Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fanantenana Lehibe

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Antso fampiomanana

    Noho izany andro lehibe izany dia miantso ny vahoakany ny Tenin’Andriamanitra mba hitady ny tavany amin’ny fibebahana:IFL 78.1

    Fa avy ny andron'i Jehovah, eny efa antomotra izany. “Manamasina andro fifadian-kanina, miantsoa fivoriana masina. Angòny ny vahoaka, manamasina fiangonana, vorio ny loholona, angòny ny ankizy madinika (...) Eo anelanelan’ny lavarangana fidirana sy ny alitara no aoka hitomanian’ny mpisorona, manao fanompoam-pivavahana ho an’i Jehovah.” “Miverena amiko amin’ny fonareo rehetra, ary amin’ny fifadian-kanina sy ny fitomaniana ary ny fitarainana. Ary ny fonareo no triatriaro fa tsy ny fitafianareo, ary miverena amin’i Jehovah Andriamanitrareo; fa mamindra fo sy miantra Izy, mahari-po sady be famindrampo ary manenina ny amin’ny loza.” - Joe. 2:1,15-17,12,13.IFL 78.2

    Nisy asa fanavaozana lehibe tsy maintsy natao mba hanomanana vahoaka hijoro amin’ny andron’Andriamanitra. Noho ny famindrampony dia efa handefa hafatra Izy hanairana ireo milaza azy ho vahoakany sy hitarihana azy ireo ho vonona amin’ny fiavian’ny Tompo.IFL 78.3

    Aseho ao amin’ny Apôkalipsy 14 io fampitandremana io. Misy hafatra telo sosona ao izay lazaina fa torin’ny anjely avy any andanitra, ary arahin’ny fiavian’ny Zanak’olona avy hatrany hijinja “ny vokatry ny tany. ” Hitan’ny mpaminany fa indro nisy anjely anankiray nanidina ” teo afovoan’ny lanitra, nanana filazantsara mandrakizay hotorina amin’izay monina ambonin’ny tany sy amin’ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny, ary ny olona rehetra, nanao tamin’ny feo mahery hoe: Matahora an’Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro fitsarany; ary miankohofa eo anoloan’lzay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano.” Apôk. 14:6,7.IFL 78.4

    Voalaza fa ao anatin’ny “filazantsara mandrakizay” io hafatra io. Nankinina tamin’ny olombelona ny asa fitoriana ny filazantsara. Ny anjely masina no mitarika, fa ny tena fitoriana ny filazantsara dia ny mpanompon’i Kristy eto an-tany no manatontosa izany.IFL 78.5

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents