naetry avy hatrany hiala tamin’ ny toerana ambony nisy azy izy raha vao nirona voalohany ho amin’ ny toe-tsaina nitory tsy fahafaham-po, ary na dia fony izy nanomboka nampiseho fihamboana diso teo anatrehan’ ny anjely mahatoky aza. Notazonina ela tany an-danitra izy. Naverimberina natolotra azy ny famelan-keloka raha mety mibebaka sy milefitra izy. Fiezahana izay ny fitiavana sy ny fahendrena tsy voafetra ihany no afaka mamolavola an’ izany no efa natao mba hampiaiky azy ny fahadisoankeviny. Tsy mbola fantatra na oviana na oviana tany an-danitra ny toe-tsaina tsy faly. Na dia i Losifera aza dia tsy nahatsinjo avy hatrany izay hitondran’ izao saina izao miandalandalana azy. Tsy fantany mazava tsara ny tena toetry ny fihetseham-pony. Nefa rehefa voaporofo fa tsy mitoetra ny tsy mahafaly azy, dia niaiky i Losifera fa diso ary marina ny fitakian’ Andriamanitra, ka tokony hoekeny ho toy izany eo anatrehan’ ny lanitra manontolo. Raha manao izany izy, dia ho namonjy ny tenany sy ny anjely maro. Tamin’ izay fotoana izay dia tsy niala tanteraka tamin’ ny fanoavany an’ Andriamanitra izy. Na dia efa nilaozany aza ny toerany naha-kerobima manaloka azy, raha nety niverina tamin’ Andriamanitra izy, ka nanaiky ny fahendren’ ny Mpamorona, sy ho afa-po tamin’ ny fandraisana ny toerana notendrena ho azy tao amin’ ny drafitra lehibe nataon’ Andriamanitra, dia ho naverina teo amin’ ny asany izy. Nanakana azy tsy hilefitra anefa ny avonavona. Nikiry nanamarina ny fihetsiny izy, notanany mafy ny tsy ilany ny fibebahana, koa dia nivonona tanteraka hanohitra ilay Mpanao azy izy, eo amin’ ilay ady lehibe.HM 513.1

    Ny heriny rehetra araka ny sain-dalina ananany izao dia navondrony hanaovana asa famitahana, mba hahazoan’ ireo anjely teo ambanin’ ny fifehezany hiray fo aminy. Na dia ny fampitandremana sy ny torohevitra nataon’ i Kristy aza dia navadiny hoenti-manampy ny fikasany amin’ ny maha-mpamadika azy. Ireo izay natoky sy tia azy ka nifamatotra akaiky indrindra taminy dia nilazan’ i Satana fa tsy rariny ny fiampangana azy, tsy nohajaina ny toerana nisy azy. voatohintohina ny fahafahany. Rehefa avy nandika vilana ny tenin’ i Kristy izy dia niroso hamadika ny fitokisana azy sy nandainga mivantana tamin’ ny fiampangana ny Zanak’ Andriamanitra ho nikasa ny hanala baraka azy teo anatrehan’ ny mponin’ ny lanitra. Notadiaviny hovana endrika koa ny foto-kevitra ifanolanany amin’ ireo anjely mahatoky. Izay rehetra tsy azony nahodina ka tsy niandany taminy dia nampangainy ho tsy miraika amin’ ny tombontsoan’ ny mponina any an-danitra. Ny asa nataony indrindra no niam- pangany ireo izay nitoetra ho mahatoky tamin’ Andriamanitra. Ary mba hanohanany ny fiampangany an’ Andriamanitra ho nanao ny tsy rariny taminy dia novany endrika ny teny sy ny fihetsiky ny Mpamorona. Ny tetiny dia ny hahavery hevitra ny anjely tamin’ ny alalan’ ny fonjan-kevitra faran’ izay fetsy mikasika ny fikasan’ Andriamanitra. Nosaronany zava-miafina ny zavatra tsotra rehetra, ary tamin’ ny famitahana novolavolain’ ny sain-dratsiny no namafazany fisalasalana ny amin’ ny tenin’ i Jehovah mazava indrindra. Ny toerana ambony nisy azy, izay nifandraisany akaiky tamin’ ny fandraharahan’ Andriamanitra dia nanome hery ny teniny, ka maro no voatarika hiray taminy hikomy tamin’ ny fahefan’ ny lanitra.HM 513.2

    Noho ny fahendren’ Andriamanitra, dia navelany i Satana hampandroso ny asany, mandra-pahamasaky ny saim-pisarahana hiteraka fikomiana mivantana. Nilaina ny namelana ny tetik’ adiny hivelatra araka izay tena izy hibaribarian’ ny tena toetrany sy izay kendreny marina eo imason’ ny rehetra. Efa nasandratra ho ambony i Losifera, tamin’ ny maha-kerobima voahosotra azy ; tian’ ireo mponina tany an-danitra tokoa izy, ka lehibe ny heriny niasa mangina tamin’ izy ireo. Tsy ny mponina any an-danitra ihany no voafaoka ao amin’ ny fitondram-panjakan’ Andriamanitra, fa ny tontolo rehetra nohariny koa ; ka dia noheverin’ i Satana fa raha azony taomina hiara-hikomy aminy ireo anjelin’ ny lanitra, dia ho voasariny amin’ izany koa ny izao tontolo izao hafa. Tamin’ ny fomba feno hafetsena no nanehoany ny fomba fijeriny ny olana, ka ny hevi-diso sy ny fitaka no nampiasainy mba hahatontosany izay nokasainy. Lehibe dia lehibe ny heriny mamitaka, ary noho ny nisalorany akanjompamitahana dia nahavoa ny tetiny. Na dia ireo anjely mahatoky aza tsy afaka nahatsikaritra mazava ny tena toetrany na nahatsinjo izay ho vokatra hitondran’ ny asany azy.HM 514.1

    Efa nomem-boninahitra ambony tokoa i Satana, ary ho voafono zava-miafina loatra ny fihetsiny rehetra, hany ka sarotra ny hamelabelatra tamin’ ny anjely ny tena toetry ny asany. Raha tsy nivelatra tanteraka araka izay tena maha-izy azy ny fahotana dia tsy hiseho ny maha-zava-dratsy azy. Talohan’ izao dia tsy mbola nisy teo amin’ ny rehetra nataon’ Andriamanitra izany, ka tsy voavinavinan’ ireo mponina masina ny toetrany sy ny maha-ratsy azy. Tsy tsinjon’ izy ireo velively ny vokatra mampidi-doza avy amin’ ny fanaovana tsinontsinona ny didin’ Andriamanitra. Tamin’ ny voalohany dia nafenin’ i Satana ny asany tao ivohon’ ny fihamboany ho nahatoky tamin’ Andriamanitra. Nambarany fa nitady izay hampitombo ny voninahitr’ Andriamanitra izy, izay hampitoetra ny fanjakany sy hikatsaka izay mahasoa ny mponin’ ny lanitra manontolo. Sady nanatsofoka tsy fahafaliana tao an-tsain’ ireo anjely nofeheziny izy, no niseho taminkafetsena lalina koa ho niezaka hanala ny disadisa. Raha nanantitrantitra izy fa misy fiovana tokony hatao eo amin’ ny rafitra sy ny lalàn’ ny fitondram-panjakan’ Andriamanitra, dia nasehony fa ilaina izany mba hitandrovana ny firindrana ao an-danitra.HM 514.2

    Teo amin’ ny ady nifanaovany tamin’ ny fahotana dia ny fahamarinana sy ny rariny ihany no fiadiana azon’ Andriamanitra nampiasaina. Satana kosa anefa dia mampiasa izay tsy azon’ Andriamanitra ampiasaina — dia ny fandroboana sy ny fitaka. Niezaka izy hanolana ny hevitry ny tenin’ Andriamanitra sy hanova endrika ny lamin’ ny fitondram-panjakany teo anatrehan’ ny anjely, tamin’ ny filazany fa tsy rariny ny nametrahan’ Andriamanitra lalàna sy fitsipika hifehy ireo mponin’ ny lanitra ; fa raha mitaky fileferana sy fankatoavana avy amin’ izay nohariny Izy dia tsy mikendry afatsy ny hanandratra ny tenany. Noho izany dia tsy maintsy haseho mazava eo anatrehan’ ireo mponina any an-danitra, sy eo anatrehan’ izao tontolo rehetra izao, fa marina ny fitondram-panjakan’ Andriamanitra ary tanteraka ny lalàny. Nilofosan’ i Satana ny hampiseho fa mikatsaka izay hampandroso ny soa rehetra eto amin’ izao tontolo izao tokoa izy. Tsy maintsy hazava amin’ ny rehetra ny tena toetra amam-panahin’ ny mpisandoka, ny tena zavatra kendreny. Tsy maintsy manana fotoana ampy izany izy hanehoany ny tenany amin’ ny alalan’ ny asa ratsiny.HM 515.1

    Nolazain’ i Satana fa avy tamin’ ny lalàna sy ny fitondrampanjakan’ Andriamanitra ny korontana niseho ho vokatry ny nataony tany an-danitra. Nambarany fa ny fahavoazana rehetra dia tsy inona fa avy amin’ ny tsy fetezan’ ny fitondrana nataon’ Andriamanitra. Nihambo izy fa ny zava-kendreny dia ny hanatsara ny fitsipik’ i Jehovah. Noho izany dia nilaina ny hanaporofoany ny zavatra nihamboany, sy ny hanehoany ny vokatr’ ireo fiovana narosony hatao amin’ ny lalàn’ Andriamanitra. Ny asany ihany no tsy maintsy manameloka azy. Nihambo hatrany amin’ ny voalohany mantsy Satana fa tsy nikomy tsy akory. Tsy maintsy ho hitan’ izao rehetra izao manontolo ilay mpamitaka afa-tsaron-tava.HM 515.2

    Na dia fony efa tapaka aza fa tsy afaka hijanona any an-danitra intsony i Satana, dia tsy naringan’ Ilay Fahendrena tsy hita fetra izy. Ny fanompoana avy amin’ ny fitiavana ihany mantsy no eken’ Andriamanitra, koa tsy maintsy mifototra amin’ ny fiaikena ny fahamarinany sy ny fiantrany ny fanoavan’ ireo nohariny. Tsy voaomana hahatakatra ny toetry ny fahotana sy ny vokany ireo mponin’ ny lanitra sy ny any an-toeran-kafa, koa nety tsy ho hitany tamin’ izay fotoana izay ny fahamarinana sy ny famindrampon’ Andriamanitra tamin’ ny fandringanana an’ 1 Satana. Raha nolevonina tsy hisy avy hatrany izy, dia ho nanompo an’ Andriamanitra noho ny tahotra ireny fa tsy noho ny fitiavana. Tsy ho rava tanteraka ny hery miasa mangina avy amin’ ilay mpamitaka na ho fongotra hatramin’ ny fakany ny toe-tsaina mikomy. tsy maintsy navela ho tonga amin’ ny fahamasahany ny ratsy. Mba hahasoa izao rehetra izao manontolo ary mandritra ny mandrakizay, dia tsy maintsy hovelarin’ i Satana misimisy kokoa ireo foto-keviny ka ho hitan’ ny voahary rehetra araka ny tena izy ny fiampangany ny fitondran’ Andriamanitra ny fanjakany, ary tsy hisy hisalasala na oviana na oviana intsony ny amin’ ny fahamarinana sy ny famindrampon’ Andriamanitra ary ny tsy fiovan’ ny lalàny.HM 515.3

    Lesona ho an’ izao rehetra izao mandritra ny andro ho avy rehetra ny fikomian’ i Satana, vavolombelona mandrakizay ny amin’ ny toetran’ ny fahotana sy ny vokany mahatsiravina izany. Ny fanátanterahana ny fanapahan’ i Satana, ny vokatr’ izany eo amin’ ny olona sy ny anjely, dia mampiseho izay tsy maintsy ho vokatry ny fanaovana zinona ny fahefan’ Andrimanitra. Hanaporofo izany fa ny soa ho an’ ny zava-boahary rehetra noforoniny dia mifamatotra amin’ ny fisian’ ny fitondram-panjakan’ Andriamanitra sy ny lalàny. Noho izany dia ho fefy mandrakizay hiaro ny anjely masina rehetra ny tantaran» io fanandramana mahatsiravina ny amin’ ny fikomiana io, ka hisakana azy ireo tsy ho voafitaka ny amin’ ny toetry ny fandikan-dalàna, ary hanafaka azy tsy hanota sy tsy hiharan’ ny sazin’ izany.HM 516.1

    Hatramin’ ny niafaran’ ilay ady tany an-danitra dia mbola nitozo nanamarin-tena ihany ilay mpisandoka. Rehefa nambara fa tsy maintsy horoahina avy amin’ ny toeram-pahasambarana izy sy ireo rehetra niandany taminy, dia nabaribarin’ ilay mpitarika ny fikomiana tamin-kasahiana ny fanaovany tsinontsinona ny lalàn’ Andriamanitra. Naverimberiny ny filazana fa tsy mila fifehezana ny anjely, fa tokony havela kosa hanaraka ny sitrapon’ ny tenany izay hitarika azy mandrakariva ho amin’ ny tsara. Nampangainy ho fameperana ny fahafahan’ izy ireo ny didin’ Andriamanitra ka nambarany fa ny fikasany dia ny hanao izay tsy maintsy haharava ny lalàna ; fa raha afaka amin’ ny fameperana ireo tafiky ny lanitra dia hiditra amin’ ny fari-piainana ambony kokoa sy be voninahitra kokoa.HM 516.2

    Niray hina i Satana sy ny tafiny hampianjera eo amin’ i Kristy ny fanamelohana noho ny fikomiany, satria hono raha tsy nomentsiny izy, dia tsy ho nikomy mihitsy koa. Noho ilay mpikomy raindahiny sy ireo mpomba azy nikiribiby tamin’ ny fivadihany tamin’ Andriamanitra sady nihaika Azy, ary nitady handrodana ny fanjakany — kanefa tsy nahomby — satria nihambo izy ireo fa tsy nanan-tsiny voan’ ny tsindrihazolena, dia voaroaka niala tany an-danitra izy nony farany.HM 517.1

    Ny toe-tsaina izay nahatonga ny fikomiana tany an-danitra no mbola manentana koa ny fikomiana ety an-tany. Notohizan’ i Satana tamin’ ny olona ny tetika nampiasainy tamin’ ny anjely. Manjaka ao amin’ny zanaky ny tsy fanarahana izao ny toe-tsainy. Tahaka ny nataony, dia mitady ny hanapaka ny fifehezan’ ny lalàn’ Andriamanitra izy ireo ka hampanantena fahafahana amin’ ny olona amin’ ny alalan’ ny fandikana ny didiny. Mbola mampirongatra ny fankahalana sy ny fanoherana ihany ny fanakianana noho ny fahotana. Rehefa entina amohazana ny feon’ ny fieritreretana ireo hafatra fampitandremana avy amin’ Andriamanitra, dia taomin’ i Satana ny olona hanamarin-tena sy hitady ny hafa hiandany aminy amin’ ny filibany amin’ ny fahotana. Tsy manitsy ny fahadisoany izy ireo, fa mamporisika ny fahasosorana amin’ ilay mpananatra, tahaka ny izy iny no hany iavian’ ny olana. Hatramin’ ny andron’ i Abela marina ka hatramin’ izao androntsika izao dia toy izany ny toe-tsaina aseho tamin’izay sahy nanameloka ny fahotana.HM 517.2

    Ny fanehoana tsy araka ny marina ny toetran’ Andriamanitra, toy ny efa nataony tany an-danitra, ka nahatonga ny olona hihevitra an’ Andriamanitra ho masiaka sy lozabe, no mbola hitarihan’ i Satana ny olombelona hanota. Ary satria nahomby hatrany izy dia nambarany fa ireo fameperana tsy an-drariny nataon’ Andriamanitra no nahatonga ny fahalavoan’ ny olona, tahaka ny efa nitaoman’ izany azy ho amin’ ny fikomiana.HM 517.3

    Nefa manambara ny toetrany Ilay maharitra mandrakizay : «Jehovah Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana, mitahiry famindrampo ho an’ ny olona arivo mandimby ; mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka»5Eks.34:6,7.HM 517.4

    Tamin’ ny nandroahana an’ i Satana avy tany an-danitra, dia naneho ny fahamarinany Andriamanitra ary nihazona ny voninahitry ny seza fiandrianany. Fa rehefa nanota kosa ny olona tamin’ ny fanekeny ny fitak’ io fanahy nivadika io, dia naneho porofo mibaribary ny fitiavany Izy tamin’ ny fanolorany ny Zanani-lahy tokana ho faty ho an’ ilay taranaka lavo. Eo amin’ ny fanavotana no anambarana ny toetra amam-panahin’ Andriamanitra. Asehon’ ny fonjankevitra mahery vaika avy amin’ ny hazo fijaliana ho hitan’ ny tontolo rehetra fa tsy azo iampangana na oviana na oviana ny fitondrampanjakan’ Andrimanitra ny lalam-pahotana nofidin’ i Losifera.HM 518.1

    Afa-tsarona ny tena toetran’ ilay mpamitaka lehibe teo amin’ ny fifanoheran’ i Kristy sy Satana, nandritra ny fotoana niasan’ ny Mpamonjy tety an-tany. Tsy nisy fomba nahomby kokoa nampiombotra niala tamin’ i Satana ny fitiavan’ ireo anjely sy ny an’ ireo mponina an-danitra tsy nanota, noho ny ady feno halozana nataony tamin’ ny Mpanavotra an’ izao tontolo izao. Ny fitenenan-dratsy sahisahy nataony tamin’ ny nangatahany an’ i Kristy hiankohoka teo anatrehany, ny fahasahiany feno fireharehana nitondrany Azy ho any an-tampon-tendrombohitra sy ny tempoly, ny fikasan-dratsiny mifono hafetsena tamin’ ny namporisihany Azy hianjera avy tamin’ ny toerana avo mahafanina, ny haromotany tsy nahalala fiatoana nihaza Azy hatraiza hatraiza, ka nanainga ny fon’ ny mpisorona sy ny vahoaka hitsipaka ny fitiavany, ary tamin’ ny farany dia hiantsoantso hoe : «Homboy ! Homboy !» amin’ ny hazo fijaliana Izy izany rehetra izany dia nahazendana sy nahatezitra an’ izao rehetra izao.HM 518.2

    Satana no nanosika an’ izao tontolo izao hitsipaka an’ i Kristy. Nampiasain’ ilay andrianan’ ny ratsy ny heriny rehetra sy ny hafetseny rehetra handringanana an’ i Jesosy ; hitany mantsy fa ny famindrampo sy ny fitiavan’ ny Mpamonjy, ny fiantrany sy ny halemem-panahiny feno fangorahana, dia mampiseho amin’ izao tontolo izao ny toetra amam-panahin’ Andriamanitra. Notoherin’ l Satana avokoa ny fanambarana rehetra nataon’ ny Zanak’ Andriamanitra ary nampiasa ny olona ho fitaovana enti-mameno fahoriana sy fijaliana ny fiainan’ ny Mpamonjy izy. Ny hevi-diso toa marina sy ny fitaka izay niezahana hanakantsakanana ny asan’ i Jesosy, ny fankahalana niseho tamin’ ny alalan’ ny zanaky ny tsy fanarahana, ireo fiampangany lozabe nataony tamin’ Ilay Anankiray Izay niaina tamin’ ny hatsaram-panahy tapitr’ ohatra, izany rehetra izany dia nipoitra avy tamin’ ny otri-po te-hamaly faty. Ny afon’ ny fialonana sy ny faharatsiam-panahy, ny fankahalana sy ny valifaty nokoboniny, dia nidedadeda teo Kalvary nandoro ny Zanak’ Andriamanitra, fa ny lanitra manontolo kosa dia sina sy tsiravina raha nibanjina izany toe-javatra izany.HM 518.3

    Rehefa vita ilay sorona lehibe dia niakatra ho any amin’ ny avo Kristy ary nolaviny ny fiankohofan’ ny anjely mandra-panehoany ilay fangatahany hoe : «Tiako mba ho any amiko amin’ izay itoerako ireo izay nomenao Ahy»6Jao. 17 : 24. Tamin’ izay dia tonga ny valiny nivoaka avy tamin’ ny seza fiandrianan’ ny Ray, nitafotafo fitiavana sy hery tsy hay lazaina nanao hoe : «Aoka ny anjelin’ Andriamanitra rehetra hiankohoka eo anatrehany»7Heb.1:6. Tsy nisy pentina tafajanona teo amin’ i Jesosy. Tapitra hatreo ny fampietrena Azy, feno ny sorona nataony, ary dia nomena anarana ambonin’ ny anarana rehetra Izy.HM 519.1

    Ankehitriny dia mihanjahanja tsy misy fialan-tsiny intsony ny fahamelohan’ i Satana. Efa nasehony ny tena toetrany mahampandainga sy mpamono olona azy. Hita izao fa ilay fanahy nifehezany ny zanak’ olombelona teo ambanin’ ny fahefany dia ho nasehony koa raha tahiny navela hanapaka ireo mponin’ ny lanitra izy. Nihambo izy fa hitondra fahafahana sy fisandratana ny fandikana ny lalàn’ Andriamanitra ; hita kosa anefa fa fanandevozana sy fitotonganana no vokany.HM 519.2

    Niseho teo amin’ ny tena fahazavany ny fiampangana mandainga nataon’ i Satana amin’ ny toetran’ Andriamanitra sy ny fitondrampanjakany. Niampanga an’ Andriamanitra ho tsy nitady afa-tsy fanandratan-tena Izy tamin’ ny fitakiany fanekena sy fankatoavana tamin’ ireo nohariany, ary nolazainy fa raha mitaky fandavan-tena amin’ ny hafa rehetra ny Mpamorona, Izy kosa anefa dia tsy mahay mandà ny tenany ary tsy nahafoy na inona na inona. Hita anefa ankehitriny fa mba ho famonjena ilay taranaka lavo sy feno fahotana dia efa nanao ny fahafoizan-tena lehibe indrindra azon’ ny fitiavana natao Ilay Mpanapaka an’ izao rehetra izao; fa «Andriamanitra ao amin’ i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy»82 Kor. 5 : 19. Hita koa, fa raha nampidanadana ny varavarana hidiran’ ny fahotana i Losifera noho ny faniriany hahazo ny voninahitra sy ny fahefana fara-tampony, Kristy kosa dia nampietry ny tenany ary nankatò hatramin’ ny fahafatesana, mba handringanana ny fahotana.HM 519.3

    Efa nasehon’ Andriamanitra ny faharikorikoany ny foto-kevitra iorenan’ ny fikomiana. Hitan’ ny lanitra manontolo ny fahamarinany voaseho na teo amin’ ny fanamelohana an’ i Satana na teo amin’ ny fanavotana ny olona. Nambaran’ i Losifera fa raha tsy azo ovana ny lalàn’ Andriamnitra, ary tsy azo foanana ny sazin’ ny tsy fankatoavana dia tsy maintsy ho voaroaka mandrakizay tsy ho amin’ ny fankasitrahan’ Andriamanitra izay rehetra mandika ny lalàny. Notakiny ny tsy ahazoana manavotra intsony ny taranaka nanota ka dia ho hazany ara-dalàna izy. Fonjan-kevitra hoenti-mamonjy ny olona tsy azo lavina anefa ny fahafatesan’ i Kristy. Nianjady tamin’ Ilay mitovy amin’ Andriamanitra ny sazin’ ny lalàna, koa manana fahafahana hanaiky ny fahamarinan’ i Kristy ny olombelona ary afaka handresy amin’ ny alalan’ ny fiaiken-keloka sy fanetrentena, tahaka ny efa nandresen’ ny Zanak’ Andriamanitra koa , ny herin’ 1 Satana. Noho izany dia sady marina Andriamanitra no manamarina koa izay rehetra mino an’ i Jesosy.HM 520.1

    Tsy hanatanteraka ny fanavotana fotsiny anefa no nahatongavan’ i Kristy teto an-tany hijaly sy ho faty. Tonga koa Izy «hahalehibe ny lalàna sy hahabe voninahitra» azy. Tsy ny mba hahatonga ny mponina eto amin’ ity izao tontolo izao ity ihany hihevitra ny lalàna araka izay tokony hiheverana azy ; fa koa mba hanehoana amin’ ny tontolo rehetra fa tsy azo ovana ny lalàn’ Andriamanitra. Raha azo natao mantsy ny tsy niraharaha izay takiany, dia tsy ho nilaina akory ny nanoloran’ ny Zanak’ Andriamanitra ny ainy ho avotra noho ny fandikana izany. Voaporofon’ ny fahafatesan’ i Kristy mazava fa tsy azo ovana ny lalàna. Ary ny sorona izay naneren’ ny fitiavana mandrakizay ny Ray sy ny Zanaka hatao, mba hanavotana ny mpanota, dia mampibaribary amin’ izao rehetra izao manontolo — ary izay latsaka noho io drafitry ny fanavotana io dia tsy ho nahavita izany — fa fahamarinana sy famindrampo no fanorenan’ ny lalàna sy ny fitondram-panjakan’ Andriamanitra.HM 520.2

    Amin’ ny fampiharana farany ny didim-pitsarana dia ho hita fa tsy misy antony hisian’ ny fahotana. Rehefa hanontany an’ i Satana ny Mpitsara ny tany rehetra hoe: «Nahoana ianao no nikomy tamiko, ary nandrombaka avy teo an-tanako ireo olona teo amin’ ny fanjakako?» dia tsy hanan-kalahatra ilay niavian’ ny ratsy. Ho tampina ny vava rehetra ary ho sina ny tafiky ny fikomiana rehetra.HM 520.3

    Manambara ny tsy fiovan’ ny lalàna ny hazo fijalian’ i Kalvary sady mitory amin’ izao rehetra izao fa fahafatesana no tambin’ ny ota, Teo amin’ ny antso nataon’ ny Mpamonjy teo am-pialan’ aina hoe «Vita», no nanenoan’ ny lakolosim-paty ho an’ i Satana. Tapaka tamin’ izay ny amin’ ilay ady lehibe izay efa ela loatra no naharetany, ary azo antoka ny fanafoanana hatramin’ ny fakany ny ratsy, Niditra ny varavaram-pasana ny Zanak’ Andriamanitra mba «handringanany amin’ ny fahafatesana ilay manana ny herin’ ny fahafatesana, dia ny devoly»9Heb. 2 : 1 4 . Ny fanirian’ i Losifera hanandran-tena dia nitarika azy hilaza hoe: «Any ambonin’ ny kintan’ Andriamanitra no hanandratako ny seza fiandrianako; ... ho tahaka ny Avo Indrindra aho». Hoy kosa Andriamanitra: «Hataoko tonga lavenona eny ambonin’ ny tany ianao, . . . ary tsy ho ao intsony mandrakizay»10Isa. 1 4 : 1 3 , 1 4 ; Ezek. 28 : 18, 19. «Fa indro, avy ny andro, mandoro toy ny fatana fandoroana izy; ary ny mpirehareha rehetra sy ny mpanao ratsy rehetra dia ho vodivary; ka dia handoro azy ny andro izay ho avy, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, ka tsy hasiana miangana, na ny fakany na ny sampany»11Mal. 3 : 19.HM 520.4

    Izao tontolo rehetra izao no ho tonga vavolombelon’ ny toetry ny fahotana sy ny vokany. Koa ny fandevonana azy tanteraka, izay nety nahatonga tahotra tamin’ ny anjely sy fahafaham-baraka ho an’ Andriamanitra tany am-boalohany, dia hanamarina kosa ny fitiavany sy hampitoetra ny fanajana Azy eo imason’ ny mponina eo amin’ izao rehetra izao izay tia ny manao ny sitrapony ary izay manana ny lalàna ao am-pony. Tsy hiseho intsony na oviana na oviana ny ratsy. Hoy ny tenin’ Andriamanitra: «Tsy hiverina fanindroany ny fahoriana»12Nah. 1 : 9. Hohajaina amin’ ny maha-lalàn’ ny fahafahana azy ny lalàn’ Andriamanitra, izay nokianin’ i Satana ho ziogam-panandevozana. Ny voary izay nandalo fisedrana ka hita ho mahatoky, dia tsy hiala intsony amin’ ny fanaovana Ilay voaseho tanteraka teo anatrehany fa ny toetrany dia fitiavana tsy hita fetra sy fahendrena tsy takatry ny saina.HM 521.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents