Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fanantenana Lehibe

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ezahin’i Satana hazonina ao ambanin’ny vahohony ny olona

    Amin’ny alalan’ireo hevi-diso roa lehibe, dia ny tsy fahafatesan’ny fanahy sy ny fahamasinan’ny Alahady, no hitarihan’i Satana an’izao tontolo izao ho babon’ny fitaka ataony. Raha mampitoetra ny foto-kevitry ny filalaovana angatra itsy voalohany, ity faharoa kosa mamitram-pihavanana amin’i Rôma.IFL 80.2

    Amin’ny alalan’ny filalaovana angatra i Satana dia miseho ho toy ny mpanasoa ny taranak’olombelona, manasitrana ny aretin’ny olona izy, ary milaza fa manolotra fomba vaovao hoenti-maneho ny finoana an’Andriamanitra; nefa miaraka amin’izany koa ary vahoaka marobe no voasarika ho amin’ny fahafatesana. Mampitotongana ny saina mandanjalanja ny tsy fahalalana onony; manaraka ho azy ny fanaranam-po amin’ny filana, ny adilahy, ary ny fandatsahan-dra. Mampirongatra ny fironana ratsy indrindra ao amin’ny fanahy ny ady sady mifaoka ho any amin’ny mandrakizay izay rembiny mihosina ao amin’ny fanaovan-dratsy sy ny ra. Mampirisika ny firenena hiady izy, satria amin’izany dia azony atao ny mampivily ny sain’ny olona hiala amin’ny asa fiomanana ho amin’ny andron’Andriamanitra.IFL 80.3

    Nianaran’i Satana ny tsiambaratelon’ny zavaboary ka ampiasainy ny heriny rehetra hifehezany azy hatramin’izay fetra avelan’Andriamanitra. Andriamanitra no miaro ny noforoniny sy mamefy azy tsy ho azon’ny herin’ilay mpandringana. Nanamavo ny lalàn’i Jehôvah anefa ny mpivavaka kristianina; koa hotanterahin’i Jehovah izay efa nambarany fa hataony. Hoesoriny ny fiarovana sy ny fikarakarany ireo izay mikomy amin’ny lalàny ka mampianatra sy manery ny hafa hanao toy izany koa. Mifehy ireo rehetra izay tsy arovan’Andriamanitra amin’ny fomba manokana i Satana. Misy omeny tombontsoa sy ambininy mba hahalavorary ny fikasany, ary ny hafa kosa hampahoriny mba hitaomany ny olona hino fa Andriamanitra no mampahory azy.IFL 80.4

    Eo an-daniny dia hiseho amin’ny zanak’olombelona ho toy ny dokotera lehibe afaka hanasitrana ny aretina rehetra izy, nefa amin’ny ankilany dia hahatonga aretina sy fandringanana koa, mandra-paharava sy hahafongana ireo tanàn-dehibe be mponina. Efa miasa sahady izy izao. Izy no mahatonga ny loza sy ny antambo an-dranomasina sy an-tanety, ny hain-tany midadasika. ny tadio misafotofoto sy ny havandra mahatsiravina, ny tafio-drivotra, ny tondran-drano, ny rivo-doza, ny fisamontan’ny onjan-drano, ary ny horohoron-tany, amin’ny endrika an’arivony. Mifaoka ny vokatra efa masaka izy, ka avy ny mosary sy ny fahoriana. Poizininy ny rivotra ka an’arivony no matin’ny areti-mandringana.IFL 81.1

    Avy eo dia handresy lahatra ny olona ilay mpamitaka lehibe hiampanga ireo izay mitandrina ny didin’Andriamanitra ho niavian’ny fahoriany rehetra, satria ny fankatoavan’ireo dia faniniana lalandava ny mpandika lalàna. Holazaina fa mampahatezitra an’Andriamanitra ny olona amin’ny fandikany ny Alahady; ka io fahotana io no nahatonga ireo antambo izay tsy hijanona raha tsy efa hamafisina fatratra ny fitandremana ny Alahady. Ireo izay mandrava ny fanajana ny Alahady dia misakana ny fiverenan’ny fankasitrahan’ Andriamanitra sy ny fanambinana. Noho izany dia hiverina indray ny fiampangana natao fahiny tamin’ny mpanompon’Andriamanitra. “Ary nony hitan’i Ahaba i Elia, dia hoy izy taminy: Hay! Tonga ety hianao, ry ilay mampidi-doza amin’ny Isiraely?”-1 Mpanj. 18:17,18.IFL 81.2

    Ireo manaja ny Sabatan’ny Baiboly dia hampangaina ho fahavalon’ny lalàna sy ny filaminana, ho mpandrodana ny lalàna mamefy ny fiainana ara-pitondrantena eo amin’ny tany amamonina, ka mahatonga fanjakan’lbaroa sy fahalotoampitondrantena, sady miantso ny fitsaran’Andriamanitra hianjady amin’ny tany. Hampangaina ho tsy manaja ny fanjakana izy ireo amin’izany. Hisy mpitandrina izay handà ny tsy maintsy hitandremana ny lalàn’Andriamanitra ka hamelabelatra eny ambony polipitra ny adidy amin’ny fankatoavana ny lalàm-panjakana. Haseho amin’ny endrika diso any amin’ny antenimieran-dalàna sy eny amin’ny fitsarana ireo mpitandrina ny didin’Andriamanitra ka hohelohina. Haolana ny hevitry ny teniny, ary lazaina fa izao fihetseham-po tsy mahomby rehetra izao no antony nanentana azy.IFL 81.3

    Hiray hina ireo olo-manan-kaja ao amin’ny fiangonana sy ao amin’ny fitondram-panjakana handresy lahatra na hanery ny rehetra hanaja ny Alahady. Ary na dia any Amerika tanim-pahafahana aza, ireo mpifehy sy mpanao lalàna dia hilefitra amin’ny fitakian’ny besinimaro ka hanao lalàna hanamafy ny fitandremana ny Alahady. Tsy hohajaina intsony ny fahafahana ara-pivavahana izay nanaovana sorona lehibe tokoa. Ho hitantsika eo amin’ilay ady izay ho avy tsy ho ela ny fahatanterahan’ny tenin’ny mpaminany manao hoe: “Dia tezitra tamin’ilay vehivavy ny dragon a ka Iasa nandeha hiady tamin’ny zanany sisa, izay mitandrina ny didin’Andriamanitra sy mitana ny filazana an’i Jesosy“Apôk. 12:17.IFL 82.1

    Hidodododo hatraiza hatraiza ny mpanompon’Andriamanitra hitory ny hafatra avy any an-danitra, ary ny tavany hazava sy hamirapiratra noho ny fanokanan-tena masina. Hisy fahagagana hatao, hositranina ny marary. Hanao fahagagana mamitaka koa i Satana, ary hampidina afo avy any an-danitra mihitsy eo imason’ny olona izy (Apôk. 13:13). Amin’izany dia hisafidy izay hombàny ny mponina etỳ an-tany.IFL 82.2

    Tsy fonjan-kevitra loatra fa fandresen-dahatra avy amin’ny Fanahin’Andriamanitra no hitoriana ny hafatra. Efa naseho ny fonjan-kevitra, ireo lahatsoratra nozarain’ny mpanao asa misiônera dia efa nanao ny asany mangina, nefa betsaka no voasakana tsy hahazo ny fahamarinana tamin’ny fomba feno. Ankehitriny kosa dia hita mibaribary ny fahamarinana. Ny rohim-pianakaviana, ny fifandraisana eo amin’ny fiangonana, dia tsy manan-kery hitana ireo Zanak’Andriamanitra tso-po izao. Na dia eo aza ireo fiasana miaramioko hanohitra ny fahamarinana, dia maro no hiandany amin’i Jehôvah.IFL 82.3

    Ireo izay manaja ny lalàn’Andriamanitra no heverina ho antony mahatonga izao fikorontanana mahatsiravina eo amin’ny zava boary izao sy ny ady mbamin’ny ra mandriaka eo amin’ny olona izay mahafeno fahoriana ny tany. Mampisafoaka ny ratsy fanahy ny hery izay nomba ny hafatra fampitandremana farany; ary mainka hampirisihin’i Satana hihamafy hatrany ny fanahin’ny fankahalana sy ny fanenjehana ireo rehetra nandray ny hafatra.IFL 82.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents