Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fanantenana Lehibe

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 4 - Fiainana Mandrakizay

    I Satana, Ilay nampirisika ny fikomiana tany an-danitra, dia naniry koa ny hitarika ny mponina etý an-tany hiandany aminy eo amin’ny ady ataony amin’Andriamanitra. Safononoka ny fahasambaran’i Adama sy i Eva raha mbola nitandrina ny lalàn’Andriamanitra izy ireo, ary izany dia vavolombelona hatrany nanohitra ny teny nantitranterin’i Satana tany an-danitra, izay milaza fa manandevo ny lalàn’Andriamanitra. Tapa-kevitra ny handavo azy ireo [i Adama sy i Eva] izy, amin’izay dia ho lasany koa ny tany ka haoriny eto ny fanjakany izay hifanohitra amin’ny an’ny Avo Indrindra.IFL 31.1

    Efa nampitandremana ny amin’io fahavalo mampidi-doza io i Adama sy i Eva; tao amin’ny haizina anefa no niasany, ary nafeniny ny fikasany. Ny menarana, izay biby nanana endrika maha-te hizaha tamin’izany fotoana izany, no nataon’i Satana fiasana, ka niteny tamin’i Eva izy nanao hoe: «Hanky! Efa nataon’Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra eo amin’ny saha? ” - Gen. 3:1. Sahisahy nanandrankandrana nifampidinika taminy i Eva ka nanjary hazan’ny hafetseny. «Fa hoy ravehivavy tamin’ny menarana: ny voan’ny hazo eo amin’ny saha dia azonay ihinanana ihany; fa ny voan’ny hazo eo afovoan’ny saha kosa no efa nataon’Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo na tendrenareo izany, fandrao maty hianareo. Ary hoy ny menarana tamin-dravehivavy: tsy ho faty tsy akory hianareo; fa fantatr’Andriamanitra fa amin’izay andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an’Andriamanitra hianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy» - Gen. 3:2-5.IFL 31.2

    Nitolo-batana ho resin’ny fakam-panahy i Eva, ary noho ny fitaomany dia voatarika hanota koa i Adama. Neken’izy ireo ny tenin’ny menarana; tsy natoky ny Mpahary azy izy ireo ka nihevitra fa namepetra ny fahafahany Andriamanitra.IFL 31.3

    Inona anefa no hitan’i Adama fa hevitry ny teny hoe: «Amin’ny andro izay hihinananao azy dia ho faty tokoa hianao». Hahatonga azy ho tafakatra amin’ny fari-piainana ambonimbony kokoa ve izany? Nefa tsy izany no hitan’i Adama ho dikan’ny tenin’Andriamanitra. Nilaza Andriamanitra fa ho sazin’ny fahotana nataony, dia hiverina amin’ny tany nakana azy ny olombelona. «Fa vovoka hianao, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray hianao” - Gen. 3:19. Ny teny nataon’i Satana hoe: «Hahiratra ny masonareo», dia hita fa marina amin’izao lafiny izao ihany: nihiratra ny masony ka hitany mazava ny hadalany! Nahalala ny ratsy tokoa izy, ary nanandrana ny vokatra mangidin’ny fandikan-dalàna.IFL 31.4

    Nanan-kery hampaharitra ny fiainana ho mandrakizay ny hazon’aina. Tokony ho afaka malalaka nankeo amin’io hazo io i Adama, ka ho velona mandrakizay. Nefa rehefa nanota izy, dia tsy nahazo nankeo amin’ny hazon’aina intsony, ary nanjary nety maty. Voasakan’ny fandikan-dalàna ny tsy fahafatesana mandrakizay. Tsy ho nisy fanantenana ho an’ny taranaka lavo, raha tsy nataon’Andriamanitra mety ho azony tamin’ny alalan’ny nanaterany ny Zanany ho fanatitra ny tsy fahafatesana. Fa raha «nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra”, i Kristy kosa dia nampiseho mazava tamin’ny filazantsara «ny fiainana sy ny tsi-fahalovana mandrakizay» - Rôm. 5:12; 2 Tim. 1:10. Amin’ny alalan’i Kristy irery ihany no mety hahazoana ny fiainana mandrakizay. «lzay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana” - Jao. 3:36.IFL 32.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents